LESONA 1

24 - 30 SEPTAMBRA

NY FARANY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 42:10–17; Gen . 4:8; Mat. 14:10; 1 Kôr. 4:5; Dan. 2:44; Jôba 14:14,15.

Tsianjery: “Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” – Jao. 11:25.

     Amin’ny taranja famoronan-dahatsoratra dia ampianarina ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fanomezana fihafarana tsara ny tantara. Miseho indrindra indrindra izany amin’ny tantara foronina. Ilain’ny mpanoratra azy ireny ny manao izay hahatsara fihafara ny tantara soratany. Tena ilaina ihany koa anefa ny fihafarana tsara ho an’ ny tantara marina.

     Ahoana kosa àry ny amin’ny tantarantsika manokana? Izany dia ireo tantara izay tsy iainana any anatin’ny takilan’ny boky na koa any anatin’ny lahatsoratry ny sarimihetsika. Ao amin’ny nofo aman-dran’ny fiainana tena misy no iainana izany. Inona avy àry ireo karazana fihafarana misy eo aminy? Ahoana no fomba fihafarany? Mifanaraka tsara ve ny fiandohany sy ny fihafarany, toy ny amin’ireny tantara niangaliana ireny?

     Amin’ny fomba ahoana anefa no hananan’ny fiainantsika fihafarana tsara rehefa tsy maintsy hihafara amin’ny fahafatesana ihany ny tantarantsika? Koa satria fahafatesana no hihafarany, dia tsy mba tsara fihafara na oviana na oviana isika. Oviana rahateo moa ny fahafatesana no natao hoe tsara?

     Toy izany koa ny amin’ny tantaran’i Jôba. Matetika no aseho ho tsara ny fihafarany. Mifanohitra amin’izay rehetra niharetan’i Jôba hatrany am-piandohan’ny tantara mantsy izany. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy azo lazaina velively ho tsara izany satria dia fahafatesana ihany koa no nihafarany.  

Amin’ity herinandro ity, raha hanomboka ny bokin’i Jôba isika dia hijery avy hatrany ny fihafarany. Izany no hanombohantsika azy satria ny farany koa dia miresaka ny amin’ireo fanontaniana momba ny farany, ary tsy ny amin’izao fiainana izao ihany fa ny amin’ny fiainana mandrakizay ihany koa. 

 Pejy ambony

ALAHADY


Sambatra mandra-pahatapitry ny androny hoe? (Jôba 42:10-17)

Mazàna dia mazàna tokoa ny tantaran’ny ankizy no mihafara amin’ilay fehezan-teny hoe: “Dia niaina fiainam-pahasambarana be izy ireo taorian’izay”. Amin’ny fiteny sasany dia efa nampiasaina matetika loatra izy io ka manjary tsy mampihetsi-po firy intsony. Ny tanjona an-kapobeny dia ny hoe na inona na inona votoatin’ny tantara – andriambavy nalaina an-keriny, amboadia ratsy fanahy, mpanjaka ratsy fanahy – dia ny mahery fo na ilay vadiny vaovao angamba, no mandresy amin’ny farany.

Toy izany no fomba fifaranan’ny bokin’i Jôba, farafahakeliny raha atao indray mitopy maso. Taorian’ny olana rehetra nanjo an’i Jôba dia hita ho tsara fihafara ny tantara.

Vakio ny Jôba 42:10-17, izay andalan-teny mamarana ny boky iray manontolo. Milaza inona amintsika izany mikasika ireo andro sisa niainan’i Jôba?

Raha asaina manontany ny olona ny amin’ny boky iray ao amin’ny Baiboly izay misy mpandray anjara fototra tena tsara fihafara ianao, dia azo antoka fa maro no hanondro ny bokin’i Jôba.

Na ahoana na ahoana, eritrereto fotsiny ireo fananan’i Jôba any amin’ny faran’ny tantara. Ny fianakaviany sy ny namany, izay tsy mba teo aminy nandritra ny fahoriany, dia tonga mba hampahery azy. Mazava loatra fa tsy anisan’ireo ry Elifaza sy i Bildada ary i Zofara sy i Eliho mbamin’ny vadin’i Jôba, izay teo foana hatramin’ny voalohany. Tamin’ny farany anefa dia tonga hampahery azy ny havany sy ireo namany hafa. Nahafinaritra ihany koa ny toetra nasehon’izy ireo sady nanome vola azy izy.

Rehefa nifarana ny tantara dia nanjary indroa avo heny amin’izay nananany tamin’ny voalohany ny fananan’i Jôba (ampitahao ny Jôba 42:12 sy ny Jôba 1:3). Nanan-janaka folo hafa indray izy: fito lahy, telo vavy. Ireo zaza ireo no nisolo toerana an’ireo fito lahy sy telo vavy efa maty (vakio ny Jôba 1:2,18,16). Ankoatra izany, dia tsy nisy vehivavy “tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra” – Jôba 42:15. Tsy misy filazana fantatra mikasika ny hatsaran-tarehin’ireo voalohany.

I Jôba ihany koa dia tsy nino tanteraka fa efa teo anatrehany ny fahafatesany, kanefa dia mbola velona nandritra 140 taona ihany izy taorian’izany. “Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana" – Jôba 42:17. Ny teny hoe "tratrantitra" amin’ny teny hebreo (indraindray adika hoe: “voky taona”) dia nentina ihany koa nilazana ireo andro farany niainan’i Abrahama (Gen. 25:8), i Isaka (Gen. 35:29) ary i Davida (1 Tant. 29:28). Milaza ny amin’ny olona iray izay eo amin’ny toeram-pahasambarana sy fahafinaretana izany kanefa ao anatin’ny toe-javatra izay hita fa mampahalahelo tanteraka, dia ny fahafatesana.

Samy tia tantara tsara fihafarana avokoa isika rehetra. Inona avy ireo tantara tsara fihafara fantatrao? Inona ireo lesona azontsika raisina avy aminy?

 Pejy ambony

ALATSINAINY


Fihafarana mampalahelo (Gen. 4:8)

Ny bokin’i Jôba dia mifarana amin’ny filazana fa feno fahombiazana ny fiainany, ary dia “tratrantitra ka ela niainana” izy. Tantara maro hafa no tsy mba mifarana toy izany, araka ny fantatsika rehetra. Eny fa na dia ireo izay nahatoky, mendrika haja ary nadio teo amin’ny toetrany aza dia tsy voatery mihafara mandrakariva amin’ny toe-javatra mahafinaritra toy ny an’i Jôba.

Fantaro ny fomba fihafaran’ny tantaran’ireto olona voalazan’ny Baiboly manaraka ireto: Abela (Gen. 4:8); Oria (2 Sam. 11:17); Elia (1 Sam. 4:18); Josia mpanjaka (2 Tant. 35:22–24); Jaona Mpanao batisa (Mat. 14:10); ary i Stefana (Asa. 7:59,60).

Araka ny ambaran’ireo andininy ireo amintsika dia feno tantara ratsy fihafara ny Baiboly. Ny anton’izany dia satria ny fiainana mihitsy no feno tantara ratsy fihafara. Amin’ny toe-javatra sasany dia misy olona voaheloka ho faty noho ny antony manan-danja ary ao koa no maty noho ny areti-mandoza. Ao indray ny sasany izay manana fiainana feno fijaliana sy fangirifiriana. Maro amin’ireo olona ireo anefa no tsy mba tafavoaka tamin’ny fomba mahomby tamin’izany olana izany tahaka an’i Jôba. Raha tsorina, impiry tokoa moa no mba misy toe-javatra miseho tahaka ny an’i Jôba? Tsy mila manokatra ny Baiboly akory isika hahafantarana izany zava-misy mampalahelo izany. Iza amintsika no tsy mbola nahita fihafarana mampalahelo?

Inona avy ireo tantara ratsy fihafara fantatrao? Inona no nianaranao avy tamin’izy ireny?

 Pejy ambony

TALATA


Famerenana (ny ampahany) amin’ny laoniny indray (1 Kôr. 4:5)

Marina tokoa fa tsara ny fihafaran’ny tantaran’i Jôba raha ampitahaina amin’ny tantaran’ireo olona hafa ao amin’ny Baiboly sy ny an’ny olona hafa an-kapobeny. Indraindray dia “famerenana amin’ny laoniny” an’i Jôba no teny nampiasain’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly an’izy io. Ary marina tokoa fa maro ireo zavatra izay niverina taminy indray.

