LESONA 13

FANAVOTANA

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 20:1–3; Jer.4:23–26; 1 Kôr. 4:5; Apôk. 20:7–15; Fil. 2:9–11; 2 Pet. 3:10.

Tsianjery: “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha” – Apôk. 21:4.

M atetika ny olona no manontany hoe: nahoana no nisy ny ratsy tany am-boalohany? Ny valiny lehibe amin’izany dia hoe: fahafahana. Ny fahafahana marina, ny tena safidy malalaka, dia mety hidiran’ny loza. Raha tena malalaka marina ny olona, dia azo antoka fa ananany ihany koa ny safidy hanao ny tsy mety.

Rariny loatra izany, saingy izao indray no fanontaniana mipetraka manaraka: Nahoana àry no tsy nofongoran’Andriamanitra fotsiny tsotra izao izy ireo rehefa nanao ny tsy mety ary novonjeny tamin’ny vokatra mahatsiravin’ny fikomiana kosa ny sisa tavela amintsika?

Eo anivon’ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy indrindra no isian’ny valiny. Araka ny hianarantsika amin’ity herinandro ity, dia karazana fitondram-panjakana “mahitsy” no tantanin’Andriamanitra. Zavatra maro mikasika Azy sy ny fombany no mbola zava-miafina kanefa tsy maintsy hovahany ny olan’izany ady lehibe izany. Izany dia hamarana mandrakizay ireo olana rehetra mikasika ny sorona nataony, ny fahatsarany, ny fahamarinana ary ny fitiavana sy ny lalàna.

Tsy misy isalasalana ny hanomezana antsika arivo taona hahazoana ny valiny. Izany dia valim-panontaniana momba ny antony maha-very ny ratsy fanahy (Hanana fotoana lava dia lava isika ho an’ireo fanontaniantsika sisa). Aorian’ny fiavian’i Kristy fanindroany, dia hiaraka hiaina sy hanapaka amin’i Kristy mandritra ny arivo taona ny olona voavotra. Ny vao mainka mahafinaritra lavitra aza dia hanana anjara amin’ny fitsarana izy ireo. Andeha isika handinika ireo dingana farany ao anatin’ity tantara lavan’ny ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy ity.


ALAHADY

MAMATOTRA AN’I SATANA (Apôk. 20:1-3)

Vakio ny Apôk. 20:1-3. Inona no tantaraina eto ary inona no fanantenana atolony antsika?

Fomba maro no ampiasana ny hevitra fonosin’io famatorana io ao amin’ny Baiboly. Amin’ny sehatra tsotra indrindra dia mahakasika ny mpifatotra iray izany (voafonja). Nanafaka ny maro izay efa voafatotr’i Satana i Jesôsy. Ankoatra izany, ny famatorana ihany koa dia ampiasaina ilazana ny fahefana omen’Andriamanitra ny fiangonana eo anatrehan’ny faharatsiana. Tandindon’ny fitsarana izy amin’izay fotoana izay.

Rehefa azo ny mpanao heloka bevava mahavanon-doza iray, dia tsy maintsy ampidirina an-tranomaizina izy na fatorana. Matetika dia matetika indrindra anefa ao amin’ny Baiboly, dia tsy olona manao heloka bevava no fatorana. Nofatorana i Jaona mpanao batisa satria nitsikera ny faharatsian’ny mpanjaka (Mat. 14:3,4). Nofatorana tao amin’ny Saha i Jesôsy (Jao. 18:2), tamin’ny nitsarana Azy (Jao. 18:24), ary tamin’ny nahafatesany (Jao. 18:40). I Paoly (Asa 21:33) sy i Petera (Asa 12:6) koa dia samy nofatorana.

