LESONA 10

26 NOVAMBRA - 2 DESAMBRA

NY FAHATEZERAN'I ELIHO

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 13:28; Jôba 28:28; Jôba 32:1–5; Jôba 34:10–15; Ezek. 28:12–17; Jôba 1--2:10.

 

Tsianjery: “Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” - Isa. 55:9.

 

Dia nitohy ilay ady tamin’ny alalan’ny teny nifanaovan’i Jôba sy ireo lehilahy telo ireo, teny izay indraindray no feno fahendrena, mahafinaritra, lalina ary marina. Impiry impiry moa ny olona no manatsoaka teny avy ao amin’ny bokin’i Jôba, eny fa na ny tenin’i Elifaza, sy i Bildada, ary i Zofara aza. Ary ny anton’izany dia satria nanana zavatra tsara marobe holazaina izy ireo, araka izay efa hitantsika hatrany hatrany. Tsy tamin’ny toerana sahaza, sy ny fotoana sahaza, ary ny toe-javatra sahaza fotsiny no nilazan’izy ireo izany. Tokony hampianatra antsika ny fahamarinana lalin’ireo andininy ao amin’ny Ohab. 25:11–13 ny fampiasan’izy ireo ny teny: “Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra. Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino. Toy ny hatsiaky ny orampanala amin'ny taom-pijinjana, dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.”

Mampalahelo anefa fa tsy ireo no teny ren’i Jôba avy tamin’ny namany. Nihanihombo tokoa mantsy ny olana satria tsy olona telo fotsiny intsony no nilaza taminy fa diso izy, fa nisy olona faninefany niditra teo amin’ny sehatra.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

“Mpampionona” mahasorisorena (Jôba 13:28)

 

Na dia taorian’ny fanehoan’i Jôba ny finoany tamin’ny fomba mahery vaika aza (Jôba 13:15,16), dia nitohy ny fifamaliana. Ao anatin’ny toko maro ao amin’ny Jôba, dia lasa ary miverina ireo lehilahy ireo, miady hevitra mahakasika ireo fanontaniana lalina sy manan-danja mahakasika an’Andriamanitra, ny fahotana, ny fahafatesana, ny rariny, ny ratsy fanahy, ny fahendrena, ary ny maha-fohy ny fiainan’ny olombelona.

 

Vakio ny Jôba 13:28; 15:14–16; 19:25–27; 28:28. Inona ireo fahamarinana aseho ao anatin’ireo andininy ireo?

 

Mitohy manerana ireo toko ireo ny ady hevitra. Tsy misy andaniny te-hahafoy ny heviny. Niady hevitra avy tamin’ny andian-javatra inoany mahakasika izay mahitsy i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara. Tsy neken’izy ireo ny hampilefitra ny heviny mahakasika ny fahazoan’ny olona ny sazy mendrika azy eo amin’ny fiainany. Hizingizininy mafy fa tsy maintsy ho famaizana fotsiny an’i Jôba noho ny fahotany ny zavatra manjò azy. Mandritra izany dia manohy mitaraina i Jôba noho ny anjara mampangirifiry izay manjò azy, resy lahatra fa tsy mendrika ho azy ilay fijaliana. Nifandimby nifandahatra i Jôba sy ireo namany. Niampanga an’i Jôba ny “mpampionona” tsirairay fa mandahatra teny foana sy tsy misy heviny izy. Ary miampanga azy ireo ho manao izany koa i Jôba.

