LESONA 13

18 - 24 JONA

NOHOMBOANA ARY NITSANGANA TAMIN'NY MATY

LESONA 13
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.21

 

Tsianjery: “‘Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany’- Mat. 28:18.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 27:11–26; Jao. 3:19; Isa. 59:2; Mat. 27:45,46,49–54; Heb. 8:1–6; Mat. 28:1–20.

 

Fiambenana maraina: Ny fivavahana tian’ny besinimaro - 2 Tim. 3:5.

 

Nisy dokam-barotra tao amin’ny gazetiboky anglisy iray, nanontany raha misy olona hanolotra maimaim-poana ny nofony ho an’ny siansa. Nolazaina tamin’izany fa nanao fikarohana momba ny zava-miafin’ireo fatina Egiptianina nohamainina ny manam-pahaizana, ka nitady olona eo ambavahoan’ny fahafatesana tsara sitrapo izay vonona hanolotra ny nofony aorian’ny fahafatesany. Nino ireto manam-pahaizana ireto, hoy ny fanazavan’ilay dokam-barotra, fa voavakin’izy ireo ny tsiambaratelon’ny fomba namadihan’ny Egiptianina ny nofony ho faty maina. Nilaza koa izy ireo fa “ho voatahiry ka tsy ho azon’ny fahalovana mandritra ny zato taona maro, eny arivo taona maro, ilay nofo” (www.independent.co.uk/news/science/now-you-can-be-mummified-just-like-the-egyptians-1863896.html).

     Tsy ilaintsika ny misahirana amin’ny fitahirizana ny nofontsika tsy ho azon’ny fahalovana, amin’ny maha-Kristianina antsika. Nampanantena antsika zavatra tena tsara lavitra noho izany Andriamanitra, izay mifototra amin’ny toe-javatra roa. Ny fahafatesan’i Jesôsy no toe-javatra voalohany, izay nandoavany ny sazin’ny fahotantsika. Ny fitsanganany tamin’ny maty kosa no toe-javatra faharoa, izay nahalasa Azy “santatr'izay efa nodi-mandry” (1 Kôr. 15:20). Ireo toe-javatra roa ireo no nanokatra ny lalana ho an’ny nofontsika, tsy “hotahirizina” tahaka ireo farao tamin’ny andron’ny Baiboly (na izany na tsy izany, raha tsy mbola nahita ny nofon’izy ireo ianao, dia tsy tsara loatra ny mijery azy), fa mba hovana ho vatana tsy mety ho lo, izay hiaina mandritra ny mandrakizay.

Handalina ireo toko farany ao amin’ny Filazantsaran’i Matio isika amin’ity herinandro ity. Hianarantsika ireo fahamarinana tsy manam-petra mahakasika ny fahafatesan’ny Tompontsika sy ny fitsanganany tamin’ny maty, sy ny fanantenana atolotr’ireo trangan-javatra roa ireo antsika.


Pejy ambony

ALAHADY: JESOSY SA BARABASY (Mat. 27:11–26)

Fiambenana maraina: Zaza ara-panahy - 1 Kôr. 3:1-3.

 

Vakio ny Mat. 27:11–26. Inona no hevitra lalin’ny safidy nomena ny olona sy ny safidy nataon’izy ireo?

 

I Barabasy mpamono olona no tokony ho nohomboana teo am-povoan’ny hazofijaliana. Ampoizina fa mpiray tsikombakomba taminy ireo jiolahy teo an’ila. Tsy fanampin’anarana ny hoe Barabasy fa anarana. Ny Bar dia midika hoe: “zanak’i,” tahaka ny hoe Simôna Bar Jaona dia nidika hoe: “zanak’i Jaona” na Bartolomeo izay nidika hoe “zanak’i Tolomeo.” Ny Barabasy dia midika hoe “zanak’i Abba” – izay midika hoe “zanaky ny ray.” Asasoratra taloha maro no mitatitra fa Yeshua (Jesôsy) no fanampin’anaran’i Barabasy. Anarana nahazatra tamin’izany fotoana izany ny hoe Yeshua, izay midika hoe: “Jehôvah no mamonjy.” Koa ny anaran’i Barabasy izany dia tahaka ny hoe: “zanaky ny ray, Jehôvah no mamonjy.”

Toe-javatra hafahafa manao ahoana re izany, rehefa mandinika ny tena toetr’i Barabasy isika!

