LESONA 3

9 - 15 JOLAY

FAHAMARINANA SY FAMINDRAMPO AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA -  FIZARANA 1

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Adim-panahy - Rôm. 7:14-25

 

Filentehan’ny masoandro: 5.29

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 22:21–23; Eks. 23:2–9; Amô. 8:4–7; Isa. 1:13–17; Isa. 58:1–14; Asa. 20:35.

Tsianjery: “Izay manome rariny ho an'ny ampahorina, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra; Jehovah mampahiratra ny jamba; Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina; Jehovah miaro ny vahiny ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena” – Sal. 146:7-9.

Indray andro, taona maro lasa izay, tao anatin’ny vaninandro mangatsiaka tany an-tanàn-dehiben’i New York, dia nitsirika teo amin’ny varavaram-pitaratry ny magazay fivarotan-kiraro ny zazalahy kely iray 10 taona. Tsy nikiraro izy sady tena nangatsiaka tokoa. Tamy nanatona azy ny vehivavy iray sady nanontany ny antony nibanjinany ela teo amin’ny varavarankely toy izany. Nilaza ilay zazalahy fa nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hanomezany azy kiraro. Notantanan’ilay vehivavy hiditra tao am-pivarotana izy. Nomeny baiko ny mpiasa iray mba hitondra ban-kiraro enina. Nasainy nitondra koveta misy rano sy lamba famaohana ihany koa izy. Rehefa nentiny tao an’efitra ambadiky ny magazay ilay zazalahy dia nesorin’ilay vehivavy ny fonon-tanany, nosasany ny tongony ka nofafàny tamin’ny lamba famaohana. Tonga niaraka tamin’ny ban-kiraro ilay mpiasa. Nasian’ilay vehivavy ba ny tongotr’ilay zazalahy sady nividianany kiraro izy avy eo. Nosafosafoiny ny lohany ka nanontaniany izy raha mba efa azony amin’izay ny ainy. Rehefa handeha hiala teo ilay vehivavy, dia noraisin’ilay zazalahy kely mbola tao anatin’ny hagagany tanteraka ny tanany sady nanotaniany tamin-dranomaso hoe: “Fa ianao angaha no vadin’Andriamanitra?” - Nalaina sy namboarina avy tao amin’ny www.inspirationalstories.com/1/198.html.

Fahamarinana mihoatra noho izay takatry ny sainy no voalazan’ity zazalahy kely ity. Ny fiangonan’Andriamanitra no ampakariny, izany hoe vadiny. Maneho ny toetran’Andriamanitra ny tsianjery. Amin’ny maha-mambran’ny fiangonana efa voaova antsika, dia mila maneho izany toetrany izany isika. Raha tena Azy marina isika, dia hiahy fatratra sy hanampy ny malahelo sy ny tsy afa-manoatra.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Tsy ho voaheloka - Rôm. 8:1.

 

FAMINDRAMPO SY RARINY: FAMANTARANA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA (Eks. 22:21-23).

Na dia teo amin’ny Isiraely fahiny aza, dia ampahany lehibe teo amin’ny lalàn’Andriamanitra ny rariny ara-piarahamonina. Nokendren’Andriamanitra handavorariana ny vahoakany mihitsy izany. Efa hatrany am-boalohany ny rariny ara-piarahamonina no drafitr’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona. Ny tontolo anjakan’ny rariny eo amin’ny fiarahamonina dia tontolo mamaha ny olana ara-pahasahiranana ka ny mponina ao dia manjary sambatra sy mahomby ary feno fiadanana.

Vakio ny Eks. 22:21–23; Eks. 23:2–9; Lev. 19:10; Ohab. 14:31; ary ny Ohab. 29:7. Soraty amin’ny fomba filazanao azy ny voambaran’izy ireo momba ny famindrampo sy ny rariny, na ilay antsoina matetika hoe: “rariny ara-piarahamonina”.

Voantitrantitra ihany koa ny famindrampo sy ny rariny teo amin’ireo lalàna momba ny Sabata nomena ny Isiraely tamin’ny fotoan’andron’i Mosesy.

Ahoana no fomba isehoan’ny fitsipiky ny famindrampo sy ny rariny ao anatin’ny tsirairay avy amin’ireo Sabata ireo? Eks. 20:8–10; Eks. 23:10, 11; Lev. 25:8–55.