Maro ny fotoana nifanatrehan’i Jesôsy tamin’ny olona izay voafatotr’i Satana. Tao ny demôniaka iray izay nahatapaka ny gadra teny amin’ny tanany sy ny tongony (Mar. 5:3,4). Voafatotr’ireo demonia tao anatiny ny fiainan’ilay demôniaka. Talohan’ny namahan’i Jesôsy azy tamin’ny fatoran’ny demonia, dia tsy nisy nahavita nampiato ny fifehezan’ny faharatsiana teo amin’ny fiainany. Nifanena tamin’ny vehivavy iray efa nanjoko noho ny asan’ny fanahy ratsy ihany koa i Jesôsy ka nanafaka azy (Lio. 13:11,12,16). Nafahany avy tao am-pasana ihany koa i Lazarosy sy tamin’ny fehim-paty teny aminy (Jao. 11:43,44). Tao ihany koa i Barabasy voafatotra, izay navotsotra mba hahazoana manombo an’i Jesôsy amin’ny hazo fijaliana (Mar. 15:7-15). Ao amin’ireo ohatra rehetra ireo dia hitantsika i Satana miezaka mamatotra ny olona amin’ny fijaliana sy ny fahoriana na mamatotra ny tsy manan-tsiny mba hitomboan’ny faharatsiana hatrany. Hitantsika ihany koa anefa i Jesôsy mamaha ny gadran’ny fahafatesana mba hitondrana fahafahana ho an’ny tontolo iray izay voagadran’i Satana ka toa tsy misy antenaina intsony ny aminy. Amin’ny farany anefa i Satana dia hofatorana ka hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa (Apôk. 20:1-3).

Tafiditra ao anatin’ny asa nanirahana an’i Jesôsy ihany koa ny fanafahana an’ireo voafatotr’i Satana sy ny fanomezana fahefana ny mpanara-dia Azy. Nanome toky azy ireo Izy fa azo fatorana i Satana “ny mahery” mba hahazoana mandroba ny trnaonony (Mat. 12:26-29). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, tsy manana hery hanoherana an’i Kristy sy ny mpanara-dia an’i Kristy i Satana satria efa novahan’i Kristy tamin’ny fatorany ny olony.

Araka ny voalazan’i Paoly, “ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra” (2 Tim. 2:9). Izany no fomba nampanginan’i Jesôsy an’i Satana (Mat. 4:4,7,10), ary azontsika ampiasaina hiadiana aminy koa izany fahefana izany.

Inona ny teny fikasana azonao ampiasaina ka hanafaka anao amin’izay mety ho fatorana ampiasain’ilay ratsy hangejana anao?


ALATSINAINY

IREO FANONTANIANA HOE “NAHOANA” (Apôk. 20:4)

Ireo andalan-teny voalohany ao amin’ny Genesisy dia mamaritra ny tany ho “tsy nisy endrika sady foana” (Gen. 1:2). Ireo teny ireo ihany no ampiasain’i Jeremia hanoritana ny tany aorian’ny faharavana hoentin’ireo loza fito farany sy ny fiavian’i Kristy fanindroany. “Rava teo anatrehan’i Jehovah” ny tanàna rehetra eto ambonin’ny tany (Jer. 4:26). Ao amin’ny fitantaran’i Jeremia dia tsy misy olona tafajanona amin’izay fotoana izay (Jer. 4:25). Ao amin’ny fitantaran’i Jaona indray dia tsy afaka hamitaka an’iza na iza intsony i Satana (Apôk. 20:3).

Ny vokatry ny Fiavian’i Kristy izay mahakasika izao tontolo rehetra izao no hanazava izay mitranga ao amin’io voalazan’ny Apôkalipsy io. Voalohany, nanome toky i Jesôsy fa handray ny mpanara-dia Azy any amin’ilay toerana nomaniny rehefa nandao ny tany Izy (Jao. 14:1-3). Voalazan’i Paoly ihany koa fa misy olona mbola velona tafiditra ho anisan’ireo mpanara-dia ireo miampy an’ireo efa natsangana avy tao am-pasana (1 Tes. 4:16,17). Mbola manampy tsipirian-javatra hafa koa i Jaona: aorian’ny fitsanganana voalohany amin’ny Fiavian’i Kristy fanindroany, dia hijanona ao amin’ny fahatesana ihany ireo sisa amin’ny maty mandra-pahatapitry ny arivo taona (Apôk. 20:5).

