LESONA 12

11 - 17 JONA

IREO ANDRO FARANY NIAINAN'I JESOSY

LESONA 12
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.20

 

Tsianjery: “Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina” – Mat. 26:31

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 26:1-16; Lio. 12:48; Mat. 26:17-19; 1 Kôr. 5:7; Mat. 26:36-46; Mat. 26:51-75.

 

Fiambenana maraina: Hatsaram-panahy miasa - Heb. 10:23-25.

 

Eto amin’ity lesona ity, dia miaina ireo andro farany mialoha ny hanomboana Azy amin’ny hazo fijaliana i Jesôsy. Manomboka miatrika ny fotoana manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny famoronana izao tontolo izao, eny, ny voary manontolo mihitsy.

    Lesona marobe no azo tsoahina avy amin’ireo trangan-javatra hojerentsika amin’ity herinandro ity. Saingy eo am-pamakiana izany, dia andeha isika hifantoka bebe kokoa amin’ny iray amin’ireo - dia ny fahafahana sy ny safidy malalaka. Jereo ny fomba ampiasan’ny olona tsirairay ao amin’ny tantara ny fanomezan-dehibe sy lafo vidin’ny fahafahana. Jereo ny vokany mahery vaika sy maharitra mandrakizay avy amin’ny fampiasana io fanomezana io.

   Samy tsy maintsy nanao safidy i Petera sy i Jodasy ary ilay vehivavy niaraka tamin’ny tavoara alabastara. Saingy ny tena zava-dehibe indrindra amin’ny rehetra dia tsy maintsy nisafidy koa i Jesôsy, ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny safidy handeha ho eo amin’ny hazo fijaliana, na dia nanohitra izany aza ny maha-olombelona Azy: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko itỳ kapoaka itỳ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” – Mat. 26:39.

   Fisainana hafahafa tokoa ny hoe: ny tsy fahaizantsika nampiasa ny safidy malalaka no nahatonga an’i Jesôsy ho tonga teo amin’ny safidy ny hamonjy antsika amin’ny fandringanana na tsia. Raha tsy izany dia ho nahatonga ny fandravana amintsika ny fihoaram-pefy amin’ny safidy malalaka.

 

ALAHADY: ASA SOA IRAY (Mat. 26:1-16)

Fiambenana maraina: Ny fandresena - Isa. 8:12.

 

Miditra eo amin’ny andro farany niainan’i Jesôsy teto an-tany isika. Mbola tsy teo amin’ny hazo fijaliana Izy, mbola tsy natsangana tamin’ny maty, ary mbola tsy naneho ny tenany ho ilay voahombo eo amin’ny hazo fijaliana sy ilay Mpamonjy izao tontolo izao, natsangana tamin’ny maty. Ireo izay nanara-dia an’i Jesôsy dia tia sy nankasitraka Azy indrindra, saingy mbola marobe ny zavatra tokony hianaran’izy ireo momba Azy sy izay hataony ho azy ireo. Manana tombontsoa isika noho ny amin’ny Baiboly iray manontolo sy ny fanazavana miezinezina izay nataon’i Paoly mikasika ny fahafatesan’i Jesôsy izay manadio. Araka izany, dia mahafantatra zavatra betsaka lavitra noho ireo mpanara-dia Azy tamin’izany fotoana izany isika, mikasika izay hataon’i Jesôsy ho antsika.

Raha eo am-pisainana izany, dia vakio ny Mat. 26:1-16. Inona ny maha-zava-dehibe io fanomezana lafo vidy io? Inona ny lesona ampianarin’izany antsika mikasika ny tokony ho fifandraisantsika amin’i Jesôsy?

    Mariho tsara hoe aiza no nametrahan’i Matio ny tantaran’ny nanosorana menaka ny lohan’i Jesôsy. Azo heverina fa nitranga tao alohan’ny fidirana feno fandresena tany Jerosalema raha Izy nitaingina ampondra izany. Nandritra ny fotoana nanomanan’ny mpisorona ny famonoana an’i Jesôsy no nitrangan’izany. Raha nikasa ny hanao ratsy izy ireo, ity vehivavy ity kosa nandraraka fitiavana sy fanoloran-tena teo Aminy, niaraka tamin’ny “tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra” - Mat. 26:7.

    Raha tezitra noho ny fandaniam-poana ireo mpianatra, i Jesôsy kosa niantso ity fihetsika ity hoe “asa soa”. Toa fandaniam-poana tokoa no fahitana ity fihetsika ity, saingy nasehon’ilay vehivavy fa marina sy lalina ny fitiavany an’i Jesôsy. Azo antoka fa tsy fantany ny mety ho hevitr’izany, saingy takany kosa fa betsaka no tokony hafoiny ho an’i Jesôsy. Noho izany dia te hanome betsaka izy. Mety henony angamba ny teny nambaran’i Jesôsy hoe: “Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy” - Lio. 12:48. Tamin’izany fotoana izany anefa dia azo antoka fa nahita zavatra maro mihoatra noho izay hitan’i Maria ireto mpianatra ireto, saingy mbola tsy takatr’izy ireo mihitsy ny tena zava-dehibe.

    “Tandindon’ny fo feno fitiavan’ilay nanosotra azy io menaka manitra io. Fanomezana naloaky ny fitiavana voatondraky ny reniranom-pitahiana avy any an-danitra mandra-pahatonga azy hihoatra izany. Ary io menaka manitr’i Maria io, izay nolazain’ny mpianatra ho fandaniam-poana, dia miverina miraraka inarivony ao am-po malefaka sy mora tohin’ny hafa” – SDABC, b. 5, t. 1101.

Inona no ambaran’io tantara io amintsika mikasika ny zavatra izay tokony hataontsika noho izay nomena antsika ao amin’i Jesôsy? Raha mampiasa ny safidy malalaka ananantsika isika, inona ny “asa soa” azontsika atao ho an’i Jesôsy ho valin’izay nomeny antsika?

 

ALATSINAINY: ILAY FANEKENA VAOVAO (Mat. 26:17-19)

Fiambenana maraina: Ny ifantohan’ny fitokiantsika 2 Tim. 1:12-14.

 

Vakio ny Mat. 26:17-19. Nahoana no misy heviny tokoa ny maha-Paska ny andro tamin’izay fotoana izay? Vakio koa ny Eks. 12:1-17; 1 Kôr. 5:7.

    Ny tantara ao amin’ny Eksôdôsy dia mazava loatra fa tantaran’ny fanavotana - asa nataon’Andriamanitra ho an’ireo izay tsy afaka nanao izany ho an’ny tenany. Tandindona tonga lafatra tokoa izany, maneho izay hataon’i Jesôsy ho antsika rehetra.

Inona no ambaran’i Jesôsy amin’ny mpianany ao amin’ny Mat. 26:26-29? Midika inona amintsika amin’izao fotoana izao ireo teny nambarany ireo?

   Nambaran’i Jesôsy tamin’ny mpianatra ny hevitra lalina kokoa fonosin’ny Paska. Ny fahafahana avy tany Egipta dia ohatra iray mahatalanjona maneho ny herin’Andriamanitra, saingy tsy ampy izany. Tsy izany no fanavotana tena nilain’ny Hebreo, na isika koa aza, fa ny Fanavotana ao amin’i Jesôsy, dia ny fiainana mandrakizay izany. “Ary noho izany dia Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.” – Heb. 9:15. Nolazain’i Jesôsy azy ireo ny tena hevitry ny ranom-boaloboka sy ny tena hevitry ny mofo amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, izay samy manondro ny fahafatesany eo amin’ny hazo fijaliana avokoa.

