LESONA 2

2 - 8 JOLAY

MAMERINA INDRAY NY FANAPAHANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Havaozy ny saina - Rôm. 12:2.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.24

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:26-28; Sal. 8:3-8; Gen. 2:15; Rôm. 8:20-22; Eks. 20:1-17; Rôm. 1:25; 2 Tes. 3:10.

Tsianjery: “Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany” – Gen. 1:26.

 

Tamin’ny Fahalavoana, dia niala teo amin’ireo ray aman-drenintsika voalohany ny fitoviana tamin’Andriamanitra izay namoronana azy ireo tany am-piandohana.

“Samy nanjary teo ambany fifehezan’i Satana ny tany sy ny olombelona. Saingy natao hanarenana indray ny olona ny drafi-panavotana. Tamin’ny fotoana namoronana azy, dia napetraka teo amin’ny fanapahana ny tany i Adama, saingy rehefa lavo tamin’ny fakam-panahy izy, dia nanjary teo ambany fahefan’i Satana. Nomena an’i Satana ny fanapahana teo aminy, ka nanjary “andriamanitr’ity tontolo ity” i Satana. Nalainy ny fanapahana ny tany izay an’i Adama fahiny. Nanao sorona izay nanefa ny vidin’ny fahotana anefa i Kristy. Sady hanavotra ny olombelona i Jesôsy no haka indray ny fanapahana izay very teo amin’i Adama. Ny zavatra rehetra very teo amin’ilay Adama voalohany dia haverin’ilay Adama faharoa indray [Jesôsy].” – ST, 4 Nôv. 1908.

Tsy isalasalana fa taorian’ny Fahalavoana, dia marobe ny zavatra tsy teo am-pelatanan’ny olombelona intsony, anisan’izany ny “fanapahana” izay nomena antsika.

Inona izany fanapahana very izany? Inona ny hevitry ny nanomezana ny fanapahana eo amin’ny tany ho an’ny olombelona, tamin’ny voalohany? Ary inona no azon’ny fiangonana atao hanampiana ny olona hahazo indray ny ampahany tamin’izay very taorian’ny Fahalavoan’ireo razambetsika voalohany tany Edena?


Pejy ambony 


ALAHADY

 

NOHARIANA HO AMIN’NY FANAPAHANA (Isa. 43:6,7)

 

Fiambenana maraina: Fahazavan’izao tontolo izao - 1 Jao. 1:5.

 

Nisy olona iray tsy mino an’Andriamanitra nifoha tamin’ny misasakalina, nitebiteby noho ny amin’ny fanontaniana saro-baliana maro: “Tena vokatry ny kisendrasendra marina ve ity tontolo ity? Tena tsy misy rafitra ho an’izany mihitsy tokoa ve, tsy misy tanjona lehibe ho an’ny fiainantsika sy ho an’izao tontolo rehetra izao ve? Tsy misy heviny sy tanjona ve ny fiainako?”

Taorian’ny Fahalavoana, dia marobe ny zavatra very teo am-pelatanan’ny taranak’olombelona. Nanjary tafasaraka tamin’Andriamanitra isika ary isika samy isika koa. Na ny fifandraisantsika amin’ny tany aza dia niova koa. Mitolona amin’ny fahafantarana ny maha-isika antsika sy ny tanjon’ny fiainantsika koa isika. Miha-ratsy lavitra kokoa ny olantsika noho ny fiheverana fa vokatry ny kisendrasendra fotsiny no nisian’ny fiainantsika, ka tsy misy drafitra na tanjona noforonin’ny Andriamanitra Mpamorona iray.

Inona no ampianarin’ireto andininy manaraka ireto antsika momba ny tanjona manokan’ny famoronana ny olombelona rehetra: Gen. 1:26-28; Sal. 8:3-8; Isa. 43:6,7? Inona ny hevitry ny hoe “nohariko ho voninahitro” (Isa. 43:7)? Ahoana no ifandraisan’ny fanapahana amin’ny “voninahitro”?

