LESONA 12

10 - 16 DESAMBRA

NY MPANAVOTRA AN'I JOBA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 19:25–27; Jao. 1:1–14; Jôba 10:4, 5; Lio. 2:11; Gal. 4:19; Lio. 9:22; Isa. 53:1–6.

 

Tsianjery: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina” – Isa. 53:4.

 

Niseho tampoka tamin’i Jôba Andriamanitra ao amin’ny toko 38. Io fisehoan’Andriamanitra io no toe-javatra fara tampony misongadina indrindra ao amin’ny bokin’i Jôba. Izany no ampahany mahafinaritra indrindra amin’ny tantara anankiray. Mialoha indrindra ny fifaranan’ny tantara no misy azy. Naneho ny Tenany tamin’i Jôba tamin-kery sy tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra ary izany no nitarika an’i Jôba hibebaka amin’ny fahotany. Nananatra mafy an’ireo naman’i Jôba telo lahy Andriamanitra avy eo noho ny hevi-diso nolazainy. Nivavaka ho azy ireo i Jôba. “Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy” – Jôba 42:10, ary i Jôba mbola niaina fiainam-piadanana naharitra tokoa taorian’izay.

Misy zavatra tsy mahafa-po ihany anefa mikasika ny tantara sy ny fomba fihafarany. Niady tany an-danitra Andriamanitra sy i Satana ary mbola nitohy hatrety an-tany izany tao amin’ny fiainana sy ny nofon’i Jôba mahantra. Tsy vitan’ny hoe toa tsy ara-drariny sy tsy araka ny tokony ho izy ihany ny fahavoazan’i Jôba izay tsy nanan-tsiny teo amin’izany ady nifanaovan’Andriamanitra sy i Satana izany fa nandritra izany Andriamanitra dia toa nijanona tany an-danitra nitazana fotsiny.

Azo inoana anefa fa mbola misy ny ankoatra izay. Ary tena misy tokoa. Taonjato maro atỳ aoriana dia voaseho izany, tao amin’i Jesôsy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Ao amin’i Jesôsy irery ihany no ahitantsika valiny mahatalanjona sy mampahery ny amin’ireo fanontaniana tsy voavalin’ny bokin’i Jôba tanteraka.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Velona ny Mpanavotra ahy (Jôba 19:25-27)

 

Rehefa niseho tamin’i Jôba Andriamanitra ao amin’ny toko faha-38 dia nampahafantatra ny Tenany taminy ho ny Mpamorona, izay “nihady làlan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be”, sy Ilay nanao “làlan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana” ary nandatsaka “ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona” – Jôba 38:25,26. Tsy Mpamorona ihany anefa ny Andriamanitsika fa manana andraikitra sy asa manan-danja hafa ihany koa Izy.

 

Vakio ny Jôba 19:25-27. Inona no ampianarin’ireo teny ireo antsika momba ny fanantenan’i Jôba ny famonjena?

 

Amin’ny alalan’ireo andalan-teny malaza ireo no anehoan’i Jôba fa manana fahalalana momba ny Mpanavotra izy. Fantany fa ho faty ny olona saingy misy ny fanantenana any ankoatry ny fasana. Ao amin’ny Mpanavotra, izay tsy maintsy ho avy etỳ an-tany indray andro any, no ahitana izany fanantenana izany.

 

Manondro ny fahamarinana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly ireo tenin’i Jôba ireo: Andriamanitra no Mpanavotra antsika. Eny tokoa, Mpamorona antsika Andriamanitra saingy isika dia miaina eto anivon’ny tontolo anjakan’ny ota sy henika mpanota, izay voaheloka ho faty mandrakizay ao amin’ny otany. Mihoatra noho ny Mpamorona araka izany no ilaintsika. Mila Mpanavotra ihany koa isika. Ary izany mihitsy Ilay Andriamanitsika: sady Mpamorona Izy no Mpanavotra (vakio ny Isa. 48:13-17) ka avy Aminy, amin’ny alalan’ireo asa roa ireo (Mpamorona sady Mpanavotra) no ananantsika ilay fanantenana lehibe momba ny fiainana mandrakizay.

 

Vakio ny Jao. 1:1-14. Ahoana no fomba ampifandraisan’i Jaona an’i Jesôsy amin’ny maha-Mpamorona antsika Azy sy i Jesôsy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy?

