LESONA 4

16 - 22 APRILY

Finoana sy fanasitranana

LESONA 4 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA


Filentehan’ny masoandro: 5.39

 

Tsianjery: “Fa iza no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?”  – Mat. 9:5.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 8; Lev. 13:44-50; Dan. 7:7,8; Jao. 10:10; Mat. 9:1-8; 1 Jao. 1:9.

Fiambenana maraina: Ampaherezo ireo rahalahinao - Lio. 22:32

 

Raha manao ny lisitr’ireo zavatra atahoranao indrindra eo amin’ny fiainana ianao, dia mety ho toy ny ahoana izany? Ho an’ny ankabeazantsika dia ho tafiditra ao amin’izany lisitra izany ny fahafatesan’ny olona ao amin’ny fianakaviantsika, na mety ho ny fahafatesanao mihitsy aza. Ekena, ary tsy hanomezan-tsiny izany tahotra izany, saingy saino fa miorina amin’ny fiainana eto an-tany ihany izany, dia ny fiainantsika amin’izao fotoana izao. Ny fahafatesana tokoa ve no tena tokony hatahorantsika indrindra? 

Andeha hatao hoe manao ny lisitry ny zavatra mampatahotra Azy indrindra Andriamanitra. Azo antoka fa ny tsy fahazoan’ny fianakaviantsika na isika ny fiainana mandrakizay izany.

Tsy isalasalana fa mihevitra momba ny aretina sy ny fahafatesana ara-nofo Andriamanitra, fa indrindra indrindra ny aretina ara-panahy sy ny fahafatesana mandrakizay. Nanasitrana olona maro i Jesôsy, ary nanangana olona tamin’ny maty mihitsy aza, saingy fanomezana misy fetra ihany ny fiainam-baovao tahaka izany. Na ho ela na ho haingana mantsy dia handalo  fahafatesana ihany ireo olona ireo, ankoatra ireo olo-masina izay natsangana tamin’ny maty tamin’ny fotoana nitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty. (Vakio ny Mat. 27:50-53; vakio ihany koa ny SDA BC, b. 5, t. 550 ary ny IFM, t. 844, 845.)

Na dia teo aza izay nataon’Andriamanitra ho antsika, dia tsy miaro antsika amin’ny aretina sy ny fahafatesana eto an-tany ny drafi-pamonjena. Eo am-pieritreretana izany, dia andeha isika handinika ireo tantara marobe momba ny fanasitranana ara-nofo sy ara-panahy. Inona ny lesona manan-danja mikasika ny finoana azontsika hianarana avy amin’izy ireny?

Pejy ambony 

ALAHADY: MIKASIKA IZAY TSY AZO KASIHINA (Mat. 8:1-4)

Fiambenana maraina: Vatolampy – toky mafy orina - Jao. 10:28

Avy nanao ilay Toriteny teo an-tendrombohitra, izay niresahany momba ny fitsipika manan-danjan’ny fanjakan’Andriamanitra i Jesôsy. Avy eo Izy dia niditra indray tao amin’ny fanjakan’i Satana, toerana mangatsiaka sy maizina, feno olona ao anatin’ny fahalovana mihiaka mitady famonjena. Toerana iray izay matetika mampifanohitra ny fitsipi-pitondran-tenany, izay an’izao tontolo izao, amin’ny zavatra rehetra izay nijoroan’i Jesôsy. Tamin’izany fotoana izany dia iray tamin’ireo ohatra manan-kery maneho ny faharatsian’ny fanjakan’i Satana ny habokana. Nampiasa ny habokana Andriamanitra ho toy ny endrika fanasaziana, tahaka izay nanjo an’i Miriama (vakio ny Nom. 12:9-12). Araka izay voalazan’ny Baiboly, dia ohatra iray mahatsiravina sy mampihoron-koditra hanehoana ny fiainana ao anaty tontolo lavo sy rava izany.

Vakio ny Mat. 8:1-4. Manao ahoana ny maha-zava-dehibe ny nikasihan’i Jesôsy ilay boka fony Izy nanasitrana azy? (Vakio ny Lev. 13:44-50)

Nandohalika teo anatrehan’i Jesôsy ilay boka sady niteny hoe: “raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” - Mat. 8:2. Ny teny grika ilazana ny “mahay” dia «dunamai», tahaka ny hoe “dynamite” amin’ny teny frantsay. Izany dia midika hoe feno hery. “Raha mety Hianao, feno hery Hianao ary mahay manova ny fiainako.” Nilaza i Jesôsy fa manaiky hanasitrana ilay boka, ary teo no ho eo dia notanterahiny izany.

