LESONA 3

08 - 14 OKTOBRA

MOA TSY FANANTENAN-JAVATRA VA NO HATAHORAN'I JOBA AN'ANDRIAMANITRA?

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba. 1; Jôba. 2; 1 Kôr. 4:9; Gen. 3:1-8; Fil. 4:11-13; Mat. 4:1-11; Fil. 2:5-8.

Tsianjery: “Fa hoy izy taminy: tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Jôba.” – Jôba. 2: 10.

Ny bokin’i Jôba dia manokatra ho antsika lafiny vaovao amin’ny zava-misy. Manampy antsika izany hahatakatra ny fifanandrinana lehibe misy eo amin’i Satana sy i Kristy. Amin’izany no hanampiany antsika hahatakatra bebe kokoa ny tontolo misy antsika, dia tontolo izay matetika no mampiraviravy tanana sy mampatahotra antsika. Maneho koa anefa ny bokin’i Jôba fa io fifanandrinana lehibe io dia tsy adin’ny olona iray fotsiny ihany na koa hoe tsy mahakasika antsika. Raha mba izany mantsy, saingy indrisy fa tsy izay no izy: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apôk. 12:12). Nidina ho amin’ny tany sy ny ranomasina i Satana, ary fantatsika tsara fa lehibe tokoa ny fahatezerany. Iza amintsika olombelona moa no mbola tsy nahita izany fahatezerana izany?

Amin’ity herinandro ity isika dia hanohy hatrany ny fandinihana ireo toko roa voalohany ao amin’ny bokin’i Jôba, ka hiezaka ny hahatakatra bebe kokoa ny toerana misy antsika ao amin’ilay fifanandrinana lehibe raha mbola mangotraka tokoa izany ady izany.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

I JÔBA, MPANOMPON’ANDRIAMANITRA (Jôba. 1)

Vakio ny Jôba. 1. Jereo tsara ny fiampangana nataon’i Satana tamin’i Jôba. Inona no lazainy? Inona no tiany ambara amin’ny fiampangana ataony? Iza no tena ampangainy raha ny marina?

Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny.” – Jôba. 1:10. Ny bokin’i Jôba dia miantomboka amin’ny filazana ny amin’ny toetra tsy nanan-tsiny nananany, ny fananany, ary ny fianakaviany izay lehibe. Ireo rehetra ireo no nahatonga ny olona haneho fanajana amin’i Jôb, ilay “nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra” (Jôba. 1:3). Ary ireo ihany koa no nahariharin’i Satana teo anatrehan’Andriamanitra, ka nilazany fa manompo an’Andriamanitra i Jôba satria efa nataony lehibe toy izany.

Ny fiampangana nataon’i Satana dia hoe raha esorin’Andriamanitra amin’i Jôba ireo, dia “handà Anao [Andriamanitra] eo imasonao izy” (Jôba. 1:11). Inona ny ao ambadiky ny fiampangan’i Satana? Ilay fiampangana, raha ny marina, dia natao tamin’Andriamanitra mihitsy. (mikasika izany rahateo ny fifanandrinan-kery lehibe). Raha mahatalanjona sy tsara tokoa Andriamanitra, dia hankatò sy hatahotra ary hiankohoka Aminy amim-pitiavana sy amim-pankasitrahana i Jôba. Iza rahateo moa no tsy ho tia ny Andriamanitra izay nanao zava-tsoa marobe taminy? Amin’ny heviny iray, dia toa milaza i Satana fa notambazan’Andriamanitra i Jôba mba hitoetra ho mahatoky Aminy. Araka izany, i Satana dia manambara fa manompo an’Andriamanitra i Jôba, tsy vokatry ny fitiavana fa kosa noho ny fitiavan-tenany.

Eritrereto ny amin’ireo mpitondra fanjakana ratsy fanahy indrindra sy tsy mahatehotia kanefa manana namana mahatoky marobe, izay tsy miala aminy mandra-pahafaty, satria ireo mpitondra ireo dia manao soa aminy. Koa raha tsara fanahy, tia sy mikarakara an’i Jôba Andriamanitra, dia mbola manompo Azy ihany i Jôba na inona na inona miseho. Saingy tamin’ny fitenenana fa tsy hitoetra ho mahatoky i Jôba, dia nilaza i Satana fa na i Jôba aza dia tsy mitoky tanteraka amin’Andriamanitra, ary mahatoky izy noho ny amin’ireo zavatra nomen’Andriamanitra fotsiny ihany. Izany hoe, rehefa jerena (araka izay nambaran’i Satana), ny fahatokian’i Jôba dia niankina fotsiny tamin’ny soa nentin’izany ho azy.

Nahoana ianao no manompo an’Andriamanitra? Andeha atao hoe tsy tonga lafatra ny antony lazainao. Raha tsy maintsy hiandry ny antony tonga lafatra ianao, dia inona no mety hitranga aminao sy ny finoanao?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

HODITRA FEFIN’NY HODITRA: MITOHY NY ADY (Jôba. 2:1-3)

Ny Jôba. 2:1-3 dia miantomboka amin’ny famerenana ny tantara niseho ao amin’ny Jôba. 1:6-8. Ny fiovana manan-danja dia ao amin’ny fizaràna farany ao amin’ny Jôba. 2:3, izay iresahan’Andriamanitra mikasika ny nitoeran’i Jôba ho mahatoky. Nitoetra tamin’ny fahatokiana i Jôba, na dia maro aza ireo zavatra ratsy nihatra taminy. Araka izany, rehefa tonga eo amin’ny Jôba. 2:3 isika, dia toy ny hoe voaporofo izany ny fahadisoan’ny fiampangana nataon’i Satana. Nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra i Jôba, ary tsy niteny ratsy Azy araka izay nolazain’i Satana.

Vakio ny Jôba. 2. Inona no mitranga ao amin’ireo andininy ireo? Inona no maha-zava-dehibe ny maha-teo ireo “zanak’Andriamanitra”, ao amin’ny Jôba. 1 sy 2, mba ho vavolombelon’ny resaka nifanaovan’Andriamanitra sy i Satana?

Ny hoe “hoditra fefin’ny hoditra” dia karazana fomba fiteny manokana. Naha-sanganehana mpandinika ny Baiboly maro io fiteny io, saingy ny hevitra fonosiny dia izao: avelao hisy zavatra ratsy hihatra amin’i Jôba, ary izany dia haneho izay itoeran’ny fahatokiany marina. Simbao ny vatan’i Jôba sy ny harenany, dia jereo izay hitranga.

Mahaliana ihany koa ny fahitana fa manao ny fiampangany “eo imason’ny besinimaro” i Satana. Nanao izany teo anatrehan’ireo mponin’ny lanitra izy. Mifanaraka tsara amin’izay fantatsika momba ny fifanandrinana lehibe izany hevitra izany. Zavatra izay nisy talohan’izao tontolo rehetra izao izany. (Vakio ny 1 Kôr. 4:9; Dan. 7:10; Apôk. 12:7-9).

Tsy ny famonjena ny olona ihany anefa no zava-kendren’ny planan’ny famonjena fa midadasika lavitra noho izany, tsy ny hankatoavan’ny olona eto amin’ity planeta kely ity fotsiny ny lalàn’Andriamanitra no zava-tadiaviny, fa mba hampiharihariana koa eo anatrehan’izay rehetra ary ny tena toetran’Andriamanitra… Ny fahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra dia nahatonga ny olona ho afaka handova ny lanitra indray sy nanamarina teo imason’izao tontolo izao ny toetra nasehon’Andriamanitra sy ny Zanany teo anatrehan’ny fikomian’i Satana. Ny fahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra dia mampiseho miharihary koa ny faharetan’ny lalàna ary ny toetra amam-paharatsian’ny fahotana.” – PM, t. 51.



 Pejy ambony

TALATA

 

ISAORANA ANIE NY ANARAN’I JEHOVAH (Jôba. 1:20-22)

Taorian’ny famelezana voalohany nataon’i Satana tamin’i Jôba, dia tonga tany amin’i Jôba ny vaovao mikasika ireo toe-javatra mahatsiravina nitranga. Inona no navalin’i Jôba an’izany? (vakio ny Jôba. 1:20-22). Inona no maha-zava-dehibe ny hoe “tsy nanota, na nanome tsiny an’Andriamanitra” i Jôba?

Zava-dehibe amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, izay miorina amin’ny fitiavana, ny fahafaha-misafidy. Tian’Andriamanitra raha manompo Azy isika satria tia Azy, tsy tiany hahatsapa ho voatery hanao izany isika. “Toa te hilaza i Satana fa noho ny fitiavan-tena no nanompoan’i Jôba an’Andriamanitra… Niezaka ny hanambara i Satana fa ny tena fivavahana marina dia tsy avy amin’ny fitiavana sy fankasitrahana ny toetran’Andriamanitra. Tsy tian’i Satana ho fantatry ny olona fa ny tena mpivavaka marina dia tia ny fivavahana noho ny maha-fivavahana azy, fa tsy noho ny valisoa; na koa hoe manompo an’Andriamanitra izy ireo satria ny fanompoana toy izany dia tokony hatao. Tsy hoe manao izany izy ireo satria ny lanitra dia toerana hahazoany voninahitra. Tia an’Andriamanitra izy ireo satria mendrika ny fitiavany sy ny fatokiany Andriamanitra, fa tsy noho ny fitahiany azy ireo fotsiny ihany.” – nalaina ary nasiana fanamboarana avy tamin’ny The SDA Bible Commentary, b. 3, t. 500.

