LESONA 1

31 DESAMBRA 2016 - 06 JANOARY 2017

NY FANAHY MASINA SY NY BAIBOLY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 1:19-21; 1 Kôr. 2:9-13; Sal. 119:160; Jao. 17:17.

Tsianjery: “Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin' Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.” – 2 Tim. 3:16,17.


Izao no ambaran’ny Baiboly mikasika ny tenany: “Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin' Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.” – 2 Tim. 3:16,17. Afaka manao izany zava-mahatalanjona rehetra izany ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra izany. Nampahafantarin’Andriamanitra ny olombelona ny Teniny amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mampiseho ny planin’ny fanavotana amintsika ao amin’ny Baiboly. Izy ihany koa no maneho amintsika hoe toy ny ahoana ny fiainana mahafaly an’Andriamanitra.


Nanampy tamin’ny famoronana ny Baiboly ny Fanahy Masina. Marina fa tamin’ny fotoana efa lasa tany no nisehoan’izany asa lehibe izany, saingy mbola mifandray amin’ny Baiboly hatrany ny Fanahy Masina amin’izao andro izao ary amin’ny fomba samihafa izay manan-danja tokoa. Manampy antsika hahatakatra izay zavatra vakintsika ao amin’ny Baiboly ny Fanahy Masina. Raha ny marina, ny fanampiana antsika hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra no iray amin’ireo asany lehibe indrindra. Azo lazaina aza fa izany no asany manan-danja indrindra amin’izao fotoana izao, satria tena ilaintsika tokoa ny Fanahy Masina rehefa mamaky ny Baiboly isika. Mampifoha ao anatintsika ny faniriana handray ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahy Masina, manampy antsika amin’ny fampiharana ny fampianaran’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika koa. Miara-miasa amin’ny Baiboly ary amin’ny alalan’izany ny Fanahy Masina. Manampy antsika hiova ho olom-baovao ao amin’i Kristy Izy.


Amin’ity herinandro ity isika dia hianatra ny fifandraisan’ny Baiboly amin’ny fiasan’ny Fanahy Masina.


 


 Pejy ambony

ALAHADY


NY FANAHY MASINA SY NY FANAMBARANA (2 Pet. 1:19-21)

Ahoana no hahazoan’Andriamanitra antoka fa mandray sy mahatakatra ny drafiny ho an’ny fiainan’izy ireo ny olombelona efa lavo? Manampy azy ireo hahatakatra ny planiny Izy amin’ny alalan’ny fanambarana sy ny tsindrimandry.

Toy izao no fiasan’ny fanambarana eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Amin’ny fanambarana dia misy olona ivelan’ny tenantsika mampahafantatra antsika ny fahamarinana. Tsy iza izany fa Andriamanitra. Amin’izany fomba izany no ampahafantaran’Andriamanitra antsika izay tsy fantatsika amin’ny herin’ny tenantsika irery. Izany dia satria namorona antsika Andriamanitra, saingy lavo isika. Araka izany, mila ny Fanahy Masina isika hampianatra antsika ireny fahamarinana ireny. (ohatra, vakio ny Dan. 2:19-23).
Amin’ny alalan’ny fanambarana no ampahafantaran’ Andriamanitra ny Tenany sy ny drafiny amin’ny olombelona. Ny fanambarana dia midika hoe: “fanalana ny voaly” na “ala sarona”. Izany dia fampahafantarana ny zavatra iray izay hovoafina raha tsy aseho. Rehefa mieritreritra momba ny fanambarana isika, dia tokony hahatsiaro fa efa lavo. Mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ny fahotantsika, koa dia voafetra tokoa ny zavatra azontsika ianarana irery. Miankina amin’Andriamanitra isika mba hahafantarantsika ny drafiny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy Andriamanitra isika, ary voafetra ihany ny fahafantarantsika Azy. Araka izany dia miankin-doha amin’ny fanambarana avy Aminy isika.
Vakio ny 2 Pet. 1:19-21. Araka ireo toko sy andininy ireo, avy aiza ny faminaniana ara-Baiboly? Avy amin’Andriamanitra ny hafatra, inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny fahefana ananan’ny Baiboly?

Araka ny nambaran’i Petera, dia tsy avy tamin’olombelona ireo faminaniana ao amin’ny TT. Nohetsehin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany ka naharay hafatra avy tamin’Andriamanitra. Tsy niainga avy tamin’ireo lehilahy ireo tsy akory izany hafatra izany, fa mpihazona fotsiny ihany izy ireo. Nambaran’i Petera mazava tsara fa ny Fanahy Masina no nampahafantatra ny faminaniana tamin’ny olona. Marina fa ny olombelona no nandraikitra an-tsoratra ny faminaniana, saingy “tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra” (2 Pet. 1:21). Andriamanitra no loharanon’ny lanitra izay manome ny Baiboly ny fahefana fara tampony eo amin’ny fiainantsika.

