LESONA 11

03 - 09 SEPTAMBRA

JESOSY NITENY AZY IREO "MANARAHA AHY"

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Soloiny fifaliana - Isa. 61:3.


Filentehan’ny masoandro: 5.43


Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 10:1-5,16; Lio. 9:2; Apôk. 14:6,7; Lio. 19:1-10; Asa. 26:11-27; Apôk. 3:20
.


Tsianjery
: “Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.” – Jao. 10:5

 

Tamin’ny taona 362 TrK, dia nametraka tetikady hamerenana indray ny fanompoan-tsampy ny amperora rômanina Julien. Niparitaka nanenika ny fanjakana rômanina mantsy ny fivavahana kristianina, ka nampanahy azy sy ireo mpitondra mpanompo sampy. Maneho ny tebitebiny ny torohevitra nomen’i Julien ny mpisorona mpanompo sampy iray, izay namaritra ny antony nampiroborobo haingana ny fivavahana kristianina: “Mieritreritra aho fa ataon’ireo mpisorona [mpanompo sampy] tsinontsinona sy hadinony ireo mahantra. Hitan’ireo Galilianina mpaniratsira ireo izany ka nanokan-tena ho amin’ny asa fanaovan-tsoa sy fanampiana izy ireo. Samy ampian’ny Kristianina ny mahantra ao aminy sy ny antsika. Hitan’ny olon-drehetra fa tsy mahazo fanampiana avy aty amintsika ny vahoakantsika.” – nalaina tamin’ny Rodney Stark, Cities of God (San Francisco: Harpercollins Publishers, 2006), t. 31.

Nanantena ny Rômanina fa ho foana ny fivavahana kristianina, rehefa maty ny mpitarika azy ireo, dia i Jesôsy Kristy. Tsy izany anefa, fa vao mainka aza maro ireo Rômanina nanara-dia an’i Jesôsy. Ahoana no nanazavan’izy ireo izany “olana” izany? Naneho ny fitiavan’i Jesôsy tamin’ny alalan’ny fanomezana ny filàna fototry ny olona manodidina azy ny mpanara-dia Azy. Izany no nataon’i Jesôsy fony Izy tetỳ, ary izany koa no tokony hataon’ny mpanara-dia Azy.

Tsy mahagaga araka izany, raha toa ka nanaraka an’i Jesôsy ny vahoaka maro rehefa nomena tombontsoa hanao izany.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Mandrakizay ny didiny - Sal. 11:7.

 

FANTATR’IZY IREO NY FEONY (Jao. 10:1-5,16)

 

Vakio ny Jao. 10:1-5,16. Ahoana no hanazavan’ireo toko sy andininy ireo ny maha-zava-dehibe ny fananana fifandraisana tsara sy feno fitiavana amin’ny olona eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesôsy antsika? Ahoana no hanampiantsika azy ireo hianatra hihaino ny Feony?

Ny bitsibitsiky ny namana dia mahery kokoa amin’ny fitaomana olona eo amin’i Jesôsy noho ny hiakiaky ny vahiny. Rehefa miaraka amin’ny namana izay mianatra mitoky amintsika isika, dia afaka miasa amin’ny alalantsika i Jesôsy ilay Mpiandry tsara (Jao. 10:11,14), hanampy ireny olona ireny handre sy hahafantatra ary hanaraka ny Feony.

Zava-dehibe ny fahafantarantsika ny feon’i Jesôsy alohan’ny hanampiantsika ny hafa hahafantatra izany. Mila ny fahendrena avy amin’Andriamanitra isika hahafahantsika manavaka ny feo mamitak’i Satana sy ny feon’i Jesôsy. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa tena misy ny fifanandrinana lehibe eo amin’i Kristy sy i Satana. Manana fahavalo koa isika, izay miasa mangingina hanakanana ny olona tsy ho eo amin’ny fifandraisana amin’i Jesôsy, izay mitondra famonjena.

Na izany aza, dia mbola afaka manampy ny hafa hahalala ny feon’i Jesôsy ihany isika. Miteny amin’ny alalan’ny zava-boary Izy (na dia nisy aza ny Fahalavoana). Miteny amin’ny alalan’ny tsindrimandry omen’ny Fanahy Masina Izy, sy amin’ny alalan’ireo olona manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ary amin’ny Teniny. (Vakio ny TH, t. 100-108). Rehefa tonga amin’ny fahafantarana sy fankatoavana izany feo izany isika, dia afaka ny ho tonga mpitarika ny hafa koa. Tsy tiantsika ny ho jamba mitarika jamba, araka izay nampitandreman’i Jesôsy (vakio ny Mat. 15:14).

Nahoana i Jesôsy no nanana izany fahefana lehibe hitarika ny olona ho eo Aminy izany? Satria nahafoy tena tsy nisy fitiavan-tena Izy. Rehefa manilika ny fitiavan-tena sy mandray ny toetry ny mpanompo isika, izay Tenany, ka mamela Azy hiaina ao anatintsika, dia ho voataonan’ny antson’i Kristy amin’ny alalantsika ny hafa.

Amin’ny maha-mpanara-dia an’ilay Mpiandry tsara antsika, dia tokony haneho ny fitsipika manan-danjan’ny Asany eo amin’ny fiainantsika isika rehefa manasa ny olona hanaraka Azy. Ny fahatokiana amin’ny fitsipika izay maneho ny fitiavan’i Jesôsy dia manokatra ny sofin’ireo olona hanaovantsika fanompoana. Mandrodana ny “sakana” misy eo amin’ny fiarahamonina sy ny fiangonana koa izany.

Inona avy ireo fomba mahomby azontsika hanampiana ny hafa hahare ny feon’ilay Mpiandry?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Efa navotany - Isa. 43:1.

 

ASAINA MITADY ISIKA (Lio. 19:10)

 

Vakio ny Lio. 19:10; Mar. 1:17; Lio. 9:2; ary ny Apôk. 14:6,7. Inona ny teboka manan-danja zarain’ireo toko sy andininy ireo? Inona no asainy ataontsika?

Nandritra ny taona maro no nivavahan’ny mambran’ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito iray toy izao: “Andriamanitra ô, tariho ireo olona eo amin’ny fiarahamonina misy anay ho ao amin’ny fiangonanay sy ho eo Aminao.” Ny sary ao an-tsainy momba ny fiangonana dia andriam-by lehibe iray izay misintona ny olona amin’ny fomba mahagaga ho ao anatiny. Indraindray tokoa, miditra ao amin’ny fiangonantsika ny olona, hitady an’Andriamanitra, na dia tsy manao na inona na inona hanintonana azy ireo aza isika.

Inona anefa no tokony hataon’ny fiangonana misy anao rehefa mandeha eny ny taona kanefa tsy misy olona eo amin’ny fiarahamonina mandingana ny varavarana? Raha toa ianao mivavaka fotsiny mba hidiran’ny olona, dia tsy manaraka ny fomba fiasan’i Kristy hahazoana fanahy ianao amin’izay. Nifangaro sy nifanerasera tamin’ny olona Izy, ary nitady olona hovonjena. “Tsy tokony hiandry ny fanahy hanatona antsika isika, tsy maintsy mitady azy any amin’izay misy azy isika… Misy vahoaka sesehena izay tsy ho tratry ny filazantsara raha tsy entina eo aminy izany.” – HF, t. 196.

Maro ny fanoharana maneho ny hevitr’izany fitadiavana olona izany:

  1. Namela ireo ondry 99 tao am-bala ilay mpiandry ondry ka nandeha nitady ilay anankiray izay nania (Mat. 18:10-14). Raha miverina mania indray any amin’izao tontolo izao ny mpino, dia tokony handeha hitady azy ireo isika, tahaka izay nataon’i Jesôsy; ary tokony entintsika miverina eo Aminy amim-pitiavana izy ireo.

