LESONA 2

2 - 8 APRILY

Niatomboka ny asan'i Jesosy teto an-tany

LESONA 2 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA


Filentehan’ny masoandro: 5.50

 

Tsianjery: «Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.» - Mat. 4:19.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 3:1-12; 2 Pet. 1:19; Fil. 2:5-8; Mat. 4:1-12; Isa. 9:1,2; Mat. 4:17-22.

Fiambenana maraina: Ny fiaiken-kelok’i Farao - Eks. 10:16

Iray amin’ireo ady lehibe atrehin’ny olombelona ny fahafantarana ny hevitra sy ny anton’ny fiainana, ary ny fomba iainana izany. Isika rahateo tsy teraka niaraka tamin’ny torolalana manoro hoe toy ny ahoana no atao amin’ny fiainana, sa tsy izany?

“Tsy azoko ny dikan’ny hoe fiainana,” hoy ny tovolahy iray fito ambin’ny folo taona, avy amin’ny fianakaviana manan-katao. Tatỳ aoriana dia nanjary mpampiasa zava-mahadomelina izy. “Mbola tsy mazava amiko, saingy nihevitra aho fa ny olona hafa rehetra dia nahatakatra izany, fa nisy tsiambaratelo lehibe izay fantatry ny olon-drehetra afa-tsy ny tenako. Nihevitra aho fa nahalala ny antony maha-eto antsika ny olon-drehetra, ka sambatra izy ireo any amin’izay misy azy any, raha tsy misy aho.”

I Paul Feyerabend, mpanoratra Alemana no sady mpandalina momba ny siansa, dia nilaza izao tao amin’ny boky nosoratany mikasika ny tenany: “Mandalo ny andro iray dimbiasan’ny andro hafa, nefa tsy mazava hoe nahoana no tokony hiaina ny olona iray.”

Isika kosa dia mahita ny antony mampiaina antsika mazava tsara ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Filazantsara, ary ao amin’ny tantaran’i Jesôsy sy izay nataony ho antsika. Ao amin’i Jesôsy - ny fiainany mialoha ny nahatongavany ho olona, ny fahaterahany, ny fiainany teto an-tany, ny fahafatesany, ny asa ataony any an-danitra, ary ny fiaviany fanindroa - dia mahita valiny marobe amin’ireo fanontaniana manan-danja sy saro-bahana indrindra amin’ny fiainana isika. Amin’ity herinandro ity isika, dia hijery ny fiantombohan’ny fiainan’i Kristy sy ny asany teto an-tany. Izany dia fiainana sy asa izay hany hanome dikany feno ho an’ny fisiantsika.

Pejy ambony

ALAHADY: I JAONA MPANAO BATISA SY NY “FAHAMARINANA ANKEHITRINY” (Mat. 3:2,3)

Fiambenana maraina: Nahoana no mitanondrika ianao? - Sal. 42:6-11

Ny asan’i Jaona Mpanao batisa no resahina voalohany ao amin’ny Mat. 3. Ny teny voalohany nataony voaraikitra ao amin’ny Baiboly dia ny hoe “Mibebaha!” (Mat. 3:2). Amin’ny lafiny iray, dia famintinana izay ambaran’Andriamanitra amin’ny olombelona hatrany amin’ny Fahalavoana izany: Mibebaha, ekeo ny famelan-keloka atolotro, ario ny otanareo, dia hahita fanavotana sy fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

Na dia ho an’izao tontolo izao aza izany hafatra izany, dia tafiditra ao amin’ny “fahamarinana ankehitriny” (2 Pet. 1:12) mazava ho an’ny olona tamin’izany fotoana izany.

Vakio ny Mat. 3:2, 3. Inona ny hafatry ny fahamarinana notorin’i Jaona? Niaraka tamin’ny antso ho amin’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fiaiken-keloka io hafatra io. Vakio ihany koa ny ao amin’ny Mat. 3:6.

