Antso ara-mpaminaniana maika avy amin'ny filohan'ny Fiangonana Advantista Maneran-tany


 

Ted N.C Wilson, Filohan'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito manerantany

Ry rahalahy sy anabavy ao amin’i Kristy !

Amin’ny maha-filohan’ny Foibe Maneran-tanin’ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito ny tenako dia tena azoko antoka ary fantatro fa ny fiangonana dia eo am-pelatanan’Andriamanitra. Izy no mpanorina, mpitarika, kapiteny, jeneraly ary ny tena lohany. Efa notahiany hatrany ny fihetsehana tamin’ny lasa, tohanany mandrakariva ankehitriny ary hotarihiny amin’ny hery ho amin’ny ho avy. Ilay Mpamorona sy Mpanavotra ary Mpanjakantsika izay ho avy, Izy irery ihany no hany fanantenan’ny Fiangonana, anio sy rahampitso ary ho mandrakizay. Noho ny famindrampon’Andriamanitra dia navelany hiorina ny fiangonana mba hanatanteraka asa manokana izay hotanterahiny satria izany no nanorenan’i Kristy azy.

 

Ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito dia fihetsehana ara-paminaniana izay manana ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana manan-danja tokoa. Tsy hoe antokom-pivavahana iray fotsiny amin’ireo fihetsehana hafa akory isika. Fihetsehana avy amin’Andriamanitra amin’izao andro farany izao, manana ny tanjona ny amin’izao andro farany izao, manana hafatra ho an’izao andro farany izao ary manana iraka ho an’izao tontolo izao amin’izao andro farany izao.

 

Tsy midika akory izany fa tsy manana ny fihaikana ho azy manokana ny fiangonana. Raha ny marina dia tena manana tokoa izy ary lazaiko aminareo marina tokoa tsy am-pambihambana ny sasany amin’izy ireo androany. Saingy ao anatin’izany fihaikana izany dia miasa amin-kery tokoa ny Fanahy Masina ary azo antoka ny fandresena farany ho an’ny Fiangonana.

 

Ny fiangonana no vatan’i Kristy

 

Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 16 :18 «…Haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. » Io fiangonana io dia tsy rafitra naorin’olombelona na nataon’ny tanan’olombelona, araka ny ezahin’ny hafa hampino antsika izany. Araka ny teny izay ny Tompo mihitsy no nilaza azy dia Izy no nanorina ny fiangonany ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Ao amin’ny 1 Korintiana 12 dia tenan’i Kristy ny fiangonana. Ao amin’ny Efesiana 5 dia vadin’i Kristy ny fiangonana. Ny 1 Petera 2 dia milaza fa tranon’i Kristy ny fiangonana. Ao amin’ny 1 Petera2 :9 dia milaza ny apostoly fa ny olon’Andriamanitra dia «taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany. »

 

Ellen White, ilay mpaminany vavy avy amin’ny Tompo ho an’ny taranaka farany dia nanambara toy izao :« Ny fiangonana no tanàna mimandan’Andriamanitra, tanànany fandosirana, izay apetrany eo amin’izao tontolo izao mikomy. Izay rehetra fivadihan’ny fiangonana dia famadihana an’Ilay nividy ny taranak’olombelona tamin’ny ran’ny Zananilahy tokana. Nisy hatramin’ny voalohany, fanahy mahatoky nampijoro ny fiangonana teto an-tany. Tamin’ny fotoan’andro rehetra dia nanana ny mpitiliny Jehovah, izay vavolombelona mahatoky teo amin’ny taranaka niara-belona taminy. Nitondra hafatra fampitandremana ireo mpitily ireo, ary rehefa nantsoina hametraka ny fiadiany izy ireo, dia nisy hafa nandray ny asa. Nanao fanekena tamin’ireo vavolombelona ireo Andriamanitra ka nampiray ny fiangonana teto an-tany tamin’ny fiangonana any an-danitra. Nalefany ny anjeliny hanao ny asa fanompoana ho an’ny fiangonany ka tsy afaka handresy ny vahoakany ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita.»Vavolombelona Mahery p.13§1

 

Hazonin’i Kristy eo am-pelatanany ny fiangonany. Izy no manda sy tanàna fialofana eto amin’ity planeta mikomy ity. Jiro ao anatin’ny haizina, jirobe ao anatin’ny alina, jiro mamirapiratra eo amin’ny lalana maizina. Tohizan’I Ellen White ao amin’ny boky Vavolombelona Mahery ny teniny feno toky manao hoe :«Nanohana ny fiangonany Andriamanitra nandritra ny taonjato nisian’ny fanenjehana, ny ady ary ny haizina. Tsy misy singan-drahona iray nianjera tamin’izany ka tsy nanomanany azy ; tsy nisy hery nitsangan-kanohitra ny asany ka tsy efa hitany mialoha. Niseho araka izay nambarany mialoha ny zavatra rehetra. Tsy navelany ho nafoy ny fiangonany, fa nosoritany tamin’ny fanambaran’ny faminaniana izay hitranga, ary izay tsindrimandry nampitenenin’ny Fanahiny mialoha tamin’ny mpaminany dia tanteraka. To ny fikasany rehetra. Mifamatotra amin’ny seza fiandrianany ny lalàny ka tsy misy herin’ny ratsy maharava izany. Andriamanitra no manainga sy miaro ny fahamarinana ; ary handresy ny fanoherana rehetra izany.» V.M. p.13§2

 

Fandresena eo amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita

 

Tsy maintsy handresy amin’ny farany Kristy sy ny fiangonany. Hatramin’izao dia tsy mbola nisy mihitsy faharesena teo amin’i Kristy tamin’ny ady nataony tamin’i Satana. Nandresy ny fahefana sy ny fiainan-tsi-hita Izy teo amin’ny hazo fijaliana. Izaho sy ianao dia samy eo amin’ny laharan’ny mpandresy araka hilazan’ilay hira tranainy amin’ny fomba mahery vaika hoe «Mandrosoa izao ry miaramilan’i Kristy», nosoratan’i Sabine Baring-Gould tamin’ny taona 1864 « Ny satro-boninahitra sy ny fiandrianana dia mety ho simba, ny fanjakana dia hisondrotra sy hietry, Saingy ny fiangonan’i Jesosy kosa dia tsy hihontsona. Ny fiainan-tsi-hita tsy hanampahefana mandrakizay amin’io fiangonana io ; Manana ny teny fikasan’i Kristy isika, teny fikasana izay hotanterahiny.»

