Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 26 JOLAY 2017

Fehezo ny firehetam-po ambany “Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo ...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 04 : Andriamanitry ny firenena rehetra (Amôsa)

20 - 26 Apr. 2013
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Rariny ho an'ny ampahoriana
Alatsinainy 22 Apr.

Anankiray amin’ireo fampianarana fototra hita ao amin’ny Amôsa ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo rehetra izao. Efa ambaran’ny mpaminany sahady ao amin’ny fiandohan’ny bokiny ny fitsarana ataon’Andriamanitra amin’ireo firenena maro manodidina ny Isiraely noho ny heloka bevava vitan’izy ireo tamin’ny taranak’olombelona. Ambaran’i Amôsa amin-kasahiana anefa avy eo fa hotsarain’ Andriamanitra ihany koa ny Isiraely. Tsy niantefa tamin’ireo firenena maro ireo ihany, araka izany, ny fahatezeran’ Andriamanitra, fa tamin’ny vahoaka voafidiny ihany koa. Nandà ny Tenin’i Jehôvah sady tsy nitandrina ny fitsipiny mantsy ireo mponina tao Joda.

Tetsy an-danin’izany, dia nivalampatra bebe kokoa tamin’izay mikasika ny Isiraely, mihoatra noho izay momba ny Joda aza, i Amôsa satria tsy nanaja ny fanekena nifanaovany tamin’Andriamanitra izy ireo sady nanao heloka marobe tokoa. Nitarika ho amin’ny fahalovana ara-panahy ny firoboroboan’ny toe-karen’ny Isiraely sy ny naha-marin-toerana azy ara-pôlitika. Niharihary tamin’ny fanjakan’ny tsy fahamarinana teo anivon’ny fiaraha-monina izany fahalovana ara-panahy izany. Nanararaotra ny mahantra ny mpanan-karena tao Isiraely ary ny mahery nanararaotra ny osa. Tsy nihevitra afa-tsy ny tenany sy ny tombony ho azony manokana ny mpanan-karena, eny fa na dia tonga hatramin’ny fampahoriana ny malahelo aza (Tsy nisy fiovana firy akory izany toe-javatra izany tao anatin’ireo arivo taona vitsivitsy taorian’izay, sa nisy?)

Nampianarin’i Amôsa tao anatin’ny toriteniny àry fa misy Andriamanitra velona izay mihevitra ny fomba fitondrantsika ny hafa. Tsy foto-kevitra na fenitra mipetraka fotsiny ny rariny (ny fitandroana ny rariny) fa mihoatra lavitra noho izany mihitsy. Raharaha mahakasika an’Andriamanitra mihitsy io rariny io. Teo anatrehan’izany rehetra izany dia nampitandrina ny mpaminany fa ny trano vato eo amin’ny Isiraely, mbamin’ny fanaka sarobidy sy ny hanina ary ny zava-pisotro tsara dia tsara rehetra, anisan’izany koa ny menaka tsara indrindra fanosotra amin’ny vatana, ireo rehetra ireo dia horavana sy ho levona avokoa.

 

Vakio ny Isa. 58. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’io toko io ireo lafiny amin’ny fahamarinana ankehitriny? Mihoatra lavitra noho izany anefa ny hafatra entintsika eo amin’izao tontolo izao. Amin’ny lafiny inona?

 

Ampianarin’ny Baiboly mazava tsara fa tokony ho vokatra teraka ho azy avy amin’ny filazantsara ny fitandroana ny rariny eo amin’ny fiaraha-monina. Rehefa miasa amintsika ka mahatonga antsika hanahaka bebe kokoa an’i Jesôsy ny Fanahy Masina, dia manjary manahirana ny saintsika koa izay manahirana ny sain’ Andriamanitra. Ireo bokin’i Mosesy dia manantitrantitra fa tokony ho ara-drariny ny fitondrana ny vahiny sy ny mpitondratena ary ny kamboty (Eks. 22:21-24). Resahin’ny mpaminany maro ny fiheveran’Andriamanitra ny fitondrana araka ny rariny sy amim-pangoraham-po ireo osa, tsy mba manana tombontsoa, eo amin’ny fiaraha-monina (Isa. 58:6,7).Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena” (Sal. 68:5) no iantsoan’ny mpanao salamo Ilay Andriamanitra Izay mitoetra ao amin’ny fonenany masina. Nampiseho fikarakarana lehibe ireo nailikiliky ny fiaraha-monina i Jesôsy (Mar. 7:24-30, Jao. 4:7-26). I Jakôba, rahalahin’ny Tompo, dia miantso antsika haneho ny finoantsika amin’ny alalan’ny asa ka hanampy ny mahantra (Jak. 2:16-26). Tsy misy azo lazaina ho tena mpanara-dia marina an’i Kristy raha tsy manatanteraka izany.

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata