Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 07 DESAMBRA 2016

NY ANTONY NAHATONGAVANY "Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany." 1...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 06 : Mpinamana mandrakizay

04-10 Aogositra 2012
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Ny fanantenana sy ny fifalian'i Paoly (1 Tes 2:17-20)
Alatsinainy 06 Aog.

Ambaran’i Paoly ao amin’ireo and. miisa 14, manomboka eo amin’ny 1 Tes. 2:17 hatramin’ny 3:10 ny fizotry ny fisarahany tamin’ireo mpino tesalônianina. Hita manerana io andalan-teny io ny firesahana momba ny fisakaizana. Tsy hoe mpiara-miasa amin’i Paoly fotsiny ny Tesalônianina, fa tena sakaizany mihitsy. Io andalan-teny io manontolo dia vonton’ny fihetseham-po.

Fanirian’i Paoly, rehefa mamaky ny epistiliny, raha tarafina amin’ny fitiavany sy ny fitsinjovany ny fiangonana ny torohevitra nomeny taty aoriana sy ny fanakianany azy ireo (ao amin’ny 1 Tes. 4 sy 5). Ary noho izany fitiavana izany no nananany zo hanoro hevitra ny fiangonana tany. Voaray amin’ny fahafenoany indrindra ny torohevitra omena rehefa miorina amin’ny fitiavana.

Vakio ny 1 Tes. 2:17–20. Inona no hafatra ambaran’i Paoly eto izay sahaza antsika tokoa ankehitriny?

Ny matoanteny fototra eo amin’ny and. 17 (izay matetika adika hoe “nosarahina” na “nampanalavirina”) dia mifono ny foto-kevitra hoe tonga kamboty. Rehefavoatery handao tampoka an’i Tesalônika i Paoly dia toy ny hoe fahatsapana vokatry ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny no fahatsapana tao anatiny. Naniry mafy ny hamangy azy ireo izy satria nalahelo mafy azy ireo. Ny tenany no lavitra azy ireo, fa tsy ny fony. Ambarany fa i Satana no fototr’io fisarahana io, koa ny teny ataony eto dia anisan’ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly izay maneho ny maha-zava-misy ilay fifanandrinana lehibe.

Ny alahelon’i Paoly ireo mpino tesalônianina dia tsy nifototra tamin’ny fifandraisana andavanandro fotsiny, fa nikendry kosa ny mandrakizay. Ny fanantenan’i Paoly ho azy ireo dia ny hisehoany “eo anatrehan’i” Jesôsy amin’ny fiaviany fanindroany. Izy ireo no vokatry ny asa fanompoany, sady fifaliany sy reharehany any am-parany! Tian’i Paoly hoporofoina amin’ny farany fa ny fiainany dia nanova ny fiainan’ny hafa.

Ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin’io andalan-teny io dia ny hoe tokony hataontsika mahitsy mandrakariva ny laharam-pahamehantsika. Ny fisiantsika etỳ dia toy ny “zavona” ihany (Jak. 4:14), saingy zavona manana akony mandrakizay. Ny tao an-tsain’i Paoly, ny laharam-pahamehan’i Paoly, dia izay mandrakizay, izay manandanja sy tombam-bidy maharitra mandrakizay. Raha dinihina tokoa izay hiafaran’izao tontolo izao, moa misy zavatra hafa manan-danja kokoa noho ny famonjena ny very ve?

Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ny fiainana, amin’ny famonjena ny very? Na mahafinaritra toy inona aza ny miresaka momba izany fenitra izany, ahoana no fomba iainantsika araka izany tanjona izany?

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata

* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.