LESONA 3

9 - 15 APRILY

Ny toriteny teo an-tendrombohitra

LESONA 3 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA


Filentehan’ny masoandro: 5.44

 

Tsianjery: “Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.” – Mat. 7:28,29.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 5--7, Rôm. 7:7; Gen. 15:6; Mika 6:6–8; Lio. 6:36; Mat. 13:44–52; Rôm. 8:5–10.

Fiambenana maraina: Fiainana feno - Jao. 10:10

 

Ao amin’ny bokin’ny Eksôdôsy dia hitantsika Andriamanitra nitarika ny zanaky ny Isiraely nivoaka avy tao Egipta. Rehefa izay dia “nanao batisa” azy ireo tao amin’ny Ranomasina Mena Izy, nitondra azy ireo namakivaky ny tany efitra nandritra ny efapolo taona, nanao famantarana sy fahagagana ho azy ireo, ary nihaona mivantana tamin’izy ireo teo an-tampon-tendrombohitra izay nanomezany azy ireo ny lalàny.

Ao amin’ny bokin’i Matio kosa dia hitantsika i Jesôsy nivoaka avy tao Egipta, natao batisa tao amin’ny ony Jôrdana, nankany amin’ny tany efitra nandritra ny efapolo andro, nanao famantarana sy fahagagana, ary nihaona mivantana tamin’ny Isiraely teo an-tampon-tendrombohitra izay nanamafisany io lalàna io ihany. Nolalovin’i Jesôsy ny tantaran’ny Isiraely, lasa Isiraely Izy, ary tao Aminy no nahatanterahan’ireo fanekena rehetra.

Ny Toriteny teo an-Tendrombohitra no toriteny mahery vaika indrindra notorina. Ireo tenin’i Jesôsy dia nanohina lalina, tsy ireo mpihaino Azy mivantana ihany, fa ireo rehetra izay handre ireo hafatra manova ny fiainana raketiny mandritra ny taonjato maro koa, ary hatramin’izao androntsika izao mihitsy koa aza.

Kanefa tsy tokony hihaino fotsiny io toriteny io isika, fa tokiny hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika ihany koa. Amin’ity herinandro ity isika dia handinika izay nolazain’i Jesôsy tao anatin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra (Mat. 5–-7). Hodinihintsika ihany koa izay nolazain’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 13 momba ny fampiharana ny teniny eo amin’ny fiainantsika.

Pejy ambony 

ALAHADY: FOTO-KEVITRA SY FITSIPIKA (Mat. 5- - 7)

Fiambenana maraina: Tohan’aina - Jao. 6:48,51

Vakio indray mitopy maso ny Toriteny teo an-Tendrombohitra, ao amin’ny Mat. 5- -7. Rehefa izay dia fintino fohifohy ny zavatra misongadina indrindra ao an-tsainao mahakasika izany, ny zavatra ambarany aminao.

 

“Angamba tsy nisy lahateny ara-pivavahana hafa teo amin’ny tantaran’ny olombelona nahasarika ny fahalianana tahaka ny Toriteny teo an-Tendrombohitra. Filôzôfa sy mpandala ny fihetsehana sy ny asa tsy kristianina maro no nandà tsy hivavaka amin’i Jesôsy, saingy nitolagaga tamin’ny fampianarany. Tamin’ny taonjato fahiraika ambin’ny folo, i Mohandas Gandhi no tsy kristianina liana sy mpomba fanta-daza indrindra an’io toriteny io.” — NACM, b. 22, tt. 93, 94.

