LESONA 12

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 2:1-7; Hôs. 2:13; Apôk. 2:8-17; Apôk. 2:18-Apôk. 3:6; Isa. 60:14; Apôk. 3:14-22.

Tsianjery: “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.” - Apôk. 3:20.

 

I Jaona no maty farany tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folo. Nanoratra ny Filazantsara sy epistily izay mitondra ny anarany izy. Nanoratra ny bokin’ny Apôkalipsy ihany koa izy, izay manampy antsika betsaka tokoa amin’ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe eo amin’i Jesôsy sy i Satana. Na izany aza dia ny filazalazan’i Jaona momba ireo fiangonana fito aloha no andeha ifantohantsika. Hojerentsika amin’ny fomba fijerin’izay nandray azy tamin’ny voalohany izany mba hahazoantsika tsara izay tian’ny teny ambara.

     Ny zavatra tena miavaka dia ny fanatonan’i Jesôsy ny fiangonana tsirairay amin’ny fomba manokana. Tsy mitovy ny filan’ireo fiangonana ireo, saingy omeny azy ireo avokoa izany.

     Ny fihaikana dia ny ady ataon’ireo fiangonana ireo amin’ny tenany, tahaka antsika amin’izao fotoana izao ihany. Hita miharihary eo amin’ny laharan’i Jesôsy sy ny fiantsoany azy ho vavolombelona eo anatrehan’izao tontolo izao izay eo am-pialana aina ve ny mambran’ireo fiangonana ireo? Sa miroaroa saina ka manao ezaka mba hisehoana ho Kristianina saingy mahazo aina kokoa miaraka amin’ny herin’ny maizina, rehefa tsy eo anatrehan’ny hafa? Na dia inoantsika aza fa isika no fiangonana farany, dia mazava fa miatrika ny sasany amin’ireo fihaikana natrehan’ireo fiangonana tsirairay teo amin’ny tantara ireo isika.

 

ALAHADY

NY FIANGONANA TANY EFESOSY (Apôk. 2:1-7)

     Ny sary maneho an’i Jesôsy ao amin’ny Apôk. 2:1 dia mitazona ny kintana fito eny an-tanany sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito, ary miteny amin’ny fiangonana tany Efesôsy. Milaza hevitra manan-danja tokoa ireo tandindona ireo: ny fiangonana no asehon’ny fanaovan-jiro, ny kintana fito kosa maneho ireo anjely notendrena hikarakara ireo fiangonana ireo (Apôk. 1:20). Raha atao amin’ny teny hafa dia misy fifandraisana ety eo amin’ny fiangonana sy ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra. Manana anjara asa lehibe eo amin’ny ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy ny fiangonana.

 

    Vakio ny Apôk. 2:1-7. Ahoana no ahitantsika ny fitohizan’ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’ireo andininy ireo?

 

      Natomboka tamin’ny filazalazana momba ny toetran’ny fiagonana ny hafatra ho an’i Efesôsy. Fantatr’i Jesôsy tsara ny hery sy ny fahalemen’izy ireo. Midera azy Izy noho ny asany sy ny faharetany amin’ny fahatokiana ary ny tsy fahazakany ny mpampianatra sandoka (Apôk. 2:2,3,6). Mazava ny hafatra, izay mampitandrina ny amin’ny tsy tokony hanekena ny fampianaran-diso ao amin’ny fiangonana. Hita tokoa fa nofidin’Andriamanitra ny fiangonana tany Efesôsy hiady amin’ny fahamaizinana, saingy niharan’ny valim-panafihana avy tamin’i Satana izy ireo. Niseho tamin’ny endrika Apôstôly sandoka izany fanafihana izany, dia ireo Nikôlaita. Azo heverina ho iray tamin’ireo diakona fito tany am-piandohan’ny fiangonana i Nikôleo (Asa. 6:5), saingy mazava eto fa namorona fihetsehana nisintaka izy. Na toy ny ahoana anefa ny fisehon’ny fampianaran-diso dia halan’i Jesôsy izany (Apôk. 2:6).

      Ny olana tamin’ny fiangonana Efesianina dia ny nialany tamin’ny “fitiavany voalohany” (Apôk. 2:4). Izany ihany koa ny fiteny nampiasain’ny mpaminanin’ny TT rehefa nanao fampitahana ny fihemoran’ny Isiraely tamin’ny olona iray izay nanaraka sakaiza tsy azo itokiana sy tsy tokony arahina akory (ohatra amin’izany ny Hôs. 2:13).

