LESONA 11

Ny Epistilin’i Petera momba ny Ady lehibe Ifanandrinan’ny Tsara sy ny Ratsy

 

Sabata hariva — 5 MARTSA

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 2:9,10; Deo. 14:2; 1 Pet. 4:1–7; 2 Pet. 1:16–21; 2 Pet. 3:3–14; Dan. 2:34,35.

 

TSIANJERY: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga.” - 1 Pet. 2:9.

 

Feno lohahevitra mahakasika ny ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ny asasoratr’i Petera. Angamba noho izy nahafantatra tsara, mihoatra noho ny ankamaroan’ny olona, ny mahamora ny ho lavo noho ny hafetsen’i Satana. Koa tsapany tsara mihitsy ny fisian’ny tolona miandry ny kristianina. Na izany na tsy izany, i Petera no nanoratra hoe: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” - 1 Pet. 5:8.

Hitan’i Petera niseho tamin’ny fomba maro samy hafa io tolona io. Nahita tolona nitranga tany am-piangonana izy. Nisy olona tany am-piangonana izay niray tamin’ny mpino tamin’ny voalohany, nefa lasa mpitsipaka sy mpitsikera ny resaka momba an’Andriamanitra sy ny hevitra rehetra mahakasika ny fiverenan’i Kristy tatỳ aoriana. Koa niteny mafy ny olona izay mihomehy ny fiangonana i Petera. Ny antony dia satria raha very ny finoana ny teny fikasana momba ny fiverenan’i Kristy, dia inona no fanantenana sisa tavela?

Angamba koa noho ny tsy fahombiazan’i Petera no nahatonga azy hanohana fatratra ny finoana. Fantany izany hoe mandà an’i Jesôsy sy izany hoe miezaka mifangaro amin’ny vahoaka mba tsy hitsikeran’ny sasany azy noho izy mpanara-dia an’i Jesôsy izany. Koa izany no mahatonga azy hifantoka eo amin’ny maha-zava-dehibe ho an’ny mpino ny hiaina fiainana mendrika ny fiantsoana ambony izay niantsoan’ny Tompo azy.

 

 

Alahady 06 Martsa

Avy amin’ny fahamaizinana mankamin’ny fahazavana (1 Pet. 2:9,10)

 

     Vakio ny 1 Pet. 2:9,10. Ahoana no fahitana ny ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao anatin’ireo andininy roa ireo?

 

     Notsongaina avy tamin’ny Eks. 19:6 ireo andininy ireo: “‘ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina’” sy avy tamin’ny Deo. 7:6: (naverina ao amin’ny Deo. 14:2) “firenena masina,” “nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy”. Nomena nandritra ny Fanafahana ireo teny fampaherezana ireo, rehefa nafahana tamin’ny fanandevozana ny vahoakan’Andriamanitra ka nizotra nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. Koa nanao fampitahana teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny Fanafahana sy ny fiangonana tamin’ny androny i Petera.

Noho izany, tsy famaritana fiafaran-javatra ny tenin’i Petera fa famaritan-javatra mitohy. Eny tokoa, nofidin’Andriamanitra mba hanompo sy hitia Azy isika. Natao hidera an’Andriamanitra an-karihary isika noho ny nanalany antsika avy tamin’ny fahamaizinana izay nampidiran’i Satana an’izao tontolo izao. Tsy mahatonga antsika ho tonga lafatra anefa izany (Vakio ny Fil. 3:12). Ny fahafantarantsika ny maha-mpanota antsika sy ny fahalementsika dia ampahany iankinan’ny aina eo amin’izany hoe manara-dia an’i Jesôsy sy izany hoe mahatsapa ny ilantsika ny fahamarinany eo amin’ny fiainantsika manokana.