Noraisina tamin’ny fomba maro samy hafa io toriteny io. Ny sasany dia mahita azy io ho toy ny andiam-pitsipika ara-pitondran-tena hentitra dia hentitra, ka tsy misy olona afaka mahatanteraka izany amin’ny herin’ny tenany, afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Mitarika antsika hangataka ny fahamarinan’i Jesôsy ho fanantenana tokana hitondra famonjena ho antsika io fahafantarana ny fahalementsika amin’ny maha-mpanota antsika io. Isika rehetra tokoa mantsy dia samy tsy nisy nahatanteraka ny fitsipika izay asain’Andriamanitra harahintsika, araka izay anehoany azy ao amin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra. Ny sasany kosa indray mahita an’io toriteny io ho tahaka ny lahateny momba ny lalàna mifehy ny tokony ho fitondran-tenantsika amin’ny maha-olom-pirenena antsika. Misy sasany ihany koa mahita azy io ho toy ny antso miantefa amin’ny olona rehetra mba handala ny fitiavana ny fandriam-pahalemana. Ny sasany kosa mahita filazantsara ara-piarahamonina ao anatin’io toriteny io, filazantsara izay miantso ny mpino mba hitondra ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany amin’ny alalan’ny hery sy ezaka ataon’ny olombelona.

Amin’ny heviny iray, ankevitry ny olona tsirairay dia samy mitondra zavatra avy aminy sy mahakasika azy ao anatin’io toriteny io satria manohina mafy dia mafy antsika eo amin’ireo lafiny manan-danja eo amin’ny fiainantsika izany. Vokatr’izany, samy maneho ny fihetseham-pontsika manoloana izany amin’ny fombantsika avy isika.

Izao no nosaratan’i Ellen G. White: “Tao amin’ny toriteny teo an-tendrombohitra no niezahany mafy hamaha ny asa izay efa notanterahin’ny fanabeazana diso, sy hanome fahalalana araka izay izy momba ny fanjakany sy ny toetra amam-panahin’ny tenany ho an’ny mpihaino Azy. (...) Tsy latsa-danja ho antsika ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana izay nampianariny mihoatra noho ny ho an’ny vahoaka marobe izay nanaraka Azy. Ilaintsika tsy latsaka noho ireo ny hianatra ny foto-kevitra iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra.” – IFM, tt. 312,313.

Koa manome antsika ny foto-kevitra iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra ny Toriteny teo an-Tendrombohitra, na inona na inona mety entintsika ao amin’izany. Ambarany amintsika ny toetran’Andriamanitra, amin’ny maha-mpifehy ny fanjakany Azy. Ambarany amintsika ihany koa izay irin’Andriamanitra ho toetsika, amin’ny maha-olom-peheziny ao amin’ny fanjakany antsika. Antso lehibe hiala avy amin’ireo foto-kevitra sy fitsipik’ireo fanjakana mandalo eto amin’izao tontolo mba hiaina araka ireo foto-kevitra sy fitsipik’ilay fanjakana izay hitoetra mandrakizay izy io (Vakio ny Dan. 7:27.)

Pejy ambony 

ALATSINAINY: ILAY TORITENY RAHA MITAHA AMIN’NY LALANA

Fiambenana maraina: Kristy fiainantsika - Kôl. 3:4

 

Misy Kristianina sasany mandray ny Toriteny teo an-Tendrombohitra ho toy ny “lalàn’i Kristy” vaovao. Mihevitra izy ireo fa nanolo ny “Lalàn’Andriamanitra” izany. Milaza izy ireo fa nosoloina lalàm-pahasoavana ankehitriny ilay lalàna “fahiny”. Mihevitra ihany koa izy ireo fa tsy mitovy amin’ny Lalàn’Andriamanitra ny lalàn’i Jesôsy. Fahatakaran-diso momba ny Toriteny teo an-Tendrombohitra anefa ireo fomba fijery ireo.

Inona no ambaran’ireto andalan-teny manaraka ireto momba ny lalàna ary, amin’ny fomba tsy mivantana, momba ny fiheverana fa nosoloina tamin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra ny lalàna (izany hoe ny Didy Folo)? Mat. 5:17–19,21,22,27,28; vakio koa ny Jak. 2:10,11; Rôm. 7:7.

