LESONA 13

17 - 23 DESAMBRA

NY TOETRAN'I JOBA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 1:1,8; Jôba 29:8–17; Jôba 31:1–23; Eks. 20:17; Mat. 7:22–27; Mat. 5:16; Efes.  3:10.

 

Tsianjery: “Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa- Jak. 2:22.

 

Nianarantsika avokoa ireo lohahevira fototra ao amin’ny bokin’i Jôba. Tsy tokony hanadino ity lohahevitra iray manan-danja ity ihany koa anefa isika: ny lohahevitra mahakasika an’i Jôba manokana. Iza io lehilahy izay natokisan’ny Tompo fatratra io ka nanaovany fanamby ny amin’ny fahatokiany sy ny fahitsiany tamin’ny devoly? Iza io lehilahy izay tsy nahatakatra ny antony nitrangan’ireo zavatra mampivarahontsana rehetra taminy? Fantany fa tsy ara-drariny ny zavatra nihatra taminy, ka naneho hatezerana sy fahasorenana izy nanoloana izany rehetra izany. Nijoro ho mahatoky hatramin’ny farany mihitsy anefa izy.

Amin’ny kapobeny ny bokin’i Jôba dia mitantara ny fanandramany taorian’ny nisehoan’ireo tranga mahatsiravina taminy. Azontsika atao anefa ny misintona fampahafantarana mahakasika ny fiainany taloha avy amin’io tantara io. Ary ny zavatra fantatsika mahakasika ny lasan’i Jôba sy ny toetrany dia hanampy antsika hahatakatra misimisy kokoa ny anton’ny fijoroany ho mahatoky tamin’ny Tompo, na dia teo anivon’ny fahoriana mampivarahontsana aza, na dia teo anivon’ny zavatra rehetra nataon’i Satana mba hialany amin’Andriamanitra aza.

Nanao ahoana i Jôba? Inona no azontsika fantarina mahakasika ny fomba fiainany, izay afaka hanampy antsika ho lasa mpanara-dia ny Tompo mahatoky kokoa, raha eo am-piainana ny fiainantsika manokana isika?


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Ilay lehilahy avy any Oza (Jôba 1:1,8)

 

Vakio ny Jôba 1:1 sy ny Jôba 1:8. Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika mahakasika ny toetran’i Jôba?

    

Nilaza tamin’i Jôba ireo namany nandritra ny resadresaka nifanaovan’izy ireo fa tsy maintsy ho nanao zavatra tsy mety izy, ka nahatonga ireo faharatsiana rehetra teo aminy ireo. Toa ny mifanohitra amin’izany anefa no marina. Ny hatsaram-panahin’i Jôba sy ny fahatokiany no nahatonga azy ho lasibatra manokan’i Satana.

Hatraiza ny hatsaram-panahin’i Jôba sy ny fahatokiany? Voalohany, milaza amintsika ireo andininy ireo fa “marina” izy. Tsy voatery hidika hoe “tsy manota” io teny io. I Jesôsy irery ihany tokoa mantsy no tsy nanota. Ny olona “marina” eo anatrehan’Andriamanitra dia ny olona izay nahatratra ny mariky ny fitomboana izay andrasan’ny lanitra aminy amin’ny fotoana rehetra. Ny voambolana hebreo ilazana ny hoe “marina”, tam, “dia mitovy amin’ny teny grika hoe teleios, izay matetika no adika hoe ‘marina’ ao amin’ny [TV]. Mahadika izany tsara kokoa anefa ny teny hoe ‘mitombo amin’ny fahafenoany’ na ‘matotra.’” – Narafitra avy tamin’ny SDABC, b. 3, t. 499. Asehon’ireo fanandraman’i Jôba tatỳ aoriana fa tsy nahatratra ny fahatanterahana fara tampony teo amin’ny toetra izy. Nahatoky sy nahitsy izy, saingy mbola teo an-dalam-pitomboana.

Faharoa, milaza ireo andininy ireo fa “mahitsy” izy. Io voambolana io dia midika hoe “mahitsy”, “marin-toerana”, “marina”. Niaina tamin’ny fomba iray izay azo niantsoana azy hoe “olom-pirenena tsara” i Jôba.

Fahatelo, milaza ilay andininy fa “natahotra an'Andriamanitra” i Jôba. Manoritra ny “fahatahorana” an’Andriamanitra ho ampahany amin’ny hevitr’izany hoe Isiraelita mahatoky izany ny TT. Ampiasaina ihany koa anefa ireo teny ireo ao amin’ny TV manoloana ireo Jentilisa izay manompo amim-pahatokiana ny Andriamanitry ny Isiraely (vakio ny Asa. 10:2,22).

Farany, “nifady” na nisoroka ny ratsy i Jôba. Namafisin’ny Tompo mihitsy io fanoritsoritana ny toetran’i Jôba io rehefa nilaza tamin’i Satana Izy nanao hoe: “Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” - Jôba 1:8.

Raha fintinina, lehilahin’Andriamanitra izay naneho ny finoany tamin’ny alalan’ny karazam-piainana izay niainany i Jôba. Ary tena nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ny anjely sy ny olona (1 Kôr. 4:9) mahakasika ny mety ho toetran’ny olona iray ao amin’i Kristy izy.

 

Raha ho niresaka ny momba anao ny bokin’i Jôba, dia hanao ahoana no fivakin’ny andalana fanombohana? “NISY ____ tany amin'ny tany ____, ____ no anarany; ary _____ sy _____ sady _____ an'Andriamanitra ka _____ ny ratsy.”


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Tongotra nilomano tao anaty rononomandry (Jôba 29:8–17)

    

Raha nitolona mafy i Jôba mba hanaiky ny fahoriana nidona taminy, dia namisavisa ny fiainany tamin’ny lasa sy ny hatsaran’izany taminy ary ny fomba fiainany izy. Raha niresaka momba ireo androm-piainany voalohandohany i Jôba, dia toy izao no filazany izany fotoana izany: “Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho” - Jôba 29:6.

Ao amin’ny Jôba 29:2, ohatra, dia niresaka momba ny fotoana izay “niarovan'Andriamanitra” azy i Jôba. Ny voambolana hebreo ilazana ny “niarovana” dia avy amin’ny voambolana mahazatra iray izay ampiasaina manerana ny TT mba ilazana ny fiarovan’Andriamanitra ny olony (vakio ny Sal. 91:11; Nom. 6:24). Tsy isalasalana fa nanana fiainana mirindra tsara i Jôba. Ny zava-dehibe ihany koa dia ny fahafantarany fa nanana fiainana mirindra izy.

 

Vakio ny Jôba 29:8–17. Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika mahakasika ny fomba fijerin’ny hafa an’i Jôba sy ny nandraisan’i Jôba ireo izay nandalo fotoan-tsarotra?

 

Hitantsika eto hoe hatraiza no fanajan’ny olona an’i Jôba. Ny andian-teny izay miresaka momba ny fakan’i Jôba ny “fipetrahako teo an-kalalahana” (Jôba 29:7) dia manambara hevitra momba ny fitondrana eo an-toerana. Hita miharihary fa nanana andraikitra manan-danja tao anatin’izany i Jôba. Mazàna ny fitoerana tahaka izany no omena ireo olona zokinjokiny sy hajaina eo amin’ny fiarahamonina. Nomem-boninahitra fatratra i Jôba teo anivon’izy ireo.

Hitantsika ihany koa anefa fa na dia ireo olona “ambany indrindra” teo amin’ny fiarahamonina koa aza dia tia sy nanaja azy. Ny ory, ny efa ho faty, ny jamba, ny mpitondratena, ny kamboty, ary ny mandringa – ny olona izay tsy notahiana tahaka ny nitahiana an’i Jôba. Ireo mihitsy anefa no tena nampian’i Jôba sy nampahereziny.

 “Nanome sary momba ny lehilahy iray izay nambinina Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, dia i Jôba izany. Tao anatin’ny fanambinana tanteraka ny fiainany. Lehilahy iray izay tian’ny lanitra sy ny tany omem-boninahitra izy.” Ed., t. 142.

Maneho amintsika ny andininy tahaka ireo sy ny andininy hafa koa (araka izay hohitantsika) hoe nahoana i Jôba no olona tena nahomby tamin’ny zava-drehetra, teo imason’ny olona sy teo imason’Andriamanitra.

 

Mora tokoa ny maneho halemem-panahy sy fanajana amin’ny olona manan-karena sy manana fahefana ary malaza. Ahoana anefa no fandraisanao ireo izay tsy manan-katolotra anao mihitsy?



