LESONA 1

26 MARTSA 1 APRILY

ZANAK’I DAVIDA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA


Filentehan’ny masoandro: 5.55

 

Tsianjery: “Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany” – Mat. 1:21.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 1; Mar. 12:35–37; Isa. 9:6,7; Rôm. 5:8; Jao. 2:25; Jer. 29:13; Mat. 2:1–14.

Fiambenana maraina: I Abrahàma any an-danitra - Heb. 11:8-10, 13,16

 

Notarihin’ny Fanahy Masina i Matio ka nanomboka ny Filazantsarany tamin’ny firazanan’ny fianakaviana iray. Tsy firazanam-pianakaviana tsotsotra anefa izany, fa firazanan’ny fianakavian’i Jesôsy. Misy mpianakavy sasany, izay tsy dia tian’ny ankamaroan’ny olona holazaina fa fianakaviany, tafiditra ao anatin’izany firazanam-pianakaviana izany.

Angamba afaka nitantara izany firazanana izany tamin’ny tsipiriany i Matio noho izy “voailikilika”. Jiosy mpamory hetra tokoa mantsy i Matio, niandany tamin’ny fahavalo ka nandrotsa-bola tamin’i Rôma mba hahafahany mipetraka eo amin’ny toerany sy hampandoa hetra ny mpiray firenena aminy ihany. Azo antoka fa tsy ho olona mamy hoditra teo amin’ny fireneny i Matio.

Mijery ny fisehoana eny ivelany anefa ny olona, fa Andriamanitra kosa mijery ny fo. Tsy nisy adihevitra fa nijery ny fon’i Matio ny Tompo, dia nifidy azy, izay mpamory hetra ankahalain’ny olona, ho anisan’ireo mpianany. Ary nanaiky avy hatrany i Matio rehefa nantsoina. Nafoiny ny fiainana nanany teo aloha mba hananany fiainam-baovao ao amin’i Jesôsy.

Koa nanaraka ny Tompony i Matio, nandray naoty, ary indray andro dia nanolotra zavatra ho an’ny vahoakany sy ho an’izao tontolo izao izy, ho setrin’izany. Tsy rosiam-pandoavana hetra anefa izany, fa tantara sarobidy momba ny fiainan’i Jesôsy.

Pejy ambony

ALAHADY: BOKIN’NY GENESISY ANANKIRAY (Heb. 1:1–3)

Fiambenana maraina: Izay namonjy antsika sy i Abrahàma  - Rôm. 4:17-23

 

“Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak'i Abrahama.” - Mat. 1:1.

Hatrany am-piandohana dia nantsoin’i Matio hoe “boky” ny asasorany (avy amin’ny teny grika hoe: biblos, izay mety hidika hoe “asasoratra masina), “bokin’ny filazana ny razan’i Jesôsy” (NKJV). Raha ny marina, ny teny grika nadika hoe “razana” na “taranaka” dia avy amin’ny teny izay azo hadika hoe “genesisy” (na fiandohana). Koa azo lazaina izany fa natombok’i Matio tamin’ny “bokin’ny genesisy iray” ny Filazantsarany.

Manomboka amin’ny boky mitantara ny namoronana izao tontolo izao ny TT. Koa ny TV koa dia atombok’i Matio amin’ny boky mitantara ny momba Ilay Mpamorona sy momba ny asam-pamonjena izay Izy irery ihany no afaka manatanteraka izany ho an’ny tontolo efa lavo.

Inona no ambaran’ireto andininy ireto amintsika mahakasika an’i Jesôsy? Jao. 1:1–3; Heb. 1:1–3; Mika 5:2; Mar. 12:35–37.

“Hatramin’ny andro fahagola dia efa iray tamin’ny Ray Jesosy Kristy Tompo; ‘Endrik’Andriamanitra Izy’ tamin’izany, endriky ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany, ‘famirapiratan’ny voninahiny’ (...).