Izao no nosoratan’i Craig S. Keener: “Nandray ny didy tao anatin’ny tontolon-kevitry ny fahasoavana ny ankamaroan’ny vahoaka jiosy. Nanampy tamin’ny fanazavana ny hevitry ny lalàna amin’ny fomba feno kokoa ny resaka fahasoavana. Mangataka fampiharana ny fahasoavana misimisy kokoa eo amin’ny fiainan’ny mpanara-dia Azy i Jesôsy.... Tsy isalasalana fa nikendry ny hampiorina ny fanjakany amin’ny fahasoavana i Jesôsy (ampitahao ny Mat. 6:12; Lio. 11:4; Mar. 11:25; Mat. 6:14,15; Mar. 10:15). Ao amin’ireo tantara ao amin’ny Filazantsara, dia raisin’i Jesôsy ireo manetry tena sy manaiky ny zon’Andriamanitra hifehy azy ireo, na dia tsy tonga lafatra ara-pitondran-tena aza izy ireo (Mat. 5:48). Tsy ilay fahasoavana tsy misy asa araka izay iheveran’ny ankamaroan’ny Kristianina azy anefa ny fahasoavana ao amin’ilay fanjakana izay torin’i Jesôsy. Ao amin’ireo Filazantsara, ny hafatra momba ilay fanjakam-pahasoavana dia manova ireo izay mandray izany amim-pahalemem-panahy, ary mampietry ny mpiavonavona sy ireo mahatsiaro ho mahavita tena ara-pivavahana sy ara-piarahamonina.” — GMSRC, tt. 161, 162.

Vakio ny Gen. 15:6. Ahoana no anampian’izany antsika hahatakatra fa amin’ny alalan’ny finoana mandrakariva no ahazoana famonjena?

Tsy finoana vaovao ny finoana an’i Jesôsy; mbola ilay finoana nanomboka tamin’ny Fahalavoana ka hatramin’izao ihany izany. Tsy hoe famonjena amin’ny alalan’ny asa nosoloana famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavana ny Toriteny teo an-Tendrombohitra. Amin’ny alalan’ny fahasoavana mandrakariva no ahazoana famonjena. Ny zanaky ny Isiraely dia novonjena tamin’ny alalan’ny fahasoavana raha teo amin’ny Ranomasina Mena nialoha ny nangatahana azy ireo hankatò, teo Sinay. (Vakio ny Eks. 20:2.)

Inona no tokony hampianarin’ny fanandramanao miaraka amin’ny Tompo sy ny lalàny mahakasika ny hoe nahoana no tsy maintsy ho amin’ny finoana mandrakariva ny famonjena, fa tsy amin’ny lalàna?

Pejy ambony 

TALATA: NY FAHAMARINAN’NY MPANORA-DALÀNA SY NY FARISEO (Mat. 5:20)

Fiambenana maraina: Voaforona mba hanao asa tsara - Efes. 2:10

 

Vakio ny Mat. 5:20. Inona no tian’i Jesôsy hambara rehefa niteny Izy fa: “Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo”?

Raisina amin’ny alalan’ny finoana mandrakariva ny famonjena. Rafitra niorina tamin’ny fahasoavana mandrakariva ny Jodaisma (fivavahana jiosy), araka ny tokony ho nampiharana azy. Nisosoka tao anatiny anefa ny fanarahan-dalàna ho fitadiavam-pamonjena, ary azon’izany atao koa ny misosoka ao amin’ny fivavahana rehetra izay mandray ny fankatoavan-dalàna amim-pahamatorana, tahaka ny fivavahan’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Tamin’ny andron’i Jesôsy dia mpitarika ara-pivavahana maro (fa tsy ny rehetra) no lavo tao anatin’ny karazana “fivavahana ara-pomba” ka nahatonga azy ireo ho “tsy manan-kery hisakana ny fahalovana amin’izao tontolo.” - S, tt. 49,50.

Tsy manan-kery hanova fiainana na toetra ny fitsipika ivelany fotsiny, indrindra fa ireo apetrak’olombelona. Ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana no ilay tena finoana marina sady tokana (Gal. 5:6). Io ihany no mahatonga ny fihetsika ivelany hoekena eo imason’Andriamanitra.

