FIKOMIANA SY FANAVOTANA

Lesona 1 : OLANA TAO AN-DANITRA : 26 Desambra 2015 - 1 Janoary 2016
Lesona 2 : OLANA TANY EDENA : 2 - 8 Janoary
Lesona 3 :FIKOMIANA MANERANA IZAO TONTOLO IZAO SY IREO PATRIARKA : 9 - 15 Janoary
Lesona 4 : TOLONA SY FAHORIANA : IREO MPITSARA : 16 - 22 Janoary

Lesona 5 : MITOHY NY FIFANANDRIANANA EO AMIN'I KRISTY SY SATANA : 23 - 29 Janoary
Lesona 6 : FANDRESENA TANY AN'EFITRA : 30 Janoary - 05 Febroary
Lesona 7 : NY FAMPIANARAN'I JESOSY SY NY ADY IFANAOVAN'NY TSARA SY NY RATSY : 06 -12 Febroary
Lesona 8 : MPIRAY TAFIKA AO AMIN'NY TAFIK'I KRISTY : 13 - 19 Febroary
Lesona 9 : ILAY FIFANANDRIANANA LEHIBE SY NY FIANGONANA VOALOHANY : 20 - 26 Febroary
Lesona 10 : I PAOLY SY NY FIKOMIANA 27 Febroary - 04 Martsa
Lesona 11 : EPISTILIN'I PETERA MOMBAN'NY ADY LEHIBE IFANANDRINAN'NY TSARA SY NY RATSY : 05 - 11 Martsa
Lesona 12 : FIANGONANA MIATRIKA ADY : 12 - 18 Martsa
Lesona 13 : FANAVOTANA : 19 - 25 Martsa

Fikomiana sy Fanavotana

Tsy fantatsika ny antony nisehoan’ny ota teo amin’ny Famoronana tonga lafatra nataon’Andriamanitra. Fantatsika tsara kosa anefa fa ny ota no niaingan’ny ady lehibe ifanaovan’i Kristy sy i Satana. Fantatsika ihany koa fa amin’ny maha-olombelona antsika dia voaray ao anatin’izany ady lehibe izany isika. Ady izay tsy hahafahan’iza na iza amintsika handosirana izany.

Tsy izany no tokony ho izy tany am-boalohany. “Tsara indrindra” mantsy ny Famoronana sady “notahian’”Andriamanitra. Na dia fantatra aza fa Andriamanitra no mpihazona izany Famoronana tonga lafatra izany, dia nomeny an’i Adama sy i Eva ny andraikitra hikarakara izay efa namboariny ho azy ireo. Tonga teto an-tany izany ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy izany rehefa nisarika an’i Adama sy i Eva tamin’ny lainga sy ny fitaka i Satana. Nalainy ho an’ny tenany ny fankatoavana izay tokony ho an’Andriamanitra irery ihany. Raha nankato ny baiko tsotra nolazain’Andriamanitra anefa izy ireo, dia tsy ho nitranga velively ny olana sy ny fahoriana rehetra eto amin’izao tontolo izao.

“Ny fiezahan’i Satana hampiseho amin’ny endrika diso ny toetra amam-panahin’Andriamanitra, hahatonga ny olona hankamamy hevi-diso mikasika ny Mpamorona ka hatahotra sy hankahala Azy fa tsy ho tia Azy, ny filofosana nataony hametraka ny lalàn’Andriamanitra ka hitarika ny olona hihevitra fa afaka amin’ny fitakian’ny lalàna izy; ny fanenjehan’i Satana ireo izay sahy manohitra ny famitahany, dia nitohy tsy niova tamin’ny fotoan’andro rehetra. Azo soritana eo amin’ny tantaran’ireo patriarka, ireo mpaminany sy ireo apostoly, ireo martiora sy ireo mpanavao fivavahana izany.” – HM, t. 15.
Efa hitan’Andriamanitra mialoha ny hitrangan’izany toe-javatra mampalahelo izany “fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao” (Efes. 1:4). Tsy nijanona tamin’izao anefa Izy fa natsangany ny drafi-pamonjeny, izay fantatsika amin’ny hoe drafi-Panavotana. Izany Fanavotana izany dia voaseho tao amin’ny tantaran’ny fihaonan’Andriamanitra tamin’i Abrahama ao amin’ny Gen. 15. Nasehon’Andriamanitra tamin’i Abrahama tamin’ny alalan’ny tandindona ny fomba hamonjeny ny olony rehefa namakivaky teo amin’ny fanatitra nosaratsarahina Izy. Izany fombafomba efa tranainy izany dia teny fikasana natao ho an’i Abrahama sy ho antsika rehetra ihany koa. Teny fikasan’Andriamanitra hamaranana ny olana ateraky ny ota izany.
Eny tokoa, efa nanome toky Andriamanitra ny hiantsoroka ny andraikitra iray manontolo ho an’ny fikomian’ny olombelona rehetra sy hiharitra ny vokatry ny ratsy rehetra efa nataontsika. Izany no fomba tokana hahazoan’Andriamanitra mamerina amin’ny laoniny indray ny fifandraisany amin’ny olombelona rehetra sy ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona ary ny fifandraisany amin’ny zava-boary sisa.