Amin’ny farany, tsy nisy nahatakatra ny zavatra rehetra nitranga izy ireo, ao anatin’izany i Jôba. Ahoana moa no hahatakarany izany? Niresaka avy tamin’ny fomba fijery tena voafetra izy ireo, dia ny fomba fijery ananan’ny olombelona rehetra. Raha afaka mandray lesona avy amin’ny bokin’i Jôba isika (lesona anankiray izay tokony hita miharihary amin’izao ankehitriny izao, indrindra indrindra taorian’ireo lahateny rehetra nataon’ireo lehilahy ireo), dia ho ity izany: mila manetry tena isika, amin’ny maha-olombelona antsika, rehefa miresaka ny momba an’Andriamanitra sy ny fiasan’Andriamanitra. Mety mahalala fahamarinana sasantsasany isika, ary mety ho fahamarinana maro mihitsy koa aza angamba. Matetika anefa – araka izay azontsika ianarana avy amin’ireo lehilahy telo ireo – no mety tsy fantatsika ny fomba tsara indrindra hampiharana ireo fahamarinana fantatsika ireo.

 

Jereo ny tontolo manodidina anao. Io irery ihany dia mampiseho amintsika fa voafetra isika eo amin’ny zavatra fantatsika, eny fa na dia mahakasika ireo zavatra tsotra indrindra aza. Nahoana?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Ny fidiran’i Eliho (Jôba 32:1–5)

 

Manomboka eo amin’ny Jôba 26 hatramin’ny Jôba 31 dia manao ny lahateniny farany amin’ireo lehilahy telo ilay olo-manga feno fahoriana ato amin’ity tantara ity. Tsara rindra sy mampihetsi-po ny lahateniny, saingy mbola mamerina ny heviny izay napetrany hatrany am-piandohana ihany izy amin’ny kapobeny: Tsy mendrika ho ahy ny zavatra manjò ahy. Teboka.

Mbola maneho ny ankamaroan’ny olombelona indray i Jôba eto. Tahaka an’i Jôba, olona maro ihany koa no ianjadiam-pahoriana izay tsy mendrika ho azy. Ary ny fanontaniana mipetraka - izay fanontaniana sarotra indrindra amin’ny fanontaniana rehetra, amin’ny lafiny maro – dia ny hoe: Nahoana? Amin’ny toe-javatra sasany dia mora ihany ny fitadiavana valiny amin’ny fahoriana. Mitondra miharihary olana ho an’ny tenany ny olona. Matetika anefa, ary indrindra eo amin’ny toe-javatra mahazo an’i Jôba manokana, no tsy izany no zavatra nitranga. Koa dia mitoetra ihany ny fanontaniana mahakasika ny fahoriana.

Raha hifarana ny toko faha-31, dia niresaka momba ny karazam-piainana nananany i Jôba. Tsy nisy zavatra diso nataony tao amin’izany fiainana izany izay nanamarinana ny zavatra mitranga aminy ankehitriny. Rehefa izay, dia mivaky toy izao ny andininy farany amin’io toko io: “Tapitra ny tenin'i Joba.” - Jôba 31:40.

 

Vakio ny Jôba 32:1–5. Inona no mitranga eto, ary inona no nanamelohan’i Eliho an’i Jôba sy ireo lehilahy sasany?

 

Eto no fotoana voalohany ahitana an’io lehilahy io, i Eliho, ao amin’ny bokin’i Jôba. Hita miharihary fa nandre ny sasany tamin’ireo ady hevitra lava izy, na dia tsy lazaina amintsika aza ny fotoana tena nidirany teo amin’ny sehatra. Tsy maintsy ho tonga tatỳ aoriana izy, satria tsy voalaza ho niaraka tamin’ireo lehilahy anankitelo izy, fony izy ireo tonga tamin’ny voalohany. Fantatsika anefa fa tsy afa-po tamin’ny valinteny reny nandritra ny ady hevitra izy. Lazaina amintsika inefatra ao anatin’ireo andininy dimy ireo tokoa mantsy fa nirehitra ny “fahatezerany” noho ny zavatra reny. Ao amin’ireo toko enina manaraka no niezahany hanehoana ny heviny sy ny fanazavany ny olana izay mampifanditra ireo lehilahy ireo, noho ny fijaliana midona amin’i Jôba.

