LESONA 1

25 JONA - 1 JOLAY

FAMERENANA AMIN'NY LAONINY NY ZAVATRA REHETRA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Inona no atao hoe fitiavana? - 1 Jao. 4:7-11.

Filentehan’ny masoandro: 5.22

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:26,27; Deo. 6:5; Gen. 3:8–19; Jak. 4:4; Gal. 4:19; Mar. 2:1–12; Jao. 10:10.

Tsianjery: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” - Gen. 1:27.

Ny zavatra tokony hataon’ny olona iray dia ny mijery ny manodidina azy - izao tontolo izao, ny mpiray vodirindrina aminy, ary ny tenany – mba hahitany ny zava-misy. Ary inona io zava-misy io? Misy zavatra tena ratsy tanteraka.

     Fahalavoana no fiantsoana azy. Fahotana no fiantsoana azy. Fikomiana no fiantsoana azy. Ary fifanandrinana lehibe no fiantsoana azy.

     Ny vaovao mahafaly anefa dia tsy haharitra mandrakizay ny faharatsiana. Tonga i Jesôsy, maty noho ny fahotan’izao tontolo izao, ary nampanantena fa hiverina indray. Ary rehefa hiverina Izy, dia tsy hisy zavatra amin’ity izao tontolo izao ity ho tavela. Hanomboka tokoa mantsy ny fanjakana vaovao iray, ny fanjakany mandrakizay. “Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”  - Dan. 2:44.

     Famerenana amin’ny laoniny manao ahoana re izany e!

     Tsy mila miandry hatramin’ny fiavian’i Kristy fanindroany anefa isika vao hanomboka ny famerenana amin’ny laoniny. Efa olom-baovao dieny izao sahady ireo izay ao amin’i Kristy (2 Kôr. 5:17). Ary notendren’Andriamanitra hitovy endrika, dieny izao sahady, amin'i Jesôsy isika (Rôm. 8:29). Miantso antsika ary manome hery antsika koa Izy, dia isika izay fiangonany, mba hahafahantsika miasa ho amin’ny famerenana ny hafa amin’ny laoniny koa.

 Pejy ambony

ALAHADY

NY ENDRIK’ANDRIAMANITRA (Gen. 1:26,27)

Fiambenana maraina: Ny zava-dehibe indrindra - Jao. 13:34,35.

     Milaza ny Baiboly fa nohariana tahaka ny “endrik”’Andriamanitra i Adama sy i Eva (Gen. 1:27). Inona no hevitr’izany hoe nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra izany? Ary inona tsara izany hoe endrika izany? Mety hanana refiny roa (lavany sy ny sakany) ny endrika, tahaka ny taratra avy amin’ny fitaratra na ny sary. Mety hanana refiny telo koa anefa izany, tahaka ny sarivongana. Ny endrika koa dia mety ho eritreritra ao an-tsaintsika, tsy azo tsapain-tanana. Koa inona marina no tian’ny Baiboly lazaina rehefa milaza izany fa noforonina tahaka ny “endrik”’Andriamanitra ny olombelona?

Vakio ny Gen. 1:26,27. Ahoana no anazavan’ny Baiboly ny hevitry ny hoe “endrik”’Andriamanitra?? Vakio koa ny Gen. 1:31; Deo. 6:5; ary ny 1 Tes. 5:23.

I Adama sy i Eva no ray aman-drenintsika voalohany. Izy ireo ihany, manoloana ireo voary hafa rehetra nohariana tamin’izany fotoana izany, no nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra. Tsy avy amin’ny rajako izy ireo. Amin’ny maha-olombelona azy sy antsika, dia tena hafa amin’ny zava-manan’aina hafa rehetra eto ambonin’ny tany isika. Manambany ny tombambidin’ny olona ny fivavahana izay tsy mampianatra io hevitra io.

 “Nanao ny anarany hoe Adama” Andriamanitra (Gen. 5:2). Samy hafa ary miavaka tsara izy roa ireo, lahy sy vavy, saingy mbola iray ihany. Tao anatin’ny fahatanterahan’izy roa ireo mitambatra no nanehoany ny endrik’Andriamanitra.

     Mahafaoka ny zava-drehetra ny toetry ny endrik’Andriamanitra: “Rehefa nivoaka avy teo am-pelatanan’ny Mpamorona i Adama, dia nitondra, tao anatin’ny toetrany ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, ny tarehin’ny Mpahary azy” Ed., t. 15. (Nampiana sora-mandry.)