    Toa tsy misy fanantenana intsony ny fahitana ny toe-javatra, saingy manam-pahaizana manokana momba ny fanavotana toe-javatra tsy misy fanantenana intsony i Jesôsy. Voalohany dia nampirisika ny olony Izy mba hahatsiaro ny nahalavoany ka hiverina amin’izay asa nataony talohan’izany (Apôk. 2:5). Tsy fiantsoana ny mba hamerenana ny fotoana ho amin’ny “andro tsara fahiny” izany fa fampiasana ny fanandramana tamin’ny lasa ho sori-dalana ho amin’ny hoavy.

   

    “Satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany hianao” (Apôk. 2:4). Nahoana no mora ny manao izany? Inona no mitranga amintsika, na ny tsirairay na ny fiangonana, ka mahatonga ny fitiavantsika an’Andriamanitra hiha-mangatsiaka? Ahoana no ihazonantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra hahery sy ny fahamarinany hirehitra ao am-pontsika mandrakariva?

 

ALATSINAINY

SMYRNA SY PERGAMOSY (Apôk. 2:8-17)

    “Ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray” (Apôk. 2:8, vakio ny Apôk. 1:18)no iantsoana an’i Jesôsy ao amin’ny hafatra ho an’ny fiangonana tany Smyrna. Ho an’ny fiangonana tany Pergamôsy kosa dia i Jesôsy no Ilay nanana sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany (Apôk. 1:16; Apôk. 2:12). Inona ny hevitry ny fomba filazana an’i Jesôsy ho an’ireo fiangonana roa ireo?

 

   Vakio ny Apôk. 2:8-17. Fantatra tamin’ny fikelezana aina nataony ihany koa ireo mambran’ny fiangonana tany Smyrna, saingy tsy dia niharihary loatra izany, angamba vokatry ny fisian’ny “synagogan’i Satana” teo anivon’izy ireo (Apôk. 2:9). Tahaka izany koa, ireo mambran’ny fiangonana tany Pergamôsy dia nihazona mafy ny finoany na dia teo anivony aza ny “seza fiandrianan’i Satana” (Apôk. 2:13). Araka izany dia aseho eto ny zava-misy marina mikasika ny fifanandrinana eo amin’ny tsara sy ny ratsy.

     Nampitandremana mikasika ny fotoan-tsarotra ho avy ny fiangonana tany Smyrna, isan’izany ny tranomaizina, na ny fahafatesana mihitsy aza (Apôk. 2:10). Efa nisy novonoina noho ny finoany mantsy tany Pergamôsy (Apôk. 2:13). Zava-dehibe anefa ny manamarika fa misy fetrany ny fotoan-tsarotra, tsy avela hanao ny asa ratsiny mihoatra ny fotoana efa voafaritra ny devoly (Apôk. 2:10).

     Saingy manan-teny kely ho an’ny fiangonana tany Pergamôsy Andriamanitra (Apôk. 2:14-16). Hita fa manaiky ny olona eo aminy izay mino ny “fampianaran’i Balàma” sy ny “fampianaran’ny Nikôlaita” izy ireo (Apôk. 2:14,15).

     “Ny hoe Nikôleo sy ny Balàma dia manana hevitra itovizana; ny Nikôleo dia fikambanan’ny teny grika (nikaƍ sy laos) izay midika hoe ‘ilay mandresy ny vahoaka’. Ny hoe Balàma kosa dia avy amin’ny teny hebreo anankiroa dia ny hoe  -am (vahoaka)ary ny baal (avy amin’ny hoe bela, ‘mandrava’ na ‘mitelina’), izay midika hoe ‘fandringanana ny vahoaka’” - Ranko Stefanovic, RJC, t. 111. Mampitandrina ny fiangonana iray manontolo i Jesôsy fa raha mitohy ny fampianaran-diso ataon’izy ireo, dia Izy mihitsy no ho avy hamely azy ireo amin’ny sabatry ny vavany (Apôk. 2:16).

     Na dia teo aza anefa ireo fampitandremana ireo, dia manome fampaherezana lehibe ho an’ireo fiangonana roa ireo i Jesôsy (Apôk. 2:11-17).

 

     Vakio ny Apôk. 2:14, 15. Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fampianarana? Nahoana no manan-danja tokoa izany?

 

TALATA

TYATIRA SY SARDISY (Apôk. 2:18 -- 3:6)

   Vakio ny Apôk. 2:18-Apôk. 3:6. Inona no olana mitranga eo amin’ireto fiangonana ireto? Amin’ny fomba ahoana no iadintsika amin’ny toe-javatra toy izany, isika amin’ny maha-fiangonana sy ny tenantsika tsirairay avy? Ahoana no hanehoana ny fifanandrinan-kery lehibe eo amin’ireo ady ireo?

