LESONA 11

3 - 9 DESAMBRA

AVY TAO AMIN'NY TAFIO-DRIVOTRA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 38-39; Jao. 1:29; Mat. 16:13; 1 Kôr. 1:18-27; Jôba 40:1-4; Jôba 42:1-6; Lio. 5:1-8.


Tsianjery:
“Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.” – Jôba 38:4.


Mety misy fahasamihafana eo amin’i Jôba sy ireo sakaizany, saingy misy zavatra iray mampitovy azy rehetra: samy manan-javatra betsaka holazaina momba an’Andriamanitra ny tsirairay avy amin’izy ireo, na koa izay takany mikasika ny toetran’Andriamanitra. Iombonantsika hevitra ny ankamaroan’ny zavatra ambaran’izy ireo. Ahoana ohatra ny amin’ity hevitra ity: “Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; Ary makà saina amin’ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao. Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’i Jehovah, Izay mitana ny ain’ny zava-manan-aina rehetra sy ny fofonain’ny olombelona rehetra?” – Jôba 12:7-10. Na koa ity iray hafa ity: “Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?”- Jôba 8:3?


Ny lohahevitry ny bokin’i Jôba dia fahoriana. Ny teboka manan-danja indrindra anefa amin’ny resaka ifanaovana dia Andriamanitra, ankoatra ireo toko roa voalohany, dia tsy hita eo amin’ny tantara Andriamanitra. Raha mitohy hatrany ny tantara, dia mijanona ao an-damosin’ny sehatra Andriamanitra.  


Efa hiova anefa izany rehetra izany, satria dia hiteny mivantana Andriamanitra.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

TAO ANATIN’NY TAFIO-DRIVOTRA (Jôba 38:1)


Vakio ny Jôba 38:1. Inona no mitranga eto izay samy hafa amin’izay nitranga rehetra tamin’ny resaka hafa nifanaovana?


Tampoka ary tsy nampoizina, dia niseho Andriamanitra tao anatin’ny bokin’i Jôba. Ao amin’ny Jôba 2:6 Andriamanitra no miteny voalohany indrindra: “Indro eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.”


Tsy dia misy teny loatra manomana ny mpamaky ho amin’ity fisehoana tampoka ity. Ny teny nataon’i Eliho no mamarana ny Jôba 37, ary ny zavatra hitantsika manaraka izay dia hoe: “Ary teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Jôba” (Jôba 38:1). Vetivety teo dia i Jôba sy Andriamanitra irery no miresaka, tahaka ny hoe tsy ilaina ireo olona hafa. Faha-faharatsiny amin’izao aloha.


Ny teny hoe tafio-drivotra dia avy amin’ny teny Hebreo izay midika hoe “tadio”. Nampiasaina izany nampifandraisina tamin’ny fisehoan’Andriamanitra tamin’ny olombelona (vakio ny Isa. 29:6; Zak. 9:14). Io ihany koa ny teny nampiasaina nentina nilaza ny fitondrana an’i Elia ho any an-danitra: “Ary nony efa hampakarin’i Jehovah ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.” – 2 Mpanj. 2:1.


“Théophanie” no iantsoana ny fisehoan’Andriamanitra amin’ny olombelona. Izany teny izany dia avy amin’ny teny Grika “theo” (izay midika hoe Andriamanitra) sy “phainene” (miseho). Araka izany, ny “théophanie” dia ny fisehoan’Andriamanitra amin’ny olona iray. Tsy manana filazalazana mazava isika avy amin’ny toko ao amin’ny bokin’i Jôba mikasika ny nisehoan’Andriamanitra taminy. Araka izany dia tsy fantatsika hoe toy ny ahoana Andriamanitra eto, na toy ny ahoana ny nisehoany tamin’i Jôba, saingy mazava fa tsy niteny tamin’i Jôba tamin’ny “feo nitsoka malemy” Izy (1 Mpanj. 19:12). Tsy izay fa tamin’ny fomba mahery vaika no nisehoan’Andriamanitra, ary azo antoka fa nampitodika ny saina aman’eritreritr’i Jôba iray manontolo izany.


Mazava loatra fa tsy izao ihany no vao nisehoan’Andriamanitra tamin’ny olombelona be fahotana, ary isaka ny miseho amin’izy ireo Andriamanitra, dia asehon’ny Baiboly fa manakaiky ny olombelona tokoa Izy.


Vakio ny Gen. 15:1-6; Gen. 32:24-32; ary ny Jao. 1:29. Inona no ampianarin’ireo toko sy andininy ireo antsika mikasika ny maha-akaiky antsika an’Andriamanitra?


