LESONA 10

28 MAY - 3 JONA

JESOSY TANY JEROSALEMA

LESONA 10
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.20

 

Tsianjery: “Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: ‘ny vato nolavin’ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro ; avy tamin’i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika’?” – Mat. 21:42.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Zak. 9:9; Mat. 21:1-46; Rôm. 4:13-16; Apôk. 14:7-12; Asa. 6:7; Mat. 22:1-15.

 

Fiambenana maraina: Sakaiza mandritra ny fiainana - Jao. 16:7.

 

Ao amin’ny Mat. 20:27,28 dia nilaza i Jesôsy hoe: “ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” Indro Jesôsy, ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay, ilay nahary ny zava-drehetra, ilay niaina ny fiainan’ny mpanompo teto an-tany manao ny asa fanompoany hanome izay ilain’ny very, ny marary ary ireo mila fanampiana. Ny ankamaroan’ireo aza anefa dia mbola nanaraby Azy. Lehilahy nanetry tena manao ahoana re izany! Tsy ho takatsika amin’ny fahafenoany mihitsy izany!

Tsy takatry ny saintsika ny fanoloran-tenany hanjary mpanompo, nefa dia lalina noho izany aza ny zava-mahagaga. Ny anton’izany dia satria Izy ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay no miatrika ny tanjona iray manontolon’ny fiaviany ety, dia ny “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Mar. 10:45). Io sorona feno fanetren-tena io dia hifarana amin’ny zava-miafina izay “tian’ny anjely hodinihina” aza (1 Pet. 1:12), dia ny hazo fijaliana izany.

Ny lesona amin’ity herinandro ity dia mijery ireo toe-javatra manan-danja sasantsasany sy ireo fampianaran’i Jesôsy raha nankany Jerosalema Izy. Tsy hasandratra ho mpanjakan’ny tany Izy, araka izay nirin’ny olona sy nantenainy, fa mba ho “ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika” - 2 Kôr. 5:21.


Pejy ambony
 

ALAHADY: FIAVIANA VOALAZA MIALOHA (Hag. 2:6-9)

Fiambenana maraina: Fampanantenana ny Fanahy - Jao. 7:37-39.

Nanomboka niverina nankany Jerosalema ireo Jiosy taorian’ny fitopolo taonam-panandevozana tany Babilôna. Faly aoka izany izy ireo raha hanangana indray ny tempoly. Saingy rehefa vita ny fanorenana izany, ireo izay nahatsiaro ilay tempoly tsara tarehy an’i Sôlômôna dia nahita fa tsy dia mitovy amin’ny hatsaran’izany ilay tempoly tatỳ aoriana, ka dia “nitomany mafy dia mafy” izy ireo (Ezrà 3:12).

Nahazo fampaherezana tsy nampoizina avy tamin’ireo lehilahy roa teo anivon’izy ireo ny vahoaka: mpaminany efa antitra iray nantsoina hoe Hagay sy mpaminany tanora iray natsoina hoe Zakaria. I Hagay dia nampahatsiahy ny vahoaka fa ny tena voninahitr’ilay tempolin’i Sôlômôna dia tsy avy tamin’izay nentin’i Sôlômôna na ny olon-kafa tamin’izany, tsy an’i Sôlômôna mantsy izany tempoly izany fa an’Andriamanitra. Hoy i Hagay hoe: “Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: ‘indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra itỳ trano itỳ, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Ny voninahitr’itỳ trano itỳ any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; ary eto amin’itỳ fitoerana itỳ no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, tompon’ny maro.” – Hag. 2:6-9.

Nahabe fanantenana kokoa ny toe-javatra rehefa niteny i Zakaria, ilay mpaminany tanora hoe: “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.” – Zak. 9:9.

Nanao ahoana ny fanambaran’ireo faminaniana mahatalanjona ireo ny fidiran’i Jesôsy tany Jerosalema, araka izay hita ao amin’ny Mat. 21:1-11?