 

Milaza ny Jôba 32:2 fa tezitra amin’i Jôba i Eliho noho izy “nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra.” Tsy io mihitsy anefa no fomba fijery ny hevitr’i Jôba. Inona no tokony ambaran’ny tenin’i Eliho amintsika mahakasika ny ilàntsika fitandremana eo amin’ny fomba fandraisantsika ny tenin’ny hafa? Ahoana no ahafahantsika mianatra ny mieritreritra izay tsara indrindra, fa tsy izay ratsy indrindra, amin’izay lazain’ny olona iray?



 Pejy ambony

TALATA

 

Ny fiarovan’i Eliho an’Andriamanitra (Jôba 34:10–15)

    

Fanazavana maro no nosoratana nandritra ny taona maro mahakasika an’i Eliho sy ny lahateniny. Nisy olona sasany nahita io lahateniny io ho toy ny teboka fiolanana teo amin’ny fitodiky ny resadresaka. Tsy mora mihitsy anefa ny mahita hoe taiza no nampidiran’i Eliho zavatra tena vaovao ka nanova ny resadresaka. Amin’ny ampahany betsaka tokoa mantsy i Eliho dia toa nanome tsangan-kevitra mitovy amin’izay nomen’ireo telo lahy ihany, rehefa niezaka niaro ny toetran’Andriamanitra manoloana ny fiampangana Azy ho miangatra izy ireo, noho ireo fijalian’i Jôba.

 

Vakio ny Jôba 34:10–15. Inona no fahamarinana ambaran’i Eliho eto? Ahoana no itovizan’izany amin’izay nolazain’ireo lehilahy sasany teo aloha? Ary marina ny tenin’i Eliho, saingy nahoana izy ireo no tsy sahaza ny toe-javatra nisy?

 

Angamba ny zavatra hitantsika eo amin’i Eliho, tahaka ny teo amin’ireo lehilahy hafa, dia ny tahotra – tahotra ndrao tsy araka izay iheverany Azy Andriamanitra. Naniry ny hino ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny fahefany izy ireo. Koa inona no hataon’i Eliho afa-tsy ny mandahatra fahamarinana mahakasika ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny fahefany?

Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. Tsy misy aizina na alim-pito, izay hieren'ny mpanao ratsy.” - Jôba 34:21,22.

Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga; Lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy. Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory. Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.” - Jôba 36:5–7.

Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory. Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.” - Jôba 37:23,24.

Raha marina avokoa ireo teny rehetra ireo, ny fehin-kevitra ara-dalàna tsy maintsy hotsoahin’ny olona iray dia ny hoe: mahazo izay mendrika ho azy i Jôba. Inona indray no mety ho hevitry ny fahoriany? Koa niezaka i Eliho mba hiaro ny fahafantarany manokana an’Andriamanitra eo anatrehan’ny loza mahatsiravina izay midona amin’ny lehilahy marina tahaka an’i Jôba.

 

Efa niatrika fotoana iray nitrangan-javatra izay nahatonga anao hahatahotra ny amin’ny finoanao ve ianao? Ahoana no niatrehanao izany? Raha manao jery todika ianao, dia inona no zavatra hafa mety ho nataonao?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Tsy hay hazavaina ny faharatsiana (Ezek. 28:12–17)

 

Mpino an’Andriamanitra avokoa ireo lehilahy efatra ireo. Mino Andriamanitra iray izay mandala ny rariny izy ireo. Tojo olana mahasanganehana anefa izy ireo: inona no fanazavana sahaza ny toe-javatra mitranga amin’i Jôba, izay hifandrindra amin’ny heviny mahakasika ny toetran’Andriamanitra? Mampalahelo anefa fa tamin’ny farany dia nandray fehin-kevitra izay hita miharihary fa tena diso tokoa izy ireo teo amin’ny fiezahany hahatakatra ny faharatsiana izay nidona tamin’i Jôba.