    Ny fanaovana fanatitra biby tamin’ny fanekena taloha dia nanondro mialoha ny fahafatesan’i Jesôsy. Mamerina antsika ho amin’izany kosa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Manondro an’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana ny tandindona rehetra ampiasaina amin’ireo. 

    Tsy mamarana ny tantara anefa ny hazo fijaliana. Nilaza tamin’ireo mpianatra i Jesôsy fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony “mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.” - Mat. 26:29. Mampitodika azy ireo amin’ny hoavy i Jesôsy, dia ny fiaviany fanindroa sy ny aorian’izay.

Saino ny momba ny tenin’i Jesôsy milaza fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony raha tsy efa miaraka amintsika any amin’ny fanjakan’ny Ray. Inona no ambaran’izany momba ny faniriany hanakaiky antsika? Ahoana no hahafahantsika mianatra ny miaina izany fifanakaikezana Aminy izany amin’izao fotoana izao?

 

TALATA: GETSEMANE (Mat. 26:36-46)

Fiambenana maraina: Ny herin’ny Fanahy Masina - Asa. 1:8.

 

Mandritra ny herinandron’ny Paska, dia mamono zanak’ondry hatao fanatitra an’arivony ny mpisorona ao amin’ny tempoly, eo an-tampon’ny lohasahan’i Kidrôna. Araraka eo amin’ny alitara ny ran’ny zanak’ondry ka mitsororoka manaraka lakandrano iray mankamin’ny sakeli-drano izay mandalo eo amin’ny lohasahan’i Kidrôna. Mety ho efa niova mena angamba ny lokon’io sakeli-drano io noho ny ran’ireo zanak’ondry. Niampita teo amin’io rano miloko mena io i Jesôsy sy ny mpianany raha handeha ho any an-tsahan’i Getsemane.

Vakio ny Mat. 26:36-46. Nahoana no mafy indrindra tamin’i Jesôsy izay niainany tao Getsemane? Inona no tena nitranga tamin’izay fotoana izay? 

   Tsy ny fahafatesana ara-nofo no natahoran’i Jesôsy raha nivavaka ny mba hanesorana ilay kapoaka Aminy Izy. Ny kapoaka izay tsy tian’i Jesôsy hosotroina dia ny fisarahana amin’Andriamanitra. Fantany fa tsy maintsy hanaiky ny hampiharana eo amin’ny tenany ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny sazy avy amin’Andriamanitra noho ny ota Izy mba hahatonga Azy ho ota ka ho faty eo amin’ny toerantsika. Noho ny amin’izany dia tsy maintsy tafasaraka amin’ny Rainy Izy. Zavatra iray tena tsy azo atao tsinontsinona ny fandikan-dalàna, ka mitaky ny fahafatesan’izay nanao izany. Tonga i Jesôsy mba hanaiky izany fahafatesana izany ho an’ny tenany ho famonjena antsika amin’izany. Izany no tsy maintsy natrehin’i Jesôsy noho ny amintsika.

   “Teo anatrehan’ny mety ho vokatry ny ady, dia feno tahotra ny fisarahana amin’Andriamanitra ny fanahin’i Kristy. Lazain’i Satana taminy fa raha natao antoka ho an’ity izao tontolo izao feno ota ity Izy, dia ho mandrakizay ny fisarahana. Hiray volo amin’ny fanjakan’i Satana Izy, ka tsy ho iray intsony amin’Andriamanitra (…) Tonga ny fotoana mampihorohoro - ny fotoana izay hanapaka ny ho anjaran’izao tontolo izao. Nangovitra teo amin’ny lela-mizana ny hoavin’ny olombelona. Azon’i Kristy atao izao ny mandà ny hisotro ny kapoaka antonona ny olombelona. Tsy mbola diso aoriana loatra. Azony atao ny mamafa ny dinitra ra eo amin’ny handriny, ka hamela ny olona ho faty ao amin’ny fahadisoany. Azony atao ny miteny hoe: Aoka ny mpandika lalàna handray ny tambin’ny fahotany, fa hiverina ho any amin’ny Raiko Aho. Moa ve hisotro ny kapoaka mangidin’ny fanetren-tena sy mihatra aman’aina ny Zanak’Andriamanitra? Moa ve ny tsy manan-tsiny hiaritra ny vokatry ny ozon’ny fahotana, mba hamonjy ny meloka?” – IFM, tt. 739, 743.

Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fanoloran-tenan’i Jesôsy hanao izay nataony ho antsika eo amin’ny lafiny tsirairay amin’ny fiainantsika, indrindra momba ny fanampiana ny hafa? Ahoana no hianarantsika hanahaka bebe kokoa ny toetr’i Jesôsy eo amin’ny fiainantsika?

 

ALAROBIA: NIVAROTRA NY FANAHINY I JODASY (Jao. 6:70)

Fiambenana maraina: Ny Fanahy tiany ho hita - 2 Tim. 1:7.

 

Endrey mampalahelo tokoa ny tantaran’i Jodasy! Raha nodimandry nialoha ny fotoana farany nankanesany tany Jerosalema izy, dia mba ho anisan’ireo olo-malaza nanao zavatra tsara voarakitra ao amin’ny Baiboly. Mety ho nampitondraina ny anarany ny trano fiangonana lehibe maro, saingy tsy izany fa ny anarany dia hampifandraisina mandrakariva amin’ny fahafaham-baraka.

Vakio ny Jao. 6:70 sy ny Lio. 22:3. Ahoana no hanazavan’ireo toko sy andininy ireo ny zavatra nataon’i Jodasy?

Mazava loatra fa rariny ny fanomezan-tsiny an’i Satana noho izay nataon’i Jodasy, saingy toa fialana moramora amin’ny fanontaniana izany hoe: mety ny momba an’i Jodasy ve no nanampy ny devoly hitarika azy ho amin’ny fahafaham-baraka? Voalaza rahateo moa fa nikasa hanimba an’i Petera koa i Satana (vakio ny Lio. 22:31), saingy ny naha-samy hafa azy dia ny tsy naneken’i Jodasy hanolotra amin’ny fahafenoana ny tenany ho an’ny Tompo. Azo antoka fa nisy fahotana nofikirin’i Jodasy, kileman-toetra sasany izay nanampy an’i Satana hitarika azy hanao izay nataony. Eto isika dia mbola mahita indray ny vokatra mahery vaikan’ny safidy malalaka.

Vakio ny Mat. 26:47-50 sy ny Mat. 27:1-10. Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin’ny tantara mampalahelon’i Jodasy?

    Hitantsika ao amin’ny Mat. 26:47-50 fa mitarika andiana miaramila i Jodasy (miaramila eninjato teo ho eo), niaraka tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ireo loholona. Fotoana isehoan’ny hery tokoa izany ho an’i Jodasy. Rehefa manana zavatra iray tena irin’ny olona ianao dia azo lazaina ho manana hery lehibe, tahaka an’i Jodasy eto. Mirindra tsara ny toe-javatra raha mbola eo aminao izay irin’izy ireo, saingy amin’izay dia mifandray aminao izy ireo noho izay anananao, ka rehefa azony izay nilainy taminao, dia tsy mila anao intsony izy ireo. Ora vitsivitsy taorian’izay dia ho irery i Jodasy, ary tsy hanana na inona na inona.

Ny lesona iray manan-danja hafa dia mifantoka amin’izay nivarotan’i Jodasy ny fanahiny. Sekely volafotsy telopolo ve? Raha amin’izao fotoana izao dia mitovy amin’ny karama eo anelanelan’ny iray volana ka hatramin’ny efa-bolana eo ho eo izany, arakaraka ny sandan’ny volafotsy. Na dia avo folo na zato heny aza izany, dia jereo ny vidin’izany ho an’i Jodasy! Ary araka ny ambaran’ny tantara aza dia very tsy azony akory izany. Tsy nisy nifalian’i Jodasy akory izany na ny kely aza, fa natorany teo an-tongotr’ireo izay nanome izany ho azy. Ohatra iray manan-danja izany maneho fa ny zava-drehetra izay miala amin’i Kristy dia hanjary tsy misy ilàna azy intsony tahaka ilay vola nomena an’i Jodasy. Nanakaiky ny fiainana mandrakizay i Jodasy, saingy nifidy ny hanary izany tamin-java-poana.