     Ny teny ilazana ny “endrika” amin’ny fiteny hebreo dia tselem; ny teny ilazana ny “tarehy” dia demuth. Ireo teny ireo dia mety hidika ny ara-batana (tselem) sy ny ao anaty (demuth). Ny ao anaty dia mahafaoka ireo ampahany ara-panahy sy ara-tsaina amin’ny olombelona. Takatr’i Ellen G. White io teboka io rehefa nilaza izy fa nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona, “na eo amin’ny tenany izany na eo amin’ny toetrany.” — PM, t. 20

     Marihin’ny Deo. 6:5 ireo velarany samy hafa amin’ny olombelona: fanahy (ara-panahy), fo (saina; ara-tsaina), ary ny hery (vatana). Mampianatra io hevitra io koa ny 1 Tes. 5:23. Mazava loatra fa hahafaoka ireo velarany rehetra ireo ny olona iray izay nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra.

Na dia mbola misy zavatra maro aza ao anatin’io hevitra hoe noforonina tahaka “ny endrik’Andriamanitra” io, dia mazava ny Baiboly: voary hafa sy manokana eto an-tany ny olombelona. Tsy misy zava-manan’aina hafa mitovitovy aminy. Nahoana no zava-dehibe mandrakariva ho antsika ny mahatsiaro io fahasamihafana lehibe io?

 Pejy ambony 

ALATSINAINY

NY FAHALAVOANA SY NY VOKANY (Gen. 3:8–10)

Fiambenana maraina: Ambany ve ny tombam-bidinao? - Mat. 10:29-31.

     Tsy milaza ny fe-potoana nisy teo anelanelan’ny Famoronana efa vita sy ny Fahalavoana ny Baiboly. Andro, sa herinandro sa taona – tsy fantatsika.

Fantatsika anefa fa tena nisy tokoa ny Fahalavoana, ary teo noho eo sy niharihary ny vokany.

     Niseho ny vokany voalohany rehefa avy nihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy i Eva: hitan’izy ireo tampoka teo fa nitanjaka izy (Gen. 3:7). Niezaka niafina ny fanatrehan’Andriamanitra izy ireo. Niala taminy ankehitriny ilay fitafiany namirapiratra (Vakio PM, t. 34.) Simba ilay firaisany ety tamin’Andriamanitra noho ny fahalalana vaovao tao anatiny, dia ny fahotana. Koa niezaka nampahafantatra ireo mpivady voalohany ireo ny vokatra hateraky ny fahotany eo aminy Andriamanitra.

Vakio ny Gen. 3:8–10 sy ny Gen. 3:12,13,16–19. Tanisao ireo vokatry ny fahotan’i Adama sy i Eva araka izay hita ao amin’ny andininy tsirairay. Ahoana koa no isehoan’ireo vokatra ireo amin’izao vanim-potoana izao?    

     Tsy isalasalana fa tena nisy tokoa ny Fahalavoana; mafy dia mafy ny Fahalavoana; ary misy fiantraikany maharitra eo amin’ny olombelona ny Fahalavoana. Maneho ireo vokatra mahatsiravin’ny fahotana ny tantara lava sy mampalahelon’ny olombelona, hatramin’ireo trangan-javatra amin’izao vanim-potoana izao.

Tokony ho feno fankasitrahana manao ahoana àry isika noho ny teny fikasana fa indray andro any dia hifarana ny fahotana ary tsy hiverina intsony.

Amin’ny fomba ahoana no iainantsika isan’andro ireo vokatry ny fahotantsika ihany?

 Pejy ambony 


TALATA

FIFANDRAFESANA SY FAMELAN-KELOKA (Gen. 3:14,15)

Fiambenana maraina: Mandroaka tahotra ny fitiavana - 1 Jao. 4:18.

Vakio ny Gen. 3:14,15. Inona no tian’Andriamanitra ambara rehefa niteny tamin’i Satana Izy hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany” - Gen. 3:15? Inona no fanantenana hitantsika ho antsika manokana eto?

     Ny teny hoe fifandrafesana amin’ny teny hebreo dia mitovy fototeny amin’ny teny hebreo hoe fankahalana sy amin’ny hoe fahavalo. Tamin’ny nihinanany ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia nanao ny tenany, sy ny olombelona rehetra, ho fahavalon’Andriamanitra i Adama sy i Eva (vakio ny Rôm. 5:10; Kôl. 1:21; Jak. 4:4). Ny teny fikasana hita ao amin’ny Gen. 3:15 dia midika fa hanomboka ny drafiny ho famerenana ny olona ho eo Aminy Andriamanitra. Hivantana any amin’i Satana ny fankahalany azy ireo ao anatin’izany. Koa amin’ny alalan’ny fampivantanana ny fankahalany amin’i Satana no hametrahan’Andriamanitra fomba hamonjena ny olona. Tsy manitsakitsaka ny foto-kevitry ny fanjakany Izy amin’izay fotoana izay. Io asa manokana io no fantatra amin’ny hoe: “fanavotana.” Io asa fanadiovana sy famelan-keloka io no zavatra nataon’Andriamanitra sy mbola ataon’Andriamanitra mba hamerenana amin’ny laoniny ny zavatra very noho ny Fahalavoana.

