LESONA 14

24 - 30 DESAMBRA

IREO LESONA AVY AMIN'NY BOKIN'I JOBA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kôr. 5:7; Jôba 1-Jôba 2:8; Mat. 4:10; Mat. 13:39; Jao. 8:1-11; Heb. 11:10; Heb. 4:15.

Tsianjery: “Indro ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” Jak. 5:11.


Tonga amin’ny fiafaran’ny fandinihana ny bokin’i Jôba amin’ity telovolana ity isika. Tsy maintsy miaiky anefa isika fa mbola maro no tokony hovelabelarina sy hianarana. Mazava loatra, fa na eto amin’izao tontolo izao aza, ny zava-drehetra izay ianarantsika sy hitantsika dia mitarika ho amin’ny fianarana sy fandalinana zavatra hafa indray. Koa raha toy izany ny momba ny atôma, ny kintana, sy ny “méduse” (zava-manana aina anaty ranomasina) ary ny fampimirana (“équation”), tokony hihoatra izany manao ahoana moa ny amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly?

“Tsy misy tokony hisalasalantsika ny amin’ny tenin’Andriamanitra, noho ny tsy fahatakarantsika ireo zava-miafin’ny fitarihany. Feno zava-mahatalanjona tsy tratry ny saintsika mandrakariva ny tontolo voajanahary. Ka tokony ho gaga ve isika raha toa ka misy zava-miafina maro tsy takatsika ao amin’ny tontolon’ny ara-panahy? Ny fahalemena sy ny fetran’ny sain’olombelona ihany no maha-sarotra izany.” – Ellen G.White, Education, t. 170.


Eny tokoa, mbola misy hatrany ny zava-miafina, indrindra ao amin’ny boky toy ny bokin’i Jôba. Avy amin’izany no hipetrahan’ny ankamaroan’ireo fanontaniana saro-baliana indrindra eo amin’ny fiainana. Amin’ity herinandro ity isika, dia hijery ny sasantsasany amin’ireo lesona azontsika sintonina avy amin’io tantara io izay hanampy antsika, tahaka an’i Jôba, ho mahatoky amin’Andriamanira eto amin’ity tontolo feno alahelo sy fijaliana ity.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

AMIN’NY FINOANA FA TSY AMIN’NY FAHITANA (2 Kôr. 5:7)


Vakio ny 2 Kôr. 5:7 sy ny 2 Kôr. 4:18. Inona ny fahamarinana lehibe ambaran’ireo toko sy andininy ireo? Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ireo antsika hitoetra ho mpanara-dia mahatoky an’Andriamanitra?


Ny fifanakalozan-kevitra manodidina ny 2 Kôr. 4:18 dia mikasika ny fiafaran’izao tontolo izao. Fantatra amin’ny hoe “eschatologie” ny fandinihana momba ireo toe-javatra amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. Io toko sy andininy io dia manondro mialoha izay hitranga rehefa miverina fanindroany i Jesôsy ka hanova ny olony ho tsy mety maty. Tsy mbola tanteraka io teny fikasana lehibe io. Noho izany, dia tokony horaisintsika amim-pinoana izany.

Ny bokin’i Jôba ihany koa dia maneho amintsika fa mbola misy zavatra marobe eto amin’ity tontolo ity ankoatra izay hitantsika. Tsy tokony ho sarotra loatra ho antsika izay velona amin’izao fotoana izao ny mahatakatra izany, satria ny siansa dia nampahafantatra zavatra maro momba ny natiora izay tsy hitan’ny maso.

Nijoro nanoloana ny fiangonana ny mpitory teny iray tao amin’ny tanàn-dehibe iray. Nangataka fahanginana tanteraka avy tamin’ireo mambra izy. Nandritra ny segondra maromaro dia tsy nisy feo re. Nony avy eo dia naka vata fandraisam-peo izy ka nandefa izany. Noteteziny ireo mari-drefy, ka feo samihafa no nivoaka avy tamin’ilay vata fandraisam-peo.