Raha izay tokoa àry no tena fihafarana fenon’ilay tantara, ka raha ny rariny no jerena, moa ve tena feno tokoa ilay tantara? Tsy misy isalasalana fa nihatsara ny fandehan-javatra ho an’i Jôba, saingy maty ihany izy nony farany. Ny zanany koa dia maty, ary koa ireo zanaky ny zanany, sy ireo sisa taty aoriana, dia toy izay hatrany. Azo antoka fa samy nanjo azy rehetra ireo koa ny maro amin’ireo olam-piainana manjo antsika. Izany olana izany dia zavatra tsy maintsy misy eto amin’ity tontolo lavo ity.

Araka ny fantatsika ihany koa dia tsy fantatr’i Jôba velively ny anton’ireo toe-javatra mahatsiravina nitranga taminy. Marina tokoa fa nanan-janaka hafa indray izy, saingy ahoana ny amin’ny alahelony sy ny fisaonany an’ireo izay maty? Ahoana ny amin’ireo olatra izay inoana fa nentiny nandritra ny androm-piainany sisa? Tsara fihafara ny fiainan’i Jôba saingy tsy tena fihafarana tsara tanteraka izany. Mbola maro ireo fanontaniana tsy voavaly.

Voalazan’ny Baiboly fa “Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba” – Jôba 42:10. Tena nataon’Andriamanitra tokoa izany, indrindra indrindra teo anatrehan’ireo zavatra rehetra nampalahelo nanjo azy teo aloha. Maro anefa ireo zavatra tsy mbola feno ary tsy mbola voavaly.

Tsy tokony hahagaga izany toe-javatra izany. Na ahoana na ahoana, eto amin’ity tontolo ity dia mbola eo ireo zavatra izay tsy feno sy tsy voavaly, na hanao ahoana ny fihafarantsika na hanao ahoana, na ho tsara izany na ho ratsy.

Izany no mahatonga ny fihafaran’ny bokin’i Jôba, amin’ny lafiny anankiray, ho azo heverina ho tena tandindon’ny fifaranan’ny alahelo sy ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona. Milaza mialoha ny fanantenana sy ny toky ananantsika izany fa haverina amin’ny laoniny tanteraka isika amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesôsy Kristy, ary eo anatrehan’izany dia toa tsinontsinona ihany raha ilay famerenana amin’ny laoniny natao tamin’i Jôba.

Vakio ny 1 Kôr. 4:5. Inona no ambaran’io andininy io amintsika momba ny fisian’ireo zavatra tsy voavaly ary tsy feno eto amin’ity fiainana ity? Inona kosa àry ny fanantenana asehony antsika?

 Pejy ambony

ALAROBIA


Ny fanjakana farany (Dan. 2:44)

Ankoatra ny zavatra hafa voalaza momba azy dia boky mirakitra tantara ihany koa ny Baiboly. Tsy bokina tantara fotsiny anefa izy fa milaza ihany koa ny amin’ireo toe-javatra tany amin’ny lasa ary mampiasa izany mba hampianarana antsika lesona ara-panahy sy fahamarinana momba ny tokony ho fiainantsika eto amin’izao andro izao. (Vakio ny 1 Kôr. 10:11).

Tsy ny lasa ihany anefa no resahin’ny Baiboly fa ny hoavy koa. Tsy ny toe-javatra efa niseho ihany no ambarany amintsika fa ny toe-javatra mbola ho avy ihany koa. Ary tsy ny hoavy ihany no asehony fa ny andro farany mihitsy. “Eschatologie” no voambolana ara-teôlôjia entina milaza ireo toe-javatra hiseho momba ny andro farany. Izy io dia avy amin’ny teny grika iray izay midika hoe “farany”, ary indraindray no ampiasaina hilazana ny foto-pinoana momba ny fahafatesana, ny fitsarana, ny lanitra ary ny helo. Miresaka ny amin’ny teny fikasan’ny fanantenana izay ananantsika momba ny fiainana vaovao any amin’ny tontolo vaovao ihany koa izany.

Tena milaza zavatra maro amintsika tokoa ny Baiboly momba ny andro farany. Eny, mifarana amin’ny fahafatesany ny bokin’i Jôba, ary raha io irery ihany no boky tsy maintsy vakian’ny olona iray, dia hino izy fa nifarana tamin’ny fahafatesana ny tantaran’i Jôba, teboka. Tsy misy zavatra hafa azo antenaina araka izany satria raha ny zavatra azontsika hambara avy amin’izay rehetra fantatsika, dia tsy misy na inona na inona intsony miseho aorian’izay.