Amin’izany fomba izany no ahazoan’ny mpanota rehetra manatona an’ i Kristy. ‘Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika’ – Tit. 3:5. Rehefa milaza aminao Satana fa mpanota ianao ka tsy mahazo manantena ny handray fitahiana avy amin’Andriamanitra, dia lazao azy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Kristy hamonjy ny mpanota. Tsy manana na inona na inona hoentina eo amin’Andriamanitra isika haha-mendrika antsika eo Aminy; fa ny fiangaviana izay azontsika aroso ankehitriny sy lalandava, dia ny toe-pahalemena tanteraka misy antsika izay mahatonga ny heriny manavotra ho tsy maintsy ilaina. Rehefa mahafoy ny fiankinantsika rehetra amin’ny ‘izaho’ isika, dia azontsika atao ny mijery an’i Kalvary, ka hanao hoe: ‘Tsy manan-katerina na inona na inona eto am-pelatanako aho; Fa mamikitra fotsiny amin’ny hazo fijalianao.’” - IFM, t. 333.

Fantatsika fa nantsoina “hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga” isika (1 Pet. 2:9). Tsy maintsy miaiky isika fa tena miankina amin’i Kristy, izay “nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika.” - 1 Kôr. 1:30.

 

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mahatsiaro tena ho kivy sy voakapoky ny asanao sy ny toetranao mihitsy koa aza ianao? Ahoana no hiatrehanao ireo eritreritra ireo rehefa tonga ao an-tsainao izany? Ahoana no ahafahanao mamadika ireo fotoana ireo ho tombontsoa fanararaotra eo amin’ny lafiny ara-panahy?

 

Alatsinainy 7 Martsa

Ny fitaoman’ny manodidina (1 Pet. 4:1–7)

 

     Vakio ny 1 Pet. 4:1–7. Nahoana no zava-dehibe ny safidintsika eo amin’ny fomba fiainana? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fahavononantsika amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany?

 

     Milaza i Petera fa efa nandany fotoana maro tamin’ny fiainany ny mpino hanaovana izay noteren’ny manodidina azy ireo hataony (1 Pet. 4:3). Efa niova kosa ny zava-drehetra ankehitriny, ka mety hieritreritra ny sasany fa toa “hafahafa” ny mpino noho izy ireo tsy miaraka amin’ny besinimaro intsony kanefa nanao izany ihany taloha. Mety hitarika ny tsy mpino hifosafosa ratsy ny mpino izany (1 Pet. 4:4). Noho izany, hampiasa hatramin’ny namantsika taloha i Satana mba hanakiviana antsika eo amin’ny dia ataontsika miaraka amin’Andriamanitra.

     Mampahery ny mpino i Petera mba tsy ho voahozongozon’ireo fanafihana ireo. Hotsarain’Andriamanitra ny “Jentilisa” any aoriana any, ka tsy misy tokony hampiahiahy ny amin’izay eritreretin’izy ireo (1 Pet. 4:5).

Tena matotra sy manan-danja ny resaka ataon’i Petera. Firy ny olona fantatrao izay lavo noho ny faneren’ny hevitry ny olona sasany? Manaraka ny hevitr’ireo olona ireo izy fa tsy mijoro amin’izay inoany. Tena mafy tokoa io eo amin’ireo tanora, izay mitolona amin’izay fantatra amin’ny hoe: “fitaoman’ny manodidina.”

     Tsy tokony hiahiahy ny amin’ny hoe raisin’ny hafa sy hanaraka ny heviny sy ny fitakiany ary ny zavatra andrasany amintsika isika. Mampirisika ny mpino mba ho mahatehotia sy halemy fanahy amin’ny hafa i Petera, raha ny tena marina (1 Pet. 4:8,9). Tsy adidy fanampiny tsy maintsy ampidirintsika ao amin’ny lisitry ny zavatra tsy maintsy hataontsika amin’ny maha-Kristianina antsika fotsiny io. Tsy izany velively fa io no zavatra manan-danja indrindra ataontsika sy ny fomba manan-danja indrindra mba hifankazarana amin’ny olona manodidina antsika. Izany angamba no mahatonga an’i Petera hanoso-kevitra fa mila matotra amin’ny fivavahana isika (1 Pet. 4:7). Ny antony dia satria fantatr’Andriamanitra fa matetika isika no mety matotra kokoa amin’ny famalifaliana ny “Jentilisa” noho ny amin’ny fanehoana fahalemem-panahy amin’ireo akaiky antsika. Mila mivavaka ho an’ireo izay mitaona antsika isika ary mivavaka koa mba hataon’Andriamanitra hotsapantsika ny olan’izy ireo. Amin’ny maha-“fanjakà-mpisorona, firenena masina” antsika dia asain’Andriamanitra hitaona azy ireny ho amin’ny tsara isika, fa tsy hamela azy ireny hitaona antsika ho amin’ny ratsy. Nifanohitra tamin’izany mihitsy ny tantara mampalahelon’ny Isiraely: tsy voataonan’ny Isiraely ho amin’ny tsara ireo mpanompo sampy, fa izy ireo indray no nitaona ny Isiraely ho amin’ny ratsy.