Ao anatin’izany tontolon-kevitra izany indrindra no ahitantsika ny fanirian’i Satana tsy mety sasatra hamotika ny zava-boary sy hamono ny vahoakan’Andriamanitra. Izany teti-dratsiny izany dia voazava ao anatin’ny Baiboly, izay isehoan’ny fiasan’ny tsara sy ny ratsy eo anivon’ny ankohonana sy ny firenena maro. Hita amin’ny fotoan-tsarotra sy fotoam-pahoriana izany, amin’ny mosary sy ny fanandevozana ary ny famaboana samy hafa. Miezaka ny hamotika ny fitokisan’ny olona amin’Andriamanitra i Satana sy hampirisika azy ireo hanompo sampy.
Hita taratra manerana ny Baiboly fa nandresy mandrakariva ny zava-kendren’i Satana Andriamanitra. Ny fahatongavan’i Jesôsy ho Imanoela (“Amintsika Andriamanitra”) no namerina indray ilay faritra norobaina tamin’i Adama sy i Eva. Nahomby teo amin’izay tsy nahombiazan’i Adama i Jesôsy. Nasehon’i Jesôsy teo amin’ny asany ny fahefany amin’ny zava-boary sy amin’ireo herin’ny ratsy. Taloha kelin’ny niverenany tany an-danitra dia nandidy sy nanome fahefana ny mpanara-dia Azy Izy mba hanitatra ny sisin-tanin’ny fanjakany any an-danitra.
Azon’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana ny fandresena lehibe. Ny fihaikana dia eo amin’izay ankatoavintsika mandrakariva, eo amin’izay nandresy na eo amin’izay resy. Na dia tokony ho tsotra sy mazava aza ny safidy, satria mbola mafana hatrany ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy, dia mbola mitohy ihany ny tolona ataon’ny fontsika sy ny saintsika. Ny antenaintsika sy ny ivavahantsika dia ny hanehoan’ny lesona amin’ity telovolana ity ny sasany amin’ireo fitaka ireo amin’ny tena endriny marina. Enga anie ka hanampy antsika hifidy an’i Kristy sy hitoetra ho mahatoky Aminy koa ireo lesona ireo satria efa nanome toky Izy fa “Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena” (Mat. 24:13).

I David Tasker dia mpitantsoratry ny saha eo anivon’ny Diviziona Pasifika Atsimo. Manana ny mari-pahaizana PhD amin’ny fianarana momba ny Testamenta Taloha izy. Efa pasitoram-piangonana tany Nouvelle Zélande, tany nahaterahany izy, filohan’ny misiona tany amin’ny Iles Salomon, ary mpampianatra tao amin’ny Biblical Studies tany amin’ny Pacific Adventist University (Papouasie-Nouvelle-Guinée) sy tany amin’ny Adventist International Institute of Advanced Studies (Philippines). Manan-janaka roalahy (Nathan sy Stephan) izay samy efa manan-tokantrano izy sy i Carol vadiny, miampy zafikely telo.

TELOVOLANA MANARAKA : BOKIN'I MATIO