Vakio ny Apôk. 20:4. Inona no tantaraina ao amin’ireo andininy ireo?

“Ary nomena fahefana hitsara izy”. Ahoana no hahazoan’izy ireo mitsara kanefa tsy manana fanampim-pahalalana mihoatra noho izay ananany amin’izao fotoana izao izy? Mialoha ny tsy maintsy handringanana ny ratsy fanahy dia omena ny voavotra aloha ny tombontsoa hahazoany ny valin’ireo “nahoana” marobe izay napetrany. Homena azy ireo koa aza ny fahefana hitsara ny very. Mahatalanjona indrindra izany!

“Miaraka amin’i Kristy izy mitsara ny ratsy fanahy, ka hampitaha ny asa nataony amin’ny bokin’ny fitsipika, dia ny Baiboly, ary nanao fanapahan-kevitra momba ny tsirairay, araka ny zavatra nataon’ny tenany avy. Avy eo dia tapahina ny anjara tsy maintsy hozakain’ny ratsy fanahy araka ny asany avy, ary soratana manandrify ny anarany ao amin’ny bokin’ny fahafatesana izany”. – HM, t. 687.

Mandritra io fotoana fanokafana ny boky firaketana io, dia ho azontsika an-tsaina ireo fotoana marobe izay nibitsihin’ilay feon’Andriamanitra malefaka tamin-teny feno hatsaram-panahy sy fitiavana tamin’ireo very. Feno faharetana erỳ Izy kanefa dia tsy re intsony izany teo anivon’ireo fakam-panahin’izao tontolo izao. Niandry tamim-pahanginana Andriamanitra, niandry ny fotoana hanekena Azy ho Ilay nandoa ny onitra lehibe mba hananan’izy ireo fiainana. Ny fahafatesana anefa no nofidian’izy ireo. Misy zavatra ve eo amin’ny fiainanao ka misakana anao tsy handre ny feony? Mbola miandry anao amim-paharetana Izy. Ny fiainana no fidio.

Vakio ny 1 Kôr. 4:5. Teny fikasana inona no omena eto momba ny Fiavian’i Kristy fanindroany? Ahoana no hiankinanao amin’io teny fikasana io ankehitriny, na dia maro aza ireo fanontaniana ao an-tsainao ao tsy mbola voavaly?


TALATA

NY FITSARANA FARANY (Apôk. 20:7-15)

Tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly dia nisy toerana anankiroa nanatanterahana ny fitsarana: ny vavahadin’ny tanàna sy teo anatrehan’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka. Ny tranga madinidinika no nosahanin’ny loholona ary izay olana lehibebe kosa no nodinihin’ny mpanjaka. Izy no tompon’ny teny farany mba ho azo antoka ny fitsarana. Izany sary izany no anehoan’ny Baiboly an’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjakan’izao tontolo rehetra izao Azy, mba ho azo antoka ny fitsarana amin’ny farany (Apôk. 20:11-15).

Vakio ny Apôk. 20:7-15. Ahoana no fahazoantsika ireo toe-javatra lehibe ireo?