 

Mampahatsiahy mazava ny voalaza ao amin’ny Gen. 1:1 i Jaona, izay manondro ny maha-Mpamorona an’Andriamanitra. Ary asehon’ny Jao. 1:10-12 araka izany ny fifandraisana misy eo amin’i Jesôsy amin’ny maha-Mpamorona Azy sy ny asany amin’ny maha-Mpanavotra Azy. “Teo amin'izao tontolo izao ny Teny [Jesôsy], ary Izy no nanaovana izao tontolo izao (...) Fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra” (Jao. 1:10-12, NIrV). Satria Mpamorona antsika i Jesôsy dia afaka ny ho Mpanavotra antsika ihany koa Izy.

 

Raha Mpamorona fotsiny ihany no ananantsika fa tsy Mpanavotra, dia inona no fanantenana ananantsika? Inona no ambaran’ny valinteninao mikasika ny maha-zava-dehibe indrindra ny maha-Mpanavotra antsika an’i Jesôsy?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Ny Zanak’olona (Jôba 10:4,5)

 

Ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny bokin’i Jôba isika dia nomena topimaso vetivety ny amin’ny maha-zava-misy marina ny ady lehibe ifanaovan’i Kristy sy i Satana. Araka ny fantatsika dia tany an-danitra no niantombohany ary avy eo dia nitohy tety an-tany (vakio ny Apôk. 12:7-12). Mbola hitantsika miverina ao amin’ny bokin’i Jôba ihany izany lohahevitra izany: ady tany an-danitra ka mitohy etỳ an-tany. Indrisy fa nianjady tamin’i Jôba izany ady izany rehefa teto an-tany.

 

Vakio ny Jôba 10:4,5. Inona no itarainan’i Jôba eto? Ary inona no tiany hazavaina?

 

Mazava ny tian’i Jôba holazaina. Andriamanitra Ianao, Mpanapaka an’izao tontolo rehetra izao, Mpamorona. Ahoana moa no hahalalanao hoe toy ny ahoana ny fiainan’ny olombelona sy ny zavatra iharetany?

 

Vakio ny Lio. 2:11; Jao. 1:14; Lio. 19:10; Mat. 4:2; 1 Tim. 2:5; ary ny Heb. 4:15. Ahoana no fomba amalian’ireo andalan-teny ireo ny fitarainan’i Jôba?

 

Ny mampitaraina an’i Jôba dia ny hoe tsy olombelona Andriamanitra ka noho izany dia tsy afaka ny hahalala ny fahorian’ny olombelona. Mamaly izany amin’ny fahafenoany tokoa anefa Andriamanitra rehefa tonga olombelona teto amin’izao tontolo izao i Jesôsy. Tsy navelan’i Jesôsy velively ny maha-Andriamanitra Azy na dia olombelona tanteraka ihany koa aza Izy. Tamin’ny nakàny ny endrik’olombelona no nahafantarany ny fahoriany sy ny tolona manjo azy, tahaka an’i Jôba sy ny olombelona rehetra. Vakiantsika manerana ny Filazantsara mantsy fa tena tonga olombelona tokoa i Jesôsy ary niharitra fahoriana tao amin’ny maha-olombelona Azy. Voavalin’i Jesôsy araka izany ny fitarainan’i Jôba.

“Tsy endrika olombelona sandoka tsy akory no notafian’i Kristy. Tena nandray ny maha-olombelona Izy ary nivelona tao amin’ny maha-olombelona (...) Tonga nofo Izy ary nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota” – SDABC, b. 5, t. 1124.

 

Saintsaino ny hevitry ny naneken’i Jesôsy hitafy ny maha-olombelona. Tokony hilaza inona aminao izany momba ny fahazoany miray fo akaiky dia akaiky aminao ao anatin’ireo tolona atrehanao amin’izao fotoana izao?



 Pejy ambony

TALATA

 

Ny fahafatesan’i Kristy (1 Jao. 2:6)

 

Vakio ny 1 Jao. 2:6 sy ny Gal. 4:19. Inona no ambaran’ireo andalan-teny ireo amintsika momba an’i Jesôsy sy ny tokony hiheverantsika Azy?

