LESONA 10

27 AOGOSITRA - 02 SEPTAMBRA

NAHAZO NY FITOKIANY JESOSY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Ho vokatra maharitra - Jao. 15:16,17.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.41

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 15:6; Nom. 14:11;    1 Kôr. 3:1–9; Dan. 6:1–3; Neh. 2:1–9; Deo. 4:1–9; Asa. 2:42–47.

 

Tsianjery: “Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.” - Lio. 5:15.

    

Nandritra ny taona maro, dia nisy fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito iray nanolotra sakafo maraina ho an’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra iray teo an-toerana, nandritra ny dimy andro isan-kerinandro. Tao anatin’ny firenena tena tsy mpivavaka no nisy ilay fiangonana, saingy vao avy namoaka lalàna ny fanjakana fa homena vola ampy ny sekolim-panjakana rehetra mba hananany mpamahana ara-panahy. Koa nirin’ny sekoly sy ny fiarahamonina ny handefasan’ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito mpamahana ara-panahy any amin’ireo sekoly ao amin’ilay faritra. (Mahalana no fiangonana iray ihany no asaina manao izany.) Ny andraikitr’ilay mpamahana ara-panahy dia ny miahy izay ilain’ny mpianatra, sy ny sekoly iray manontolo mihitsy aza, eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. Nahatalanjona ny tombony azo tamin’izany.

“Tiako ny fifandraisana manokana anananay amin’ny fiangonanareo,” hoy ny talen’ny sekoly tamin’ny pasitoran’ny fiangonana, izay tonga nitsidika ny sekoly. Hoy izy nanampy: “Maniry fotsiny aho ny mba hiditra an-tsehatra tahaka izao ataonareo izao ny fiangonana hafa.” Rehefa handao ny toerana ilay mpitandrina, dia nisaotra azy ny solontenan’ny sekoly eo anivon’ny fiarahamonina noho izay ataon’ny fiangonana, ary nanontany raha toa ka afaka manatrika Sabata iray ny tenany.

     Amin’ity herinandro ity isika dia handalina ny resaka mahakasika ny fahazoana ny fitokisan’ny olona irintsika tompoina sy baboina ho an’i Kristy.

 

 Pejy ambony
 

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Tsy an’izao tontolo izao ianareo - Jao. 15:18,19.


Mahazo ny fitokiana (Gen. 15:6)

 

     Nitady izay mahasoa ny olona i Jesôsy, dia naneho fangoraham-po taminy ary niasa ho amin’izay nilainy. Tamin’ny fanaovany ireo rehetra ireo no “nahazoan’i Jesôsy ny fitokiany.” Ny teny hoe “fitokiana” dia avy amin’ny teny latina hoe «con», izay midika hoe “miaraka,” sy «fides», izay midika hoe “finoana.” Misy teny maro ampiasaina mba hampitana sy hampahafantarana ny hevitry ny teny hoe finoana manerana ny Baiboly iray manontolo.

Amin’ny teny hebreo, ny fototeny fototry ny voambolana “finoana” dia «amn», izay ahazoantsika ny voambolana hoe «amen».   Izy io dia mampita hevitra mahakasika ny zavatra mafy orina sy tsy miovaova izay azon’ny olona iray itokiana sy inoana. Matetika izany no adika hoe “mino,” izay midika ho finoana mahavonjy an’Andriamanitra. Mety hidika “fahamarinana” ihany koa izany. Nitarika ny olona hitoky Aminy ny ohatra nomen’i Kristy teo amin’ny  fahazoany ny fitokian’ny olona. Io fitokiana io dia avy amin’ny fahatakarana fa tena tsy miovaova ary matotra ny asan’i Jesôsy raha nifangaro sy naneho fangoraham-po ary nanompo ny olona Izy.

 

Vakio ireto andininy manaraka ireto. Samy misy teny iray mifototra amin’ny fototeny hoe «amn» ireo andininy rehetra ireo (Gen. 15:6; Nom. 14:11; Isa. 7:9; Hab. 2:4). Ahoana no ampiasana ilay teny ao amin’ny andininy tsirairay? Ary ahoana no ampitany ny hevitra mahakasika ny fitokiana?