Miresaka momba ny arivo taona ranofotsiny ny Apôk. 20. Mandritra io fe-potoana io araka izany no hisehoan’izany fitsarana manokana izany. Tsy ilay toe-javatra voalaza ao amin’ny and. 4 no voaresaka eto. Tantarainy kosa fa misy seza fiandrianana maromaro ao, kanefa ny and. 11 dia milaza fa iray ihany izany. Tsy amin’ny fiandohan’ny arivo taona no hisehoan’izany fitsarana izany fa amin’ny fihafarany. Aorian’ny fitsanganana faharoa no hisehoany (Apôk. 20:5) ary aorian’ny hanangonan’i Satana ny olona rehetra tsy voavonjy mba hanodidina ny Tanàna Masina (Apôk. 20:7-9). Ho hita manerinerina eo ambonin’izany tanàna izany amin’izay fotoana izay ny seza fiandrianan’Andriamanitra fotsy lehibe. Manatrika eo avokoa ny olona rehetra efa nisy hatramin’izay; ny sasany ao anatin’ny tanàna ary ny sasany eny ivelany. Io ilay fotoana noresahan’i Jesôsy rehefa nilaza Izy fa hisy olona sasany hanontany an’Andriamanitra ny antony tsy nahatafiditra azy tao amin’ny fanjakany (Mat. 7:22,23). Io ihany koa ilay fotoana nambaran’i Paoly tamin’ny nilazany fa indray andro any ny lohalika rehetra dia hilefitra eo anatrehan’i Jesôsy: “na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambanin'ny tany, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray” (Fil. 2:9-11).

Ny tanjon’ny fitsarana dia tsy ny hampahafantatra an’Andriamanitra ny zavatra tsy mbola fantany. Efa fantany avokoa mantsy ny zavatra rehetra. Ny kendrena dia ny mba ho azo antoka fa fantatry ny rehetra tsara ny antony nanatanterahan’Andriamanitra ny fitsarana toy izany fomba nanaovany azy izany. Ny olona tsirairay avy, ny anjely tsirairay avy, dia hiloa-bava hoe: “Marina Hianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao” (Apôk. 16:5). Ny voavonjy sy ny very, na olombelona izy na anjely dia hahita ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fahatsarany.

Ny seho farany amin’ity tantara ity dia ny fandringanana ny “fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita”, mbamin’ireo “tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana (Apôk. 20:14,15). I Jesôsy no mihazona ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita (Apôk. 1:18). Tsy hisy amin’ireo intsony no hanana fahefana amintsika. Tsy hijaly mandritra ny mandrakizay ny very fa horinganina. Hitsahatra tsy hiaina intsony izy ireo, izay mifanohitra amin’ny hoe manana ny fiainana mandrakizay.

 

ALAROBIA

LANITRA VAOVAO SY TANY VAOVAO (Apôk. 21:1,2,9,10)

Mpamangy tsy niriana ny ota sy ny fikomiana. Tsy nokendrena ho tonga teto na oviana na oviana izy ireo. Fahapotehana tsy takatry ny saina no nentiny. Koa satria tsy eto intsony ilay nahatonga ny faharavana, dia fotoana izao hamerenana ny zavatra rehetra amin’ilay endriny tsy misy kianina. Tsy hitranga izany raha tsy mifarana ny ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy.

Vakio ny Apôk. 21:1,2,9,10; Apôk. 22:1-3. Inona avy ireo lafiny lehibe amin’ny fitantaran’i Jaona? Inona no tian’izy ireo hambara?

Rehefa mitantara ny amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao i Jaona, dia mamerina indray izay voalazan’i Petera hoe: “Ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra” (2 Pet. 3:10). Araka ny efa fantatsika tsara dia zavatra mihoatra lavitra noho ny fanovana fotsiny no ilain’ny tany. Horavana tanteraka avokoa ny zavatra rehetra etỳ mba hampisy aina izay vaovao tanteraka.

Voalazan’i Jaona ihany koa fa tsy hisy intsony ny ranomasina (Apôk. 21:1). Tao amin’ny nosy iray (Patmô) izay nohodidinin’ny ranomasina tsy hahafaha-mandositra no nanoratany izany. Na dia amin’ny sambo môderina aza dia ora maromaro no ilaina vao tonga eo amin’io nosy io. Any amin’ilay tany vaovao dia tsy hisy intsony ny ranomasina izay hisakana ny voavonjy tsy hanatona amin-kalalahana na hijery ireo olona tiany.

Mahasondriana erỳ ny fandrenesana momba ilay Jerosalema vaovao! Tanàna iray tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly no ilazany azy satria izay no hany fantatr’i Jaona. Tsy mitombina raha ny sary nataon’ireo artista izay nanao ny sarin’ireo trano teo amin’ilay tanàna ho manatahaka ny trano rômanina tamin’ny taonjato voalohany. Izany dia tsy misy itovizany velively amin’izay zavatra nataon’olona satria ilay Jerosalema Vaovao dia tanàna izay “Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany” (Heb. 11:10).

Tsy takatry ny saintsika izany fanoritsoritana rehetra izany. Endrey izany fahavononantsika hamela ny saintsika hahazo sary sahady izay efa nomanina ho antsika any amin’ny hoavy. Tsy azontsika visavisaina akory izany. Ankoatra izany, ny refin’ny tanàna dia milaza fa midadasika dia midadasika izy. Misy ny toerana ho an’ny olona rehetra noho izany.

Jereo ny hakanton’ny zavaboary manodidina sy izay ambarany amintsika momba ny toetran’Andriamanitra, na dia efa nosimban’ny fahotana aza izany. Ahoana no hanampian’ny zavatra hitan’ny masontsika amin’izao fotoana izao hitoky amin’ny fanantenana ny zavatra tsy mbola hitantsika?


ALAKAMISY

TSY HISY RANOMASO INTSONY (Apôk. 21:3-5)

Vakio ny Apôk. 21:3-5. Inona no hevitry ny ranomaso voalaza ao amin’ireo andininy ireo?

Isika rehetra dia mahafantatra ny atao hoe mitomany. Efa mahazatra antsika ihany koa ny mamafa ny ranomaso eny amin’ny mason’ny olona iray hafa: (1) ny reny izay manambitamby amim-pitiavana ny zanany; (2) ny sakaiza akaiky mampahery ny olona iray hafa; na (3) ny ray aman-dreny mifampahery eo anivon’ny alahelo lalina na ny toe-javatra mampahory. Fantatsika ihany koa fa tsy ny olona rehetra no avelantsika mikasika ny tarehintsika. Ny fikasihan’Andriamanitra ny tarehintsika àry dia midika fa manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’ny Mpahary antsika isika.

Sarotra ny mahazo an-tsaina ny tontolo iray tsy misy fahafatesana na alahelo na tomany. Zavatra efa nahazatra teto amin’ity fiainana ity ny fangirifiriana sy ny hatsembohana ary ny ranomaso sy ny fahafatesana raha vao nisy ny Fahalavoana (Gen. 3:16-19). Nanomboka tamin’izay anefa no efa nampanantenan’Andriamanitra ny taranak’olombelona fa tsy ho hita any an-danitra ny tsy fahombiazana na ny faharesena. Vitsy ihany ny teny fikasana nomen’Andriamanitra izay milaza fa indray andro any Izy dia hamonjy antsika sy hitahy antsika amin’ny fanatrehany.

Voalohany aloha dia ny teny fikasana momba ny Mpamonjy iray no nomeny (Gen. 3:15); avy eo dia ny teny fikasana momba ny fanatrehany ao amin’ny fitoerana masina (Eks. 25:8); manaraka izany ny Teny izay tonga nofo ary nonina tamintsika (Jao. 1:14); ary farany, ny hametrahany ny seza fiandrianana miaraka amintsika (Apôk. 21:3).

Andininy maro ao amin’ny Baiboly no mamintina izany teny fikasana izany amin’ny fampiasana ireo teny toy ny hoe: “Ary Izaho ho Andriamaniny”, “hianareo ho oloko”, ary “hitoetra eo aminareo Aho”. Ohatra iray amin’izany ny hoe: “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko” (2 Kôr. 6:16).