“Ny nahatongavany hitoetra teto amintsika dia ny haneho an’Andriamanitra tamin’ny olona sy ny anjely. Izy no Tenin’Andriamanitra – fisainan’ Andriamanitra ren’ny sofina.” – IFM, t. 9.

Tsy nibahana ny sain’i Matio anefa ny lohahevitra momba ny maha-Andriamanitra an’i Kristy, raha ampitahaina amin’i Jaona (vakio ny Jao. 1:1–4). Nanomboka ny Filazantsarany tamin’ny fitantarana ny maha-Andriamanitra an’i Kristy i Jaona, mialoha ny hidirany amin’ny lafiny maha-olombelona an’i Jesôsy (vakio Jao. 1:14). I Matio kosa dia mifantoka betsaka amin’ny maha-olombelona an’i Kristy sy amin’ny maha-“zanak'i Davida, zanak'i Abrahama” an’i Kristy. Rehefa izaNy dia asehon’i Matio ny firazanan’ny fianakavian’i Jesôsy, avy amin’i Abrahama hatramin’ny fahaterahan’i Jesôsy. Tian’i Matio haseho amin’ny mpamaky ao anatin’izany rehetra izany fa tena i Jesôsy avy any Nazareta tokoa no ilay Mesia izay nambaran’ireo faminanian’ny TT mialoha.

Mazava loatra fa zava-dehibe ny fianakaviana sy ny firazanana. Kanefa etsy an-danin’izany, asehon’ny Filazantsara ihany koa fa tsy mampaninona na iza na iza ny ray aman-drenintsika na ny raibe sy renibentsika. Koa inona àry izany no tena zava-dehibe, ary nahoana? Vakio ny Gal. 3:29.

Pejy ambony 

ALATSINAINY: TARANAKA MPANJAKA (2 Sam. 7:16,17)

Fiambenana maraina: Ireo mpandresy! - 1 Jao. 5:4

 

Na inona na inona hevitry ny Jiosy mahakasika ny fiavian’i Mesia, dia misy zavatra iray azo antoka: avy amin’ny taranak’i Davida ny Mesia. (Na ireo Jiosy marobe mpivavaka amin’izao fotoana izao, izay miandry ny Mesia, aza dia mino fa tsy maintsy avy amin’ny taranak’i Davida Izy.) Izany no nahatonga an’i Matio hanomboka ny filazantsarany tahaka izay nataony. Tiany haseho amin’ny maha-Mesia Azy i Jesôsy. Ny Mesia dia tsy maintsy ho avy amin’ny taranak’i Abrahàma (Gen. 22:18; Gal. 3:16), rain’ny firenena jiosy, ary avy amin’ny taranak’i Davida ihany koa. Koa avy hatrany dia asehon’i Matio ny firazanan’ny fianakavian’i Jesôsy sy ny rohy mampifandray Azy mivantana, tsy amin’i Abrahàma irery ihany (ny ankamaroan’ny Isiraelita dia manana rohim-pihavanana aminy), fa amin’i Davida mpanjaka ihany koa. Maro ny mpandalina ny Baiboly no mino fa Jiosy no mpamaky tao an-tsain’i Matio raha nanoratra ny filazantsarany izy. Noho izany, tian’i Matio hapetraka ny fahefan’i Jesôsy amin’ny maha-Mesia Azy. Koa zava-dehibe ho fanampiana teo amin’ny fanaporofoana io teboka io ny fanomezana fampahafantarana momba ny firazanan’i Jesôsy.

Vakio ireto andininy manaraka ireto: 2 Sam. 7:16,17; Isa. 9:6,7; Isa. 11:1,2;  Asa. 2:29,30. Ahoana no anampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny teboka nezahin’i Matio hapetraka?