Nanaraka ny fomba jiosy teo amin’ny fidiran’ny Mpanjaka Kristy. Ny biby izay notaingenany dia mitovy amin’ny an’ny Mpanjakan’Isiraely, ary ny faminaniana dia efa nanambara mialoha fa toy izany no hidiran’ny Mesia amin’ny fanjakany. Raha vao nipetraka teo amin’ny zana-boriky Izy dia nisy akoram-pandresena mafy namakivaky ny lanitra. Niarahaba azy ho Mesia, ho Mpanjakany ny vahoaka. Neken’i Jesosy ankehitriny ny fanajana fatratra izay tsy nekeny mihitsy teo aloha, koa noraisin’ny mpianatra izany ho porofo fa ho tanteraka ny fanantenany maharavoravo dia ny hahita Azy hapetraka eo amin’ny seza fiandrianana. Resy lahatra ny vahoaka fa akaiky ny fotoana fanafahana azy. Azony sary an-tsaina ny tafika Romana tarihina hivoaka an’i Jerosalema, ary Isiraely lasa firenena mahaleo tena indray.” – IFM, t. 608.

Mandrakariva dia hitantsika fa tanteraka izay ambaran’ny Soratra Masina, saingy tsy takatry ny olona izany tamin’izany fotoana izany. Inona ny lesona azontsika tsoahina momba ny hevitra mibahana mialoha izay mety hanova dika ny fahamarinana?


Pejy ambony

ALATSINAINY: JESOSY TAO AMIN’NY TEMPOLY (Mat. 21:12-27)


Fiambenana maraina
: Teo ny Fanahy tamin’ny famoronana - Gen. 1:2.

Nanomboka tamin’ny Fahalavoana tany Edena, dia fomba iray nofidin’Andriamanitra hampianarana izao tontolo izao ny drafi-pamonjena ny famonoana biby hatao fanatitra. Ireo izay nino dia nahazo famonjena avy tamin’ny fahasoavana tamin’ny alalan’ny finoana ny fiavian’ny Mesia (vakio ny Rôm. 4:13-16). Ahitana ohatra iray manan-danja mikasika io fahamarinana io ao amin’ny Gen. 4, tantaran’i Kaina sy i Abela ary ilay trangan-javatra mahatsiravina izay niseho. Nisy fifandraisana tamin’ny fiankohofana ity toe-javatra ity, ankoatra ny zavatra hafa (vakio ny Apôk. 14:7-12). Araka izany, dia niantso ny Isiraely ho vahoaka voafidy Andriamanitra, “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” (Eks. 19:6), nametraka ny asa fisoronana ho fanazavana feno sy tanteraka ny amin’ny famonjena Izy. Naseho tamin’ny tandindon’ny asa fisoronana ny filazantsara tamin’ny alalan’ilay trano lay nisy ny efitra masina tany an’efitra, tamin’ny alalan’ny tempolin’i Sôlômôna, ary tamin’ny alalan’ilay tempoly naorina taorian’ny fiverenana avy tany Babilôna.

    Nanome ny drafitry ny tempoly Andriamanitra. Olombelona lavo no nanatanteraka ny asa fanompoana natao tao amin’izany tempoly izany. Nandeha ny fotoana ka nihena hatrany ny fahamasinan’ny fanompoana natao, nefa ireo asa fisoronana ireo dia napetrak’Andriamanitra mba hanehoana ny fitiavany sy ny fahasoavany amin’ity tontolo lavo ity. Tamin’ny andron’i Jesôsy dia nitotongana tanteraka ny toe-javatra, vokatry ny fitiavan-tena sy ny fahalianan-karen’ireo mpisorona (izy ireo anefa no nampiandraiketina ny fihazonana ny fahamasinan’ny asa fisoronana). “Noho izany, dia simba tamin’ny lafiny maro ny fahamasinan’ny fanompoam-pivavahana fanatitra teo imason’ny olona.” – IFM, t. 628.

