LESONA 13

17 - 23 SEPTAMBRA

AHOANA NO TOKONY HO FIANDRASANTSIKA?

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.45

 

hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 24:35–-25:46; 2 Pet. 3; Jak. 2:14–26; Jao. 4:35–38; 1 Kôr. 3:6–8; Apôk. 21:1–4.

 

Tsianjery: “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. Miantrà ny olona marina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.” - Rôm. 12:11–13.

 

Nandritra ny taona maro, mialoha ny horohoron-tany tany San Francisco tamin’ny taona 1906, dia niasa mafy ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tany San Francisco sy Oakland, any Californie. Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny famangiana ny marary sy ny mahantra ny mambra. Nitady trano ho an’ny kamboty sy asa ho an’ny tsy an’asa izy ireo. Nitsabo ny marary izy ireo ary nampianatra Baiboly isan-tokantrano. Nizara trakta ara-pivavahana ny mambra ary nanolotra fampianarana momba ny fomba fiainana mahasalama. Nitantana sekoly iray ho an’ny ankizy tao ambanin’ny efitrano fivoriana any Laguna Street izy ireo. Nisy trano ho an’ny asa tanana sy ho an’ny asa fitsaboana ihany koa notantanin’ireo fiangonana ireo. Nanana tsenan-tsakafo mahasalama sy hôtely kely nanolotra sakafo tsy misy hena ihany koa izy ireo. Nanomboka ny asa fitoriana an-tsambo teo amin’ny seranan-tsambo teo an-toerana koa ny mambra, ary ireo mpitandrina kosa matetika no nitarika fivoriana tao amin’ny efitrano malalaka tao an-tanàna.

     Nantsoin’i Ellen G. White hoe “tohotra” (toho-tantely) roa ireo fiangonana ireo ary faly aoka izany izy noho ny asan’izy ireo (ARSH, 5 Jolay 1900). Ohatra mahery vaika momba ny zavatra tokony hataontsika sy azontsika atao ankehitriny manao ahoana re izany, raha miandry ny Fiaviana Fanindroany isika. Hiverina indray ny Tompontsika; fantatsika izany. Fa ny olana manan-danja ho antsika dia ny hoe: Inona no ataontsika raha eo am-piandrasana?

Mihantona eo amin’ny valin’izany ny hoavin’ny fanahy marobe.


Pejy ambony 

 

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Manatona ny Tompo - Jak. 4:8.

 

Raha eo am-piandrasana an’i jesosy isika (Mat. 24:36--25:46)

 

     Nibanjina ilay trangan-javatra be voninahitra ny mpianatra raha namirapiratra teo amin’ny tempoly ny taratry ny masoandro. Nirin’i Jesôsy ny hampifantoka ny sainy amin’izay hitranga tsy ho ela intsony sy amin’ny andro farany amin’ny fiangonana kristianina. Koa nampahafantariny sombintsombiny amin’ny zavatra hitranga izy ireo raha nilaza Izy hoe: “‘Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.’” - Mat. 24:2. Gaga tamin’ny fanambàrany ny mpianatra ka nanontany hoe: “‘Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.’” - Mat. 24:3. Koa nambaran’i Jesôsy azy ireo ao amin’ny Mat. 24:4–31 ny zavatra azony eritreretina fa hitranga eo amin’izao tontolo izao mialoha ny hiverenany.

     Raha naneho ireo famantarana ireo i Jesôsy, dia nampitandrina hoe: “‘tsy mbola tonga ny farany’” (Mat. 24:6), ary nampiany hoe: “‘Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.’” - Mat. 24:8. Eo amin’ny and. 4 no misy ny valinteny mivantana amin’ny fanontanian’ny mpianatra. “‘Ary hotorina amin'izao tontolo izao itý filazantsaran'ny fanjakana itý ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.’” - Mat. 24:14.