 

Ireo demonin’ny fiainan-tsi-hita dia tsy afaka ary tsy ho afaka mandrakizay ny handrendrika ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiangonany. Handresy ny fiangonan’i Kristy amin’ny farany. Hamirapiratra hatrany ny fahamarinany, hihamitombo, ambarapaha-tanteraky ny voalazan’ny Apokalypsy 18 « ary ny tany nohazavain’ny voninahiny. »

 

Ny fotoana hisafidianana

 

Ny mpanao tononkalo amerikana iray antsoina hoe James Russell Lowell, dia naneho ny faharetan’ny fahamarinana mandrakizay tamin’ireo teny nosoratany tao amin’ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe « la crise actuelle » (ny fotoan-tsarotra ankehitrio) tamin’ny 1844, fotoana marina izay nahaterahan’ny fihetsehana advantista. Tena mari-pototra izy ireo ankehitriny mihoatra nohon’ny tamin’ny fotoana nanoratany azy, am-polo taona maromaro efa lasa. Izao no nosoratany :

« Ho avy ny andro, ho an’ny olona tsirairay sy ny firenena tsirairay, tsy maintsy hisafidianany,

Eo amin’ny ady atao amin’ny fahamarinana sy ny lainga,

Ho an’ny tsara sa ho an’ny ratsy,

Fahamarinana hatrany eo amin’ny lampihazo fanapahan-doha

Ratsy hatrany eo amin’ny seza fiandrianana

Kanefa io lampihazo fanapahan-doha io dia manana hery miasa mangina amin’ny ho avy,

Ary, ao ambadiky ny voalin’ny olon-tsy fantatra,

Andriamanitra dia ao anatin’ny aloka mikarakara ny Azy. »

 

Fitomboana mahatalanjona

 

Ao anatin’ireo ora mametra ny tantaran’ity tany ity dia hitantsika maneran-tany ireo porofo fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia handresy ireo herin’ny ratsy. Fanambarana mazava tsara no maneho amintsika fa mitarika ny fiangonany ho amin’ny fandresena hatrany i Kristy. Andeha hozaraiko aminareo ireto zava-nitranga tsy mampino ireto. Tamin’ny 1863, taona izay nandaminana ny Fiangonana Advantista, dia nisy advantista iray tamin’ny olona 356 000 maneran-tany (1/356 000). Ankehitriny kosa dia misy advantista iray isaky ny olona latsaky ny 400 (1/400). Nila 107 taona ny Fiangonana mba hanatrarana ny iray tapitrisa voalohany teo amin’ny mambra.

 

Amin’izao fotoana izao dia manao batisa olona iray tapitrisa isan-taona isika. Efa ho 25 tapitrisa ny mambra ao anatin’ny fiangonana 70 000 maneran-tany, ao anatin’ny firenena 200 mahery. Miasa Andriamanitra !

 

Miasa amin’ny fomba mahagaga ny Fanahy Masina.

 

Fantatrareo fa ny fifohazana dia ny lehibe sy ny maika indrindra eo amin’ny zavatra rehetra ilaintsika. Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia nanindry mafy ny amin’ny fifohazana sy fanavaozana ary ny iraka isika. Ny fifohazana dia fifohazana ara-panahy izay atao isan’andro ao am-po sy ao an-tsain’ny tsirairay avy amintsika. Ny fanavaozana dia ny fanoloran-tena lalina mikatsaka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, ny hanao izay hahafaly an’i Jesosy isan’andro eo amin’ny fiainantsika sy ny zavatra rehetra izay ataontsika. Ny fanavaozana dia vokatry ny famelantsika isan’andro ny sitrapontsika ho eo ambanin’ny sitrapon’Andriamanitra. Omeny antsika avy eo ny fahatakarana ny iraka hampanaoviny antsika amin’ny maha-isika antsika sy amin’ny maha-fiangonana antsika. Rehefa izany dia manolo-tena ny hanao izay hampifaly Azy amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny famitana izany iraka izany.

 

Ny tena ilaintsika indrindra

 

Moa mila fifohazana sy fanavaozana ve ny fiangonana advantista ? Moa ve fandaharan’asan’ny fiangonana vaovao fotsiny ihany ny fanomezana lanja ny fifohazana sy fanavaozana ? Ny mpitondra hafatr’Andriamanitra ho an’ny olony sisa, Ellen White, dia tsy nanisy fisalasalana ao an-tsaintsika mihitsy nilaza fa :« Ny tena lehibe sy ny ilaintsika maika indrindra dia ny fifohazam-panahy tena izy eo amintsika. Izany no tokony hokatsahintsika voalohany indrindra. Mila manao ezaka mahery vaika tokoa isika mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra. Sanatria tsy Izy akory no tsy te hanome antsika, fa satria isika no tsy mbola vonona ny handray izany. Ny Raintsika any an-danitra dia vonona kokoa ny hanome ny Fanahiny ho an’ireo izay mangataka izany Aminy mihoatra lavitra noho ireo raintsika eto an-tany izay maniry ny hanome zava-tsoa ho an’ireo zanany. Saingy anjarantsika kosa ny manatanteraka ireo fepetra fototra izay nampanantenan’Andriamanitra fa hanomezany ny fitahiany, amin’ny fiaikena ny fahotantsika arahina fanetren-tena sy fibebahana ary vavaka mafana. Tsy ho azo ny fifohazana raha tsy noho ny valim-bavaka. » MC1 141.1 (dikan-teny malalaka) Mahafinaritra tokoa izany teny izany ! Tsy hoe ilaina fotsiny ao amin’ny fiangonana ankehitriny ny fifohazana fa tena ilaina indrindra sy ny tena maika indrindra eo amin’ny lafiny rehetra hany ka hamporisihina isika ny hanao ny fikatsahana azy ho vaindohan-draharaha.

