LESONA 11

4 - 10 JONA

IREO ZAVATRA HISEHO AMIN'NY ANDRO FARANY

LESONA 11
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.16

 

Tsianjery: “‘Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.” - Mat. 23:12.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 19:5,6; Mat. 23; Jao. 12:20–26; Mat. 24; Jao. 14:1–4; 1 Tes. 4:16.

 

Fiambenana maraina: Rehefa ny Fanahy no mifehy - Rôm. 8:9,10.

 

Ny fiavian’i Jesôsy fanindroany no fara tampony amin’ny finoana kristianina. Ny fiavian’i Jesôsy voalohany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia mpialoha lalana manan-danjan’ny Fiaviany Fanindroany. Tsy hitranga ny fiaviany Fanindroany raha tsy nisy ny Voalohany, ary tsy misy vokany ny Voalohany raha tsy hisy ny Fanindroany. Mifandray tsy azo sarahina izy roa ireo, raha tsy amin’ny fotoana dia amin’ny tanjony, satria samy midika ho fanavotana ny taranak’olombelona sy ny fiafaran’ny fifanandrinana lehibe izy ireo. Ny fiaviana voalohany dia efa lasa ary efa tontosa, tanteraka ary vita. Miandrandra fatratra ny Fanindroany isika izao.

Amin’ity herinandro ity isika dia hijery izay voarakitra ao amin’ny Mat. 23, miaraka amin’ny antson’i Jesôsy farany ho an’ireo mpitarika jiosy sasany mba hibebaka sy handray Azy, ilay hany fanantenam-pamonjena tokana ho azy ireo. Aorian’izany, ao amin’ny Mat. 24, namaly ireo fanontaniana momba ireo trangan-javatra izay hiseho mialoha ny fiaviany fanindroany i Jesôsy. Eto i Jesôsy dia maneho sary miezinezina tokoa. Ampifandraisiny amin’izay hitranga mialoha ny fiverenany ny faharavan’i Jerosalema.

     Na dia lasa sarotra manao ahoana aza ny toe-javatra mitranga (ady, mosary, famadiham-pitokisana), dia namela ity teny fikasana ity ho antsika i Kristy, momba “‘ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra’” - Mat. 24:30. Raha lazaina amin’ny teny hafa, mety handalo fisasarana sy alahelo isika eto amin’ity fiainana ity, saingy manana ny antony rehetra hifaliana kosa.

Pejy ambony

ALAHADY: MPITARIKA JAMBA (Mat. 23)

Fiambenana maraina: Ny Fanahy sy ny teny - 2 Pet. 1:20,21.

 

I Jesôsy mihitsy no nitarika ny zanak’i Isiraely hiditra tao Jerosalema, tamin’ny tanana mahery sy sandry nahinjitra. Teo ambony elatry ny voromahery no namoahany azy ireo avy tao Egipta ka nitondrany azy ho eo Aminy. “‘Ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.’” - Eks. 19:5,6.

Amin’ny heviny iray, nangataka ny Isiraely ho vadiny teo amin’ny tendrombohitra mahafinaritra iray antsoina hoe Sinay i Jesôsy. Milaza ny Eks. 24 fa ireo mpitarika sy ireo loholona dia “niakatra (...) dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany. (...) dia nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.” - Eks. 24:9–11. Natolotr’i Kristy an’ny Isiraely ny kapoaky ny fanekena, tahaka ny anoloran’ny lehilahy iray kapoaka ho an’ny vehivavy iray izay iriny halaina vady sy homena hoavy mahafinaritra. Noraisin’ny Isiraely ny kapoaka, dia hoy izy: Eny, maniry hiara-mitoetra aminao mandrakizay, ao amin’ny tany nampanantenaina, izahay.

    

Hazony ao an-tsaina io tantara lasa io, dia vakio ny Mat. 23. Inona no nambaran’i Jesôsy tamin’ireo mpitarika ny Isiraely? Inona no fampitandremana nataony? Manan-danja kokoa noho izany, inona no lesona azontsika tsoahina ho antsika manokana mahakasika ireo zavatra manokana izay nanomezan’i Jesôsy tsiny azy ireo miharihary? Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy lasa meloka ny amin’izany koa isika?