     Inona no karazana fitaoman’ny manodidina atrehinao? Ahoana no ahafahanao hitoetra ho matanjaka? Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny teny hoe: “reseo amin'ny soa ny ratsy” (Rom. 12:21) anao amin’ny toe-javatra tahaka izany?

 

 

 

Talata 8 Martsa

Ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa (2 Pet. 1:16–21)

 

     Vakio ny 2 Pet. 1:16–21. Inona no ambarany momba ny faminaniana, izay tena manan-danja tokoa?

 

     Nahita zavatra maro i Petera tamin’ny fotoan’androny. Ataony lisitra ao anatin’ireto andininy ireto ny sasany amin’ireny: (1) ny batisan’i Jesôsy (2 Pet. 1:17), (2) ny fiovan-tarehin’i Jesôsy teny an-tendrombohitra (2 Pet. 1:18), ary (3) ny fanamafisana ireo faminaniana mahakasika an’i Jesôsy (2 Pet. 1:19). Samy nisy fiantraikany lehibe teo amin’i Petera ny tsirairay tamin’ireo, saingy nandany fotoana misimisy kokoa tamin’ilay teboka farany izy, dia momba ny faminaniana izany. Mety misy ifandraisany amin’ny tsy fahombiazany manokana tamin’ny naha-mpianatra azy izany. Impiry moa i Petera no tsy nihaino izay nolazain’i Jesôsy satria nieritreritra izy fa efa fantany avokoa izay rehetra lazaina aminy? Impiry i Jesôsy no nanambara mialoha izay hataon’ny tanan’ny mpisoronabe Aminy tsy ho ela intsony any Jerosalema? Kanefa rehefa nitranga tena araka izay nolazain’i Jesôsy azy ombieny ombieny ny zava-drehetra, dia impiry i Petera no tratra tsy voaomana? Ampoizina fa ny nangidy indrindra tamin’ireo “tsy fahombiazana” ireo dia rehefa nilaza mialoha i Jesôsy fa handà Azy i Petera. Tena azon’i Petera antoka mihitsy fa tsy hitranga na oviana na oviana izany. Kanefa rehefa nitranga izany, dia tsy maintsy ho ny fotoana nahaketraka azy indrindra teo amin’ny fiainany io.

     Izany angamba no mahatonga an’i Petera hiantsoroka ny fanazavana ny fomba hahatonga ny olona iray ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesôsy. Mampahatsiahy ny mpanara-dia an’i Kristy izy ny amin’ny “teny fikasana sady soa no lehibe indrindra”  izay ahafahan’izy ireo “ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra.” Ireo teny fikasana ireo dia hanampy ny mpino ho “afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filana” - 2 Pet. 1:4. Mba hahazoana antoka fa tena nandositra ny filan-dratsy tokoa ny mpino, dia nataon’i Petera lisitra ireo toetra tsara izay mamaritra ny fomba fiainana kristianina: finoana, fahatanjahan-tsaina, fahalalana, fahononam-po, faharetana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, fitiavana ny rahalahy, ary fitiavana ny olona rehetra (2 Pet. 1:5–8). Miorina amin’ny toetra tsara amin’ny andaniny rehetra ny toetra tsara tsirairay avy, ary mikambana ho singa tokana tahaka ny mofomamy iray ihany izy rehetra. “Ny vokatra” (manondro isa tokana) no fiantsoan’i Paoly ireo toetra tsara ireo fa tsy “ireo vokatra” (manondro isa maro) (Gal. 5:22,23) satria mikambana ho singa tokana tsy azo sarahina izy ireo.