Nanao zavatra izay hita manerana ny TV rehetra i Jaona eto. Namerina izay voasoratra any amin’ny TT taloha izy. Velona indray ao amin’ny TV ireo faminanian’ny TT. Samy nilaza teny voasoratra ao amin’ny TT na i Jesôsy sy i Paoly, na i Petera sy i Jaona, mba hanazavana na hanaporofoana ny hevitry ny zava-miseho ao amin’ny TV. Tsy mahagaga raha toa i Petera nanondro ireo fahagagana hitany manokana nasehon’i Jesôsy ho ohatra amin’ny “teny faminaniana” (2 Pet. 1:19), raha niresaka momba ny asan’i Jesôsy izy.

Vakio ny Mat. 3:7-12. Inona ny hafatra ampitain’i Jaona amin’ireo mpitarika? Na dia teo aza ny teny “maharary” nataony, inona ny fanantenana hita eto?

Mariho ny maha-manan-danja an’i Jesôsy ao amin’ny teny rehetra torin’i Jaona. Mikasika an’i Jesôsy avokoa ny zava-drehetra, ny momba Azy sy izay hataony. Nitory ny Filazantsara i Jaona, saingy nambarany mazava ihany koa fa hisy ny fitsarana amin’ny farany, dia ny fampisarahana ny vary sy ny tsiparifary, ka i Jesôsy no hanatanteraka izany. Araka izany, dia manaporofo ity fampianarana ity fa tsy afa-misaraka amin’ny Filazantsara ny fitsarana. Ohatra iray ihany koa izany, ao amin’ny Baiboly, izay maneho fa tranga iray lehibe no fahitana ny fiavian’i Jesôsy voalohany sy ny fanindroany. Raha niresaka momba ny fiavian’i Jesôsy voalohany tetỳ an-tany i Jaona, dia niresaka ihany koa mikasika ny fiaviany fanindroany.

Pejy ambony

ALATSINAINY: NY FAHASAMIHAFANA LEHIBE TANY AN’EFITRA (Mat. 4:1)

Fiambenana maraina: Mahatonga hazo fijaliana ny finoana - Mat. 16:24, 25

 

Alaivo sary an-tsaina ny zava-nitranga ao amin’ny Mat. 4:1, avy amin’ny fomba fijerin’i Satana. I Jesôsy ilay mendrika hasandratra amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy no nampietry ny tenany, ka nandray mihitsy ny nofon’olombelona aza mba hamonjena ny taranak’olombelona. Izy ihany ilay Jesôsy izay niadian’i Satana tany an-danitra. Izy ihany koa ilay Jesôsy izay nandroaka an’i Satana sy ny anjeliny (vakio ny Apôk. 12:7-9). Saingy izao io Jesôsy io dia… Toy ny ahoana? Lehilahy mahia, mosarena sy manirery any an’efitra feno karaobato, tsy mana-namana mba hanohana Azy. Azo antoka fa tsy ho azon’i Satana mora foana amin’ny famitahana hataony i Jesôsy.

“Fony nifanandrina voalohany i Satana sy ny Zanak’Andriamanitra, dia Komandin’ny tafiky ny lanitra Kristy ary voaroaka i Satana, izay nitarika ny fikomiana tany an-danitra. Ankehitriny, toa mifamadika izao ny toerana nisy azy ireo, koa nohararaotin’i Satana araka izay farany azony natao izay noheveriny fa tombon-tsoany.” – IFM, t. 109.

Lehibe tokoa izany fahasamihafana izany: niezaka ny “ho tahaka ny Avo Indrindra” (Isa. 14:14) i Losifera, saingy nesorin’i Jesôsy tsy ho eo aminy intsony ny voninahitry ny lanitra. Eto amin’ity toe-javatra iray ity, dia hitantsika ny fahasamihafana lehibe eo amin’ny fitiavan-tena sy ny fiheverana ny hafa. Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny fahamasinana sy ny fahotana.

Ampitahao amin’ny Isa. 14:12-14 ny Fil. 2:5-8. Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny fahasamihafana eo amin’ny toetran’i Jesôsy sy i Satana?

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fihetseham-pon’ireo anjely nanoloana ny zava-niseho. Nahita an’i Jesôsy tao anatin’ny voninahiny tany an-danitra izy ireo; amin’izao fotoana izao kosa anefa, dia mijery ireo mpifahavalo roa mifanatrika mivantana amin’ny fifanandrinana tsy mbola nisy toy izany izy ireo. Manana tombontsoa lehibe isika amin’ny fahafantarana ny fiafaran’io ady io. Saingy ireo anjely, eny, ny lanitra iray manontolo mihitsy aza, dia tsy nahalala izany. Araka izany, dia azo inoana fa nanara-maso tamim-pifantohana fatratra izany fifandonana izany izy ireo.

Nanandratra ny tenany i Satana. Nanetry tena kosa i Jesôsy, nanaiky ho faty mihitsy aza. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin’izany fahasamihafana manan-danja izany? Ahoana no ahazoantsika mampiasa izany fahamarinana lehibe izany ho an’ny tenantsika? Manao ahoana no tokony ho fiantraikan’izany amin’ny fandraisantsika fanapahan-kevitra, indrindra rehefa lehibe loatra ny fitiavantsika ny tenantsika?

Pejy ambony 

TALATA: IREO FAKAM-PANAHY (Mat. 4:1-12)

Fiambenana maraina: Inona no mitaona hibebaka? - Rôm. 2:4

 

Vakio ny Mat. 4:1-12. Inona no nitranga teto tamin’ireo fakam-panahy? Nahoana i Jesôsy no tsy maintsy nandalo tamin’izany? Inona no ifandraisan’io tantara io amin’ny fanavotana? Fomba ahoana no nahajoroan’i Jesôsy tsara nanoloana fakam-panahy mahery teo ambanin’ny fepetra mafy toy izao? Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny fiatrehantsika ireo fakam-panahy mahazo antsika?

Ahitana hevitra somary hafahafa ao amin’ny fiantombohan’ny Mat. 4:1: ny Fanahy no nitondra an’i Jesôsy ho any an’efitra mba halain’ny devoly fanahy. Tokony hivavaka isika mba tsy ho voatarika ho amin’ny fakam-panahy. “Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” – Mat. 6:13. Nahoana àry, araka izany, no nitondra an’i Jesôsy tamin’izany lalana izany ny Fanahy Masina?

Hita ao amin’ny toko teo aloha ny valiny, rehefa nanatona an’i Jaona mba hatao batisa i Jesôsy. Tamin’ny voalohany i Jaona dia nandà tsy hanao batisa Azy, saingy hoy i Jesôsy hoe: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” – Mat. 3:15. Ny hoe hahatanteraka ny fahamarinana rehetra dia midika fa tsy maintsy nanao izay tokony hatao i Jesôsy mba hahatonga ny maha-olombelona Azy ho ohatra tonga lafatra sy hahatonga Azy ho mpitondra teny tsy misy tsiny eo anatrehan’ilay Raintsika any an-danitra. Araka izany, dia tsy maintsy natao batisa Izy, na dia tsy nanana ota aza.

Tamin’ny fakam-panahy tany an’efitra, dia tsy maintsy nandalo tamin’izay nandalovan’i Adama i Jesôsy. Nilainy ny nandresy ny fakam-panahy, izay tsy vitantsika, hatrany amin’i Adama ka hatraty amintsika. Koa nandresy ny fahotana i Kristy “mba hanonerany ny tsy fahombiazan’i Adama” – IFM, t. 106. Nanao izany i Jesôsy teo ambanin’ny fepetra maro tsy nitovy tamin’izay natrehin’i Adama.

Tamin’ny alalan’io fandresena io dia nasehon’i Jesôsy fa tsy manana fialan-tsiny amin’ny fahotana mihitsy isika. Tsy misy fanamarinana ho amin’izany mihitsy. Ary tsy voatery ho lavo isika rehefa alaim-panahy, satria amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanoloran-tena dia afaka mandresy isika. Araka izay nolazaina tamintsika hoe: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” – Jak. 4:7,8.