 Pejy ambony

TALATA

 

Fo sy maso (Jôba 31:1–23)

 

Raha amin’ny topimaso voalohany, dia toa mirehareha i Jôba ao amin’ireo andininy eo ambany ireo. Toa maneho eo anatrehan’ny hafa ny fahamasinany sy ny fahatsarany ary ny fitondran-tena tsara ananany izy. Mazava loatra fa io fihetsika io mihitsy no ilay karazam-pihetsika izay melohan’ny Baiboly (Vakio ny Mat. 23). Tsy izany anefa no mitranga amin’i Jôba eto. Averina indray fa zava-dehibe ny mahatsiaro ny lohahevitry ny tantara eto: nolazaina tamin’i Jôba fa ny fiainany tamin’ny lasa, izay heverina fa tena ratsy tokoa, no nahatonga ny fijaliany. Fantatr’i Jôba anefa fa tsy afaka ny ho marina fotsiny tsotra izao izany fiheverana izany, ary tsy nisy zavatra izay nataony ka nahatonga azy ho mendrika ny loza mitatao aminy. Koa nandany ny fotoanany izy hamisavisana ny toetrany sy ny karazam-piainana izay niainany.

Vakio ny Jôba 31:1–23. Inona koa no ambaran’i Jôba mahakasika ny fomba fiainany mialoha ireo fahoriany?

 

Mariho ihany koa fa tsy niresaka momba ny fihetsiny tety ivelany fotsiny i Jôba. Ny andininy manao hoe “nanaraka ny masoko ny foko” (Jôba 31:7) dia maneho fa takatr’i Jôba tsara ny hevitra lalin’ny fahamasinana, ny hevitra lalin’ny marina sy ny diso ary ny hevitra lalin’ny lalàn’Andriamanitra. Fantatr’i Jôba mazava tsara fa liana amin’ny fontsika, sy ny fisainantsika, ary ny fihetsitsika ihany koa Andriamanitra (vakio ny 1 Sam. 16:7; Eks. 20:17; Mat. 5:28). Fantatr’i Jôba fa ratsy ny mijery vehivavy ka hila azy, tahaka ny maharatsy ny mijangajanga aminy ihany. (Porofo tena mahery vaika ihany koa io fa efa fantatry ny olona Andriamanitra, elabe talohan’ny niantsoan’ny Tompo ny firenen’ny Isiraely mba ho vahoakany araka ny fanekena sy mba hijoro ho vavolombelona ho Azy.)

 

Vakio izay nolazain’i Jôba ao amin’ny Jôba 31:13–15. Nahoana no tena iankinan’ny aina tokoa io hafatra io?

 

Asehon’i Jôba amin’ny fomba mahagaga eto fa takany, indrindra tamin’ny vanim-potoana niainany, fa mitovy avokoa ny olombelona rehetra. Ny tontolo nandritra ny vanim-potoan’ny Baiboly dia tsy toerana izay nahatakaran’ny olona na nanarahany ny foto-kevitra momba ireo zon’ny rehetra sy ireo lalàna iraisan’ny rehetra. Nihevitra ny tenany ho lehibe sy ambony kokoa noho ny hafa ireo vondron’olona samy hafa, ka indraindray dia nihevitra izy ireo fa tsy mampaninona velively izany hoe manitsakitsaka ny fahamendrehan’ny hafa sy ny zony izany. Asehon’i Jôba anefa eto fa takany tsara ny momba izany zon’olombelona izany, ary takany tsara koa fa avy amin’Andriamanitra, izay namorona antsika, ireo zo ireo. Amin’ny lafiny sasany, nisongona ny vanim-potoany sy ny vanim-potoantsika ihany koa i Jôba.


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Trano teo ambony vatolampy (Jôba 31:24–34)

 

Vakio ny Jôba 31:24–34. Inona ihany koa no azontsika fantarina mahakasika an’i Jôba?

 

Tsy isalasalana fa nolazain’ny Tompo izay nataony mahakasika ny fiainan’i Jôba sy ny toetrany. Lehilahy izay hita miharihary fa niaina ny finoany io, lehilahy izay naneho ny fisian’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny asany. Mazava loatra fa vao mainka nahatonga ny fitarainany ho mangidy kokoa io finoany io: Nahoana no mitranga amiko izao zavatra izao? Ary nahatonga ireo tsangan-kevitry ny namany ho hevi-poana sy poakaty izany.

Misy hafatra lalina sy manan-danja kokoa azontsika tsoahina anefa avy amin’ny fiainana mahatoky sy feno fankatoavana nananan’i Jôba. Mariho fa mifandray ety ny fiainana niainany tamin’ny lasa sy ny fihetsika nasetriny rehefa nidona taminy ireo trangan-javatra mampivarahontsana tatỳ aoriana. Tsy tamin’ny kisendrasendra na ny anjoanjo na ny herin’ny sitrapo no nandavan’i Jôba ny tenin’ny vadiny nanao hoe: “Mahafoiza an'Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty” - Jôba 2:9. Tsia, noho ireo taona maro izay nanehoan’i Jôba fahatokiana sy fankatoavana an’Andriamanitra izany. Nanome azy finoana sy toetra izay nanampy azy hitoky amin’Andriamanitra ireo, na inona na inona no nitranga taminy.