     Miditra lalindalina kokoa i Petera tamin’ny filazana fa tsy ho tafintohina ny mpino raha toa ka ataony fiainana ireo soatoavina ireo, ka nangataka azy ireo mba “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo amim-pahazotoana (2 Pet. 1:10).

     Tadidio fa manoratra ny epistiliny ho an’ireo mambra kristianina efa tafatoetra ao amin’ny finoana i Petera. Tsy manoso-kevitra velively izy fa hiantoka tapakila hidirana any an-danitra ny fanarahana andiam-pitakiana manokana. Mampitaha fotsiny ny fihetsika sy ny fitondran-tena nanjaka tamin’izany fotoana izany izy ka mihaika ny Kristianina mba handany ny heriny amin’ny zavatra tsara fa tsy amin’ny zavatra ratsy.

 

 

Alarobia 9 Martsa

Ireo mpaniratsira (2 Pet. 3:3–7)

     Vakio ny 2 Pet. 3:3–7. Inona no ambaran’i Petera eto momba ny lasa izay afaka hanampy antsika hiatrika ny olana amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?

Toa efa higadona amin’ny fiafarany ny ady eo amin’ny mazava sy ny maizina sy eo amin’ny mpanara-dia an’i Jesôsy sy ny mpanao ratsy. Tahaka ny liona noana mierona ka mitady ny sakafony manaraka ny devoly (1 Pet. 5:8). Ampian’ny vondron’olona izay mihomehy ny mpino izy. Mpaniratsira no fiantsoana ireo olona mihomehy ny mpino ireo. Miezaka manimba ny finoan’ny mpino amin’ny alalan’ny tolo-keviny “voasaintsaina” sy “ara-tsiansa” ireo mpaniratsira ireo (2 Pet. 3:3,4). Milaza i Petera fa ny faniriany hanohy ny fomba fiainana araka ny filàny no manosika azy ireo (2 Pet. 3:3; vakio koa ny Joda 18). Mihevitra izy ireo fa tsy ho avy i Jesôsy satria mizotra tahaka izay nizorany hatrizay fotsiny ny zava-drehetra.

     Misy zavatra iray mampiahiahy mahakasika ireo mpaniratsira ireo. Nilaza i Jesôsy hoe: “Ho avy indray Aho” (Jao. 14:1–3), ireo mpaniratsira kosa milaza fa “tsy ho avy indray i Jesôsy” (vakio ny 2 Pet. 3:4). Feo manako avy tany Edena io, izay nilazan’Andriamanitra hoe: “‘Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.’” – Gen. 2:17. Nilaza kosa i Satana, tamin’ny alalan’ny menarana, hoe: “‘Tsy ho faty tsy akory hianareo.’” – Gen 3:4. Manohitra mivantana ny tenin’Andriamanitra ireo tenin’i Satana. Ankehitriny dia misy teny tahaka ny an’i Satana koa, lazaina mba hiezahana hamafy fisalasalana mahakasika ny maha-azo antoka ny Fiavian’i Kristy Fanindroany. Ary tsy ambaran’ny feo tokana ihany ireo tenim-pisalasalana ireo, tahaka ny tany amin’ny saha Edena, fa ambaran’ny feo maro eny rehetra eny. Ny zavatra iray mahafinaritra dia ny nanambaran’i Petera mialoha io lainga io. Koa ny olona tsirairay izay rentsika fa maniratsira ny hevitra momba ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, dia lasa fahatanterahana iray indray koa ny faminaniana.