Inona no asehon’ireto andininy manaraka ireto mahakasika ny fanavotana? Lev. 1:3,4; 1 Kôr. 5:7; ary 1 Jao. 1:9.


Matetika ireo mpandalina ny Baiboly no mampiasa ny teny fanonerana mba ilazana ny fomba fiasan’io fanavotana io. Ny fototeny latinina, expiare, dia midika hoe: “manavotra” ary misy fanarenana noho ny asa tsy mety natao ao anatin’io hevitra io. Nisy olona nanao zavatra tsy mety, izany hoe nandika ny lalàna izy, ka mitaky fandoavana sazy ny fahamarinana. Amin’ny teny anglisy, dia mazàna no lazaina fa ananan’ny “fiarahamonina trosa” ilay olo-meloka noho izay nataony.

Eo amin’ny toerana misy antsika dia nanota isika; saingy eo amin’ny drafi-pamonjena, dia manafaka antsika amin’ny vokatra ara-dalàn’ny hadisoantsika ny fanavotana (sorona nataon’i Kristy tamin’ny alalan’ny fahafatesany). Naloan’i Kristy ho antsika tokoa mantsy ny sazy. Nomena an’i Jesôsy ny sazy izay tokony ho antsika araka ny lalàna (tena manana lalàna ny fanjakan’Andriamanitra). Amin’izay dia voahaja ny fitakian’ny rariny, saingy i Jesôsy no nandoa ny sarany fa tsy isika. Na dia mpanota aza isika, na dia nanao hadisoana aza isika, dia voavela heloka sy nohamarinina teo anatrehany. Io no dingana fototra sy tena manan-danja eo amin’ny “‘fampodiana ny zavatra rehetra’” (Asa. 3:21).

 Pejy ambony 

ALAROBIA

FAMERENANA AMIN’NY LAONINY AO AMIN’I JESOSY (Gal. 4:19)

Fiambenana maraina: Ny fitiavana tena ilaina - 1 Kôr. 13:4-7.

Nohariana ho voary tonga lafatra sy tanteraka tao anatin’ny tontolo tonga lafatra sy tanteraka isika. Mampalahelo anefa fa very noho ny fahotana io toerana tonga lafatra io, ka lasa feno fahafatesana, fikomiana, fahoriana, tahotra, ary tsy fahalalana ny tany, araka ny efa fantatsika rahateo. Napetraka ny drafi-pamonjena mba hamerenana ity tontolo ity amin’ny fahatanterahana izay nananany fahiny. Tonga i Kristy mba haka indray izay very noho ny Fahalavoana.

Nahary ny olona tahaka ny endriny Andriamanitra tamin’ny voalohany, ary noravahany fahaizana ambony sy sahaza azy tsara izy. Nihasimba ireny fanomezam-pahasoavana ireny, noho ny fahalavoan’ny olona sy ny voka-dratsiny. Nandoto sy namafa tanteraka ny endrik’Andriamanitra teo amin’ny olona ny fahotana. Ny mba hamerina indray io endrika io ao amin’ny olona no nanorenana ny drafi-pamonjena sy nanomezana fotoana fizahan-toetra ho antsika. Ny hiverina amin’ny fahatanterahantsika tany am-boalohany, izany no zava-dehibe eo amin’ny fiainana ankehitriny.” — PM, t. 603. Tsy ho feno io famerenana amin’ny laoniny io raha tsy tafatoetra ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, saingy efa nanomboka ao anatintsika io drafitra io ankehitriny!

Vakio ny Gal. 4:19. Inona no teboka ara-panahy manan-danja marihin’i Paoly eto?

     Ao amin’ny Heb. 1:3, dia aseho ho endrik’Andriamanitra i Kristy — “ endriky ny tenany indrindra (Ampitahao amin’ny Jao. 14:9; 2 Kôr. 4:4; Kôl. 1:15.) Irin’i Jesôsy ny hiray amintsika mba ahafahany mamerina indray ny endrik’Andriamanitra eo amintsika. Raha manaiky isika, dia afaka ny ho ao anatintsika i Kristy, ilay endrik’Andriamanitra: “Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” - Kôl. 1:27.