     “Nihambo ho Mesia io lehilahy io. Nihambo ho nanana fahefana hampitoetra amin-javatra hafa izy, mba hametraka an’izao tontolo izao eo amin’ny marina. Nofitahin’i Satana izy ka nilaza fa na inona na inona mety ho azony amin’ny halatra sy ny fandrobana, dia azy. Nanao zava—mahagaga izy tamin’ny alalan’ny anjelin’i Satana, nisy nanaraka azy ny vahoaka, ary nitarika fikomiana tamin’ny fitondram-panjakana Romana izy. Nisalotra hafanam-po ara-pivavahana izy, nefa olona ratsy fanahy, mahavanon-doza, nirona ho amin’ny fikomiana sy ny habibiana. Raha nampisafidy ny vahoaka an’io lehilahy io sy ny Mpamonjy tsy manan-tsiny i Pilato, dia nihevitra izy fa hifoha ao amin’izy ireo ny fahatsiarovana ny rariny. Nanantena izy fa hisy hiray fo amin’i Jesosy ka hanohitra ny mpisorona sy ny mpanapaka.” – IFM, t. 788.

     Diso i Pilato. Hanao safidy ara-panahy diso ny olona raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina, tahaka izay nataon’ny vahoaka teto. Tsy maintsy mifidy ny iray amin’i Jesôsy sy i Barabasy isika rehetra amin’ny farany, mifidy an’i Kristy na izao tontolo izao lavo sy ratsy fanahy, mifidy ny fiainana na ny fahafatesana. “‘Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.’” - Jao. 3:19.

 

Nahoana ny olona no tia kokoa ny haizina noho ny mazava? Ahoana ny aminao? Ny haizina ve no tianao kokoa? Raha eny, inona no tokony hambaran’izany aminao momba ny maha-zava-misy ny toetsika lavo tamin’ny fahotana? Manan-danja kokoa noho izany aza, inona no tokony hambaran’izany aminao mahakasika ny filantsika fiantorahana tanteraka amin’ny Tompontsika?

Pejy ambony
 

ALATSINAINY: ILAY NOHOMBOANA HO SOLONTSIKA (Mat. 27:45,46)

Fiambenana maraina: Nampian’ny Fanahy - Gal. 5:16-18,24,25.

 

Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: ‘Ely, Ely, lamà sabaktany?’ izany hoe: ‘Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?’” - Mat 27:45-46. Inona no hevitr’io antsoantso io? Ahoana no tokony ho fahazoantsika ny heviny raha ampifandraisina amin’ny drafi-pamonjena?

 

Mitatitra izay nantsoin’ny teôlôjianina hoe: “ny antsoantson’ny fahatsapan-tena ho irery” i Matio. Ny fahatsapan-tena ho irery dia midika hoe: navela ho irery sy tsy misy mpiahy. Hitantsika eto ny fahatsapan’i Jesôsy ho nafoin’ny Ray. Maneho ny fitsaran’Andriamanitra manoloana ny fahotana (Isa. 13:9–16; Amô. 5:18–20; Jer. 13:16) ny haizina izay nandrakotra ny tany tamin’io fotoana io. Tsapan’i Jesôsy tao anatiny ireo vokatra mahatsiravin’ny fahotana. Nahatsapa fisarahana tanteraka tamin’ny Ray Izy. Noho isika dia nentiny tao amin’ny Tenany ny fitsaran’Andriamanitra manoloana ny fahotana, izay tokony ho antsika. “Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.” - Heb. 9:28 (jereo koa ny 2 Kôr. 5:21). Notanterahin’i Jesôsy teo amin’ny hazofijaliana ny teny ao amin’ny Sal. 22:1, satria niainany tamin’ny fomba miavaka ny zavatra izay iainan’ny olombelona: ny fisarahana amin’Andriamanitra noho ny fahotana. “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.” - Isa. 59:2.

Tsy honohono izany. Tena nozakain’i Jesôsy tokoa ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotana. Nilatsaka teo Aminy ny sazy noho ny fandikantsika ny lalàn’Andriamanitra, ka feno alahelo sy tahotra ny fanahiny raha nizaka ny vesatry ny fahamelohana, ny fahamelohantsika, teo Aminy Izy. Tena ratsy eo imason’Andriamanitra ny fahotana, hany ka naka ny Persôna iray amin’Andriamanitra Telo Izay Iray izany mba hiaritra ny fahamelohana sy ny famaizana ny fahotana, mba ho voavela ny amin’izany isika! 

