TOLONA SY FAHORIANA: IREO MPITSARA

SABATA

Hodinihina mandritra ny herinandro:
Mpits. 4; Mpits. 6; Mpits. 14; Heb. 11:32; 1 Sam. 2:12–25; 1 Sam. 8:1–7.

Tsianjery:
“Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho” – 1 Sam. 2:1.

N y vanim-potoan’ny mpitsara dia vanim-potoana feno korontana izay nianjadian’ny fahoriana sy ny tsy fisiana lalina teo amin’ny tantaran’ny soratra masina. Nanao izay ratsy teo imason’Andriamanitra ny vahoakany. “Namidin’”Andriamanitra teo an-tanan’ny mpampahory izy ireo vokatr’izany. Nitaraina mafy tamin’Andriamanitra izy ka dia nanangana mpamonjy iray izay nitondra fiadanana teo amin’ny tany Andriamanitra. Izany hoe mandra-piverin’izany toe-javatra mampalahelo izany indray.
Nisongadina tamin’izany i Debôrà, anankiray tamin’ireo mpitsaran’ny Isiraely, noho izy nampahery ireo lehilahy nanodidina azy. Vehivavy mahery fo izy sy i Jaela raha nila fampaherezana kosa ireo lehilahy ireo noho ny fahalemen’ny finoany. Taty aoriana, ao amin’ny tantaran’i Gideôna, dia mbola tojo toe-javatra nila hahakivy indray koa ny vahoakan’Andriamanitra.
I Samsôna no anisan’ireo mpitsara farany. Taoriany dia nilatsaka tanaty fahaverezan-kevitra sy fahadisoam-panantenana ny firenena. Tsy voafehin’ny fitsipika sy ny làlana intsony ny olona tamin’izany fotoana izany. Mahery fo tsy mba vonon-kiasa i Samsôna ka ny fanenjehana vehivavy no nimatimatesany fa tsy ny fanarahana an’Andriamanitra. Ny mpiray firenena taminy dia toy izany ihany. Ny fiankohofana tamin’ny sampy no nahaliana azy ireo bebe kokoa noho ny fanompoana an’Andriamanitra.
Nitondra fanantenana ho an’ny firenena kosa i Samoela. Teo ambanin’ny fifehezany dia napetraka araka ny fangatahin’ny vahoaka ny rafi-pitarihana vaovao nisian’ny mpanjaka. Anankiray tamin’ireo asa nahafantarana an’i Samoela ny nanosorany an’i Davida ho mpanjaka nandimby an’i Saoly.

ALAHADY

DEBORA (Mpits. 4)
Ny tantaran’i Debôrà dia manampy tsipirian-javatra mahaliana mikasika ny lohahevitr’ilay ady lehibe ifanandrinan’i Kristy sy i Satana. Eto isika dia mahita ny vahoakan’Andriamanitra iharan’ny famelezan’ny fahavalo ary mihatrika toe-javatra mila hahakivy tanteraka. Miseho ao amin’ny Apôk. 12 ihany koa io voalaza io. Ny Apôk. 12 dia miresaka momba ny fifanandrinana tena tsy rariny izay miseho eo amin’ny dragona iray manana loha fito sy ny zazakely vao teraka iray (vakio ny lesona Talata ao amin’ny Lesona 1).
Tafiditra ho anisan’ireo mpandray anjara lehibe ao amin’io tantara io koa i Jabina, mpanjakan’ny Kanàna; i Sisera lehiben’ny tafiny; ary i Debôrà, mpaminany vavy sy ny mpitsara anankiray (olona voatendry handamina ny ady teo amin’ny antokon’olona roa tsy nifanaraka). Vehivavy nanana fahefana sy hery mahataona tsy dia fahita firy i Debôrà raha tamin’ny androny.

Vakio ny Mpits. 4. Eo amin’ny lafiny inona no ahitantsika fanazavana ny lohahevitry ny fifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara eto? Tamin’ny farany anefa, iza irery ihany no nampandresy ny Isiraely, na dia tsy mendrika aza ny mponina tao?