Ny Baiboly dia mampianatra antsika ny fahamarinana lehibe sy manan-danja fa Andriamanitra dia tsy lavitra, tsy hoe namorona ny tontolo misy antsika Izy ary avy eo namela antsika ho irery, fa kosa tena manakaiky antsika tokoa. Na inona na inona fahoriantsika, na olana na izay zavatra atrehintsika eto amin’ity fiainana ity, dia azontsika antoka ny fahafantarana fa akaiky Andriamanitra ary afaka mitoky Aminy isika.


Zavatra iray ny mino fa akaiky antsika Andriamanitra, nefa mahatsapa ho akaiky Azy ve isika? Ahoana no hianaranao hanakaiky an’Andriamanitra sy handray fanantenana sy fampaherezana avy amin’izany fifandraisana izany?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

NY FANONTANIAN’ANDRIAMANITRA (Jôba 38:2)


Azo antoka fa toa naharitra tokoa ny fahatsapan’i Jôba ny fahanginana, taorian’izay anefa dia niteny taminy Andriamanitra, saingy mety tsy izay tian’i Jôba horenesina no nolazain’Andriamanitra voalohany.


Vakio ny Jôba 38:2. Inona ny fanontaniana voalohany napetrak’Andriamanitra tamin’i Jôba? Inona no tiany hambara amin’io fanontaniana io?


Mahita an’Andriamanitra mametra-panontaniana amin’ny olombelona isika manerana ny Baiboly. Tsy hoe tsy fantany tsy akory ny valiny ka manao izany Izy, fa kosa tahaka ny fanaon’ny mpampianatra mahay iray dia mametraka fanontaniana Andriamanitra satria ireny no fomba tsara hahatonga antsika hieritreritra momba ny toe-javatra iainantsika. Mametraka fanontaniana ihany koa Izy hahatonga antsika handini-tena, sy hanampy antsika hijery ny olana ary ho tonga amin’ny fahatakarana ny toe-javatra. Araka izany, ny fanontaniana izay napetrak’Andriamanitra dia tsy hampahafantatra Azy zavatra izay tsy mbola hainy tsy akory, fa kosa nataony mba hanampiana ny olona hianatra zavatra mety ilain’izy ireo ho takatra bebe kokoa. Ny fanontaniana apetrak’Andriamanitra dia fitaovana manampy amin’ny fanatrarana ny olona amin’ny fahamarinana.


Vakio ireo fanontaniana napetrak’Andriamanitra izay hita ao amin’ny Gen. 3:11; Gen. 4:9; 1 Mpanj. 19:9; Asa. 9:4; ary ny Mat. 16:13. Araka ny hevitrao, inona ny tanjon’Andriamanitra amin’ny fametrahana ireo fanontaniana ireo? Inona ny zavatra tena tiany hambara?


Marobe ny zavatra tian’i Jôba hambara momba an’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra ho takatr’i Jôba koa anefa fa marobe ny zavatra tsy fantany na tsy takany momba ny Mpamorona azy. Amin’ny lafiny maro, ny fanontaniana nentin’Andriamanitra nanombohana ny resaka nifanaovana tamin’i Jôba dia mitovy amin’ireo teny sasany nataon’ireo sakaizany taminy teo aloha (vakio ny Jôba 8:1,2; Jôba 11:1-3; Jôba 15:1-3).


Andeha atao hoe hametraka fanontaniana aminao mikasika ny toetry ny fiainanao ara-panahy Andriamanitra amin’izao fotoana izao indrindra. Inona ny fanontaniana heverinao fa hapetrany aminao? Inona no havalinao izany? Inona no ambaran’ilay fanontaniana sy ny valinteninao mikasika anao?



 Pejy ambony

TALATA

 

ANDRIAMANITRA AMIN’NY MAHA-MPAMORONA AZY (Jôba 38:4-41)


Vakio ny Jôba 38:4-41. Inona avy ireo fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’i Jôba? Inona no tanjon’ireo fanontaniana ireo?


Raha nanantena fanazavana amin’ny tsipiriany momba ny antony nitrangan’ireo toe-javatra mahatsiravina taminy i Jôba, dia tsy nahazo izany. Fanontaniana maro feno hailahateny aza no azony, izay maneho fa ny fahefana enti-mamorona ananan’Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny fahatakarana voafetrana ananany. Raha ampitahaina Aminy i Jôba dia fohy andro no sady vitsy fahalalana.


“Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany?” hoy Andriamanitra nanomboka ny teniny (Jôba 38:4). Namerina ny sasany tamin’ireo zava-nitranga tamin’ny Genesisy Andriamanitra, ohatra amin’izany ny fiandohan’ny tany, ny ranomasina, ny mazava ary ny maizina. Avy eo dia nilaza tamin’i Jôba tamin’ny fomba somary maneso Andriamanitra hoe: “Eny fantatrao mantsy izany, satria efa teraka hianao tamin’izay, ary maro ny isan’ny andronao!” (vakio ny Jôba 38:21)


Avy eo dia noresahin’Andriamanitra ireo zava-mahagaga maro sy ireo zava-miafin’ny Famoronana, ary mbola amin’ny fanontaniana maro misy hailahateny ihany no anaovany izany. Miresaka momba ny fanorenana ny tany sy ny zava-miafin’ny toetry ny andro na ny kintana ireo fanontaniana ireo. “Mahavòna ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va hianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?” – Jôba 38:31. Avy eo indray dia natodik’Andriamanitra ho amin’ny tany ny sain’i Jôba, sy amin’izay takatry ny sain’ny olombelona (Jôba 38:36) ary koa ho amin’ny fiainan’ireo bibidia (Jôba 38:39-41). Lohahevitra iray hazavaina amin’ny tsipiriany kokoa izany ao amin’ny Jôba faha-39 iray manontolo. Raha nosoratana amin’izao andro izao io boky io dia mety ho izao ny fanontaniana napetrak’Andriamanitra: “Iza no nampifandray ny ampahany bitika indrindra amin’ny silakivo sy vakinivo?” “Taiza ianao tamin’ny fotoana namarako voalohany ny vetin-danja bitika indrindra?” “Ny fahendrenao va no mahatonga ny vesa-jaka (“gravité”) hamehy ny fotoana sy ny erana?”


Mitovy ny valin’ireo fanontaniana ireo: mazava loatra fa tsia. Tsy nisy hitan’i Jôba ireo toe-javatra ireo na iray aza. Kely ny fahalalany mikasika ireo zava-mahatalanjona noresahin’Andriamanitra ireo. Tian’Andriamanitra haseho an’i Jôba fa mety manana fahendrena sy fahalalana kely ihany izy ka milaza “marina” (Jôba 42:7) momba an’Andriamanitra fa tsy tahaka ireo hafa, saingy mbola kely ihany ny fantany na izany aza. Ny tsy fahampian’ny fahalalany dia miseho amin’ny hakelin’ny fahaizany momba ny zava-miafin’izao tontolo nohariana izao.


Raha toa kely toy izany ny fahalalan’i Jôba momba ny famoronana, hatraiza ny fahafahany mahatakatra ny momba ny Mpamorona? Endrey ny fahasamihafana goavana eo amin’ny Mpamorona sy ny olombelona izay noforoniny. Asehon’Andriamanitra ny maha-samy hafa Azy amin’i Jôba- ny maha-samy hafa Azy amintsika rehetra (ankoatra an’i Jesôsy). Bitika sy tsy misy lanja tokoa isika raha oharina amin’Andriamanitra! Jereo anefa izay nataony hanavotana antsika sy ny nanomezany antsika ny fanantenana amin’ny fiarahana mandrakizay Aminy!


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

NY FAHAFETSEN’NY HENDRY (1 Kôr. 3:19)


Raha amin’ny fomba fijerintsika amin’izao fotoana izao, dia mora ny mandinika ireo fanontaniana marobe napetrak’Andriamanitra tamin’i Jôba sy ny mahatsapa ny hakelin’ny fahatakaran’i Jôba, izay velona tany amin’ny arivo taona taloha tany, ny momba izao tontolo nohariana izao. Tamin’ny taona 1500 TlK mantsy vao azon’ny olombelona fa mihetsika ny masoandro eny amin’ny lanitra satria miodina eo aminy ny tany.


Noho ny siansa môderina, dia manana fahalalana mikasika ny tontolo voajanahary isika, izay tsy nananan’ireo olona tamin’ny andron’ny Baiboly. Na dia eo aza anefa izany fahalalana rehetra noraisintsika izany, dia mbola voafetra isika olombelona amin’ny fahatakarana ny tontolo noforonin’Andriamanitra sy ny fiandohan’izany.


Vakio ireo fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’i Jôba ao amin’ny toko faha-38 sy 39. Manao ahoana ny fahatakaran’ny olona azy ireo bebe kokoa amin’izao fotoana izao?