Nampiasa olombelona Andriamanitra hizara ny Teniny amin’izao tontolo izao. Ahoana no fomba ahafahantsika mamela ny Fanahy Masina hampiasa antsika amin’ny fizaràna amin’ny hafa izay zavatra voasoratra ao amin’ny Baiboly?



 Pejy ambony

ALATSINAINY


NY FANAHY MASINA SY NY TSINDRIMANDRY (2 Pet. 1:21)

Ny tsindrimandry no teny ampiasaina hilazana ny fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny olombelona mba hanomezana ny hafany ho an’izao tontolo izao. Ny asan’ny Fanahy Masina no antony mahatonga antsika miray hevitra mikasika ny fahamarinana rehetra ao amin’ny Baiboly. Ny Fanahy Masina no Fanahin’ny Fahamarinana (Jao. 14:17; Jao. 15:26; Jao. 16:13). Koa Izy no hitarika antsika ho amin’ny fahamarinana rehetra.

Vakio ny 2 Pet. 1:21; Deô. 18:18; Mika. 3:8; ary ny 1 Kôr. 2:9-13. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika mikasika ny fandraisan’ny mpanoratra ny Baiboly anjara tamin’ny fanamboarana ny Baiboly? Inona koa no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika momba ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra tamin’ny fanamboarana ny Baiboly?

Ny hoe “entin’ny Fanahy Masina” (2 Pet. 1:21) dia mampiseho ny maha-zava-dehibe ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny tsindrimandry. Ao amin’ny 1 Kôr. 2:9-13, ny apôstôly Paoly dia mampianatra fa ny Fanahy Masina no mitari-dalana ny asan’ny fanambarana sy ny tsindrimandry. I Paoly dia milaza amintsika fa mampahafantatra ny zava-miafina izay “tsy mbola hitan’ny maso” Andriamanitra. Ambarany ao amin’ny and. 9 izany zava-miafina izany. Milaza koa izy fa ampahafantarin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy izany (1 Kôr. 2:10). Ny apôstôly dia nandray “ny fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy” (1 Kôr. 2:12, DIEM). Ao amin’ny and. 13 indray, dia manomboka miresaka momba ny tsindrimandry i Paoly. Milaza izy fa izy sy ny apôstôly hafa dia miteny “tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy izahay”. Izany dia mampiseho fa tsy nampisalasala an’i Paoly ny fiavian’ny hafatra notoriny. Nino izy fa nomen’Andriamanitra fahefana izany hafatra izany.

Marina tokoa fa ny ampahany maro amin’ny Baiboly dia vokatry ny fanambarana mivantana avy tamin’Andriamanitra, saingy tsy ny rehetra tsy akory no nampahafantarina tamin’izany fomba izany. Misy fotoana, ao amin’ny Baiboly, ampiasan’Andriamanitra ireo soratra avy amin’ireo tahirin-kevitra hafa (Jos. 10:13; Lio. 1:1-3) mba hanehoana sy hampitana ny hafany. Araka izany, ny ampahany rehetra ao amin’ny Baiboly dia nofidin’Andriamanitra tamim-pitandremanana fatratra, ary ampahafantarina antsika. Nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy ireny (2 Tim. 3:16). Koa satria avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly, dia hoy i Paoly hoe: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika, hananantsika ny fanantenana ny amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” – Rôm. 15:4. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ilay Andriamanitsika no namorona ny fitenin’ny olombelona. Nifidy olona Izy hampita amin’ny fitenin’olombelona ny hevitra avy amin’ny tsindrimandry. Afaka matoky isika fa avy Aminy ireny hevitra ireny.

“Nifidy ny hampita ny fahamarinany amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny olombelona Andriamanitra. Avy amin’ny Fanahiny Masina no anomezany fahaiza-manao sy hery ny olombelona mba hanaovana ny asany. Izy no mitarika ny saina amin’ny fifidianana izay teny hotenenina sy izay hosoratana. Nomena hampitain’olombelona ireny hafatra ireny, saingy avy any an-danitra ny fiaviany.” –SLM, b. 1, t. 26.



