Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 04 DESAMBRA 2016

TSY MISY TOMBONTSOA MIAFINA "Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanao...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 07 : Nantsoina ho amin'ny fahamasinana

11-17 Aogositra 2012
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Tsy tahaka ny Jentilisa (1Tes. 4:4,5)
Talata 14 Aog.

Vakio ny 1 Tes. 4:4,5. Inona no hafatra hitanao ao amin’ireo andininy ireo? Inona no ambarany aminao manokana?

Na dia teo aza ireo filôzôfa mpandinika ny ara-môraly, voaresaka ao amin’ny lesona fahatelo, izay nanohitra ny endrika fanaranam-po samihafa eo amin’ny ara-nofo, dia tsy nisy fefy kosa ny fanaranam-po tamin’ny firaisana ara-nofo teo amin’ny fiarahamonina jentilisa tamin’ny andron’i Paoly. Hoy ilay mpandaha-teny jentilisa malaza nantsoina hoe Cicéron: “Raha misy olona mihevitra fa tokony horarana tsy hanao izay tiany hatao amin’ny mpivaro-tena ny tanora, dia tsy isalasalana fa mampihatra fitsipika tena hentitra izy... kanefa izany dia tsy hoe mifanohitra amin’ny fahalalahana ananantsika amin’izao andro izao ihany, fa manohitra koa ny fomba amam-panaon’ny razantsika. Satria oviana moa no tsy nanaovan’ny olona izany? Oviana no nampangaina izany? Oviana no norarana izany? — Notsongaina tao amin’ny LT: Doubleday, 2000), tt. 235,236.

Maro ireo mihevitra amin’izao vaninandrontsika izao fa faneriterena mahasorena ny fitsipika momba ny firaisana ara-nofo. Heverin’izy ireo fa ny teny toy izay hita ao amin’ny 1 Tes. 4:4, 5 dia sahaza ny fotoana sy ny toerana sasany ihany. Tsy nisy fandrarana kokoa ny firaisana ara-nofo anefa teo amin’ny tontolon’ny fiaraha-monina fahiny toy izay eo amin’ny tontolon’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny. Toy ny tsy nandraisan’ny fiaraha-monina ny hafatr’i Paoly tamin’ny androny no tsy andraisan’ny fiaraha-monina izany koa ankehitriny.

Ny “fahazoana ny fanaky ny tena” (1 Tes. 4:4) no vahaolana atolotr’i Paoly momba ny fanaranam-po amin’ny firaisana ara-nofo. Ny teny ampiasaina eto, izay mazàna nadika hoe “manana” dia avy amin’ny teny grika izay midika hoe “mahazo”. Tsy dia mazava loatra ny hevitry ny teny hoe “mahazo ny fanaky ny tena”. Raha toa midika hoe “vehivavy” ny teny hoe “fanaka” (araka ny fomba fiteny mahazatra tamin’izany andro izany; jer. ny 1 Pet. 3:7), dia izao no tiany hambara: aoka ny lehilahy rehetra samy hitandro ny fahamendrehan’ny tokantranony mba hialany amin’ny fakam-panahy momba ny firaisana ara-nofo.

Maro koa anefa ireo dikan-teny môderina izay milaza fa manondro ny tenan’ny olona iray ny hoe “fanaka”. Araka izany, ny teny hoe “mahazo ny fanaky ny tena” dia azo adika hoe “mifehy ny tena”.

Vakin’i Paoly bantsilana amin’ny alalan’ireo tranga roa ireo ny baranahiny aramôraly nisy tamin’ny androny. Ny Kristianina dia tsy tokony hitondra tena tahaka ny “Jentilisa”. Tsy tokony ho ny fenitry ny fiaraha-monina ankapobeny no fenitra arahintsika. Masina ny firaisana ara-nofo, voatokana ho ao anatin’ny fanambadian’ny lehilahy iray vehivavy iray izany. Tohizan’i Paoly, eo amin’ny 1 Tes. 4:6, ny fanambarana fa tsy tokony hoheverina na oviana na oviana ho zavatra maivamaivana ny firaisana ara-nofo. Rehefa leferina ny fisian’ny firaisana ara-nofo ivelan’ny rafitra napetrak’Andriamanitra, dia fahapotehana mandrakariva no vokany. Iza moa no tsy efa nahita teo amin’ny fiainan’ny hafa, na teo amin’ny fiainany, ny fahapotehana ateraky ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy io fanomezana io?

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata

* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.