 

Fanirian’ny fo

 

Azoko atao ve ny manokatra ny foko ho anao anio ? Raha tsy eo ny hery mahery vaika avy amin’Andriamanitra dia tsy ho tanteraka mihitsy ny asany eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’izao tontolo izao. Tsy hahavita ny handresy ny herin’ny ratsy raha isika irery. Amin’ny maha-filohan’ny Fiangonana Advantista Maneran-tany ny tenako dia faniriako lalina indrindra ny handray ny firotsahan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako manokana.Ary tsy misy faniriako lalina mihoatra noho ny hirotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny fahafenoany mba hamitana ny asan’Andriamanitra eto amin’ity tany ity mba hiverenan’i Jesosy ilay fanantenantsika lehibe! Tsy fandaharan’asa marobe, na volabe, na ireo sampan’asa maro toy ny sekoly na hopitaly, na haino aman-jery sy trano fanontana boky aman-gazety no tena ilain’ny fiangonana ankehitriny, eny fa na dia samy manana ny maha-zava-dehibe azy daholo aza ireo rehetra ireo. Ny tena ilaintsika indrindra sy ny tena maika indrindra dia ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Hoy ny mpaminany Zakaria nanambara izany « Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. »

 

Irianao ve ny hiaraka amiko sy amin’ireo mpitarika hafa eo anivon’ny fiangonana advantista ary ireo mambra maneran-tany ka hanetry ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny vavaka aminkitsim-po hikatsaka ny orana mivatravatran’ny Fanahy Masina ? Irinareo ve ny hiaraka aminay, hangataka amin’Andriamanitra izany amin’ny fahafenoany? Irianareo ve ny hitady an’Andriamanitra miaraka aminay ao amin’ny Diviziona misy anareo, ny Fivondronambe misy anareo, ny Federasiona na ny Misiona, sy ireo saha misionera ary ireo fiangonanareo manerana izao tontolo izao ? Fanirianareo ve ny hiantso an’Andriamanitra eo anivon’ny vondrom-bavaka ataonareo, ny fianakavianareo, ny tokantranonareo, miaraka amin’ireo mambran’ny fiangonana misy anareo mba hahatonga ny fiangonana tsirairay avy ho tranom-bavaka ? Miantso antsika mba hanana fanoloran-tena lalina Andriamanitra, indrindra amin’izao fotoana fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny tantaran’ny tany izao. Tsy fotoana “filalaovana ao am-piangonana” intsony izao. Fotoana izay tokony hanoloran-tena tanteraka amin’ny fahafenoany ho an’i Kristy sy ho an’ny hafatra avy Aminy izao.

 

Firaisana ao anatin’ny vavaka

 

Hitranga ny fifohazana rehefa mandany fotoana miaraka amin’Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny fianarana ny Baiboly isika. Ary izany indrindra no antony nanaovantsika ilay vavaka 7-7-7, hamporisika ny advantista mitandrina ny andro fahafito maneran-tany mba hiray ao amin’ny vavaka fito andro ao anatin’ny herinandro amin’ny 7 ora maraina sy amin’ny 7 ora hariva. An’arivony maro amin’ireo mambra advantista mitandrina ny andro fahafito no mandray anjara amin’izany fandaharana izany ary samy nahazo famelombelomana. Nisy iray tamin’ireo mpitarika eto anivon’ny Foibe Maneran-tany no nandalo tany amin’ny firenena Indonezia vao tsy ela akory izay. Mpamilin’ny federasiona teo an-toerana no nitondra azy tamin’ny fiara mba hamonjy fotoana iray. Naneno ny fanairana amin’ny famantaranandron’ilay mpamily satria amin’ny 7 ora hariva ny andro. Niteny malefaka ilay mpamily « Voatery haka sisin-dalana hijanona isika. Amin’ny 7 ora izao ka tokony hiaraka hivavaka amin’ireo advantista maneran-tany isika mba hirotsahan’ny Fanahy Masina. »

 

Maro ireo laika maneran-tany no mitambatra sy miaraka amin’ireo mpitarika ny fiangonana mba hitady an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Teniny. Ny sasany amin’ireo an’arivony maro no mandray anjara amin’ny « Velomin’ny Teniny», fandaharana hianarana Baiboly isan’andro izay mitarika ny fiangonana amin’ny famakiana ny Baiboly iray manontolo mandra-pahatongan’ny fivoriambe fiheveran-draharahan’ny Foibe Maneran-tany any San Antonio amin’ny 2015. Ireo mpitondran’ny fiangonana any Brezila dia nitatitra fa maro dia maro tokoa ireo olona izay mampiasa ny tambajotra sosialy “twitter” no mitantara ireo fanandramana lalovany amin’ny fanarahana ny fandaharana fianarana ny Baiboly « Velomin’ny Teniny», isan’andro isan’andro, toko iray isan’andro, hany ka tafakatra fahatelo manerana ny firenen’i Brezila ny laharan’ny tambanjotra sosialy « twitter ». Laharana fahatelo manerana ny firenena amin’ireo mampiasa ny tambanjotra izay miresaka momba ny fandaharana amin’ny fahitalavitra izay ankafizin’ny maro tokoa, ny sarimihetsika, ireo fihetsehana ara-panatanjahan-tena sy ireo hira malaza faramparany. Miasa ao amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito Andriamanitra ! Mitranga any amin’ny toerana maro samihafa ny fifohazana. Ny Fanahy Masina dia mirotsaka amin’ny andiana tanora izay mitady an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, fianarana ny Teniny ary ny fijoroana ho vavolombelona ho voninahitry ny anaran’Andriamanitra. Tena mampahery ahy tanteraka mihitsy ny mahita ireo tanora maro izay manolo-tena tanteraka ho an’ny asan’i Kristy.

 

Ireo vokatry ny Fifohazana sy Fanavaozana

 

Ny fifohazana sy ny fanavaozana dia mitarika antsika hijoro vavolombelona. Ny fanavaozana dia mitarika mandrakariva ho amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy fitoriana ny filazantsara. Tsy hisy mihitsy fifohazana tena izy raha toa ka tsy misy ny faniriana nohavaozina mba hahazo fanahy. Raha manao zavatra ao amintsika Andriamanitra dia hanao zavatra ho antsika Izy. Raha manao zavatra ho antsika Izy dia satria faniriany ny hiaraka hanao zavatra amintsika. Ho hitanareo fa afaka ny hiteny tahaka an’i Petera isika ka hanao hoe « Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay» Asa. 4:20. Afaka miteny ihany koa isika tahaka ny Apostoly Paoly ao amin’ny Romana 1:16 manao hoe « Fa tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany » ary miaraka amin’ny apostoly Jaona dia hihiaka hoe « izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo» (1 Jaona 1:3).

Fantatsika fa izay hetsika lehibe momba ny fifohazana sy ny fanavaozana nisy teo amin’ny tantara dia narahina fotoan-dehibe fitoriana ny filazantsara sy fitadiavana ny hafa ho tratry ny hafatry ny filazantsara. Tsy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao ihany no nisian’izany fa nisy ihany koa tamin’ny fanavaozana nataon’i Martin Luther sy ireo mpanavao fivavahana niaraka taminy tamin’ny taonjato faha-16. Isan’izany ry John Wesley sy George Whitefield izay nitarika ireo fifohazana tany Angletera. Izany koa dia voamarina tamin’ny fifohazana lehibe nataon’ny advantista tany Amerika Avaratra ka nitarika ho amin’ny fiandohan’ny tantaran’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito.