I Jaela vadin’i Hebera no mahery fo tao amin’ny tantara, izay tsy natahotra ny hiandany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Nitana anjara asa lehibe tokoa izy teo amin’ny fandresena ny fahavalon’Andriamanitra. Sarotra ny hanombana ny asa nataony raha amin’ny fomba fijerintsika amin’izao andro izao. Tsy tokony hampiasaintsika ho fialan-tsiny kosa anefa izany zava-bitany izany hamitahana na hanaovana herisetra mba hanatrarana tanjona, na mendrika manao ahoana aza izany tanjona izany.
Nanome toky an’i Baraka i Debôrà fa ny fandresen’Andriamanitra no hamarana ny ady (azo inoana fa akon’ilay fifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara io). Matoanteny roa no nampiasaina hilazana ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra izany (Mpits. 4:7). “Hoentiny” (raha ny tena heviny, dia toy ny maka trondro anaty harato no ambaran’io teny io) eo amin’ny ony Kisona i Sisera. Eo no “hanoloran’”Andriamanitra azy eo an-tanan’i Baraka. Milaza tsipiriany momba izany ny hira fisaorana nataon’i Debôrà (Mpits. 5). Nihitsoka teo amin’ny lalan-tery teo akaikin’ny ony Kisona noho ny orambe nivatravatra ny kalesin’i Sisera. Ny lanitra sy ny rahona matevina “nitete” rano ary ny tendrombohitra “niempo” (Mpits. 5:4,5). Niteraka fiakaran’ny rano be izany izay nifaoka ny maro dia maro tamin’ireo miaramilan’ny fahavalo (Mpits. 5:21), ary dia voavonjy i Isiraely.

Saintsaino ny fitokisan’ireo lehilahy mpiady ireo an’i Debôrà. Amin’ny lafiny iray dia tsara izany (mazava loatra). Nahoana anefa isika no tokony ho malina mandrakariva eo amin’ny fametrahana fitokisana aman’olona?

ALATSINAINY

I GIDEONA

Vakio ny Mpits. 6:1. Inona no mitranga eto? Vakio ny Mpits. 6:10.
Taorian’i Debôrà dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny 40 taona manaraka. Tsy ela anefa dia niverina teo an-tanan’ny mpamabo indray ny vahoakan’Andriamanitra. Ny Midianita indray no voaresaka tamin’ity indray mandeha ity. Niaraka tamin’ireo firenena nikambana taminy dia niditra tao Isiraely izy ireo ka nandrava ny vokatry ny tany sy nangalatra ny biby fiompy tao (Mpits. 6:3-5). Tonga nahantra sy mosarena i Isiraely ka nitaraina tamin’Andriamanitra (Mpits. 6:6,7). Tsapan’izy ireo fa tsy nisy nilàna azy intsony izao ireo andriamani-tsy izy nivavahany.

Vakio ny Mpits. 6:12-16. Inona no nolazain’ilay Anjelin’i Jehovah tamin’i Gideôna? Inona no navaliny? Tokony ho fantatsika ve ny antony niatrehan’izy ireo izany toe-javatra izany? Nahoana? Vakio ny Mpits. 6:7-10.

Tsy nankato ny olona. Izany no nahatonga ny fahoriana nanjo azy (nobaboin’ny fahavalony). Tonga namonjy azy indray anefa Andriamanitra. Tamin’ity indray mandeha ity Izy dia niasa tamin’ny alalan’i Gideôna. Mahaliana tokoa ny niantsoan’Andriamanitra an’i Gideôna ho “lehilahy mahery”. Tsy izany velively anefa no fahitan’i Gideôna ny tenany: “Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra eo amin'ny ankohonan'ny raiko” (Mpits. 6:15). Azo inoana fa ny fahatsapan’i Gideôna ny fahakelezany sy ny fahalemeny no nandrafitra ny ampahany lehibe tamin’ny heriny.
Mariho ihany koa izay nangatahin’i Gideôna tamin’Andriamanitra ao amin’ny Mpits. 6:36-40. Fantany ny fahalemeny ka nangataka famantarana manokana ny fanatrehan’Andriamanitra izy. Hitantsika eto ny lehilahy iray izay tena nahatsapa ny fiankinany tanteraka tamin’Andriamanitra. Azontsika vakina ao amin’ny Mpits. 7 ny fahombiazana mahagaga azon’i Gideôna teo anatrehan’ireo mpamabo ny olony sy ny famonjen’Andriamanitra ny Isiraely.

Nahoana no olombelona mpanota sy malemy no nampiasain’Andriamanitra nandritra io fanavotana io? Moa ve tsy azony natao ny naniraka “anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona” (Mat. 26:53) hanatanteraka izay nilain’ny Isiraely tamin’io fotoana io? Inona no anjara asantsika olombelona mpanota ao anatin’ny ady ifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara ary ny fitoriana ny filazantsara?

TALATA

I SAMSONA (Mpits. 14:1-4)

Manjavozavo ihany ny faritra manelanelana ny tsara sy ny ratsy teo amin’ny tantaran’i Samsôna. Nahavelom-bolo tokoa ny fiantombohan’ny fiainan’i Samsôna raha jerena araka ny fanambaràn’ny Anjelin’Andriamanitra fa ho Nazirita hatrany am-bohoka izy. Nampianarin’ilay Anjely an’ireo ray aman-drenin’i Samsôna ny fomba tokony hikarakarany io zanany manokana io. Noraràna tsy hisotro zava-pisotro misy alikaola ny reniny na hihinana zava-padiana (Mpits. 13:4,13,14; vakio koa ny Lev. 11). Nanana drafitra manokana ho an’i Samsôna Andriamanitra, saingy indrisy fa tsy nizotra araka izay niheverana azy ny fandehan-javatra.
“Rehefa tonga lehilahy lehibe izy ka hanomboka ny asa nanirahan’Andriamanitra azy – fotoana tokony hisehoany ho mahatoky amin’Andriamanitra indrindra, mihoatra noho ny fotoana hafa rehetra, - dia nikambana tamin’ny fahavalon’ny Isiraely i Samsona. Tsy mba noheveriny akory, raha afaka hanome voninahitra an’Andriamanitra izy amin’ny fikambanany amin’ilay olona notiaviny na tsia, ary raha tsy izany aza dia mety handrava ny fanatontosana ny asa niantsoana azy izany. Nampanantena hanome fahendrena ny olona izay mametraka ny sitrapony ambonin’ny zava-drehetra anefa Andriamanitra, fa tsy hanome kosa ireo izay manaram-po amin’ny zava-tiany” – PM, t. 592.

Vakio ny Mpits. 14:1-4. Ahoana no hahatanterahan’ny hoe: ampiasain’Andriamanitra ny fahalemen’i Samsôna eo anatrehan’ny vehivavy mba hahatontosa ny “drafiny amin’ny Filistina” (Mpits. 14:4)?

Fomba maro no “niadian’”i Samsôna tamin’ny Filistina. Niainga avy tamin’ny fahatezerana avokoa izany ho setrin’ny faniratsirana azy manokana. Voalohany dia namono lehilahy 30 izy sady naka ny fitafian’ireo hoentiny miverina any amin’ny lanonam-panambadiany mba handoavany trosa (Mpits. 14:19). Nopotehiny koa avy eo ny vokatr’izy ireo teny an-tanimboly rehefa reny fa efa nomena ny sakaizany ny vadiny (Mpits. 14:20, 15:1-5). Dia mbola namono olona maro indray i Samsôna ho valifatiny tamin’ny Filistina noho ny namonoan’ireo ny vadiny sy ny ray aman-drenin’izany vadiny izany (Mpits. 15:6,7,8). Niezaka ny hamaly faty indray koa ny Filistina teo anatrehan’izany (Mpits. 15:9,10). Tsy nijanona hatreo ny raharaha fa mbola namono arivo lahy tamin’ny valanoranom-boriky koa i Samsôna (Mpits. 15:14,15). Farany, dia narodany ny tempolin’izy ireo ka nahafatesana olona 3000 satria nopotsiriny ny voamasony (Mpits. 16:21,28,30).