    

     Amin’ny teny grika ao amin’ny TV, dia “pistis” no fototeny ampiasaina mba hilazana ny voambolana hebreo hoe «amn» (finoana). Manambara finoana sy fitokiana tanteraka io voambolana grika ilazana ny finoana io. Ny ohatra nomen’i Kristy teo amin’ny fahazoana ny fitokian’ny olona dia midika fa nahazo ny fitokian’ny olona sy ny finoany Izy ho vokatry ny asany tsy misy fitiavan-tena raha nifangaro sy naneho fangoraham-po ary nanompo ny olona Izy.

     Zava-dehibe ny manamarika fa rehefa miresaka momba ny karazana fitokiana amin’ny olombelona ny Baiboly, dia matetika izany no mety ho karazana fitokiana ratsy, tahaka ny fitokian-tena na fitokiana olona hafa. (Vakio ny Mika 7:5 sy ny Sal. 118:9). Lasa tsara io fitokiana io rehefa amin’Andriamanitra no iantefany. Misy fampitandremana ao anatin’izany. Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesôsy antsika dia asaina isika mba hiaina sy haneho ny ohatra nomeny teo amin’ny fifangaroany, sy ny fanehoany fangoraham-po ary ny niasany ho amin’ny zavatra nilain’ny olona. Tsy maintsy atoditsika amin’i Jesôsy sy amin’izay nataon’i Jesôsy ho azy ireo anefa ireo olona izay tompointsika ireo rehefa maneho fitokiana amintsika.

Inona no havalinao raha misy olona manontany anao hoe: “Manao ahoana izany finoana marina an’Andriamanitra izany?” Ary nahoana? Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Ny mpananatra no hanambara ahy - Jao. 15:26,27.


Fifandanjana voadinika tsara (1 Kôr. 3:1–9)

 

     Mitombo haingana ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ao amin’ny firenena iray any Afrika. Inona no tsiambaratelony? Nilaza ireo mpitarika ny fiangonana fa misy fifandraisana matanjaka eo amin’io fitomboana io sy ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ataon’ny mambran’ny fiangonana amin’ireo mponina manerana io firenena io. Nisarika ny fahalianan’ny filohan’izany firenena izany ny fitokian’ny maro ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Nanatrika fihaonamben’ny sampan’asa advantista miadidy ny Asa Atao eny Anivon’ny Fiarahamonina izy ka nisaotra manokana ny mambran’ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito noho ny asa fanompoana ataony.

     Etsy an-kilan’izany, amin’ny maha-solontenan’i Kristy antsika dia ilaintsika ny hitandrina fatratra raha manompo ny hafa isika mba hampitodika azy ireny eo Aminy. Mila maka ny fitokian’ny olona isika, tahaka izay nataon’i Kristy. Ilaina ampitodihina eo amin’i Jesôsy anefa ny fitokian’izy ireo antsika. Fantsona fotsiny ihany isika. Mety hahita zavatra mahakasika an’i Kristy eo amintsika izy ireo. Mety ho tsy fitiavan-tena, fitiavana, fiheverana, na fandavan-tena ho amin’ny mahasoa ny hafa izany. Koa manatona antsika izy ireo vokatry ny fanandramany ireo zavatra ireo. Mety tsy ho tiany anefa ny zavatra rehetra ho hitany rehefa tena mandinika antsika tsara izy, satria mpanota avokoa isika rehetra. Koa tsy maintsy atoditsika eo amin’i Kristy izy ireo. Eo Aminy irery ihany no azony ametrahana ny fitokiany feno. Handiso fanantenana azy ireo ny sisa rehetra amintsika, na ho ela na ho haingana.