Ao amin’ny bokin’i Jôba, dia porofoin’i Jôba fa diso ny fiampangan’i Satana. Fantatr’Andriamanitra izay hitranga, saingy mbola azon’i Jôba natao ny nanao zavatra hafa tsy araka izay nataony. Afaka nanota izy, afaka “niteny ratsy an’Andriamanitra” koa. Tsy noteren’Andriamanitra hanao araka izay nataony izy. Ohatra mahatalanjona teo anatrehan’ny anjely sy ny olombelona ny fahatokiana tsy niova nananany.

Ampitahao izay mitranga ao amin’ny Jôba. 1 sy izay nitranga tamin’i Adama sy i Eva ao amin’ny Gen. 3:1-8. Ahoana no mahatonga ilay fahasamihafana lehibe haneho ny haratsian’ny fahotan’i Adama sy i Eva?

Tsy nanam-pahotana i Adama sy i Eva tao amin’ny toerana tena tonga lafatra, saingy lavo tamin’ny fahotana izy ireo noho ny famelezan’i Satana. Nandalo tamin’ny fahorian-dehibe sy fijaliana i Jôba, saingy nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy na dia teo aza ireo famelezan’i Satana. Amin’ireo toe-javatra roa ireo, dia mahita ohatra miezinezina isika ny amin’ireo olana lehibe mifandraika amin’ny safidy malalaka.

Ahoana no hanehoan’ny fihetsik’i Jôba amintsika ny maha-maivan-danja sy diso ny fialan-tsiny ataontsika matetika rehefa manota?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

NY VADIN’I JÔBA (Jôba. 2:3,9)

Azo antoka fa fotoana mety tokoa izao iresahana momba ny olona hafa izay voakasiky ny toe-javatra rehetra nitranga tao amin’ny tantaran’i Jôba: dia ny vadiny izany. Ao amin’ny Jôba. 2:9,10 ihany no ahitana azy. Aorian’izay dia tsy hita intsony ao amin’ny tantara izy, tsy nisy zavatra hafa momba azy intsony voatantara amintsika. Rehefa mieritreritra momba ny zavatra niseho anefa isika, dia iza no mahazo an-tsaina ny alahelo lalina niainan’io vehivavy mahantra io? Ny toe-javatra mampalahelo niainany ao amin’ny toko. 1 dia mampiseho ny halehiben’ny fahoriana manenika izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’ny fifanandrinana lehibe avokoa isika rehetra, ka tsy misy afa-miala na dia iray aza.

Ampitahao ny Jôba. 2:3 sy ny Jôba. 2:9. Inona ny fomba fiteny nampiasain’Andriamanitra sy ny vadin’i Jôba, izay mitovitovy? Inona ny lanjan’ny fampiasan’izy ireo izany?

Tsy kisendrasendra no isian’ny fomba fiteny mikasika ny “fahamarinan’”i Jôba ao amin’ireo andininy ireo: ny teny izay nadika hoe “fahamarinana” dia avy amin’ny teny izay hita ao amin’ny Jôba. 1:1 sy ny Jôba. 1:8. Adika matetika hoe “tsy manan-tsiny” izany. Ny fototeny ihany aza dia efa maneho ny hevitra hoe “fahafenoana” sy “fahatanterahana”.

Mampalahelo tokoa fa ny vadin’i Jôba no nanjary naniny azy noho ny zavatra nideran’Andriamanitra azy indrindra. Tao anatin’ny alahelony sy ny fahoriany, dia nanosika an’i Jôba hanao araka izay nolazain’Andriamanitra fa tsy hataony ny vadin’i Jôba. Tsy afaka ny hitsara azy isika, saingy lesona manao ahoana ho antsika moa ny nataony momba ny tokony hitandremantsika mba tsy hanosika ny hafa hanao izay tsy mety. (vakio ny Lio. 17:2).

Vakio ny Jôba. 2:10. Inona ny fijoroana ho vavolombelona asehon’i Jôba antsika eto? Vakio ihany koa ny Fil. 4:11-13.

