LESONA 10

I Paoly sy ny fikomiana


SABATA


Hodinihina mandritra ny herinandro:
Rôm. 5:12–21; 1 Kôr. 3:12–17; 1 Kôr. 12:14–26; Efes. 6:11–17; 1 Kôr. 15:12–18.


Tsianjery:
“Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana itý mety lo itý, ary mitafy ny tsi-fahafatesana itý mety maty itý, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: ‘Ny fahafatesana noresena ka levona’” – 1 Kôr. 15:54.ỳ

Mameno ny asasoratr’i Paoly ny lohahevitra momba ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. Tsy tokony hiadian-kevitra intsony ny finoan’i Paoly fa tena misy tokoa i Satana sy ny asa famitahana ataony amin’ny olona ary ny famonoany azy. Any amin’ny andininy maro i Paoly dia mampitandrina ny amin’ny drafitr’i Satana (Efes. 6:11), ny amin’ny fandriny feno hafetsena (2 Kôr. 11:14), eny fa na dia ny amin’ireo famantarana sy fahagagana lehibe ataony aza (2 Tes. 2:9).

Izay rehetra efa namaky ny voasoratr’i Paoly anefa dia mahafantatra fa i Kristy sy ny fandreseny farany ho antsika hatrany no nifantohan’io apôstôly io. Nanerana ny taonjato maro no nahombiazan’i Satana teo amin’ny fifaneken’Andriamanitra sy ny olona. Resy tanteraka teo anatrehan’i Jesôsy anefa ny devoly. Tanteraka tao amin’i Jesôsy avokoa ny teny fikasan’ny fanekena rehetra. Noho io dia azo antoka ho an’ny olona rehetra ny famonjena, na Jiosy izy na Jentilisa ka mitaky izany amim-pinoana sy fankatoavana. Ny fahatokian’i Kristy koa dia mampanantena fa ho ringana i Satana (Heb. 2:14) ary tsy hisy intsony ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy.

Amin’ity herinandro ity isika dia handinika ireo tandindona sy fanoharana nampiasain’i Paoly hanazavana ny maha-zava-misy marina io ady io sy ny tokony ho fihatrehantsika izany. Mila miara-miasa isika amin’ny maha-fiangonana sy fianakaviam-ben’ny mpino antsika ho soa ho an’ny rehetra eo anivon’ity ady amin’ny ratsy ity.


ALAHADY


I ADAMA SY I JESÔSY (Rôm. 5:12-21)

Ny fanazavana ny filazantsara amin’ny fomba maharesy lahatra no tena ahafantarana indrindra an’i Paoly. Tsy ambakan’izany ny fanazavany ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Any afovoan’ny fampianarany momba ny Vaovao Mahafaly no itanisan’i Paoly ireo lafin-javatra lehibe tiany hasongadina: voalohany, efa “nohamarinina tamin’ny finoana” amin’ny alalan’i Jesôsy isika (Rôm. 5:1); faharoa, afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra isika, ka “hifaly amin’ny fanantenana” (Rôm. 5:2); fahatelo, tsy hanelingelina antsika intsony ny olana sy ny fahoriana (Rôm. 5:3-5). Nanome teny fikasana ho antsika koa i Paoly fa “fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Rôm. 5:8), ary ankehitriny isika dia efa voavonjin’ny ain’i Kristy sy ny fahafatesany ho antsika. Avotra koa isika amin’ny fitsarana farany ataon’Andriamanitra amin’ny ota (Rôm. 5:9,10), ary dia hiravoravo isika fa tafaverina Aminy indray (and. 11).

Vakio ny Rôm. 5:12-21. Ahoana no nanehoana ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’ireo andininy ireo?

Rehefa avy niresaka momba ny zavatra rehetra efa nataon’i Kristy ho antsika i Paoly, dia manazava ny fomba namerenany antsika ho Aminy indray. Raha navela tamin’izao ny fahasimbana nentin’i Adama teo amin’ilay hazo tao amin’ny saha, dia tsy hisy ny fanantenana ny amin’ny hoavy maharitra mandrakizay. Hivoaka ho mpandresy amin’ilay ady lehibe ifanaovany amin’i Kristy i Satana amin’izay fotoana izay. Nitondra ny fahafatesana teo amin’ny taranak’olombelona rehetra i Adama noho ny zavatra nataony (Rôm. 5:12). Na dia ny fanomezana ny Didy folo teo an-tendrombohitra Sinay aza dia tsy ho nahavita nampitsahatra ny fahafatesana sy ny olan’ny ota. Ny lalàna dia manazava fotsiny ihany ny atao hoe ota, fa tsy mamaha ny olan’ny ota. Ny sorona nataon’i Jesôsy irery ihany no hamaha ny olan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Naloan’i Jesôsy ny trosa, tamin’ny alalan’ny “fanomezam-pahasoavany” dia ny ainy mihitsy (Rôm. 5:15,16).