 

Fijoroana vavolombelona tsy misy heriny !

 

Tsy hanana ny heriny ny fijoroantsika vavolombelona raha toa ka tsy misy fifohazana sy fanavaozana. Ny fitoriana ny filazantsara tsy nisy fifohazana dia ho kely dia kely ny vokatra.

Ho voatohina ny fo ary hisy fiovana ny fiainan’ireo voaova fo ireo, tsy noho ny herintsika anefa fa noho ny herin’ny Fanahy Masina. Asan’ny Fanahy Masina ny fiovam-po. Nosoratan’ny mpitondra hafatry ny olon’ny andro farany mazava tsara izany : nilaza ny Tompo fa ho vita ny asany « tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko». Ho tanteraka hatramin’ny farany ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny iraky ny lanitra sy ny olombelona. Ireo izay mahavita tena ary hita ety ivelany ho miasa fatratra eo amin’ny asan’Andriamanitra kanefa tsy mivavaka dia ho asa very maina ny nataon’izy ireo. Azon’izy ireo atao ve ny hanopy ny fijeriny ka hahita ireo fandoroana ditinkazo manitry ny anjely izay mijoro eo amin’ny alitara volamena manoloana ny avana izay manodidina ny seza fiandrianana ? Ho hitan’izy ireo fa ny fahamendrehan’i Jesosy dia tsy maintsy afangaro amin’ny vavaka sy ny ezaka ataontsika fa raha tsy izany dia tsy ho hisy dikany tahaka ny fanatitra nataon’i Kaina. Raha ho afaka hohitantsika ny asan’ireo olombelona izay fitaovana niasa, ny fisehony eo anatrehan’Andriamanitra, dia ho hitantsika fa ny asa notontosaina tamim-bavaka irery ihany sy nohamasinin’ny fahamendrehan’i Kristy irery ihany no ho afaka handalo eo anatrehan’ny fitsarana.» R& H 4 Juillet 1893

 

Raha toa ka tsy miseho amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona ny fifohazana sy ny fanavaozana dia hivadika mora foana ho resaka tsotra mifototra amin’ny fihetseham-po ary farany dia ho faty tanteraka izany. Izany no antony hisian’ny fanavaozana eo amin’ny fitoriana ny filazantsara eo amin’ny fiangonana ankehitriny. Tena misionera mahafinaritra tokoa ny mambra tsirairay, vavolombelona ho an’ny Avo Indrindra, ary nantsoin’Andriamanitra mba hizara ny finoany.

 

Manatratra ireo tanan-dehibe

 

Natsangan’ny Fiangonana ny rafitra « Asa ho an’ny tanan-dehibe» mba ahafahana mahatratra ireo olona an’hetsiny ao anatin’ny tanan-dehibe miisa 650 eto ambonin’ny tany. Tamin’ny taona lasa dia nanana tombotsoa aho nanao fitoriana filazantsara goavana iray tany

New York. Ny andiana famelabelarana notarihiko izay mitondra ny lohateny hoe « Revelation of Hope » (Fanambarana ny Fanantenana) dia nisy fivoriana fitoriana ny filazantsara miisa 400 nanerana an’i New York. Fitoriana ny filazantsara amin’ny fahafenoany mba hanatrarana an’i New York ho an’i Kristy. Pasitora evanjelistra sy mpitantan’asa maneran-tany no nifamotoana tao New York niaraka tamin’ireo mpitantan’asa eo an-toerana, mba hitory ny tenin’Andriamanitra. Noho ny herin’i Jesosy dia nampisy fiantraikany manan-danja ho Azy ireo pasitora sy laika. Io fomba fitoriana faobe io dia nahafahana nanofana laika an-jatony maro mba hijoro vavolombelona am-pirindrana miaraka amin’ireo fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra : fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny fahasalamana, asa eo anivon’ny tanora, asa mifanaraka amin’ny baiboly, fianarana baiboly, fizarana boky, asa fitoriana tanterahin’ireo laika, asa fitoriana atao amin’ny tapaka sy namana ary fihaonana ho an’ny olon-drehetra. Noho ireo ezaka nataon’ny besinimaro ireo dia maherin’ny 4 000 ny olona vita batisa.

Ireo tanan-dehibe maneran-tany dia samy nanao izany fihetsehana izany daholo tany amin’ny toerana misy ny tsirairay avy ka nahazoam-bokatra mitovy amin’izany ihany koa.

Miasa amin’ireny tanan-dehibe ireny Andriamanitra, toy ny Londres, Tokyo, Manille,Moscou, New York, Nairobi, Johannesburg, Indianapolis, Kinshasa, Lagos, Luanda, Sydney, Paris,Bombay, Le Caire, São Paulo, Mexico, ary tanan-dehibe maro hafa koa. Aman’aliny no vita batisa, ary mbola fanombohana ihany izany ! Tamin’ny fivoriana farany teo, ireo solontena tato amin’ny foibe, dia nifidy ny hampiasa tahirin-kevitra mikasika ny fitoriana ny filazantsara maneran-tany mba hananganana na hanamafisana ny fisian’ny advantista ao anatin’ny tanan-dehibe mihoatra ny 500 ka manana mponina 1 tapitrisa na mihoatra ary tsy ahitana advantista na misy fa tena vitsy. Ny ankamaroan’ireo tanan-dehibe ireo dia ao anatin’ny faritra ***fenetre10/40.

 

Maro amin’izy ireo no tsy mankasitraka fijoroana vavolombelona am-pahibemaso na fitoriana filazantsara ho an’ny sarababem-bahoaka. Tena lehibe tokoa ny fihaikana mba hanatrarana ireny mponin’ny tanan-dehibe ireny. Saingy ny Andriamanintsika dia mbola lehibe lavitra noho ireny fihaikana ireny ary tiany mihoatra lavitra tsy takatry ny saintsika ireny olona ireny.Tohina ny amin’ireny olona an-tapitrisany tsy mahalala an’i Kristy sy ny fahamarinany amin’izao ora farany amin’ny tantaran’ny tany izao ny fontsika. Efa mihevitra ny hanangana foto-drafitr’asa an-jatony izay manana ny hery miasa mangina ireny izahay toy ny : efitrano famakiam-boky, toeram-pitsaboana, toeram-pisakafoana tsy misy hena, ary fomba maro samihafa mba hanatrarana ireny olona amin’ny toerana sarotra ireny.