Araka izay hitantsika ao amin’ireo andininy ao amin’ny Genesisy, na inona na inona antony hafa nahatonga an’Andriamanitra hamorona an’i Adama sy i Eva, dia ny hananan’ny olombelona fanapahana amin’ny tany (Gen. 1:26-28) no drafitra nataony. Natao ho mpanompon’Andriamanitra i Adama sy i Eva, izay samy naneho ny voninahitr’Andriamanitra sy ny toetrany. Tamin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra no nikarakara sy nitandrina ireo zavaboariny hafa teto an-tany. Iza moa no mahalala ny ho nisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo sy ny fanapahan’izy ireo teto amin’izao tontolo izao raha toa tsy nisy ny fahotana?

Saingy amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesôsy, dia mametraka ny fiainantsika eo Aminy isika amin’ny finoana sy ny fankatoavana, ary miara-miasa Aminy. Amin’izay isika vao afaka hilaza miaraka amin’i Davida hoe: “Jehovah no hahatanteraka ny amiko” - Sal. 138:8. Rehefa fantatsika fa manana hevitra iheverana ny tsirairay avy amintsika Andriamanitra, dia manana antony lehibe hitokiana sy hifaliana isika. Tena marina mihitsy izany rehefa manolo-tena ho Azy isika ka ho tanteraka ao amintsika ny sitrapony.

Andeha atao hoe misy olona manontany anao toy izao: “Eny ary, amin’ny maha-Kristianina anao, inona no heverinao ho tanjon’ny fiainanao?” Inona no havalinao, nahoana?


Pejy ambony


ALATSINAINY

 

NY ZO HO AMIN’NY FANAPAHANA (Gen. 1:26-28)

 

Fiambenana maraina: Fahasoavana mahatalanjona - Rôm. 5:12-15.

 

Inona ny “fanapahana” nananan’ny olombelona teo amin’ny tany, araka izay asehon’ny Gen. 1:26-28?

Ny teny hoe fanapahana ao amin’ny Baiboly dia avy amin’ny matoanteny Hebreo hoe radah. Mampiseho zo sy andraikitra enti-manjaka io teny io. Mampiseho ambaratongam-pahefana sy hery izany. Napetraka ho ambonin’ny zavaboary hafa rehetra ny olombelona. Ny matoanteny radah, araka ny fampiasana azy ao amin’ny TT, dia tsy milaza ny tokony hampiasana io fanapahana io, na ho amin’ny tsara na ratsy. Ny famoronana zavaboary tsy nisy ota sy tsy nahalala fahalavoana kosa anefa dia maneho fa ity fahefana ity tamin’ny fiandohana dia nohariana hanana tanjona tsara sy feno fahalalahan-tanana.

Mety ho tonga amin’ny fandraisana ny hevitry ny fifehezana ny tany ao amin’ny Gen. 1:28 isika. Ny matoanteny mifehy, avy amin’ny Hebreo kavash, koa dia maneho ny hery nametrahana ny olombelona ho ambony noho ny tany. Nomena hery sy fifehezana eo amin’ny tany izy ireo. Any amin’ny boky hafa ao amin’ny TT dia mahery kokoa noho ny radah ny hevitry ny matoanteny kavash. Ny teny hoe kavash dia milaza momba ny fahazoana fahefana amin’ny fandresena olona na zavatra avy amin’ny alalan’ny fampiasan-kery (Nôm. 32:22,29; Jer. 34:11,16; Est. 7:8; Neh. 5:5). Ny ankamaroan’ireo toe-javatra ireo dia mampiharihary ny fanamparam-pahefana, ary tsy mahafaly an’Andriamanitra izany. Saingy rehefa misaina momba ny tantaran’ny Famoronana isika, dia mieritreritra momba ireo mpivady tsy nanana ota (Adama sy i Eva) nitantana ny tany. Ny fitantanan’izy ireo ny tany dia azo lazaina ho toy ny fanompoana feno fanoloran-tena sy fiheverana ny famoronana noho ny fitiavana ilay Mpamorona. Azo antoka fa tsy ny fampiasana ny tany na ny natiora amin’ny fomba feno fitiavan-tena sy tsy rariny izay nitera-doza izany.