 

     Ny fanolorana an’i Jesôsy amin’ny fiangonana tany Tiatira (Apôk. 2:18) dia miresaka mikasika ny fotoam-pitsapana mampisafotofoto izay miha-sarotra kokoa ho an’ny olon’Andriamanitra. Tsy ao amin’ny Apôk. 1:14, 15 ihany no ahitana ny fanoharana momba ny maso toy ny lelafo sy ny tongotra tahaka ny varahina manganohano, fa ao amin’ny Dan. 10 koa, rehefa nahita Ilay nanana maso tahaka ny “fanilo mirehitra” sy manana tongotra “mivolom-barahina manganohano i Daniela (Dan. 10:6). Nilaza tamin’i Daniela io Olona io fa niady tamin’ny andrianan’i Persia Izy (Dan. 10:13,20). Amin’ny teny hafa dia izao: rehefa misafotofoto ny toe-javatra ho an’ny olon’Andriamanitra, dia Izy mihitsy no miditra an-tsehatra mba handamina izany amin’ny alalan’ny fiarahana mandeha amin’ny fiangonana (Apôk. 1) sy ny fampaherezana ny mpitarika eo amin’ny firenena (Dan. 10).

     Toy izany koa no fanehoana an’i Jesôsy ho an’ny fiangonana tany Sardisy, tahaka Ilay Iray izay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito (Apôk. 3:1; Apôk. 5:6). Mbola hita eto hatrany fa sady misahirana amin’ny fandaminana ny toe-javatra ny Mpamonjy no mampiasa ny herin’ Andriamanitra mba hahatonga ny fiangonany ho lavitry ny loza.

    Miteraka fanahiana ny filazalazana momba ny fiangonana tao Tiatira sy Sardisy. Miha-tsara ny asa any Tiatira (Apôk. 2:19), saingy mitovy tamin’ny Isiraely tamin’ny andron’ny mpanjakavavy Jezebela ny olona. Tahaka izany koa, ny olona tao Sardisy dia maty ara-panahy (Apôk. 3:1).

     Na dia teo aza izany olana rehetra izany dia nampahery ny fiangonana i Jesôsy. Hitany fa maro tao Tiatira no “tsy mba nahalala” ny sain-dalin’i Satana, ary nampahereziny izy ireo hoe: “izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.” (Apôk. 2:24,25). Olona “vitsy” tany Sardisy no “tsy nandoto ny fitafiany” (Apôk. 3:4).

      Ireo olona mahatoky ireo no nampanantenain’i Jesôsy ny fitahiana manokana. Nampanantena Izy fa hanome ho an’ny fiangonan’i Tyatira ny “kintana fitarika andro” (Apôk. 2:28), izay nampahafantariny ary aoriana kely fa Izy ihany (Apôk. 22:16). Ho an’i Sardisy indray dia nampanantena Izy fa azo antoka ny toerana ho azy any an-danitra, ary “hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.” (Apôk. 3:5).

 

    “tano mafy, ka mibebaha”. Inona no anananao ka tokony ho tananao mafy? Inona no tokony hibebahanao?  Ahoana no mampisy fifandraisana lehibe eo amin’ireo hevitra roa ireo?

    

ALAROBIA

NY FIANGONANA TANY FILADELFIA (Apôk. 3:7)

    Vakio ny Apôk. 3:7. Ahoana no fanehoana an’i Jesôsy teo amin’ity fiangonana ity? Inona no ambaran’ireo filazalazana ireo mikasika Azy?

     Noderaina ity fiangonana ity noho ny nihazonany ny tenin’i Kristy sy ny tsy nandavany ny Anarany, na dia kely aza ny heriny (Apôk. 3:8). Manome teny fikasana mahaliana tokoa i Jesôsy fa ho avy hiankohoka eo an-togotry ny fiangonana ao Filadelfia ireo ao amin’ny sinagogan’i Satana (Apôk. 3:9). Tao amin’ny Isa. 60:14 no nakana izany hevitra izany, miresaka momba ireo nampahory ny olon’Andriamanitra izay miankohoka eo anatrehany taorian’ny fampahoriana nataony ny olon’Andriamanitra. Avy amin’izany no hahatakarantsika fa nanao izay hanasarotra ny fiainan’ireo Kristianina voalohany ny mpanara-dia an’i Satana. Araka ny hitantsika teo aloha dia nitolona tamin’ireo mpanao fampianaran-diso sy mpitondra olana ny sasany tamin’ireo fiangonana taloha. Izany no isan’ny fomba iray iadivan’i Satana amin’ny fiangonana, saingy toa i Filadelfia ihany nony farany no nampanalavitra ny ratsy hiala tamin’ny fiangonan’Andriamanitra.