 

Ankoatry ny « asa ho an’ny tanan-dehibe » dia hanangana sampana mikarakara ny fahasalamana amin’ny fahafenoany ihany koa ka maka ny ohatra navelan’i Kristy. Mamporisika ny fiangonana tsirairay avy izahay mba hanana sampana feno fitiavana ka hamaly ny hetahetan’ny mponina eo aminy amin’ny anaran’i Jesosy. Ny bokin’ny herinandro fiaraha-mivavaka amin’ny taona 2014 dia misy lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « ny fomban’i Kristy irery ihany ». Ny boky misionera natokana ho an’ny 2015 dia manindry mafy ny resaka fahasalamana amin’ny kapobeny. Amin’ny 2015 ihany koa, ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito sy ireo sampana hafa (sekoly, hopitaly na ny hafa) dia hamporisihina hizara ireo fanomezam-pahasoavan’ny misionera ara-pahasalamana miaraka amin’ireo mpiara-monina aminy mandritra ny herinandro manokan’ny fahasalamana.

 

Vokatra tena tsara tokoa

 

Tena mahery indrindra ny asan’Andriamanitra ato amin’ity fiangonana ity hany ka misy mihitsy fotoana izay maha-tototra ahy amin’izany. Tena marobe ireo tian-ko lazaina kanefa ny fotoana iarahantsika kely ihany. Ilay tetik’asa Hery Mifanandrina dia naneho tokoa fa niasa tamin-kery Andriamanitra. Nanana tanjona ny hizara boky 50 tapitrisa isika tamin’ny voalohany, dia niakatra ho 100 tapitrisa noho ny finoana. Saingy noho ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavany ary ny fidirany an-tsehatra dia nihoatra ny 140 tapitrisa ny boky voazarantsika – VOAZARANAREO – tamin’ny dikanteny maro samihafan’ny boky Hery Mifanandrina na Ilay Fanantenana Lehibe. Deraina Andriamanitra noho izany fitomboana goavana teo amin’ny asany izany, tamin’ny alalan’ny boky Hery Mifanandrina, boky izay nolazain’i Ellen White fa iriany indrindra ny hizarana izany mihoatra lavitra noho ny bokiny hafa. Olona an’hetsiny maro no mamaky ireny boky ireny ary mitondra fanovana maro koa izy ireny.Tena mampahery tokoa izany rehetra izany.

 

Miatrika ireo fihaikana goavana

 

Saingy amin’ny maha-fiangonana antsika dia miatrika fihaikana goavana tokoa isika. Indreto misy efatra izay mampiasa manokana ny saiko tokoa. Izaho anefa tsy milaza fa ireo aretina ara-panahy sy ireo fihaikana ireo dia mahatratra ny mambran’ny fiangonana rehetra. Saingy zava-doza tokoa izy ireo hany ka mampanahiran-tsaina ahy. Ny fampitandremana nataon’ny apostoly Paoly ireo loholon’ny fiangonana tao Efesosy no miverina ato an-tsaiko raha nilaza izy hoe « Ka tsy mba nafeniko izay mahasoa ». Mbola nampiany izany manao hoe : « fa nambarako sy nampianariko anareo ireo torohevitr’Andriamanitra. » (Asa 20) .Amin’ny maha-pasitoran’ny mpino advantista maneran-tany ahy, ny fitiavako ny Fiangonana sy ny fahatokiako ny amin’ny Teniny no manery ahy hizara aminareo ireo tebitebin-tsaiko sasantsasany.

 

Indreto misy manahiran-tsaina efatra lehibe ho an’ny fiangonana ankehitriny. Azontsika hampiana hafa izany saingy diniho sy fakafakao tsara aloha ireto efatra manaraka ireto:

1. Fahaverezan’ny maha-advantista mitandrina ny andro fahafito eo anivon’ireo pasitora na mambran’ny fiangonana sasantsasany.

2. Fitomboan’ny rendrarendran’izao tontolo izao ao amin’ny ankamaroan’ny fiangonantsika.

3. Ny lozan’ny fizarazarana.

4. Fiheverana ho manana ny ampy eo amin’ny fiainana ara-panahy ary tsy firehana izay mitarika ho amin’ny tsy fahampian’ny fanoloran-tena ho amin’ny asan’ny fiangonana.

 

Ireo no mampanahy ahy. Avelao aho hilaza azy ireo tsirairay ka hanazava ny hevitro.

 

Ny maha-isika antsika

 

Voalohany indrindra dia zava-dehibe tokoa ny mahatakatra fa ny fiangonana advantista dia mihoatra lavitra nohon’ny antokom-pinoana iray. Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 10 dia naterak’Andriamanitra io fiangonana io taorian’ny fahadisoam-panantenana 1844, tahaka ny nahaterahan’ny fiangonana ao amin’ny testamenta vaovao, teraka taorian’ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny hazo fijaliana, taona 31 taorian’i Jesosy Kristy. Tamn’ireo tranga roa ireo dia samy tsy nahazo tsara ny hevitry ny faminaniana ireo mpianatr’i Kristy hany ka nangidy tamin’izy ireo ny fahadisoam-panantenana noho ny tranga nahakivy. Saingy avy tamin’izany fahadisoam-panantenana izany no namelan’Andriamanitra tamim-pamindrampo nipoiran’ny fihetsehana avy taminy izay notendreny mba hanana fiantraikany eo amin’izao tontolo izao. Araka ny voalazan’ny Apokalypsy12 :17 ny olon’Andriamanitra amin’ny andro farany dia fantatra fa : voalohany indrindra dia mitandrina ny didin’Andriamanitra ary ny faharoa dia manana ny filazana an’i Jesosy izay lazain’ny anjely ao amin’ny Apokalpsy 19 :10 fa fanahin’ny faminaniana.

 

Araka ny voalazan’ny Apokalypsy14 : 6-12, ny olon’Andriamanitra amin’ny andro farany dia :

a) mitory ny hafatry ny Filazantsara mandrakizay ao amin’ny tontolon-kevitry ny anjely telo sy ny fihavian’i Kristy fanindroany sy

b) miantso ny firenena rehetra, ny fanjakana, ny foko sy ny saimahafa fiteny mba hanome voninahitra ilay Mpahary/Mpamorona azy ireo amin’ny fitandremana ny Sabatany.