 

ALAKAMISY: NY FANDAVAN’I PETERA (Mat. 26:51-75)

Fiambenana maraina: Fahasahiana masina - Asa. 4:19,20.

 

Efa fantatr’i Jesôsy mialoha ny amin’ny safidy malalaka hataon’i Jodasy hamadika Azy. Ohatra iray ao amin’ny Baiboly izany maneho fa ny fahafantaran’Andriamanitra mialoha ireo safidy malalaka ataontsika dia tsy manaisotra ny fahalalahantsika hanao izany. Ary fantatr’i Jesôsy avokoa, na ny safidin’i Jodasy na ny an’i Petera. Nirehareha ny amin’ny finoany an’i Jesôsy i Petera, saingy amin’ny fotoana voafaritra iray dia hiala lavitra izy ary handà an’i Kristy.

Vakio ny Mat. 26:51-75. Araka ny hevitrao, nahoana i Petera no nandà an’i Jesôsy?

    Matetika isika no mihevitra fa nandà an’i Jesôsy noho ny tahotra i Petera. Nefa dia i Petera (araka izay voalaza ao amin’ny Jao. 18:10) no nanana fahasahiana nanatsoaka ny sabatra teny aminy hamelezana ireo miaramila rômanina! Vonona ny ho faty izy, hiady amim-kerim-po raha tsy notohain’i Jesôsy.

   Koa raha izany, inona no niova tao amin’i Petera nanomboka tamin’ilay fotoana namoahany ny sabany hatramin’ny fotoana tsy ela akory tato aoriana izay nandavany Azy ka nilazany fa tsy fantany i Jesôsy? Nahoana izy no nilaza fa tsy anisan’ny mpianatra? Nahoana izy no nilaza hoe: “tsy fantatro izany Lehilahy izany!” - Mat. 26:72?

    Nety ho nahatsapa i Petera fa tsy fantany ity Lehilahy ity, tsy fantany ny antony niaviany sy ny hevitry ny fisamborana Azy; ka tamin’ny fotoana nampangitakitaka dia nolazainy fa tsy mahafantatra an’i Jesôsy mihitsy izy. Azo heverina koa hoe tsy takany ny zavatra ataon’i Jesôsy ka nahatonga azy handà Azy. Niala an-daharana izy rehefa hitany araka izay noheveriny fa nandao azy ireo i Jesôsy. Mbola nametraka be loatra ny finoany tamin’ny fisainan’ny tenany manokana ihany i Petera raha tokony ho napetrany feno tamin’i Jesôsy izany. Nanao izany izy na dia teo aza ny famantarana mahatalanjona marobe hitany sy ny fanambarana ny finoana feno fahasahiana nataony mikasika ny maha-Kristy an’i Jesôsy (Mat. 16:16). Ny fandavan’i Petera dia tokony haneho amintsika fa ny fahagagana rehetra sy ny famantarana rehetra eto amin’izao tontolo izao dia tsy hitana antsika ho mahatoky amin’Andriamanitra raha tsy voatolotra amin’ny fahafenoany ho Azy ny fontsika.

Araka ny fitantaran’i Lioka, raha nilaza ny tenany ho tsy anisan’ny mpianatr’i Jesôsy fanintelony i Petera dia “nitodika, dia nijery an’i Petera” i Jesôsy (Lio. 22:61). Ny teny hoe «emblepo» dia nampiasaina tany amin’ny Grika hilazana ny fijery nentin’i Jesôsy nibanjina ny fanahin’i Petera raha vao nahita azy voalohany Izy (vakio ny Jao. 1:42). Inona ny fanantenana azontsika hianarana avy amin’io fotoana iray manokana io momba ny fitiavan’Andriamanitra antsika na dia lavo aza isika, tahaka an’i Petera?