     Ao amin’ity lahateny ity, ireo andininy 35 voalohany ao amin’ny Mat. 24 dia manainga antsika mba handray amim-pahamatorana ireo famantarana ireo, saingy nambaran’i Jesôsy antsika ihany koa ny fomba tokony hiandrasantsika ny fahataperan'izao tontolo izao” (Mat. 24:3). Amin’ny teny hafa, tsy hipetra-potsiny amin’izao isika ka hiandry ny hiaviany tahaka ny hipetrahantsika eo amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ka hiandry ny fiara mpitatitra. Tsia, nomena zavatra betsaka hatao isika eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo fanindroany.

 

Vakio ny Mat. 24:36–-25:46. Miresaka momba ny zavatra tokony hataon’ny vahoakan’Andriamanitra eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesôsy fanindroany ny tsirairay avy amin’ireo fanoharana ireo. Fintino ny tena hevitr’izay lazain’ny Tompo amintsika eto. Rehefa izay dia mila manontany tena isika, eo amin’ny isam-batan’olona sy amin’ny maha-fiangonana, hoe: Hatraiza no anarahantsika ny toromariky ny Tompo ho antsika ao anatin’ny tsirairay avy amin’ireo fanoharana ireo?

 

     Manomboka amin’ny fanomezana torohevitra ny mpianany i Jesôsy eto mahakasika ny fomba fiandrasan’ireo tena mpanara-dia Azy ny fiaviany indray. Ho vonona mandrakariva ny mpianatr’i Jesôsy mandritra io fotoana io. Haneho fifankatiavana sy fifampiheverana ary fifanajana izy ireo eo am-piandrasana. Hiambina mandrakariva izy ireo, hiomana mialoha, ary ho tompon’andraikitra amin’ny toe-panahiny manokana. Hampitombo ny hoenti-manana efa napetrak’Andriamanitra teo am-pelatanany izy ireo. Hampiasa ny talentany sy ny volany eo amin’ny asan’Andriamanitra izy ireo. Hanaja ny tena toetr’ilay Andriamaniny be fitiavana izy ireo. Ary hikarakara ny malahelo sy ny marary izy ireo.


Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Tsy mahamenatra ny Filazantsara - Rôm. 1:16.

 

Fifohazana sy fanavaozana eo am-piandrasana (2 Pet. 3)

 

Vakio ny 2 Pet. 3. Fintino ny fampianarana mahakasika ny fifohazana sy ny fanavaozana hita ao amin’io toko io. Ahoana no ifanarahan’ireo andininy ireo amin’ny lohahevitra nianarantsika nandritra ny telovolana?

 

     Tian’Andriamanitra “ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra” (2 Pet. 3:9). Tsy afaka manao ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fitondrana ny olona ho amin’ny fibebahana isika, saingy asain’Andriamanitra hanatratra azy ireny amin’ny hafa-pamonjena. Raha ekena izany hafatra izany, dia ho tonga amin'ny fibebahana ny olona.

     Ilaintsika ihany koa, amin’ny maha-mambran’ny fiangonana antsika, ny hanana ny toe-tsain’ny fibebahana. Ampahany manan-danja amin’ny fifohazana sy fanavaozana ny fibebahana. Ny fifohazana dia midika hoe velona indray, havaozina, haverina amin’ny laoniny. Ny fanavaozana kosa dia midika hoe ovana ho olom-baovao (2 Kôr. 5:17). “Ny fifohazana ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra eo amintsika no zavatra lehibe sy maika indrindra ilaintsika. Ny hikatsaka an’io no tokony ho vaindohan-draharahantsika.” - SlM, b. 1, t. 121.