Marina fa naneho antsika zavatra izay niafina tamin’ny fahatakarantsika taloha ny siansa, saingy mbola marobe ny tsy fantatsika. Amin’ny lafiny maro, dia tsy hoe nanala ny zava-mahatalanjona sy ny zava-miafin’ny famoronana nataon’Andriamanitra ny siansa, fa vao mainka aza nahatonga izany ho mahaliana kokoa. Nampiseho ny siansa fa lalina sy mahatalanjona ny tontolo voajanahary, ary tamin’ny fomba tsy hain’ireo taranaka taloha izany.


‘An’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara’. Tsy mbola nasehon’Andriamanitra na oviana na oviana izay fomba nampiasainy tamin’ny famoronana izao tontolo izao. Tsy hain’ny siansa atao ny hahafantatra ny zava-miafin’ny Avo Indrindra; fa tsy takatry ny saina ny hery entiny mamorona ny fisiany.” – PM, t. 100.


Inona kosa ny fampitandremana tokony horaisintsika avy amin’ireto toko sy andiny manaraka ireto mikasika ny fetra lehiben’ny fahalalan’olombelona? 1 Kôr. 3:19, 1 Kôr. 1:18-27.


Na dia eo aza ireo fahalalan’olombelona nangonina hatrany amin’ny taonjato maromaro taloha tany, dia mbola feno zava-mahatalanjona sy zava-miafina maro ny zava-boary, izay zara raha takatsika. Arakaraka ny hianarantsika momba ny zava-boary no mahatonga azy hahaliana sy feno zava-miafina kokoa ho antsika. Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny tontolo nohariana hampiaiky anao amin’ny herin’ilay Andriamanitsika?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

MIBEBAKA EO AMIN’NY VOVOKA SY LAVENONA (Jôba 40:1-4; Jôba 42:1-6)


Vakio ny Jôba 40:1-4 sy ny Jôba 42:1-6. Inona no nambaran’i Jôba tamin’Andriamanitra rehefa avy nampahafantatra ny Tenany tamin’i Jôba Izy?


Hita tokoa fa nanohina mafy an’i Jôba ny zavatra nasehon’Andriamanitra taminy. Ao amin’ny Jôba 42:3, dia hoy i Jôba hoe: “Hoy ianao: ‘Iza moa izato manamaizina ny fikasako’” (DIEM). Naverin’i Jôba eto ny fanontaniana napetrak’Andriamanitra taminy voalohany indrindra. Fantatr’i Jôba ny valin’izany amin’izao: i Jôba ihany no niteny momba ny zavatra tsy hainy akory.

Mariho ihany koa izay lazain’i Jôba ao amin’ny Jôba 42:5. Nandre ny momba an’Andriamanitra fotsiny ihany izy teo aloha, saingy izao dia mahita an’Andriamanitra izy, ary fantany bebe kokoa ny momba an’Andriamanitra amin’izao. Nahita ny tenany amin’ny tena toetrany koa i Jôba, izany no antony mahatonga azy hahatsapa tena toy izao. “Halany” ny maha-mpanota azy ka mibebaka eo amin’ny vovoka sy ny lavenona izy.


Vakio ny Isa. 6:1-5 sy ny Lio. 5:1-8. Ahoana no mampitovy ny fihetseham-po tsapan’i Jôba sy izay voalazan’ireo toko sy andininy ireo?


Izay hitantsika amin’ireo toe-javatra rehetra ireo dia ohatra amin’ny fahamarinana manan-danja iray ao amin’ny Baiboly. Izy ireo dia mampahafantatra ny maha-mpanota ny olombelona. I Jôba dia “marina sy natahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.” (Jôba 1:1, DIEM). Niasa mafy i Satana nanao izay hampiodinana an’i Jôba hiala amin’Andriamanitra, saingy nitoetra ho mahatoky hatrany i Jôba teo anatrehan’izany. Eto isika dia mahita mpino an’Andriamanitra miorina tokoa no sady mahatoky (i Jôba).

Na izany aza anefa, dia inona no azo lazaina? Tahaka an’i Isaia sy i Petera, dia ampahany kely amin’ny fahamasinana sy ny herin’Andriamanitra dia ampy hahatonga an’i Jôba hahatsiaro ho meloka, nahatsapany ny maha-mpanota azy sy ny fahakelezany. Eo anatrehan’Andriamanitra, dia zava-boary lavo sy simban’ny fahotana isika. Ny toetsika ihany dia efa mampisy fifanandrinana eo amin’Andriamanitra sy isika, izany no antony mahatonga ny hoe tsy misy mahavotra ny tenany. Tsy misy olona mahavita asa tsara izay haha-mendrika azy eo anatrehan’Andriamanitra. Izany no antony ilantsika rehetra ny fahasoavana, na dia izay “tsara indrindra” amintsika aza, ireo tahaka an’i Jôba izay marina sy tsy nisy tsiny no sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy. Mila Mpamonjy isika, mila Olona afaka hanao ho antsika izay tsy azontsika atao ho an’ny tenantsika mihitsy. Soa ihany fa manana izany rehetra izany isika, ary mihoatra izany aza, ao amin’i Jesôsy.