 

Vakio ny 1 Kôr. 3:1-9 sy ny 1 Kôr. 5:1. Inona no atrehin’i Paoly eo amin’ny fiangonana? Inona no ho karazana fijoroana ho vavolombelona hisy raha toa ka nanasa olon-kafa hankao am-piangonany ireo olona ireo ka hitan’ireo mpamangy ny zavatra noresahin’i Paoly?

 

     Mazava loatra fa tsy voatery ho tonga lafatra na koa hanana fiangonana tonga lafatra isika vao hiasa ho amin’izay ilain’ny hafa. Etsy an-daniny, tsy maintsy miezaka isika ho tonga karazan’olona azon’ny hafa hiankinana sy hitokiana. Ary azontsika tanterahina izany raha toa ka miahy amim-pahatokiana sy amim-pitandremana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesôsy isika. Tsy isalasalana fa hisinda faingana ny ankamaroan’ireo fifandirana sy fifandonana ao anatin’ny fiangonana raha toa ka manokan-tena hiasa ho amin’ny zavatra ilain’ny fiarahamonina sy haneho ny fitiavan’i Kristy amin’izy ireo ny mambra.

 

Raha misy mpamangy sasany manomboka miditra tsy tapaka ao amin’ny fiangonanao, dia inona no ho hitan’izy ireo? Ary karazana fijoroana ho vavolombelona manao ahoana no hasehon’izany amin’izy ireo?


 Pejy ambony

 

TALATA

 

Fiambenana maraina: Haren-danitra mandrakizay - Jao. 3:16.

 

Petra-karena ara-tsosialy (Ohab. 22:1)

 

Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena” – Ohab. 22:1. Ahoana no anampian’ny hevitra ao anatin’io andininy io antsika eo amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny hafa sy eo amin’ny fanatrarantsika ny any ivelany?

 

     Inona no atao hoe “petra-karena ara-tsôsialy” na «capital social»? Rehefa manao petra-bola ao amin’ny kaonty any amin’ny banky isika, dia mitombo ny tombam-bidiny. Ny petra-karena ara-tsôsialy dia fifandraisana tsara sy miteraka voka-tsoa, izay manana tombam-bidy tahaka ny vola any amin’ny banky ihany. Ohatra, voalohany mikolokolo fifaneraserana amin’ny mpitarika eo amin’ny fiarahamonina ianao. Avy eo dia anontanianao izy ireo hoe: Inona no ilain’ny fiarahamonina? Ary mangataka torohevitra avy aminy ianao mahakasika ny fomba hanatanterahana izany zavatra ilaina izany. Dia arahinao asa izany. Amin’izany fomba izany no hanangananao fifandraisana amin’izy ireo. Io no atao hoe petra-karena ara-tsôsialy. Tahaka ny petra-karena ara-pifandraisana ny fanandramana tsara tsirairay iarahanao amin-dry zareo. Hitombo hatrany hatrany ny petra-karena ara-tsôsialinao, ary mitombo tombam-bidy ianao eo imason’izy ireo.

     Mampahatsiahy antsika ny Fitsipika Mifehy ny Fitantanana ny Fiangonana fa ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia tokony “ho fantatra fa olom-pirenena miavaka (...) amin’ny asa ataontsika ho fanasoavana ny besinimaro” “(...) tsy maintsy manohana ireo ezaka ara-dalàna ho fanatsarana sy fandaminan'ny fiaraha-monina isika amin'ny alalan'ny fanompoana sy ny fananana, raha mbola azo atao koa” “amin'ny fitazonana ny rariny sy ny hitsiny eo am-panatontosana ny asa aman-draharaha ataontsika.” – “Standards of Christian Living, SDA Church Manual, 18th edition” t. 179.

    

Ankoatra ny asa fanompoana nataon’i Jesôsy teto an-tany, dia manome ohatra hafa koa ny Baiboly mahakasika ny zavatra mety hitranga rehefa manao “petra-karena ara-tsôsialy” ny vahoakan’Andriamanitra. Vakio ny Asa. 7:9,10; Gen. 41:38–45; Dan. 2:46–49; ary ny Dan. 6:1–3. Soritsorito ny fifandraisana tsara niainan’ireo olona ao amin’ny Baiboly ireo niaraka tamin’ireo olona “any ivelany” sy ny zavatra nitranga vokatr’izany.