1. Ny fitsipika mampitandrina ny Sabatan’ny Andro Fahafito dia manolotra tombontsoa iraisan’ny rehetra eo amin’ny fitsaharana, ka tafiditra ao anatin’izany ny mpanompo sy ny biby ary ny vahiny.

2. Isaky ny fito taona, ny taona Sabata dia fotoana fanafoanana ny trosa, fanehoana hatsaram-panahy tamin’ny malahelo, ary fanafahana ny andevo. Nampianatra ny vahoakany Andriamanitra mba halemy fanahy amin’ny biby mandritra io taona Sabata io (vakio ny Lev. 25:6,7).

3. Ny taon-jôbily indray dia isaky ny taona fahadimampolo, aorian’ny taona Sabata fito. Naverina tamin’ny tompony voalohany indray ny tany izay namidy. Nofoanana ny trosa ary nomena fahafahana ny mpifatotra sy ny andevo. Nampitovy ny olona rehetra ny jôbily ka nanome azy rehetra tombontsoa hanao fiaingana vaovao indray. Izany dia “fiarovana nisakana ny tafahoatra na teo amin’ny harena na teo amin’ny tsy fananana” - TMF, t. 118.

Teo amin’ny tantaran’ny Hebreo, araka ny hitantsika eto, dia miara-miasa ny rariny sy ny famindrampo ho fanampiana ny olona izay tsy mba ambinina tahaka ny hafa.


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Tsy hisy haharombaka - Jao.  10:27–29.

 

NY FAHAMARINANA MAHATRATRA IZAO TONTOLO IZAO MOMBA NY SABATA (Gen. 2:1-3)

Vakio ny Gen. 2:1-3. Milaza inona amintsika io andalan-teny io, momba ny Sabata izay mahafaoka izao tontolo rehetra izao?

Raha tena manaja marina ny Sabata isika, dia tsy hianina fotsiny amin’ny fitsaharantsika manokana (Eks. 23:12), ny fanavotana (Deo. 5:12-15) ary ny famerenana amin’ny laoniny any amin’ilay tany vaovao (Isa.66:22,23). Ny Sabatan’ny Andro Fahafito mantsy dia tena milaza amintsika marimarina tokoa fa Andriamanitra no Mpamorona sy Mpanome ny fitsaharana ho an’izay rehetra miaina eto amin’ity tany ity. Ny fahamarinana mahafaoka izao rehetra izao momba ny fitsaharana rehefa Sabata dia milaza fa isika rehetra, na manan-karena na mahantra dia mitovy avokoa eo imason’Andriamanitra.

Araka ny hitantsika omaly ihany koa, ny rariny ara-piarahamonina dia mahakasika ny Sabata isan-kerinandro, ny taona Sabata ary ny taon-jôbily. Ny fitsipika ao ambadik’ireo Sabata telo voalaza ao amin’ny Lev. 23 sy 25 ihany koa dia mahakasika ny Kristianina. Hamerina mandrakizay ny saina any amin’ny Famoronana ny Sabatan’ny andro fahafito. Manondro ny Hazo fijaliana sy ny tany vaovao ihany koa izany. Izany dia hanamafy orina ny fifandraisantsika amin’Ilay Mpahary sady Mpamonjy be famindrampo. Noho izany isika dia ampanakaikeziny bebe kokoa amin’ireo olona sahirana izay tena tian’Andriamanitra tokoa. Olona tra-pahasahiranana lalina ireo, mahantra sy mangirifiry.

Mariho fa ny taona Sabata sy ny taon-jôbily dia mampiseho fitsipika maharitra mandrakizay. Ireo fitsipika ireo anefa tsy midika fa natao hitandrina ireo andro firavoravoana ireo isika amin’izao andro izao. Tsy izay velively. Raha ny Sabatan’ny andro fahafito kosa dia maharitra mandrakizay. Natao hanamasina azy io mandrakariva isika. Tamin’ny fotoam-pamoronana ary tao amin’ny tontolo iray tsy mbola lavo no niantombohan’izany. Ny taon-jôbily sy ireo andro firavoravoana momba ny taona Sabata dia tafiditra ho anisan’ireo Sabata seremôniely izay “aloky ny zavatra ho avy” ihany (Kôl. 2:17). Manondro ny asa sy ny sorona nataon’i Jesôsy izany ary avy eo mifarana amin’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliany. Ireo Sabata seremôniely ireo kosa anefa dia tena manondro fitsipika iray tokoa mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa, indrindra fa ireo sahirana. Amin’ny maha-vahoaka novonjena ny Isiraely dia nanana andraikitra ny ho fahazavan’izao tontolo izao izy. Drafitr’Andriamanitra ho an’ny Isiraely ny hanehoany ny famindrampony amin’ny hafa na iza izy na iza. Natao haneho ny toetran’Andriamanitra amin’ny fo feno fankasitrahana amin’ireo izay tsy nahalala Azy ny Isiraely.