Na dia teo anivon’izany zavatra mahatsiravina izany aza anefa, dia mbola afaka niantsoantso i Jesôsy hoe: “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô!” Mbola nitoetra ho mafy ny finoany, na dia teo aza ny zavatra rehetra niaretany. Hitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany Izy, na manao ahoana na manao ahoana ny fijaliana iaretany sy ny fahatsapany ho nafoin’ny Ray.

 

Ahoana izany hoe mahatsapa fisarahana amin’Andriamanitra noho ny fahotana izany? Nahoana ny fitakiana ny fahamarinan’i Kristy no vahaolana tokana ho antsika? Nahoana no tsy maintsy harahin’ny fibebahana, fiaiken-keloka, ary fanapahan-kevitra hahafoy ny fahotana io fitakiana io?

Pejy ambony

TALATA: EFITRA LAMBA NITRIATRA SY VATOLAMPY NITRESAKA (Mat. 27:49–54)

Fiambenana maraina: Ny vokatry ny Fanahy - Gal. 5:22,23.

 

Samy mitantara ny tantaran’i Jesôsy amin’ny fomba fijery samy hafa ireo mpanoratra ny Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, Jaona), saingy samy mifantoka amin’ny fahafatesany kosa izy rehetra. I Matio irery ihany anefa no mitantara momba ny efitra lamba nitriatra sy ny fasana nisokatra.

 

Vakio ny Mat. 27:49–54. Inona no hevitr’ireo trangan-javatra ireo? Inona no fanantenana asehon’izany ho antsika?

 

Nodimandry i Jesôsy vantany vao avy nanakora Azy ny vahoaka, noho ny tsy fahafantarany ny tena tenin’i Jesôsy, ny amin’ny hiavian’i Elia hamonjy Azy. Io fanakoràna io dia ohatra iray mahery vaika nefa mampalahelo izay maneho fa tsy fantatry ny ankamaroan’ny vahoakany tsara i Jesôsy.

Rehefa izay dia mitantara i Matio fa nitriatra avy any ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba. Mazava ny hevitr’io tandindona io: misy vanim-potoana vaovao manomboka eo amin’ny tantaran’ny famonjena. Tsy ilaina intsony ireo fanompoam-pivavahana fanaovana sorona izay nanondro an’i Kristy. Nosoloana zavatra tsara lavitra ilay efitra masina tandindona teto an-tany.

 

Vakio ny Heb. 8:1–6. Inona no ambaran’ireo andininy ireo izay hanampy antsika hahatakatra ny zavatra nitranga tamin’ny rafi-pivavahana tao amin’ilay efitra masina teto an-tany, ary inona no nasolo izany?

 

     Tsy mitantara fotsiny ny fahatriaran’ny efitra lamba i Matio, fa ny fitresahan’ny vatolampy, sy ny fisokafan’ny fasana, ary ny fitsanganan’ny sasany tamin’ireo nodimandry koa. Nitranga ireo sehon-javatra ireo noho izay nataon’i Kristy irery ihany, dia ny nahafatesany ho Solontsika, noho ny fahotana. Koa ato amin’ny Filazantsaran’i Matio no ahitantsika zavatra nitranga izay tsy ho vitan’ilay fanompoam-pivavahana fahiny na oviana na oviana. “Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.” - Heb. 10:4. Mazava loatra fa i Jesôsy irery ihany no mahaisotra ny ota. Ary ho antsika, ny fitsanganana amin’ny maty no vokatra lehibe, teny fikasana lehibe ateraky ny fanesoran’i Kristy ny fahotantsika. Tsy manana na inona na inona isika raha tsy misy io teny fikasana io (jereo ny 1 Kôr. 15:13,14,19). Hitantsika ao anatin’ireo fitsanganana amin’ny maty voalohany ireo (tsy fantatsika ny isany) ny fanantenana sy ny fampanantenana ny fitsanganantsika amin’ny maty amin’ny fiafaran’ity tantara ity.

Pejy ambony

ALAROBIA: ILAY KRISTY NITSANGANA TAMIN’NY MATY (Mat. 28:1–15)

Fiambenana maraina: Ny Fanahy tena ilaina - 1 Kôr. 2:9,10,12-15.