    

Vakio ny Mat. 7:22–27. Inona no zavatra hita ao anatin’ireo andininy ireo izay hampahazava ny anton’ny fijoroan’i Jôba ho mahatoky?

Hita ao anatin’ireo fandresena “madinika kokoa” rehetra azony tamin’ny lasa ny tsiambaratelon’ny fandresena lehibe azon’i Jôba eto (vakio koa ny Lio. 16:10). Ny finoana matanjaka nananan’i Jôba no nanome azy hery handavana ny fanaovana marimaritra iraisana. Ny zavatra hitantsika ao amin’i Jôba dia ohatra iray ny amin’izay ambaran’ny bokin’i Jakôba mahakasika ny anjara asan’ny asa eo amin’ny fiainam-pinoana: “Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany [asan’i Abrahama], ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa” - Jak. 2:22. Foto-kevitra manan-danja momba ny fiainana kristianina manao ahoana re no aseho ao amin’io andininy io! Hitantsika miaina io foto-kevitra io amin’ny fomba mahery vaika i Jôba ao amin’ny tantarany. Noforonina tamin’ny nofo sy taolana mitovy amin’ny antsika rehetra i Jôba. Niaina fiainam-pankatoavana an’Andriamanitra anefa izy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy noho ny ezaka feno fahazotoana nataony.

 

Inona ireo safidy ilainao raisina mba hiainanao amim-pahatokiana tahaka izay nataon’i Jôba?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

Ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra (Mat. 5:16)

 

     Tany am-piandohan’ny bokin’i Jôba, tao anatin’ireo adihevitra nifamezivezy teo amin’ireo mpandray anjara, dia nilaza tamin’i Jôba i Elifaza Temanita: “Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina hianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?” - Jôba 22:3. Fanontaniana mahasanganehana tokoa io, noho ny amin’ireo zavatra fantatsika mahakasika ny zavatra mitranga ao ambadiky ny sehatra any an-danitra. Tena finaritra tokoa Andriamanitra raha marina i Jôba, ary misy tombony ho Azy raha miaina amin’ny fahamarinana izy. Ary marina izany, tsy ho an’i Jôba ihany, fa ho an’ireo rehetra izay milaza ny tenany ho mpanara-dia ny Tompo.

 

Vakio ny Mat. 5:16. Ahoana no anampian’ireo teny ireo amin’ny famaliana ny fanontaniana izay natorak’i Elifaza tany amin’i Jôba?

 

Ny resaka mivantana ao amin’i bokin’i Jôba dia ny hoe: hijoro ho mahatoky ve i Jôba? Nilaza i Satana fa tsy hijoro ho mahatoky izany i Jôba. Andriamanitra kosa nilaza fa hijoro izy. Koa nanome tombony ho an’Andriamanitra ny fahatokian’i Jôba, fara faharatsiny eto amin’ity ady manokana amin’i Satana ity.

Ampahany kely fotsiny ihany amin’ny sary iray goavana kokoa anefa ity tantara ity. Milaza amintsika, amin’ny ampahany, ny hafatry ny anjely voalohany manao hoe: “Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy” – Apôk. 14:7. Ary hazavain’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 5:16 fa afaka manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara ataontsika isika. Izany no nataon’i Jôba; ary izany ihany koa no tokony ataontsika.

 

Vakio ny Efes. 3:10. Ahoana no anehoana an’io foto-kevitra io ao amin’ny bokin’i Jôba, fa amin’ny sehatra kely kokoa? 

 

Io andininy io sy ny bokin’i Jôba dia ohatra ny amin’ny zava-misy fa miasa eo amin’ny fiainan’ireo mpanara-dia Azy Andriamanitra mba hanovana azy ireo ho araka ny endriny, ho voninahiny. “Ny endrik’Andriamanitra indrindra dia tokony hifindra eo amin’ny taranak’olombelona. Voafaoka ao amin’ny fahatanterahan’ny toetra amam-panahin’ny vahoakany ny voninahitr’Andriamanitra sy ny voninahitr’i Kristy.” – IFM, t. 725. Ny fiainan’i Jôba dia ohatra iray ny amin’ny fomba mety hanehoan’ny olombelona io foto-kevitra io, na dia velona anarivon-taonany maro lasa aza izy izay. Mbola manana tombontsoa hiaina ny fiainany araka io fomba io ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny vanim-potoana tsirairay amin’ny tantara.  