 

Tsy misy mihitsy fihetsehana ara-pivavahana eto ambonin’ny tany ka mahafeno io famariparitana io. Tsy misy fiangonana hafa na antokom-pivavahana hafa mahafeno ireo fepetra voafaritra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-10 sy ny toko faha-12 ary faha-14.

 

Manao ny tenin’Andriamanitra ho tsy misy asany

 

Ankehitriny dia inty no tena mampiahiahy ahy mafy : marobe loatra amin’ireo pasitorantsika na mambra no tsy mahalala na manadino ny antso ara-paminaniana avy any an-danitra izay nomen’Andriamanitra ity fiangonana ity. Miha-mahazo vahana hatrany ny fironana hanamaivana ny maha-samihafa antsika amin’ireo antokom-pivavahana hafa. Any amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito sasany dia kely dia kely ny fahasamihafana hita eo amin’ny hafatra toriana eny ambony polipitra ao aminy sy toriana any amin’ny fiangonana protestana mahazatra. Izany dia mitranga nohon’ny fanafoanana ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy. Tena zava-dehibe tokoa ny hanorenana ny finoantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fampiasana ny fomba fandikana ara-baiboly ny tantara mba hianarana ny Soratra Masina ary ny fomba hianarana ny faminaniana amin’ny alalan’ny tantara mitranga. Ny tenin’Andriamanitra no tsy maintsy hanorenana ireo inoantsika, ny finoantsika ary ny fiainantsika andavan’andro. Ny Fanahy Masina no hitarika antsika amin’ny marina rehetra raha toa isika ka mianatra, mivavaka ary mihaino ny feon’Andriamanitra. Izany dia manampy antsika mba hamaritra mora foana ny maha-advantista mitandrina ny andro fahafito antsika. Ny fahaverezan’izay maha-advantista izay dia mitarika ihany koa ny sasany hisalasala ny amin’ny herinandron’ny famoronana ho fito andro ara-bakiteny, handa ny safo-drano nanerana izao rehetra izao, ary nampihen-danja ny Sabata ho toy ny andro fialan-tsasatra ara-batana tsotra fotsiny fa tsy mijery izany ho mariky ny fifandraisana amin’izao andro farany izao amin’Ilay Mpahary sy Mpanavotra. Misy ny sasany izay te hamerina handika indray ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy mba hifanaraka amin’ny lasitra moderina kokoa. Ny fahitan’izy ireo ny fandikana ny tantara dia toy ny vakoky ny fomba fisainan’ny taonjato faha-19.

 

Ny Filazantsara amin’ny fahafenoany

 

Tonga ato an-tsaiko ity teny mazava nataon’i Ellen White ity « Ny fahafenoan’ny Filazantsara dia hita ao anatin’ny hafatry ny anjely fahatelo, ary eo amin’ny asa rehetra ataontsika, ny fahamarinana dia tokony haseho amin’ny maha-izy azy ao amin’i Jesosy. Tsy tokony hisy mihitsy na inona na inona hampihena ny herin’ny fahamarinana amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Ny fahamarinana ankehitriny no tokony ho laharam-pahamehana ho antsika. Tokony hotanterahina ny hafatry ny anjely fahatelo : avoaka ao amin’ireo Fiangonana ny olona izay miandany amin’ny fahamarinana mandrakizay. » {Év 210.5}

 

Hitanareo amin’izany fa manana hafatra ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fahafatesana izay haseho an’izao tontolo izao isika. Tahaka an’i Noa dia hamporisihina ny advantista mitandrina ny andro fahafito mba hanomana izao tontolo izao amin’izao ora farany izao. Namporisihina tahaka an’i Jaona Mpanao batisa ihany koa isika mba hanomana izao tontolo izao ny amin’ny fihavian’ny Tompontsika. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy ny hoe iza moa isika ary inona no antony maha-ety antsika. Tsy azontsika atao ary tsy tokony hataontsika mihitsy ny ho tonga iray amin’ireo fihetsehana ara-pivavahana marobe ireo izay zara raha manome lanja ny fotoana farany ary tsy mazava tsara akory ny antom-pisiany. Azoko antoka fa noho ny fitarihan’i Jesosy sy ny fahatokiana amin’ny lovantsika ara-paminaniana dia handresy amin’ny farany ity fihetsehana advantista ity. Manentana anareo amin’ny foko rehetra aho : aoka ho mahatoky amin’ny antso izay nataon’Andriamanitra ho anareo amin’ny maha-advantista mitandrina ny andro fahafito anareo ianareo. Raiso ka hazony amin’ny fahafenoany ny hafatra, feno ny Fanahy Masina, ary mandehana mizara izany amin’izao tontolo izao.

 

Ny hery miasa manginan’izao tontolo izao

 

Ity no mitarika ahy ho amin’ny fanahiako lehibe faharoa : ny hery miasa manginan’izao tontolo izao miha-mahazo vahana hatrany ao amin’ny fiangonantsika ary tena mampahatahotra tokoa. Hoy Jesosy tao ami’ny vavaka nataony « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao fa ny mba hiaro azy min’ny ratsy. » (Jaona 17 :15). Ny apostoly Jaona dia nanampy hoe « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay» 1 Jaona 2 : 15-17 . Toko sy andininy tena mahafinaritra loatra re izany e !

 

Miatrika loza mandrakariva ny fiangonana eo amin’ny tsy fahatratrarana ny tanjony sy ny famadihany ny fahamarinany ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fironana miha-mitombo amin’ny famelana ny fomban’izao tontolo izao handrafitra ny fomba fisainany. Arakaraky ny hanakaikezantsika ny farany no hampitomboin’i devoly hatrany ny heriny eo amin’io lafiny io. Tena manahiran-tsaina ahy mihitsy ny mahita ireo fomban’izao tontolo izao izay mandrendrika sy mamafa ny sasany amin’ny fiangonantsika. Ireo fototra izay nokolokoloina sy nahasarotiny ny advantista mitandrina ny andro fahafito tamin’ny fotoan’andro, teo amin’ny sehatry ny fihinanana, fitafy, fialam-boly ary ny fitandremana ny Sabata, dia nanjary toy ny zavatra efa lany andro. Rehefa ny mambra no miravaka toy izao tontolo izao, manao fitafy toy ny an’izao tontolo izao, mankasitraka ny fialambolin’izao tontolo izao, mihaino ny hiran’izao tontolo izao ary voasarik’ireo vokatra avoakan’ny “Hollywood” (sarimihetsika), rehefa izany rehetra izany no miseho dia voakiky miala ny tena aim-panahy marina hany ka manomboka manamboatra lalana hidirana ao amin’ny fanahy iray ny devoly. Raha toa ka ny hafatra advantista mikasika ny fahasalamana - izay marihina fa maro amin’ireo olona tso-po ao amin’izao tontolo izao no mankasitraka azy- no avela ka heverina ho fanarahan-dalàna be fatany na firehidrehetana tsy misy antony fa tsy heverina ho fanomezana sarobidy indrindra avy amin’Ilay Mpahary be fitiavana, dia hita marina fa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ao.