 Pejy ambony

TALATA


MANOME TOKY NY FANAHY MASINA FA AZO ITOKIANA SADY MARINA NY BAIBOLY (Sal. 119:160)     

Ny fanambarana no fomba ampiasain’Andriamanitra hampahafantarana ny fahamarinana amin’ny olombelona voafidy. Ny tsindrimandry dia ny asa ataon’ny Fanahy Masina amin’ny fitehirizana ny fahamarinan’Andriamanitra izay raiketin’ny olombelona an-tsoratra. Manampy amin’ny fitehirizana ny tenin’ny mpanoratra ho madio ny Fanahy Masina mba hahatonga izany teny izany heken’Andriamanitra tanteraka. Halan’Andriamanitra ny vavolombelona mandainga (Eks. 20:16). Raha ny marina aza, dia tsy mahay mandainga Andriamanitra (Heb. 6:18). Andriamanitry ny fahamarinana no iantsoana Azy (Sal. 31:5; Isa. 65:16). Tahaka izany koa, ny Fanahy Masina dia antsoina hoe “Fanahin’ny fahamarinana” (Jao. 14:17).

Vakio ny Sal. 119:160. Inona no ampianarin’io toko sy andininy io antsika momba izay zavatra ampahafantarin’ Andriamanitra antsika?
    
Vakio ny Jao. 17:17. Inona no ambaran’i Jesôsy amintsika eto momba ny Tenin’Andriamanitra?

Azo itokiana ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hekena amin’ny fahafenoany izany. Tsy anjara asantsika mihitsy ny mipetraka hitsara ny Baiboly, saingy manana zo sy fahefana hitsara antsika kosa ny Baiboly. “Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.” – Heb. 4:12.

Mazava loatra fa nosoratan’ireo olona niaina tamin’ny vanim-potoana sy kolontsaina samy hafa amin’ny antsika ny Baiboly, saingy tsy tokony entintsika hanamaivana na tsy hisainana ny hafatry ny Baiboly ho antsika izany. Andeha atao hoe mivoha ny varavarana ho amin’ny fanamaivanana sy tsy fisainana ny Baiboly, dia izao no hitranga: hapetraky ny olombelona ambonin’ny fahefana sy ny fahendren’ny Baiboly ny fahendreny sy ny fahefany. Izy ireo no hanapa-kevitra ny amin’izay marina. Ny vokatr’izany dia ny fialan’ny olona amin’ny fahamarinana nefa milaza ho mino ny Baiboly izy! Ialany ny fahamarinana sasany toy ny enina andro famoronana, ny safo-drano nanerana ny tany, ny niterahan’ny virijina, ny nitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty tao anatin’ny vatana, ary ny fiavian’i Jesôsy fanindroany. Ireo no sasany amin’ireo fahamarinana ara-Baiboly izay niodinan’ny olona marobe. Tsy mino ireo fahamarinana izy ireo, fa mitsara ny Baiboly kosa. Lalana tsy tokony arahin’iza na iza amintsika anefa izany.

Ahoana no maha-zava-dehibe ny fampileferana ny fitsarantsika ho eo ambanin’ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ny mifanohitra amin’izay?



 Pejy ambony

ALAROBIA


NY FANAHY MASINA MPAMPIANATRA (1 Kôr. 2:13,14)

Manana ampahany manan-danja amin’ny fanomezana antsika ny Baiboly ny Fanahy Masina, ary manampy antsika hahatakatra izany araka ny tokony ho izy koa. Tsy ho takatsika irery ny fahamarinana. Manamaizina ny fisainan’ny olombelona ny fahotana, tafasaraka amin’Andriamanitra mantsy isika (Efes. 4:18). Araka izany dia mila ny Fanahy isika hanampy antsika hahazo tsara ny Baiboly. Iray ihany ny Fanahy manampy antsika hahatakatra ny Baiboly sy Izay mampahafantatra antsika izany ary ny nampanoratra izany Tenin’Andriamanitra izany. Ny olana dia tsy hoe saro-takarina ny Baiboly, fa ny fomba fisainantsika momba an’Andriamanitra no manasarotra ny fahatakarana izany. Mampahafantatra ny Tenany amintsika ao amin’ny Baiboly Andriamanitra, saingy simba sy ravan’ny fahotana loatra ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika ka tsy haintsika ny mahita ny fahatsarany.
Ny Fanahy Masina no Mpampianatra. Maniry ny hitarika antsika ho amin’ny fahatakarana lalindalina kokoa ny Baiboly Izy. Iriny ny hahatsapantsika fifaliana eo amin’ny fitiavana ny Baiboly. Izy no mampita ny fahamarinan’ny Baiboly ho ao an-tsaintsika sy manome antsika fahatakarana vaovao ireny fahamarinana ireny. Izany fahatakarana izany no manampy antsika hanana fiainam-pahatokiana sy fankatoavana feno fitiavana ny drafitr’Andriamanitra. Ny fianarana ny Baiboly amin’ny fo feno fanetren-tena sy mora ampianarina ihany anefa no ahafahana miaina izany fiainana feno fahatokiana sy fankatoavana izany.
    