 

Tsy mifototra amin’ny hazofijaliana irery ihany ny finoana kristianina, fa amin’ny fasana foana koa. Ny marina dia izao: mino ny ankamaroan’ny mponina manerana izao tontolo izao, ao anatin’izany ny tsy Kristianina, fa maty teo amin’ny hazofijaliana ny lehilahy iray antsoina hoe Jesôsy avy any Nazareta. Tsy ela taorian’ny nahaveloman’i Jesôsy indray dia mahita tatitra ara-tantara isika, tahaka ity anankiray avy tamin’i Tacitus, mpahay tantara rômanina iray, ity: “I Néron (...) dia nampihatra ny fampijaliana feno habibiana indrindra tamin’ny vondron’olona izay nankahalaina noho ny finoany maharikoriko. Kristianina no fiantson’ny mponina io vondron’olona io (...). Niaritra ny famaizana mafy indrindra i Kristy, izay nipoiran’ilay anarana, nandritra ny fanapahan’i Tiberio. Teo ambany fifehezan’ny iray amin’ireo goverinorantsika, Pontio Pilato, no niseho izany fampijaliana izany.” - Tacitus, 57–117 TrK (www.causeofjesusdeath.com/jesus-in-secular-history).

     Misy adihevitra kely nipoitra, na tamin’izany na ankehitriny, raha toa ka nisy olo-malaza ara-tantara iray nantsoina hoe Jesôsy nohelohina sy nohomboana tamin’ny hazofijaliana.

     Ny Fitsanganana amin’ny maty no ampahany sarotra indrindra: ny hevitra fa lasa velona indray, ny Alahady maraina, ilay Jesôsy avy any Nazareta, izay maty ny Zoma hariva. Io no mampifanjevo ny olona maro. Trangan-javatra mahazatra tokoa mantsy izany hoe Jiosy iray homboan’ny Rômanina Jodia eo amin’ny hazofijaliana izany.  Fa izany hoe Jiosy iray nitsangana tamin’ny maty taorian’ny fanomboana azy teo amin’ny hazofijaliana? Resaka hafa tanteraka izany.

Tsy manana finoana kristianina fotsiny tsotra izao anefa isika raha tsy misy io finoana an’i Jesôsy nitsangana tamin’ny maty io. Izao no nosoratan’i Paoly: “Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo. Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.” - 1 Kôr. 15:14,19. Tsy maintsy narahin’ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty ny fahafatesany, satria ao amin’ny fitsanganany no ananantsika antoka ny fitsanganantsika amin’ny maty koa.

Manana safidy roa isika manoloana ny tantaran’ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty. Ny safidy voalohany dia ny fijerena io tantara io ho toy ny fampielezan-kevitra ara-pihetseham-po nosoratan’ny mpanara-dia manirery an’i Jesôsy vitsivitsy mba hihazonana ny fahatsiarovana Azy. Io no fomba hiezahantsika hihazonana ny fahatsiarovana tsy ho faty rehefa maty ny olo-malaza iray amin’izao vaninandro izao. Ny safidy faharoa rehefa manoloana ny tantaran’ny Fitsanganana amin’ny maty isika dia ny mandray izany ho ara-bakiteny, fitantarana avy any am-potony ny trangan-javatra mampitolagaga iray. Nohazavaina ho misy fiantraikany ho an’ny olombelona rehetra velona teto an-tany io trangan-javatra io tatỳ aoriana.

 

Vakio ny Mat. 28:1–15. Nahoana i Jesôsy no nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Mifalia” (and. 9, NKJV)? Azo antoka fa afaka mifaly izy ireo satria nitsangana tamin’ny maty ary niverina ny Mpampianany. Saingy inona no tena antony hifaliana amin’ny fitsanganan’i Jesôsy amin’ny maty?

Pejy ambony
 

ALAKAMISY: ILAY BAIKO LEHIBE

Fiambenana maraina: Vonton’ny Fanahy - Rôm. 5:5.

 

Ho an’ny olona maro, dia iray amin’ireo zavatra sarotra takarina indrindra nataon’i Kristy ny niverenany tany an-danitra sy ny nampiandraiketany ny asa fitoriana ny filazantsara tamin’ny olombelona. Impiry moa isika no mandiso fanantenana Azy sy ny tenantsika? Ary tsy hafa amin’izany ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesôsy, araka izay asehon’ny Filazantsara. Amin’ny fanankinana asa amintsika anefa no anehoan’i Kristy ny fitiavany antsika sy ny filantsika Azy.

 

Vakio ny Mat. 28:16–18. Ampitahao ny tenin’i Jesôsy manao hoe: “‘Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany’” (and. 18) sy ny Dan. 7:13,14. Ahoana no ifandraisan’ireo andininy ireo?

 

Vakio ny Mat. 28:19,20 – ireo andininy farany ao amin’io Filazantsara io. Inona no ambaran’i Jesôsy? Ary ahoana no tokony hampiharantsika ireo teniny ireo eo amin’ny fiainantsika?