Vakio ny Amô. 8:4-7. Inona no miseho eto ary ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy meloka amin’ny fanaovana ny zavatra toy izany amin’ny hafa koa isika? Eo anatrehan’ny zavatra vao nianarantsika, manao ahoana ny lanjan’ireo teny manao hoe: “Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!”?


 Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Miaina sahady ny mandrakizay - Jao.  5:24.

 

FEON’NY FAMINANIANA - FIZARANA 1 (Ohab. 31:8,9)

“Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, hahazoan'ny kamboty ny rariny; Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo” - Ohab. 31:8,9. Ahoana no fomba andraisantsika ny fitsipika voalaza eto sy ny fampiharantsika izany amin’izao fotoana izao?

Araka ny voamaritsika hatramin’izao dia tian’Andriamanitra ny vahoakany raha haneho ny toetrany be famindrampo sy tia ny rariny, satria toe-tsaina tonga lafatra tokony hananan’ny olony mihitsy izany. Matetika ny mpaminany hebreo no niteny ho an’ny tra-pahasahiranana. Nampitandrina ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo tsy hanisika hevitra ao amin’ny hafa mba hiheverany fa tsy miraharana ny vahiny sy ny tratry ny tsindry hazo lena Andriamanitra. Eo imason’Andriamanitra mantsy dia mitovy amin’ny fivavahana tena izy ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena.

Vakio ny Isa. 1:13-17. Milaza inona mikasika ny fihevitr’Andriamanitra momba ny tena fivavahana marina io fanambaràna io? Ahoana no tokony handraisantsika io foto-kevitra io sy hampiarantsika izany eo amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao? Raha ambara amin’ny fomba hafa dia hoe: tokony hilaza inona amintsika amin’izao andro izao ireo andalan-teny ireo?

Maro amin’ireo mpaminany tao amin’ny TT no nanondro toe-javatra ho avy izay mbola any aorian’ny andro hahafatesany. Notsindrin’izy ireo mafy ihany koa anefa ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana ara-panahy sy ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena dieny izao ankehitriny izao. Re mafy indrindra ny feon’ny faminanian’ny mpanompon’Andriamanitra rehefa nanao ezaka lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahana ny vahoakany kanefa tsy naneho ny famindrampon’Andriamanitra tamin’ireo olona mijaly manodidina azy. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona ratsy indrindra azon’ny saina eritreretina mihoatra noho ny fahitana ireo izay variana “mivavaka” fatratra amin’Andriamanitra ka tsy manam-potoana intsony hanampiana ny sahirana. Amin’ny fanomezana izay ilain’ny hafa ihany no hahazoan’ny Kristianina maneho io karazana “fivavahana” io amin’ny Tompo.


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Raha mino ny Zanaka - 1 Jao. 5:13.

 

FEON’NY FAMINANIANA - FIZARANA 2 (Isa. 58:2)

Hafatra ara-paminaniana manokana no omen’ny Isa. 58, izay mifono fanamelohana sy fanantenana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny fotoan’andron’i Isaià sy ho antsika amin’izao fotoana izao koa.

Taorian’ny fanambaràna fa diso fanantenana ny amin’ny vahoakany Andriamanitra (vakio ny Isa. 58:1), ahoana no fomba fanoritan’Andriamanitra ny vahoaka izay resahiny?

Tsy fantatsika ny tena “haavom-peo” nampiasaina teto. Mazava kosa anefa eto fa miteny mafy ny olony Andriamanitra noho ny fihatsaram-belatsihiny, izay mody anehoany fahamasinana sy finoana kanefa fantany tsara ny maha-sandoka izany. Toy izao no nandikan’ny Baiboly DIEM azy: “Izaho, hono, no tadiaviny isan’andro, ary ny fahalalana ny lalako, hono, no mahafinaritra azy. Toy ny hoe firenena manao ny marina izy ireo, ary toy ny hoe tsy mahafoy ny rariny avy amin’Andriamaniny” - Isa. 58:2, DIEM.