Manampy antsika ireo rehetra ireo hahatakatra ny antony iantombohan’ny Filazantsaran’i Matio tahaka izay iantombohany: “Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, (...) zanak'i Davida” - Mat. 1:1. Voalohany, ary ny manan-danja indrindra, faritana amin’ny hoe: “zanak’i Davida” i Jesôsy Kristy. Manomboka amin’io famaritana an’i Jesôsy io ny TV ary manohy manao izany hatramin’ny fiafaran’ny TV. I Jesôsy mihitsy koa aza no nilaza ireto teny ireto: “‘Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.” – Apôk. 22:16. Na dia eo aza ny maha-Izy Azy rehetra an’i Jesôsy, dia mbola mitoetra ho: “Solofo sy taranak'i Davida” ihany Izy.

Fanambaràna mahery vaika momba ny maha-olombelona an’i Jesôsy re izany e! Nifandray tamintsika olombelona tamin’ny fomba tsy azontsika sary an-tsaina ny Mpamorona antsika.

Pejy ambony 

 

TALATA: NY RAFI-TETIARANA VOALOHAN’I JESOSY

Fiambenana maraina: Tsy laitry ny fakam-panahy  - Efes. 6:16

 

Ankoatra an’i Davida, iza ihany koa no hitantsika ao amin’ny rafi-tetiaran’i Jesôsy? Vakio ny Mat. 1:2,3.

Matetika ny vehivavy no tsy voatonona ao anatin’ny tetiaran’ny fianakaviana tamin’izany fotoana izany. Koa nahoana no voatonona eto ny vehivavy iray antsoina hoe: Tamara? Iza moa izy?

Vehivavy kananita i Tamara. Nanambady ny roa tamin’ireo zanakalahin’i Joda izy. Voalohany, nanambady ny zanak’i Joda zokiny indrindra, ny lahimatoany, izy. Rehefa maty ny lahimatoa, dia nanambady ny zandrin’ilay lahimatoa izy. Samy maty tao anatin’ny haratsiam-panahy izy roalahy ireo, ka tsy nanana anaka i Tamara. Nampanantena an’i Tamara ny rafozany, i Joda, fa hanome ny zananilahy fahatelo ho vadiny rehefa lehibe tsara razazalahy. Tsy nitranga mihitsy anefa izany.

Koa inona àry no nataon’i Tamara? Nanarona ny tavany tahaka ny vehivavy janga izy ka niaraka tamin’i Joda mihitsy. Tsy fantatr’i Joda mihitsy fa i Tamara io. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa hita niharihary ny vohok’i Tamara, dia nandray fepetra hamonoana an’i Tamara ratsy fitondran-tena i Joda. Nasehon’i Tamara an’i Joda anefa fa izy no rain-janany.

Mety ho tahaka ny andian-tsarimihetsika mitohitohy ambany dia ambany izany, saingy mbola ampahany amin’ny firazanan’i Jesôsy amin’ny maha-olombelona Azy ihany.

Vakio ny Mat. 1:4,5. Iza ihany koa no voatonona eto, izay toa mahazendana ihany?

I Rahaba ve, ilay vehivavy kananita janga? Tena izay tokoa, raha ny fahitana azy. Rehefa avy nanampy tamin’ny fiarovana ireo Isiraelita mpisafo tany tao Kanana i Rahaba, dia nikambana tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izy ka tafiditra tao anatin’ny firazanan’i Jesôsy tamin’ny alalan’ny fanambadiana.     

Iza ihany koa no voatonona ao anatin’ny firazanana? Vakio ny Mat. 1:5,6.

Vehivavy madio fitondran-tena i Rota. Noho ny hadisoana tsy miankina aminy anefa, dia avy amin’ny taranaky ny Môabita izay nankahalaina izy. Vokatry ny firaisana mamoafady teo amin’i Lôta, izay mamon-divay, sy ny iray tamin’ireo zananivavy ny Môabita. Ny vadin’i Oria, i Batseba, kosa indray dia mazava loatra fa ilay vehivavy izay nampiantsoin’i Davida mpanjaka tamim-pitiavan-tena hankao aminy raha mbola tany amin’ny sahan’ady i Oria vadiny. Mpanota nila Mpamonjy ihany koa i Davida. Nanana talenta sy fahaiza-manao tsara maro i Davida, saingy tsy azo lavina fa tsy dia vady na raim-pianakaviana filamatra mandrakariva izy.