 

Tsy misy isalasalana fa i Jesôsy no ohatra ho antsika. Ny fiainany sy ny toetrany no ohatra tokony halain’izay rehetra manara-dia Azy tahaka miaraka amin’ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra. I Jesôsy no ohatra tanteraka ananantsika ny amin’ny fomba tokony hiainantsika ilay karazam-piainana niantsoan’Andriamanitra antsika.

 

Na izany aza dia tsy ny hanome ohatra ihany no nahatongavan’i Jesôsy teto amin’ity tany ity. Ny toerana misy antsika amin’ny maha-mpanota antsika dia mitaky zavatra hafa mihoatra noho ny fitomboana eo amin’ny toetra fotsiny. Marina tokoa aloha fa asa lehibe nataon’i Jesôsy amin’ny Mpanavotra antsika Azy ny fanovana ny toetrantsika sy ny fanovana antsika ho tahaka ny endriny, saingy mihoatra noho izany no ilaintsika. Mila mpisolo toerana isika, izay afaka handoa ny sazin’ny fahotantsika. Tsy tonga fotsiny i Jesôsy hiaina fiainana tanteraka mba ho ohatra ho antsika rehetra fa tonga ihany koa Izy mba hiharan’ny fahafatesana izay mendrika antsika mba handraisantsika ny fiainany tsy misy tsiny.

 

Vakio ny Mar. 8:31; Lio. 9:22; Lio. 24:7; ary ny Gal. 2:21. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny antony mahatonga ny fahafatesan’i Kristy ho zavatra tena ilaintsika tokoa?

Tena ilaina indrindra ny fankatoavana ny lalàna saingy tsy hamonjy ny mpanota izany. Noho izany antony izany no tsy maintsy nahafatesan’i Kristy ho antsika. “Koa mifanohitra  amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ary ve ny Lalana? Sanatria izany! Fa raha nisy lalana nahavita nanome fiainana, dia ho ny lalana no nahatonga ny olona ho marina” – Gal. 3:21 (DIEM). Raha misy lalàna afaka hamonjy ny mpanota, dia ny an’Andriamanitra izay, saingy na izany lalàna izany aza tsy afaka ny hamonjy antsika. Ny fiainana tonga lafatr’Ilay Ohatra tanteraka ho antsika ihany, dia i Jesôsy no afaka hamonjy antsika. Ka noho izany i Kristy dia tonga hanolotra ny Tenany ho “fanatitra iray monja mandrakizay noho ny ota” -Heb. 10:12.

 

Ahoana no anehoan’ny fomba fitandrinao ny lalàna, izay heverinao ho tsara indrindra, fa mila Mpisolo ianao?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Ny fahorian’ny Zanak’olona (Isa. 53:1-6)

 

Vakio ny Isa. 53:1-6. Milaza inona amintsika ireo andalan-teny ireo mikasika ny fahoriana niharetan’ny Tompo teo amin’ny hazo fijaliana?

 

Voalazan’ny Isa. 53:4 fa nitondra ny aretintsika sy nivesatra ny fahoriantsika i Jesôsy. Azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany koa ny aretin’i Jôba sy ny fahoriany. Ary tsy ny an’i Jôba ihany fa ny an’izao tontolo rehetra izao ihany koa. Ho an’ny otan’ny olombelona rehetra izay efa niaina hatrizay hatrizay no nahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana.

Eo amin’ny hazo fijaliana irery ihany no hahatakarantsika tsaratsara kokoa ny bokin’i Jôba. Eto isika dia mahita ilay Andriamanitra naneho ny Tenany tamin’i Jôba. Izy Ilay Andriamanitra nampianatra ny voromahery hanidina. Izy Ilay Andriamanitra nametraka ny atôma rehetra mba hiara-miasa hahasoa ny olombelona rehetra. Endrey ny fahoriana niharetany mihoatra noho izay niharetan’ny olombelona hafa rehetra, eny fa na dia i Jôba aza! Ny fahoriana sy ny aretina efa nanjo antsika rehetra, noraisiny teo Aminy avokoa ireny. Tsy misy na iza na iza araka izany, afaka hanao lahateny hanome tsiny an’Andriamanitra momba ny fahoriana, indrindra moa fa rehefa teo amin’ny maha-olombelona Azy Izy dia nivesatra ny fangirifiriana rehetra nalefan’ny ota teo amin’izao tontolo izao. Ny aretintsika sy ny fijaliantsika manokana ihany no fantatsika, kanefa nanjo an’i Jesôsy avokoa izany teo amin’ny hazo fijaliana.