Manolotra fanazavana mahery vaika i Ellen G. White mahakasika io: “Tsy misy fanazavana ny amin’ny niavian’ny ota azo atolotra hanomezan-drariny ny fisiany. (...) Tonga tsy nasaina ny fahotana, ary tsy misy azo anamarinana ny fisiany. Zava-miafina ny amin’izany ka tsy hay hazavaina. Raha misy fialan-tsiny mety ho hita ny aminy, na antony mety manazava ny fisiany, dia tsy ho fahotana intsony ny fahotana.” - HM, t. 509.

Mampiasa ny teny hoe fahotana i Ellen G. White, saingy andeha hatao hoe solointsika amin’ny teny hafa io teny io, teny hafa iray izay saika mitovy hevitra aminy: faharatsiana. Ho toy izao no fivakin’io teny io amin’izay: Tsy misy fanazavana ny amin’ny niavian’ny faharatsiana azo atolotra hanomezan-drariny ny fisiany. (...) Tonga tsy nasaina ny faharatsiana, ary tsy misy azo anamarinana ny fisiany. Zava-miafina ny amin’izany ka tsy hay hazavaina. Raha misy fialan-tsiny mety ho hita ny aminy, na antony mety manazava ny fisiany, dia tsy ho faharatsiana intsony ny faharatsiana.

Matetika loatra, rehefa misy trangan-javatra mahatsiravina midona, dia hilaza na hihevitra ny olona hoe: “Tsy azoko mihitsy izao zava-mitranga izao.” Na koa hoe: “Tsy misy antony tokony hahatonga izao zavatra izao.” Io mihitsy no fitarainana nataon’i Jôba hatrany am-piandohana.

Tena misy antony raha tsy afaka manazava ny zavatra mitranga i Jôba sy ny namany: ny faharatsiana mihitsy no tsy hay hazavaina. Raha afaka nahatakatra izany isika na azo nazavaina izany, dia tsy ho faharatsiana intsony izany. Ary tsy hahatsiravina intsony izany, satria hanana tanjona ara-dalàna.

 

Jereo ireto andininy mahakasika ny fahalavoan’i Satana sy ny niandohan’ny ratsy ireto. Inona no anton’ny fahalavoany? (Ezek. 28:12–17).

 

Misy voary tonga lafatra iray eto, izay noforonin’Andriamanitra tonga lafatra, tao anatin’ny tontolo tonga lafatra. Nomem-boninahitra izy, feno fahendrena, tonga lafatra teo amin’ny hatsaran-tarehy, voarakotra vato soa, “kerobima voahosotra” tao “an-tendrombohitra masin'Andriamanitra.” Kanefa na dia teo aza ireo rehetra ireo ary na dia nomena zavatra tena betsaka aza io voary tonga lafatra io, dia nanimba ny tenany izy ka namela ny faharatsiana handresy azy. Inona no mbola mety ho tsy hay hazavaina mihoatra noho ny faharatsiana izay nanimba ny devoly?

 

Inona no fanandramanao manokana mahakasika ny tsy fahafahana mahatakatra na manazava ny faharatsiana?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

Ny fanambin’ny finoana (Jôba 1--2:10)

 

Azo antoka fa olona malemy ihany ireo mpandray anjara fototra ao amin’ny bokin’i Jôba, izay mijery ny fiainana “amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina” (1 Kôr. 13:12). Niasa avy tamin’ny fomba fijery voafetra sy fahatakarana voafetra mahakasika ny endriky ny tontolo hita maso sy ny tontolo ara-panahy izy ireo. Mahaliana ihany koa fa tao anatin’ny ady hevitra rehetra mahakasika ny faharatsiana nidona tamin’i Jôba, dia tsy nisy na dia iray tamin’ireo lehilahy ireo aza, tao anatin’izany i Jôba, no nanadihady ny andraikitry ny devoly. Ny devoly anefa no tena antony mivantana nahatonga ireo olan’i Jôba rehetra. Tena resy lahatra ireo naman’i Jôba, indrindra i Eliho, fa marina ny filazan’izy ireo (vakio ny Jôba 36:1–4). Tsy nahomby anefa ny ezaka nataon’izy ireo mba hanazavana ny fahorian’i Jôba. Ary, mazava loatra, fa fantatr’i Jôba fa tsy nahomby ny fiezahan’izy ireo.