Vakio ny Isa. 58:3-14. Inona ihany koa no voalazan’ny Tompo amin’ireo olona ireo mikasika ny zavatra tsy mety momba ny fombam-pivavahany (ny fifadian-kanina no voaresaka eto)? Inona no olana lehibe kokoa eto?

Misy zava-dehibe tsara marihina eto: mazàna dia mazàna indrindra ny fivavahana no feno fitiavan-tena: Andriamanitra ô, ataovy ho ahy ity na ataovy ho ahy irỳ. Mazava loatra fa misy ny fotoana sy ny toerana hivavahana amin’Andriamanitra momba ireo zava-manahirana antsika manokana. Ny tian’Andriamanitra holazaina eto anefa dia hoe tafiditra ao anatin’ny tena fivavahana marina ny fanampiana ny “noana” sy ny “ory” ary ny “malahelo”. Ny zavatra tsy ampoizina amin’io asa atao ho an’ny hafa io anefa dia ny fahazoan’ilay omena fanampiana sy ilay mpanome fanampiana fitahiana. Vakio izay voalazan’ny andininy momba izay mitranga amin’ireo manampy ny tra-pahasahiranana. Ny miasa ho an’ny hafa, ny manampy azy ireo no hahazoantsika fitahiana ihany koa. Iza no tsy efa nandray ny fitahiana resahin’ireo teny fikasana ireo avy tamin’Andriamanitra? Iza no tsy efa nahatsapa ny fifaliana sy ny fahafaham-po ary ny fanantenana azon’izay manampy ny tsy afa-manampy ny tenany? Sarotra ny mahazo an-tsaina fomba hafa tsara kokoa hanehoana ny toetran’Andriamanitra amin’izao tontolo izao.

Vakio ny Asa.  20:35. Ahoana no efa nanandramanao ny fahamarinan’ireo teny ireo teo amin’ny asa efa nataonao tamin’ny hafa?

 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Jehôvah no hitondra ny mavesatra

 

HERY HO AMIN’NY TSARA (Sal. 82:3)

Tsy ampy ny hoe manana ny fahamarinana fotsiny. Ao amin’ny Isa. 58 ny vahoakan’Andriamanitra dia dodona erỳ handray anjara amin’ny fomba amam-panao ara-pivavahana. Mbola kely hery ihany anefa izy ireo eo amin’ny fanehoana ny finoany amin’ny fiainana andavanandro. Miantso ny fiangonany amin’izao vaninandro izao Andriamanitra mba ho hery ho amin’ny tsara. Izany dia mamerina indray ny antson’ireo mpaminany tao amin’ny TT haneho ny marina momba ny toetran’Andriamanitra.

Vakio ireto andininy manaraka ireto. Ahoana no hanatanterahantsika fiangonana eto an-toerana sy fiangonana maneran-tany, ny zavatra asain’Andriamanitra hataontsika eo amin’io lafiny io? Vakio ny Sal. 82:3 sy ny Isa. 1:17.

Inty misy ohatra iray mampiseho ny fomba itondran’ny fiangonana fiovana eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Ny fiangonana dia ao anatin’ny tanàn-dehibe iray izay ifanjevoan’ny tifitra vary raraka sy fahafatesana maro. Tamin’ny taona 2011 dia re nanakoako nandritra ny fivoriam-be natao tao amin’ny tanàn-dehibe iray ny feon’ny pasitoran’ny fiangonana teo an-toerana. Nazava tokoa izany feon’ny faminaniana izany. Izao no zavatra anisan’ny voalazany tao amin’ny lahateniny: “Tsy maintsy hatsahatry ny Kristianina ny filaharana eo am-pandevenana!” Ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba an’i Jesôsy nampiato ny diabe tamin’ny fandevenana ny zanak’ilay mpitondratena tao Naina no noresahiny tamin’izay (Lio. 7:11-17). Nohazavainy avy eo ny tokony tsy hahavitan’ny fiangonana mipetra-potsiny, kanefa mandritra izany dia mihamitombo hatrany ny heloka bevava sy ny tifitra etsy sy eroa, eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Nanontany ny mpihaino azy izy hoe: “Moa ve isika fiangonana mijoro ka ny fanompoam-pivavahana amin’ny fotoam-pandevenana ihany no ataontsika? Avy eo isika dia manontany an’Andriamanitra hoe: ‘Nahoana no avelanao hiseho ny fahoriana?’ Izao anefa no avalin’Andriamanitra: ‘Nahoana no avelanareo hiseho hatrany ny fahoriana?’”