Vakio ny 1 Kôr. 2:13,14. Inona no ambaran’i Paoly ao amin’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny ilàna ny fahatakarana ireo zava-panahy amin’ny fomba ara-panahy?

Tsy maintsy miankina amin’ny Fanahy Masina isika mba hahatakarantsika ny Baiboly. Raha tsy eo ny Fanahy Masina, dia tsy ho takatra mihitsy ny lanja ara-panahy ananan’ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly. Ho fanampin’izany, amin’ny maha-olombelona mpanota antsika dia matetika isika no mifanohitra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra isika matetika, tsy hoe satria tsy azontsika izany, fa tsy te hanaraka izay ambarany isika. Raha tsy eo ny Fanahy Masina, dia tsy misy ny fitiavana ny hafatra avy amin’Andriamanitra; tsy misy ny fanantenana, ny fitokiana ary ny valinteny feno fitiavana avy amintsika. Mifanaraka tsara amin’ny fahamarinana efa aseho ao amin’ny Baiboly izay zavatra ampahafantarin’ny Fanahy.

“Marobe ireo hevitra mikasika ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Tsy avy amin’ny hevitra manjavozavo ao amin’io boky io tsy akory izany fahasamihafana izany, fa vokatry ny fahajambana sy ny hevitra mibahana mialoha ao amin’ireo manazava ny hevitr’izany. Tsy fantatry ny olombelona ny fahamarinana mazavan’ny Baiboly ka ny fihevitra diso ao aminy no arahiny.” – The Advent Review and Sabbath Herald, 27 Janoary, 1885. Tamin’ny fomba ahoana no nihazonan’ny avonavonao anao tsy hiaina ny fahamarinan’ny Baiboly eo amin’ny fiainanao? Eo amin’ny lafiny inona amin’ny fiainanao no hihazonan’ny fanirianao manokana anao tsy hanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra? Ahoana no hianaranao hametraka ny zava-drehetra eo amin’Andriamanitra?



 Pejy ambony

ALAKAMISY


NY FANAHY MASINA SY NY BAIBOLY (Jao. 5:39,46,47)
    
Ny Fanahy Masina no nampahafantatra sy nampita tamin’ny olombelona ny hevitra voalaza ao amin’ny Baiboly. Tsy hitarika antsika hanohitra izany mihitsy Izy, na koa hanalavitra izany, na amin’ny fomba ahoana na ahoana.  
Vakio ny Jao. 5:39,46,47 sy ny Jao. 7:38. Inona ny fahefana ambaran’i Jesôsy ao amin’ireo toko sy andininy ireo? Ahoana no anaporofoan’ny Baiboly fa i Jesôsy no Mesia?

Ny olona sasany dia milaza ho naharay “fanambarana” manokana sy torolalana avy amin’ny Fanahy Masina. Matetika nefa ireny hafatra sy fampianarana ireny no mifanohitra amin’ny hafatra mazava ambaran’ny Baiboly. Ho an’ireny olona ireny, ny Fanahy Masina dia fahefana ambony kokoa noho ny Tenin’Andriamanitra. Inona anefa no mitranga rehefa tsy manome lanja ny Baiboly sy tsy manaraka ny hafatra mazava ambarany isika? Ny valiny dia hoe: mandeha amin’ny toerana mampidi-doza isika, ary tsy hanaraka ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny Baiboly irery ihany no aro ho an’ny fanahintsika. Io irery ihany no fenitra ho an’izay rehetra mahakasika ny finoana sy ny fomba fiaina.

“Miteny amin’ny saina ka mandatsaka lalina ny fahamarinana ao am-po ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Amin’izany dia mampiharihary ny hevi-diso Izy, ka mandroaka izany tsy ho ao amin’ny fanahy. Amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana, izay miasa amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra, no ampileferan’i Kristy ny vahoaka nofidiny ho amin’ny tenany.” – IFM, t. 724.
Nambaran’i Ellen G. White mazava tsara fa “tsy nomena ny Fanahy Masina – na nozaraina, na oviana na oviana mba hisolo toerana ny Baiboly; satria milaza mazava ny Soratra Masina fa ny tenin’Andriamanitra no faneva tsy maintsy hisedrana ny fampianarana sy ny fanandramana rehetra.” – HM, t. 12.