Vakio ny Mat. 21:12-17. Inona ny lesona azontsika tsoahina eto, isika izay miankohoka amin’Andriamanitra?

Tahaka ny nataony tamin’ny toeran-kafa maro dia nilaza teny tao amin’ny Baiboly i Jesôsy hanohanana ny asa nataony sy hanaporofoana ny fahamarinan’izany. Izany dia mampiseho amintsika fa amin’ny maha-mpanara-dia ny Tompo antsika, dia tsy maintsy ivon’ny fijerintsika izao tontolo izao manontolo sy ny finoantsika momba izay marina sy diso ny Baiboly. Ankoatra ny fitanisan’i Jesôsy toko sy andininy avy tao amin’ny Soratra Masina, dia misy ny fanasitranana mahagaga ireo jamba sy ireo mandringa. Izany rehetra izany dia maneho porofo mahery vaika kokoa momba ny maha-Andriamanitra Azy. Mampalahelo anefa fa ireo izay tokony ho mora mandray sy misokatra amin’ireo porofo rehetra ireo no nanohitra mafy Azy indrindra. Noho ny ahiahy ny amin’ny harena etỳ an-tany sy ny toeram-boninahitra amin’ny maha-mpitantana sy mpitandrina ny tempoly azy ireo, dia maro no tsy nahita ny zava-dehibe asehon’ny asa fisoronana tao amin’ny tempoly, dia ny famonjena ao amin’i Kristy izany.

Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy mamela ny faniriana hahazo ny zavatry ny tany, eny, na zavatra tsara aza, hanimba izay tena manan-danja isika: ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesôsy?


Pejy ambony

TALATA: TSY MISY VOANY (Mat. 21:18-22)


Fiambenana maraina
: Mila ny Fanahy ny mpanota - Sal. 51:11.

Fihetsika maneho fiantrana no nataon’i Jesôsy tamin’ny nanadiovany ny tempoly. Tany amin’ny kianjan’ny Jentilisa no niseho ny fivarotana sy ny fividianana, nefa tian’i Jesôsy ho toerana fivavahana sy fiankohofana ho an’ny olon-drehetra ny Tranony.

Fihetsika naneho fitsarana koa anefa io fanadiovana io. Ireo mpisorona izay nitantana ny tempoly dia nanary ny tombontsoany ho fitahiana ny olon-drehetra. Akaiky ny andro fitsarana azy ireo. Nanao izay azony natao rehetra i Jesôsy hanehoana fa irak’Andriamanitra Izy, saingy mbola tsy nety nandray Azy ihany ireo olona ireo. Araka izany, inona moa no tokony hitranga raha tsy ny fijinjan’izy ireo ny vokatry ny safidy ratsy nataony?

Vakio ny Mat. 21:18-22. Ahoana no ifandraisan’ny nanozonan’i Jesôsy ilay aviavy sy ny nanadiovany ny tempoly?

Nanozona ilay aviavy i Jesôsy mba hahatonga izany ho anatra fampitandremana ny hafa tsy hanahaka ny ankamaroan’ireo mpitarika teo amin’ny firenena jiosy, izay nijinja izay nafafiny ihany nony farany. Tokony ho tadidintsika anefa fa tsy mikasika ireo mpitarika ara-pivavahana rehetra tsy akory io fanoharana io, maro tamin’izy ireo mantsy no nino fa i Jesôsy no Mesia. “Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.” - Asa. 6:7. Nefa, tahaka ilay aviavy izay tsy namoa, dia toy izany koa ny asa fanompoana natao tao amin’ny tempoly izay tsy hisy heviny intsony afaka fotoana vitsy.