 

Ny Mat. 23 no antson’i Jesôsy ho fialana nenina farany ho amin’ny fampihavanana amin’ny malalany. Nahafoy Azy anefa ny malalany. Noekeny ny fanapahan-keviny, ka nony farany Izy dia nivoaka ny tranon’izy ireo – ny tempoly. Hoy Izy: “‘Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.’” - Mat. 23:38. Rehefa niala ny tempoly i Jesôsy, dia lasa lao sy foana tahaka ny efitra izay nanafahan’ny Tompo azy ireo voalohany izany.

Hisy fiovana lehibe eo amin’ny tantaran’ny famonjena hitranga tsy ho ela, ary tsy hahita izany ireto mpitarika ireto sy ireo izay hotarihiny ho any amin’ny fitaka. Mandritra izany fotoana izany, olona hafa maro, Jiosy ary tsy ho ela intsony ireo Jentilisa koa, no misokatra amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Hiaraka hanohy ny asa lehibe sy ny fiantsoana an’ny Isiraely izy ireo. Ho lasa taranak’i Abrahàma tokoa izy ireo “sy mpandova araka ny teny fikasana” – Gal. 3:29.  Isika koa, amin’izao vanim-potoana izao, dia anisan’io vahoaka io, ary nampiandraiketin’Andriamanitra io asa io koa.

Pejy ambony

ALATSINAINY: IREO FAMANTARANA NY FARANY (Mat. 24:1–14)

Fiambenana maraina: Ny herin’ny teny - Heb. 4:12.

 

Rehefa avy nanome tsiny ny mpitarika Jiosy sasantsasany izay nandà Azy i Jesôsy, dia mitatitra fangatahana mahaliana ny Jao. 12:20–26. Nolazaina tamin’i Kristy ny amin’ireo Jentilisa izay naniry “hahita an'i Jesosy”. Nanao ny fangatahany tamin’ireo Jiosy nahatoky tamin’i Jesôsy aloha ireto Jentilisa ireo. Tsy ho ela intsony dia hitranga amin’ny velarana lehibe lavitra kokoa ny zavatra tahaka izany: raha handà an’i Jesôsy ny Jiosy sasany, ny sasany kosa ho fitaovana fototra hitarihana ny Jentilisa maro hahalala Azy. Mahaliana tokoa fa io fangatahana io dia tonga avy hatrany taorian’ny nilazan’i Jesôsy tamin’ireo mpitarika fa havela ho lao ny tranon’izy ireo. Tsy ho ela intsony dia hanome lalana ho an’ny vaovao ny taloha. Ary anisan’ny drafitr’Andriamanitra hatrizay hatrizay izany: ny famonjena ny Jentilisa, sy ny Jiosy koa.

    

Inona no karazana sary asehon’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 24:1–14, ho an’ireo mpino mahatoky, sy ho an’izao tontolo izao amin’ny kapobeny koa?

    

Ity valinteny ity no nomen’i Jesôsy ho valin’ireo fanontaniana mahakasika ny famantarana ny fiaviany sy ny fiafaran’izao tontolo izao. “Raha namaly ny mpianany Jesosy dia tsy nosarahiny ny fandravana an’i Jerosalema sy ilay andro lehibe hiaviany. Nampiarahiny ny filazana ireo toe-javatra roa ireo. Raha nabaribariny tamin’ny mpianany ny toe-javatra ho avy araka izay fibanjinany izany, dia tsy ho zakan’izy ireo ny fahitana izany. Noho ny famindrampony taminy dia nakambany ny fitantarany ireo fotoan-tsarotra roa lehibe ireo, ka navelany ny mpianany handinika izay dikan’izany ho an’ny tenany ihany. (...) Tsy natao ho an’ny mpianatra fotsiny io lahateny manontolo io, fa natao ho an’izay rehetra ho velona mandritra ireo toe-javatra farany amin’ny tantaran’ity tany ity.” – IFM, t. 674

Misy zavatra iray mazava tsara ao anatin’ny valintenin’i Jesôsy: tsy ho tsara ireo toe-javatra izay hitarika ho amin’ny fiverenany. Tsy nilaza mialoha “lanitra” eto an-tany na fiadanana eto an-tany mandritra ny arivo taona i Jesôsy. Ady, famadihana, loza voajanahary, fiangonana miatrika fanenjehana, kristy sandoka, ary mpitondra fivavahana sandoka koa aza no ho hita. Ny zavatra tsara soritana indrindra eto dia ny teny fikasana fa “‘hotorina amin'izao tontolo izao itỳ filazantsaran'ny fanjakana itỳ’” - and. 14. 