Azo averina amin’ny laoniny avokoa àry izao ny olona rehetra. Efa “nanapaka” antsika ny fahafatesana noho ny nanotan’i Adama. Ankehitriny kosa anefa dia afaka hanjaka amin’izay ny “haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana” noho ny fahatokian’i Kristy (Rôm. 5:17). Tsy ara-drariny raha tsy azontsika ny lanitra noho ny amin’i Adama. Tsy nisy nidirantsika tsinona tamin’ny safidy ratsy nataony. Mitanty ny vokany fotsiny isika, kanefa tsy rariny koa raha mbola mahazo ny lanitra ihany isika noho izany antony izany. Tsy nisy anjara noraisintsika tamin’izay nataon’i Jesôsy 2000 taona lasa izay. Faranan’i Paoly ao amin’ny Rôm. 5:18-21 ny fanazavany. Nitondra ozona sy famaizana ary fahafatesana ilay Adama voalohany. Ilay Adama faharoa (Jesôsy) kosa nitondra fampihavanana sy fiainana.

“Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Rôm. 5:8). Ampidiro ao ny anaranao ka takio ho anao izany teny fikasana izany. Inona no fanantenana atolotr’izany ho anao?


ALATSINAINY


“FANDRAFETANA” FIANGONANA (1 Kôr. 3:4-9)

“Na dia mety ho osa sy be kilema aza ny fiangonan’Andriamanitra, dia izy no hany iantefan’ny fitiavany lehibe indrindra eto an-tany.” – In Heavenly Places, t. 284 (Ellen White).

Ny epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Kôrintianina no mahazava indrindra io tenin’i Ellen G. White io. Ao amin’ny 1 Kôr. 3 dia ampitahain’i Paoly amin’ny saha izay iasan’olona isan-karazany ny fiangonana. Ao ny mamboly ny voa, ao ny manondraka ary Andriamanitra kosa no tompon’andraikitra amin’ny fitomboany sy ny fahamasahany (1 Kôr. 3:4-9).

Mbola manohy ny fanazavany ihany i Paoly ka ohariny amin’ny trano indray izao ny fiangonana. Ao ny mametraka ny fototra ary olona maro samy hafa kosa no manorina eo amboniny (1 Kôr. 3:10). Tsy misy afa-tsy i Jesôsy Kristy irery ihany no tena fanorenana (1 Kôr. 3:11). Ireo izay manohy ny asa àry izany dia mila mitandrina fatratra ny amin’izay akora ampiasainy. Ny fitsarana ho avy no hampiseho ny tsy fitovian’ny akora tsara sy ny akora ratsy nampiasain’ny olona (1 Kôr. 3:12-15).

Vakio ny 1 Kôr. 3:12-15. Ampitahao amin’ny Mat. 7:24-27 izany. Inona avy ireo zavatra anankiroa izay mampiseho ny tena toerana misy antsika marina ao anatin’ilay ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy?

Vakio indray izao ity manaraka ity: “Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany” (1 Kôr. 3:16,17).

Zavatra roa no mila marihintsika. Voalohany, ny toko dia miresaka momba ny fiangonana sy ny fomba ananganana azy. Tsy miresaka fahasalamana izany. Andriamanitra dia tsy manimba ny olona izay manimba ny vatany amin’ny alalan’ny fomba fiaina tiany hampiharina. Izy ireo ihany no manimba ny tenany amin’izay fotoana izay.

Ny zavatra faharoa dia izao, isaka ny miseho ao amin’ireo andininy roa ireo ny teny hoe: hianareo, dia olona maro no heviny amin’ny teny grika. Antokon’olona fa tsy olona iray monja no anoratana eto. Koa na iza na iza àry izany manimba ny tempoly, dia manana olana lehibe tokoa izy. Mampitandrina Andriamanitra fa hanimba ny olona izay miezaka handrava ny tempoly.

Ahoana no ahazoantsika antoka fa amin’ny zavatra rehetra lazaintsika sy ataontsika dia manangana ny fiangonana isika fa tsy mandrava izany?