Araka izay hitantsika, dia tsy natao hisolo ny toeran’ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahy Masina, fa miasa amim-pirindrana amin’ny Baiboly kosa ary amin’ny alalan’ny Baiboly, mba hampanatonana antsika amin’i Kristy. Izany dia mampiseho amintsika fa ny Baiboly irery ihany no fenitra tokana ananantsika ho an’ny fahamarinana ara-panahy. Andeha atao hoe manao fanambarana manohitra ny Tenin’Andriamanitra ny olona anankiray. Azontsika antoka fa tsy milaza ny fahamarinana izany olona izany. Tsy afaka mitsara ny fo sy ny antony anaovany izany isika, saingy azontsika atao ny mitsara ny fampianarany; ary ny fenitra tokana ahafahantsika mitsara izany dia ny Tenin’Andriamanitra.

Inona avy ny sasany amin’ireo fampianarana ezahin’ny olona voizina any amin’ny fiangonana izay hita mazava fa tsy araka ny Tenin’Andriamanitra? Inona no tokony ho valintenintsika amin’ny (1) olona izay mivoy izany fahadisoana izany, sy (2) amin’izany fahadisoana izany koa?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: vakio ny “Fiarovana azo antoka”, tt. 619-628, HM. Vakio koa ny “Aza malahelo ny fonareo”, tt. 715-736, IFM.

Eritrereto ny fahamarinana rehetra fantatsika noho ny fanehoana izany tamintsika ao anatin’ny Baiboly irery ihany. Eritrereto ohatra ny amin’ny Famoronana. Misy fahasamihafana lehibe eo amin’izay ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra antsika momba ny namoronana antsika sy izay ampianarin’ny fahalalan’olombelona mikasika izany. Ny fahalalan’olombelona dia mampianatra fa noforonina tamin’ny alalan’ny fivoarana miandalana isika (foto-kevitra novoizin’i Darwin). Jereo ny fahadisoan-kevitra lehiben’ny olombelona! Eritrereto koa ny fiavian’i Jesôsy fanindroany sy ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny fara andro. Ireny rehetra ireny dia fahamarinana izay tsy azontsika nianarana irery; nilaintsika ny fampahafantarana ireny, ary ao amin’ny Baiboly no ampahafantarana izany. Tokony hotadidintsika fa tsindrimandry avy tamin’ny Fanahy Masina ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahamarinana lehibe indrindra amin’ny rehetra dia ny nahafatesan’i Kristy noho ny otantsika sy ny fanavotana antsika amin’ny alalan’ny finoana Azy sy ny asa ataony ho antsika. Tsy ho takatsika irery izany fahamarinana izany, fa fantatsika izany satria naseho antsika. Eritrereto ireo fahamarinana hafa izay fantatsika satria nolazaina tamintsika tamin’ny alalan’ny Baiboly. Ny zava-dehibe dia izao: ny fahamarinana manan-danja toy izany dia tsy hita raha tsy ao amin’ny Baiboly. Inona no ambaran’izany amintsika momba ny ilàna ny fanaovana ny Tenin’Andriamanitra ho ivon’ny fiainantsika?

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.Andeha hatao hoe miresaka momba ny zavatra ara-panahy isika. Ahoana no maha-azo antoka kokoa ny fitokiana amin’ny Baiboly amin’ny fitarihana antsika noho ny fitokiana amin’ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika? Inona no mitranga rehefa tsy manaiky ny Baiboly ho fanevan’ny fahamarinana isika? Nahoana isika no tsy maintsy mizaha taratra ny fampianarana rehetra sy ny fanandramantsika ara-panahy koa aza amin’ny Baiboly?

2.Matetika ny teny hoe “fahamarinana” no ampiasaina amin’ny fomba maro samihafa. Resaho ao amin’ny kilasy ny hevitry ny hoe “fahamarinana”. Resaho ny tiana hambara rehefa milaza isika fa marina ny zavatra iray, ary koa rehefa tsy marina ny zavatra iray. Midika inona ny hoe “marina” ny zavatra iray?

3.Inona no tokony hataon’ny fiangonanao sy holazainy raha toa misy olona manambara fa manana “fahamarinana vaovao”?

4.Resaho bebe kokoa ny fahasamihafana lehibe eo amin’izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ny namoronana antsika sy ny fampianaran’ny olombelona mikasika izany. Ny fahalalan’ olombelona dia mampianatra ny fivoarana miandalana ho fahamarinana. Izany foto-pampianarana izany anefa dia mifanohitra tanteraka amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly amin’ny lafiny rehetra. Inona no tokony hotsoahintsika avy amin’izany fahasamihafana izany mikasika ny tokony hitokiantsika amin’ny Baiboly ambonin’ny loharanom-pahalalana rehetra?

 Pejy ambony