Inona eo amin’ny fiainanao no manome voninahitra an’Andriamanitra? Inona no ambaran’ny valinteninao aminao mahakasika anao sy ny fomba fiainanao, ary inona no mety ilainao ovana?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Ny Fanavaozana Prôtestanta dia namelona indray ny fahamarinana lehibe mahakasika ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana irery ihany. Tany Edena mihitsy no nandraketana voalohany indrindra io fahamarinana io ao amin’ny Baiboly (vakio ny Gen. 3:15). Avy teo dia nahazo fanehoana tamin’ny fahafenoany teo amin’ny fiainan’i Abrahama izany (vakio ny Gen. 15:6; Rôm. 4:3). Rehefa izay dia naseho hatrany hatrany tao amin’ny Soratra Masina tamin’i alalan’i Paoly izany. Ny fahamarinana momba ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana irery ihany dia mahafaoka hatrany ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny mpino. Nahita ohatra iray lehibe ny amin’ny endrik’io asa io isika teo amin’ny fiainan’i Jôba sy ny toetrany.


Matetika ireo teôlôjianina no miantso io asa io hoe “fanamasinana”, izay midika amin’ny kapobeny hoe “fahamasinana” na “fiainana masina.” Tena manan-danja tokoa izany ao amin’ny Soratra Masina hany ka asaina miezaka mafy isika mba hikatsaka “fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo” – Heb. 12:14. Ny hevitra fototry ny fanamasinana dia hoe “atokana mba hampiasaina ho amin’ny zavatra masina.” Maneho io hevitra io amintsika ny Tompo rehefa nilaza tamin’ny vahoakan’ny fanekeny Izy nanao hoe: “‘“Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.”’” – Lev. 19:2.

Na dia mipoitra amin’ny fomba maro samy hafa aza io hevitra fototra io ao amin’ny TT sy ny TV, dia miresaka momba ny zavatra ataon’Andriamanitra ao anatintsika hatrany izany. Azo lazaina ho toy ny fitomboan’ny Kristianina amin’ny fahatsarana sy mankamin’ny fahatsarana izany. Izy io dia “fanandramana miandalan’ny fiovana ara-môraly amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, sy ny fiaraha-miasan’ny fahavononan’ny olombelona.” - Handbook of SDA Theology, t. 296.

Ny asa fanamasinana dia zavatra izay Andriamanitra irery ihany no afaka manatanteraka azy ao anatintsika. Tsy terena ho amin’ny fanamasinana anefa isika, tahaka ny tsy anerena antsika ho amin’ny fanamarinana. Manolotra ny tenantsika ho an’ny Tompo isika, ary io Tompontsika izay manamarina antsika amin’ny finoana io ihany no hanamasina antsika ihany koa. Volavolainy ho tahaka ny endrik’Andriamanitra isika, mandra-pahatonga antsika ho olon-dehibe ao amin’i Kristy, tahaka izay nataony tamin’i Jôba ihany. Koa izao no nosoratan’i Paoly: “Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo” - Gal. 4:19. Ary nanoratra ihany koa i Ellen G. White: “I Kristy no ohatra ho antsika. Izy no ohatra tonga lafatra sy masina izay nomena antsika mba harahintsika. Tsy afaka ny hitovy na oviana na oviana amin’ilay Ohatra isika, saingy afaka manahaka sy manaraka Azy araka izay tratrantsika.” - That I May Know Him, t. 265.  

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

1. Inona ireo safidy azontsika raisina, izay hisy fiantraikany eo amin’ny fatran’ny fahafahan’ny Tompo miasa ao anatintsika? Fantatsika fa Andriamanitra irery ihany no afaka manova ny fo, saingy tsy maintsy miara-miasa Aminy isika. Manao ahoana ny endrik’izany fiaraha-miasa izany? Ahoana no anehoana azy?

 

2. Tahaka izao no fivakin’ny Kôl. 2:6: “Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy ho Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa.” Ahoana no anampian’ireo teny ireo antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe miaina amin’ny finoana sy ny fankatoavana?

 

3. Ahoana no ahafahantsika, amin’ny maha-fiangonana antsika, fa tsy isam-batan’olona fotsiny ihany, hanome voninahitra an’Andriamanitra eo anatrehan’ny olona sy eo anatrehan’ny anjely?

 Pejy ambony