Avy eo dia hoy ilay pasitora: “Hono hoy aho, avy taiza no nivoahan’ireo feo teo ireo? Avy tao amin’ilay vata fandraisam-peo ihany ve? Tsia, eny amin’ny rivotra manodidina antsika eny ireny feo ireny, toy ny onjam-peo. Ireny onja ireny dia toy ny feoko izay renareo amin’izao fotoana izao, saingy tsy hitantsika na azontsika tsapaina izany satria tsy mifandray mivantana amintsika. Tsy midika anefa ny tsy fahitantsika sy ny tsy fahatsapantsika na ny tsy fandrenesantsika izany fa tsy misy manodidina antsika ireny, sa tsy izany?”


Inona avy ireo zavatra tena misy (toy ny fandefasa-tara-pahazavana na “radiation” na ny vesa-jaka), tsy hitantsika kanefa manodidina antsika? Inona ny lesona ara-panahy azontsika sintonina avy amin’ny fisian’ireo zavatra ireo manodidina antsika ka misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika?


Araka izay asehon’ny bokin’i Jôba, dia tsy misy amin’ireo olona ao anatin’io tantara io izay tena mahatakatra marina izay miseho. Mino an’Andriamanitra izy ireo, manana fahalalana vitsivitsy momba an’Andriamanitra sy ny toetrany ary ny hery enti-mamorona ananany koa. Hitan’izy ireo ny fahoriana sy ny fijaliana mahatsiravina lalovan’i Jôba, saingy tsy fantany izay tena mitranga marina ao ambadik’izany. Tahaka izany koa, mety tsy ho fantatsika loatra ny tontolo tsy hita maso manodidina antsika. Araka izany, ny bokin’i Jôba dia mampianatra antsika fa ilaintsika ny mianatra miaina amim-pinoana. Ilaintsika ny mahatsapa ny fahalementsika sy ny hakelin’ny zavatra hitantsika sy fantatsika.


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

NY RATSY (Jôba 1:1-Jôba 2:8)


Iray amin’ireo fanontaniana lehibe manitikitika ny sain’olombelona ny momba ny faharatsiana. Filôzôfa maromaro, eny na ny sasany amin’ireo nandala fatratra ny fivavahana aza no nitsipaka ny fisian’ny faharatsiana. Mihevitra izy ireo fa fara-faharatsiny mba ajanona ny fampiasana ny teny hoe faharatsiana, saingy tsy mitovy hevitra amin’izany ny ankamaroan’ny olona. Tena misy ny faharatsiana, ary eto amin’izao tontolo izao izany. Azontsika atao ny miady hevitra ny amin’izay endrika faharatsiana na tsia, saingy ny maro amintsika dia “mahafantatra izany rehefa sendra azy”, araka ny nambaran’ny fitsarana tampony Amerikanina tamin’ny tontolon-kevitra iray hafa.

Matetika ny faharatsiana no sokajiana ho roa: ny faharatsiana eo amin’ny zava-boary sy ny faharatsiana eo amin’ny toetran’ny olona. Ny ratsy eo amin’ny zava-boary dia izay mitranga eo amin’ny natiora, toy ny horohoron-tany na ny tondra-drano na ireo aretina izay mitondra fahoriana. Ny iray hafa kosa dia avy amin’ny fihetsika voahevitry ny olombelona hanao ratsy, toy ny famonoana olona na ny fandrobana.

Karazana tsangan-kevitra maro no niezaka nanazava ny antony mampisy ny faharatsiana. Amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, dia mino isika fa ny Baiboly dia mampianatra fa nanomboka tamin’ny fahalavoan’ny voary iray (Satana) ny faharatsiana. Maro anefa ireo olona hafa izay mandà ny fisian’i Satana, lavin’izy ireo ny fanambarana mazava ataon’ny Baiboly mikasika an’i Satana, voary tena misy, izay miezaka manimba ny olombelona araka izay tratra.

Naseho mazava io fahamarinana io ao amin’ny bokin’i Jôba.


Vakio ny Jôba 1:1 hatramin’ny Jôba 2:8. Ahoana no anampian’ireo toko roa ireo antsika hamantatra ny asan’i Satana eo amin’ny faharatsiana izay manenika izao tontolo izao?