TALATA


NY FIANGONANA AMIN’NY MAHA-TENA IRAY AZY (1 Kôr. 12:14-16)

Voazava mazava tsara ny anjara asa lehiben’ny fiangonana ao amin’ny 1 Kôr. 12. Hitantsika eto ny fanoharana ny fiangonana amin’ny vatana iray. Voalaza mazava tsara ny asan’ny mambran’ny vatana (fiangonana) tsirairay avy, ka izy rehetra ireo dia miara-miasa avokoa (1 Kôr. 12:12).

Vakio ny 1 Kôr. 12:14-26. Inona no hafatra lehibe ao amin’ireo andininy ireo?

Amin’ny fomba somary mahatsikaiky no iresahan’i Paoly eto. Manontany tena izy ny amin’izay hitranga raha toa ka tongotra iray na sofina iray no hilaza fa tsy anisan’ny tena izy. Mbola mametra-panontaniana hatrany izy ny amin’izay hiseho raha ny vatana iray manontolo mihitsy no maso ilany fotsiny na sofina ilany fotsiny (1 Kôr. 12:17). Alao sary an-tsaina ny sofina be iray mikopakoka eran’ny efitrano sady manao amintsika hoe: “Manao ahoana daholo”! Mety hampihomehy tokoa ny fandrenesana izany kanefa dia izany tokoa no mitranga rehefa misy antokon’olona iray miezaka hifehy ny fiangonana toy ny hoe azy ireo irery izany.

Arỳ alohaloha arỳ i Paoly dia mamaritra ny amin’ireo andraikitra samy hafa ao amin’ny fiangonana. Voalazany fa fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina avokoa ny andraikitra tsirairay avy. Ao ireo mambra miteny amin’ny teny fahendrena ary ao kosa ireo tena manam-pahalalana momba ny Baiboly (1 Kôr. 12:8). Ao ireo manana finoana izay mankahery ny rehetra. Ao ny mahay manasitrana (1 Kôr. 12:9). Ao ny mahay manao fahagagana, ary ao ny mahay maminany. Ao ny mahay manavaka tsara ny ratsy sy ny tsara, ary ao ny mahay mandika fiteny hafa tsy fantatra (1 Kôr. 12:10). Mariho fa tsy ireo olona ireo no manapa-kevitra ny amin’ny fahaizana tiany hananana. Ny Fanahy masina no nifidy azy ireo avy tany amin’ny lafim-piainana maro samy hafa mba hananganana ny fiangonana sy hampisy firaisana eo aminy (1 Kôr. 12:11-13). Mba hanantitranterana io foto-kevi-dehibe io, dia i Paoly ihany no mamerina izao teny izao: Andriamanitra ihany no manapa-kevitra ny amin’izay toerana tokony hisy ny mambra tsirairay avy (1 Kôr. 12:18).

Zava-dehibe indrindra tsara marihina, maro ny mambra kanefa ny tena dia iray ihany. Mifandray avokoa ny mambra rehetra, na dia ireo mihevitra ny tenany ho tsy dia misy ilàna azy loatra aza (1 Kôr. 12:20-24). Misy fiarovana voapetraka ao anatiny ao izany fiaraha-miasa izany mba ho azo antoka ny fiarovana sy ny fiadanan’ny tsirairay avy. Miseho eo amin’ny fiangonana ny fiaraha-miasa rehefa ifampizarana ny fahoriana sy ny fifaliana (1 Kôr. 12:26).

Misy vatana sasany mitolona amin’ny aretina izay ny zavatra ao amin’ilay vatana ihany no mamely ilay vatana. Mety hampidi-doza sy hanimba ary mety hahafaty mihitsy aza io aretina io. Raha dinihina ny andininy nomena androany, ahoana no fomba fiasan’ilay fahavalo mba hamotehana ny vatana? Ary koa, ahoana no fomba hampiasan’Andriamanitra antsika hanampy hampijanona izany famelezana izany?


ALAROBIA


Ny fiadian’Andriamanitra (Efes. 6:11-17)

Tena misy tokoa ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Eo anivon’ny tolona tena misy ary amin’ny fahavalo tena misy isika (Efes. 6:11). Maneho izany ny fampiasan’i Paoly fanoharana maromaro momba ny ady ao amin’ny Efes. 6.

Vakio ny Efes. 6:11-17. Milaza inona amintsika ireo andininy ireo ny amin’ny maha-zava-misy marina an’io ady io sy ny ikasihany ny isam-batan’olona mihitsy?