Maneho amin’ny fomba mahery vaika io tantara io fa tsy misy fialan-tsiny ho an’ny fahotantsika. Ahoana kosa no anehoan’izany ny maha-zava-dehibe ny filàntsika ny fahamarinan’i Kristy? Andeha hatao hoe mijoro amin’ny fahamarinantsika isika, tsy misy an’i Jesôsy manarona sy mamela ny fahotantsika! Mety hisy ve ny fanantenana ho antsika?

Pejy ambony 

ALAROBIA: NY ZARA-TANIN’NY ZEBOLONA SY NY NAFTALY (Mat. 4:13-16)

Fiambenana maraina: Inona no manakan-dalana? - Apôk. 3:17-19

 

Miresaka momba ny nampidirana am-ponja an’i Jaona ny Mat. 4:12. Araka izany, dia io toe-javatra io no namarana ny asany. Tamin’io fotoana io no nanomboka “tamin’ny fomba ôfisialy” ny asan’i Jesôsy. Rehefa nahare ny momba an’i Jaona i Jesôsy dia nandeha nankany Galilia. Nolazain’ny Baiboly fa nanao izany Izy, saingy tsy nohazavaina kosa ny antony. (Vakio ihany koa ny Mar. 1:14-16 sy ny Lio. 4:14). Angamba, te hangingina i Jesôsy hisorohana ny tsy fifankazahoana eo amin’ny mpanaraka Azy sy ny an’i Jaona, raha mbola nitory teny i Jaona. Ny matoanteny grika ao amin’ny Mat. 4:12, izay matetika adika hoe “nankany”, dia ahitana hevitra mitovy amin’ny hoe “nisintaka” mba hisorohana ny loza. Araka izany, malina araka ny mahazatra, dia nety ho nisoroka ny olana i Jesôsy.

Vakio ny Mat. 4:13-16 (vakio ihany koa ny Isa. 9:1,2) momba ny nitoeran’i Jesôsy tany amin’ny tanin’ny Zebôlôna sy ny Naftaly. Inona no ambaran’ireo andininy ireo mikasika ny asan’i Jesôsy?

I Zebôlôna sy Naftaly dia roa amin’ireo zanakalahin’i Jakôba (vakio ny Gen. 35:23-26). Ny zanak’izy ireo no nanjary roa amin’ireo foko nonina tany amin’ny faritra mahavokatra, any avaratr’ilay Tany Nampanantenaina.

Mampalahelo anefa fa ireo foko ireo no anisan’ireo foko folo izay niala tamin’ny finoana an’Andriamanitra ka nivily nanaraka ny rehak’izao tontolo izao. Maro tamin’ireo mpaminanin’ny TT no niteny mafy ny fahotana, sy ny fitiavana an’izao tontolo izao ary ny haratsian’ireo foko tany avaratra ireo. Babon’ny Asirianina ireo foko ireo, ka naeliny nanodidina izany toerana izany. Avy eo dia nanorim-ponenana tany Isiraely ny Jentilisa, ka nanjary mponina nifangaro ny tao Galilia, toerana feno haizina sy misafotofoto. Ny mpaminany malaza indrindra avy tany Galilia dia i Jônà, izay tokony hilaza amintsika mikasika ny hakelin’ny fatran’ny fahatokian’ireo Galilianina.

Na inona na inona anefa olana tao Galilia, dia nisy ilay faminaniana mahafinaritra nataon’i Isaià - fa na dia any amin’ny tany maizin’ny Zebôlôna sy ny Naftaly aza, “ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe” – Mat. 4:16. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia teo amin’ny tany – izay nahitana olona noheverina ho tsy mendrika, tsy mandroso ary mahery setra - no nahatongavan’i Jesôsy sy nonenany ary nanaovany ny asany. Eto isika dia mahita ny fanoloran-tenan’i Jesôsy hampietry ny tenany mba hahasoa ny hafa. Hitantsika ihany koa ny ohatra hafa maneho ny maha-zava-dehibe ny TT amin’ny asany.