Mahery fo manan-kilema no voaresaka eto. Toy ny hoe kely monja no zavatra azontsika alain-tahaka sy harahina avy amin’i Samsôna. Nahazo sitraka manokana anefa izy ao amin’ny Heb. 11:32. Mazava loatra fa mbola misy zavatra izay tsy takatsika avy hatrany amin’io tantara io. Saintsaino ny zavatra azon’Andriamanitra natao tamin’ny alalan’i Samsôna. Ahoana ny amintsika? Manao ahoana ny zava-dehibe mety ho vitantsika raha miaina araka ny fitsipik’Andriamanitra isika?

ALAROBIA

I ROTA (Rota 1:8,16,17)

Tsy resaka fahavalom-pirenena matanjaka izay mandrahona ny vahoakan’Andriamanitra no asehon’ny tantaran’i Rota fa sehatra kelikely kokoa. Fianakaviana iray izay efa ho lany tamingana kanefa avotra ihany no resahiny. Misy lohahevitra roa mivelatra kokoa ihany koa hita misongadina ao: ny faharavan’ny zava-boarin’Andriamanitra ary ny vahoakany tratry ny loza mananontanona. Miresaka ny amin’ny ady ifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara eo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona ihany koa anefa ny bokin’i Rota. Eo amin’izany sehatra izany rahateo mazàna no itrangan’io ady io.
Tsy mahagaga ny fisian’ny mosary teo amin’ny firenen’i Joda tamin’ny vanim-potoan’ny mpitsara (Rota 1:1; Deô. 28:48; Deô. 32:24; vakio koa ny Mpits. 17:6; Mpits. 21:25). Izany dia famantarana fa efa nanadino an’Andriamanitra ny vahoakan’ny fanekena. Efa tonga tany hay mangetana ilay firenena manan-karena vokatry ny ota sy ny fikomiana. Araka ny voalazan’ny bokin’i Rota anefa dia “novangian’”Andriamanitra ny tany ka naveriny taminy indray ny ainy, tamin’ny “nanomezany hanina” ho an’ny olona (Rota 1:6).
Raha nandeha tany amin’ny tany Môaba i Elimeleka sy i Naomy vadiny ary ireo zanany roalahy dia noho ny fitsinjovany ny hoaviny. Fanamaivanana nandalo ihany anefa no azony tany amin’io firenen’ny fahavalo io saingy rehefa maty ny vadiny sy ireo zanany roalahy dia tapa-kevitra ny hiverina hody i Naomy.
Vakio ny Rota 1:8,16,17. Ahoana no fandraisantsika io fanirian’i Rota hanaraka an’i Naomy io?

I Rota dia avy amin’ny firenena fahavalo izay efa imbetsaka no niezaka handrava an’i Isiraely. Nisafidy ny ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra sy hivavaka amin’Andriamaniny anefa i Rota. Ankoatra izany, nahita fitia teo imason’io firenena tiany hidirana io izy, tsy teo imason’i Bôaza ihany (Rota 2:10) fa teo imason’ireo olona nahafantatra azy koa (Rota 2:11). Natoky i Bôaza fa nahita fitia teo imason’Andriamanitra ihany koa i Rota (Rota 2:12). Tapa-kevitra ny haneho ny fankasitrahany azy i Bôaza ka naka vady azy (Rota 3:10,11).
Nisy havana mahavotra akaiky kokoa noho i Bôaza anefa, izay nanan-jo voalohany hividy ny tanin’ny maty (izany hoe ny tanin’i Elimeleka, vadin’i Naomy) raha hanambady an’i Rota izy. Tsy vonona ny haka vady an’i Rota anefa io havana mahavotra akaiky kokoa io satria hiteraka olana ara-bola hafa ho azy indray izany (Rota 4:6). Teo no nitsofan’ireo vavolombelona rano an’i Rota. Noraisin’izy ireo ho anisan’ny vehivavy nanana ny maha-izy azy teo amin’ny tantaran’ny Isiraely izy (Rota 4:11,12). Tanteraka izany fiheverana izany rehefa tafiditra ho anisan’ny razamben’ny Mesia i Rota (Rota 4:13,17; Mat. 1:5,6).
Tantara karazan’irony tsara fihafarana irony ity tantara ity. Indrisy anefa fa tsy dia betsaka firy izany ao amin’ny Baiboly. Mazava loatra fa tsy ahitana firy izany koa eo amin’ny tena fiainana. Hitantsika eto koa anefa fa ny sitrapon’Andriamanitra ihany no mandresy amin’ny farany, na manao ahoana na manao ahoana fitsimbadiky ny fiainana. Vaovao mahafaly ho an’izay rehetra tia sy matoky Azy izany.

ALAKAMISY

I SAMOELA (1 Sam. 2:12-25)

Inona no ifandraisan’ny fanombohan’ny bokin’i Samoela amin’ny ady ifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara? Araka ny hitantsika eo am-pamakiana azy dia tsy nisy loza nananotanona hita miharihary teo amin’ny Isiraely. Tsy nisy tafika lehibe koa teny an-tsisi-tany. Ny famelezan’ny ratsy dia misoko mangina kokoa kanefa tena azo tsapain-tanana.
Vakio ny 1 Sam. 2:12-25. Ahoana no fomba fisehon’ny maha-zava-misy marina ny fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’ireo andininy mampalahelo ireo?
“Mampalahelo anefa fa tsy nahay nifehy ny ankohonany ity mpitsara manan-kaja ity. Ray be fandeferana sy lehilahy tia fihavanana izy, ka tsy nahay nampiasa ny fahefany rehefa tokony hahitsy ny fahazaran-dratsy ary tokony hotonena ny filandratsin’ireo zanany. Naleony nanaiky ny sitrapony sy namela azy hanao izay tiany, toy izay hifanditra aminy na hanafay azy.” – PM, t. 607.
Mifanohitra amin’ireo zanak’i Ely, dia zazalahy kely manao fitafian’ny mpisorona indray no hitantsika eto (1 Sam. 2:18,19), izay “nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa”, tahaka an’i Jesôsy (1 Sam. 2:26; Lio. 2:52). Io Samoela io dia tonga mpitarika mahery sady mahatoky teo amin’ny Isiraely. “Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela” - 1 Sam. 3:20.
Tsy midika anefa izany fa nandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Niatrika ady tamin’ny Filistina ny firenena ary maty koa ny zanak’i Ely roalahy. Azon’ny Filistina ny fiaran’ny faneken’i Jehovah ary dia maty teo amin’ny faha-98 taonany i Ely raha nandre ny vaovao (1 Sam. 4:14-18).
Mampalahelo fa nanana olana mitovy amin’ny an’i Ely ihany koa i Samoela. Tsy mba nanaraka ny fahatokian’i Samoela sy ny fahitsiany mantsy ireo zananilahy (1 Sam. 8:1-7).
Nanamarika kihon-dalana lehibe teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra i Samoela. Izy no farany tamin’ny mpitsara sady olona nitana toerana lehibe teo amin’ny fizotry ny fifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara. Nitarika ny olona nandritra ny fotoan-tsarotra ny fahefana lehibe nananany. Mampalahelo ny tsy nanarahan’ny zanany ny diany. Tsy miantehatra amin’ny resa-pianakaviana anefa Andriamanitra. Vokatry ny toetra ratsy niverimberina nataon’ireo zanak’i Samoela dia nangataka mpanjaka ny loholona. Tsy izany anefa no fanovàna tsara indrindra araka ny hasehon’ireo taona an-jatony maro atỳ aoriana teo amin’ny tantara.

Na manao ahoana fiainan-tokantranontsika na manao ahoana, na tsara izany na ratsy dia tompon’andraikitra hatrany isika ny amin’izay tompointsika eo amin’ilay ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Na inona anefa fahadisoana efa vitantsika na inona, nahoana no tokony hotsaroantsika mandrakariva fa mbola fotoana izao hamitranam-pihavanana amin’Andriamanitra? Ny rahampitso no efa tratra aoriana loatra fa tsy ny anio. Na ahoana na ahoana, tsy manana afa-tsy izao ankehitriny izao ianao.

ZOMA

Fianarana fanampiny:
Ny Baiboly dia fantatra amin’ny tsy fanarontsaronana ny fahotan’ny olona na ny faharatsiany. Fomba ahoana indray no hanomezany sary mazava ny amin’ny toetry ny olombelona? Misy fanoritsoritana mazava dia mazava ny amin’ny faharatsian’ny olona ao amin’ny 1 Sam. 2:12-25, rehefa voaseho ho mifanohitra tanteraka amin’i Samoela zaza ireo zanak’i Ely roalahy. Izao no voalaza ao amin’ny 1 Sam. 2:12 (dikan-teny Katôlika): “Ary ny zanak'i Helì dia olon'i Beliala, tsy nahalala an'ny Tompo akory”. Mariho aloha voalohany indrindra ny fahasamihafana misy: mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiainan’ny Baiboly ny firazanana sy ny tantaram-pianakaviana. Eo amin’io andalan-teny io anefa dia voalaza fa “olon’i Beliala” indray izao ireo “zanak’i Ely”. Voambolana manana hevitra maromaro ny hoe Beliala, ampiasaina amin’ny endrika sy dika maromaro izy saingy amin’ny lafiny ratsy mandrakariva. Mifandraika amin’ny teny hebreo hoe bl sy bli mantsy izany, izay midika hoe “tsy” na “tsy misy”. Ny hoe Beliala mihitsy aza dia midika hoe “tsy misy vidiny” na “tsy misy ilàna azy”. Any amin’ny andininy hafa izy dia ampiasaina tahaka ny ampiasana azy eto amin’ireto zanak’i Ely ireto. Nisy lehilahy sasany nantsoina ihany koa hoe “zanak’i Beliala” (2 Tant. 13:7; 1 Mpanj  . 21:13, dikan-teny katôlika). Ao amin’ny Oha. 6:12, ny hoe ratsy fanahy dia mitovy ihany amin’ny hoe “zanak’i Beliala”. (Any amin’ireo asasoratra sasany any ‘Proche Orient’, izay nosoratana nandritra ny fotoan’andron’ny Baiboly, dia anarana hafa niantsoana an’i Satana koa ny hoe Beliala). Saika amin’ny lafiny ratsy mandrakariva no ampiasana azy manerana ny Baiboly. Amin’ny maha-olombelona azy ireo dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra ny zanak’i Ely. Midika izany fa nohariana ho amin’ny tanjona iray izy ireo ary mba hanana ny lanjany. Araka ny voalazan’ny Baiboly anefa dia tsy nisy nilàna azy izy ireo, “olona tsinontsinona”. Fiainam-pandanilaniam-poana mampalahelo tokoa izany! Na isika ho an’Andriamanitra ka hanao zavatra misy lanjany sy zava-kendrena ho Azy, na isika ho tsinontsinona ihany. Mitombina mihitsy izany satria ny fiainantsika iray manontolo sy ny nikendrena azy dia avy amin’Andriamanitra irery ihany.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Mazava ny voalazan’ny Baiboly: tsy misy marimaritra iraisana eo amin’ilay ady ifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara. Na isika hiandany amin’i Kristy, na amin’i Satana. Ny fiainana anefa araka ny ahafantarantsika azy dia tsy maneho mazava tsara ny fahasamihafan’ireo. Indraindray no tsy azontsika antoka tsara hoe inona no fanapahan-kevitra mety na inona no tsy mety, na koa inona no toe-javatra mety na tsia. Inona avy ireo fomba hahazoantsika fahendrena mba hanampy antsika hanao safidy tsara?
2. Teo amin’ny lafiny inona no nahitanao fa nandiso fanantenana anao ihany ireo olona izay nankasitrahanao manokana? Toraka izany koa, tamin’ny lafiny inona no mety efa nandisoanao fanantenana an’ireo izay mba efa nankasitraka ny fitondrantenanao? Inona no efa nianaranao avy tamin’ireo ohatra ireo mikasika ny finoana, ny fatokiana, ny fahasoavana ary ny fahalemen’ny olombelona?