    

Milaza i Jesôsy ao amin’ny Mat 24:13 fa “‘izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena’”. Inona no azonao atao mba hampahatanjaka anao ara-panahy mandrakariva eo anivon’ny fitsapana izay mety hahaketraka anao mora foana sy hahatonga anao hilavo lefona? Hitantsika nitranga teo amin’ny hafa izany. Koa nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hieritreritra fa tsy hitranga amintsika koa izany?

Pejy ambony

TALATA: NY FAHARAVAN’I JEROSALEMA (Mat. 24:15–22)

Fiambenana maraina: Izay ataon’ny Fanahy - 2 Tes. 2:13.

 

Vakio ny Mat. 24:15–22. Inona no resahin’i Jesôsy eto? Inona indray ny karazana sary asehony ho valin’ireo fanontaniana napetraka Taminy?

 

“Ny fahavetavetan'ny fandravana” (Mat. 24:15) dia raisina mazàna ho toy ny karazana fametavetana na faniratsirana izay masina. Milaza mazava ny momba ny fandravana an’i Jerosalema i Jesôsy, fandravana izay hitranga ny taona 70 TrK. Araka ny hitantsika omaly, nampiarahin’i Jesôsy ny fanoritsoritany io fotoana io sy ireo toe-javatra farany hitranga eto amin’izao tontolo izao mialoha ny fiaviany fanindroany. “Tandindon’izao tontolo izao nohamafisin’ny tsy finoana sy ny fikomiana izay mihazakazaka hiatrika ny fitsarana famalian’Andriamanitra no hitan i Kristy teo amin’i Jerosalema” – HM, t. 22.

Kanefa na dia eo anivon’ny faharavana aza, dia mbola miezaka mamonjy ireo rehetra maniry ny ho voavonjy ny Tompo. Niteny tamin’ny mpianatra i Jesôsy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka mba handositra mialoha ny hitrangan’ny fandravana: “‘Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.’” – Lio. 21:20–22.

Rehefa nahita ny io tranga io ireo Kristianina tany Jerosalema, dia nandositra niala ny tanàna, araka ny toromarik’i Jesôsy; ny ankamaroan’ny Jiosy kosa nandritra izany fotoana izany dia tavela tany aoriana tany ka maty. Vinavinaina ho Jiosy mihoatra ny iray tapitrisa no maty nandritra ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema, ary mihoatra ny 97.000 no lasan-ko babo. “Nandritra ny fiatoana fohy, rehefa nampiato tamin’ny fomba tsy nampoizina ny fanafihany an’i Jerosalema ny Rômanina, dia nandositra avokoa ny Kristianina rehetra. Voalaza fa tsy nisy namoy ny ainy na dia ny iray tamin’izy ireo aza. I Pela no toeram-pialofany, tanàna teo amin’ireo havoana atsinanan’ny onin’i Jôrdana, teo ho eo amin’ny 27 kilaometatra avaratry ny Farihin’i Galilia.” - SDABC, b. 5, t. 499.

 

Eritrereto ny fotoana iray izay nampitandreman’ny olona anao momba ny zavatra iray saingy tsy nohenoinao izy ka niteraka alahelo ho anao izany tatỳ aoriana. Nahoana no tena iankinan’ny aina tokoa, ankoatra ny fihainoana ireo teny fikasana mahafinaritra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny hihainoantsika koa ireo fampitandremana raketiny?

Pejy ambony

ALAROBIA: NY FIAVIAN’I JESOSY FANINDROANY (Mat. 24:23–26)

Fiambenana maraina: Teny fiainana - Jao. 6:63,68.

 

Mamaly ny fanontanian’ny mpianany mahakasika ny “famantarana ny fihavianao” (and. 3) i Jesôsy eto amin’ny Mat. 24 eto; izany hoe: ny fiavian’i Kristy ho mpanjaka.

 

Inona ireo fampitandremana hafa omen’i Jesôsy momba ny hevitr’ireo toe-javatra hitranga mialoha ny fiverenany? Ary ahoana no niverimberenan’io toe-javatra io teo amin’ny tantara? Mat. 24:23–26.