Vakio ny Mika 6:6–8. Amin’ny lafiny inona no maha-famintinana ny Toriteny teo an-Tendrombohitra an’ireo andininy ireo?

Na dia tamin’ny andron’ny TT aza dia tsy fiafaran-javatra ny fanatitra, fa fomba hanatrarana tanjona, ary fiainana izay anehoan’ny mpanara-dia an’Andriamanitra ny fitiavany sy ny toetrany io tanjona io. Amin’ny alalan’ny fileferana feno amin’Andriamanitra irery ihany no ahazoana miaina izany fiainana izany. Mitaky ihany koa ny fahatsapana ny fiankinantsika tanteraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mamonjy izany. Maro tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo no nampiseho finoana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra tetỳ ivelany, saingy tsy ohatra tsara halain-tahaka ny amin’ny tokony ho fiainan’ny mpanara-dia an’ny Tompo izy ireo.

Andeha hatao hoe mpino mafatra-po ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana irery ihany ianao, ary mino koa ianao fa ny fahamarinan’i Jesôsy irery ihany no afaka mamonjy anao. Ahoana no ahazoanao antoka fa tsy misosoka eo amin’ny fiainanao ara-panahy ireo endrika fanarahan-dalàna ho fitadiavam-pamonjena na dia ireo misoko mangina indrindra aza?

Pejy ambony

ALAROBIA: IREO FOTO-KEVITR’ILAY FANJAKANA (Mat. 5:48)

Fiambenana maraina: Zavatra fototra tsy azo avela - Jao. 3:3-6

 

Angamba ao amin’ny Mat. 5:48 no ahitana ny fampianarana manan-danja indrindra nataon’i Jesôsy. Vakio io andininy io. Ahoana no tokony hanatanterahantsika an’io, indrindra amin’ny maha-mpanota antsika?

Ity no tokony ho iray amin’ireo andininy mahatalanjona indrindra, mahery vaika indrindra amin’ireo fampianarana rehetra ao amin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra: ho tanteraka tahaka “ny Rainareo izay any an-danitra.” Inona no hevitr’izany?

 Hitantsika eo amin’ny fiandohan’io andininy io ny teny hoe: “koa amin'izany”, izay ampahany iray manan-danja hanampy antsika hahatakatra ny hevitr’io andininy io. Mifono famintinana an’izay voalaza teo aloha izany. Koa inona àry no voalaza teo aloha?

Vakio ny  Mat. 5:43–47. Mifarana amin’ny Mat. 5:48 ireo andininy ireo. Ahoana no anampian’izany antsika hahatakatra tsaratsara kokoa izay tian’i Jesôsy hambara eo amin’ny Mat. 5:48? Jereo koa ny Lio. 6:36.

Tsy vao voalohany izao no ahitana hevitra tahaka io ao amin’ny Baiboly. Raha miverina any amin’ny bokin’ny Levitikosy isika (Lev. 19:2), dia hoy ny Tompo tamin’ny vahoakany: “‘“Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.”’” Hoy i Jesôsy ao amin’ny bokin’i Lioka (Lio. 6:36): “Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.”

Tsy miresaka momba ny fankatoavana fitsipika na foto-kevitra, na dia manan-danja aza izy ireny, ny tontolon-kevitra iray manontolo eto, ny Mat. 5:43–48. Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny olona tokoa mantsy ny teboka rehetra ao amin’ireo andininy ireo. Isika dia tokony ho tia, tsy ireo izay azon’ny olona tiavina fotsiny ihany, fa ireo izay tsy hotiavintsika amin’ny kapobeny, raha araka ny foto-kevitry ny olombelona. (Averina indray fa mahakasika ny foto-kevitry ny fanjakan’Andriamanitra ny resaka eto, fa tsy ny an’olombelona).

Ny zavatra manan-danja tokony hotsaroina eto dia ity: tsy mangataka zavatra amintsika izay tsy azony tanterahina ao anatintsika  Andriamanira. Raha havela amin’izay sitrapontsika isika, raha hofehezin’ny fontsika feno fahotana sy fitiavan-tena isika, iza amintsika tokoa no ho tia ny fahavalony? Tsy mampianatra antsika ho tia ny fahavalontsika izao tontolo izao. Kanefa tsy olom-pirenen’ny fanjakana hafa va isika ankehitriny? Manana teny fikasana isika fa raha milefitra tanteraka amin’Andriamanitra, dia “izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy” - Fil. 1:6. Ary inona indray no asa lehibe azon’Andriamanitra hatao ao anatintsika noho ny hanao izay hitiavantsika ny hafa, eo amin’ny sehatra voafetra misy antsika, tahaka izay itiavany antsika?

Ho hafa nanao ahoana ny fiainanao, ankehitriny raha toa ka nitia ny fahavalonao ianao?

Pejy ambony 

ALAKAMISY: MANDRAY NY TENIN’ILAY FANJAKANA

Fiambenana maraina: Olom-baovao - 2 Kôr. 5:17

 

Tsy ny tampon-tendrombohitra irery ihany no toerana nitorian’i Jesôsy teny. Nitory ireo hafatry ny fanjakany nanerana ny Isiraely iray manontolo izy. Mitatitra ny Mat. 13 fa nampianatra avy teo an-tsambokely i Jesôsy, fa “ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina” - Mat. 13:2. Rehefa izay dia nilaza fanoharana tamin’ny vahoaka i Jesôsy, fanoharana nokendrena handresena lahatra ny olona fa zava-dehibe ny tsy fihainoana fotsiny ihany ny Tenin’Andriamanitra, fa ny miaina izany koa.

Vakio ny Mat. 13:44–52. Inona no voalaza ao amin’ireo fanoharana ireo izay hanampy antsika hiaina ireo fahamarinana naseho tao anatin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra?

Teboka roa no misongadina avy amin’ireo tantara roa voalohany ireo. Misy hevitra fisarahana ao amin’izy roroa ireo, fialana amin’ny zavatra ananan’ny tena mba hahazoana zavatra vaovao, na harena any an-tsaha io na vatosoa. Ny tombambidy lehibe omen’ny lehilahy tsirairay ny zavatra hitany no zavatra manan-danja faharoa. Ao amin’ireo tranga roa ireo dia lasa nandeha izy ireo ka nivarotra izay rehetra nananany mba hahazoana ilay zavatra hitany. Mazava ny tian-kambara ao amin’ireo fanoharana ireo, na dia tsy azontsika vidina aza ny famonjena (Isa. 55:1,2): tsy misy zavatra izay ananantsika eto amin’ity fanjakana ity, eto amin’ity izao tontolo izao ity, mendrika ny hamoizantsika ilay fanjakana iray ho avy.

Noho izany, ho fampiharana izay angatahin’Andriamanitra amintsika, dia ilaintsika ny mandray safidy mba hisaraka amin’ny zavatra rehetra momba ny tany sy ny nofo, ka hamela kosa ny Fanahin’Andriamanitra hameno antsika (jereo ny Rôm. 8:5–10). Mety tsy ho mora izany; hitaky fahafatesana amin’ny izaho sy filanjana ny hazo fijalian’ny tena izany. Kanefa tokony hanana ny faniriana sy ny fahazotoana rehetra ilaina isika mba hanaovana ny safidy tsy maintsy ataontsika raha toa ka ataontsika eo anoloantsika mandrakariva ny tombambidy sy ny fahamendrehan’ny zavatra nampanantenana antsika.

Vakio ny fanoharana fahatelo farany (Mat. 13:47–50). Miresaka momba ny fisarahana ihany koa io tantara io. Ahoana no anampian’ny hevitra momba ny fisarahana hita ao amin’ireo fanoharana roa voalohany antsika hahatakatra ny zava-mitranga ao amin’io fanoharana fahatelo io?

