TARI-DALANA FIANARANA BAIBOLY HO AN’NY LEHIBE TELOVOLANA FAHATELO
JOLAY - AOGOSITRA - SEPTAMBRA 2012

Tesalônianina voalohany sy faharoa

Jon Paulien

Rehefa hidina avy any an-danitra ny Tompo

Tany amin’ny taona 1950 tany ho any, dia nanoratra ny tantara an-tsehatra anankiray nampitondrainy ny lohateny hoe “Waiting for Godot” (Eo am-piandrasana an’i Godot) i Samuel Beckett, mpanoratra teratany irlandey. Nahazo ny maripankasitrahana ‘Prix Nobel’ izy tamin’ny taona 1969. Io tantara io dia miresaka ny amin’ny lehilahy anankiroa mahantra sady tsy manan-kialofana. Teo amoron-dalana no niandrasan’izy ireo ny olona iray antsoina hoe Godot, izay toa hoe ho avy hamonjy azy ireo amin’ny fiainana tsy misy dikany sy mampahonena.

“Godot hoe ny anarany?” hoy i Estragon nanontany. “Eny, izay mihitsy ilay izy ka,” hoy ny navalin’i Vladimir. Raha mbola niandry teo i Vladimir sy i Estragon, niandrandra fatratra ny fiavian’io Godot io, dia nandalo teo amin’izy ireo avokoa ny fahorian’olombelona, ny fahadisoampamindra, ny famindran’ny gisa, ny fandeha mikotringa, ny famindran’ny tongotra mavesatra. Leo izy ireo, tsy noho ny fahoriam-piainana loatra, fa noho ny mahatsinontsinona azy ka indro niezaka nanary dia tamin’ny fanaovana asa soa, toy ny manarina ny jamba anankiray lavo nianjera, ohatra.

“Andao amin’izay hatomboka ny asa e!” hoy i Vladimir. “Ao anatin’ny indray mipimaso anie dia ho foana izao rehetra izao e, ka isika irery indray no sisa tavela ao anatin’ny fahafoanana!” Raha vao nanaka-javatra anefa i Vladimir, dia nianjera sady tsy afaka nitsangana.

Na teo aza ny fampanantenana hafa fa tena ho avy tokoa i Godot, dia toa feno fahoriana hatrany ny fiainana ka tapa-kevitra izy ireo fa hananton-tena. Tsy nahita tady anefa i Estragon ka nesoriny ny tadikely nihazona ny patalohany izay niborotsaka terį»³ an-kitrokeliny terį»³. Nifampisintonan’izy roa lahy aloha ilay tadikely raha mafy tsara; indrisy, tapaka ilay izy ka saika nianjera mihitsy izy ireo. Tapa-kevitra ny handeha hitady tady hafa izay mafimafy kokoa izy ireo ary hitsapa izany indray rehefa afaka kelikely.

“Hananton-tena isika rahampitso ka,” hoy i Vladimir. “Raha tsy hoe angaha tonga i Godot.” “Dia ahoana raha tonga izy?” hoy i Estragon. “Dia ho voavonjy isika.” Tsy tonga mihitsy anefa ilay Godot mifono zava-miafina, izany hoe tsy avotra akory izy roa lahy. Mazava loatra fa tsy voavonjy akory izy ireo. Ny hevi-dehibe iray manontolo tian’i Beckett hasongadina amin’ny alalan’izany tantara izany, dia ny mahatsinontsinona sy tsy misy antenaina ny fiainana.

Mifanohitra lavitra amin’ny fahitana ny fiainana araka ny anehoan’ny Baiboly azy izany. Mifanohitra indrindra indrindra koa amin’ny fomba fijery asehon’ireo lesona amin’ity telovolana ity, izay mikasika ireo epistily anankiroa nosoratan’ny apôstôly Paoly ho an’ny Tesalônianina. Tahaka ireo mpandray anjara anankiroa ao anatin’ny tantaran’i Beckett ireo, ny Tesalônianina koa dia niatrika fahorian-tsaina, tebiteby, tolona, eny, fanenjehana mihitsy aza. Tahaka antsika rehetra ihany, dia nandalo fotoan-tsarotra indrindra koa izy ireo teo amin’ny fiainany. Mora dia mora tamin’izy ireo tokoa ary tsy mahagaga raha latsaka tao anatin’ny zava-poana sy ny tsy finoana na inona na inona ary ny tsy fananana fanantenana, araka ny nanehoan’i Beckett azy ao anatin’ny tantarany, izy ireo. Ny Tesalônianina kosa anefa nanana fanantenana azo antoka, fanantenana miorina eo amin’izay nataon’i Kristy ho azy ireo, fanantenana manondro ny teny fikasana lehibe indrindra, dia ny Fiavian’i Kristy Fanindroany (izay noesoesoin’i Beckett rahateo). Na dia nananatra mafy ny Tesalônianina aza i Paoly, na dia nanana olana ara-pitondrantena sy ara-teôlôjia aza izy ireo teo amin’ny fiangonana (tsy zavatra mahazatra antsika koa ve izany?), dia teny mahatalanjona sy manandratra ary mahavelom-panantenana indrindra ao amin’ny Soratra Masina rehetra no nosoratan’i Paoly ho azy ireo sy ho antsika koa.
“Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna hianareo amin’izany teny izany” - 1 Tes. 4:16-18.

Tsy misy teny mahavelom-panantenana sy be voninahitra mihoatra noho izany e, sa ahoana hoy ianao?

Amin’ity telovolana ity isika, amin’ny alalan’ny epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesalônianina, dia hanopy maso ny fiainan’ny fiangonana kristianina voalohany anankiray, izay tao amin’ny tanàn-dehibe no nisy azy, raha ny marina. Ho hitantsika mandritra izany ny sasantsasany amin’ireo tolona sy fihaikana natrehiny, ary tafiditra ao anatin’izany ireo olana teraka avy amin’ny tsy mbola fahatongavan’ny fiverenan’i Kristy! Mahasondriana ihany koa, fa na dia tsy mitovy amin’ny antsika aza ny toe-javatra nisy tamin’izany, matetika indrindra ireo fitsipika hita taratra ao amin’ny tenin’i Paoly ho an’ny Tesalônianina no mahakasika ireo olana sy fihaikana atrehintsika koa eto ampiandrasana
- tsy an’i Godot izay tsy fantatra any - fa an’i Jesôsy Tompo. Miantoka ny fiverenany fanindroany amim-boninahitra indray mantsy ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny fahatongavany voalohany.

Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny School of Religion ao amin’ny Oniversitentsika any Loma Linda, any Californie, i Jon Paulien.

 

Lohateny

1. Tonga tao Tesalônika ny filazantsara

2. Mitahiry ny fifandraisana

3. Tesalônika tamin'ny andron'i Paoly

4. Feno hafaliana sy fankasitrahana

5. Ny ohatra nasehon'ny Apostoly

6. Mpinamana mandrakizay

7. Nantsoina ho amin'ny fahamasinana

8. Ny maty ao amin'ny Kristy

9. Ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany

10. Fiainam-piangonana

11. Teny fikasana ho an'izay henjehina

12. Ny antikristy

13. Mihazona ny fiangonana ho mahatoky