Amin’ny toe-javatra mahazo an’i Jôba, dia i Satana no tompon’andraikitra mivantana ny amin’ny faharatsiana, na eo amin’ny zava-boary na amin’ny toetran’ny olona. Ny bokin’i Jôba anefa dia tsy mampianatra fa ny ohatra tsirairay amin’ny faharatsiana na ny fahoriana dia avy amin’ny asan’ny devoly. Tahaka ireo olona hita ao amin’ny bokin’i Jôba, isika koa dia tsy mahafantatra ny anton’ireo toe-javatra mahatsiravina izay nitranga. Raha ny marina aza, ny anarana hoe “Satana” dia tsy hita ao amin’ireo resaka ifanaovana momba ny zavatra ratsy rehetra nitranga tamin’i Jôba. Nanome tsiny an’Andriamanitra ireo nandaha-teny, ary nanome tsiny an’i Jôba koa, saingy tsy mba nanome tsiny an’i Satana izy ireo. Na izany na tsy izany anefa, ny bokin’i Jôba dia maneho antsika izay tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana eto an-tany.   


Vakio ny Apôk. 12:12; Mat. 4:10; Mat. 13:39: Lio. 8:12; Lio. 13:16; Lio. 22:3,31; Asa. 5:3; ary ny 1 Pet. 5:8. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika momba ny tena fisian’i Satana marina? Manan-danja kokoa noho izany aza, inona ireo ohatra maneho ny fiasan’i Satana eo amin’ny fiainanao? Ahoana no hahatonga anao ho voaaro amin’ny asany?



 Pejy ambony

TALATA

 

RAHA TOY IZANY NY NAMANA… (Jao. 8:1-11)


Manerana ny bokin’i Jôba, dia antony tsara no manosika ireo lehilahy telo (nitombo ho efatra avy eo) hiresaka amin’i Jôba. Ren’izy ireo izay nahazo an’i Jôba, ka tonga izy “hitsapa alahelo sy hampionona azy” (Jôba 2:11). I Jôba no niteny voalohany, nilaza fa malahelo loatra izy noho ny amin’ireo toe-javatra mahatsiravina nitranga taminy. Ireo sakaizany anefa dia nahatsapa fa zava-dehibe kokoa ny miteny mafy an’i Jôba, amin’ny “fametrapetrahana tsara ny fivavahany” noho ny hoe mampahery sy manandratra ny fanahin’ity sakaizany  mijaly.


Imbetsaka izy ireo no nanambara zavatra diso, saingy saino anie raha toa ka marina avokoa ny tenin’izy ireo. Ahoana raha toa ka tonga tamin’i Jôba ireo rehetra ireo satria mendrika izany izy? Mety ho marina ny nambaran’ireo sakaizany mikasika ny foto-pinoana, saingy ahoana avy eo? Mila ny fivavahana marina ve i Jôba, sa kosa zavatra hafa tanteraka mihitsy no nilainy?


Vakio ny Jao. 8:1-11. Inona no asehon’i Jesôsy eto, izay tsy ananan’ireo sakaizan’i Jôba?


Ao amin’ity tantara ity, dia misy fahasamihafana lehibe eo amin’ilay vehivavy azo olan-tanana nijangajanga sy ireo niampanga azy, ary eo amin’i Jôba sy ireo niampanga azy. Meloka ilay vehivavy. Mety tsy ho betsaka noho ny an’ireo niampanga azy ny helony, saingy tsy misy mihitsy firesahana momba ny helony. I Jôba kosa dia tsy meloka tamin’izay niampangan’ny sakaizany azy. Andeha atao hoe meloka tahaka ity vehivavy ity i Jôba. Raha toa ka izany, ny zavatra nilain’i Jôba avy tamin’ireo lehilahy ireo dia izay nilain’ilay vehivavy, sy izay ilain’ny olona mandalo fahoriana: fahasoavana sy famelan-keloka.


“Tamin’ny namelany ny helok’io vehivavy io sy nampaherezany azy hiaina amin’ny fiainana tsaratsara kokoa, dia namirapiratra teo amin’ny hakanton’ny fahamarinana tanteraka ny toetra amam-panahin’i Jesôsy. Tsy nanafina ny fahotana Izy, na nanamaivana ny fahadisoana, nefa tsy nitady ny hanameloka, fa ny hamonjy. Tsy nanana afa-tsy fanamelohana sy fanarabiana ho an’ity vehivavy diso ity izao tontolo izao; nefa teny fampiononana sy fanantenana no nataon’i Jesôsy taminy.” – IFM, t. 496.

Ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin’ny bokin’i Jôba dia ny ilantsika ny manome ho an’ny hafa izay irintsika horaisina raha eo amin’ny toeran’izy ireo isika. Azo antoka fa misy ny fotoana sy toerana manokana hanaovana teny mafy, saingy alohan’ny itenenana ny olona iray manao fahadisoana, dia ilaintsika ny mahatsiaro amim-panetren-tena fa mpanota ihany koa isika.


Ahoana no hianarantsika hanana fiantrana ho an’ireo mijaly, na dia noho ny nataony aza izany?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

MIHOATRA NOHO NY TSILO SY HERY (Gen. 3:16-24)


Fantatsika rehetra fa sarotra ny fiainana. Vao tany Edena, taorian’ny Fahalavoana, dia nomena antsika ny sasany amin’ireo endrika isehoan’ny fahasarotan’izany. Nampahafantarin’Andriamanitra an’ireo ray aman-drenintsika voalohany ny sasany amin’ireo vokatry ny fahotan’izy ireo (vakio ny Gen. 3:16-24). Filazalazana tsotra fotsiny anefa ireo. Raha “tsilo sy hery” ihany mantsy no fihaikana atrehintsika amin’ny fiainana, dia ho hafa tanteraka amin’izay miseho amin’izao fotoana izao ny fiainan’ny olombelona.

Mijery ny manodidina isika, ka mahita fahoriana maro, aretina, fahantrana, ady, heloka bevava, fahakiviana lalina, fahalotoan’ny tontolo iainana ary tsy fahamarinana. Herodote, manam-pahaizana iray momba ny tantara dia nanoratra mikasika ny kolotsaina iray ahitana olona misaona rehefa misy zazakely vao teraka. Nisaona toy izany ireo olona ireo satria fantany ny fahoriana tsy azo ialana izay hatrehin’io zaza io rehefa tonga amin’ny fahalehibiazana izy. Toa mahatsiravina izany, saingy iza no afaka hilaza fa diso izany fomba fisainana izany?

Ao amin’ny bokin’i Jôba kosa anefa dia misy hafa-panantenana ho antsika momba ny fiainan’ny olombelona. Araka izay nianarantsika, i Jôba dia tandindon’ny olona rehetra mijaly. Matetika isika no mandalo fahoriana amin’ny fomba izay toa tsy rariny, raha ny fahotana nataontsika no jerena. Ny fahoriana toy izany dia tsy rariny ho an’i Jôba, ary toy izany koa ho antsika.

Ny azon’ny bokin’i Jôba lazaina amintsika dia hoe eo Andriamanitra, Izy no mahafantatra, ary manome toky Izy fa ny fahoriantsika dia tsy hoe miseho amin’izao fotsiny tsy akory.

Ireo mpanoratra tsy mpino sy ireo olona tsy mino an’Andriamanitra dia miady mafy mba hahatakatra ny maha-tsy misy heviny ny fiainana iray izay mifarana tanteraka amin’ny fahafatesana. Miady mafy izy ireo mba hahita valiny kanefa mbola tsy mahita na inona na inona ihany. Tsy misy na inona na inona omen’ity fiainana ity. Misy ny filôzôfian’ny tsy mpino antsoina hoe “nihilisme”, izy io dia avy amin’ny teny Latinina nihil, izay midika hoe “tsy misy”. Ny nihilisme dia mampianatra fa izao tontolo izao sy ny fiainantsika eto an-tany dia tsy misy heviny na iray aza.