Ahoana no ahafahantsika miala amin’ny fakam-panahy hitsara ny hafa ho tsy mendrika ny hanaovantsika asa sy fijoroana ho vavolombelona? Inona no tsy mampety izany fomba fisainana izany?

Pejy ambony 

ALAKAMISY: NY FIANTSOANA IREO MPANARATO (Mat. 4:17-22)

Fiambenana maraina: Ny asa aman-draharaha mahazatra - Lio. 17:26-30

 

“Mibebaha hianareo” hoy izy. “Fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” - Mat. 4:17. Tahaka an’i Jaona, dia nanomboka ny asany tamin’ny fiantsoana ny olona hibebaka i Jesôsy. Fantany, tahaka ny fahafantaran’i Jaona, ny maha-be fahotana ny olombelona sy ny filàn’ny olon-drehetra ny fibebahana sy ny fahalalana an’Andriamanitra. Araka izany, dia tsy mahagaga raha toa nisy antso ho an’ny olona mba hialany amin’ny fahotana ny fampianarana voalohany nataon’i Jesôsy teo amin’izy ireo.

Vakio ny Mat. 4:17-22. Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny antso ho amin’ny fibebahana eo amin’ny fiainantsika?

Teo amin’ny tanin’i Galilia, izay efa toa hadino ny fisiany, no nisy fiaraha-miasa nataon’ny lehilahy mpanarato efatra: mpirahalahy avy izy ireo. Hita ho nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra ireo lehilahy ireo, satria nisy fotoana ny sasany tamin’izy ireo nanaraka an’i Jaona Mpanao batisa. Akory anefa ny hagagany raha naniraka azy ireo ho any amin’ny lehilahy iray avy any amin’ny toerana niavian’izy ireo i Jaona.

Nanatona an’i Jesôsy avy any Nazareta ireo lehilahy ireo ary nangataka taminy mba hiara-mitoetra Aminy (vakio ny Jao. 1). Izany no fomba fanao tamin’izany: manatona ny raby iray ny olona ary mangataka ny mba hanaraka azy, saingy ny raby kosa no tompon’ny fanapahan-kevitra farany ny amin’izay ho mpianany. Ary rehefa ny raby no miantso anao ho mpianany, dia mahafinaritra erỳ izay fotoana izay.

Maro ny olona nihevitra fa rehefa niantso ny mpianany i Jesôsy teo amoron-dranomasina, dia izay no fotoana voalohany nahitan’izy ireo Azy. Saingy fantatsika avy amin’ny Jao. 1 ka haramin’ny 5 fa efa nisy fotoana niarahan’ireo lehilahy ireo tamin’i Jesôsy nandritra ny herintaona.

“Nifidy mpanarato tsy nahita fianarana Jesosy, satria tsy nampianarina hanaraka ny lovan-tsofina sy ny fomba amam-panao mirakitra hevi-diso tamin’izany fotoana izany izy ireo. Olona nanana talenta voajanahary izy ireo, ary olona tsotra sady azo ampianarina, olona izay azony beazina ho amin’ny asany. Eo amin’ny lalam-be fizoran’ny besinimaro dia misy olona maro mamindra amim-paharetana eo amin’ny asa andavanandro mihodinkodina eo, tsy mahafantatra fa manana hery izy, izay raha asaina ampiasaina, dia hanandratra azy hitovy amin’ny olona omem-boninahitra indrindra eo amin’izao tontolo izao. Ilaina hikasika ireny talenta matoritory ireny ny tanana kinga mba hamoha azy. Olona toy izany no nantsoin’i Jesosy hiara-miasa Aminy, ary nomeny tombon-tsoa ho mpikambana Aminy mihitsy.” – IFM, tt. 251, 252.