     Maneho ireo fepetra sy ireo vokatry ny fifohazana sy fanavaozana ireo andininy mahakasika ny “fomba tokony hiandrasantsika” tao amin’ny lesona omaly. Ohatra, nila nofohazina tamin’ny torimasony avokoa ireo virijiny folo rehetra (Mat. 25:1–13). Nila nampitombo ny fatran’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainany ireo virijiny adala. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa manetry ny tenantsika isika, rehefa maty ny amin’ny “izaho,” mivavaka tsy misy fitiavan-tena sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary mizara izany amim-pitiavana amin’ny hafa amin’ny alalan’ny teny sy ny asa feno fitiavana, dia mandray fatran’ny Fanahy Masina misimisy kokoa amin’ny herin’ny ranonorana farany eo amin’ny fiainantsika. Mety handalina ny Baiboly mandritra ny ora maro ny olona iray, kanefa mbola mitoetra ho tia tena ihany. Mety hivavaka ho amin’ny fifohazana sy ny ranonorana farany isika, saingy mangataka izany amim-pitiavan-tena ho antsika irery ihany. Mitarika mandrakariva ho amin’ny fiheverena tsy misy fitiavan-tena ny hafa ny fifohazana. Rehefa fenon’ny Fanahy Masina isika dia hovana ho tonga mpianatr’i Kristy mafana fo sy mifantoka amin’ny iraka sy ny fanompoana.

     Ilaintsika eo amin’ny vavaka sy ny fandalinana ny Baiboly ataontsika ny fifohazana sy ny fanavaozana. Ilaintsika ihany koa izany raha mangataka ny Fanahy Masina hirotsaka amintsika amin’ny herin’ny ranonorana farany isika. Amin’ny maha-fiangonana antsika koa anefa dia mila fifohazana sy fanavaozana isika eo amin’ny fihetsitsika sy ny fomba fiasantsika. Mila fifohazana sy fanavaozana isika eo amin’ny fihetsitsika sy ny fomba fiasantsika manoloana ireo “kely indrindra.” Ireo lohahevitra rehetra ireo no nifantohan’ny lesona tamin’ity telovolana ity.

 

Ahoana no ahafahantsika miambina ny tenantsika mba tsy ho lasa varimbariana sy tsy rototra amin’ny fiavian’i Jesôsy fanindroany? Izany hoe, raha mivalona ny taona maro, ahoana no ahafahantsika hahatsiaro mandrakariva fa tena hisy ary hitranga tsy ho ela ny fiverenan’i Tompo?



Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Fifamelan-keloka aloha - Mat. 5:23,24.

 

Ny iraka tanterahin’ny fiangonana eo am-piandrasana (Jak. 2:14–26)

    

Vakio ny Jak. 2:14–26. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ireo andininy ireo ny maha-isika antsika sy ny maha-eto antsika?

 

     Hitantsika tao amin’ny lesona Alahady fa nanomboka nanondro ny hatsaran’ny tempoly ny mpianatra. I Jesôsy kosa nisarika ny fifantohan’izy ireo tamin’ny toetry ny fiangonana ao anatiny sy ny iraka ampanaovina azy eo amin’ny tontolo efa hifarana. Misy ny fiangonana satria misy iraka ampanaovina antsika.

     Ny iraka ampanaovina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, araka izay ambara ao amin’ny Working Policy (A 05) novokarin’ny Foibem-Pitantanana Maneran-tany dia ny “hanao mpianatra ny olona rehetra, ka hampita ny filazantsara mandrakizay momba ny fanjakana (Mat. 24:14) ao anatin’ny tontolon-kevitry ny hafatry ny anjely telo ao amin’ny Apôk. 14:6–12, mitarika azy ireo hanaiky an’i Jesôsy ho Mpamonjy azy manokana sy hiray amin’ny fiangonany sisa, mampianatra azy ireo hanompo Azy amin’ny maha-Tompo Azy, ary manomana azy ireo ho amin’ny fiverenany tsy ho ela intsony.” Ny fitorian-teny sy ny fampianarana ary ny fanasitranana no fomba fiasa nasosoka ho fanatanterahana io iraka io. Hoy ny Working Policy mahakasika ny “Fanasitranana”: “Manohana ny foto-kevitra ara-Baiboly mahakasika ny fahasambaran’ny tenan’olombelona iray manontolo isika, ka manao ny fikajiana ny fahasalamana sy ny fanasitranana ny marary ho laharam-pahamehana. Ary miara-miasa amin’ny Mpahary isika eo amin’ny asam-pamindrampo ho famerenana amin’ny laoniny ataony, amin’ny alalan’ny asa ataontsika ho an’ny malahelo sy ny sahirana.”