Ny toko sy andininy voalaza eo ambony dia maneho fa tokony hiasa amim-pahavitrihana isika amin’ny fitadiavana ireo very. Mila miasa mafy isika hanatrarana azy ireo. Mety hitranga ny hoe misy olona mandeha eny an-dalana ka miteny hoe: “Ampianaro momba an’Andriamanitra aho, momba ny famonjena sy ny fahamarinana.” Saingy tsy izany matetika no zava-mitranga.

  1. Ny fomba fiasan’i Kristy” amin’ny fanatrarana ny very dia “tsy maintsy hitondra vokatra ary tsy afaka ny tsy hitondra vokatra.” – TMF, t. 87. Ireo “voankazo mora takarina” ihany ve no ifantohantsika? Ny tiana ambara amin’ny hoe voankazo mora takarina dia ireo olona izay efa manana finoana kristianina saingy any amin’ny fiangonana kristianina hafa. Saingy ahoana no hataontsika raha hanatratra ireo “voankazo saro-takarina”? Izany dia ireo olon’izao tontolo izao, ireo tsy mpino an’Andriamanitra, ny Silamo, ny Jiosy, ireo Hindou, ary ireo Bodista. Ara-tantara, ireo olona ao anatin’ny finoana kristianina hafa dia mahita marimaritra iraisana amin’ny Advantista. Saingy mila manao asa tsaratsara kokoa isika amin’ny fizaràna an’i Jesôsy amin’ireo antokom-pinoana izay manana finoana hafa tanteraka amin’ny antsika.


 Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Fanahy mahery fa tsy osa - 2 Tim. 1:7.

 

ILAY TETEZANA (Lio. 19:1-10)

 

Indraindray ao amin’ny fiangonana dia misy fandaharana ho fanentanana ho amin’ny asa atao eo amin’ny fiarahamonina amin’ny lafiny fahasalamana, fitantanam-pananana manokana, ny fifehezana fifanandrinana, sns. Mety hanontany ny fiangonana hoe: inona no tetezana izay hitondra ny hafa ho amin’ny fanarahana an’i Jesôsy? Ny fanontaniana tokony hapetratsika dia hoe: “iza no tetezana?” Ny valiny dia: ianao! “Ny fonjan-kevitra mahery vaika indrindra manohana ny filazantsara dia ny Kristianina be fitiavana sy maha-te ho tia.” –TMF, t. 313. Ireo fiangonana izay mahomby amin’ny fihazonana ny mpamangy ao aminy ho tafiditra amin’ny fiainam-piangonana, amin’ny hetsika samihafa sy ny fandaharam-potoana samihafa dia voatahy amin’ny fananana mambra izay tena manana fitiavana an’Andriamanitra. Maniry ny hisian’ny fisakaizana maharitra izy ireny.

Etsy ankilan’izay kosa anefa, dia misy ireo mambran’ny fiangonana izay tsy miraika loatra na kamo amin’ny fanatonana ireo mpamangy. Mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny asa fanatrarana ataon’ny fiangonana anefa izany tsy firaihana izany. “Noho ny amin’ny mambra sasany ao amin’ny fiangonana, dia tsy miasa amin’ny fitaomana fanahy maro ho amin’ny fahamarinana ny Tompo. Ireo mambra ireo dia tsy mbola nandalo fiovam-po marina. Misy koa anefa ireo efa niova fo saingy nihemotra. Inona ny hery miasa mangina ananan’ireo mambra tsy manolo-tena ireo eo amin’ny mpino vaovao? Moa tsy hampihena ny herin’ny hafatra avy tamin’Andriamanitra izay asaina entin’ny vahoakany ve izy ireo?” – TFC, b. 6, t. 371.

Vakio ny Lio. 19:1-10. Nahoana i Zakaiosy no nihevitra fa nilainy ny nihanika teo amin’ny hazo mba hahitany an’i Jesôsy? Inona ny lesona ara-panahy tokony hosintonintsika avy amin’io tantara io?