Asehon’i Jôba fa matanjaka sy marina ny finoany. Hanompo an’Andriamanitra izy na amin’ny andro tsara na amin’ny ratsy. Ny tena mahaliana amin’ny tantara dia ny tsy fahitana intsony an’i Satana ao anatin’izany. Tsy miresaka momba ny fihetsiny ny toko sy andininy, saingy azontsika an-tsaina ny fahadisoam-panantenana sy ny fahatezerana nahazo azy noho ny valinteny maneho fahatokiana nataon’i Jôba. Eritrereto ny fomba namitahany mora foana an’i Adama sy i Eva ary ireo hafa koa. Voatery hifidy olon-kafa ankoatra an’i Jôba mba hofitahina sy hotsiniana ilay “mpiampanga ny rahalahintsika” (Apôk. 12:10).

Ahoana no hianarantsika hahatoky amin’Andriamanitra, amin’ny fotoana rehetra na ratsy na tsara?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

FANKATOAVANA HATRAMIN’NY FAHAFATESANA (Mat. 4:1-11)

Toy izao no hita ao amin’ny Jôba. 1:22: “Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota Jôba, na nanome tsiny an’Andriamanitra.” Ny Jôba. 2:10 kosa dia milaza hoe: “Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Jôba.” Amin’ireo toe-javatra roa ireo, na dia teo aza ny fanafihan’i Satana, dia nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra i Jôba. Ireo toko sy andininy roa ireo dia samy milaza fa tsy nanota i Jôba, na tamin’ny fihetsiny na tamin’ny teniny.

Mazava loatra fa tsy milaza tsy akory ireo toko sy andininy ireo fa tsy mpanota i Jôba. Tsy hanambara izany mihitsy izy ireo, satria ny Baiboly dia milaza fa mpanota avokoa isika rehetra. “Raha hoy isika: tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.” – 1 Jao. 1:10. Ny fijoroana ho “marina” sy fanaovana izay “mahitsy”, ny fanajana an’Andriamanitra sy ny fandosirana ny ratsy (Jôba. 1:1) dia tsy midika ho tsy fananana ota. Tahaka ny olon-drehetra, dia teraka tao amin’ny ota i Jôba ka mila Mpamonjy.

Mbola nihatra tamin’i Jôba ny toe-javatra ratsy, saingy na dia nahazo azy aza izany rehetra izany, dia mbola nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra ihany izy. Amin’izay heviny izay, dia toy ny karazana tandindona maneho an’i Jesôsy i Jôba (vakio ny lesona 14). Nandalo tamin’ny fitsapana sy fakam-panahy nivaivay i Jesôsy, saingy tsy mba nanaiky ho resy Izy, tsy lavo tamin’ny fahotana. Noporofoiny fa diso ny fiampangana nataon’i Satana momba an’Andriamanitra. Mazava loatra fa lehibe lavitra ary manan-danja kokoa noho izay nataon’i Jôba ny nataon’i Kristy, na izany aza anefa dia mipetraka ihany io fampitahana tsotra io.

Vakio ny Mat. 4:1-11. Inona ny itovizan’ny fanandramana niainan’i Jôba sy izay nitranga tamin’i Jesôsy?

Ao amin’io toe-javatra mahatsiravina io dia malemin’ny tsy fisian-kanina ny vatan’i Jesôsy. Tsy nanao izay nasain’ny devoly nataony anefa Izy na dia teo aza ny maha-olombelona izay notafiany (Rôm. 8:3), tahaka izay nataon’i Jôba. Rehefa nitoetra ho mahatoky i Jôba dia tsy nahazo sehatra intsony i Satana. Nanalavitra ny ezaka farany nataon’i Satana handavoana Azy ihany koa i Jesôsy. Niaraka tamin’izay, dia milaza ny Baiboly fa “nandao Azy ny devoly” (Mat. 4:11, vakio ihany koa ny Jak. 4:7).

Vao fiantombohany fotsiny ihany izay natrehin’i Jesôsy tany an’efitra. Eo amin’ny hazo fijaliana no tena fitsapana mafy tokoa, na dia nijaly teo amin’ny hazo fijaliana aza anefa Izy, dia nitoetra ho mahatoky, eny hatramin’ny fahafatesana aza.