Raha mandray antsika Andriamanitra na dia eo aza ny fahadisoantsika sy ny fahalementsika, dia ahoana no ahafahantsika mianatra ny handray ny hafa, na dia eo aza ny fahadisoany sy ny fahalemeny?

Pejy ambony

 

ALAROBIA: FONY MBOLA MPANOTA ISIKA (Rôm. 3:9,10)

Fiambenana maraina: Ny tsy fahalalana, tsy mahasambatra - Asa. 17:30  

 

Inona no ambaran’ireto andininy ireto mahakasika ny toetry ny olombelona? Inona ireo porofo mahery vaika ananantsika mahakasika ny fahamarinan’ireo fihetseham-po ireo? Rôm. 3:9,10; 5:8; Jao. 2:25; Jer. 17:9.

Araka ny efa nambara matetika, saingy tsara ny mamerina izany, tsy manoritra sary tsara momba ny olombelona na ny toetry ny olombelona ny Baiboly. Nanomboka tamin’ny fahalavoana tany Edena (Gen. 3) hatramin’ny fahalavoan’i Babilôna amin’ny andro farany (Apôk. 18), dia hita miharihary mora foana ny toetra mahonenan’ny olombelona. Mety ho tiantsika, ohatra, ny hanoritra sary mahafinaritra momba ireo fotoana voalohan’ny fiangonana, talohan’ny niantombohan’ilay “fihemorana” lehibe (2 Tes. 2:3), saingy fahadisoana izany (vakio 1 Kôr. 5:1). Olona lavo sy rotidrotika avokoa isika rehetra, ary ao anatin’izany ny taranaka izay nipoiran’i Jesôsy.

Izao no nosoratan’i Michael Wilkins, mpandalina Baiboly: “Tsy maintsy nanafintohina ny mpamaky ny filazantsaran’i Matio ny fahamarinan’io tetiarana io. Olombelona manana ny fahalemena sy ny tanjaky ny olona andavanandro ireo razamben’i Jesôsy. Niasa tamin’ny alalan’izy ireo anefa Andriamanitra mba hahatanteraka ny drafi-pamonjeny. Tsy misy aseho ho toy ny ohatry ny fahamarinana ireo olona ao anatin’ny firazanan’i Jesôsy. Hitantsika ao ny mpijangajanga, ny vehivavy janga, ny mahery fo, ary ny Jentilisa. I Rehôboama ratsy fanahy no rain’i Abia ratsy fanahy. I Abia no rain’i Asa, mpanjaka tsara fanahy. I Asa no rain’i Jôsafata, mpanjaka tsara fanahy ... izay rain’i Jehôrama, mpanjaka ratsy fanahy. Niasa tamin’ny alalan’ny taranaka nifandimby, ny tsara sy ny ratsy fanahy, Andriamanitra mba hahatanteraka ny fikasany. Asehon’i Matio fa azon’Andriamanitra atao ny mampiasa olona iray, na dia atao tsinontsinona sy bantibantiana aza, mba hampiasainy hahatanteraka ny fikasany. Ireo indrindra no karazan’olona izay novonjen’i Jesôsy raha tonga tetỳ Izy. – ZIBBCM, t. 9.

