Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 07 DESAMBRA 2016

NY ANTONY NAHATONGAVANY "Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany." 1...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 03 : Vita ny famoronana

12 - 18 Jan 2013
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Famoronana : Famoronana ny biby ety an-tany
Talata 15 Jan

Ao amin'ny Gen. 1:24-31, dia ny biby ety an-tany sy ny olombelona no noforonina tamin'ny andro fahenina. Tahaka ny fifandraisana misy eo amin'ny andro faharoa sy ny andro fahadimy, dia misy fifandraisana hita ihany koa eo amin'ny fampisarahana ny tany maina sy ny ranomasina tamin'ny andro fahatelo sy ny famenoana ny tany tamin'ny andro fahenina. Ampahatsiahivina eto indray ny fifandimbiasan'ireo toe-javatra nitranga tamin'ny famoronana izay natao tamim-pirindrana sy nisy tanjona kendrena, ary izany dia mifanaraka amin'ny toetran'Andriamanitra, Izay Andriamanitry ny filaminana (ampitahao amin'ny 1 Kôr. 14:33).

Tahaka ny tamin'ny namoronana ireo voary tamin'ny andro fahadimy, ny teny ampiasaina ao amin'ireo andininy miresaka momba ny andro fahenina tamin'ny famoronana dia manondro fa karazany maro no noforonina tamin'io andro fahenina io. Bibidia sy biby fiompy ary biby mandady na mikisaka amin'ny tany karazany maro samy hafa ihany koa no noforonina.

Tsy nisy razambe tokana ho an'ny biby rehetra tety amin'ny tany maina; fa taranaka maro, miavaka sy misaraka tsara, samy araka ny karazany avy, no noforonin' Andriamanitra.

Mariho ny andian-teny hoe "samy araka ny karazany avy", na andian-teny mitovy amin'izany ao amin'ny Gen. 1:11,21,24,25. Nisy nitady hampiasa io andian-teny io hanohanana ny hevitra hoe "karazany" tsy miova, hevitra izay nalaina avy tamin'ny filôzôfia (fahendrena/hevi-dalina) grika. Ny Grika fahiny mantsy dia nihevitra fa ny zava-manana aina tsirairay dia fanehoana tsy tonga lafatra filamatra iray tsy miova, fantatra amin'ny fiantsoana azy hoe karazana. Ny tsy fiovan'ny karazana anefa dia tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Baiboly hoe ny zavaboary rehetra dia mijaly noho ny ozon'ny fahotana (Rôm. 8:19-22). Fantatsika fa niova ireo karazana, araka izay ambaran'ireo ozona ao amin'ny Gen. 3 (nanoratra mikasika ny "ozona telo sosona" nihatra tamin'ny tany i EGW - ny ozona taorian'ny fahalavoana, sy taorian'ny fahotan'i Kaina, ary taorian'ny safo-drano), sy araka izay hita eo amin'ireo zava-manana aina mpihampitra ('parasites') sy ireo biby mivelona amin'ny remby ('prédateurs'), izay mahatonga fahoriana sy herisetra be tokoa. Tsara indrindra ny fahazoana ny hevitry ny andian-teny hoe "samy araka ny karazany avy" amin'ny fandinihana ny tontolon-kevitra ampiasana azy.

Vakio ny Gen. 6:20; 7:14, sy ny Lev. 11:14-22. Ahoana ny fampiharana ny andian-teny hoe "samy araka ny karazany avy" na ny mitovy aminy ao amin'ireo toko sy andininy ireo? Ahoana no anampian'ireo ohatra ireo antsika hahafantatra ny hevitr'io andian-teny io ao amin'ny Gen. 1?

Tsy tokony hoheverina ho fitsipika mifehy ny fananahana ilay andian-teny hoe "samy araka ny karazany avy" na ny mitovy aminy. Fa ny tiana hambara amin'izany kosa dia izao: Nisy karazana voary maro samy hafa tafiditra ao amin'ireo tantara isanisany. Misy dikan-tenin'ny Baiboly sasany mampiasa ny andian-teny hoe "isan-karazany", izay toa marina, mifanaraka kokoa amin'ny tontolon-kevitra. Tsy resaka karazana tsy miova no tian'io andian-teny io hambara, fa resaka voary maro samy hafa noforonina tamin'ny andro fahenina. Hatramin'ny fotoan'ny famoronana dia maro ireo karazan-java-maniry sy biby nisy.

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata

* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.