 

Ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy

 

Avelao aho mba hanampy, mazava ho azy, fa tsy ny fomba fihinantsika na ny fomba fanehoantsika ivelany ny fivavahantsika no hankanesantsika any an-danitra. Azontsika amin’ny alalan’ny heriny sy ny ran’i Kristy ny famonjena. Saingy raha vao miditra ao amin’ny fiainantsika sy miasa amin-kery ao amintsika i Kristy, dia Izy no hanome ny fanamarinana antsika ary izany hery izany ihany no mitondra fanamasinana, izay hanampy antsika hanana ny toe-tsain’i Kristy. Filipiana2 : 5 « aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa », hitanareo amin’izany fa ambasadaoron’i Kristy isika araka ny voalazan’ny 2 Korintiana 5: 20. Isika no fahazavan’izao tontolo izao sy fanasin’ny tany hoy ny Matio toko faha-5. Hoy Jesosy « aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra».

 

Manerana izao tontolo izao dia an’hetsiny ny olona mitady zavatra maro samihafa. Ao anatin’izy ireo lalina ao dia reraky ny mitady izay hahafa-po ny fanirian’ny fony amin’ny zavatr’izao tontolo izao izy ireo. Maniry fatratra ny hahita kristiana tena izy sy tso-po izy ireo. Tsy hahakasika na hahatratra azy ireo mihitsy isika raha toa ka manao tsirambina amin’ireo fototra iorenantsika, dia ny fototra avy any an-danitra izany, ka midina eo amin’ny laharan’izy ireo. Tsy fotoana fisakaizana amin’ny lamaodin’ny devoly intsony izao, ny fihinana sy ny fialambolin’ny devoly ary ireo hery miasa mangina avy amin’izao tontolo izao. Fotoana fampiakarana ny fanevantsika izao mba hahitan’izao tontolo izao azy. Kristy no velona eo amin’ny fiainantsika sy mitoetra ao am-pontsika, izany no miteraka fahasamihafana lehibe eo amin’ny fomba fiainantsika.

 

Sokafy ny ridao/rakotra fanakofana

 

Mitarika ahy ho amin’ny fanahiana iray izany : ny lozan’ny fizarazarana. Ao amin’ny Jaona toko faha-17 dia nivavaka ho an’ny firaisan’ny fiangonana i Jesosy. Iray amin’ireo tetika maty paika ampiasain’ny devoly dia ny handrava io firaisana io. Fantatry ny devoly fa raha toa ka tsy miray ny fiangonana dia tsy hahatanteraka ny iraka mora foana izy. Amin’ny fomba fahitana ara-paminaniana dia manome torohevitra avy amin’Andriamanitra ho antsika i Ellen White : «Ny firaisana no herin’ny Fiangonana. Fantatr’i Satana koa izany ary izany indrindra no antony hiezahana hamafy ny tsi-fifanarahana. Iriny lalina ny hisian’ny tsi-fifanarahana ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Io resaka fifanarahana na firaisana io dia tokony heverina lalina kokoa ny aminy.» {MC2 182.1}. Io teny tsara notsongaina io, izay mampibaribary ny teti-dratsin’ny devoly, dia tena manokatra ny saintsika tokoa. Manokatra ny ridao fanakonana izy io ka maneho antsika ny tetik’i Satana. Mampiasa ny heriny rehetra ny devoly mba hitondra ny fisarantsarahana sy ny tsi-fifanarahana mba hanafoanana ireo ezaky ny olon’Andriamanitra mba hitaomana fanahy. Ankehitriny ny fotoana ho an’ny mpitantan’asa, ny pasitora ary ny mambra mba hiray ao amin’i Kristy eo ambany fanevan’ny fahamarinana, hitory ny hafatr’Andriamanitra ho amin’izao tontolo izao. Nomen’Andriamanitra fandaminana tamin’ny tsindrimandry avy Aminy ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ary nisy ny fifanarahana teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina antsoina hoe “Church Policies” izay anisan’ny manampy antsika mba hitahiry ny firaisana amin’ny maha-fianakaviana maneran-tany antsika. Ny fandàvana na ny tsy firaharahiana ireo fifanekena dia mandrava ny fifampitokisana masina ary miteraka tsi-fifanarahana na ady tsy misy antony. Miangavy aho mba ho ny tsirairay amintsika dia hanala ireo hevitry ny tenany manokana ho fanasoavana ny vatan’i Kristy ka mba ho afaka ny hiaraka isika rehetra ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

 

Fahalemena ara-panahy

 

Ity no tena manahiran-tsaina ahy farany : ny fitomboan’ny tsy firaharahiana ara-panahy sy ny fiheveran-tena ho mahavita tena dia fahita matetika eo amin’ny fiainan’ny ankamaroan’ireo mpitarika sy mambran’ny fiangonana, ary ao anatin’izany ny tenako. Tahaka ny misy ireny fahalemena tsy afahana mihetsika ara-panahy ireny ao amin’ny fiainan’ny ankamaroan’ny advantista. Mila mandinika ny fiainantsika isika mba hahazoana antoka fa miasa amin-kery ao amintsika tokoa Andriamanitra, ary miresaka ho an’ny tenako ihany koa aho. Ny fanadihadihana natao vao tsy ela akory izay no naneho fa ny saika ny ankamaroan’ny mambra dia mino ireo foto-pinoan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Tsy dia asiany olana loatra ireo foto-pinoana 28. Etsy an-danin’izany anefa dia hita fa mitombo hatrany ny tsi-firehana hizara ny finoany. Tsy dia tena nasiana lanjany loatra ny fijoroana vavolombelona. Mino izy ireo saingy tsy tena mandray anjara amin’ny iraka nomena ny fiangonana. Tsy mafana ny fon’izy ireo ! kely dia kely ny fanirian’izy ireo hizara ny finoany ao amin’i Jesosy kristy. Tsy tena niova tanteraka ny fanahin’izy ireo.