Tsy ny anjara asan’ireo ampahany rehetra mandrafitra ilay fiadiana no zava-dehibe eto fa ny zavatra asehony. Antitranterin’i Paoly fa ilaintsika ny mampiasa azy rehetra fa tsy izay tiantsika ampiasaina amin’ireo fotsiny. Ho vitantsika ny hijoro tsy ho voahozongozona raha manao izany isika (Efes. 6:13). Ampiasaina ao amin’ny Baiboly io fanoharana io mba hilazana ny tsy fananantsika tsiny amin’ny fotoam-pitsarana (ampitahao amin’ny Sal. 1:5). Raha ambara amin’ny fomba hafa dia hoe handresy isika.

 Ny mihazona ny fiadiana rehetra dia ny fisikinana ny fahamarinana eo am-balahana (Efes. 6:14). Ny fahamarinana araka izany no mihazona ny fiarovana ara-panahy rehetra efa mipetraka. Niresaka matetika momba ny fahamarinana i Jesôsy (Jao. 1:14, 17; Jao. 4:24; Jao. 8:32; Jao. 14:6). Ny rariny tafiana ho fiarovan-tratra no manaraka (Efes. 6:14); “fahamarinana” no teny fototra nampiasaina ao amin’ny toritenin’i Jesôsy (ohatra: Mat. 5:6,10; Mat. 6:33). Tany amin’ny TT ny rariny dia noheverina ho fahazoana ho antoka fa  nanjaka teo amin’ny tany ny fahamarinana ary ara-drariny avokoa no nitondrana ny olona rehetra.

Maneho ny filazantsaran’ny fihavanana kosa ny kiraro fitondra miady (Efes. 6:15). Nindramina avy tao amin’ny Isa. 52:7 ny teny voalaza ao. Io andininy io dia miresaka ny amin’ireo olona niainga avy lavitra mba hahafantaran’ireo mpiray tanindrazana aminy tany am-pahandevozana fa efa natsangana i Jerosalema ary efa naverin’Andriamanitra amin’ny vahoakany indray ny fahafahany. Fomba iray hafa izany hanazavana fa tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny ratsy ny famelana ny olona hahafantatra fa efa azon’Andriamanitra sahady ny fandresena ary afaka miaina am-piadanana miaraka amin’izy samy izy sy amin’ny hafa ary amin’Andriamanitra izy ireo.

Ny ampingan’ny finoana (Efes. 6:16) dia miaro amin’ireo “zana-tsipìka mirehitra” mba tsy hahazoany mitondra faharavana tanteraka. Ny fiarovan-dohan’ny famonjena (Efes. 6:17) indray dia ampitahaina amin’ny satrobininahitra izay zarain’i Jesôsy amintsika (Apôk. 1:6; Apôk. 2:10). Ny sabatry ny Fanahy (ny Tenin’Andriamanitra) no hany fitaovana hiarovantsika tena ka hampiasaina tahaka ny nampiasan’i Jesôsy azy izany rehefa nalain’ny devoly fanahy Izy (Mat. 4:4,7,10).

Milaza inona amintsika ny fiadiana iray manontolo momba ny fiankinantsika tanteraka amin’Andriamanitra mandritra ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy? Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy misy ampahany amin’ny tenantsika ka avelantsika amin’izao tsy misy fiarovana?


ALAKAMISY


Ilay fahavalo farany (1 Kôr. 15:12-18)

Hita mazava fa sahiran-tsaina ny olona sasany tao Korinto  momba ny fitsanganana amin’ny maty. Hazavain’i Paoly tsara ny maha-zava-dehibe azy io eo anatrehan’ny filazantsara (1 Kôr. 15:1-4). Toa misy ahiahy momba ireo mpino efa maty (1 Kôr. 15:6). Mihevitra ny olona sasany fa tsy hitsangana ny maty amin’ny fiverenan’i Jesôsy (1 Kôr. 15:12). Toe-javatra toy izany koa no niseho tany Tesalônika (1 Tes. 4:13-17).

Faranan’i Paoly ny fanazavany amin’ny alalan’ny fanontaniana manao hoe: “Amin’izao fiainana izao ihany ve no anantenantsika an’i Kristy?” Valiany avy hatrany izany ka hoy izy: “mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika (raha izany)” (1 Kôr. 15:19). Mbola hoy ihany izy: “Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry” (1 Kôr. 15:20).

Avy eo dia ampitahain’i Paoly amin’i Adama indray i Kristy: “Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy”. Ambaran’i Paoly avy eo ny fotoana hitrangan’izany fitsanganana amin’ny maty faobe izany: “amin’ny fihaviany” (1 Kôr. 15:23). Atỳ aoriandriana, ao amin’io toko io ihany dia mbola tohizan’i Paoly ny fampitahana an’ireo “Adama” anankiroa (1 Kôr. 15:45-49). Ny hevitr’izany dia voazava ao anatin’ny fitantarana ny momba izay hitranga amin’ny Fiavian’i Kristy fanindroany: “Fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana. Fa itý mety lo itý tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary itý mety maty itý tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana” (1 Kôr. 15:52,53).

