Sabata faharoa Fifohazana sy Iraka

Ny andraikitsika, isam-batan’olona sy miaraka

ELLEN G. WHITE

 

Manana hafatra sarobidy hampitaina amin'izao tontonlo izao isika. Ny hafatry ny anjely telo dia tsy mipetraka ho soratra noforonon'olombelona fotsiny ihany, na fikarohan'ny saina manokana; fa tena hafatra mirakitra ny fahamarin'Andriamanitra ho an'izao taranaka ankehitriny izao. Io no fampitandremana farany ho an'ireo fanahy an-dalam-pahaverezana.
. . . Tsy maintsy entina any amin'izao tontolo izao ny Didin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy. Tsy maintsy hambara ny vaovao mahakasika ny fihavian'ny Mpamonjy. Tsy maintsy ho faritana ny amin'ny fitsarana manoloan'ny tsy fahazavan-tsain'ny olombelona, ary tsy maintsy tairina hahatsapa ny amin'ny figadonan'ny ora farany ny amin'ny fitsapana, hiomana hitsena ny Ray.

Ny fahazavana izay nitsilo ny dianao dia nomena anao, tsy hampifaly anao fotsiny ihany, na ahalalanao misimisy kokoa ny Soratra Masina, ka ahita mazava ny lalan'ny tena fiainana; fa mba ho mpitondra fahazavana ianao, ary hiazona ny jiron'ny fahamarinana ho amin'ny làlana maizin'ireo manodidina anao. Mpiara-miasa amin'i Kristy isika. Hanaraka ny ohatra izay napetrany ho antsika ho amin'ny dingana isan'andro teo amin'ny fiainany tety an-tany. Ny fiainany dia tsy mora ary tsy natokany ho an'ny tenany; fa niasa mafy am-paharetana Izy, tsy natsiaro vizana, ary nanao ezaka goavana ho an'ny famonjena ny taranaka very . . . Hoy Izy: “Fa ny Zanak'Olona tonga mba hanompo fa tsy ho tompoina, ary mba hanonina ny ainy ho avotra ho an'ny maro” (Mar 10:45).*

Ny iraka ohatra napetrak’i Kristy

Tamin'ny faha-12 taonany, ny Zanaka Lahin'Andriamanitra dia hita teo anivon'ireo raby, nanatanteraka ny iraka; ka rehefa nanontaniana Izy hoe nahoana no mbola nijanona tao aorian'ny fety, dia hoy Izy namaly, “Fa tsy fantatrareo va fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranon'ny Raiko aho?” (Liok 2:49). Izany no antom-pisiany goavana indrindra. Ny zavatra sisa rehetra dia fanampiny ary tsy heverina be lanja. Mofony sy ranony ny manao ny sitrapon'Andriamanitra, ary mamita ny asany. Ny tenany sy izay mety ho fitiavan-tena rehetra dia tsy manana anjara ao amin'ny asany. Ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa dia mitaky ny fo iray manontolo, ary tsy mamela toerana ho an'ny fitiavan-tena hivelatra eo amin'ny fiainana. Hoy Jesosy “Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy raha mbola atoandro ny andro; avy ny alina ka tsy mahazo miasa ny olona” (Jaon 9:4). . . .

Misy asa goavana manoloana antsika. Ny asa izay miantoka ny fifantohana sy ny asan'ny lanitra dia nomena ny fiangonan'i Kristy. Hoy Jesosy: “Ary mandehana amin'izao tontolo izao ka mitoria ny filazantsara ho an'ny olombelona rehetra” (Mar 16:15). Ny asantsika amin'izao fotoana izao dia miatrika olana toy ny efa natrehan'i Jesosy ihany, sy ireo efa nandresen'ny mpanavao fivavahan'ny tanjato rehetra; ary tsy maintsy mapifantoka ny sitrapontsika hiandany amin'i Kristy isika, sady mandroso am-pahatokiana an'Andriamanitra.