Io no zavatra ilaintsika hotsaroana, tsy rehefa mijery ny hafa fotsiny isika fa rehefa mijery ny tenantsika ihany koa. Kristianina iza moa, eo amin’ny teboka iray eo amin’ny diany, no tsy kivy, no tsy mametra-panontaniana momba ny finoany, no tsy manontany tena raha efa tena niova fo marina izy na tsia? Matetika loatra ihany koa ny toetra amin’ny maha-olona lavo antsika, ny fahotantsika, ny fahalementsika no mahatonga io fahakiviana io. Koa afaka ary tokony hanana fanantenana isika, eo anivon’ireo olana toa mampamoy fo ireo, fa fantatr’Andriamanitra avokoa ireo zavatra rehetra ireo ary ho an’ny olona tahaka antsika izao mihitsy no nahatongavan’i Kristy teto amin’ity izao tontolo izao ity.

Inona ireo teny fikasana ao amin’ny Baiboly azonao fikirina amin’ny fotoam-pahakiviana sy famoizam-po ara-panahy?

Pejy ambony

 

ALAKAMISY: NY FAHATERAHAN’ILAY ZANAK’I DAVIDA AVY ANY AN-DANITRA (Mat. 2:1–14)

Fiambenana maraina: Ny zavatra tena loha laharana - Mat. 4 :17

Tany ho any, tao anatin’ny rivotry ny alina mangina teo anelanelan’ny Mat. 1 sy ny Mat. 2, no teraka i Jesôsy. Ampoizina fa tsy tamin’ny 25 Desambra izany. Raha ny fotoana nanaovan’i Zakaria mpisorona fanompoana tao an-tempoly no jerena, dia manoso-kevitra ireo mpandalina ny Baiboly fa ankevitry ny tamin’ny fararano i Jesôsy no teraka, raha mbola nivoaka tany an-tsaha ny ondry, angamba tamin’ny fiafaran’ny volana Septambra na tamin’ny volana Oktôbra.

Hafahafa tokoa fa Jentilisa ny sasany tamin’ireo olona voalohany nitady sy niankohoka tamin’ilay Mesia jiosy. Ireto mpandeha lavitra avy tany atsinanana ireto no nanokatra ny fo amam-panahiny, kanefa nieritreritra ny nahafantatra ny karazana Mesia nandrandrainy ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jesôsy (sy ilay Jiosy tapany feno fanahiahian-dratsy, i Herôda mpanjaka). Filôzôfa nohajaina avy tany Persia ireo magy na olon-kendry ireo, izay nanokana ny fiainany mba hikatsahana ny fahamarinana, na avy taiza na avy taiza niavian’izany. Tsy mahagaga àry izany raha toa ka niankohoka teo anatrehan’ilay Iray izay “Fahamarinana” tokoa izy ireo. Na dia samy hafa aza ny tontolon-kevitra, dia mahita ohatra iray momba ny fahamarinan’ny teny nambara taonjato maro talohan’izay isika: “Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.” - Jer. 29:13.

Vakio ny Mat. 2:1–14. Inona no fahasamihafana hita eo amin’ny fihetsik’ireto olon-kendry ireto raha ampitahaina amin’ny fihetsik’i Herôda mpanjaka?

Niankohoka sy nivavaka tamin’i Jesôsy ireto mpanompo sampy ireto. I Herôda mpanjakan’ny firenena jiosy kosa anefa nikendry izay hamonoana an’i Jesôsy!

Tokony ho fampahatsiahivana mahery vaika io tantara io fa tsy manome antoka ny amin’ny maha-ao anatin’ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra ny maha-mambran’ny fiangonana. Tokony ho fampahatsiahivana ihany koa io tantara io fa tena zava-dehibe ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny fahamarinana. Raha takatr’i Herôda sy ireo mpisorona tsara kokoa ny faminaniana momba ny Mesia, dia ho fantatr’i Herôda fa tsy ilay karazana loza mandindona izay atahorany i Jesôsy. Ho takany fa tsy olona tokony hampiahiahy io “Mpanjakan’ny Jiosy” io, fara faharatsiny eo amin’ny resaka fihazonan’i Herôda ny fahefana ara-pôlitika ananany ankehitriny.