Azo antoka fa nampihoron-koditra ny vahoaka izay nahita izany ny nikasihan’i Jesôsy ilay boka. Tahaka izay nataony tamin’ny fotoana hafa (tahaka ilay fanasitranana izay horesahina manaraka eo), dia azon’i Jesôsy natao ny niteny fotsiny, dia ho sitrana ilay lehilahy, saingy nahoana Izy no nisahirana nikasika azy?

“Ny asa nataon’i Kristy tamin’ny nanadiovany ilay boka ho afaka amin’ny aretiny mahatsiravina, no enti-manazava ny asany eo amin’ny fanadiovana ny fanahy amin’ny fahotana. ‘Heniky ny habokana’ ilay lehilahy nanatona an’i Jesosy. Nanenika ny tenany manontolo ny poizina mahafaty. Niezaka ny mpianatra hanakana ny Tompony tsy hikasika azy; izay mikasika boka mantsy dia manjary maloto koa. Fa raha nametraka ny tanany teo amin’ilay boka Jesosy, dia tsy nifindran’ny fahalotoana. Mizara hery mitondra aina ny fikasihany. Voadio ny habokana. Toy izany koa amin’ny habokan’ny fahotana, - lalim-paka, mahafaty ary tsy sitran’ny herin’olombelona.” – IFM, t. 272.

Angamba tamin’ny nikasihany ilay boka, dia naneho i Jesôsy fa na dia ratsy toy ny ahoana aza ny fahotantsika, dia hanakaiky ireo izay maniry mafy ny ho voavela heloka Izy, ireo izay te ho sitrana sy hodiovina hiala amin’izany.

Iza no fantatrao, amin’izao fotoana izao, fa mararin’ny karazan’aretina izay hitantsika ho toy ny “habokana”? Mety ho zavatra mampihemotra ny olona amin-drikoriko sy miteraka fitsarana izany. Ahoana no hahatonga ny ohatra nasehon’i Jesôsy hanampy anao hahatakatra ny fomba hifandraisana amin’izany olona izany?

Pejy ambony 

ALATSINAINY: ILAY ROMANINA SY NY MESIA (Mat. 8:5-13)

Fiambenana maraina: Ny fahateraham-baovao - Jao. 3:8

 

Antony lehibe no mahatonga ny bokin’i Daniela manokana fotoana maro iresahana momba an’i Rôma (vakio ny Dan. 7:7,8,19-21; Dan. 8:9-12, 23-25). Izany dia noho ny herin’io fanjakana io. Tamin’ny andron’i Kristy dia tandindon’ny fahefan’i Rôma ny miaramila rômanina. Saingy indray andro dia nisy miaramila rômanina iray, izay voalaza fa Kapiteny, nanatona an’i Jesôsy. Niraviravy tanana ity Kapiteny ity teo anatrehan’ny olana mpahazo ny olona sy ny fijaliana izay manahirana antsika rehetra. Lesona lehibe izany momba ny fetran’ny fahefana eto an-tany. Ireo mpitarika lehibe sy manam-pahefana, ireo lehilahy sy vehivavy manan-karena indrindra, dia tsy mahefa na inona na inona eo anoloan’ny adim-piainana iraisan’ny besinimaro. Inona tokoa no azontsika antenaina raha tsy eo ny fanampian’Andriamanitra?

Vakio ny Mat. 8:5-13. Inona ny fahamarinana lehibe mikasika ny finoana sy ny heviny asehon’ity tantara ity? Inona no ambaran’io tantara io amintsika, amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, dia olona izay nomena tombontsoa manokana?

Ny kapiteny dia miaramila rômanina nanana miaramila valopolo hatramin’ny zato teo ambany fifehezany. Nanompo tao amin’ny tafika nandritra ny roapolo taona izy, ary tsy mba nahazo alalana hanana fianakaviana ara-dalàna. Araka izany, dia azo heverina fa io mpanompony io ihany no mba hany fianakavian’ity kapiteny ity.