    

Na dia eo aza ny fahafantarantsika ny zava-miseho eo amin’ny tantaran’ny fifanandrinana lehibe, dia hatraiza ny fahafahantsika hahatakatra na hanazava ny faharatsiana nihatra tamin’i Jôba? Vakio indray ny Jôba 1--2:10. Na dia eo aza ireo anton’ny fahorian’i Jôba rehetra naseho tamintsika, dia inona ireo fanontaniana hafa mbola mitoetra?

 

Fantatsika tsara ireo toko voalohany ao amin’ny bokin’i Jôba. Ary manana fomba fijery izay tsy nananan’ireo lehilahy ao amin’ny bokin’i Jôba mahakasika ny zava-misy isika. Na dia izany aza, mbola sarotra hazavaina ihany ireo olana, na dia amin’izao fotoana izao aza. Araka ny nianarantsika, tsy ny zava-dratsy nataon’i Jôba velively no nitondra ny fahoriana teo aminy, fa ny fahatsarany mihitsy no nahatonga an’Andriamanitra haneho azy tamin’ny devoly. Koa ny fahatsaran’i Jôba sy ny faniriany ho mahatoky amin’Andriamanitra izany no nitarika ny fitrangan’ireo trangan-javatra mahatsiravina ireo? Ahoana no fahazoantsika izany? Ary na dia fantatr’i Jôba aza ny zavatra nitranga, tsy ho nitaraina ve izy hoe: “Mitalaho Aminao aho Andriamanitra ô, olon-kafa ampiasaina. Avereno amiko ny zanako, ny fahasalamako, ary ny fananako!” Tsy nanolo-tena hanaovana fanandramana i Jôba. Iza koa moa no mety hanolo-tena ho amin’izany? Koa rariny ve raha nihatra tamin’i Jôba sy ny fianakaviany ireo rehetra ireo?

Tamin’ny farany dia nahazo ny fanambiny tamin’ny devoly Andriamanitra, saingy fantatsika fa tsy mbola nanaiky ny fahareseny ny devoly (Apôk. 12:12). Koa, inona àry izany no tanjona tamin’ny fahorian’i Jôba? Ary koa, na inona na inona ny zava-tsoa avy tamin’ny zavatra nitranga tamin’i Jôba, mendrika izany ve ny fahafatesan’ireo olona rehetra ireo sy ny fahoriana rehetra niaretan’i Jôba? Raha mbola mametraka ireo fanontaniana ireo isika (na dia misy valinteny maro ho avy aza), dia alaivo sary an-tsaina ireo fanontaniana rehetra nananan’i Jôba!

Ary ity anefa no iray amin’ireo lesona manan-danja indrindra azontsika sintonina avy amin’ny bokin’i Jôba: mila mivelona amin’ny finoana isika fa tsy amin’ny zavatra hita maso; mila matoky an’Andriamanitra sy mijoro mahatoky Aminy isika na dia, tahaka an’i Jôba, tsy afaka mahatakatra na manazava ny antony hitrangan’ny toe-javatra maro aza. Tsy miaina amin’ny finoana isika raha azo hazavaina amin’ny fahafenoany ny zavatra rehetra. Miaina amin’ny finoana isika rehefa matoky sy mankatò an’Andriamanitra, tahaka an’i Jôba, na dia tsy azontsika hazavaina aza ny zavatra mitranga manodidina antsika.