Alaivo sary an-tsaina, inona no mety ho nitranga raha toa ireo olona sahirana tamin’ny fanakanana ny vahoaka tsy hanatona an’i Jesôsy tany Jerikô tamin’izany fotoana izany no nahatsikaritra ny fanirian’i Zakaiosy ny hanatona Azy akaiky? Ahoana moa raha toa ka nanokatra ny lalana ho an’ity “mpanota” ity izy ireo mba hanatonany eo an-tongotry ny Mpamonjy?

Ny sasany amintsika izay anisan’ny “vahoaka” manodidina an’i Jesôsy dia feno ny fitiavany ny mpanota miatrika ady ka maniry ny “hamindra” izany fitiavana izany amin’izy ireo. Tokony hahatsapa lalina ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavany ho an’ny mpanota tahaka antsika isika, ka hiasa mafy hitady ireo tsy ao anatin’ny vahoaka, tahaka an’i Zakaiosy, izay mila ny fanampiantsika mba hahitany an’i Jesôsy.

Ahoana ny fihetsikao manoloana ireo endrika vaovao ao amin’ny fiangonana misy anao? Manao ezaka matotra mba hiresahana amin’izy ireo ve ianao? Sa hodianao tsy fantatra ireny olona ireny, noho ny fiheveranao fa misy olon-kafa afaka mandray an-tanana azy ireny? Inona no ambaran’ny valinteninao momba anao sy ny zavatra tokony hovaina aminao?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Ialao ny ady hevitra foana - Tit. 3:9.

 

ILAY BAIKO (Asa. 26:11-27)

 

Nanasitrana olona maro i Jesôsy sy ny mpianany ary nampitodika ny sain’izy ireo ho amin’ny harena any an-danitra. (vakio ny TMF, t. 11). Ilay mpitory ny Filazantsara Mark Finley dia mampahatsiahy antsika fa ny tsy fampahafantarana an’Andriamanitra amin’ny olona dia fomba fanao ara-panahy izay ratsy tokoa. Ny fomba fiasan’i Jesôsy tamin’ny fitoriana ny Filazantsara dia ny fikasihana ny olona amin’ireo zavatra ilainy indrindra. Asa misiônera amin’ny alalan’ny fitsaboana izany. Tsy nianina fotsiny tamin’ny fanasitranana azy ireo ara-batana i Kristy, ka hoe tsy nanao na inona na inona ankoatra izay; ny fiainana mandrakizay ao Aminy no tanjona. Mety tsy miantomboka amin’ny fampirisihana na antso ho an’ireo olona fantatsika mba hanaraka an’i Jesôsy ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny fitsaboana, saingy tokony ho tonga amin’izany ihany na ho ela na ho haingana izany. Noho ny fitiavantsika ny hafa, dia te hanome azy ireo izay rehetra atolotr’i Jesôsy isika.

Mety hilaza anefa ianao hoe: “Ny ampahany voalohany amin’ny fomba fiasan’i Jesôsy ihany no hataoko, fa tsy dia mahay mampirisika olona loatra aho amin’ny fanaovana ilay ampahany hoe “Manaraha Ahy”. Tsy manana fanomezam-pahasoavana amin’izany aho.” Raha ataonao ilay ampahany voalohany, dia mety ho gaga ianao fa handeha ho azy ny fizarana an’i Jesôsy. Hanjary tsotra sy mora kokoa izany satria nanao ny “fiasana” ny tany tao am-pon’izy ireo ianao.

Voalohany, fantaro bebe kokoa ny olona izay hanaovanao asa fanompoana. Avy eo, fantaro ny fotoana mety indrindra iresahana momba ny finoana sy izay heverinao momba an’Andriamanitra. Mitadiava fotoana manokana hiresahana zavatra ara-panahy. Anontanio ny namanao mombamomba ny fianakaviany, ny asa ataony isan’andro, ny antokom-pivavahany, izany dia hanokatra ny lalana hahafahanao mizara ny fijoroana ho vavolombelona ataonao manokana.