Pejy ambony 

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Mitafy toetra vaovao - Efes. 4:22-24

Filentehan’ny masoandro: 5.39

 

Vakio ireto asasoratr’i Ellen G. White ireto: “Ny Toriteny teo an-Tendrombohitra,” - IFM, tt. 311–329, Sambatra (hita ato amin’ity tranonkala ity ny dikan-teny anglisy: www.whiteestate.org/books/mb/mb.asp).

Nahita zavatra nanana tombambidy lehibe ireo lehilahy ao amin’ireo fanoharana raketin’ny Mat. 13:44–46. Raha jerena ny tontolon-kevitra, indrindra rehefa avy nilaza ny fanoharana fahatelo i Jesôsy (Mat. 13:47–50), dia ny fahamarinana no zavatra hitan’izy ireo. Io ilay fahamarinana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay, izay mifanohitra amin’ny fandringanana mandrakizay “any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo.” Zava-dehibe io fahasamihafana io satria isika dia velona amin’ny vanim-potoana izay iheverana ny resaka momba ny “fahamarinana” ho nilaozan’ny toetr’andro na mampidi-doza mihitsy aza. Ary mampalahelo fa hevitra diso izay eken’ny Kristianina sasany izy io. Koa tsy hoe tena misy tokoa ny fahamarinana no hafatra ampitain’ireo fanoharana ireo, fa ny hoe hitondra fahasamihafana mandritra ny mandrakizay eo amin’ny fiainan’ny olombelona tsirairay ny fahamarinana. Tsy tokony hahagaga izany. Mifototra amin’ny hevitra momba ny fahamarinana tsy miovaova tokoa mantsy ny Baiboly. Na izany na tsy izany, hoy i Jesôsy: “‘Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana’” – Jao. 14:6. Raha tsy fanambaràna fahamarinana tsy miovaova izany, dia inona indray? Nilaza anefa i Paoly fa “sombintsombiny ny fahalalantsika” - 1 Kôr. 13:9. Koa mazava izany fa misy zavatra maro tsy fantatsika. Kanefa ny fanambaràny fotsiny fa “sombintsombiny” no fantatsika dia midika fa misy fahamarinana maro mbola mila hianarana, fahamarinana izay hitondra fahasamihafana ara-bakiteny: na ho amin’ny fiainana mandrakizay na ho amin’ny fahafatesana mandrakizay. Fiainana mandrakizay sa fahafatesana mandrakizay? Ahoana indray no mbola hanazavana azy mihoatra izany?

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Ho nanao ahoana izany hoe miaina ao anatin’ny tontolo iray izay anarahan’ny olona tsirairay ireo foto-kevitra hita ao amin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra?
Nilaza ny fanoharana momba ny mpanorina manan-tsaina sy adala i Jesôsy (jereo ny Mat. 7:24–27) no sady nibanjina ny moron-dranomasin’i Galilia.  Tsy dia voamarika tsara ny fahasamihafana eo amin’ny endriky ny vatolampy sy ny fasika eo amoron-dranomasina mandritra ny vanim-potoana main-tany. Koa mety hanorina ny tranony eo ambonin'ny fasika ny mpanorina iray, mihevitra fa vatolampy izany. Hipoitra anefa ilay fototra natao tamin’ny fasika ka nirodana ilay trano, rehefa tonga ny orana. Oharin’i Jesôsy amin’ny fototra natao tamin’ny fasika ireo izay mandre ny teniny nefa tsy manaraka izany. Ahoana no anehoan’ireo tafiotra eo amin’ny fiainantsika manokana raha toa ka vita amin’ny vatolampy na amin’ny fasika ny fototsika? Ahoana no ahazoantsika fototra izay hihazona antsika ho mafy sy tsy ho azo hozongozonina na dia eo anivon’ny fitsapana mangidy indrindra aza? 

Pejy ambony