 

     Toy izao i Jesôsy araka ny fahitan’izao tontolo izao Azy: tsinontsinona afa-tsy mpitoriteny galilianina mandehandeha, miaraka amin’ny mpino mpanara-dia Azy vitsy dia vitsy. Milaza mialoha anefa Izy fa maro no ho avy amin’ny anarany, mitonon-tena ho Azy. Mazava loatra fa izany mihitsy no nitranga nandritra ireo taonjato maro ary hatramin’izao androntsika izao aza, zavatra izay manome antsika porofo mahery vaika momba ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra.

 

Vakio ny Mat. 24:27–31. Ahoana no anoritana ny Fiaviana Fanindroany? Inona no mitranga rehefa avy Izy?

 

Nampitandrina i Jesôsy fa maro no ho avy hilaza ny tenany ho Kristy. Rehefa izay dia nosoritany ny tena ho endriky ny fiverenany.

Voalohany, ho ara-batana sy ara-bakiteny ny fiavian’i Jesôsy fanindroany. I Jesôsy Tenany mihitsy no miverina indray eto an-tany. “Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra” (1 Tes. 4:16) dia fitsipahana mibaribary ireo izay milaza fa ny fiverenan’i Kristy dia tsangan-kevitra ihany na vanim-potoana vaovao eo amin’ny tantaran’ny olombelona fotsiny. Ho hita maso ny fiverenany, tahaka ny tselatra manerana ny lanitra. “Ny maso rehetra hahita Azy” (Apôk. 1:7). Ny trômpetra dia tandindona entina hanehoana fa ho mafy izany, mafy tokoa ka hanaitra ny maty mihitsy! Ary ny manan-danja indrindra, raha niaritra fahafaham-baraka i Jesôsy tamin’ny fiaviany voalohany, amin’ny fiaviany faharoa kosa Izy dia ho avy tahaka ny Mpanjaka mpandresy (Apôk. 19:16), nandresy ny fahavalony (sy ny fahavalontsika) rehetra (1 Kôr. 15:25).

 

Amin’izao fotoana isian’ny korontana sy tsy fahazoana antoka momba ny hoavy eto amin’izao tontolontsika izao, dia ahoana no ahafahantsika mianatra mandray hery sy fanantenana ho an’ny tenantsika avy amin’ny teny fikasana momba ny Fiaviana Faharoa?

Pejy ambony

ALAKAMISY: MIAMBINA (Mat. 24:36,42)

Fiambenana maraina: Mamonjy ny olona ny teny - Jak. 1:18,21.

 

Ny fiavian’i Jesôsy fanindroany no fara tampon’ny fanantenan’ny Kristianina rehetra. Io no fahatanterahan’izay rehetra nampanantenaina antsika. Raha tsy misy an’io – dia inona? Ho lo ao amin’ny tany isika aorian’ny fahafatesana, tahaka ny olona rehetra ihany, tsy hitsangana amin’ny maty. Raha tsy misy ny Fiaviana Fanindroany sy izay rehetra haterak’izany, ny zavatra rehetra mahakasika ny finoantsika dia ho lasa lainga, ary izay rehetra nolazain’ny mpitsikera sy ny mpanohitra no entina hanoherana izany.

     Tsy mahagaga àry raha nametra fotoana ho amin’ny fiverenany ny Kristianina sasany, tao anatin’ny fiandrandrana fatratra izany fiverenany izany. Betsaka tokoa mantsy ny zavatra miankina amin’io fiverenana io. Mazava loatra, araka ny fantatsika, fa diso avokoa ireo fotoana taloha nofaritana ho amin’ny fiverenan’i Kristy.

 

Ahoana no anazavan’ny Mat. 24:36, 42 ny antony mahadiso hevitra ireo mpametra fotoana?

     Satria tsy fantatsika mihitsy ny fotoana hiverenan’i Kristy, dia asaina miomana sy “miambina” isika.

 

Vakio ny Mat. 24:42–51. Inona no lazain’i Jesôsy eto mahakasika ny hevitry ny hoe miambina sy miomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany?