Ny fizarana ny fanandraman’ny tena manokana dia fomba iray mahery vaika enti-mijoro ho vavolombelona, satria izany koa no tsy mampatahotra indrindra. Tsy mitory teny ianao, fa mitantara tantara fotsiny ihany, ary tokony hanana ny tantarany manokana ny tsirairay momba izay nataon’i Jesôsy teo amin’ny fiainany.

Vakio ny Asa. 26:11-27, izay ahitana ny apôstôly Paoly mitantara momba ny fijoroana ho vavolombelona manokana nataony tamin’ny mpanjaka Agripa. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa mikasika an’i Jesôsy?

Mariho ireo dingana samihafa. Notantarain’i Paoly ny toetrany mialoha ny nahafantarany ny Tompo, avy eo dia notantarainy ny fanandramana niainany momba ny fiovam-po. Notantarainy avy eo izay nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany nanomboka tamin’izay fotoana izay. Rehefa izay dia nanao antso izy.

Mety tsy miezinezina tahaka ny tantaran’i Paoly ny antsika, inona kosa anefa ny tantaranao manokana niaraka tamin’i Jesôsy? Ahoana no hianaranao hizara izany amin’ny hafa amin’ny fotoana mety?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Iray amin’ny fahalalana azy - Efes. 4:11-13.

 

MITADIAVA DIA HAHITA HIANAREO (Apôk. 3:20)

 

Vakio ny Apôk. 3:20; Mat. 7:7,8; ary ny Jao. 1:12. Inona no ifandraisan’ireo toko sy andininy ireo? Inona no ambaran’ireo amintsika mikasika ny hevitry ny hoe mitady sy mahita an’Andriamanitra?

Ireo toko sy andininy ireo dia samy maneho fa tsy maintsy mangataka sy mitady ary mamoha varavarana ny olona mba handraisany an’i Jesôsy. Miaraka amin’izay, ny Apôk. 3:20 dia maneho an-tsary an’i Jesôsy mitsangana eo am-baravarana ary mandondona mba hisian’ny olona iray hamoha ny varavarana sy hamela Azy hiditra.

Tsy mifanipaka ireo hevitra ireo. Miasa ao am-pon’ny olona Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Mitarika azy ireo ho Aminy Izy, na dia tsy mahatsapa izany aza ny olona. Matetika ny olona no mitady zavatra izay tsy omen’ny fiainana azy. Tombontsoa lehibe manao ahoana re izany hoe eo isika mba hanoro azy ireo ny lala-marina tokony hizorana sy manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa fa i Jesôsy no ilain’izy ireo.

Ny marina dia izao, amin’ny alalanao, dia afaka mandondona eo am-baravaran’ny fiainan’ireo olona eo amin’ny fiarahamonina misy anao i Jesôsy, ka na iza na iza no manaiky “hamoha ny varavarana” ary handray Azy dia handray ny fitahiana izay entiny (Apôk. 3:20; Jao. 1:12). Manasa ireo mpanara-dia Azy koa Izy hangataka, hitady, ary handondona eo am-baravarany ka handray ny “zava-tsoa” an’ny fanjakany (Mat. 7:7,8,11).

Andeha atao hoe milaza aminao ny Fanahy Masina fa misy olona vonona “hamoha ny varavarany” ho an’i Kristy. Anontanio avy eo hoe: “Maniry hiara-mivavaka amiko ve ianao mba handraisana an’i Kristy sy hahatonga anao ho isan’ny ankohonany?” Azony tononina ny vavaka toy ity manaraka ity:

“Jesôsy malala ô, fantatro fa mpanota aho ary mila ny famelanao ny heloko. Mino aho fa maty noho ny fahotako Ianao. Te hiala amin’ireo otako aho, ka manasa Anao amin’izao fotoana izao hiditra ao am-poko sy ao amin’ny fiainako. Te hatoky sy hanaraka Anao aho, ary handray Anao ho Tompo sy Mpamonjy ahy. Amin’ny anaran’i Jesôsy, amena.”