 

   Vakio ny Apôk. 3:10. Ahoana ny fahazoanao ny fahafahan’ny fiangonan’i Filadelfia hijanona ho mahatoky hatrany? Ahoana no nampanantenan’i Jesôsy azy ny amin’ny hamerany ny fahorian’izy ireo? Midika inona amintsika amin’izao fotoana izao izany teny fikasana izany?

 

     Hita mazava fa nandalo tamin’ny fotoan-tsarotra mitovy tamin’ireo fiangonana teo aloha ny fiangonan’i Filadelfia, saingy samy hafa kosa ny fomba niatrehan’izy ireo izany. Ity no fiangonana voalohany tsy mba nilazan’i Jesôsy fa manana fahalemena tokony hialana. Noderain’ny Mpamonjy tokoa ny finoany sy ny fiarahany miasa amin’Andriamanitra, na dia kely aza ny hery nananany (and. 8).

     Anisan’ny teny fikasana omena izay mandresy avy amin’io fiangonana io ny hanaovana azy ho andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitra (Apôk. 3:12). Ekena tanteraka ho an’Andriamanitra izy ireo, miaraka amin’ny anarana vaovao omena azy, azo heverina ho noho ny fahatokiany sy ny fanarahany an’Andriamanitra hatrany tamin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainany hatrizay.

   

    Raha lasa tampoka any an-danitra ianao amin’izao fotoana izao, manao ahoana ny fahamendrehanao raha mitaha amin’ny lanitra?

 

ALAKAMISY

NY FIANGONANA TANY LAODIKIA (Apôk. 3:14-22)

     Mahazo filazalazana momba an’i Jesôsy ihany koa i Laodikia: “ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina” ary “Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao” – Apôk. 3:14. Ireo filazana ireo dia lafiny manan-danja tokoa amin’ny maha-Andriamanitra an’i Kristy. Avy ao amin’ny Isa. 65:16 ilay “Amena”, izay midika hoe “Andriamanitry ny fahamarinana”, misy ifandraisany amin’ny teny fikasana ihany koa izany. I Jesôsy no Ilay Andriamanitra mpitana teny fikasana lehibe, Ilay Andriamanitra izay mitana ny teny fikasany ho amin’ny famonjena sy fanavaozana. I Jesôsy ihany koa Ilay Vavolombelona marina izay mijoro ho vavolombelona eo amin’ny olony maneho ny tena toetran’Andriamanitra (Apôk. 1:5; Apôk. 22:16; Jao. 1:18; Jao. 14:8-10). Izy ihany koa no Mpamorona (Kôl. 1:16,17).

   

    Vakio ny Apôk. 3:14-22. Inona no asain’i Jesôsy ataon’ity fiangonana ity? Inona no hevitr’ireo teny ireo ho antsika amin’izao fotoana izao?

 

     Rehefa avy nilaza ny momba an’i Jesôsy ireo andininy ireo dia ilaina koa ny fanehoana mazava ny momba ny fiangonana. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny fahalalana an’ Andriamanitra ihany no ahafahantsika mahafantatra tsara ny tenantsika. Namitaka ny tenany ny olona tao amin’ity fiangonana ity, ka ny mifanohitra amin’ny maha-izy azy mihitsy aza no noheveriny ho toetrany (Apôk. 3:17). Nangataka azy ireo hanao ny dingana ilaina ho amin’ny fahitana mazava ny toe-javatra araka ny fisehony i Jesôsy, sy ny mba hiovany araka ny fiovana ilainy (Apôk. 3:18).

      Raha tsy manaraka ny lalàn’Andriamanitra izy ireo dia hiharan’ny fitsarany- izay mizara roa. Voalohany dia ilaina ho amin’ny fifehazana izay toa efa fanao tamin’ny andro taloha izany (Apôk. 3:19). Ankoatra izay dia mety haloan’ny vavan’Andriamanitra mihitsy izy ireo, tahaka ny rano maloto (Apôk. 3:16).

     Ny teny fikasana lehibe indrindra no omena ity fiangonana efa mby esorina ho lavitry ny fanatrehan’Andriamanitra ity. Te hiara-misakafo aminy i Jesôsy (Apôk. 3:20) – fiarahana izay natokana ho an’ny namana akaiky ihany izany. Nanome teny fikasana azy ireo koa Izy ny amin’ny hahafahan’izy mipetraka miaraka Aminy eo ambonin’ny seza fiandrianany (Apôk. 3:21).

