Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 07 DESAMBRA 2016

NY ANTONY NAHATONGAVANY "Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany." 1...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 12 : Ny antiKristy

15 - 21 Septambra 2012
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Ny olana misy (2Tes.2:1-3)
Alahady 16 Sept.

Inona no lohahevitra resahin’i Paoly ao amin’ny 2 Tes. 2? Nahoana ireo teny ireo no tena mbola ilaintsika koa amin’izao andro izao? Miatrika fihaikana maro tahaka izay mikasika ireo toe-javatra hiseho amin’ny andro farany (ny fanombanana daty, ny fampianarana notefen’olombelona, sy ny tahaka izany) koa isika eo anivon’ny fiangonantsika, na dia tsy mitovy amin’ny azy ireo aza ny toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao. Amin’ny fomba ahoana? Inona no foto-kevitra mitovy amin’izany hitantsika eto izay natrehintsika mandrakariva koa?

Tsy misy porofo mazava ao amin’io andalan-teny io hoe/fa nametraka fanontaniana mikasika ny fiavian’i Jesôsy fanindroany ny fiangonana. I Paoly mihitsy no nahita olana anankiray ary niresaka mikasika izany. Mamerina ny saina any amin’izay voasoratr’i Paoly ao amin’ny taratasiny teo aloha (1 Tes. 4:15-17) ny hoe “fanangonana antsika ho eo aminy”.

Ny tenin’i Paoly ao amin’io andalan-teny io dia mampahatsiahy ny fampitandremana izay Jesôsy mihitsy no nilaza azy (Mat. 24:1-13). Nalaky voahozongozon’ny fampianarana hafa izay voarainy fotoana fohy taorian’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany ny Tesalônianina.

Tsy voalazan’i Paoly ny antony manokana nahatonga azy ireo ho sahiran-tsaina. Mety tsy nolazain’izy ireo taminy akory aza angamba izany. Azo heverina fa ny fampianarana ara-paminaniana avy tamin’ny mpaminany sandoka, na avy tamin’ny tsy fahatakarana ny tiany hambara tao amin’ny taratasiny voalohany no tiany hambara tamin’ny nampiasany ny hoe “amin’ny fanahy” (2 Tes. 2:2). Ny resaka niampitampita teo anivon’ny mambra no mety ho antony faharoa. Rehefa niresaka momba ny taratasy iray “izay toa avy aminay” i Paoly, dia taratasy izay nisandohana ny anarany no tiany hambara na fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny anankiray tamin’ireo taratasy izay tena avy taminy marina.

Na malina toy inona aza ny pasitora anankiray eo amin’ny fitandremany ny fiangonana, dia marobe tokoa ireo fomba mahatonga ny fiheveran-diso hiorim-paka mora foana. Moramora kokoa amin’ny mambra indraindray ny mandray tatitra na tsaho toy izay ny mandinika tsara ny Soratra Masina mba hampahazava izany ho an’ny tenany. Indraindray mety ho ara-Baiboly mihitsy aza ny foto-kevi-baovao sasany, kanefa hita fa tsy mifanaraka amin’ny fampianarana hafa voalazan’ny Baiboly izany.

Io voalaza farany io no toa olana niseho tao Tesalônika. Nahafantatra zava-marina maro mikasika ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, miaraka amin’ireo toe-javatra hiseho mialoha izany, ny Tesalônianina. Fironana tao amin’izy ireo ny nanantitrantitra ny tendrony itsy na iroa tamin’ny fampianarana fa tsy mba nanana fijery mandanjalanja. Tsy noraharahain’izy ireo ny fampitandreman’i Jesôsy mikasika ny fitadiavana famantarana momba ny fiverenany (Mat. 24:4-8). Vokatr’izany dia nampalahelo azy ireo hoe tsy mbola niverina foana i Jesôsy (1 Tes. 4:13-15). Ao amin’io toko io àry ny tsoakevitr’izy ireo dia toa hoe efa miaina sahady eo anivon’ireo toe-javatra miseho amin’ny andro farany izy ireo.

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata

* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.