Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 07 : Nantsoina ho amin'ny fahamasinana

11-17 Aogositra 2012
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Tandremo ny raharahanareo (1Tes. 4:9-12)
Alakamisy 16 Aog.

Vakio ny 1 Tes. 4:9–12 sy ny 3:11–13. Lafiny inona amin’ny andalan-teny eo aloha no amafisin’i Paoly indray ao amin’ireo andalan-teny ireo?

Ny teny grika dia ahitana voambolana maro milaza ny hoe “fitiavana” ary ny roa amin’izany dia hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny hoe “eros” (izay tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao) no teny grika ahazoana ny hoe “érotique” (momba ny filan’ny nofo). Io teny io dia manondro ny lafiny ara-nofo eo amin’ny fitiavana. Ny hoe “agape” no matetika indrindra hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, io teny io dia manondro ny lafiny fahafoizan-tena eo amin’ny fitiavana. Mazàna izy io no ampiasaina hoenti-milaza ny fitiavan’i Kristy antsika izay nasehony teo amin’ny hazo fijaliana.

Ny teny grika iray hafa ilazana ny fitiavana dia ny hoe “philos” izay hita eo amin’ny andalan-teny ianarantsika anio. Ampahatsiahivin’i Paoly ny Tesalônianina fa efa fantatr’izy ireo ny atao hoe “fifankatiavan’ny mpirahalahy.” Io teny grika manondro ny fifankatiavan’ny mpirahalahy io no niavian’ny anaran’ilay tanàna antsoina hoe Filadelfia. Eo amin’ny tontolon’ny Jentilisa, ny hoe “filadelfia” dia manondro ny fitiavana eo amin’ny olona mpihavana. Fa eo amin’ny fiangonana kosa dia miitatra io hevi-teny io ka mahafaoka ny fifankatiavana eo amin’ny mpiray finoana, dia ny fianakaviamben’ny Kristianina izany. Avy amin’Andriamanitra io karazam-pifankatiavana eo anivon’ny mpianakavin’ny finoana io ary fahagagana ateraky ny fahasoavan’Andriamanitra no mahatanteraka azy.

Vakio ny 1 Tes. 4:11, 12. Amin’ny fomba filazanao azy manokana, sorito ny fananaran’i Paoly mikasika ny raharaha sy ny asa ao anatin’ny tontolon-kevitra an-tanàn-dehibe.

Toa hita fa maro ireo olona kamo sy mpanakorontana tao amin’ny fiangonana tany Tesalônika. Angamba noho ny hafanam-po avy amin’ny fanantenana ny fiavian’i Jesôsy fanindroany dia nisy ireo mambra izay nandao ny asany ka tonga niankin-doha tamin’ireo Jentilisa nifanolo-bodirindrina taminy. Kanefa ny hoe vonona hijoro ho vavolombelona amin’ny fotoana rehetra dia tsy midika ho fahatongavana ho mpanakorontana, mpitabataba na kamo eo amin’ny asa atao, na eo amin’ny fiarahamonina. Ho an’ny olona sasany ivelan’ny fiangonana, ny hany fomba hahalalany ny fiangonana dia ny ohatra izay hitany eo amin’ny fiainan’ireo Kristianina mifanerasera aminy eo amin’ny fiainany andavanandro.

Ny vahaolana naroson’i Paoly nanoloana ny olan’ireo Tesalônianina dia ny fampirisihana azy ireo “hikendry”, tsy ny hanan-kery sy fahefana, fa ny “ho tafatoetra tsara” (4:11) izay mahafaoka ny fitandremany ny raharahany sy ny fiasany amin’ny tanany. Tamin’ny andro taloha dia ny asa tanana no loharanom-pivelomana voalohany. Raha amin’izao vaninandro iainantsika ankehitriny izao dia angamba hoy i Paoly: “Velomy ny tenanao sy ny ankohonanao ary manokàna ampahany kely hanampiana ireo izay tena mila fanampiana.”

Eo amin’ny sehatra misy antsika, ahoana no hampiharantsika eo amin’ny fiainantsika ny hafatra ambaran’i Paoly eo amin’ireo andininy ireo?

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata

* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.