     Ny fanandramana fara tampon’ny hoe haverina amin’ny endriny dia hitranga amin’ny fiavian’i Jesôsy fanindroany (vakio ny 1 Kôr. 15:49; 1 Jao. 3:2). Kanefa satria ao anatintsika i Kristy, ary ao amin’i Kristy isika, dia tena manomboka fony isika mbola eto an-tany ny fizotry ny famerenana antsika amin’ny endrik’Andriamanitra. Rehefa mitranga izany, dia ho faniriantsika fatratra ny hitondra ireo mpiara-belona amintsika eo amin’i Jesôsy, ilay Iray izay afaka mamerina azy ireo amin’ny laoniny koa.

Manomboka izao ny asa ao anatintsika, mba hamerenana antsika amin’ny laoniny. Nahoana anefa isika no tsy maintsy mahatsiaro mandrakariva fa tsy ho feno tanteraka io famerenana amin’ny laoniny io raha tsy amin’ny fiavian’i Jesôsy fanindroany?

 Pejy ambony
 

ALAKAMISY

Fiambenana maraina: Ny oha-pitiavana fara tampony - Rôm. 5:8.

NY ASA FAMERENANA AMIN’NY LAONINY ATAON’NY FIANGONANA (Mar. 2:1–12)

     Araka ny efa nianarantsika, tonga lafatra ny tontolontsika raha noforonina, saingy very izany, ka nitondra vokatra mahatsiravina. Tsy navelan’Andriamanitra hitoetra ao amin’ny faharinganana mandrakizay anefa isika (io no anjara izay miandry antsika rahatrizay, araka ny filazan’ny siansa). Tsy izany fa napetraka ny drafi-pamonjena, efa talohan’ny niantombohan’izao tontolo izao (vakio ny 1 Pet. 1:2). Tamin’ny sarany lafo dia lafo ho an’ny Tenany no nahatongavan’i Jesôsy teto amin’izao tontolo izao, niaritra ny hazo fijaliana, ary nanome toky fa hiverina indray. Koa rehefa hifarana ny zava-drehetra, ary haringana ny fahotana, dia haverina amin’ny laoniny tanteraka ilay tontolo lavo.

     Ny mahatalanjona anefa dia ny fiantsoan’Andriamanitra antsika, fiangonany, na amin’izao fotoana izao aza, ny handray anjara amin’io asa famerenana amin’ny laoniny io.

Vakio ao amin’ny Mar. 2:1–12 ny tantaran’ny fomba niarahan’ny mpisakaiza niasa mafy mba hitondrana lehilahy mararin’ny paralisisa teo amin’i Jesôsy. Ahoana no anehoan’io tantara io ny anjara asan’ny fiangonana eo amin’ny fanasitranana sy famerenana ny olona amin’ny laoniny?  

Feno ny trano satria tao i Jesôsy. Nitarika vahoaka betsaka ny fitiavany ny olona. Nanao lavaka lehibe teo amin’ny tafo ny lehilahy efatra mba hitondrana ilay lehilahy marary ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ho eo amin’i Jesôsy. Rehefa izay dia naverin’i Jesôsy tamin’ny laoniny izy tamin’ny alalan’ny famelana ny helony, fanomezana azy fiadanan-tsaina, ary fibaikoana azy hitsangana sy handeha. Nasehon’i Jesôsy fa tsy misy olona sitrana tanteraka raha tsy tafaverina amin’ny laoniny ara-panahy, sy ara-tsaina, ary ara-batana tanteraka izy.

Ahoana no nanoritan’ny apôstôly Jaona ny antony nahatongavan’i Kristy teto an-tany? Inona no fanantenana azontsika sintonina avy amin’ireo teny fikasana ireo? Vakio ny Jao. 10:10 sy ny 1 Jao. 3:8.

Ny Jao. 10:10 no hafatry ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito raha fintinina amin’ny andininy iray. Io no fanambaràna mazava ny irak’i Kristy. Ny andraikitra lehibe indrindra ho an’ny vatan’i Kristy, ny fiangonany, dia ny manaraka ny dian-tongony sy ny mandrava ny asan’ny devoly amin’ny alalan’ny fanoloana ny fahafatesana amin’ny fiainana feno dia feno (vakio ny Asa. 10:38; 1 Jao. 2:6). Nantsoina ny fiangonana mba hiara-miombon’antoka amin’i Kristy eo amin’ny fitarihana ny olona ho amin’ny famerenana azy amin’ny endrik’Andriamanitra – ara-batana, ara-tsaina, ary ara-panahy.