 

     Mazava loatra fa mety tsy hiaina ny karazana fanafahana sy tantara mahery vaika hita eto isika. Tsy izany anefa no zava-dehibe. Naneho herin-tsaina izay nisy akony teo amin’ny manodidina azy ireo olona ireo. Manazava i EGW ao amin’ny boky “Patriarka sy Mpaminany” (tt. 199, 200, 204) sy ao amin’ny boky “Mpaminany sy Mpanjaka” (t. 515) fa ny toetra sy ny fijoroan’ireo olon’Andriamanitra ireo no nahazoany ny fitokian’ireo “mpanompo sampy” nanodidina azy ireo. Nalemy fanahy, nahatoky, hendry, mendri-kaja, marina, tsy nivadika tamin’Andriamanitra, ary  nahitsy izy ireo.


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Fiarovana avo ho antsika Izy - Sal. 94:21,22.

 

Ny tombam-bidin’ny petra-karena ara-tsosialy (Neh. 2:1–9)

 

     Amin’ny kapobeny dia vondron’olona manolo-tena an-tsitrapo, izay miasa amin’ny teti-bola voafetra ny fiangonana. Ny petra-karena ara-tsôsialy dia manampy amin’ny fampitomboana ny fahafahan’ny fiangonanao hanatratra tanjona ambony, izay tsy ho tratrany samirery. Ohatra iray momba ny petra-karena ara-tsôsialy ny fahazarana fahiny tany amin’ny firenena sasany, dia ny amin’ireo mpamboly izay manampy mpamboly hafa. Ilaintsika anefa aloha ny mandinika ny toe-javatra tsirairay. Koa raha ilaina sy azo tanterahina ilay drafitra, dia afaka miara-miasa amin’ny hafa isika mba hanatrarana ny tanjontsika.

 

Vakio ny Neh. 2:1–9. Inona no vokatry ny fitokiana avy tany an-danitra nananan’ny mpanjaka Artaksersesy nanoloana an’i Nehemia?

 

 “Nila vonjy tamin’izay afaka nanampy azy izy [Nehemia] raha nisy izany. Vonona mandrakariva hanohina ny fon’ny olona manana zava-tsoa amin’ity tany ity Andriamanitra mba hampiasaina amin’ny asan’ny fahamarinana izany. Tokony hanararaotra ny fanampiana omen’ny olona amporisihin’ny lanitra ireo mpanompon’Andriamanitra izay miasa ho an’ny Tompo. Afaka hanoka-dalana eo amin’izay idiran’ny fahazavan’ny fahamarinana eo anivon’ny tany maizina maro ny fanomezana ataon’izy ireny. Mety tsy hanana finoana an’i Kristy ireo mpanome, ary mety tsy hahalala mihitsy ny Tenin’Andriamanitra koa aza, nefa tsy tokony holavina noho izany antony izany ny fanomezana ataony.” – MM, t. 519.

     Mahatalanjona tokoa fa nanetsika ny fon’ireo mpanompo sampy Andriamanitra eto amin’ity toe-javatra ity mba hanampy amin’ny fampandrosoana ny asany. Tokony hampianatra antsika lesona manan-danja iray izany. Tokony ho vonona hiara-miasa amin’ny hafa isika, na dia amin’ireo tsy amin’ny finoantsika aza, na amin’izay mety ho finoana hafa mihitsy koa aza, raha toa ka hampandroso sy hampahomby ny asan’i Kristy izy. Mazava loatra fa ilaintsika mandrakariva ny hitandrina mahakasika ny amin’izay karazam-pifandraisana ataontsika amin’ny hafa. Azontsika atao anefa ny miara-miasa amim-pitandremana sy amim-bavaka amin’ny hafa, izay afaka hanampy betsaka antsika eo amin’ny fanatanterahana izay tiantsika hatao ho amin’ny mahasoa ny fiarahamonina amin’ny kapobeny. Matetika ny fanjakana na ireo fandraharahana na olona tsy miankina amin’ny fanjakana koa aza no manolotra ny fanohanany, noho izy voakasiky ny asa fanasoavana ataontsika. Tsy tokony handeha ho azy ny fanekena na ny fandavana io fanohanana io. Tokony hodinihina amim-bavaka sy hanaovana fanadihadiana amim-pitandremana tokoa mantsy ny tranga tsirairay, mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra.