Pejy ambony 

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Nifarana ny tantaran’i Jôba - Jôba 42:2,5,6

Filentehan’ny masoandro: 5.45

 

Nisy evanjelisitra iray tonga teo amin’ny tanàn-dehibe iray ary nanao fampahalalana momba ny hetsika izay hataony, tahaka izao izany: “Tongava mijery mpitory teny iray mandrovitra takelaka iray ao amin’ny Baiboly!” tsy isalasalana fa nahasarika olona maro ireo teny ireo. Nitsangana teo alohan’ny vahoaka àry ilay evanjelisitra, nosokafany ny Baiboliny, ary talanjona ireo olona fa nandrovitra takelaka iray araka izay nolazainy izy. “Ity takelaka ity” hoy izy, “dia tsy tokony ho ato. Ity no takelaka mampisaraka ny Testamenta Taloha amin’ny Testamenta Vaovao.” Na inona na inona mety ho eritreritra mikasika izany fihetsika izany, dia nisy marina ny zavatra nambaran’ilay mpitory teny. Tena iray ihany tokoa ireo boky roa ireo. Voaresaka manerana ny TV mantsy ny TT. Imbetsaka no hazavaina sy tohanan’i Jesôsy, na ireo mpanoratra ny TV ireo toe-javatra hita ao amin’ny TT. Matetika ireo lehilahy ireo no manondro ny TT. Impiry moa i Jesôsy no nilaza fa “tsy maintsy ho tanteraka ny ambaran’ny Soratra Masina”? Izy tenany mihitsy aza no nampitodika ny sain’ny olona tamin’izay voasoratra ao amin’ny TT (vakio ny Jao. 5:39; Lio. 24:27; Mat. 22:29; Jao. 13:18). Namerina izay voasoratra tao amin’ny TT mandrakariva i Paoly (Rôm. 4:3; Rôm. 11:8; Gal. 4:27). Ny bokin’ny Apôkalipsy dia ahitana hevitra avy ao amin’ny TT, eo amin’ny dimampolo sy dimanjato eo ho eo ny isany. Mifandray mandrakariva ny TV sy ny TT. Ireo Testamenta roa ireo mantsy dia fanambarana nataon’Andriamanitra an-tsoratra ny amin’ny drafi-pamonjena. Mazava loatra fa ny fomba fanao tao amin’ny TT, toy ny fanaovana fanatitra, dia tsy ampiharin’ny Kristianina intsony. Saingy fahadisoana tsy tokony hataontsika mihitsy ny mametraka ny TT ho tsy manan-danja noho ny TV, satria ny Baiboly dia ny fitambaran’izy roa ireo. Avy amin’ireo no ianarantsika fahamarinana maro izay manana ny lanjany momba an’Andriamanitra sy ny planin’ny drafi-pamonjena.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Hitantsika ny fomba samihafa nakan’i Satana fanahy an’i Jesôsy. Tsy lavo tamin’ny fandrik’i Satana i Jesôsy na dia ny iray tamin’izy ireny aza. Mariho ihany koa ny maha-zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra eto. Andriamanitra i Jesôsy, izay “naka ny endriky ny nofo ota” (Rôm. 8:3), nefa dia nampiasa ny Soratra Masina ho fiarovana amin’ny fakam-panahy nataon’ny devoly. Raha i Jesôsy aza nanao izany, inona no ambaran’izany mikasika ny maha-zava-dehibe ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika, raha eo am-pitolomana amin’ny fakam-panahy isika? Mety ho fantatsika fa tokony hampiasa ny Baiboly isika amin’ny ady ataontsika amin’ny fakam-panahy, saingy manao ahoana ny fampiharantsika izany? Inona avy ny fomba azontsika ampiasana ny Baiboly mba hanampy antsika amin’ny fanoherana ny fanafihan’i Satana?
Nahoana ny fanetren-tena no zava-dehibe tokoa ho an’ny Kristianina? Ahoana no hianarantsika hanetry tena sy hihazona izany toetra izany? Inona no anjara asa tanan’ny hazo fijaliana amin’ny fanampiana antsika amin’izay lafiny iray manan-danja izay? 

Pejy ambony