 

Mazava ny tenin’i Jesôsy: tsy fantatsika ny fotoana hiverenany. Ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizintsika tokoa mantsy Izy. Koa ilaintsika ny miomana mandrakariva ho Azy rehefa tena miverina tokoa Izy. Ilaintsika ny mivelona tahaka ny hoe mety hiverina amin’ny fotoana rehetra Izy, na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana. Ity fiheverana manaraka ity indrindra no fihetsika izay nampitandreman’i Jesôsy: Indro, mbola tsy niverina Izy izay elabe izay, koa afaka manao araka izay irin’ny foko aho. Tokony hitoetra ho mahatoky mandrakariva isika satria tiantsika ny Tompo ka maniry ny hanao izay mahamendrika eo imasony isika, na oviana na ovina no hiverenany. Ankoatra izany koa, amin’ireo andininy rehetra izay mampitandrina momba ny fitsarana, indrindra ny fitsarana ireo izay manao ny tsy rariny amin’ny hafa, dia tsy zava-dehibe ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany. Na ho ela na ho haingana, dia ho tonga ny fitsarana.

 

Amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, izay nino hatry ny ela ny fiverenan’i Kristy, ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy manao ny hadisoana izay ataon’ny mpanompo ratsy fanahy araka ny Mat. 24:48-51 isika?

Pejy ambony

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Tarihin’ny Fanahy - Rôm. 8:14,16.

Filentehan’ny masoandro: 5.20

 

Ao anatin’ny tontolon-kevitr’ireo toe-javatra voalaza ao amin’ny Mat. 24, dia hoy koa i Jesôsy: “‘Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.’” - and. 34. Nitarika ho amin’ny fisavorovoroana io andininy io satria hita miharihary fa tsy nitranga tao anatin’ny taranaka iray avokoa ireo zavatra rehetra ireo. Raha nanoratra tao amin’ny The Handbook of Seventh-day Adventist Theology i Dr. Richard Lehmann, dia nilaza fa ny teny grika nadika hoe: “taranaka” dia mifototra amin’ny teny hebreo hoe dôr. Io teny hebreo io dia ampiasaina matetika mba hanondroana tarika na sarangan’olona, tahaka ny hoe: “taranaka maditra sy miodina” - Sal. 78:8. Noho izany, tsy nampiasa io teny io i Jesôsy mba hamaritana fotoana na daty, fa hamaritana ny vondron’olona ratsy fanahy izay tiany horesahina. “Mifandraika amin’io teny fampiasan’ny TT io, dia nampiasain’i Jesôsy ny teny hoe “izao taranaka izao” entina hilazana vondron’olona manokana, fa tsy hilazana fotoana manokana. Ny taranaka ratsy fanahy dia hahitana ireo rehetra izay manana toetra ratsy (Mat. 12:39; 16:4; Mar. 8:38).” - HSAT, t. 904. Amin’ny teny hafa, ny ratsy dia hitoetra mandra-pahatongan’ny farany, mandra-piverin’i Jesôsy.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, ahoana no iatrehantsika izay hita ho toa fitarazohana elabe? Tsy nino va ireo taranaka Advantista tany aloha fa hiverina amin’ny androny i Jesôsy? Ary tsy miandrandra izany amin’izao androntsika izao koa ve ny ankamaroantsika? Etsy ankilany, tsy endrika famerana daty ve ny fiandrandrana ny fiverenany amin’ny fotoana iray voafaritra? Ahoana no hanatrarantsika ny fifandanjana sahaza eo amin’ny fomba fiatrehantsika ny Fiaviana Fanindroany? Ahoana no isorohantsika ny fihetsika dison’ilay “mpanompo ratsy fanahy”, kanefa misoroka koa ny fihetsik’ireo izay mahita, ao anatin’ny trangan-javatra tsirairay, famantarana ny farany tsy ho ela intsony? Inona no fihetsika tokony ho hita eo amintsika izay miandry ny Fiaviana Fanindroany?

 

  • Vakio indray ny filazalazan’i Jesôsy ny endriky ny Fiaviany Fanindroany. Inona no tsy itovian’izany amin’ireo fiheverana mahazatra sasany momba ny Fiaviany Fanindroany? Mazava tsara ireo andininy ao amin’ny Baiboly. Nahoana anefa no mino izay tena mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny olona maro dia maro? Inona ireo tsangan-kevitra entiny mba hanohanany ny fomba fijeriny, ary ahoana no tokony hamaliantsika izany?

Ahoana no ianarantsika mivelona miaraka amin’ny fitarazohana? Iza ireo olona ao amin’ny Baiboly izay tsy maintsy niaina niaraka tamin’ny fitarazohana? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo? Ohatra amin’izany i Josefa, i Abrahàma sy i Saraha, i Kaleba sy i Josoà? Inona koa no ambaran’ny Apôk. 6:9,10 momba ny fitarazohana?

Pejy ambony