 

     Manoso-kevitra i Ellen G. White fa teo ho eo amin’ny mpino 500 no tafavory teo an-tendrombohitra iray tany Galilia taorian’ny nitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty, rehefa nanome ny baikon’ny filazantsara ho azy ireo Izy. (Jereo ny 1 Kôr. 15:6.) Tsy ho an’ireo mpianatra irery ihany ny baikon’ny filazantsara nomeny, fa ho an’ny mpino rehetra. Izao no nosoratany: “Fahadisoana mampididoza ny mihevitra fa miankina fotsiny amin’ny mpitandrina voahosotra ny asa famonjena ny fanahy. Izay rehetra nandray ny aingam-panahy avy any an-danitra, dia hanankinana ny Filazantsara. Izay rehetra mandray ny fiainan’i Kristy dia baikoina hiasa ho amin’ny famonjena ny mpiara-belona aminy. Io asa io no nanorenana ny fiangonana, ary izay rehetra manao voady masina amin’ny fiangonana, dia manaiky amin’izany ho mpiara-miasa amin’i Kristy.” - IFM 880.

 

Matetika ve ianao no mandray ny tenanao ho mpiara-miasa amin’i Kristy? Ahoana no ahafahanao ho mavitrika kokoa amin’ny fitondrana ny filazantsara eo amin’ny tontolo manodidina anao?

Pejy ambony

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Miaina amin’ny fitiavana - 1 Jao. 4:16.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.22

 

Tahaka izay nataon’ireo mpanoratra hafa ny filazantsara, dia nanoratra momba ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty koa i Matio. Tahaka izay nataon’ireo mpanoratra namany koa, dia kely dia kely no nosoratany mahakasika ny hevitry ny Fitsanganana tamin’ny maty. Samy nanoritsoritra ny tantaran’ny Fitsanganana tamin’ny maty i Matio, sy i Marka, sy i Lioka, ary i Jaona. Tsy nanome antsika fanazavana ara-teôlôjika mivaingana momba izany anefa izy ireo, na dia tena manan-danja eo amin’ny finoana kristianina aza izany. Ao amin’ny asasoratr’i Paoly no ahazoantsika fanazavana amin’ny tsipiriany indrindra momba ny hevitry ny hazofijaliana. “Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.” - 1 Kôr. 15:20–22. Nanoratra koa i Paoly fa “niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.” Kôl. 2:12. Manan-kambara momba io lohahevitra manan-danja io koa i Petera: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty” - 1 Pet. 3:21. Tsy fantatsika ny antony nahatonga ireo mpanoratra ny Filazantsara tsy niditra lalina sy tamin’ny tsipiriany momba ny Fitsanganana tamin’ny maty. Misy mpandalina maro ny Baiboly anefa nahita izany ho toy ny porofo fanampiny momba ny fahamarinan’ny tantaran’ny Filazantsara. Raha efa taona maro tatỳ aorian’ireo trangan-javatra ireo tokoa mantsy izy ireo vao nanoratra, dia nahoana no tsy nohararaotin’izy ireo izany mba hanazavana amin’ny tsipiriany ny zavatra tian’izy ireo hinoan’ny olona momba ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty? Nahoana izy ireo no tsy nanararaotra nanamboatra izany tantara izany ho araka izay tiany hanaovana azy, raha toa ka hosoka na lainga izany? Tsy izany, fa nolazainy fotsiny ny tantara, nefa tsy niezaka hanatsara izany tamin’ny fanazavana ara-teôlôjika maro, araka izay heveriny ho heviny, izy ireo.

    

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra

  • Nitriatra hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao an-tempoly tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesôsy ka nisy Fanekena Vaovao naorina, izay notarihin’ny Mpisoronabe Vaovao, dia i Jesôsy Kristy. “Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, amin'izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra” - Heb. 10:19-21. Manao ahoana ny fihetseham-ponao raha fantatrao fa i Kristy mihitsy no Mpisoronabentsika?
Mahafaoka resaka sy lohahevitra maro ny Filazantsaran’i Matio. Inona ireo zavatra nanaitra anao mahakasika izay nanehoana an’i Jesôsy teto? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fandalinana io Filazantsara io hanampy anao hahatakatra misimisy kokoa ny hevitr’izany hoe Kristianina izany, sy hanampy anao koa amin’ny fanarahana ireo fampianaran’i Jesôsy?

Pejy ambony