Alaivo sary an-tsaina ny tenanao amin’izao fotoana izao, mijoro manoloana an’Andriamanitra. Ahoana no heverinao ho fihetsikao na fahatsapanao manoloana ny fanatrehany?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Neken’Andriamanitra hiposaka eo amin’ny olona ny taratry ny fahazavana mba hanazavana ny fahalalany sy ny fahaizany. Kanefa, rehefa sahy hanongontsongona ny zava-miafina izay an’Andriamanitra ireo olona be fahalalana, dia amin’izay indrindra no haha-latsaka azy ao amin’ny fahadisoan-kevitra. Mety tsy hahadiso ny mieritreritra sy misaintsaina ny amin’ireo zavatra tsy nambara antsika ao amin’ny tenin’Andriamanitra, kanefa, aoka ny hevitra azontsika avy amin’izany mba tsy hifanipaka amin’izay voalazan’ny Soratra Masina. Izay rehetra mandao ny Soratra Masina, ka manazava araka ny siansa fotsiny ny momba ny famoronana, dia mirenireny toy ny sambo tsy manana na famantarana avaratra, na sarintany hitari-dalana azy, eny ambony ranomasina mangeniheny mbola tsy nalehany. Ny olona tsy manaiky hotarihin’ny Baiboly eo amin’ny fiezahany hampirindra izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra sy izay voalazan’ny siansa, na dia hoe olo-mahay aza izy, dia ho voan’ny haitraitrany. Ambony loatra eo anatrehany ny Mpamorona sy ny famoronana, ka sady hanary izay voatantaran’ny Soratra Masina izy no tsy hahatakatra koa ny lalàna eo amin’ny zavaboary. Izay rehetra misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ary milaza ny tenany fa mahalala ny lalàn’ny zavaboary, ka manambara fa angano ihany ireo tantara voalazan’ny Baiboly, dia hihadiso hevitra: hanjary hisalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra izy, ary noho ny tsy fananany vatofantsika sy fitarihan-dalana, dia ho vaky eo amin’ny haram-baton’ny tsy finoana ny sambony.” – PM, tt. 94,95.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

1.Jereo ny fanambaràn’i Ellen G. White eo amin’ny lesona Zoma. Inona no porofo hitantsika fa mitranga tokoa ankehitriny ny zavatra nampitandremany, indrindra eo amin’ny lafin’ny siansa? Inona ireo zavatra sasany ampianarin’ny siansa izay mifanohitra tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra?

 

2. Nilaza ity teny manaraka ity i Alfred North Whitehead, matematisianina sy mpanoratra fanta-daza velona tany ho any amin’ny taona 1800: “Tovolahy iray tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge aho, fito amby dimampolo taona lasa izay. Nampianarin’ny olona mamiratra momba ny siansa sy matematika aho, ary tena haiko tokoa izany. Hatramin’ny niovan’ny taonjato [voalohandohan’ny taona 1900] aho dia niaina tao anatin’ny fahitana fa nailika satria diso ny tsirairay avy amin’ireo petra-kevitra fototra nampianarina ahy. (...) Kanefa, eo anatrehan’izany, dia manambara ireo nahita ireo petra-kevitra vaovao amin’ny siansa ireo hoe: ‘Manana ny marina isika ankehitriny, nony farany.’” – Narafitra avy tamin’ny A. N. Whitehead, Dialogues of Alfred North Whitehead. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny ilàntsika fitandremana fatratra rehefa hanaiky izay ampianarin’ireo “olona ngezalahy” ireo isika? (Mitombina mihitsy io fitandremana io rehefa manohitra ny Tenin’Andriamanitra ny fampianaran’izy ireo.)

 

3. Inona ireo zava-mahagaga sasany amin’ny Famoronana nasehon’ny siansa môderina antsika, izay tsy ho takatry ny olona tamin’ny andron’i Jôba (na roanjato taona lasa fotsiny aza)? Ahoana no anehoan’ireo zavatra ireo amintsika misimisy kokoa hatrany ny hery mamorona mahatalanjona ananan’ny Tompontsika?

 Pejy ambony