Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 07 DESAMBRA 2016

NY ANTONY NAHATONGAVANY "Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany." 1...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 03 : Andriamanitra masina sady marina (Joela)

13 - 19 Apr. 2013
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Fianarana fanampiny
Zoma 19 Apr

Anarana efa nahazatra tamin’ny andron’ny Baiboly ny anaran’ny mpaminany Joela, izay midika hoe “Jehôvah no Tompo.” Mifanaraka tsara amin’ny lohahevitry ny boky an-kapobeny io anarana io: Andriamanitra irery no masina sy marina ary ny asany no manapaka amin’ny tany. Eo an-tanany ny tantaran’ny vahoakany sy ny tantaran’ny firenena rehetra. Mitombina koa izany ho an’ny fiainan’ny olombelona tsirairay.

Mitaky zavatra hafa noho ny fivavahana noforonin’ny saina, natao tamin’ny teny sy ny fombafomba fotsiny, izay tsy misy fahamarinana, ilay fiafarana mahatahotra ho amin’ny mandrakizay. Izay ilain’Andriamanitra dia ny fifohazana sy ny fanavaozana tanteraka. Tsy tokony hisy teny re avy eny ambony polipitra afa-tsy izay avy ao amin’ny Baiboly, eny, ny Baiboly irery ihany. Nesorina taminy anefa ny heriny ka fietrena ara-panahy no setrin’izany. Tsy hita intsony eo amin’ny ankabeazan’ny toriteny ankehitriny io fampisehoana an’Andriamanitra izay mamohafoha ny feon’ny fieritreretana sy manome aina ny fanahy io. Tsy afaka hilaza toy ireo mpianatra tany Emaosy fahizay ny mpihaino ka hanao hoe: ‘Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy, ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?’ (Lio. 24:32). Kanefa maro tokoa ireo izay miantso an’ Andriamanitra velona sy maniry mafy ny fanatrehany ho eo aminy. Tsy maintsy miantefa ao am-po ny Tenin’Andriamanitra, ary izay tsy nahare afa-tsy ny fivavahana fanaon-drazana feno foto-kevitra izay ekena ho fitsipika sy feno fiheveran’olombelona, dia aoka izy hihaino ny feon’Ilay afaka hanome ny fanahy indray ny fiainana mandrakizay.” — MM, tt. 511-512.

 

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

  • Inona avy ireo lafiny ahazoana milaza fa tena ilaintsika manokana mihitsy ny hafatr’i Joela, dia amin’izao isika miaina amin’ny andro farany izao, indrindra indrindra fa fantatsika ireo toe-javatra goavana sy mampieritreritra miandry antsika?
  • Vakio ao anatin’ny fotoana anankiray ny bokin’i Joela iray manontolo dia valio ity fanontaniana manaraka ity: Hatraiza ny fetra iantefan’ny hafatr’i Joela amin’ny mpiara-belona aminy ary hatraiza kosa ny fetra ahafahana mampihatra izany atỳ aoriana?
  • Fitahiana mahatalanjona maro samihafa, arotsaka amin’ny vahoakan’Andriamanitra, no tantarain’ny bokin’i Joela. Avahan’io faminaniana io ve ny fitahiana ara-nofo sy ny fitahiana ara-panahy? Raha izany, ahoana ny fomba anaovany izany?
  • Manampy antsika hahazo an-tsaina ireo fizahan-toetra sy fahoriana atrehin’izao tontolo izao ny fahafantarantsika ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. Amin’ny fomba ahoana?

Miresaka ny amin’ny “fivavahana foronin’ny saina” ny tenin’i EGW ao amin’ny lesona amin’ny Zoma. Inona no mety ho hevitr’izany? Ahoana no ahalalantsika raha tena izy tokoa ny fivavahantsika na foronin’ny saina fotsiny?

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata