LESONA 3

14 -20 JANOARY 2017

NY MAHA-ANDRIAMANITRA NY FANAHY MASINA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 5:1-4; 1 Kôr. 2:10,11; Isa. 63:10-14; Tit. 3:4-6; Rôm. 8:11; 1 Pet. 1:2.

Tsianjery: “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.” – 2 Kôr. 13:14.



Ny Baiboly dia maneho amintsika hoe iza ny Ray; asehony amintsika koa fa Andriamanitra Izy. Tsy misy mihitsy ny fisalasalana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fahamarinana momba ny Ray sy ny maha-Andriamanitra Azy. Samy aseho mazava tsara ao amin’ny TT sy TV izany fahamarinana izany. Ireny fahamarinana momba ny Ray ireny no ampahany amin’ny fahamarinana fototra sy manan-danja indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.


Ambaran’ny Baiboly mazava tsara koa ny maha-Andriamanitra an’i Jesôsy, indrindra ao amin’ny TV; samy milaza izany fahamarinana izany ny Filazantsara sy ny Epistily.

Ny Baiboly dia mampianatra koa fa Andriamanitra ny Fanahy Masina, saingy tsy dia mazava loatra ny fisehon’izany fahamarinana izany ao amin’ny Baiboly. Milaza ny momba izany fahamarinana izany amin’ny fomba tsy mivantana anefa ny Baiboly, amin’ny toko sy andininy samihafa. Ilaintsika ny mampitaha ireny andininy tsirairay ireny mba handinihantsika amim-pahamalinana ny zavatra asehon’Andriamanitra ao amin’ny Teniny momba ny Fanahy Masina. Rehefa manao izany isika, dia tsy tokony holazaintsika ho marina izay tsy tohanan’ny Baiboly, ary tsy tokony “hihoatra noho ny voasoratra” isika (1 Kôr. 4:6).

Ilàna fo mora ampianarina sy manetry tena ny fandinihana ny momba ny maha-Izy ny Fanahy Masina. Tsy tokony hataontsika fenitra mamehy ny fahatakarana ny momba ny Fanahy Masina ny fihevitsika manokana momba an’Andriamanitra. Ny tokony hataontsika dia ny manaiky fa izay ampianarin’ny Baiboly no fahamarinana. Mety ho sarotra amintsika ny hahatakatra amin’ny fahafenoany ny sasany amin’ireny fampianarana ireny, saingy tokony hanaiky ireny fahamarinana ireny isika ho ambonin’ny fihevitsika manokana.




 Pejy ambony

ALAHADY


ANDRIAMANITRA SY NY FANAHY MASINA (Asa. 5:1-4)

Tsy ahitana fanoritsoritana mazava ny amin’ny hoe iza ny Fanahy Masina na izay ataony ao amin’ny Baiboly. Mahita famantarana mahaliana momba Azy kosa anefa isika. Ireny no mampiseho fa ireo mpanoratra ny Baiboly dia nino fa manana fitoviana amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Misy toko sy andininy maro ao amin’ny Baiboly izay ahitana fa ny asa izay misy ifandraisana amin’Andriamanitra dia mifandray amin’ny Fanahy Masina koa.

Vakio ny Asa. 5:1-4. Inona no azontsika tsoahina momba an’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina avy amin’ny tenin’i Petera tamin’i Ananiasy?

Raha toa ka tsy Andriamanitra ny Fanahy Masina dia ho niteny tamin’ny fomba nohamaivamaivanina i Petera, ary ny teny nolazainy aza dia mety ho namitaka sy nampidi-doza. Tsy izany anefa fa nampitovian’i Petera Andriamanitra sy ny Fanahy Masina. Ao amin’ny and. 3 dia manontany an’i Ananiasy i Petera hoe nahoana izy no nandainga tamin’ny Fanahy Masina, ary ao amin’ny faran’ny and. 4 dia hoy izy hoe: “Tsy nandainga tamin’olona hianao, fa tamin’Andriamanitra.” Araka izany, dia asehon’i Petera mazava tsara fa mitovy amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny tiany hambara dia izao: tsy nandainga tamin’ny apôstôly irery ihany i Ananiasy, fa tamin’Andriamanitra mihitsy. Ny lainga atao amin’ny Fanahy Masina dia atao amin’Andriamanitra. Andriamanitra ny Fanahy Masina. Aseho mazava tsara izany eto.