Mbola misy zavatra hafa koa anefa ampianarin’ny Baiboly antsika. Ampahafantariny fa amin’ny andro farany dia hatsangana ny fanjakan’Andriamanitra izay haharitra mandrakizay. Izany no ho fonenana mandrakizain’ireo olona voavonjy. Tsy mba toy ireo fanjakan’izao tontolo izao izay mandalo sy misolo izany fa tena haharitra mandrakizay tokoa.

Vakio ny Dan. 2:44 sy ny Dan. 7:18. Inona no asehon’ireo andalan-teny ireo momba ny farany?

“Ny hamerina indray ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ity tanintsika ity no namolavolana ny planan’ny fanavotana. Ho havaozina indray izay rehetra efa simban’ny fahotana. Ho avotana miaraka ny olona sy ity tanintsika ity izay ho tonga fonenan’ireo olom-boafidin’Andriamanitra mandrakizay. Sasa-poana niady nandritra ny enina arivo taona mba hitanana ny fananana azy i Satana. Ho tratra izao ny zava-kendren’Andriamanitra tamin’ny namoronany azy. ‘Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo’” – PM, t. 345.

Eny tokoa, mifarana amin’ny fahafatesan’i Jôba ny boky mitondra ny anarany. Ny vaovao mahafaly ho antsika anefa, sy ho an’i Jôba koa, dia ny hoe tsy ny fihafaran’ny bokin’i Jôba no fihafaran’ny tantaran’i Jôba. Ary ny fahafatesantsika dia tsy fifaranan’ny tantarantsika ihany koa.

 Pejy ambony

ALAKAMISY


Fitsanganana amin’ny maty sy fiainana (Jôba 14:14,15)

Vakio ny Jôba 14:14,15. Inona no fanontaniana apetrak’i Jôba eto, ary ahoana no fomba namaliany izany?

Ny anankiray amin’ireo lohahevitra ao amin’ny bokin’i Jôba dia momba ny olan’ny fahafatesana. Nahoana tokoa moa? Izay boky rehetra miresaka ny amin’ny fahorian’ny olombelona dia tsy maintsy mijery ny fahafatesana ihany koa mazava loatra. Manontany i Jôba raha ho velona indray ny maty, ary milaza izy avy eo fa miandry ny hanovana azy (fiainana vaovao). Ny teny hebreo nandikana ny hoe “miandry” dia misy ifandraisany amin’ny fanantenana. Tsy hoe miandry fe miandry zavatra fotsiny izany fa miandry amim-panantenana mihitsy.

Ny zavatra nantenain’i Jôba araka izany dia ny “hiovany”. Io teny io dia avy amin’ny teny hebreo iray izay manana hevitra hoe “fanavaozana” na “fanoloana”. Matetika izany no entina milaza fanoloana fitafiana. Na dia mivelatra aza ny hevitr’io teny io dia “fanavaozana” aorian’ny fahafatesana no heviny akaiky indrindra ao amin’io andininy io. Nanantena izany “fanavaozana” izany i Jôba. Inona ihany koa moa no hevitr’izany fiovana izany ankoatra ny fialana amin’ny fahafatesana ka mankamin’ny fiainana? Amin’io fotoana io Andriamanitra dia “haniry mafy hahita ny asan’ny tananao [tanany]” – Jôba 14:15 (DIEM).

Mazava loatra fa ny fanantenana lehibe sy ny teny fikasana lehibe ananantsika fa tsy ny fahafatesana no farany, dia avy amin’ny fiainan’i Jesôsy sy ny fahafatesany ary ny asany. “Ampianarin’ny Testamenta Vaovao fa efa nandresy ny fahafatesana, fahavalontsika farany, i Kristy. Ampianariny ihany koa fa hatsangan’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana farany ny maty. Manjary ampahany manan-danja amin’ny finoan’ny Baiboly anefa io fampianarana io (...) taorian’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana no nahatonga izany ho tena misy sy manan-kery”. - Nalaina avy tao amin’ny The Book of Job, NICOT, John E. Hartley, Accordance electronic edition (Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 1988), t 237.

“Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” – Jao. 11:25. Inona no ambaran’i Jesôsy amintsika izay manome fanantenana sy finoana momba ny “farany”? Inona no zavatra fantatsika kanefa tsy fantatr’i Jôba?