Mahita hevitra fanampiny mikasika ny fanapahana isika ao amin’ny Gen. 2:15. Ao amin’io andininy io, dia mametraka an’i Adama ao amin’ny saha Andriamanitra mba hiasa (abad - miasa, manompo, miasa tany) sy hitandrina (shamar - manamboatra, miambina, miaro, tsy mandao, mandinika, mitahiry).

Raha mihazona izany ao an-tsaina, dia mahita isika fa ny fanapahana dia fitantanana na fiandraiketan-draharaha feno fikarakarana sy fitiavana. Tao anatin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra, dia tokony ho nanana ny fitaovana sy ny fahefana rehetra nilainy enti-manjaka araka ny tokony ho izy ireo ray aman-drenintsika voalohany. Io karazana fanapahana feno fitiavana io dia ho naneho ny fitiavan’Andriamanitra ny zavaboariny.

Amin’izao androntsika izao, ny teny hoe fanapahana dia matetika no manana hevitra tsy dia tsara loatra, saingy tsy toy izany izy io raha noresahina voalohany tao amin’ny Baiboly. Inona avy ny lesona manan-danja azontsika raisina avy amin’ny fampiasana io teny io mialoha ny Fahalavoana? Ahoana avy eo no hampiasantsika izany hanampy antsika hahatakatra ny fomba tsara kokoa enti-manompo, na amin’inona na inona na amin’iza na iza ananantsika “fanapahana”?


Pejy ambony


TALATA

 

FEFY (Eks. 20:1-17)

 

Fiambenana maraina: Maimaimpoana ny fahasoavany - Rôm. 5:16,17.

 

Moa ve ny fanapahantsika eo amin’ny tany rehetra (Gen. 1:26) mampiseho fa tsy misy fetrany izany fanapahana izany? Ireo tantara ao amin’ny Baiboly dia maneho fa tsy maintsy misy fetra ny fanapahana (na ny “fiandraiketan-draharaha”).

Ohatra amin’izany, dia nilaza tamin’i Adama Andriamanitra fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia fefy tsy natao hihoarana (vakio ny Gen. 2:15-17). Araka izany, ny fahotana voalohany dia mifandraika amin’ny fiandraiketan-draharaha. Nandingana ny fefy napetrak’Andriamanitra teo amin’ny fanapahany i Adama sy i Eva. Mbola mizaka fahoriana noho izany fihoarana ny fefy izany ny voary amin’izao fotoana izao (vakio ny Rôm. 8:20-22).

Vakio ny Eks. 20:1-17. Inona ny karazana “fefy” napetraka ho antsika ao amin’ny lalàn’Andriamanitra? Inona no ambaran’ny lalàna amintsika mikasika ny fetran’ny fanapahan’ny olombelona?

Teo amin’ny tantaran’ny olombelona (ohatra, ny an’ny Farao ao amin’ny Eks. 1:14; Herôda ao amin’ny Mat. 2) hatramin’ny fara andro (vakio ny Apôk. 13), dia miezaka mifehy ireo zavatra tsy ananany zo amin’izany ireo olona mahery eo ambany fiahian’i Satana. Manaraka ny fomban’i Satana izy ireo, izay nandrombaka hery ka nanao ny tenany ho “andrianan’izao tontolo izao” (Jao. 12:31). Nanjary fanjakazakana ilay fanapahana niova dika.

Amin’ny lafiny iray hafa, dia misy indray ireo tsy mandray ny fifehezana tokony hampiasainy amin’ny zavatra nomena hotapahiny (Mat. 25:14-30; Lio. 19:12-27).

Nahatonga ny olombelona tsy hanana intsony ny fatran’ny fanapahana nomena tamin’ny Famoronana ny fahotana, saingy tsy very tanteraka noho ny fahotana tsy akory ny fanapahana nomena antsika hatrany am-boalohany. Mbola betsaka izany no tafiditra amin’ny andraikitsika. Ohatra amin’izany ny tokony hanehoantsika fifehezan-tena eo amin’ny fiainantsika manokana (vakio ny 1 Kôr. 9:25-27; Gal. 5:22,23). Natao hikarakara ny tany isika sy izay voary eo aminy, ary izay rehetra nomena antsika avy tamin’Andriamanitra (vakio ny Jak. 1:17; Mat. 25:14-30). Amin’ny maha-Kristianina antsika, dia ilaintsika ny mahatakatra ny fefy tsy azontsika ihoarana. Ary mila miasa isika mba ho mpitantana mahatoky ao anatin’ireny fefy ireny.

Inona avy ny fefy izay tokony hajaina eo amin’ny fianakaviana, ny namana, ny mpiara-miasa? Inona ny fitsipi-pitondran-tena azontsika raisina hanampy antsika amin’ny fahafantarana ireny fefy ireny (vakio ny Mat. 7:1,12)?

Pejy ambony


ALAROBIA

 

FIKARAKARANA NY TANY (Gen. 2:15)

 

Fiambenana maraina: Fanamarinana ho an’ny olona rehetra - Rôm. 5:18-21.

 

Inona ny lesona azontsika hianarana avy amin’ny Gen. 2:15 mikasika ny tokony ho fomba hikarakarantsika ity planetantsika ity?

Talohan’ny nisian’ny fahotana, dia nomena andraikitra ho mpitantana ny zavatra rehetra nankinin’Andriamanitra taminy i Adama sy i Eva. Nanana fahefana tamin’ny zava-maniry sy ireo biby izy ireo. Saingy taorian’ny ota kosa, dia toa nikomy tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany tahaka ny niodinan’izy ireo tamin’Andriamanitra ny zavaboary rehetra. Nanomboka nahatsapa ny olombelona fa kely hery izy ireo teo anatrehan’ny fifehezana ny toe-javatra (ny toetr’andro, ny fambolena, ny fanjakan’ny biby).

“Nijoro toy ny mpanjaka i Adama teo anatrehan’ireo biby latsaka noho izy. Raha mbola nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy, dia nanaiky ny fitsipiny avokoa ny zavaboary rehetra. Saingy rehefa lavo tao amin’ny fahotana kosa izy, dia very izany fanapahana izany. Niely nanenika ireo biby voary ny fikomiana izay nampidirin’i Adama ho eto amin’izao tontolo izao. Koa amin’izany dia nilaza ny lesona mampalahelo momba ny fahafantarana ny ratsy ny fiainan’ny olona, ny toetry ny biby, ireo hazo any anaty ala, ny ahitra eny an-tsaha, ary ny rivotra izay fohintsika.” – Ed., tt. 26,27.

Amin’izao fotoana izao isika dia mbola mahita fijaliana noho ny loza eo amin’ny voary (ny tondra-drano, ny horohoron-tany, ny fihotsahan’ny tany, ny tafio-drivotra, sns). Ary any amin’ny toerana maro, dia ianjadian’ny fahalotoana ny rivotra sy ny tany. Miasa mafy isika amin’ny fampiasana ny teknôlôjia sy ny fanodinana akora mba hiarovana ny tenantsika. Marina fa mety hanampy antsika amin’izany ireny, saingy indraindray dia ireny teknôlôjia ireny ihany no manimba ny planetantsika. Araka izany, ny haitontoloiainana dia foto-kevitra iray manan-danja, indrindra rehefa miteraka fahasahiranan-dehibe eo amin’ny hafa ny fanaranam-po atao amin’ny tany.

“Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manohana ny fomba fiaina tsotra sy mahasalama. Tsy mino ny fampiharana ny fanjifàna izahay, dia ny finoana fa tsara ho an’ny olona ny mandany vola be amin’ny entana sy ny tolotra maro. Tsy mihevitra koa izahay fa mety ny fandotoana ny tany. Miantso ho amin’ny fampiasana sy ny fitantanana amim-piheverana ny harena eto amin’izao tontolo izao izahay, ary koa ho amin’ny fanajana ny aina rehetra.” – Nalaina tamin’ny OSSACE, 1995.

Ahoana no ihazonantsika ny fifandanjana tokony hisy eo amin’ny fihetsitsika manoloana ny tany? Ahoana no hahatonga antsika ho mpitantana tsara ny tany izay antsointsika hoe fonenantsika nefa etsy andanin’izay mihataka ny loza amin’ny fiheverana be loatra momba ny tany sy ny tontolo iainana mihoatra ny zava-panahy? Inona ny fahendrena atoron’ny Rôm. 1:25 antsika eto?


Pejy ambony


ALAKAMISY

 

MAMERINA INDRAY NY “FANAPAHANA” (Deo. 15:7-12)

 

Fiambenana maraina: Fiainam-baovao - Rôm. 6:1-4.

 

Marobe ny zavatra very tamin’ny alalan’ny Fahalavoana, amin’ny maha-olombelona antsika. Tsy eo amintsika intsony ny fanapahana nananan’ireo ray aman-drenintsika tany Edena. Tonga teto an-tany i Kristy mba hamerina indray izay very.

Ary noho izay nataon’i Kristy ho antsika, dia nantsoin’Andriamanitra isika hanatratra ny hafa. Asaina manampy azy ireo hahazo indray ny famonjena sy ny fanapahana, izay very noho ny Fahalavoana nefa nomeny antsika indray, ao amin’i Kristy isika. Tsy ho vita ny asantsika raha tsy amin’ny fiavian’i Jesôsy fanindroany. Marobe anefa no azontsika atao amin’izao fotoana izao amin’ny fanatrarana ireo mila fanampiana sy ireo very eto amin’izao tontolo izao. Azon’Andriamanitra ampiasaina isika hanampy hanavao sy hamerina indray ny olona amin’ny fanampiana ireo ao anaty fahasahiranana.

Inona no ambaran’ireto andinin-tSoratra Masina ireto fa azo atao hanampiana ny hafa hahazo indray ny ampahany amin’ny “fanapahana” very tamin’ny alalan’ny ota? Deo. 15:7-12; Lio. 14:12-14; 1 Pet. 3:15; Jak. 1:27; Isa. 58:7; 2 Tes. 3:10.

Amin’ny maha-tenan’ny fiangonana antsika, dia maro ny zavatra azontsika atao hanampiana ireo izay ao anatin’ny fahasahiranana. Zavatra tsotra toy ny fanomezana sakafo sy fitafiana ary fialofana izany indraindray. Ilaina tokoa ny  fanamaivanana, saingy mihoatra noho izany no ilaina hanampiana ny hafa hamerina indray ny fanapahana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Tsy maintsy vonona mandrakariva isika hizara amin’ny hafa ny anton’ny fanantenana ao anatintsika, nefa tsy maintsy mijery ny zavatra ilainy ara-nofo koa isika ary manoro azy ireo ny fomba fiaina tsaratsara kokoa.

Samy hafa ny toe-javatra rehetra, ary tsy mitovy ny zavatra ilain’ny olona tsirairay. Saingy nantsoin’Andriamanitra isika ho fahazavana ary ho loharanom-panasitranana sy fanantenana eo amin’ny fiarahamonina misy antsika. Izany antso izany dia ampahany iray manan-danja amin’izay antsoina hoe fijoroana ho vavolombelona amin’izao tontolo izao momba ilay Andriamanitra be fitiavana sy mamonjy izay tompointsika. Tokony hanao araka izay tratra isika mba hanome fanantenana ho an’ireo mila fanampiana. Tsy mahazo manao latsak’izany isika amin’ny maha-Kristianina antsika. Rehefa manampy ny hafa isika dia manampy azy ireo hianatra ny toetran’Andriamanitra. Ary amin’ny fanomezana ny zavatra ilainy ara-nofo, dia manokatra lalana ao am-pony isika mba hanatraran’ny Fanahy Masina azy. Izany asa izany no nataon’i Jesôsy, ary ho amin’izany no niantsoana antsika.


Pejy ambony

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Fahafahana omen’ny hazo fijaliana - Rôm. 6:5-8.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.26

 

FIANARANA FANAMPINY: Vakio ireto boky nosoratan’i Ellen G. White ireto: “Temperance and Dietetics,” tt. 202-206; “Discipline”, tt. 287-290, ao amin’ny Ed.; “Need for Self-Mastery,”, tt. 73, 74, ao amin’ny CD; “The principles of Stewardship,” tt. 111-113; “Sharing in the Joys of the Redeemed,” tt. 348-350, ao amin’ny CS.

 

Amin’ny maha-mpanota antsika eto amin’ity tontolo lavo ity dia sarotra amintsika ny maka sary an-tsaina izay very noho ny Fahalavoana. Ity tontolo ratsy ity ihany no hany fantatsika. Raha tsy noho ny Tenin’Andriamanitra izay maneho antsika ny fiandohantsika sy ny niandohan’ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny ratsy, dia ho nanaiky ireo ho anisan’ny fiainana isika. Saingy ny tantaran’ny Fahalavoana dia maneho amintsika fa ny fahafatesana sy ny fahotana dia tsy natao ho isan’ity tontolo ity. Ny Genesisy dia milaza amintsika fa natao hanana fanapahana teo amin’izao tontolo izao i Adama sy i Eva. Taorian’ny fotoana nahalavoany tamin’ny fahotana anefa, dia niova ny fifandraisany tamin’izao tontolo izao satria novàna izy ireo. Novàna koa ny tontolo hita maso. Vetivety teo dia very ilay fanapahana nifalian’izy ireo, ary lehibe sy ratsy indrindra ny vokatr’izany. “Tsilo sy hery” (Gen. 3:17, 18), ny vokatry ny ranonorana nivatravatra (Gen. 7:12), ny tany hay sy ny efitra, ny hiakan’ny tany mahonena mitady fahafahana (Rôm. 8:19-22)dia sasany amin’ireo sary asehon’ny Baiboly enti-milaza ny vokatry ny fahotana eto amin’izao tontolo izao.” – Nalaina tamin’ny HSAT, b. 12, t. 254. Tokony ho velom-pisaorana isika noho ny drafi-pamonjena, izay hamerina indray ny zavatra rehetra very. Manolotra teny fikasana ho antsika ho an’ny hoavy tsara lavitra noho ny lasa sy ny ankehitriny koa io drafitra io.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Tsy misy ifandraisana amin’ny haitontoloiainana ireto toko sy andininy ireto (Eks. 23:10-12; Deo. 11:11,12; Deo. 20:19, 20). Inona anefa ny lesona azontsika hianarana avy amin’izany ka afaka hanampy antsika hahatakatra ny filantsika ny ho tonga mpitantana tsara ny tontolo iainana? Ahoana no hahafantarantsika raha efa nandingana ny tsipika avy eo amin’ny maha-mpitantana tsara ny tontolo iainana isika ho amin’ny olona manompo izany, sy ny fotoana nanaovantsika izany?
  • Eritrereto ny tontolo voajanahary araka ny fahafantarantsika azy izao. Namana ve izany sa fahavalo? Inona ny anton’izay valinteninao izay?
  • Ifanakalozy hevitra ny fanontaniana ao amin’ny faran’ny lesona Alahady mikasika ny dika sy ny tanjon’ny fiainan’ny olombelona. Inona ny valinteny mety homenao an’olona mametraka izany fanontaniana izany? Ahoana no tokony haha-samy hafa ny valintenintsika amin’ny an’ireo tsy mino an’Andriamanitra na tsy mino ny famonjena?
Ahoana no hamerenantsika indray ny hevitry ny teny hoe “fanapahana” tany am-boalohany? Ahoana no naha-tsara ny fanapahana tamin’ny voalohany? Ahoana no maha-tsara izany amin’izao fotoana izao?


 Pejy ambony