Nahoana no mafy loatra toy izao ny sazy nahatra noho izay nataon’i Ananiasy sy i Safira? Tsy tokony hohadinointsika fa ireo mpino tao amin’ny fiangonana voalohany ao amin’ny Asan’ny Apôstôly dia “niray fo sy fanahy” (Asa. 4:32). Izany firaisana izany dia vokatry ny asan’ny Fanahy Masina tao anatin’ny fony sy ny sainy. Koa satria niray fo sy fanahy ireo mpino ireo, dia nifampizarany izay nananany. Ny nandaingan’i Ananiasy sy i Safira mikasika izay zavatra nomeny dia fitsipahana ny fifanarahana nataon’ny mpino ny hifampizara izay nananany. Ny lainga nataon’i Ananiasy sy ny vadiny dia nandà ny fahamarinana momba ny Fanahy Masina izay nahatonga ny firaisam-po sy firaisan-tsain’ny rehetra tany am-piandohana.

Tamin’izany lainga nataon’i Ananiasy sy i Safira izany no nanomezany fanehoana diso momba ny fiasan’ny Fanahy Masina tao amin’ny fiangonana voalohany. Manimba ny fandaingana amin’Andriamanitra toy izany, manasarotra ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ireo mpino izany. Tian’Andriamanitra raha manompo Azy amin’ny fontsika rehetra isika, ka tsy tiany hisy zavatra na inona na inona hanasaraka ny fontsika Aminy. Ao amin’io tantara io, dia teo amin’ny teboka manan-danja indrindra tamin’ny fitomboany ny fiangonana vaovaon’ireo mpino. Nampiasa toe-javatra nampihoron-koditra Andriamanitra mba hahazoana antoka fa hiara-miasa ao anatin’ny fahamarinana ilay fiangonana vaovao. Navelany hitranga izany toe-javatra izany mba hianaran’ny fiangonany hamela ny Fanahiny hitari-dalana azy ireo.

Eritrereto ny fialan-tsiny maivamaivana mety ho nataon’i Ananiasy sy i Safira noho ny fahotany: “Tsy efa nivarotra ny fanananay ve izahay ary nanome ny ampahany ho an’ny fiangonana? Koa mampaninona moa raha toa mihazona ampahany kely amin’izany vola izany ho anay izahay?” Inona no tokony hambaran’io tantara io amintsika momba ny tokony hitandremantsika ka tsy hitadiavantsika fialan-tsiny noho ny asa ratsy ataontsika? Inona no maharatsy ny fiezahana hihevitra ho toy ny marina ny fahadisoana izay ataontsika?



 Pejy ambony

ALATSINAINY


NY FANAHY MASINA: NY MOMBA AZY SY NY ASA ATAONY (1 Kôr. 2:10,11)

Toko sy andininy maro ao amin’ny Baiboly no milaza hoe iza ny Fanahy Masina ary inona ny asa ataony. Lazaina fa manao ny asa izay ataon’Andriamanitra Izy. Ny Baiboly koa dia milaza ny fitovian’ny Fanahy Masina amin’Andriamanitra amin’ny fomba maro.

Ireto toko sy andininy manaraka ireto dia mitanisa ireo zavatra manokana momba ny Fanahy Masina izay momba an’Andriamanitra koa. Inona avy izany?

1 Kôr. 2:10,11; ampitahao amin’ny Isa. 40:13,14

Sal. 139:7

Heb. 9:14; ampitahao amin’ny 1 Tim. 6:16

Lio. 1:35; Rôm. 15:19; ampitahao amin’ny Sal. 104:30

Manoratra momba ny fahendren’Andriamanitra i Paoly, ambarany fa ny Fanahy Masina no mampahafantatra antsika ny fahendren’Andriamanitra. Ny fomba fisainana nampiasain’i Paoly eto amin’ny fanambarany dia ny fahafantarana izay mitovy amin’ny tena. Izay mitovy amin’Andriamanitra ihany no mahalala ireo zavatra saro-takarina mikasika Azy (1 Kôr. 2:10,11). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy misy mahalala an’Andriamanitra tahaka ny Fanahy, satria ny Fanahin’Andriamanitra no mahalala izay ao am-pon’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia mahafantatra an’Andriamanitra tsy tahaka ny fahafantaran’ny olona iray atỳ ivelany. Araka izany, dia mahalala ny zavatra rehetra tokoa ny Fanahy Masina.

Any amin’izay misy ny fanatrehan’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tsy misy toerana ahafahantsika mandositra ka tsy ahitana Azy. Manerana ny toerana rehetra ny Fanahy Masina (ampitahao amin’ny Sal. 139:7).

Voalaza fa “mandrakizay” ny Fanahy Masina (Heb. 9:14). Firy moa no maharitra mandrakizay hita ao amin’ny Baiboly? Ny valiny dia hoe Andriamanitra irery no maharitra mandrakizay (1 Tim. 6:16). Lazaina ho maharitra mandrakizay anefa ny Fanahy, izany hoe azo antoka ny maha-Andriamanitra Azy.

Tsitoha koa ny Fanahy Masina. Ao amin’ny Lio. 1:35, dia mitovy ny hevitry ny hoe “Fanahy Masina” sy ny “herin’ny Avo indrindra”. Eto dia samy manondro ny fahagagana avy amin’ny hery ambony indrindra izany, dia ny niterahan’ny virijina an’i Jesôsy. Ao amin’ny Rôm. 15:19 dia ambaran’ny apôstôly Paoly mazava tsara ny amin’izay nanome azy ny hery hanaovana ny asa fanompoany. Ny Fanahy Masina no nanome hery ireo apôstôly hanatanteraka ny “herin’ny famantarana sy ny fahagagana”. Tena afaka manatanteraka fahagagana mahatalanjona tokoa ny Fanahy Masina.
I Jesôsy koa dia nilaza fa ny “fitenenan-dratsy amin’ny Fanahy Masina” dia tsy hahazoana famelan-keloka (Mat. 12:31,32; vakio koa ny Mar. 3:28,29). Tsy misy heviny izany fahamarinana izany raha toa ka tsy Andriamanitra ny Fanahy.

Azo heverina anefa fa ny mahagaga indrindra amin’ny asan’ny Fanahy Masina dia ny fahafahany manova ny fo sy ny sain’olombelona. Ny Fanahy Masina irery no mahatanteraka ny fahaterahana vaovao ara-panahy (Jao. 3:5-8), ary Izy no manana ny fahefana hanao izay azon’Andriamanitra irery ihany atao.



 Pejy ambony

TALATA


FILAZALANA AO AMIN’NY BAIBOLY (Isa. 63:10-14)

Toko sy andininy maro no miresaka momba ny Fanahy Masina ao amin’ny Baiboly. Tsy miresaka momba ny Fanahy Masina irery ihany izany fa momba an’Andriamanitra koa.

Vakio ny Isa. 63:10-14. Ampitahao io toko sy andininy io amin’izay ao amin’ny Nom. 14:11 sy ny Deô. 32:12. Iza no resahin’ny mpanoratra ao amin’ireo toko sy andininy ireo? Inona no ambaran’izany toe-javatra izany amintsika momba ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina?

Ny Isa. 63:10 dia milaza amintsika momba ireo olona “niodina” tamin’ny Fanahy Masina, ka nampalahelo ny Fanahy noho ireo otany. Misy tantara tahaka izany koa ao amin’ny Nom. 14:11: “Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ity firenena ity Ahy?” Ary ao amin’ny Deo. 32:12, dia lazaina amintsika hoe: “Jehovah irery no nitondra azy, ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.” Mazava loatra fa nihevitra an’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina ho manam-pitoviana ireo mpanoratra ny Baiboly.

Ao amin’ny 2 Sam. 23:2 no ahitantsika ny teny farany nataon’i Davida. Ao amin’io andininy io dia hoy izy hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy”. Ao amin’ny and. 3 dia hoy i Davida: “ny Vatolampin’ny Isiraely miteny amiko”. Ireo andininy ireo dia mamintina fa mitovy amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Ampitahao ny 1 Kôr. 3:16,17 sy ny 1 Kôr. 6:19,20. Ampitahao koa ny 1 Kôr. 12:11 sy ny 1 Kôr. 12:28. Amin’ny fomba ahoana no ampitoviana ny filazana momba an’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina ao amin’ireo toko sy andininy ireo? Inona no fitoviana ambaran’ireo toko sy andininy ireo momba an’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina?

Ao amin’ny 1 Kôr. 3:16,17, i Paoly dia mampiasa ny fiteny mitovy amin’izay lazainy ao amin’ny 1 Kôr. 6:19,20. Aminy, ny fananana ny Fanahy Masina dia fananana an’Andriamanitra mitoetra ao am-po. Ampitovin’i Paoly tantana ny teny hoe “tempolin’Andriamanitra” sy ny hoe “tempolin’ny Fanahy Masina”. Marihin’i Paoly amin’izany fa Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Ao amin’ny 1 Kôr. 12:11, i Paoly dia manoratra fa ny Fanahy Masina no manome ny fanomezan’ny fanahy ho an’ny mpino tsirairay. Ao amin’ny 1 Kôr. 12:28, dia lazaina amintsika fa Andriamanitra no manome ireo fanomezana ireo. Mazava ny hafatra fototra: manao asa mitovy amin’izay ataon’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Izany fahamarinana izany dia manome porofo mazava ny amin’ny fitovian’ny Fanahy Masina amin’Andriamanitra.

Vakio indray ny Nom. 14:11. Amin’ny fomba ahoana no mety iharan’io toe-javatra io amin’izao androntsika izao? Eritrereto ireo fahagagana nasehon’Andriamanitra teo amin’ny fiangonantsika. Eritrereto ireo antony rehetra nomeny mba hinoantsika. Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy manao izay nataon’ny olona tamin’ny arivo taona lasa isika amin’izao androntsika izao?


 Pejy ambony

ALAROBIA


NY ASA MAHAGAGAN’NY FANAHY MASINA (Tit. 3:4-6)

Miasa ny Fanahy Masina, asa izay lazain’ny Baiboly fa Andriamanitra irery no afaka manao izany. Araka izany, ny Fanahy Masina dia niasa tamin’ny asa mahagagan’ny famoronana. Miasa koa Izy amin’ny asa ataon’Andriamanitra amin’ny fanavaozana indray ny mpanota.

Vakio ny Tit. 3:4-6. Ahoana no ilazalazan’i Paoly ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanavaozana indray antsika?

Voatonona mifanitsy amin’“Andriamanitra, Mpamonjy antsika” (Tit. 3:4) ny Fanahy Masina ao amin’ny firesahana mikasika ny fahaterahantsika indray. Izany dia satria ny Fanahy Masina no manavao ny fontsika. Izy no mampifoha ny faniriantsika hanara-dia an’i Kristy. Izy no Fanahin’aina (Rôm. 8:2) izay manamasina ny mpanota. Izy no manova ny toetrantsika ary manampy antsika hankatò an’i Jesôsy Kristy izay namonjy antsika. Andriamanitra irery no afaka manao zava-mahagaga tahaka izany.

Ampitahao ny Isa. 6:8-10 sy ny Asa. 28:25-27. Iza no lazan’ireo mpanoratra ny Baiboly fa milaza ireo teny ireo?

Misy andininy maromaro ao amin’ny Baiboly izay ilazan’ny mpanoratra fa Andriamanitra no miteny. Ny mpanoratra ny Baiboly sasany kosa dia milaza fa ny Fanahy Masina no miteny amin’ireo andininy ireo. Lazaina amintsika koa fa ny Fanahy Masina no nanome antsika ny Baiboly (2 Pet. 1:21). Any amin’ny boky hafa kosa, ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra no nanome antsika ny Baiboly (2 Tim. 3:16). Araka izany, ny fanomezana antsika ny Baiboly dia asa mahagaga hafa ataon’ny Fanahy.

Inona no ampianarin’ny Rôm. 8:11 antsika momba ny toetra maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina?

Ny Baiboly dia milaza fa ny Fanahy Masina no nanangana an’i Jesôsy tamin’ny maty. Milaza koa izany fa Izy no hanangana antsika koa amin’ny alalan’ny Fanahy. Andriamanitra irery ihany no manana fahefana hanangana olona amin’ny maty, koa dia Andriamanitra ny Fanahy Masina araka izany.

Inona ny fanovana azonao atao izay hahatonga anao hisokatra bebe kokoa amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina? Inona ny fahazarana mety hisakana anao tsy hahatakatra mazava tsara ny fitarihany eo amin’ny fiainanao?


 Pejy ambony

ALAKAMISY


ZAVA-DEHIBE VE NY MAHA-ANDRIAMANITRA NY FANAHY MASINA? (1 Pet. 1:2)

Inona no ho very raha toa ka tsy Andriamanitra ny Fanahy Masina? Andeha, mandritra ny fotoana fohy, ataontsika hoe tsy Andriamanitra feno ny Fanahy Masina. Raha izany dia hanjary hisy vokany mampanahy ny famonjena sy ny fanompoam-pivavahana. Ny Baiboly dia milaza amintsika fa asan’ny Fanahy Masina ny fanomezana fiainana ara-panahy vaovao ho an’ny mpino. Araka izany, ny Fanahy Masina dia velona ao anatin’ireo mpino ka mameno azy ireo. Manavao ny fisainantsika Izy no sady manova ny toetrantsika. Manana ny fahefana mamerina ho amin’ny fiainana indray Izy, ary ataony tahaka an’Andriamanitra ireo mpanara-dia an’i Kristy, ataony masina. Andeha mbola atao indray hoe tsy Andriamanitra ny Fanahy Masina, amin’izay dia ahoana no hahazoantsika antoka fa afaka ny hanao ireo zavatra ireo Izy? Ary ahoana no hahazoantsika antoka fa hanao izany amin’ny fomba hoeken’Andriamanitra Izy?

Vakio ny 1 Pet. 1:2; 2 Kôr. 13:14; ary ny Mat. 28:18,19. Voatonona miaraka amin’Andriamanitra Ray sy i Jesôsy Kristy Zanaka ny Fanahy Masina ao amin’ireo toko sy andininy ireo. Inona no ambaran’izany mikasika ny fiderana sy ny fitiavana lalina mendrika ny Fanahy Masina sy izay mendrika amin’ny fiankohofantsika amin’Andriamanitra?

Ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina no manampy antsika hifandray Aminy amin’ny fomba izay manaiky sy manome voninahitra Azy amin’ny maha-Izy Azy indrindra. Miankina amin’ny maha-Andriamanitra Azy ny fiainantsika ara-panahy. Tsy misalasala mihitsy ny fiangonan’ny TV manonona ny Fanahy Masina miaraka amin’ireo Persôna roa ao amin’Andriamanitra telo izay iray. Araka izany, ny Fanahy Masina dia manana laharana sy anjara toerana mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka eo amin’ny fanaovana batisa. Manana hevitra ara-panahy lalina tokoa ny batisa, maneho fiankohofana lalina izany. Tahaka izany koa ny tso-drano nomen’ireo apôstôly tao amin’ny epstily nosoratany ho an’ny fiangonana. Ny tso-drano rahateo dia vavaka fiankohofana. Ary ao amin’izany vavaka izany dia mahazo fiderana tahaka izay atao amin’ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Izany hoe ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra telo-izay-iray dia voatonona mifanakaiky ary mitovy ny fiderana atao Aminy.

Araka izany, ny Fanahy Masina dia asandratra ho mendrika hiankohofana ao amin’ny TV. Asandratra tahaka an’Andriamanitra Izy, tsy amin’ny batisa ihany, na amin’ny tso-drano ataon’ny apôstôly, fa amin’ny filàntsika ny fiankinana Aminy mandrakariva mba hahatsara ny toe-panahintsika. Koa tokony hanoa Azy isika amin’ny maha-Mpampianatra hendry sy Mpanamasina antsika Azy. Zava-dehibe ve ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina? Eny, tena zava-dehibe tokoa izany. Tsy maintsy fantarintsika hoe iza marina Izy, ary tsy maintsy fantatsika sy inoantsika fa Andriamanitra Izy, dia hanome voninahitra ny asany isika. Ary hiankina Aminy isika ho an’ny fitomboantsika manokana sy ny fanamasinana antsika.

Eritrereto ny hevitry ny hoe ny Fanahy Masina izay Andriamanitra, dia miasa eo amin’ny fiainanao. Inona avy ny teny fikasana lehibe nomena antsika izay mampiseho fa miasa ao anatintsika Andriamanitra mba hanova antsika ka hahatonga antsika ho ao Aminy? Nahoana no lazaina fa manampy ary manatsara izany fahamarinana izany?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: vakio ny “Misrepresentations of the Godhead”, t. 613-617, ao amin’ny boky Evangelism.

Tamin’ity herinandro ity isika dia nianatra fa misy porofo miezinezina ao amin’ny Baiboly momba ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tena Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina. Tokony hotadidintsika koa anefa fa zava-miafina mahatalanjona ny Fanahy Masina. Andeha iverenantsika kely izany teboka izany: tsy haintsika hazavaina amin’ny fahafenoany ny momba an’Andriamanitra sy ny toetrany. Araka izany, dia tsy tokony hametraka ny hevitr’olombelona ho fenitra ho an’ny fahatakarana ny momba an’Andriamanitra isika. Ny fahamarinana mantsy dia mihoatra lavitra ny fahatakaran’ny olombelona voafetra, indrindra rehefa miresaka momba an’Andriamanitra izany.

Eo andanin’izany, ny finoana ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina dia mihoatra lavitra ny fanekena tsotra fa mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy. Tsy maintsy miankina sy mitoky amin’ny asa fanavotana ataon’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika. “Tsy dia ilaintsika loatra ny ho afaka hamaritra marina ny amin’ny Fanahy Masina (…) Zava-miafina ny toetoetran’ny Fanahy Masina. Tsy hain’ny olona hazavaina izany, satria tsy nambaran’ny Tompo taminy. Ny olona izay manana fomba fijery hafahafa dia mety hampitambatra toko sy andininy ao amin’ny Soratra Masina ka hanorina zavatra araka ny fahitan’ny olombelona amin’izany. Ny fanekena ireo fomba fijery ireo anefa dia tsy hampahery ny fiangonana. Mikasika ny zava-miafina toy izany, izay lalina loatra ka tsy mety ho tratran’ny sain’ny olombelona, dia ny mangina volamena.” – VM, tt. 46-47.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1.Ny filôzôfa Aotrisianina antsoina hoe Ludwig Wittgenstein dia nanoratra indray andro hoe: “Izay tsy azontsika resahina dia tsy maintsy avela handeha amim-pahanginana.” Na dia tsy mitovy amin’izay nosoratan’i Ellen G. White etsy ambony aza ny zavatra resahiny, dia mitovy ny foto-kevitra ambaran’izy ireo. Araka izany, nahoana no mety kokoa ny mangina eo anatrehan’ny fahamarinana sasany sy ireo zava-miafina momba an’Andriamanitra izay tsy nohazavain’ny Fanahy Masina?

2.Manampy indraindray ny fisainana ny finoana iray amin’ny fametrahana ny fanontaniana hoe: “Inona moa no ho very raha toa ka tsy marina ity finoana ity?” Ohatra amin’izany ity: “Inona moa no ho very raha toa i Kristy ka tsy Andriamanitra?” Eritrereto indray ny Fanahy Masina ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity hoe: “Inona moa no ho very raha toa ka tsy Andriamanitra feno ny Fanahy Masina?”

3.Ahoana no ilàna ny teny manaraka eto eo amin’ny fiainana ara-panahintsika? “Natao hameno antsika ny Fanahy Masina. Saingy tsy karazana hery na fihetseham-po na fahefana izay tsy manana ny maha-izy azy Izy. Andriamanitra Izy. Tokony horaisina ao am-po amin’ny fanetren-tena lalina Izy, ary amim-panajana fatratra sy fankatoavana. Araka izany, tsy hoe ny fananantsika Azy bebe kokoa no tena zava-dehibe, fa ny fanoloran-tenantsika bebe kokoa ho Azy - eny, isika mihitsy no voakasika amin’izany.” - LeRoy Edwin Froom, The Coming of the Comforter, t. 159


 Pejy ambony