     Nahita maso ny fanimbana ny tany tamin’ny lasa tamin’ny alalan’ny Safo-drano maneran-tany ny tantara, saingy tsy te-hahalala ny momba izany ny mpaniratsira. Tsy te-hiaiky izy ireo fa misy ifandraisany amin’Andriamanitra ny safidiny eo amin’ny fiainany manokana. Iriny ihany koa ny hisoroka ity toe-javatra ity: ilay Andriamanitra izay nanangona ny rano mba hanafotra ny tany, dia efa nanangona sy nitahiry afo hipaohana ny tany mba handravana azy amin'ny andro fitsarana lehibe (2 Pet. 3:5–7). Izao no fanantenana disony: hizotra fotsiny tahaka izay nizorany hatrizay ny natiora.

 

     Ahoana no hamikirantsika amin’ny teny fikasana momba ny Fiavian’i Kristy Fanindroany, raha mandeha ny taona? Nahoana no zava-dehibe ny fanaovantsika izany? 

 

alakamisy                                        10 Martsa

mampahafaingana ny andro (2 Pet. 3:8–14)

 

     Na dia toa tsy hanam-pahataperana mandrakizay ho antsika aza ny fiandrasana ny Fiavian’i Kristy Fanindroany, dia tsy olana amin’Andriamanitra ny fotoana. “Ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.” - 2 Pet. 3:8. Efa akaiky mandrakariva ny farany manerana ny Baiboly iray manontolo, na ny andron’i Jehôvah tamin’ny TT io na ny fiverenan’i Kristy nampanantenaina ao amin’ny TV.

 

     Vakio ny 2 Pet. 3:8–14. Inona no fanantenana lavitr’ezaka omena antsika eto? Vakio koa ny Dan. 2:34,35,44.

 

     Manambara amintsika mazava tsara ireo faminaniana tamin’ny andro fahiny fa misy fetra ny fotoana hahafahan’ny ratsy manohy ny faharatsiany sy ny fotoana hiandrasan’Andriamanitra. Ampitain’Andriamanitra ao anatin’ireo faminaniana ny drafiny ho famaranana ny fahotana sy ny fijaliana, sy ho famerenana ny tany amin’ny fahalavorariany tany am-boalohany.

     Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fiainantsika ankehitriny ny hevitsika mahakasika ny fomba hiafaran’izao rehetra izao (2 Pet. 3:12). Ho lasa mpisalasala ka hiaraka amin’ireo mpaniratsira isika raha toa ka mikomy amin’ny hevitra fa horavan’Andriamanitra ny tontolo kelintsika. Fa raha mino kosa isika fa ny fiafaran’ny zava-drehetra dia midika fa hiditra an-tsehatra amin’izay mba hamongotra ny fahotana manerana izao tontolo izao ilay Andriamanitra be indrafo, amin’izay fotoana izay isika dia “manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana” - 2 Pet. 3:13.

     Mamerina indray ny ahiahiny momba ny fihetsitsika sy ny asantsika manokana i Petera. Mampirisika antsika izy mba hiasa mafy ka mba “ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro” isika (2 Pet. 3:14). Mety mihevitra isika fa mampianatra fivavahana “mifototra amin’ny asa” i Petera, raha tsy noho ny andininy manaraka. Manitsy io mety ho fahatakarana diso io izy amin’ny fitenenana hoe: “Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena,” izay manamafy ny tenin’i Paoly tamin’ireo mpino ireo ihany (2 Pet. 3:15).

     Ho tsy manan-tsiny no tanjontsika. Tahaka izany no namaritana an’i Jôba. Tsy nanan-tsiny i Jôba satria “natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy” izy (Jôba 1:1). Tahaka izany no hanehoan’i Kristy antsika eo anatrehan’ny Ray (1 Kôr. 1:8; Kôl. 1:22; 1 Tes. 3:13; 1 Tes. 5:23). Tsy misy kilema na pentipentina hoe? Tahaka izany no tsy maintsy toetran’ny zanak’ondry natao fanatitra (ohatra: Eksôd. 12:5; Lev. 1:3). Tahaka izany no toetran’i Jesôsy (Heb. 9:14; 1 Pet. 1:19), ary tahaka izany no hanehoany ny fiangonana eo anatrehan’ny Ray (Efes. 5:27).