 

Ahoana no ahafahanao manangana “petra-karena ara-tsôsialy” eo amin’ny fiarahamonina misy anao izay mety hitondra vokatra tsara sy tombontsoa, tsy ho anao, fa ho an’ny olona hafa, any aoriana any?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Tia anareo izy - Jao. 16:25-28.

 

Fitia eo imason’ny olona rehetra (Deo. 4:1–9)

 

Tsy iadian-kevitra fa notahina tamin’ny fahazavana betsaka avy tamin’ny Tompo isika, amin’ny maha-vahoaka antsika. Tsy mahakasika ny lafiny ara-teôlôjia fotsiny ihany io fahazavana io, tahaka ny hoe fahatakarana ny Hazo fijaliana, ny fitoerana masina, ny toetry ny maty, ny Sabata, ary ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Fitahiana lehibe ho antsika ireo fahamarinana ireo. Rehefa eritreretintsika ny fahazavana nomena antsika mahakasika ny fahasalamana sy ny fanasitranana, dia azo antoka fa manan-javatra tena maro hatolotra ny olona manodidina antsika isika.

Mety ho fitaovana mahery vaika hanampy antsika hanatratra ny fiarahamonina misy antsika tokoa mantsy ny hafatra ara-pahasalamana. Na izany na tsy izany, na dia ireo izay tsy liana velively amin’ny foto-pinoantsika aza amin’ny voalohany, dia liana amin’ny fananana fahasalamana tsara. Tombontsoa lehibe ho antsika izany mba hizarantsika izay nomena antsika. Araka ny efa nianarantsika, hoy i Jesôsy: “‘Izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.’” - Lio. 12:48. Ary tsy misy adihevitra: betsaka no nomena antsika.

 

Vakio ny Deo. 4:1–9. Inona no nambaran’i Jehôvah tamin’ny vahoakany tamin’izany andro izany? Ary amin’ny lafiny inona no iharan’ny foto-kevitra aseho eto amintsika? Nilaza tamin’ny vahoakany Andriamanitra fa tsy maintsy ataony izay hahazoana antoka fa mankatò izay rehetra nandidiany azy izy ireo. Inona no hevitr’izany didy izany ho antsika ankehitriny?

 

     Taona vitsivitsy lasa izay, nandinika ity fanontaniana manaraka ity ny mambran’ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito iray: halahelo antsika ve ny fiarahamonina raha hanjavona tampotampoka amin’izao ny fiangonantsika? Tsotra ny valinteny. Tsia, tsy halahelo ny fiangonana izy ireo. Tsy manana fitokiana amin’ny fiangonana izy ireo.

Tsy tian’ireo mambra ilay valinteny. Koa nanapa-kevitra ny hiala amin’ny fanorenana rindrina izy ireo, ka hiditra amin’ny fanorenana tetezana. Nitandrina tsara izy ireo mba tsy hanao marimaritra iraisana amin’izay fantany fa marina, dia niara-niasa tamin’ny rafi-pandaminana hafa izay efa nanao ny asan’Andriamanitra. Lasa nirotsaka tao amin’ireo rafi-pandaminana ireo tamin’ny fomba mitohy izy ireo, ka nanapa-kevitra ny tsy hanatanteraka tetik’asa indray mandeha tsy miverina fotsiny, fa hihazona drafitr’asa mitohy izay nanampy betsaka ny fiarahamonina nisy azy ireo. Tsy misy isalasalana: tsy ela dia niova ny fihetsiky ny olona nanoloana ny fiangonana.