Iza no olona mila ny fanampianao izao dia izao, fanampiana izay ianao mihitsy no afaka manome izany?

Pejy ambony


ZOMA

Fiambenana maraina: Miandry an’i Jehôvah - Sal. 130:5,6.

Filentehan’ny masoandro: 5.24

FIANARANA FANAMPINY: Vakio ireto andininy hafa momba ny famerenana amin’ny endrik’Andriamanitra ireto: Rôm. 8:29; Kôl. 1:15; Kôl. 3:9–11; 2 Kôr. 3:18; 2 Kôr. 5:17. Vakio ny “Ny Famoronana,” “Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan’ny olona,” ary “Ny drafitry ny fanavotana,” tt. 18–49, ao amin’ny PM.

Amin’ny maha-vahoaka antsika no niantsoan’Andriamanitra antsika mba hiasa ho an’ny hafa sy ho amin’ny mahasoa ny hafa. Natao hampitodika ny hafa amin’ireo teny fikasana mifono fanantenana sy famerenana amin’ny laoniny izay nomena antsika tao amin’i Jesôsy isika. Misy fomba samy hafa ahafahan’ny Tompo miasa amin’ny alalantsika mba hanatanterahana izany. Misy fiangonana sasany manolotra famerenana amin’ny laoniny ara-batana ho an’ny olona eo amin’ny fiarahamonina misy azy, amin’ny alalan’ny fandaharana sy asa fanompoana ara-pahasalamana. Ankoatra izay, miasa hahatanteraka io tanjona io koa ny rafitry ny fiangonana momba ireo hôpitaly sy ireo toeram-pitsaboana. Azo tontosaina amin’ny alalan’ny sekoly, izay manampy ny mpiaramonina hahazo izay ilainy eo amin’ny fiainany, ny famerenana amin’ny laoniny ara-tsaina. Azon’ny fiangonana atao koa ny manorina na manatsara ny sekoly eo an-toerana, ny manome fanofanana arak’asa, ny manampy ny hafa hianatra hamaky teny sy hanoratra, ary ny manolotra torohevitra. Raha manohy ny fikatsahany famerenana amin’ny laoniny sy fiainana be dia be ny olona maro eo amin’ny fiarahamonina, dia hahatsapa izy ireo fa mila famerenana amin’ny laoniny ara-panahy koa, na dia tsy nieritreritra izany aza izy tany am-boalohany. Io fahatsapana io tokoa mantsy dia lafiny manan-danja amin’ny famerenana amin’ny endrik’Andriamanitra (vakio ny Efes. 4:22–24). Ny fiangonana no toerana sahaza sy mety mba hanomezana izay ilain’ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy, ary tsara lavitra noho ny fandaminana ara-tsôsialy na ara-pahasalamana eto amin’izao tontolo izao izany.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Manomeza ohatra ny amin’izay efa ataon’ny fiangonanareo, hitozoana ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ara-batana, sy ara-tsaina, ary ara-panahy ireo olona eo amin’ny fiarahamonina misy anareo. Inona no ataon’ny fiangonanareo eo amin’io lafiny io? Zarao amin’ny kilasy ny hevitrao mahakasika ny fomba ahafahan’ny fiangonanareo manolotra asa fanompoana misimisy kokoa ho famerenana amin’ny laoniny ireo olona manodidina anareo.

  • Ahoana no fahazoantsika io hevitra mahakasika ny famerenana amin’ny laoniny ara-batana io? Na inona na inona no ataontsika mba hanampiana ny hafa hamerenana indray ny fahasalamany, dia ho matin’ny aretina sy ny fandringanan’ny fahanterana ihany izy ireo na ho ela na ho haingana, raha tsy hoe angaha hiverina amin’ny androm-piainany ny Tompo. Nahoana no porofo fanampiny io fa aorian’ny fiverenan’i Jesôsy ihany vao hitranga ny famerenana feno amin’ny laoniny?

Mifanakaloza hevitra mahakasika ny hevitry ny hoe manomboka miverina amin’ny endrik’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Ahoana no fomba fiasan’izany? Ahoana no ahafantarantsika raha toa ka mivoatra isika? Nahoana isika no tsy maintsy manana sary mazava momba an’Andriamanitra mba hitrangan’izany famerenana amin’ny laoniny izany? Ahoana no ahafahantsika mianatra ny tsy ho kivy na hamoy fo raha tsy mivoatra isika?

 Pejy ambony