Ny fanalahidin’ny fifohazana

Ny asan'ireo mpianatry Kristy dia nifantoka tamin'ny fanabehazana sy fanofanana lehilahy sy vehivavy hanaparitaka ny vaovao mahafalin'ny fahafatesana sy fitsanganan'ny Mpamonjy. Ny fanahy tsirairay niova fo ho amin'ny filazantsara dia nahatsapa fa tsy maintsy mande ho an'ny Tompo Jesosy, hampianatra ny hafa ny lalan'ny famonjena. Izany no fanahy tokony hanetsika antsika; kanefa dia tsapa fa tsy mihevitra izany ny fiangonantsika, ary izany no antony mampihena ny ara-panahy sy fahavitrihana eo amin'ny fiainan'ny kristianina. Raha miasa araka ny naninarahan'i Kristy ny mpianany isika, ary mahazo fanahy ho an'ny fahamarinana, dia hahatsapa ny filàna fanandramana lalina sy fahalalana goavana ny zava-masina, ary ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana. Hitaraina amin'Andriamanitra ianao, ary ho hatanjahana ny finoanao, ary higoika eo amin'ny fatsakan'ny famonjena ny fanahinao. Ny sedra sy ny fanoherana dia hitondra anao ho amin'ny Baiboly sy ny vavaka, ary dia handroso ianao toy ny mpiasa miaraka amin'Andriamanitra, hanokatra ny Soratra Masina ho an'ny vahoaka. Hitombo amin'ny fahasoavana ianao, amin'ny fahalalana ny fahamarinana, ary hanan-karena amin'ny fanandramana ianao. . . .

Mandehana miasa, ry rahalahy. Tsy hoe rehefa fivoriam-be ihany na fifanarahana sy fiheveran-draharaha izay vao ahazo ny fankasitrahana avy amin'Andriamanitra; ny ezaka feno fanetren-tena indrindra mirakitra fitiavana tsy misy takalony no ho satrohana ny fitahiany, ary ahazo valisoa lehibe. Ataovy izay azonao atao, dia hampitombo ny fahafahanao Jehovah. Aza avela hieritreritra ny fiangonana fa zavatra kely izany mitaona hanao asa fanompoana manoloana ny asa goavana amin'izao fotoana izao. Aoka tsy hisy hanala ny tenany satria misy ireo hafa izay efa manan-talenta ho amin'izany asa fanompoana izany. Raiso ny andraikitrao. Tsy mamela na iza na iza Andriamanitra. Nanome ny "anjara asa ho an'ny tsirairay" Jesosy (Mar 13:34), ary ny tsirairay dia ahazo valisoa "araka ny asany avy" (Apôk. 22:12). Ho tsaraina ny olon-drehetra “araka ny asany avy” (2 Kor. 5:10), ary “samy ho ampamoahan'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra” (Rom. 14:12). . . .

Raiso ny andraikitra amin'ny toerana. Ataovy amin'ireo akaiky anao indrindra, na ao an-tranonao, na dia any amin'izay sarotra indrindra aza ny fahitana azy. Miasà ho amin'ny voninahitr'Andriamanitra irery ihany ary ho amin'izay soa ho an'ny olombelona. Aoka ho difotra tsy hita ny amin'ny tena, ka amim-bavaka mafana am-pinoana dia tratraro izay kendrenao ho an'Ilay maty mba ahazoanao fiainana. Mandehana any amin'ireo mpiray vodirindrina aminao tsirairay avy, ary akaikezo izy ireny mandra-pahazoanao ny fony amin'ny fitiavana tsy misy tambiny. Tiavo izy ireny, mivavaha ho azy, araraoty ny fahafahanao manao soa azy, ary araka izay tratranao, sokafy manoloana azy ny Tenin'Andriamanitra hanazava ny sainy izay feno aizina. Mihambena, tahaka ny olona izay tsy maintsy hanome tatitra ho an'ny fanahin'ny olombelona, ary hevero ho ambony indrindra ny fahafahanao miara-miasa amin'Andriamanitra ao amin'ny sahany. Aza atao ambanin-javatra ny firesahanao amin'ireo manodidina anao, ary maneho atsaram-panahy amin'izy ireny araka izay herinao, mba “hamonjeko ny sasany na iza na iza” (1 Kor. 9:22). . . .

