Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 02 : Fitiavana sy fitsarana : safidy mahasanganehana an'Andriamanitra

06 - 12 Apr. 2013
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Nositranina, notiavina ary nokarakaraina
Alakamisy 11 Apr.

Ireo manam-pahaizana mpandinika ny Baiboly sasantsasany tamin’ny andro fahiny dia nahita an’i Jehôvah, araka ny fanehoan’ny Testamenta Taloha Azy, ho masiaka sy tsy mamela heloka, tsy mba tahaka an’i Jesôsy, araka ny anehoana Azy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nahoana no tena diso tokoa izany tsoa-kevitra izany? Ny hafatra ao amin’ny Hôseà 14 dia manampy hanehoana indrindra fa diso izany tsoa-kevitra izany. Amin’ny fomba ahoana? Inona no ambaran’io toko io mikasika ny toetran’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olony?

 

Azo lazaina fa fara-tampon’ny hafatra nambaran’ny mpaminany Hôseà, tena sahaza izany tokoa, ny toko farany ao amin’ny bokiny. Izany dia manamafy ilay teny fikasana manambara fa ny famonjen’Andriamanitra no tompon’ny teny farany. Antso indray mandeha indray mba hialan’ny olona amin’ny faharatsiana rehetra no manokatra io toko io. Eo am-pandrisihana ny olona mba hiverina amin’Andriamanitra dia ireo teny izay tokony hotononin’izy ireo indrindra ao anatin’ny fiankohofany amin’ Andriamanitra no omen’ilay mpaminany. Ny hanesoran’ Andriamanitra ny heloka izay nahasolafaka azy ireo no tokony hangatahin’izy ireo. Tokony hafoiny ihany koa ny fianteherany amin’ireo firenen-kafa sady holaviny tanteraka ny fanompoan-tsampy. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia tsy nety raha niseho teo anatrehan’Andriamanitra ny olona kanefa tsy nitondra fanatitra (Eks. 23:15). Ankoatra ny fitondrany biby hatao fanatitra, dia nasaina nitondra tenim-pibebahana marina ny olona ho fanati-pisaorana.

Aorian’ny fiaiken-keloka ombam-pibebahana ataon’ny vahoaka, dia mamaly kosa Andriamanitra amin’ny alalan’ny teny fikasana maro samihafa. Ny fanasitranan’ilay Dokotera avy any an-danitra ny aretin’ny olona no voalohany indrindra amin’ireny. Ny fifandraisana vaovao izay nisy teo amin’Andriamanitra sy ny Isiraely dia nampitoviana tamin’ny ranon’ando izay hany afaka manamando ny voninkazo sy ny hazo mandritra fotoam-pahavaratra maina sady maharitra tany Palestinina. Nampifandraisina tamin’ny hazo ôliva ihany koa izany, hazo ôliva izay noheverina fa tena sarobidy tamin’ny fomba manokana, toy ny hoe sangany amin’ny hazo fihinam-boa rehetra mihitsy. Ny raviny dia nanome alokaloka sy rivotra mangatsiatsiaka ary ny menaka avy aminy dia azo atao sakafo sy fanosotra amin’ny hoditra ary solika fandrehitra jiro. Ireo hazo sedera lehiben’i Libanona dia noheverina ho tena nilaina indrindra tamin’ireo hazo vaventy rehetra voalaza ao amin’ny Baiboly. Nentina nandrafitra ny tempoly sy irony lapaben’ny mpanjaka irony izany noho ny hafatratry ny hakantony sy ny hasarobidiny (1 Mpanj. 6:9,10). Ny foto-kazo izay nambolen’ Andriamanitra dia hamokatra hazo vaovao sady marobe, izay hahatonga ny Isiraely ho saha heniky ny fitahiana ho an’izao tontolo rehetra izao.

 

Vakio ny andininy farany ao amin’ny toko. Inona avy ireo fepetra takina mba hahatanteraka ireo teny fikasana ireo? Nahoana no mbola natao ho antsika amin’izao fotoana izao koa izany, eo amin’ny anjara asantsika amin’ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika?

 

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata