EPISTILY HO AN'NY GALATIANINA

JOLAY - AOGOSITRA - SEPTAMBRA


TELOVOLANA FAHATELO


Lesona 1 PAOLY: APOSTOLIN'NY JENTILISA 24/06 - 30/06
Lesona 2 NY FAHEFAN'I PAOLY SY NY FILAZANTSARANY 01/07 - 07/07
Lesona 3 NY FIRAISANA AVY AMIN'NY FILAZANTSARA 08/07 - 14/07
Lesona 4 FANAMARINANA AMIN'NY FINOANA IRERY IHANY 15/07 - 21/07
Lesona 5 NY FINOAN'NY TESTAMENTA TALOHA 22/07 - 28/07
Lesona 6 NY LAHARAM-PAHAMEHAN'NY TENY FIKASANA 29/07 - 04/08
Lesona 7 NY LALANA MAKAMIN'NY FINOANA 05/08 - 11/08
Lesona 8 AVY AMIN'NY ANDEVO MANKAMIN'NY MPANDOVA 12/08 - 18/08
Lesona 9 NY FIANTSOANA NATAON'I PAOLY 19/08 - 25/08
Lesona 10 IREO FANEKENA ROA 26/08 - 01/09
Lesona 11 FAHAFAHANA AO AMIN'NY KRISTY 02/09 - 08/09
Lesona 12 VELONA ARAKA NY FANAHY 09/09 - 15/09
Lesona 13 NY FILAZANTSARA SY NY FIANGONANA 16/09 - 22/09
LESONA 14 MIREHAREHA AMIN'NY HAZO FIJALIANA 23/09 - 29/09

Fampidirana

I Martin Luther sy ny bokin’ny Galatianina
    
Eo am-piomanana amin’ny fankalazana ny fahadimanjato taonan’ny Fanavaozana Prôtestanta ny ampahany lehibe amin’ny tontolo kristianina. Fifohazana ara-pivavahana lehibe ny Fanavaozana Prôtestanta izay nanomboka tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo. Ny tanjon’izany dia ny hanovana ny fiangonana Katôlika Rômanina ho amin’ny tsaratsara kokoa. Fiovana izay nitarika ny fanorenana ny fiangonana Prôtestanta. I Martin Luther no ivon’ny fiovana natomboka tamin’ny Fanavaozana Prôtestanta raha notarihin’ny Fanahy Masina. Nitondra fahamarinana ara-Baiboly, izay nafenina hatry ny ela tamin’olona an-tapitrisa, izy. Azo lazaina fa “teraka” avy tamin’ireo pejin’ny bokin’ny Galatianina sy Rômanina ny Fanavaozana. Teo am-pamakiana ny bokin’ny Galatianina no nahatakaran’i Martin Luther voalohany ny vaovao mahafaly momba ny famonjena amin’ny finoana. Izany fahamarinana lehibe izany no niantombohan’ny Fanavaozana Prôtestanta. Fanavaozana izay nanafaka olona an-tapitrisany avy tamin’ny taona an’arivoarivon’ny fampianaran-diso mikasika ny Baiboly. Nanova an’i Luther izay novakiny tao amin’ny bokin’ny Galatianina, ary niova ihany izao tontolo izao nanomboka tamin’izay.
    
Nitondra zava-tsoa maro ho an’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito koa ny bokin’ny Galatianina. I J. Waggoner sy i A.T.Jones dia Advantista Mpandinika ny Baiboly. Nandinika ny bokin’ny Galatianina izy ireo. Nampiasainy izay nianarany mba hanampiana ny fiangonana Advantista tamin’ny taona 1880 sy 1890 mba hahatakarana ny fahamarinana mikasika ny famonjena amin’ny finoana, dia ny finoana irery ihany.
    
Inona no mahatonga ny bokin’ny Galatianina ho ampahany manan-danja amin’ny Fanavaozana Prôtestanta? Nahoana no nikasika ny fon’ny maro izany? Satria ny bokin’ny Galatianina dia miresaka ireo hevitra manan-danja amin’ny fanahin’ny Kristianina. Tsy misy boky manao tahaka izany ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny bokin’ny Galatianina no ametrahan’i Paoly ny fanontaniana nipetraka hatry ny ela hoe: Ahoana no hanamarinana ny olombelona mpanota eo anatrehan’Andriamanitra masina sy marina? Io fanontaniana io, mihoatra ireo hafa, no nametraka an’i Martin Luther teo amin’ny lalana mankamin’ny fiovana, izay tsy nampiverin-dalana azy intsony.
    