Io fiangonana io koa dia tena mavitrika tokoa eo amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Nandritra ny fito taona ny antoko mpihira tao amin’ny fiangonana dia nitety ny lalam-be rehetra tao amin’ny faritra nisy azy. Nihira izy ireo, nizara trakta ary nanao ny asa fanompoan’ny fiangonana ho an’ireo izay nila izany. Nanampy ny manodidina azy tamin’ny fomba maro tokoa ny fiangonana tamin’ny fanampiana ny sahirana. Tamin’ny alalan’ny tetik’asa maro samy hafa no nitondran’ny fiangonana fiovana lehibe teo amin’ny fiarahamonina nisy azy.

Ohatra iray fotsiny ihany io fiangonana io ny amin’ny mety ho fomba ahazoantsika fiangonana miasa sy mitondra fanasitranana ho an’ny fiarahamonina misy antsika.

Inona no azon’ny fiangonanao atao hanampiana ireo tra-pahasahiranana eo amin’ny fiarahamonina misy azy?


 Pejy ambony

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Misaora ny anarany mandrakariva! - Sal. 103:1,2.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.31

 

FIANARANA FANAMPINY: Vakio ny PM, toko 27, “Ny Namakiana ny Lalàna tao Sinay”; toko 51, “Ny Fitsinjovana ny Malahelo”.

Hita manerana ny TT ny rariny sy ny famindrampo. Ohatra, diniho ny Deo. 24:10-22. Vakio ny torolalana manokana nomena tao amin’ireo toe-javatra ireo. Takatry ny saintsika mazava tsara fa Andriamanitra dia miahy ny malahelo sy ny mpiasa ary ny manan-trosa. Hita taratra eo amin’ireo toro lalana mikasika izay tokony hatao sy tsy tokony hatao ao anatin’ny toe-javatra voafaritra io toe-tsaina feno fiahiana io, ohatra: ahoana no hanampiana ny olona iray manan-trosa na ahoana no hanampiana ny mpiasa mahantra iray. Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra tokoa ireo eritreritra mikasika ny fomba hanampiana ny hafa ireo. Manan-danja indrindra izany ka tsy navela ho an’ny olona samirery ny hanapa-kevitra ny amin’izay fomba hitondrany izany. Mariho ihany koa ny fomba nentin’Andriamanitra nampahatsiahy ny vahoakany ny toerana efa nisy azy ireo teo aloha (mahantra sy tsy dia nanao ahoana loatra). 

“Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta hianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany” - Deo. 24:22. Amin’ny maha-Kristianina antsika dia ilaintsika ny mahatsiaro mandrakariva ny famindrampo sy ny fahalemem-panahy efa nomen’Andriamanitra antsika. Ilaintsika araka izany, amin’ny alalan’ny harena sy ny fahafenoan’ny zavatra ananantsika ao amin’i Kristy, ny mivonona hanompo an’ireo izay mila ny fanompoantsika sy ny fanampiantsika.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

-          Ny didy fahefatra dia milaza fa tokony hitsahatra ny mpanompo rehefa Sabata. Ahoana no fomba hampitan’izany ny hevitra hoe: ny olombelona rehetra dia mitovy avokoa eo anatrehan’Andriamanitra? Ahoana no tokony hanampian’izany antsika hahatakatra fa tokony ho ara-drariny tokoa ny fitondrantsika ireo izay miasa ho antsika, na ireo izay eo ambanin’ny fifehezantsika? Ahoana ihany koa no tokony hanehoan’ny fahamarinana momba ny nahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana fa mitovy avokoa ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra?

“Rehefa tonga saintsika ny sain’i Kristy, ary asantsika ny asany, dia ho vitantsika ny hanatanteraka ny fifadiana voalazan’ny mpaminany Isaià: ‘Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?’ - Isa. 58:6. Fantaro izay zavatra ilain’ny mahantra sy ny ory. Amim-pitiavana sy amin-kalemem-panahy avy eo no anampio azy ireo hahita hery sy fanantenana ary finoana, amin’ny alalan’ny fizaràna aminy ny zava-tsoa efa nomen’Andriamanitra anao” – PUR, 21 Jolay 1904. Ahoana no fomba fanatanterahantsika izany? Ahoana no fomba fizaràntsika izay zavatra efa nomena antsika tao amin’i Kristy, kanefa amin’ny fomba mahomby mba hahazo ny fanampiana ilainy tokoa izay mila izany?



 Pejy ambony