 

Inona ireo zavatra tsy maintsy atokianao an’Andriamanitra, na dia tsy takatrao aza izy ireny? Ahoana no ahafahanao manohy manorina izany fatokiana izany, na dia tsy manana valinteny aza izany?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny resaka momba ny finoana sy ny fisainana, dia nanoratra momba ilay filôzôfa alemà Emmanuël Kant (1724–1804) ny mpanoratra John Hedley Brooke. I Kant dia niezaka ny nahatakatra ny fetran’ny fahalalan’ny olombelona, indrindra indrindra mahakasika ny fiasan’Andriamanitra. Ho an’i Kant, “resaka finoana, fa tsy fahalalana, ny resaka mahakasika ny fanamarinana ny lalan’Andriamanitra amin’ny olona. Nifidy an’i Jôba i Kant ho ohatra nanehoany ny fijoroana marina manoloana ny zava-tsarotra. Namoy ny zavatra rehetra nananany i Jôba, afa-tsy ny fahatsiarovan-tena ho tsy meloka. Nilefitra teo ambanin’ny sitrapon’Andriamanitra i Jôba, ka marina ny azy raha notoheriny ny torohevitr’ireo namany izay niezaka ny nanazava ny fahoriana nanjò azy. Ny tanjaky ny fijoroan’i Jôba dia nifototra tamin’ny fahalalany ny zavatra fantany ankehitriny: inona no tian’Andriamanitra hahatongavana amin’ny fanotofana azy  amin’ny fahoriana.” – Narafitra avy tamin’ny Science and Religion (New York: Cambridge University Press, 2006), tt. 207,208.


Nihevitra ireo naman’i Jôba fa azony atao ny manazava ny zavatra mihatra amin’i Jôba amin’ny alalan’ny fifandraisan’ny anton-javatra sy ny vokany. Ny fahotan’i Jôba no anton-javatra, ary ny fijaliany no vokany. Inona no mbola hazava sy hitombina mihoatra noho izany? Diso anefa ny fisainan’izy ireo. Ohatra mahery vaika izany ny amin’ny zava-misy fa ny fiainana sy ilay Andriamanitra izay namorona sy mihazona izany fiainana izany dia tsy voatery hanaraka ny fahatakarantsika ny fomba fiasan’Andriamanitra sy ny fomba fiasan’ny tontolo nohariany.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

1. Araka ny hitantsika, tao anatin’ny lahateny lavareny rehetra mahakasika ny zavatra niainan’i Jôba sy ny antony nitrangan’izany, dia tsy voatonona mihitsy ny devoly, na dia indray mandeha aza. Nahoana no izany no zava-misy? Inona no ambaran’izany amintsika mahakasika ny maha-voafetra ny fahatakaran’ireo lehilahy ireo, na dia teo aza ireo fahamarinana maro nananan’izy ireo? Inona no azon’ny tsy fahampian’ny fahalalan’izy ireo ampianarina antsika mahakasika ny tsy fahampian’ny fahalalantsika ihany koa, na dia eo aza ireo fahamarinana maro ananantsika?

 

2.Rehefa mandray eo am-pelatanantsika ny adidy aman’andraikitra isika ka ny fahendrentsika ihany no iankinantsika hahalavorary azy, dia mandray entana izay tsy natolotr’Andriamanitra antsika isika, ary mitady hivongika azy samirery fa tsy ampiany. (...) Kanefa raha mino tokoa isika fa tia antsika Andriamanitra, ary mihevitra izay hahasoa antsika, dia tsy ho sahirana intsony ny amin’ny hoavy isika. Hiankina amin’Andriamanitra isika tahaka ny zaza miankina amin’ny ray aman-dreny malalany. Amin’izany dia ho foana ny tahotra sy ny horohorontsika, satria voafono ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny sitrapontsika.” – Sambatra, t. 89. Ahoana no ahafahantsika mianatra io karazana fatokiana sy finoana io? Inona ireo safidy raisintsika ankehitriny izay na hampahatanjaka na hampahalemy ny finoantsika?

 Pejy ambony