Manomboka amin’ ny anankiray ny fifohazana

Rehefa mifoha ny fiangonana, dia nisy olona tao nitady ny fitahian'Andriamanitra. Noana sy nangetaheta an'Andriamanitra izy, nangataka finoana, ary nahazo araka izany. Nandeha niasa izy, nahatsiaro fa miankina tanteraka amin'Andriamanitra, ary noho izany dia fanahy maromaro no nitsangana hitady fitahiana toy izany, nirotsaka araka izany ny vanin'andron'ny famelombelomana tao am-pon'ny olona. Tsy ho maivan-danja ny asa rehetra. Hivelatra amin'ny fotoana maha-mety azy ny drafitr'asa lehibe; kanefa ny ezaky ny tsirairay sy ny fifantohanao amin'ireo namanao sy mpifanolobodirindrina aminao dia hitondra vokatra goavana izay tsy hay ho sainina. . . .

Ireo izay nahomby indrindra teo amin'ny famonjena fanahy dia ireo lehilahy sy vehivavy izay tsy nirehareha tamin'ny fahaizany, fa ireo izay nandeha tamim-panetrentena sy finoana, ary ny herin'Andriamanitra niara-niasa taminy teo amin'ny fandresena lahatra sy fanovana ny fon'ireo izay nantsoiny. Izany no asa nataon'i Jesosy. Nanantona akaiky ireo izay nila ny fahasoavany Izy, Izy tenany. . . .

Tsy niandry fivoariam-be Izy. Ny fahamarinana lehibe dia voambara tamin'ny tsirairay. Ilay vehivavy teo am-patsakana tany Samaria dia naheno ireo Teniny mamelombelona, “Fa na iza na iza misotro ny rano izay omeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay, fa ny rano izay omeko azy dia loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrikizay” (Jaona 4:14).

Ny resaka izay natao niaraka tamin'ilay vehivavy tao Samaria dia nody ventiny. Ny teny rehetra nipololotra avy eo amin'ny molotr'Ilay Mpampianatra ambony no nanetsika ny fon'ilay nihaino Azy. Nanaiky Azy tam-pifaliana izy. Nahatsapa ny herin'ny fahamasinan'ny toetrany izy ary ny herin'ny lanitra izay niaraka tamin'ny tenin'ny fahamarinany. Fahazoan'antoka tanteraka no nameno ny fony. Adinony tanteraka ny asany teo amin'ny fatsakana, fa lasa faingana izy nanaparitaka ny lazan'i Jesosy teo amin'ny tanànany. Nametraka fanontaniana Azy ireo, ary tsy niandry ela dia nahazo ny valin'izay rehetra maizina taminy. Nanomboka nazava ny tsy fahazoan-kevitra rehetra tao an-tsain'izy ireo. Tahaka ireo olona mande ao anaty maizina miha-mahita ny soritra mitarika ho any amin'ny fahazavana izy ireo; ary ny vokatr'izany asan'i Jesosy izany, raha nipetraka noana sy nangetaheta teo am-patsakana Izy, dia niparitaka tam-pitahiana lehibe. Ny fanahy iray izay niasany dia tonga fantsona nahatratra olona maro, nitaona azy ireo ho eo amin'Ilay Mpamonjin'izao tontolo izao.