    Mahaliana ny mianatra momba ireo fiangonana fito sy ny fahitana fa miha-mangatsiaka ny olon’Andriamanitra ka miha-manalavitra Azy. Ahoana no itrangan’izany? Hita tokoa fa na dia vitan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana aza ny famonjena antsika, dia mbola misy olona sasany manohy miara-dia amim-piziriziriana amin’ny devoly sy ny herin’ny maizina ihany. Tsy isalasalana fa raha mijery ny tantaran’ireo fiangonana ireo isika dia mahita fa miseho miharihary ny fifanandrinan-kery lehibe, ary mbola hitohy izany mandrapaha tonga ny fiavian’i Jesôsy fanindroany.

 

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Miresaka momba ny maha-Andriamanitra an’i Kristy ny lesona fizaràna Alakamisy. Nahoana no tena zava-dehibe tokoa izany? Hoy i Ellen G. White hoe: “Masina tahaka an’Andriamanitra ihany ny didiny. Araka izany dia izay mitovy amin’Andriamanitra ihany no afaka mandoa ny saran’ny fandikana izany lalàna izany. Tsy misy afa-tsy i Kristy no afaka manafaka ny olombelona amin’ny ozon’ny lalàna. I Kristy irery ihany no afaka mamerina azy indray hiray amin’ny lanitra. Noraisin’i Kristy ho eo Aminy ny heloka sy ny henatra vokatry ny fahotana. Ratsy loatra ny fahotana ho an’Ilay Andriamanitra masina ka tsy maintsy nanasaraka ny Ray tamin’ny Zanany izany. Tonga tamin’ny fahoriana lalina indrindra i Kristy mba hanavotana ny olombelona izay very.” - GAG, t. 42. Tsotra izany, masina toa an’Andriamanira ihany ny lalàna. Araka izany dia Olona masina tahaka an’Andriamanitra ihany no afaka manefa ny vidin’ny fandikan-dalàna. Tsy misy ota ny anjely, saingy tsy mitovy amin’ny an’Ilay Mpamorona azy ny fahamasinany. Ahoana tokoa moa no ananan’ny zavatra noforonina fahamasinana mitovy amin’ny an’ny mpamorona azy? Tsy mahagaga araka izany raha mampianatra ny Baiboly fa i Kristy mihitsy no Andriamanitra. Miodidina eo amin’ny fahamasinan’ny lalàn’Andriamanitra ny fanoloran’i Kristy ny ainy. Noho ny amin’ny lalàna na ny marimarina kokoa ny fandikan-dalàna no nahatonga an’i Jesôsy tsy maintsy maty hamonjy antsika. Mora kokoa ny mahatakatra ny faharatsian’ny fahotana rehefa mijery ny sorona lehibe indrindra nilaina noho izany. Manambara ny fahamasinan’ny lalàna ny maha-lehibe ilay sorona. Raha tahaka izany ny fahamasinan’ny lalàna ka ny fanoloran’Andriamanitra ny ainy ihany no mahefa azy, dia mahazo ny porofo ilaintsika rehetra isika mikasika ny maha-masina izany lalàna izany.

 

FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Ifanakalozy hevitra ao amin’ny kilasy ny fanontaniana tamin’ny Alarobia. Inona no ambaran’ny valinteninao aminao raha jerena ny toerana misy anao?
  2. “Raha nanopy ny masoko hijery ireo mapanara-dia ilay Jesôsy malemy fanahy sy manetry tena aho, dia nozahan-toetra.

 

“Maro tamin’ireo izay nilaza ho naniry ny hahafaingana ny fiavian’i Kristy no niha-nitovy tamin’izao tontolo izao. Niezaka mafy ny hahazo dera avy tamin’ireo manodidina azy izy, mihoatra noho ny fankasitrahan’Andriamanitra. Mangatsiaka sy manaraka ny fombafomba ivelany ihany izy ireo, tahaka ny fiangonana izay efa nialany ela. Ny teny notorina tamin’ny fiangonan’i Laodikia dia maneho tsara ny tena toerana misy azy.” – RH, 10 Jona 10, 1852. Ireo teny ireo dia nosoratana tany amin’ny dimampolo amby zato taona tany ho any. Inona no hevitra ambaran’izany amintsika amin’izao fotoana izao? Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny hevi-diso milaza fa ny taona voalohandohany nisian’ny fiangonana no “andro tsara fahiny”?