 

     Eo amin’ny fikatsahantsika handresy ny fahotana, hitombo ao amin’ny finoana, ary hifady ny ratsy sy hiaina fiainana masina sy “tsy manan-tsiny”, nahoana isika no tsy maintsy miankina amin’ny fahamarinan’i Kristy izay atolotra ho antsika amin’ny alalan’ny finoana? Inona no mitranga rehefa esorintsika hiala amin’io teny fikasana io ny masontsika?

 

 

 

zoma                                             11 Martsa

FIANARANA FANAMPINY: Nampitandrina i Petera fa hiteny ny mpaniratsira hoe: “‘Maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.’” - 2 Pet. 3:4. Tsy zava-baovao izany. Nanana io hevitra io ihany koa ny olona sasany talohan’ny Safo-drano. “Rehefa lasalasa ihany ny taona ka tsy nisy fiovana hita maso teo amin’ ny zavaboary, dia nanomboka ho tony ireo natahotra teo aloha. Nihevitra izy ireo, dia toy ny fihevitry ny maro koa ankehitriny, fa mahery kokoa noho Andriamanitra Izay nanao azy ny zavaboary: tsy hanova ny lalàna mafy izay napetrany Izy. Raha ohatra, hoy izy, ka marina ny faminanian’i Noa, dia hikorontana ity tanintsika ity, koa ny fara-heviny dia ny hampino ny olona fa fandrebirebena fotsiny ny hafatra nentin’i Noa. Raha mba misy marina mantsy izany, hoy koa izy, dia tsy maintsy ho fantatr’ireo olo-manga sy olon-kendrintsika.” – PM, t. 80.

Milaza zavatra tahaka izany ihany amintsika ireo “olo-manga” ankehitriny. Milaza izy ireo fa tsy miova ary efa voarafitra mialoha ny lalàn’ny natiora, ka haharitra tsy hiova tahaka ny taloha ny zava-drehetra. Izany no ampianarin’ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana, amin’ny heviny iray. Milaza ireo mpanohana io tsangan-kevitra io fa azo hazavaina amin’ny alalan’ny fiasan’ny lalàna ara-boajanahary ny aina. Milaza ihany koa izy ireo fa indray andro any dia hazavain’ny siansa amintsika amin’ny fahafenoany ireo lalàna ara-boajanahary ireo, ary tsy misy ilàna an’izay Andriamanitra. Diso hevitra ireo “olo-manga” tamin’izany fotoana izany, ary diso hevitra ihany koa izy ireo ankehitriny. Tsy mahagaga raha nanoratra i Paoly hoe: “Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra” - 1 Kôr. 3:19. Tamin’ny vanim-potoan’ny Safo-drano izany, tamin’ny andron’i Petera, ary amin’izao androntsika izao ihany koa.

 

 

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

1. Nanana antony maro hinoana an’i Jesôsy i Petera. Nanondro amin’ny fomba manokana ny “teny faminaniana atao mafy orina” anefa izy. Nahoana no tena manan-danja ho antsika ny faminaniana? Ahoana no nanampian’ny faminaniana hanaporofo fa i Jesôsy no Mesia, tamin’ny fiaviany voalohany? Inona no fanantenana omen’izany antsika momba ny Fiaviany Fanindroany? Na izany na tsy izany, raha tsy misy ny faminaniana, ahoana no hahafantarantsika na dia ny momba ny teny fikasana sy ny fanantenana mahakasika ny Fiaviana Fanindroany aza?

 

2. Matetika isika no mandray ny fitaoman’ny manodidina ao anatin’ny tontolon-kevitry ny tanora sy ny zatovo irery ihany. Tsy mitombina anefa izany. Samy maniry ny hotiana sy horaisin’ny manodidina antsika isika. Na izany na tsy izany, manana tombontsoa betsaka lavitra ny ho vavolombelona tsara isika raha tian’ny manodidina, noho ny hoe tsy tiany, sa tsy izany? Ao anatin’ny faniriantsika hahazo sitraka avy amin’ny hafa, ahoana no hahafahantsika hiaro tena mba tsy hampilefitra ny foto-pinoantsika? Nahoana no mora kokoa noho izay mety ho fiheverantsika azy ny mahafoy ny foto-pinoantsika?