Ny bokin’i Jôba anefa dia mampitodika ny saintsika amin’ilay Andriamanitra any an-danitra, any ankoatra ny nihil, na ny tsy misy. Ny fiainantsika mantsy dia mahatonga tahotra ho antsika fa indray andro any isika dia ho tonga amin’izany. Ny bokin’i Jôba dia misarika ny saintsika hitodika amin’Andriamanitra sy amin’ny fanantenana ny fiainana any an-danitra. Milaza amintsika izany fa ny zava-drehetra mitranga amintsika dia tsy mitranga eo amin’ny tontolo foana, fa misy Andriamanitra izay mahafantatra ny zava-drehetra mitranga. Manome toky Izy fa ho tsara ny toe-javatra indray andro any. Na misy aza ireo fanontaniana manan-danja tsy voavalin’ny bokin’i Jôba, dia tsy hoe tsy misy horaisintsika amin’izany afa-tsy ny lavenon’ny fiainantsika tsy akory (vakio ny Gen. 3:19; Jôba 2:8). Manome fanantenana lehibe ho antsika aza izany, fanantenana ny zavatra any ankoatran’izay hitan’ny masontsika, sy tsapatsika na azontsika kasihina.


Zarao ny toko sy andininy tianao indrindra ao amin’ny Baiboly izay milaza mazava fa manana fanantenana lehibe isika, izay mihoatra lavitra ny zavatra rehetra atolotr’izao tontolo izao. (Vakio ohatra ny Heb. 11:10; Apôk. 21:2)



 Pejy ambony

ALAKAMISY

I JESOSY SY I JOBA (1 Jao. 2:1)

Ireo mpandinika ny Baiboly manerana ny tantara dia niezaka nitady izay zavatra hita tao amin’ny tantaran’i Jôba no sady hita koa ao amin’ny tantaran’i Jesôsy. Tsy tena “tandindon’”i Jesôsy (tahaka ireo biby tamin’ny fanaovana fanatitra) i Jôba, saingy misy ihany ny fampitahana mahaliana azo atao. Ao amin’ireo fampitahana ireo no ahafahantsika mianatra lesona hafa avy amin’ny bokin’i Jôba: namoy ny ainy mihitsy ny Tompo ho famonjena antsika.


Ampitahao ny Jôba 1:1 sy ny 1 Jao. 2:1, ny Jak. 5:6 ary ny Asa. 3:14. Inona no mampitovy ireo toko sy andininy ireo?


Vakio ny Mat. 4:1-11. Inona no mampitovy an’i Jesôsy sy i Jôba?


Vakio ny Mat. 26:61; Lio. 11:15,16; ary ny Jao. 18:30. Ireo toko sy andininy ireo dia milazalaza momba ny toe-java-tsarotra sy ny fiampangana nihatra tamin’i Jesôsy. Inona no mampitovy ny zavatra niainan’i Jesôsy voalazan’ireo toko sy andininy ireo sy ny toe-javatra nolalovan’i Jôba?

Ampitahao ny Jôba 1:22 sy ny Heb. 4:15. Inona no mampitovy ireo toko sy andininy roa ireo?


Ireo toko sy andininy ireo dia tena mampiseho fampitahana mahaliana eo amin’ny fanandramana niainan’i Jôba sy i Jesôsy. Mazava loatra fa tsy hoe tsy manan-tsiny i Jôba, saingy i Jesôsy dia izany tokoa. Lehilahy mahatoky sy tia fahamarinana i Jôba, ka ny fiainany dia manome voninahitra ny Ray. Nalain’ny devoly fanahy i Jôba, i Jesôsy ihany koa dia niharan’izany. Voampanga tsy ara-drariny i Jôba manerana ny bokiny iray manontolo. I Jesôsy ihany koa dia niatrika fiampangana tsy marina marobe.


Farany, nefa ny manan-danja indrindra, na inona na inona nitranga dia nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra i Jôba. Nitoetra ho mahatoky ihany koa i Jesôsy noho ny fitiavana antsika, maro ny zavatra nihatra Taminy, nefa dia niaina fiainana tsy nisy ota Izy, fiainana izay naneho tamin’ny fomba tonga lafatra ny toetran’Andriamanitra.“Mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy.” (Heb. 1:3, DIEM). Izy irery no manana ny fahamarinana ilaina ho amin’ny fanavotana. “Eny, afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy, ary natao ho an’izay rehetra manam-pinoana izany, fa tsy misy fanavahana.” – Rôm. 3:22, DIEM.


