LESONA 2

01 - 07 OKTOBRA

ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 1:1–5; Jôba 1:6–12; Zak. 3:2; Mat. 4:1; Ezek. 28:12–16; Rôm. 3:26; Heb. 2:14.

 

Tsianjery: “Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: ‘Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va itý?’” - Zak. 3:2.

 

“Ireo pejin’ny [TT] sy ny [TV] dia mirakitra resaka maro momba ny ady mitohy eo amin’Andriamanitra sy i Satana, eo amin’ny tsara sy ny ratsy, manerana izao tontolo izao sy eo amin’ny isam-batan’olona. Amin’ny fampitahana ireo andininy ireo, dia mahazo ampaham-pampahafantarana, izay afaka manampy antsika hahatakatra mazava kokoa ny hafatra fenon’ny Baiboly, isika.”—Narafitra avy tamin’ny The Handbook of Seventh-day Adventist Theology, t. 969.

Manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny “hafatra fenon’ny” Baiboly ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe, indrindra indrindra ny hafatra momba ny drafi-pamonjena. Mazava sy miharihary kokoa io lohahevitra io ao amin’ny TV, saingy hita ao amin’ny TT ihany koa izany. Ao amin’ny TT dia angamba ao amin’ny bokin’i Jôba no ahitana ny ohatra mazava indrindra ahitana an’i Satana sy io ady io.

Amin’ity herinandro ity isika dia handalina ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe ao amin’ny bokin’i Jôba. Ho hitantsika fa ivon’io boky io izany. Ary hianarantsika ihany koa fa tena mivelatra io ady io, raha ny tena marina. Tsy mitovy amin’ny an’i Jôba ny fiainantsika sy ny tantarantsika, saingy misy zavatra iray itovizantsika aminy: samy tafiditra ao anatin’io fifanandrinana io avokoa isika rehetra, tahaka an’i Jôba ihany.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Sombin-danitra kely eto an-tany (Jôba 1:1–4)

Manomboka amin’ny naoty tsara ihany ny bokin’i Jôba. Toa lehilahy izay voatahy amin’ny lafiny rehetra io Jôba, fara faharatsiny amin’ny fomba fijerin’ny olombelona.

Vakio ny Jôba 1:1–4. Inona no ambaran’ireo andininy ireo momba ny karazam-piainana nananan’i Jôba? Inona no zavatra tsara teo amin’ny fiainan’i Jôba?

Azo antoka fa toa nanana ny zava-drehetra i Jôba, ao anatin’izany ny toetra manaraka ny fahamarinana. Ny teny nadika ho “marina” ao amin’ny Jôba 1:1 dia avy amin’ny teny izay mety hidika hoe “tanteraka” na “feno fahamarinana.” Ny teny ilazana ny hoe “mahitsy” dia mampita hevitra tahaka ny hoe mandeha amin’ny lalana mahitsy. Raha fintinina, manomboka amin’ny sary iray saika tonga lafatra, izay maneho lehilahy iray manan-karena, mahatoky, ary mahitsy, sy manana ny zava-drehetra io boky io.

Manana ny zava-drehetra ao anatin’ny tontolo feno fahotana anefa izy.

Vakio ny Jôba 1:5,6. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny maha-feno fahotana tokoa ny toerana izay ipetrahan’i Jôba?

“Ao anatin’ireo firavoravoana ataon’ireo zanany lahy sy zanany vavy, dia natahotra i Jôba ndrao mahatezitra an’Andriamanitra ny zanany. Mpisoron’ny ankohonany nahatoky  i Jôba ka nanatitra fanatitra ho azy ireo tsirairay avy. Fantatr’i Jôba ny haratsian’ny fahotana. Natahotra izy ndrao mety nanadino ny hitandrina ny fitakian’Andriamanitra ny zanany. Koa nanelanelana ho azy ireo i Jôba. Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hamonjy azy ireo.” - Narafitra avy tamin’ny Ellen G. White Comments, The SDABC, b. 3, t. 1140.

Hita miharihary fa nanam-pahasambarana i Jôba. Asehon’ny Baiboly ho toy ny lehilahy manana fiainana feno, fianakaviana lehibe, ary anarana lehibe i Jôba. Mbola velona eo amin’ny planeta lavo sy simban’ny fahotana anefa izy, ka tsy maintsy arahin’ny loza aman’antambo rehetra izay entin’ny fisiana eto izany, araka izay ho hitan’i Jôba tsy ho ela.

Inona ireo zavatra tsara eo amin’ny fiainanao amin’izao ankehitriny izao? Ahoana no ahafahanao mianatra ny hanana toe-tsaina feno fankasitrahana mandrakariva noho ny amin’izany?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Ady tany an-danitra (Jôba 1:6–12)

Manomboka eto an-tany ny bokin’i Jôba, tao amin’ny toerana iray miadana sy milamina.

Niova anefa ny toerana eo amin’ny andininy fahenina amin’io toko io. Niova ho amin’ny endri-piainana hafa mihitsy vetivety teo izany, endri-piainana izay tsy hitan’ny olombelona raha tsy amin’ny alalan’ny fanambaràna avy amin’Andriamanitra ihany. Ary mahaliana kokoa aza toa tsy milamina sy miadana tahaka ny zavatra etỳ an-tany io endri-piainana hafa io, dia ny lanitra izany. Fara faharatsiny izany no zavatra aseho voalohany eto.

Vakio ny Jôba 1:6–12. Hianatra amin’ny tsipiriany kokoa ireo andininy ireo isika any aoriandriana any, amin’ity telovolana ity, saingy inona no mitranga eto? Inona no tsy mampitovy an’izany amin’izay vao hitantsika fa nitranga tamin’i Jôba teto an-tany?

Misy zavatra tena maro hofakafakaina ao amin’ireo andininy vitsy ireo. Izy ireo dia mampiseho lafin-javatra amin’ny tontolo misy antsika izay tsy ho hitantsika na dia amin’ny alalan’ny masolavitra lehibe indrindra rehetra ananantsika aza, ary na ny siansan’ny olombelona aza dia mbola tsy manomboka mahatakatra izany akory. Mbola mahatalanjona kokoa noho izany anefa fa mampiseho ady lehibe iray izay mitranga eo amin’izao tontolo izao ireo andininy ireo. Tsy fifampiresahana milamina sy miadana no hitantsika ao amin’ireo andininy ireo. Miresaka ny momba an’i Jôba miaraka amin’ny fanehoana fireharehana  Andriamanitra (raha hampiasa fomba fihevitry ny olombelona isika), tahaka ny ray izay mirehareha noho ny amin’ny zanany lahy. I Satana kosa mihomehy noho izay lazain’Andriamanitra momba an’i Jôba. “Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: ‘Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Jôba an'Andriamanitra?’” - Jôba 1:9. Efa tahaka ny hoe mandre an’i Satana maneso isika eto, rehefa miresaka amin’Andriamanitra izy.

Tsy milaza mazava ilay andininy fa tany an-danitra no nisehoan’io fifandonana io, saingy azo antoka fa tany tokoa izany. Koa hitantsika eto io voary io, anjely iray (Satana), izay mijoro eo anoloan’Andriamanitra any an-danitra ka mihaika Azy imasomaso, eo anatrehan’ny “zanak'Andriamanitra” hafa. Sarotra ny mamisavisa olona iray hiresaka amin’ny mpitarika iray eto amin’izao tontolo izao tahaka izany. Eto anefa isika dia mahita voary iray (i Satana) manao tahaka izany amin’Andriamanitra mihitsy. Ahoana no mety nampitranga izany?

Hita ao anatin’ny lohahevitra iray, izay hita amin’ny toerana maro samy hafa sy amin’ny fomba maro samy hafa manerana ny Baiboly iray manontolo ny valin’izany. Fifanandrinana lehibe no iantsoana azy. Ary mampita sary mahery vaika izy io, sary izay manampy antsika hahatakatra, tsy ny bokin’i Jôba ihany, fa ny Baiboly iray manontolo sy ny fanazavany ny tantara mampalahelo momba ny fahotana sy ny fahoriana eto an-tany. Ary manan-danja kokoa noho izany aza, manampy antsika izy io mba hahatakatra tsara kokoa izay notanterahin’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana mba hamahana ny olan’ny fahotana sy ny fahoriana eto an-tany.

 Pejy ambony

TALATA

 

Ny ady eto an-tany (Gen. 3:1–4)

Manaisotra ny efitra lamba manelanelana ny tontolo hitantsika sy ny tontolo any an-danitra tsy hitantsika ny bokin’i Jôba. Asehony antsika ny marina sy ny zava-misy mahakasika ilay tontolo izay tsy azon’ny masontsika sy ny sofintsika ary ny foto-pisainan’izao tontolo izao haseho antsika na oviana na oviana. (Raha ny tena marina, ireo andininy ireo dia tokony haneho amintsika fa tena voafetra ny masontsika sy ny sofintsika ary ny foto-pisainan’izao tontolo izao rehefa miresaka momba ny fahatakarana ny sary iray manontolo.) Ary fifanandrinana eo amin’Andriamanitra sy io voary iray io koa, i Satana, no asehon’ireo andininy vitsivitsy ireo. Fanampin’izany, asehon’ny bokin’ Jôba, voalohany indrindra, fa nitranga tany an-danitra ilay fifanandrinana, saingy nifindra haingana dia haingana teto an-tany koa izany. Manerana ny Baiboly iray manontolo dia ahitantsika andininy izay manondro io fifanandrinana mitohy io, fifanandrina izay mahafaoka antsika ihany koa.

Vakio ny Gen. 3:1–4; Zak. 3:2; Mat. 4:1; 1 Pet. 5:8; 1 Jao. 3:8; ary ny Apôk. 12:9. Ahoana no anehoan’ireo andininy ireo fa misy ady amin’ireo herin’ny ratsy, izay mitranga eto an-tany?

Ohatra vitsy ihany amin’ireo andininy maro izay manondro, na mivantana na tsy mivantana, ny fisian’ny devoly marina ireo andininy ireo. Anjely lavo tena mahery vaika, izay maniry ny hanimba ny taranak’olombelona izy io. Olona maro no mahita ny hevitra momba an’i Satana ho tahaka ny angano. Tsy mino izy ireo fa misy tokoa ny devoly. Tsy tokony ho lavo ao anatin’io fitaka io anefa isika, noho ireo fanambaràna mazava tahaka izany ao anatin’ny Baiboly.

Amin’ny lafiny inona no ahitanao ny fisian’ny asan’i Satana eo amin’ny tontolontsika, na dia amin’izao fotoana izao aza? Inona no hany fiarovana tokana ho antsika?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Ny bokin’i Jôba dia fitantarana nakelezina ny fifanandrinana lehibe (Isa. 14:12–14)

Maneho teboka manan-danja vitsivitsy amintsika ireo trangan-javatra manokatra ny bokin’i Jôba. Voalohany, araka izay efa nambarantsika teo aloha, asehon’izy ireo ny fisian’ny tontolo hafa any ambadik’izay azontsika fantarina ankehitriny, raha amin’ny fahaizantsika manokana, dia ny tontolon’ny lanitra, izay misy zava-manana aina ankoatra an’Andriamanitra. Faharoa, asehon’izy ireo ihany koa fa tena mifandray ny fiainantsika eto an-tany sy ny fanjakan’ny lanitra. Izay mitranga eto an-tany dia misy ifandraisany amin’ireo zava-manana aina any an-danitra ao amin’io fanjakana io. Fahatelo, maneho fifanandrinana ara-môraly any an-danitra, izay tena mifandray tokoa amin’izay mitranga eto an-tany, izy ireo.

Tahaka ny karazana sary nakelezina momba ny fifanandrinana lehibe ireo andininy ireo, sy ireo andininy manaraka, raha fintinina. Izy ireo dia manazava ny fomba iray isehoan’ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny fiainan’i lehilahy anankiray antsoina hoe Jôba, na dia mahenika izao tontolo izao aza izany. Ary hahafaoka antsika rehetra ny olana tafiditra ao anatin’izany, araka ny ho hitantsika.

Maneho an’i Satana ao anatin’ny fifandonana amin’Andriamanitra ny bokin’i Jôba. Tsy asehony anefa ny fomba niandohan’izany voalohany. Vakio ny Isa. 14:12–14; Ezek. 28:12–16; ary ny 1 Tim. 3:6. Ahoana no anampian’ireo andininy ireo antsika hahazo fahalalana misimisy kokoa mahakasika ilay fifanandrinana?

Niresaka momba ny “lalàm-pitiavana” ho fototra iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra i Ellen G. White. Nomarihiny fa tsy tia “fankatoavana an-terisetra” Izy, ka izany no “nanomezany (...) safidy malalaka” ho an’ny vahoakany rehetra. Indrisy anefa fa “nisy anankiray nanimba ny fahafahana nomen’Andriamanitra ny zavaboariny. Teraka tao am-pon’ilay anjely iray izay nomen’Andriamanitra haja sy voninahitra lehibe indrindra manarakaraka an’i Jesôsy Kristy ny ota.” – PM, t. 8. Rehefa izay dia naverin’i Ellen White ireo andininy ao amin’ny Isaia sy Ezekiela etsy ambony mba hanoritsoritana ny fahalavoan’i Satana.

Ilay “lalàm-pitiavana” sy ny fisian’ny safidy malalaka no hevitra manan-danja eto. Milaza amintsika ny Baiboly fa lasa feno avonavona i Satana noho ny voninahiny sy ny hatsaran-tarehiny. Tsy fantatsika ny antony nampitranga io fahotana io. Tsy maintsy ho ampahany amin’izay antsoin’ny 2 Tes. 2:7 hoe “zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna” izany. Mitombina tsara io fifandraisana io rehefa takatsika fa mifamatotra akaiky ny lalàn’Andriamanitra sy ny fototra iorenan’ny fanjakany. Ny olana dia tamin’ny fotoana nidiran’i Satana tao amin’i Jôba, dia nifindra ny fahalavoany, ary nahazo vahana ankehitriny ny fifanandrinana izay natombok’i Satana.

Inona ireo safidy manan-danja atrehinao izao ankehitriny izao? Ary inona ireo teny fikasana ao amin’ny Baiboly izay azonao takiana mba hahazoana antoka fa mandray safidy tsara ianao?

 Pejy ambony

ALAKAMISY


Valinteny teo amin’ny hazo fijaliana (
Jao. 12:31,32)

Mitantara olana manan-danja maro ny bokin’i Jôba, saingy tsy mahita valiny ao anatiny ao ny ankamaroan’ireo olana ireo. Mila ny Baiboly iray manontolo isika. Ary na dia izany aza, “ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina” – 1 Kôr. 13:12.

Araka ny nianarantsika omaly, ohatra, tsy milaza na inona na inona mahakasika ny fomba niantombohan’ny fikomian’i Satana ny bokin’i Jôba. Tsy milaza na inona na inona ihany koa izany mahakasika ny fomba haharesy tanteraka an’i Satana amin’ny farany, eo amin’ilay fifanandrinana lehibe. Na dia mpandray anjara fototra amin’ny fahoriana rehetra mitranga ao amin’ny bokin’i Jôba tokoa mantsy izy, dia indroa ihany izy no mipoitra ao anatin’izany (Jôba 1:6–12; Jôba 2:1–7), avy eo dia tsy hita intsony. Nanjavona izy, na dia mitoetra aza ny fahasimbana nataony. Tsy manonona ny anarany intsony ny ampahany sisa rehetra amin’io boky io. Saika momba an’Andriamanitra, fa tsy momba an’i Satana, tokoa mantsy ny zavatra rehetra manaraka ao amin’io boky io. Ary misy dikany izany satria miresaka ny momba an’Andriamanitra sy ny tena toetrany ny bokin’i Jôba, raha ny marina kokoa.

Tsy mamela antsika tsy hahazo valiny ny amin’ny fanontaniana mahakasika ny faharesen’i Satana eo amin’ilay fifanandrinana lehibe anefa ny Baiboly. Ary ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana no antony fototra mahatonga izany faharesena izany.

Vakio ny Jao. 12:31,32; Apôk. 12:10–12; Rôm. 3:26; ary ny Heb. 2:14. Ahoana no anazavan’ireo andininy ireo ny zavatra nataon’i Jesôsy, izay hitarika ho amin’ny fiafaran’ny fifanandrinana lehibe?

Teo amin’ny hazo fijaliana dia naseho niharihary tamin’ny tena endriny tamin’izao tontolo nohariana rehetra izao i Satana: mpamono olona. Tsy maintsy ho gaga ireo izay nahafantatra an’i Jesôsy fony Izy nanjaka tany an-danitra raha nahita Azy noambanimbanian’ireo mpanompon’i Satana fatratra. Io no “fitsarana” an’i Satana izay resahin’i Jesôsy ao amin’ny Jao. 12. Teo amin’ny hazo fijaliana, dia maty “noho ny [fahotan]'izao tontolo izao” ny Mpamonjy (1 Jao. 2:2). Taorian’izay ihany vao afaka nanambara ny lanitra fa tonga ankehitriny ny famonjena. Lasa zava-misy ankehitriny ilay teny fikasan’Andriamanitra, izay nomeny mialoha ny niandohan’izao tontolo izao (2 Tim. 1:9). Noho ny fahafatesan’i Jesosy ho antsika, dia afaka ny ho “marina Izy sady hanamarina izay manana finoana” Azy (Rôm. 3:26). Izany hoe: notsipahin’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana ny fiampangan’ny devoly fa tsy afaka ny hampitandrina ny lalàny Andriamanitra (ho marina), no sady hamonjy ireo izay nandika izany lalàna izany (ilay mpanamarina). Taorian’i Kalvary dia azo antoka ny anjara mandrakizain’i Satana.

Ahoana no ahafahantsika mianatra ny mifaly amin’izay nataon’i Kristy ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana, na dia eo anivon’ireo fitsapana izay atrehintsika amin’izao fotoana izao ao anatin’ilay fifanandrinana lehibe aza?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: hita ao anatin’ny kolontsaina maro ny foto-kevitra momba ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Ankehitriny anefa dia misy Kristianina maro izay mandà ny fahamarinana fa tena misy tokoa ny devoly sy ny anjely ratsy. Maro no miady hevitra fa fanehoana ny faharatsian’ny olombelona sy ny natiora fotsiny izany. Avy amin’ny fomba fijerintsika, amin’ny maha-Advantista antsika, dia sarotra ny mamisavisa hoe ahoana no mbola ampirindran’ny olona iray ny Baiboly iray manontolo, kanefa tsy hino fa misy tokoa ny devoly sy ny anjeliny.

Tsy ny Kristianina rehetra akory no lavo tao anatin’ny fitaka izay mandà ny fisian’io fifanandrinana lehibe eo amin’ny herin’ny tsara sy ny ratsy io. Nisy, ohatra, mpandalina ny Baiboly iray antsoina hoe Gregory Boyd izay nanoratra betsaka momba ny fisian’ilay ady mitohy (fa tsy mandrakizay) eo amin’Andriamanitra sy i Satana. Mamakafaka andininy maro amin’ny Dan. 10 izy ao amin’ny fampidirana ny bokiny mitondra ny lohateny hoe: God at War. Rehefa izay, dia izao no nosoratany: “Manomboka amin’ny fiantombohany ka hatramin’ny fiafarany, dia mampiseho zava-manana aina ara-panahy [anjely sy demonia] izay miasa ‘eo anelanelan’ny’ olombelona sy Andriamanitra ny Baiboly. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olombelona, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, ny fihetsik’izy ireo. Koa tohanako ato anatin’ity asa ity fa ny foto-kevitra tahaka izany ihany no mitoetra eo anivon’ny fomba fijerin’ny Baiboly.”—Narafitra avy tamin’ny bokin’i Gregory A. Boyd, God at War (Downer’s Grove, Illinois: InterVarsity Press, 1997), t. 11. Tena marina tokoa ny azy.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra

 

1. Manomeza andininy hafa izay miresaka momba an’i Satana sy ireo herin’ny maizina hafa. Inona no very raha toa ka jerena ho toy ny fanehoana ny lafiny maizimaizina amin’ny olombelona fotsiny izany?

 

2. Nilaza i NiccolÒ Machiavelli, mpanoratra italianina tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo, fa tena tsara kokoa ho an’ny mpanapaka iray raha matahotra azy ny olom-peheziny, toy izay tia aza. Nanoratra anefa i Ellen G. White hoe: “Na dia fony efa tapaka aza fa tsy afaka hijanona any an-danitra intsony i Satana, dia tsy naringan’Ilay Fahendrena tsy hita fetra izy. Ny fanompoana avy amin’ny fitiavana ihany mantsy no eken’Andriamanitra, koa tsy maintsy mifototra amin’ny fiaikena ny fahamarinany sy ny fiantrany ny fanoavan’ireo nohariny. Tsy voaomana hahatakatra ny toetry ny fahotana sy ny vokany ireo mponin’ny lanitra sy ny any an-toeran-kafa, koa nety tsy ho hitany tamin’izay fotoana izay ny fahamarinana sy ny famindrampon’Andriamanitra tamin’ny fandringanana an’i Satana. Raha nolevonina tsy hisy avy hatrany izy, dia ho nanompo an’Andriamanitra noho ny tahotra ireny fa tsy noho ny fitiavana.” - HM, t. 515,516. Nahoana no tian’Andriamanitra hanompo azy amim-pitiavana isika, fa tsy amin-tahotra?

 Pejy ambony