Ahoana no ahafahantsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, vahoaka izay notahina tamin’ny fahazavana betsaka, hiaro ny tenantsika amin’ny finoana fa ao anatin’ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra isika noho isika manana io fahazavana io fotsiny? Etsy ankilan’izay, ahoana no ahafahan’ny fananana io fahazavana io hanampy antsika hanandrana hiara-mandeha lalina kokoa amin’Andriamanitra, noho ny fandinihana ny toetrany izay asehon’ny fahamarinana amintsika?

 Pejy ambony

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Fibebahana, fahotana, alahelo - 2 Kôr. 7:10

Filentehan’ny masoandro: 5.50

Jereo ity tenin’i Ellen G. White: “Amin’izany fomba izany no ahazoan’ny mpanota rehetra manatona an’i Kristy. ‘Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika’. – Tit. 3:5. Rehefa milaza aminao Satana fa mpanota ianao ka tsy mahazo manantena ny handray fitahiana avy amin’Andriamanitra, dia lazao azy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Kristy hamonjy ny mpanota. Tsy manana na inona na inona hoentina eo amin’Andriamanitra isika haha-mendrika antsika eo aminy; fa ny fiangaviana izay azontsika aroso ankehitriny sy lalandava, dia ny toe-pahalemena tanteraka misy antsika izay mahatonga ny heriny manavotra ho tsy maintsy ilaina.” — IFM, t. 333. Hevitra mahery vaika manao ahoana re izany: “ny toe-pahalemena tanteraka misy antsika” no mahatonga an’i Kristy ho Mpamonjy tsy maintsy ilaina. Tsy miova io fahamarinana io na vao voalohany aza izao no anatonantsika an’i Jesôsy, na raha efa niara-nandeha Taminy nandritra ny androm-piainantsika rehetra isika. Mpanota mila fahasoavana ihany koa isika, tahaka ireo olona ao anatin’ny firazanan’i Jesôsy. Vokatry ny famonjena fa tsy anton’ny famonjena velively ny fankatoavantsika ny lalàna, ny fandresentsika ny fahotana sy ny fakam-panahy, ary ny fitomboantsika ao amin’i Kristy, na dia ampahany amin’ny fiainana kristianina aza ny ankamaroan’ireo. Na toy ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana isika na toy ny olo-masina iray tafafindra any an-danitra amin’ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, isika rehetra dia samy eo amin’ny “toe-pahalemena tanteraka” ka “mahatonga ny heriny manavotra ho tsy maintsy ilaina.” Zava-dehibe manao ahoana re ny tsy hanadinoantsika na oviana na oviana io fahamarinana fototra io e!

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Nanana fiheveran-diso lehibe momba ny faminaniana i Herôda ka nahatonga azy hanao zavatra mahatsiravina, araka ny hitantsika tamin’ity herinandro ity. Eritrereto ireo fiheveran-diso momba ny faminaniana ankehitriny. Ohatra, maro no mino fa hakarina mangingina sy amin’ny takona ho any an-danitra ireo kristianina mahatoky, ireo fianakaviany sy ireo namany izay “tavela” kosa anefa, etsy an-daniny, manontany tena hoe nahoana ireo olona ireo no nanjavona tsy hita tampotampoka teo. Inona no mety ho loza mandindona amin’ny fihazonana fiheveran-diso momba ny faminaniana tahaka izany? Na, ahoana ny amin’ny fiheverana fa tsy maintsy hatsangana indray ny tempolin’i Jerosalema ary haverina indray ny fanaovana fanatitra biby, ho toy ny iray amin’ireo trangan-javatra farany amin’ny tantaran’ny tany? Inona ihany koa ireo fahatakaran-diso momba ny faminaniana izay tokony hanampy antsika hiaiky ny tena maha-zava-dehibe ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny faminaniana?
 Pejy ambony