 

Nanontany an’i Jôba Andriamanitra hoe: “Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va hianao?” – Jôba 38:33. Vao mainka tonga mahatalanjona Andriamanitra rehefa takatsika fa Izy no namorona ny “lalàn’ny lanitra”. Nitafy ny maha-olombelona ihany koa Izy ka niharan’ny fahafatesana tahaka ny olona ihany mba “handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly” – Heb. 2:14.

Rehefa atao ao an-tsaina ny hazo fijaliana dia takatra kokoa ny momba ny bokin’i Jôba. Noho izany antony izany dia fanontaniana maro izay tsy voavalin’ny bokin’ny Jôba no voavaliny. Ity no fanontaniana lehibe indrindra amin’izy rehetra: Rariny ve raha tany an-danitra Andriamanitra ary i Jôba kosa tety ambonin’ny tany dia voatery niharitra fahoriana mba handavana ny fiampangan’i Satana? Ny hazo fijaliana dia mampiseho fa na mafy toy inona aza ny fahorian’i Jôba sy izay olombelona hafa nianjadian’izany teto amin’izao tontolo izao, ny Andriamanitsika kosa dia nanolo-tena hijaly mafy lavitra noho izay vitantsika hiharetana. Nifidy ny hijaly tamin’izany fomba izany Izy mba hanomezana antsika ny fanantenana sy ny teny fikasan’ny famonjena.

Amin’i Jôba dia Mpamorona Andriamanitra. Taorian’ny hazo fijaliana dia Mpamorona sady Mpanavotra no ahitantsika Azy. Marimarina kokoa, Mpamorona tonga Mpanavotra antsika no ahitantsika Azy (Fil. 2:6-8). Ho fanatanterahana izany dia tsy maintsy nijaly noho ny ota i Jesôsy mba tsy hisy intsony amin’ny olombelona, ary anisan’izany i Jôba, ny hijaly. Koa tahaka an’i Jôba àry dia misy zavatra hafa azontsika ambara ve ankoatra ny hoe: “Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho” – Jôba 42:6?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

Hahanjahanja i Satana (Jao. 12:30-32)

 

Vakio ny Jao. 12:30-32. Inona no voalazan’i Jesôsy fa hitranga amin’i Satana vokatry ny hazo fijaliana sy ny ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy?

 

Miresaka ny amin’ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana i Ellen G. White ao amin’ny Hery Mifanandrina. Avy eo dia hazavainy ny hery mahagagan’ny fahafatesany teo amin’ny lanitra sy ho an’izao tontolo rehetra izao mandinika izany. “Niseho teo amin’ny tena fahazavany ny fiampangana mandainga nataon’i Satana amin’ny toetran’Andriamanitra sy ny fitondram-panjakany. Niampanga an’Andriamanitra ho tsy nitady afa-tsy fanandratan-tena izy tamin’ny fitakiany fanekena sy fankatoavana tamin’ireo nohariany, ary nolazainy fa raha mitaky fandavan-tena amin’ny hafa rehetra ny Mpamorona, Izy kosa anefa dia tsy mahay mandà ny tenany ary tsy nahafoy na inona na inona. Hita anefa ankehitriny fa mba ho famonjena ilay taranaka lavo sy feno fahotana dia efa nanao ny fahafoizan-tena lehibe indrindra azon’ny fitiavana natao Ilay Mpanapaka an’izao rehetra izao; fa ‘Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy’. Hita koa, fa raha nampidanadana ny varavarana hidiran’ny fahotana i Losifera noho ny faniriany hahazo ny voninahitra sy ny fahefana fara-tampony, Kristy kosa dia nampietry ny tenany ary nankatò hatramin’ny fahafatesana, mba handringanana ny fahotana” – HM, t. 519.

 

Vakio ny 2 Kôr. 5:19. Ahoana no fomba namerenan’ny fahafatesan’i Kristy an’izao tontolo izao lavo tamin’Andriamanitra?