Ny nahatongavan’i Jesôsy voalohany indrindra dia ny hampitsahatra ny vokatry ny fifanekena rava. Toy izao no filazan’i Jeremia ny vokatr’izany fifanekena rava izany: “Nahoana hianao no mitaraina noho ny faharatrànao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azonao atsahatra fa noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao no nanaovako izany taminao” (Jer. 30:15). Noho i Jesôsy dia tantara mitoetra sisa izany. Ao amin’ny Apôk. 21:3 no mamarana ireo toe-javatra rehetra hita tao amin’ny Baiboly. Angamba ny fandringanana farany ireo very no handatsahantsika ny ranomasontsika, kanefa dia hofafan’Andriamanitra izany ary ny alahelo sy ny fahoriana dia tsy ho hita intsony mandrakizay.

Milaza ireo andininy ireo fa ho akaiky dia akaiky amin’Andriamnamitra isika raha vao tonga any an-danitra. Tsy voatery hiandry izany fotoana izany anefa isika vao hanana izany karazana fifandraisana Aminy izany. Ahoana no hiarahanao mandeha akaiky dia akaiky amin’Andriamanitra, na dia amin’izao fotoana izao sahady aza?


ZOMA

Fianarana fanampiny: Saintsaino ny amin’ny arivo taona sy ny fahatakarantsika izany. Tsy dia betsaka loatra ny voalaza tamintsika momba izany kanefa ampy izay zavatra nambara izay hahafantarantsika zavatra kely monja. Voalohany, ny arivo taona dia miantomboka amin’ny fandringanana farany ny very. Faharoa, mialoha ny fandravana farany dia handany izany fe-potoana izany hahazoana ny valin’ny fanontaniana maro napetrany ny voavotra. Hanana anjara amin’izany fotoam-pitsarana izany mantsy izy ireo. Izy ireo mihitsy aza no hitsara. “Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao?” (1 Kôr. 6:2). “Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika?" (1 Kôr. 6:3). Araka ny novakintsika tamin’ity herinandro ity, mandritra izany arivo taona izany dia “nomena fahefana hitsara izy” (Apôk. 20:4); izany hoe ny olona masina. Fahamarinana lehibe iray no hazavain’ireo hevi-dehibe roa ireo: tsy misy amin’ny very no hihatrika fitsarana farany raha tsy any aorian’ny arivo taona, mandra-pahatonga ny voavonjy (1) hahatakatra ny antony naha-very ny ratsy fanahy, ary (2) hanana anjara amin’ny fitsarana azy ireo. Saintsaino ny zavatra ambaran’izany antsika mikasika ny toetran’Andriamanitra sy ny fahitsian’ny fitondram-panjakany. Mialoha ny hiatrehan’ny olona iray ny fitsarana farany, dia ho takatry ny vahoakan’Andriamanitra mazava tsara ny fahamarinana sy ny fahitsian’ny fitsarana farany ataon’Andriamanitra amin’ny very. Hiteraka alahelo lalina izany saingy rehefa hifarana kosa dia hanandra-peo isika hoe: “Marina Hianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao” (Apôk. 16:5).

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Ahoana no hanampian’ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy antsika hahatakatra misimisy kokoa ny anton’ny fahoriana sy ny fahafatesana manodidina antsika amin’izao fotoana izao, na dia fanontaniana sarotra maro aza no tsy mbola voavaly?

2. Raha misy olona manontany ianao hoe: “Ahoana no hataoko hiarahako mandeha amin’Andriamanitra amin’ny fomba akaiky sy etiety kokoa?”, dia inona no havalinao?

3. Saintsaino lalindalina kokoa ny amin’ny tokony hahavonona antsika dieny izao sahady ho any an-danitra. Midika inona izany? Ahoana no hahatakarantsika izany foto-kevitra izany raha jerena araka ny filazantsara?

4. Inona avy ireo fanontaniana tianao hahazoana valiny? Mandra-pahazoanao izany, dia ahoana no hianaranao mitoky amin’ny fahatsarana sy ny fahitsian’Andriamanitra eo anatrehan’izao fahoriana marobe izao?