 

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Fahasahiana noho ny fanatrehany - Asa. 4:13.

Filentehan’ny masoandro: 5.21

Tamin’ny taona 1959, dia nisy olon-dratsy roalahy niditra tao amin’ny tokantrano iray tany Kansas ka namono tanora roa sy ny ray aman-drenin’izy ireo. Nialoha ny nahafantarana ireo mpamono olona dia nanoratra ity taratasy ity ho an’ny mpanao gazety tany an-toerana ny rahalahin’ilay raim-pianakaviana nisy namono: “Be loatra ny fahatezerana eto amin’ity fiarahamonina ity. Tsy indray mandeha no nandrenesako fa hahantona amin’ny hazo ilay lehilahy mpamono olona rehefa hita. Andeha isika tsy hanao toy izany. Efa vita ilay vonoan’olona, koa tsy hampiova izany ny fanesorana ain’olona hafa. Fa andeha isika hamela heloka araka izay asain’Andriamanitra hataontsika. Tsy mety raha manao otripo isika. Tsy hiaina amim-pilaminana ny olona izay nanao izany vonoan’olona izany, tsy ho tony ny eritreriny raha tsy mangataka famelana eo amin’Andriamanitra izy. Andeha isika tsy hisalovana eo an-dalana fa hanandratra vavaka kosa mba hahitan’ny fanahiny fahatoniana.” – ICB, t. 124.

    Raha tsy hiresaka momba ilay vonoan’olona isika, dia mahita ao amin’ity tantara ity ohatra iray manan-danja momba ny fahasoavana izay omen’i Kristy ny tsirairay avy amintsika. Eny, na taorian’ny fandavana tsy azo hamarinina izay nataon’i Petera aza, dia namela ny helony i Kristy ary nametraka taminy ny asa famonjem-panahy. “Vao nanambara i Petera fa tsy fantany Jesosy, nefa tsapany izao tao amin’ny ngidin’ny alahelo, fa tena mahalala azy tsara ny Tompony, ary marina dia marina ny namakiany tao am-pony, ny toetra mandainga izay tsy fantatr’izy tenany akory.” –IFM t. 763. Fantatr’i Jesôsy izay tao am-pon’i Petera sy izay hataony mialoha ny nahafantaran’i Petera izany, saingy tsy miova ny fitiavany sy ny fahasoavany, na dia tsy misy azon’i Petera omena tsiny afa-tsy izy tenany aza noho izay nataony. Raha mifandray amin’ny olona izay mamerina hadisoana iray imbetsaka isika, dia zava-dehibe tokoa ny mianatra manome fahasoavana ho azy ireo tahaka ny faniriantsika izany ho an’ny tenantsika.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  • I C. S. Lewis dia nanoratra fa “Ny tantara misy fiovam-po rehetra, dia tantaran’ny tsy fahombiazana voatahy”. Inona no hevitr’izany? Nanao ahoana ny fanandramanao mikasika izany tsy fahombiazana izany? Inona no resy, ary inona no nandresy?
Ao amin’ny tantaran’i Jesôsy tao Getsemane dia nangataka Izy mba hanesorana Aminy ilay kapoaka “raha azo atao”. Inona no ambaran’izany ankoatra ny hoe tsy maintsy manolotra ny ainy i Jesôsy mba hamonjena ny olona? Nahoana? Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny fahafatesan’i Jesôsy noho ny otantsika? Nahoana no tsy nisy fomba hafa hitan’Andriamanitra hamahana ny olan’ny fahotana, raha atao an-tsaina ny ady ifanandrinan’i Kristy sy i Satana?

Pejy ambony