Nohariana ho velona mandrakizay i Adama tamin’ny voalohany. Tafiditra teto amin’izao tontolo izao anefa ny ota ka nihanitontongana ny olombelona mandra-pahatonga azy tsirairay tsy haharitra afa-tsy fe-potoana fohy monja hahavelomana. Raha tiantsika àry ny hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy hatao velona mandrakizay isika. Ary izany indrindra no hatolotra antsika.

Vakio ny 1 Kôr. 15:23-26. Izao àry isika dia tafiditra ao anatin’ilay ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Toa mifehy izao tontolo izao ny fahafatesana sy ny faharatsiana ary ny hery tsy masina rehetra. Milaza inona amintsika anefa ireo andininy ireo momba ny fomba hifaranan’io ady lehibe io? Ahoana no ianarantsika mitoky amin’izay tsy hitan’ny masontsika mba hahazoana ny hevitr’ireo teny fikasana ireo ho an’ny tsirairay avy amintsika?


ZOMA


Fianarana fanampiny:
“Na ny olona na ny tany dia samy tonga teo ambanin’ny fifehezan’i Satana avokoa noho ny nahatafidiran’ny ota. Tsy maintsy navotana tamin’ny alalan’ny drafi-pamonjena ny olona. Tamin’ny namoronana azy i Adama dia natao hanapaka ny tany. Resin’ny fakam-panahy anefa izy ka dia tonga teo ambanin’ny fahefan’i Satana. Tafafindra tany amin’i Satana araka izany ny fahefana teo an-tanan’i Adama ka tonga “andriamanitr’izao tontolo izao’ i Satana. Nalainy an-keriny izany fanapahana ny tany izay nomena an’i Adama tany am-boalohany izany. Tamin’ny alalan’ny sorona nataon’i Kristy handoavana ny onitry ny ota anefa, dia tsy ny olona ihany no navotany fa tafaverina Aminy ihany koa ny fahefana hifehy izao tontolo izao. Izay rehetra very tamin’ny alalan’ilay Adama voalohany dia tafaverina indray amin’ny alalan’ilay Adama faharoa (Jesôsy)” – The Signs of the Times, Nov. 4, 1908, Ellen G. White. Na izany aza anefa dia mora amintsika tokoa rehefa mijery ny tontolo manodidina antsika isika, ny manadino ilay fahamarinana lehibe fa i Satana dia efa resy ary efa “kely sisa ny androny” (Apôk. 12:12). Hita hatraiza hatraiza eto amin’izao tontolo izao ny faharatsiana sy ny fahafatesana ary ny fahoriana. Omena antsika anefa ny toky fa noho izay efa nataon’i Kristy dia hifarana avokoa ireo zava-mampahory rehetra ireo. Raha tsy mazava amintsika izao ankehitriny izao izany dia tena tokony hazava tokoa: Tsy ho fongotra amin’ny alalan’izay azontsika olombelona atao izany. Andriamanitra irery ihany no hitondra ny fiovana efa nampanantenainy antsika. Tsy vitantsika ny hamaha samirery izany olana izany.


Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:


1. “Na dia osa sy feno kilema aza ny fiangonana ary mila hatrany fampitandremana sy toro hevitra, dia izy mandrakariva no iantefan’ny fiheveran’i Kristy ambony indrindra. Kasihiny amin’ny fahasoavana ny fon’olombelona ka dia teraka eo ny fiovan-toetra izay mahatalanjona fatratra ny anjely ka anehoany ny hafaliany amin’ny hira fiderana. Miravoravo ny anjely rehefa mahita fa mety miova toy izany tokoa ny olombelona mpanota”. - “The Signal of Advance,” The Advent Review and Sabbath Herald, January 20, 1903, Ellen G. White. Inona avy ireo fiovana miseho amintsika amin’ny alalan’ny zavatra ataon’i Jesôsy ho antsika sy ao anatintsika?


2. Ahoana no fahitantsika ny fisehon’ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao anatin’ny fiangonana, eo amin’ny sehatra rehetra? Inona avy ireo olana entina hampisarahana antsika, handemena antsika ary hisakanana antsika tsy hanatanteraka ny asa efa niantsoana antsika? Ahoana no fomba hitondrantsika fanasitranana sy firasaina rehefa tsy manaiky tsotra izao ny zavatra inoantsika ho zava-dehibe ny olona?