Azo antoka fa nanaitra mafy ny mpianatra io fihetsika io sy ny teny mahery izay nataon’i Jesôsy, raha mbola teo am-pianarana ny lesona mikasika ny famindrampo sy ny fitondrana ny hafa, ireo izay natao tsirambina na voailikilika, ho eo amin’Andriamanitra izy ireo. Ireo lesona ireo no nasehon’i Jesôsy teo amin’ny asany. Io ihany ilay Jesôsy nilaza fa tsy tonga hanameloka izao tontolo izao fa hanavotra azy; Izy koa no nilaza “Fa ny zanak’olona tsy tonga hahavery ny ain’olona, fa hamonjy azy” - Lio. 9:55. Ny asa rehetra sy ny teny nataony nandritra ny asa fanompoany dia natokany hanavaozana ny olombelona efa lavo, mba hitondra ny olona ho eo amin’ny fanantenana sy ny teny fikasana ny amin’ny fiainam-baovao ao Aminy. Koa gaga ireo mpianatra raha Izy no hiteny sy hanao fihetsika hentitra sy toa masiaka. Izany no antony nahatonga an’i Matio hilaza fa “gaga” izy ireo tamin’ny zavatra izay nataony.

Tsy isalasalana fa na ho ela na ho haingana dia misy foana ny olona mandà ny famindrampo sy ny fahasoavan’Andriamanitra. (Vakio ny Gen. 6:13; Gen. 15:16; Gen. 19:24; ary ny Apôk. 22:11). Nahoana no zava-dehibe ny famelantsika ireny fitsarana ireny ho an’Andriamanitra ka tsy hanaovantsika izany amin’ny hafa na ho an’ny tenantsika koa aza?

Pejy ambony

ALAROBIA
: ILAY VATO (Mat. 21:33-46)


Fiambenana maraina
: Ilay mpisarika olona - Jao. 12:31,32.

Raha toa ka andro vitsy sisa no hahavelomanao, inona no hataonao mandritra izay fotoana izay? Anisan’ny zavatra iray nataon’i Jesôsy ny fitantarana tantara maro izay nisy fiantraikany lalina teo amin’izay nihaino Azy.

Vakio ny Mat. 21:33-46. Maneho an’iza avy ireto olona ireto: ny tompon-tany, ny mpiasa tany, ny mpanompo ary ny zanak’ilay tompon-tany?

Mariho ny teny avy tao amin’ny Sal. 118:22,23 izay nambaran’i Jesôsy. Miresaka mikasika ny toe-javatra iray teo amin’ny tantaran’ny Isiraely i Kristy raha nilaza momba ny faminaniana ny amin’ilay vato nolavina. Misy fifandraisana amin’ny fananganana ilay tempoly voalohany io toe-javatra io. Rehefa natsangana ilay tempolin’i Sôlômôna, dia nomanina tany amin’ny toerana niaviany ireo vato lehibe hanaovana ny rindrina sy ny fototra. Rehefa tonga tany amin’ny toerana hanorenana azy ireo vato ireo, dia tsy nisy fitaovana nampiasaina taminy, ary tsy nisy feo na tantanana na fanaovan-tsokitra re tamin’izany, fa napetrak’ireo mpanao trano teo amin’ny toerany fotsiny ireo vato ireo. Ho an’ny fototra dia vato lehibebe kokoa no nentina, saingy tsy nahita toerana hasiana izany ireo mpanao trano, koa dia nolaviny izany. Nahasorena azy ireo ny nahita fa tsy nampiasaina no sady nibahana ny lalany fotsiny ireo vato, ka dia nijanona, tsy nilaina, nandritra ny fotoana ela izany.

Nefa rehefa tonga teo amin’ny fametrahana ny vato fehizoro ny mpanao trano, dia ela no nitadiavany vato ampy habe sy hamafisana, sy nanana ny bika ilaina, ho eo amin’ny toerana manokana, ka hahazaka ny lanja be hitambesatra aminy… Nony farany anefa dia voasintona teo amin’ilay vato nolavina hatry ny ela dia ela ny saina (…) Nekena ilay vato, napetraka teo amin’ilay toerana voatokana ho azy, ary hita fa tena mifanaraka tsara.” – IFM, t. 637.

