Banner 1 Banner 2 Banner 3 Banner 4

Mofonaina

MOFONAINA 24 JOLAY 2017

“Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky n...  Davantage

Lesona Sekoly Sabata

Lesona 01 : Ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy

29 Sept - 05 Okt 2012
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata
Ny fahalavoan'i Losifera
Alatsinainy 01 Okt.

Na dia tsy milaza mazava amintsika ny amin’ireo toe-javatra mifaningotra amin’ny ady ifanaovan’Andriamanitra sy i Satana aza ny Baiboly, dia azo takarina avy amin’ireo andalan-tSoratra Masina mazava ihany izany, toy izay voalazan’ny Isa. 14:4-21 sy ny Ezek. 28:12-19. Tany am-boalohany ireo andalan-teny ireo dia nentina nanehoana ireo mpanjakan’i Tiro sy Babilôna. Rehefa vakina tsara kosa anefa izany, dia hita ho miresaka zavatra hafa ankoatra ireo mpanapaka tany amin’ny faritr’i “Proche-Orient” fahiny ireo. Tsy azo lavina fa miresaka ny fiandohan’i Satana sy ny toerana nisy azy ary ny fahalavoany izany.

Mampitandrina i Paoly ao amin’ny 1 Tim. 3:6 mikasika ny fanendrena ny mpino vaovao, satria mety hahatonga ilay olona hanjary hanandra-tena izany ka hanjò azy koa ny famaizana nihatra tamin’ny devoly. Ahoana no fomba itondran’i Paoly fanazavana mikasika ireo andininy roa eo ambony ireo, ary amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo andalan-teny telo ireo antsika hahatakatra ny olana sasantsasany ao anatin’ny fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy?

Fara fahakeliny, dia olana telo no voaresaka ao anatin’ireo andalan-teny eo ambony eo ireo: ny fireharehana, ny fiheverana ho mahavita tena ary ny tsy fetezana hofehifehezina. Zavaboary anankiray mahaleo tena ary maniry ny havita tena sy tsy miankina na amin’iza na iza no asehon’ny Testamenta Taloha. Ny fahaleovan-tena anefa dia fahaleovan-tena amin-javatra na olona hatrany no heviny. Ambaran’ny 1 Jao. 3:8 fa efa nanota hatramin’ny voalohany ny devoly; ary ny 1 Jao. 3:4 dia mamaritra ny “ota” ho fandikan-dalàna. Ny otan’i Satana àry araka izany - izay niseho teo amin’ny fikatsahana fahaleovan-tena sy fahavitan-tena - dia naneho faniriana tsy ho eo ambanin’ireo “fameperan’” Andriamanitra sy ny lalàny. Tamin’ny fandavany tsy ho eo ambanin’ny fahefan’ny lalàn’Andriamanitra àry no nanehoan’i Satana fa fepetra hafa mihitsy no tiany harahina. Io fikomiana io koa dia mampiseho fa tsy tonga lafatra ny rafitry ny lalàn’ny lanitra, ary tena misy zavatra tsy mety mihitsy ao. Koa satria mampiseho ny toetran’Andriamanitra ny lalàny, dia midika izany fa tsy lavorary ihany koa ny toetran’Andriamanitra. Raha fehezina, dia Andriamanitra mihitsy no tian’i Satana hotoherina tamin’ny nanoherany izany rehetra izany.

Fireharehana sy fiheverana ho mahavita tena ary tsy fetezana hofehifehezina. Inona no tonga ao an-tsainao raha vao mandre ireo teny ireo? Amin’ny fomba ahoana avy no mety hahatafalatsaka antsika amin’ny fandrika izay mety hoentin’ireo toetra telo voalaza ireo, na dia mety tsy ho tsikaritra velively aza izany indraindray? Na izany na tsy izany, inona rahateo no efa maha-zava-doza ireo toetra ireo?

 

Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabata

* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.