Mazava loatra fa miresaka ny sasany amin’ireo hevitra hita ao amin’ny bokin’ny Galatianina ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly; iray amin’izany, ohatra, ny bokin’ny Rômanina. Miavaka anefa ny bokin’ny Galatianina, satria betsaka no ambarany ao anatin’ny teny fohy. Ny hevitra manan-karena ao anatiny dia voasoratra amin’ny fomba miavaka sy feno fihetsehampo lalina. Mikasika ny fo izay misokatra ho an’ny Fanahin’Andriamanitra amin’izao fotoana izao izany.
    
Marina fa miteny mivantana amintsika ny taratasin’i Paoly amin’ny fomba manokana. Ny fahatakarantsika sy ny fahafahantsika mitia ireny teny ireny dia hihalalina kokoa aza rehefa tsapantsika ny antony sy ny fotoana nanoratan’i Paoly io taratasy io. Mpandinika ny Baiboly marobe no mino fa ny bokin’ny Galatianina no taratasy voalohany indrindra nosoratan’i Paoly. Voasoratra tamin’ny taona 49 TrK izany, taoriana kelin’ny fivoriambe tany Jerosalema (Asa. 15). Araka izany, azo heverina fa izany no takila tranainy indrindra amin’ny asa soratra kristianina.
    
Ny epistily ho an’ny Galatianina sy ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly dia samy mampiseho ny ady mafana natrehin’ny fiangonana voalohany. Ireny ady ireny no nanampy ho amin’ny fahatakarana ny antony nanoratan’i Paoly ny epistiliny ho an’ny Galatianina. Vondron’olona maro samihafa tao amin’ny fiangonana tany Galatia no nifanditra noho ny fandikana ny hevitry ny hoe voavonjy. Ireo vondron’olona ireo, dia ireo izay nanaraka ny fomba amam-panao Jiosy, izy ireo dia nampianatra fa ny Jentilisa mandray an’i Jesôsy dia tsy maintsy manao zavatra roa karazana(Asa. 15:1). Voalohany, tsy maintsy forana ireo mpino Jentilisa. Faharoa, nampianarin’izy ireo fa ny mpino
Jentilisa dia tsy maintsy manaraka ny lalàn’i Mosesy. Nilaza ireo olona ireo fa tsy ampy hahavonjy ny olona iray ny finoana. Tsy mahagaga, araka izany, izay nataon’izy ireo raha nanorina ny fiangonan’ny mpino Jentilisa tany Galatia i Paoly. Nidina avy tany Jodia ireto olona ireto mba “hanitsy” ny toe-javatra.   
    
Tonga tany amin’i Paoly ny teny mahakasika izany olana izany, izay nahatonga azy hamaly avy hatrany. Voakasiky ny toe-javatra tokoa ny fony, takany fa nampianatra filazantsara diso ireo olona nidina avy tany Jodia: filazantsaran’ny finoana sy ny asa izany. Loza nananontanona ny asan’i Kristy izany. Nanoratra taratasy ho fiarovana ny filazantsara ho an’ireo Galatianina i Paoly, nampiasainy tamin’izany ny teny manan-danja azony nampiasaina. Naharihariny ny fampianaran-diso araka ny maha-izy azy, dia ny famonjena amin’ny alalan’ny asa izany.
    
Ny lesona ho fandinihana ny Baiboly mandritra ity telovolana ity dia manasa antsika hanao dia lavitra miaraka amin’i Paoly, raha nangataka tamin’ireo Galatianina izy mba ho marina eo anatrehan’i Jesôsy. Izany koa dia hahafahantsika mieritreritra ny amin’ny fahatakarantsika ny fahamarinana mikasika ny famonjena. Izany fahamarinana lehibe izany ihany no nanokatra lalana ho an’i Martin Luther hampirodana ny fahefan’i Rôma. Ireny no nanampy an’i Luther hanazava ireo fahamarinan’ny Baiboly izay voafina tao amin’ny haizina hatramin’izay.
    
I Carl Cosaert, dia mpampianatra manana marim-pahaizana PhD momba ny fandinihana ny Baiboly. Mampianatra any amin’ny Oniversiten’i Walla Wlla any College Place Washington izy.