Vakio indray ny Mat. 21:44. Fomba roa samy hafa no enti-miresaka momba ilay Vato eto: ny iray dia hoe mianjera eo amin’ilay Vato ka torotoro, ny iray hafa kosa dia hianjeran’ilay Vato ka mongomongo. Inona ny fahasamihafana lehibe eo amin’izany? (Vakio koa ny Sal. 51:7 sy ny Dan. 2:34.)

 
Pejy ambony


ALAKAMISY
: NY VIDIN’NY FAHASOAVANA (Mat. 22:1-15)


Fiambenana maraina
: Rehefa mifarana ny ady - Apôk. 12:10,11.

Ny vaovao lehibe voalazan’ny Baiboly dia hoe Andriamanitra be fitiavana no namorona antsika, izay nanome antsika lalana iray lavitry ny fahotana sy ny fahafatesana izay misy amin’izao. Tamin’ny alalan’ny fanoloran-tena nataon’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana no nanehoana izany. Foto-kevitra iray miverimberina amin’ny fomba fiseho samy hafa izany ao amin’ny Baiboly, ary hitantsika ao amin’ny fanoharana manaraka eto izay notantarain’i Jesôsy.

Vakio ny Mat. 22:1-15. Inona no ampianarin’io fanoharana io antsika mikasika ny famonjena amin’ny finoana?

Mety somary masiaka ny fahitantsika ity fanoharana ity, saingy tsara ny mahatsiaro fa zava-dehibe ny foto-kevitra eto: na fiainana mandrakizay na faharavana mandrakizay ho an’ny tsirairay. Raha tsy izany dia inona moa no tena manan-danja?

Andeha hatao hoe mijery ny hazo fijaliana isika, sy ny sarany izay naloan’Andriamanitra mba hahatonga ny olombelona ho voavonjy, dia tokony ho hitantsika avy amin’izany fa goavana sy lalina tokoa ny foto-keviny. Miresaka mikasika ny persôna iray (Jesôsy) amin’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay (ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) isika, izay nanaiky hampiharana ny sazin’ny fahatezeran’Andriamanitra manoloana ny fahotana. Tsy hisy mihoatra noho izany. Lohahevitra hianarantsika mandritra ny mandrakizay izany, koa tsy mahagaga raha toa ka zara raha takatry ny saintsika amin’izao fotoana izao.

Mahita ireo teny manan-danja tokoa isika ao amin’ny fanoharana izay nataon’i Jesôsy. Efa nomanin’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra mba hahatonga ny olon-drehetra hanana anjara amin’ny fampakaram-bady (vakio ny Apôk. 19:7). Ny zavatra rehetra izay nilaina ho amin’izany dia efa nomena tamim-pitiavana tamin’ny sarany saro-takarina izay tsy hain’ny fanoharana hazavaina. Araka izany, dia tsy mety raha toa ireo olona nasaina ho amin’ilay fampakaram-bady no hanao tsinontsinona izany ka manao ny asa aman-draharahany ihany. “Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.” Tsy mahagaga raha toa ka tezitra Andriamanitra.

Inona ny hevitry ny “akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady”? Vakio koa ny Apôk. 19:8.

Ny akanjo dia maneho ny fahamarinan’i Kristy, fahamarinana izay hita eo amin’ny fiainana sy ny asa ataon’ny olona masina. Ilay lehilahy tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady dia mampiseho ny Kristianina izay mangataka ny zo sy ny tombontsoa amin’ny fahasoavana sy ny famonjena, nefa tsy mamela ny filazantsara hanova ny fiainany sy ny toe-piainany.