 

Latsaka tao anatin’ny fahotana sy ny fikomiana izao tontolo izao. Nanaiky hiasan’ny teti-dratsin’i Satana izy araka ny hitantsika mazava tsara ao amin’ny bokin’i Jôba. Nanolo-tena ho tonga olombelona anefa i Jesôsy, ary na dia izany aza dia tsy namela ny maha-Andriamanitra Azy. Tamin’ny nanaovany izany no nanorenany fatorana tsy hay tapahina teo amin’ny lanitra sy ny tany. Tamin’ny fahafatesany no nanaovany ho azo antoka ny fandravana sy ny famongorana farany ny ota sy i Satana. Teo amin’ny hazo fijaliana no nandoavan’i Jesôsy ny onitry ny ota, ka namerenany an’izao tontolo izao lavo teo amin’Andriamanitra. Mpanota isika ary mendrika ny famaizan’ny fahafatesana ny otantsika. Amin’ny alalan’ny finoana anefa no hananantsika ny teny fikasan’ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesôsy.

 

Na inona fahotana efa vitanao na inona, dia naloan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana ny vidin’izy rehetra. Nahoana no tokony hanova ny fiainanao izany fahamarinana mahatalanjona izany ka hahatonga anao haniry fiainam-pankatoavana ho Azy?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: “‘Tonga ankehitriny, hoy Kristy nanohy, ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andriamanitr’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha hasandratra hiala amin’ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany’. Io no zava-tsarotra eo amin’izao tontolo izao. Raha hanjary fanavotana noho ny fahotan’ny olona Aho, dia hazava izao tontolo izao. Ho tapaka ny famikiran’i Satana ny fanahin’ny olona. Ho tafaverina eo amin’ny maha-olombelona ny endrik’Andriamanitra efa nosimbaina, ary hisy fianakavian’ny olo-masina mino handova ny tokantrano any an-danitra amin’ny farany. Izany no ho vokatry ny fahafatesan’i Kristy. Variana ny Mpamonjy nandinika ny fandresena naseho teo anatrehany. Hitany ny hazo fijaliana, dia ilay hazo fijaliana mihoson-dra sy mahafa-baraka manjelanjelatry ny voninahitra na dia eo aza ny endriny mampihorohoro.

“Tsy ny asa fanavotana ny olombelona ihany anefa no vokatra avy amin’ny hazo fijaliana. Aseho amin’izao rehetra izao ny fitiavan’Andriamanitra. Roahina ny andrianan’ity izao tontolo izao ity. Nolavina ny fiampangana nataon’i Satana momba an’Andriamanitra. Ny fanomezan-tsiny izay nataony tamin’ny lanitra dia nesorina ho mandrakizay. Voatarika ho eo amin’ny Mpanavotra na ny anjely na ny olona” – IFM, tt. 670-671.

 

FANONTANIANA IFANKALOZAN-KEVITRA:

1. Inona ihany koa ireo fomba hafa azonao eritreretina ka mampiseho fa mamaly ireo fanontaniana tsy voavalin’ny bokin’i Jôba ny fiainan’i Jesôsy sy ny fahafatesany?

 

2. Saintsaino ny zavatra ampianarin’ny Hazo fijaliana antsika momba ny toetran’Andriamanitra. Marina indrindra izany rehefa tsapantsika fa Ilay namorona antsika ihany no Ilay maty ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana. Nahoana no tokony hanome antsika fanantenana sy faherezana be tokoa izany, na inona na inona olana atrehantsika amin’izao fotoana izao? Ahoana no hampianaran’io fahamarinana mahatalanjona io antsika hitoky amin’Andriamanitra sy ny fahatsarany? (Vakio ny Rôm. 8:32).

 

3. Ny bokin’i Jôba dia mampiseho fa ny ady ifanaovan’i Kristy sy i Satana dia niseho tany an-danitra ary mbola mitohy eto an-tany. Alao sary an-tsaina ny zavatra tsy maintsy tsapan’ny anjely, izay tsy nahalala afa-tsy i Jesôsy tao amin’ny voninahiny tao an-danitra, rehefa nahita Azy niharitra ny mafy teo amin’ny hazo fijaliana. Raha hisaintsaina lalina momba izany isika, dia ahoana no hanampian’izany antsika hankasitraka bebe kokoa ny zavatra nomena antsika tao amin’i Jesôsy?

 Pejy ambony