 

Toe-panahy mitombo

 

Ry rahalahy sy ranabavy, tsy hitombo ara-panahy mihitsy isika rehefa tsy mandray anjara amin’ny asan’i Kristy. Nolazain’ny mpaminanin’Andriamanitra mazava tsara mihitsy izany rehefa nilaza izy fa:« Miankina mihitsy amin’ny fahatokian’ny fiangonana eo amin’ny fanatanterahany ny iraky ny Tompo ny ainy. Marina tokoa fa ny fanaovana antsirambina an’io asa io dia miantso fahalemena sy fahalovana ara-panahy »{IFM p 884§2} Teny notsongaina tena mampahery tokoa izany ! Ny famaliana ny tsi-firaharahiana no vokatr’izany. Araka ny nolazain’ny mpaminanin’Andriamanitra dia « manjavona ny fitiavana ary miha-vasoka ny finoana eo amin’izay tsy misy asa mavitrika ho an’ny hafa.».

 

Noho izany, raha tianareo ny hanana toe-panahy velona dia mandraisa anjara amin’ny asa. Raha te hanana fiainam-bavaka mafana dia mandraisa anjara na miasà ! Raha te hankafy bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra dia mandraisa anjara amin’ny asa. Raha te hanana fitiavana lalina kokoa ho an’ny hafa dia mandraisa anjara amin’ny asa ! Raha tianareo ny hahita fanahy voababo ho an’i Jesosy dia miasà ! Raha maniry ny hahita haingana ny fiverenan’i Jesosy dia miasà ! Andeha hiaraka amin’ireo mpitarika sy mambran’ny fiangonana advantista an’arivorivony maneran-tany izay miasa amim-pahavitrihana hanao ny iraka nomena ny Fiangonana. Tian’Andriamanitra ny hampiasa antsika, dia izaho sy ianao izany, mba hanambara ny fahamarinana ara-paminaniana ho an’izao andro farany izao eran’ny vazantany efatra, ary indrindra fa amin’ireo toeran-dehibe amin’ny firenena tandrefana, amin’ny alalan’ny « asa ho an’ny tanan-dehibe ». Izany dia fandaharana mba hampiasana ny fomba rehetra mety ka hahafahana hitory ny filazantsara amin’ny tanan-dehibe amin’ny alalan’ny fahasalamana na fomba hafa.

 

Ireo marika hahafantarana ny fanatrehan’ny Fanahy Masina

 

Goavana sy makadiry tokoa ny asa, saingy Andriamanitra no eo amin’ny familiana ary Izy no mitarika ny vahoakany/olony. Moa manana fihaikana va ny fiangonana ? Tena manana tokoa moa izany ! Kanefa dia hitako ny porofo fa miasa amin’ny fomba mahery vaika tokoa eo amin’ny olony ny Fanahy Masina. Hitako ireo porofo fa manao zavatra manokana sy mahaliana tokoa ao amin’ny fiangonany amin’izao fotoana izao ny Fanahy Masina. Hitako ny porofo fa manomana ny vahoakany ho amin’ny fihavian’ny Tompontsika tsy ho ela ny Fanahy Masina.

 

Ry rahalahy sy ranabavy, mamporisika anareo aho, ary ho an’ny tenako ihany koa, mba hanokana tanteraka sy amin’ny fahafenoana ny tenantsika ho an’i Kristy. Manasa anareo aho ny handray sy hanaiky ny antso ara-paminaniana izay nomen’i Jesosy ny fiangonany, ny fiangonany sisa, ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito, fiangonana mandroso ao anatin’ny fihetsehana advantista. Manasa sy mandrisika anareo aho mba hampiakatra avo ny faneva eo amin’ny fiainanareo manokana. Mandrisika anareo aho mba handray anjara mavitrika amin’ny fijoroana vavolombelona ho an’ny Tomponareo raha eo am-piandrasana ny fihavian’i Kristy fanindroany isika. Sitrakareo ve ny hanao izany voadim-panekena izany ankehitriny raha eo am-pivavahana miaraka isika?

 

Ry Rainay Izay any an-danitra o ! Manatona Anao izahay ankehitriny, miaiky fa ny tantara dia maneho aminay amin’ny fomba mazava tokoa fa ireo fanambarana ara-paminaniana nataon’i Daniela, Apokalypsy, ny bokin’i Matio, ary ireo teny hafa rehetra ao amin’ny Baiboly ihany koa, dia manosika anay handray fanapahan-kevitra mialoha indrindra ny fiverenan’i Jesosy. Tompo o! Ampio izahay mba hifandray tanteraka Aminao. Ampio izahay mba hiankina Aminao isan’andro. Manampia anay eo amin’ny fianaranay ny Teninao sy ny Fanahin’ny Faminaniana ary eo amin’ny fiainam-bavakay. Eny Tompo o ! ampiasao avokoa ireo fifandraisana Aminao mahafinaritra indrindra mba hanampy anay hizara ihany koa ny finoanay ka handraisanay anjara amin’ireo hetsika maro ataon’ny fiangonanay eto an-toerana sy ny fiangonana maneran-tany, ny hafatry ny anjely telo ary ny hafatry ny anjely fahaefatra ao amin’ny Apokalypsy 18. Tompo o! Mangataka ny fitahianao aho mba ho amin’ny mambra tsirairay avy sy ho an’ny tanora ary ny antitra ao amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Mitoera amin’ireo izay mamangy ny fiangonanay kanefa mbola tsy mambra ao aminy. Hombao ireo izay liana amin’ny fahamarinan’ny Baiboly. Ary ampio izahay Tompo o, mba hahatratra izao tontolo izao amin’ny tetik’asa « asa ho an’ireo tanan-dehibe» sy hamita ny iraka any amin’ireo faritra ambanivohitra amin’ny fampiasana izay fomba rehetra azo ampiasaina. Andriamanitra o ! iraho ny Fanahy Masina ho aminay. Arotsahy ny fara-orana mba hahatonga anay ho tena isan’ireo ao anatin’ny fihetsehana advantista izay lehibe sady farany ka mitory ny hafatra izay manome voninahitra an’Andriamanitra manerana ny tany rehetra. Misaotra noho ny fihainoanao anay ary isaoranay Ianao noho ny fampanantenana ny fiverenanao tsy ho ela. Amin’ny anaran’i Jesosy no hanaovanay izany vavaka izany, Amena.