Tamin’ny vidiny tena lafo tokoa, dia natao ho an’izay mandray ny fanasana ny fanomezana rehetra. Araka izay asehon’ity fanoharana ity, dia misy tombony be lavitra ny miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny mitsirika eo am-baravarana fotsiny.


Pejy ambony


ZOMA: FIANARANA FANAMPINY


Fiambenana maraina
: Fahafahana ao amin’ny Fanahy - Rôm. 8:2.


Filentehan’ny masoandro: 5.20

Hoy ny lohateny lehibe tao amin’ny gazety The London: “vehivavy iray maty tao amin’ny efitranony efa telo taona: hita teo ambony seza lava ny karan’i Joyce, ary mbola tsy nipiaka ny fahitalavitra.” (http://www.theguardian.com/film/2011/oct/09/joyce-vincent-death-mystery-documentary). Maty efa telo taona tao amin’ny efitranony tany Londres, dia tsy nisy nitady azy ve? Tsy nisy niantso an-tariby mba hanontany ny fahasalamany ve? Ahoana àry no mampitombina izany, indrindra fa amin’izao fotoana izao izay mahabe ny fitaovana ahafahana mifanerasera maneran-tany? Raha vao nipoitra ity tantara ity, dia nivoaka tamin’ny vaovao maneran-tany. Akory ny hagagan’ny mponina tany Londres. Nahoana no tsy nisy nahalala mihitsy ny momba izany nefa dia efa ela izy no maty? Raha tsy eo ny fanantenana sy ny teny fikasana avy amin’ny filazantsara, ary ny famonjena izay naloa tamin’ny sarany lafo tokoa ho antsika, dia ho tahaka ity vehivavy tany Londres ity no fiafarantsika. Ho ratsy lavitra kokoa aza, satria tsy hisy na iza na iza hahita antsika na hitomany ny fahafahatesantsika telo taona aorian’ny itrangan’izany – eny, na telo lavitrisa taona aza. Ireo mpahay siansa amin’izao fotoana izao dia milaza fa na ho ela na ho haingana dia hianjera sy ho faty ao anatin’ny “Fahafatesana noho ny hafanana eran’izao tontolo izao” ny zavaboary rehetra. Ny hazo fijaliana kosa dia milaza amintsika fa diso izany fijery izany. Azontsika atao ny hanana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao eo amin’ny toeran’ny fandringanana mandrakizay. Manana izany hoavy mahafinaritra sy lehibe izany isika, koa ahoana no hahafahantsika mianatra mba tsy hamela na iza na iza, na inona na inona hisakana ny fahazoantsika izay efa nomena antsika ao amin’i Jesôsy?

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  • Eritrereto ny tsy maintsy hiafarana amin’ny fahafatesana sy ny herin’izany. Saino ny maha-tsinontsinona ny ezaka ataon’ny olombelona nandritra ny taonarivo maro mba handresena izany. Ny ezaka tsara indrindra azontsika atao dia ny mitahiry ny vata mangatsiaka, saingy tsy maharesy ny fahafatesana izany fa toy ny loko vaovao atao eo amin’ny fiara efa maty maotera, mba hahatonga azy ho afaka hiasa. Tsy mahagaga raha toa ka nilàna ny zava-mahatalanjona toy ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ilay Zanak’Andriamanitra tamin’ny maty izany, mba handresy ny fahafatesana ho antsika. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny hazo fijaliana ho an’ny fanantenantsika sy izay inoantsika rehetra?

Mieritrereta bebe kokoa momba ny hevitry ny hoe voasarona ao amin’ny fahamarinan’i Jesôsy. Ahoana no hanampian’ny fahatakarantsika izany hevitra manan-danja izany hiaro antsika amin’ny fahalavoana anaty fanarahan-dalana ho fitadiavam-pamonjena na ny fiheverana ny fahasoavana ho mora? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy fahalavoantsika ao anatin’ireo fandrika ireo?

Pejy ambony