     Ny lesona tamin’ity telovolana ity dia nanomboka tamin’ny hevitra fa maniry ny hamerina ny endriny ao amin’ny olona i Jesôsy. Tiany ny hanome hery antsika amin’ny maha-mpanara-dia Azy antsika mba ho fitaovana ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny lafim-piainana iray manontolo amin’ny maha-olombelona, eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. “Ny ilain’izao tontolo izao ankehitriny dia izay nilaina sivinjato sy arivo taona lasa izay, dia ny fanehoana an’i Kristy. Misy asa fanavaozana manontolo takin’ny toetr’andro, ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy ihany no mety hahavitana ny asa famerenana amin’ny laoniny ny ara-nofo, ny ara-tsaina ary ny ara-panahy.” — TMF, t. 87.

     Rehefa avy naheno seminera ity mambran’ny fiangonana iray, seminera izay naneho ny asan’i Jesôsy ho ohatra sy ho iraka ho an’ny fiangonany amin’ny andro farany, dia nilaza hoe: “Tsy dia misokatra amin’ny hevitra sy fomba fiasa vaovao izahay, any amin’ny faritra misy anay. Tena tsy vaovao velively ny zavatra renay nandritra ity herinandro ity mahakasika ny fomba fiasan’i Jesôsy. Hevitra efa tranainy izany. Hadinonay fotsiny.”

    

“Maty ny finoana raha tsy misy asa.” Hatraiza no fahitanao ny fahamarinan’ny hevitra fa mifandray ety dia ety ny finoana sy ny asa? Amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’ny asa ny finoanao?


Pejy ambony 

 

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Miraisa saina - 1 Pet. 3:8.


Miomana ho amin’ny fijinjana farany eo am-piandrasana (Jao. 4:35–38)

 

Nampiasa teny momba ny fambolena i Jesôsy tamin’ny fampianarany mahakasika ny fanjakana, araka izay naseho tao amin’ny lesona fahadimy. Araka izay nianarantsika, ny fambolena dia tsy trangan-javatra indray mandeha fotsiny, fa dingana atao amim-paharetana! Fiverimberenan-javatra mitohy izy io, izay misy dingana samy hafa sy asa samy hafa ho an’ny olona samy hafa amin’ny vanim-potoana samy hafa. Ilaintsika ny misokatra amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy amin’ny fitondran’Andriamanitra mahakasika ny fomba ahafahan’ny Tompo mampiasa antsika eo amin’ny fanomanana ny tany, sy ny famafazana ny voa, ary ny fijinjana ny vokatra.

    

Vakio ny Jao. 4:35–38. Inona no karazana sary an’ohatra nampiasaina teto? Ary inona no hafatra ho antsika mahakasika ny fomba tokony hiasantsika ho an’ny hafa?

 

Tsy fantatsika ny fon’ny olona. Tsy fantatsika ny fiasan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety hijery olona samy hafa isika ary hieritreritra fa tsy maintsy mbola hanana dia lavitra hatao izy ireo vao ho vonona hojinjana. Raha ny marina anefa, olona izay hampirisika azy ireo handray fanapahan-kevitra hanatona an’i Jesôsy no hany ilain’izy ireo. Misy ady ho amin’ny fo sy ny sain’ny olona tsirairay avy, ka miantso antsika Andriamanitra mba hanampy ny olona hifidy Azy.

 

Vakio ny 1 Kôr. 3:6–8. Inona no hafatra ho antsika eto mahakasika ny fanatrarana ny any ivelany?