Mila fahendrena ara-panahy isika hahafantarana ny fotoana mety hanaovana antso. Mety misy loza ateraky ny antso diso mivatravatra, saingy ratsy koa ny antso malemilemy. Indraindray mantsy ny olona dia mila tosika hentitra sy feno fitiavana mba hanaovany safidy ho an’ny Tompo. Azo antoka, fa manana andraikitra manan-danja sy masina tokoa isika.


 Pejy ambony

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Eo anilanao mandrakariva - Sal. 118:6.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.44

 

FIANARANA FANAMPINY: vakio ny Sal. 77:20; Hôs. 11:4; 2 Kôr. 5:11-21. Vakio ao amin’ny TMF ny “Mampianatra sy mitsabo”, tt. 84-100, sy ny “Fanampiana eo amin’ny fiainana andavanandro”, tt. 312, 313; “Ilehity mandray ny mpanota”, tt. 153- 164, sy ny “Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dalana” tt. 187-204, ao amin’ny HF.

Nisy tovolahy iray tia an’Andriamanitra sy naniry hilaza amin’ny hafa momba an’i Jesôsy. Mahay mandaha-teny izy sady tian’ny olona, ka nanao fijoroana ho vavolombelona miezinezina. Tian’ny olona tokoa ny mihaino azy, saingy nisy olana iray tsy azo tsinontsinoavina: natahotra mandrakariva ny hilaza amin’ny olona handray fanapahan-kevitra goavana ho an’i Jesôsy izy. Nahagaga ireo mambran’ny fiangonana hafa izany. Amin’ny lafiny iray, dia hita ho mahery fo ho an’ny Tompo izy ary manolo-tena hiteny am-pahibemaso momba ny finoany, saingy rehefa anontaniana ny amin’izay mampatahotra azy izy, dia izay hitantsika tamin’ny lesona Alarobia no navaliny. Nilaza izy fa tsy manana fanomezam-pahasoavana amin’ny fanaovana antso. Tiany ny mamafy voa, saingy avelany hataon’ny hafa kosa ny fijinjana ny vokatra. Afaka fotoana vitsy dia nitsotra izy fa matahotra ny handavan’ny olona ny antso ataony. Nahatsapa tena mandrakariva izy fa tsy mpijoro ho vavolombelona tsara ho an’Andriamanitra, ka natahotra izy fa tsy handray fanapahan-kevitra ho an’i Jesôsy ny olona raha asainy manao izany. Nanazava taminy ny olona tao am-piangonana fa ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy momba antsika fa momba an’i Jesôsy, isika mantsy dia vavolombelona tsy tonga lafatra mandrakariva. Azontsika atao ny manoro azy ireo amim-pitiavana sy amim-bavaka ny lalana mankeo amin’i Jesôsy, saingy tsy afa-manao ny asan’ny Fanahy Masina, izay hany tokana afaka mitondra ny olona ho amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an’i Jesôsy isika. Tokony ho “siny” isika, ka avy amintsika no handrarahan’i Kristy ny fitiavany ho amin’ny hafa.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray milaza fa matahotra ny hiteny amin’ny hafa mba handray fanapahan-kevitra ho an’i Jesôsy?
  • Toy izao no ao amin’ny Jao. 1:9: “Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.” Ahoana no hanampian’io toko sy andininy io antsika amin’ny fahatakarana fa Andriamanitra dia maniry ny hanatratra ny olona rehetra amin’ny famonjena?
  • Manao ahoana ny fandraisan’ny fiangonanao ny mpamangy sy ny vahiny izay tonga ao? Inona ny zavatra tsaratsara kokoa azo atao?
  • Oviana ny fotoana farany nisian’ny olona avy eny an-dalana niditra tao amin’ny fiangonana misy anao? Nanao ahoana ny fihetsiky ny fiangonana tamin’izany olona izany?

Zarao ao amin’ny kilasy ny tantaran’ny fiovam-ponao. Nanao ahoana ny nampiasanao ireo tantaranao ireo? Na koa ahoana no hampiasanao azy ho fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa?


 Pejy ambony