Mety ho be loatra izay nandalovan’i Jôba, saingy ny fahoriany sy ny fahatokiany nandritra izany fahoriana izany dia ohatra bitika sy tsy tonga lafatra ihany eo anatrehan’izay hatrehan’i Jesôsy ilay Mpamonjy azy, noho ny aminy sy ny amintsika koa. Azo antoka fa ho avy tokoa i Jesôsy ary “hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy.” (Jôba 19:25)


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Nandritra ny taonjato maro, ny bokin’i Jôba dia nahaliana, nampianatra, ary nametraka fihaikana ho an’ny mpamaky maro ao amin’ny Jodaisma, ny Kristianina, eny na ireo Silamo koa aza. (Manana ny fomba fitantarany manokana ny tantaran’i Jôba ny Silamo). Hoy isika hoe nametraka fihaikana satria io boky io dia mamela fanontaniana marobe tsy voavaly. Amin’ny lafiny iray, dia tsy tokony hahagaga loatra izany. Inona amin’ireo boky (avy amin’ny Genesisy hatramin’ny Apôkalipsy) ao amin’ny Baiboly rahateo moa no tsy ahitana fanontaniana maro tsy ahitam-baliny? Na dia raisina amin’ny maha-izy azy manontolo aza ny Baiboly, dia tsy mamaly ny fanontaniana rehetra ampidiriny. Amin’ireo lohahevitra rehetra resahiny, dia ny fahalavoan’ny olombelona sy ny drafi-pamonjena no hianarantsika mandritra ny mandrakizay (vakio ny HM, t. 705). Koa ahoana moa no hamalian’ny boky kely iray ao amin’ny Baiboly ny zavatra rehetra tiantsika ho fantatra amin’izao fotoana izao?

     Tsy mandeha irery anefa ny bokin’i Jôba, ampahany iray amin’ny sary lehibe asehon’ny Tenin’Andriamanitra izany, ary amin’izany no itondrany hafatra miezinezina ho an’ny mpanara-dia an’Andriamanitra rehetra. Toy izao izany hafatra izany: fahatokiana mandritra ny fitsapana mafy. Ohatra velona maneho ny tenin’i Jesôsy i Jôba: “Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” – Mat. 24:13. Mpino an’i Jesôsy iza moa, izay maniry ny hanao ny marina, no tsy iharan’ny toe-javatra ratsy indraindray? Mpino an’i Jesôsy iza, no miezaka ny hitoetra ho mahatoky ka tsy niatrika fihaikana nisedra ny finoany? Mpino an’i Jesôsy iza, izay nitady fankaherezana no tsy nahazo tsiny teo amin’ny toeran’izany? Ny bokin’i Jôba anefa dia maneho amintsika olona iray izay niatrika izany rehetra izany kanefa nihazona ny finoany ho matanjaka. Amin’ny finoana sy fahasoavana no itokiantsika amin’ilay Iray izay maty teo amin’ny hazo fijaliana ho an’i Jôba, sy ho antsika. Ity no hafatra ho antsika: “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa” (Lio. 10:37). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mampahery antsika Andriamanitra mba hanana finoana sy fitokisana amin’ny Zanany, tahaka izay nataon’i Jôba.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:   

1.    Mipetraha eo amin’ny toeran’ny Jiosy iray, izay mahafantatra ny bokin’i Jôba ary velona talohan’ny nahaterahan’i Jesôsy. Araka ny hevitrao, inona ny fanontaniana mety ho napetrak’io olona io izay tsy apetratsika izay velona aty aorian’ny nahaterahan’i Jesôsy? Izany hoe, ahoana no anampian’ny tantaran’i Jesôsy sy izay nataony ho antsika hahatakarantsika bebe kokoa ny bokin’i Jôba?

2.    Rehefa hahita an’i Jôba ianao, inona ny fanontaniana mety hapetrakao aminy voalohany indrindra? Nahoana?

3.  
Inona avy ireo fanontaniana sy lohahevitra ao amin’ny bokin’i Jôba izay tsy noresahintsika tamin’ity telovolana ity?Inona ny lesona ara-panahy manan-danja azonao avy tamin’ny fianarana ny bokin’i Jôba? Zarao amin’ny kilasy ny valinteninao.

 Pejy ambony