    

Averin’i Paoly amin’ny fomba filazany manokana izay nolazain’i Jesôsy tao anatin’ny ohatra teo aloha. Tahaka ny asan’ny mpamboly ny asa fanatrarana ny any ivelany. Mety tsy hanao asa mitovy avokoa isika rehetra, saingy mbola ampahany manan-danja eo amin’ny dingana fanatrarana sy fahazoana fanahy ihany izany asa izany. Ary na dia tsy maintsy ampiasain’Andriamanitra amin’ny fomba samy hafa aza isika, Andriamanitra irery ihany no afaka mitarika ny fanahy iray ho amin’ny fiovam-po, amin’ny farany.

 

Ahoana no ahafahantsika mianatra ny ho feno fankasitrahana sy fanetren-tena amin’izay andraikitra nomen’Andriamanitra antsika eo amin’ny asa fanompoana ho an’ny hafa? Nahoana no tena tombontsoa lehibe izany?


Pejy ambony 

 

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Mahery ny Teniny - Jer. 23:29.

 

Mifarana ny fiandrasana (Apôk. 21:1–4)

 

     Azo lazaina fa tantara lava be momba ny tanàna roa ny Baiboly. I Babilôna sy i Jerosalema izany tanàna roa izany.

Soritsoritan’ny apôstôly Jaona ao amin’ny Apôk. 14:8 sy  Apôk. 18 i Babilôna. Fonenan’ny devoly sy fitoeran’ny fanahy ratsy i Babilôna. Nampijangajanga ara-panahy ny firenena rehetra izy. Efa tapaka ny fiafarany, ka nambara fa “lavo” izy. Indray andro any dia ho resy sy horavana io tanàna io, izay fanehoana ny ratsy sy ny fihemorana ary ny fikomiana amin’Andriamanitra.

 

Vakio ny Apôk. 21:1–4. Inona no maha-samy hafa an’i Jerosalema sy i Babilôna?

 

     Ny tanàna faharoa dia ilay Tanàna Masina, ilay Jerosalema vaovao, voasoritra ao amin’ny Apôk. 21 sy 22. Io tanàna io no hampiantrano ireo izay nifidy ilay Mpampakatra sy nandà ny fitiavan-tena sy ny fijangajangana ara-panahin’i Satana sy ny mpanara-dia azy. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nankatò ny didiny ary naneho ny finoana an’i Jesôsy ireo voaavotra (Apôk. 14:12). Nanome azy ireo mialoha ny tsiron’ny fanjakan’ny lanitra fony mbola teto an-tany ny finoany feno faharetana sy ny hafanam-pony handray ny asan’i Jesôsy. Novonjena tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesôsy izy ireo. Ny fahamarinan’i Jesôsy irery ihany no nanao azy ireo ho mendrika ny lanitra. Ny fikarakarany ny “anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto” (Mat. 25:40) no fanehoana miharihary izany finoana mamonjy izany.

     Noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry (Apôk. 5) dia niova ho fankalazana feno fihobiana ny anjara asan’ny fiangonana teo amin’ny famerenana amin’ny laoniny feno fangorahana. (Vakio ny Apôk. 5:13,14). Ao anatin’izany Tanàna Masina sy feno fifaliana izany, dia “hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” - Apôk. 21:4. Miverina amin’ny laoniny ny tena fiadanana marina. Miseho ny famerenana amin’ny fahafenoany ny endrik’Andriamanitra: ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana. Mifarana ilay fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy ary hatramin’ny “‘atoma’ kitika indrindra ka hatramin’izao tontolo izao lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, na ny manan’aina na ny tsy manan’aina dia samy manambara amin’ny alalan’ny hakantony sy ny fifaliany safononoka fa ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA” – HM, t. 706. 

 

Vakio ny Apôk. 22:21. Amin’ny fomba ahoana no amehezan’io andininy io, izay andininy farany ao amin’ny Baiboly, ny fototry ny zavatra rehetra inoantsika?