Ny Fifohazana mamelona ny Asa—Ny Asa mamelona ny Fifohazana

Izany no fomba nahatonga ny asan'Andriamanitra nitondra fandrosoana eto an-tany. Avelao ny jironao hazava, dia hazava ny hafa.
. . . Ny fivavahana sy ny tsy fiasana dia tsy miaraka; izany no antony mahatonga ny tsy fahampian'ny fiainana kristianina sy ny fanandramana tsy misy eo amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra. Ny ozatry ny fiainana dia lasa malemy ary tsy azo ampiasaina intsony raha tsy ampiasaina, toy izany ihany koa ny ara-panahy. Raha tianao ny hatanjaka, dia tsy maintsy hampiasainao ny herinao. Hampiasao ny finoanao an'Andriamanitra amin'ny fanaporofoanao ny Teny fikasany raha mitondra ny hazo fijalianao sy manandratra ny fahorianao ianao. Ento ny ziogan'i Kristy, ary porofoy ny teniny izay manao hoe: “hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo” (Mat. 11:29). Sokafy ny Soratra Masina ho an'ireo olona izay mbola mitoetra ao amin'ny maizina, dia tsy hitaraina tsy fahampiana ianao eo am-panaovana ny marina. Ho taitra amin'ny horohorom-panahy ny fonao, ary ho faly kosa raha mahita finoana ary ho fantatrao fa “izay mandena dia ho lemana kosa” (Ohab. 11:25). Miaraka amin'ny finoana velona dia takio ny teny fikasan'Andriamanitra . . .

Betsaka ireo tanlenta miafina, sy milevina any ambany tany. . . . Rehefa lasa Jesosy, dia navelany ho tohizan'ny olona maro ny asany, ka "tsy misy atao" dia tena tsy azo ekena. "Tsy misy atao" dia anton'ny fisedrana eo amin'ny firalahiana; hameno ny sain'ireo kamo ny drafitr'asany i Satana, ary handefa azy ireo hiasa. Ny fonao sy ny sainao izay tsy miasa dia manome vahana azy hamafy ny voan'ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Ireo izay tsy manan-katao dia mahita fotoana hifosana, hanofisana, hanendrikendrehana, sy hitenenan-dratsy. "Tsy misy atao" dia mitondra fijoroana vavolombelona ratsy ho an'ny firalahiana, ary fifandrafiana ao amin'ny fiangonan'i Kristy. Hoy Jesosy, “Ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka” (Mat. 12:30).

Ho hitsakitsahina ny lalàn'Andriamanitra, ho hankahalaina ny ran'ny famonjena; moa ve isika hanasa tànana ka hilaza fa tsy misy atao? handeha hifoha! Mafy ny ady. Akaiky ny ady faran'ny Marina sy ny Diso. Andeha hizotra eo ambanin'ny saina feno petin-drà an'Ilay Mpanjaka Emanoela, ary hiady ny ady tsaran'ny finoana, ary handresy ny voninahitra mandrakizay; fa tsy maintsy handresy ny marina, ary mihoatra lavitra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'Ilay tia antsika. Mifarana ny horan'ny fisedrana. Andeha ho atao azo antoka ny asa ho an'ny fiainana mandrakizay, mba hanomezana voninahitra ilay Raintsika izay any an-danitra, ary ho fitaovana hamonjena ireo fanahy izay nahafatesan'i Kristy.

 

Fanontaniana

Hieritreretana sy ho zaraina

1. Inona no hifandraisan’ny fifohazana sy ny iraka? Raha tokony hiantso ny fifohazana, tsy tokony hifantoka amin’ny fampielezana ny filazantsara sy “mamita ny asa” ve?

2. Vakio ny tantaran’ilay vehivavy samaritana teo am-patsakana ao amin’ny Jaona 4. Inona no tetikady nampiasain’i Jesosy nahazoany ny fony? Nahoana no tena mety ho amin’ny iraka azontsika izany tetikady izany?

3. Mazana isika mihevitra fa ny fandraisantsika anjara amin’ny iraka azontsika dia kely ary tena marefo mihitsy. Inona hoy ianao no mety ho avalin’i Jesosy anao rehefa mahatsiaro toy izany ianao? Inona no tena ivon’ilay iraka?

 

VOAMBOLANA: Avelao ny jironao hazava, Dia hazava ny hafa.