Vakio ny Fil. 2:5-8. Inona ny fanantenana atolotry ny “faneken’i Kristy hatramin’ny fahafatesana” ho antsika? Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny tokony ho fomba fiainantsika ho setrin’izany fanekeny izany?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Ireo mpandinika ny bokin’i Jôba izay mianatra ny teny Hebreo dia nahita zavatra iray mahaliana tokoa mikasika ny teny nandikana ny hoe “manozona”. Nadika toy izao ny teny nataon’ny vadin’i Jôba taminy: “Manozòna an’Andriamanitra, dia aoka ianao ho faty!” (Jôba. 2:9, DIEM). Ary toy izao ny nandikana ny Jôba. 1:5: “Sao nanota sy nanozona an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.” (DIEM). Ary toy izao ny nandikana ny Jôba. 1:11: “Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” (DIEM). Ao amin’ireo toe-javatra ireo, ny teny nadika hoe “manozona” dia avy amin’ny teny izay midika hoe “mitahy”. Ny teny, izay manana fototeny hoe brk, dia ampiasaina manerana ny Baiboly enti-milaza ny hoe “mitahy”. Io ihany koa no ampiasaina ao amin’ny Gen. 1:22, rehefa “nitso-drano” ireo zava-boary nataony Andriamanitra. Io fototeny io ihany koa no mbola ampiasaina ao amin’ny Sal. 66:8 izay nadika hoe: “Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena”.

Koa nahoana àry, araka izany, ny matoanteny izay midika hoe “mitahy” no nadika hoe “manozona” ao amin’ireo toko sy andininy ireo? Voalohany indrindra, raha ny hevitry ny hoe “misaotra” no tiana ambara ao amin’ny bokin’i Jôba, dia ho very ny heviny. Ao amin’ny Jôba. 1:5, nahoana moa i Jôba no naniry hanao fanatitra ho an’Andriamanitra raha toa ka “nisaotra” an’Andriamanitra tao am-pony ireo zanany? Mitaky dika hafa ny tontolon-kevitry ny tantara. Tahaka izany koa ny ao amin’ny Jôba. 1:11 sy ny Jôba. 2:5. Nahoana moa i Satana no hihevitra fa raha misy toe-javatra ratsy mitranga amin’i Jôba, dia hisaotra an’Andriamanitra izy? Ny hevitry ny tantara dia mitaky ny teny hoe “manozona” ho solon’izany. Ankoatra izay, nahoana moa i Jôba no hiteny mafy ny vadiny raha toa izy nilaza taminy ny mba hisaorany an’Andriamanitra (Jôba. 2:9,10, DIEM)? Raha tazonina ao an-tsaina ny hevitry ny tantara, dia ny fitanana ny hevitra midika hoe “manozona” ihany no hampisy heviny ireo toko sy andininy ireo.

Araka izany, nahoana ny mpanoratra no tsy nampiasa teny mitovitovy aminy enti-milaza ny hoe “manozona”? Ny manam-pahaizana dia mino fa ny teny hoe “mitahy” dia ampiasaina ho fanalefaham-piteny. Ny tian’io teny io ambara dia ny hoe tsy tsara loatra na tsy mampahazo aina ny manoratra ny hevitra iray momba ny fanozonana an’Andriamanitra ho an’ny mpanoratra (Mosesy). (Hitantsika ny mitovy amin’izany ao amin’ny 1 Mpanj. 21:10,13, ny teny nadika hoe “miteny ratsy” dia avy amin’ny hoe brk, “mitahy”). Araka izany, dia mampiasa ny teny “mitahy” i Mosesy eo amin’ny toeran’ny teny hoe “manozona”, na dia mazava aza fa misy hevitra fanozonana tiana havoitra ao.


Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
:

Amin’ny fotoan-tsarotra, nahoana no toa mandeha ho azy amin’ny olona ny manontany raha tena misy tokoa Andriamanitra na manontany hoe toy ny ahoana Andriamanitra? Monina eto amin’ny tontolo mangatsiaka, sy feno fahotana isika. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: eto amin’ity tontolo ity no ahitantsika fa tena misy marina ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Araka izany, nahoana isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ilay Hazo Fijaliana?

Fantatsika ny tontolon-kevitry ny tantaran’i Jôba, saingy i Jôba kosa tsy nahalala izany. Ny hany fantany dia hoe nitranga taminy sy ny ankohonany ny toe-javatra ratsy maro. Tsy fantany ny tena zava-misy marina ao ambadik’ireny toe-javatra mampivarahontsana ireny. Inona no ambaran’izany amintsika ny amin’izay tokony hotadiditsika, mandritra ny fotoan-tsarotra, ny amin’ny zava-misy marina izay tsy fantatsika matetika na tsy takatsika? Ahoana no hianarantsika mandray fankaherezana avy amin’ny fahatsapana ny “zava-misy marina”?

 Pejy ambony