 

Pejy ambony
 

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Kristianina, fanasin’ny tany - Mat. 5:13.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.46

 

Fianarana fanampiny: Vakio ny Mat. 5:16; Kol. 3:17; Heb. 13:15,16; Vakio ny Ellen G. White, “Teo amin’ny tendrombohitra Oliva,” tt. 673-684, ao amin’ny IFM; ary vakio indray ny “Ny kely indrindra amin’ny rahalahiko,” tt. 685-690, ao amin’ny IFM.


Nambaran’i Jesôsy tamintsika ny famantarana ny farany mialoha ny hiverenany. Tsy tsara izany famantarana izany. Ady, filazan’ady, areti-mandringana, sns. Raha matetika ny olona no mampiasa ny fisian’ny ratsy ho fialan-tsiny tsy hinoana an’Andriamanitra, dia azo antoka fa hanana fialan-tsiny maro izy ankehitriny, ary hanana fialan-tsiny maro ary maro hatrany izy raha mihamanakaiky ny farany isika. Koa lasa zava-dehibe kokoa hatrany ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, dia ireo izay milaza ny tenany ho mpanara-dia Azy, ny haneho ny toetrany amin’izao tontolo izao sy ny hanampy ny olona hahatakatra tsara kokoa ny endrik’Andriamanitra. “Raha hampietry ny tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra isika, ary raha malemy fanahy sy mahay manaja sy feno fangorahana ary mahay miantra, dia hisy fiovam-po zato ho amin’ny fahamarinana eo amin’izay tsy misy afa-tsy fiovam-po iray monja ankehitriny.” - TFC, b. 9, t. 189. Fanambaràna tsotra kanefa mahery vaika momba ny fanatrarana sy ny asa fanompoana ho an’ny hafa manao ahoana re izany. Raha eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesôsy fanindroany isika, dia manantena Izy fa hitory sy hivelona ny filazantsara iray manontolo ny mambran’ny fiangonany. Manantena ihany koa Izy fa handrotsaka ny tenantsika sy ny fananantsika rehetra ao amin’ny asany isika; hitia sy hanaja ary hikarakara ny olona; ary hanokatra ny fiainantsika amin’ny Fanahy Masina, amin’ny fahafenoany. Fijoroana ho vavolombelona izay tsy azon’ny tsangan-kevitra eo amin’izao tontolo izao horesena izany.

    

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

  • Resaho ao amin’ny kilasy ny fahasamihafan’ny endriky ny fiainana ao “Babilôna” raha ampitahaina amin’ny fiainana ao “Jerosalema.” Inona no ho fahasamihafana fototra eo amin’ireo tanàna roa ireo? Izany hoe aiza no hahitana ny fahasamihafana fototra: eo amin’ny endriky ny toerana, sa eo amin’ireo izay monina ao aminy?

 

  • Ny fanontaniana lehibe ho an’ny Kristianina dia tsy ny hoe: “Manana anjara asa eo amin’ny finoana kristianina ve ny asa?” Mazava loatra fa manana anjara asa izany. Fa ny tena fanontaniana lehibe dia ny hoe: “Raha tsy afaka mamonjy antsika ny asa, dia inona no anjara asany eo amin’ny finoana kristianina?” Ahoana no hamaliantsika izany fanontaniana izany, indrindra indrindra ao anatin’ny tontolon-kevitry ny fanatrarana sy fanompoana ny hafa izay mila fanampiana?

 

Amin’ny fomba ahoana no iandrasantsika ny fiverenan’i Jesôsy? Izany hoe, inona no ataontsika eo amin’ny fiainantsika izay mampiseho marina tokoa ny finoantsika ny fiverenany? Nahoana no tokony ho hafa  amin’ny an’ireo izay tsy mino ny Fiaviana Fanindroany ny fiainantsika?


 Pejy ambony