 

Vakio ny Asa. 2:42–47. Inona no ifandraisan’ny fitombon’ny fiangonana amin’ny hoe: “nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra” (Asa. 2:47) teo amin’ny fiangonana voalohany? Ampitahao amin’ny soatoavina resahina ao amin’ireo andininy ireo ny soatoavin’ny fiangonanao.

 

 Pejy ambony 

 

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Epistily voasoratra - 2 Kôr. 3:2.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.42

 

Fianarana fanampiny: Vakio ny Mar. 5:18–20; Lio. 8:38,39; ary ny Asa. 5:12–16. Vakio ny EGW, “Ilay ohatra ho antsika,” tt. 9-15, ao amin’ny TMF; “The Grace of Courtesy,” tt. 236–240, ao amin’ny Selected Messages, b. 3 (indrindra ny tt. 238,239); “Nitahy ny zaza,” tt. 547-552, ao amin’ny IFM; “Relieve the Oppressed,” tt. 242, ao amin’ny MLT.

 

     Misy fomba maro ahafahanao sy ahafahan’ny fiangonanao miara-miasa amin’ireo fiangonana sy rafi-pandaminana hafa ho amin’ny mahasoa ny fiarahamonina. Zava-dehibe ho an’ny fiangonana misy anao ny mahafantatra ny zavatra ilain’ny fiarahamonina. Rehefa izay, dia tokony hiara-miasa akaiky amin’ny hafa ianareo mba hanatanterahana ireo zavatra ilaina ireo. Inona indray no fomba mahomby kokoa noho izany ho fanorenana fitokiana eo anivon’ny fiarahamonina sy amin’ireo fiangonana hafa koa aza? Rehefa miorina ny fifampitokiana eo amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina kendreny, dia hisy lalana voavoatra ho azy ireo mba hizorany ho amin’ny fanarahana an’i Jesôsy, satria “tsy maintsy hitondra vokatra ary tsy afaka ny tsy hitondra vokatra izany asa izany.” - TMF, t. 87. Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny isan’ny olona izay tratra, na ho tratra, amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra ho fiezahana hanasoa ny hafa izay mila fanampiana.

    

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

  • Tokony hanorina fifamatorana sy laza tsara eo amin’ny fiarahamonina isika. Etsy an-daniny, mampitandrina antsika koa i Jesôsy ao amin’ny Mat. 10:22: “‘Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.’” Ahoana no ampifandrindrantsika sy hamahantsika izay toa fahasamihafana lehibe eo amin’ireo hevitra roa ireo?

 

  • Ifanakalozy hevitra ao amin’ny kilasy ny valinteninareo amin’ny fanontaniana hoe: “Manao ahoana izany finoana marina izany?” Raha tena manana finoana mahavonjy an’i Kristy isika, dia inona no ho fahasamihafana eo amintsika raha mitaha amin’ireo izay tsy manana izany?

 

Fanontaniana iray ilaintsika dinihina tsara amim-pitandremana ny mahakasika ireo fanomezana avy amin’ny olona tsy ao anatin’ny finoantsika. Araka ny nianarantsika tamin’ny Alarobia, tsy nandrara ny fandraisana fanomezana na dia avy amin’ireo tsy mpino an’i Jesôsy aza i Ellen G. White. Ao amin’ny TMF (tt. 219,220) anefa izy dia niteny mafy ireo fiangonana izay nandray vola avy amin’ny fivarotana toaka (na dia ireo mambra ao aminy izay “mijoro tsara sy ara-dalàna” aza). Nambarany fa “voapetin’ny ra” ny vola avy amin’ireny olona ireny. “Misy ozona mitoetra eo amin’izany.” Ahoana no ahafahantsika manavaka ny marina amin’ny diso mahakasika ny olona andraisantsika fanomezana sy iarahantsika miasa amin’ny kapobeny, na dia ho amin’ny antony tsara aza izany?


 Pejy ambony