 Pejy ambony

ZOMA


Fianarana fanampiny:
Toe-javatra mahatsiravina maro no nitranga tamin’i Jôba. Nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra anefa izy. Ankoatra izany dia naverin’Andriamanitra be lavitra taminy noho ny teo aloha ny zavatra rehetra very teo aminy. Na eo aza anefa izany zavatra rehetra izany dia maro ireo fanontaniana tsy mbola nahazoam-baliny. Marina aloha fa vao boky iray monja amin’ny Baiboly ny bokin’i Jôba ka ho fahadisoan-kevitra ny hanorina ny foto-pinoantsika sy ny fampianarantsika rehetra eo amin’ny boky tokana monja. Manana ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly isika, izay hanampy betsaka hahatakatra ny maro amin’ireo fanontaniana sarotra voaresaka ao amin’ny bokin’i Jôba.

Manazava zavatra betsaka izay tsy takatra tanteraka tamin’ny fotoan’andron’ny Testamenta Taloha ny Testamenta Vaovao. Ny ohatra lehibe indrindra ny amin’io fahatakarana feno kokoa io angamba dia ny hevitry ny fanompoam-pivavahana natao tao amin’ny fitoerana masina. Ny Isiraelita mahatoky iray dia mety ho nahatakatra ny hevitry ny fahafatesan’ny biby sy ny rafitra fisoronana iray manontolo. Amin’ny alalan’ny ohatr’i Jesôsy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ihany anefa no hahatakarantsika ny hevitry ny fitoerana masina amin’ny fahafenoany kokoa. Manampy betsaka amin’ny fahatakarana ny tena hevitry ny fanompoam-pivavahana iray manontolo ny bokin’ny Hebreo.

Amin’izao fotoana izao isika dia voatahy manokana amin’ny fahafantarana ny “fahamarinana ankehitriny” – 2 Pet. 1:12 ary azo inoana fa mahafanta-javatra misimisy kokoa noho i Jôba mikasika ny olana sasantsasany. Mbola mila mianatra ny miaina miaraka amin’ny fanontaniana tsy mbola misy valiny ihany koa anefa isika. Arakaraka ny habetsaky ny fahamarinana fantatsika no habetsaky ny fahamarinana ampianarin’Andriamanitra antsika. Manana fahazavana lehibe isika saingy mbola maro ny zavatra tokony hianarantsika. Izao mantsy no voalaza: “Handeha hitety izao tontolo izao ny olona masina. Ary ny ampahany betsaka amin’ny fotoany dia holaniany amin’ny fikarohana ny zava-miafin’ny fanavotana. Hitohy hanokatra ny sain’izy ireo hatrany izany lohahevitra izany mandritra ny mandrakizay” -Advent Review and Sabbath Herald, Ellen G. White, 9 Martsa 1886. 

 

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

1. Ny fanambaràna miandalana dia fahamarinana mivelatra tsikelikely na mivoatra ho vaovao sy lalina kokoa ho an’ny saintsika. Inona avy ireo ohatra hafa ny amin’ny fisehon’io fanambaràna miandalana io? Ohatra: miantomboka amin’ny fianarana ny tarehimarika ary avy eo mianatra manisa aloha ny olona iray vao mianatra manao kajy. Avy eo dia mitohy amin’ny fianarana manao asamarika manampy, manala, mampitombo ary mizara. Aorian’izay dia mihitatra mankany amin’ny alijebra sy ny jeômetria miaraka amin’ireo tarehimarika fototra ireo ihany. Ahoana no hanampian’io ohatra io antsika hahatakatra fa ampahany eo amin’ny fampianaran’ny fiangonantsika ihany koa ny fanambaràna miandalana?

 

2. Vakio ny Jôba 42:11. Ireo mpandalina ny Baiboly manerana ny tantara dia efa nametra-panontaniana hoe nankaiza ireo havan’i Jôba sy ny sakaizany nandritra ireo fotoana izay tena nilàny fanampiana indrindra? Rehefa nihatsara ny fandehan-javatra teo aminy vao tonga izy ireo. Inona no tsy mety amin’io tarehin-javatra io?

 

3. Inona avy ireo fihafarana ratsy fantatrao amin’izao fotoana izao? Inona no fanantenana omen’ny Hazo fijaliana anao momba ny hoe tsy izany fihafarana ratsy izany velively no tena mamarana ny tantara?

 Pejy ambony