Tamin’ny kolontsain’izy ireo, dia latsaka kely tamin’ny an’ny boka ny fankahalan’ny olona ny Rômanina. Noho izany, dia nety ho azon’ity miaramila ity an-tsaina fa tsy naniry hiditra any an-tranony i Jesôsy, na dia nilaza aza fa hanao izany. Naneho finoana lehibe ity kapiteny ity, tamin’ny nangatahany an’i Jesôsy hanonona teny monja, finoana izay miantefa amintsika amin’izao fotoana izao izany: mahery tahaka ny fikasihany ihany ny tenin’i Jesôsy. Tsy nihevitra ity kapiteny ity fa ho sarotra amin’i Jesôsy ny hanasitrana ny mpanompony, nino izy fa azon’i Jesôsy atao ny hibaiko ny aretina hiala amin’ity mpanompony ity, tahaka ny fanomezan’ny manam-boninahitra baiko ny miaramilany, araka izay fanaony mandrakariva.

Jereo izay nolazain’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 8:11,12. Fampitandremana hentitra tokoa izany ho an’ireo izay nomena tombontsoa manokana. Nomena tombontsoa manokana isika, amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, ka tokony hitandrina indrindra.

Inona ny safidy sy fampiharana ataonao amin’ny andavanandro? Ny manan-danja kokoa noho izay, inona no fiantraikan’ireny safidy ireny eo amin’ny finoanao? Inona no azonao atao mba hahatonga ny safidy ataonao hanampy ny finoanao hitombo?

Pejy ambony 

TALATA: IREO DEMONIA SY NY KISOA (Mat. 8:25-34)

Fiambenana maraina: Ny fomba hitomboana ao Aminy - Jao. 15:4

 

Vakio ny Mat. 8:25-34. Inona no ampianarin’ireo tantara roa ireo antsika mikasika ny herin’Andriamanitra? Ahoana no hahazoantsika fampaherezana avy amin’izany hery izany, indrindra eo amin’ny tolona ataontsika amin’ireo zavatra lehibe loatra mihoatra antsika?

Tamin’ny fisainana jiosy, dia Andriamanitra irery no manan-jo hanjaka amin’ny zavaboary sy ny demonia. Hitantsika ao amin’ny Mat. 8:23-27 ny nanatonen’i Jesôsy ny tafio-drivotra nahatsiravina tamin’ny teny tsotra ihany. Avy eo i Jesôsy dia tonga tany atsinanan’ny ranomasin’i Galilia, tany amin’ny tanin’ny Jentilisa izay nonenan’ny lehilahy maromaro nitoeran’ny demonia.

Nanome fanazavana bebe kokoa ny amin’ny tantara momba ireo lehilahy nitoeran’ny demonia ireo ny Mar. 5:1-20 sy ny Lio. 8:26-39. Nitonona ho “legiona” ireo demonia ireo. Ny legiona any amin’ny tafika dia miaramila enina arivo; nalefa tany amin’ny kisoa niisa roa arivo ireo demonia ireo (Mar. 5:13).

Maro ny olona nanontany tena hoe nahoana no nangataka hampidirina any amin’ny kisoa ireo demonia. Nisy tantara iray nampianatra fa halan’ny demonia ny fivenjivenjena. Naleony kokoa nafindra tany amin’ny toerana izay azo nitoerana, na dia kisoa izay biby tsy madio aza. Ny tantara iray hafa indray dia nilaza fa natahotra rano ireo demonia. I Jesôsy tenany mihitsy aza no niresaka momba ny demonia izay nandeha nitety ny toerana tsy nisy rano nitady fitsaharana (jereo ny Mat. 12:43). Nisy ihany koa ny lovan-tsofina jiosy izay nampianatra fa haringana mialoha ny fahantomoran’ny andron’ny Tompo ny demonia.

Na inona na inona anton’izany, ny teboka lehibe indrindra dia izao: tahaka ny fomba nanimban’i Satana ireo lehilahy nitoeran’ny demonia tao amin’ity tantara ity no tiany hatao amin’ireo zanak’Andriamanitra. I Jesôsy kosa anefa nanova tanteraka ny fiainan’izy ireo. Ny zavatra rehetra izay ezahin’i Satana hatao eo amin’ny fiainantsika, dia azon’i Jesôsy ravana, ary hataony izany ho an’ireo izay manolo-tena ho an’i Kristy, raha tsy izany dia tsy afaka hanao na inona inona isika mba hanoherana an’i Satana.

Na isika miandany amin’ny iray na amin’ny iray hafa amin’ny ady lehibe eo amin’i Kristy sy i Satana. Na dia mampivarahontsana aza ny mandre izany, dia tsy ho nazava mihoatra izay nanambarany Azy ao amin’ny Lio. 11:23 io fahamarinana io: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.” Miankina amintsika ihany ny toerana misy antsika.

Vakio ny Jao. 10:10. “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” Inona no tian’izany teny izany hambara amin’ny demôniaka, ary amintsika koa ho an’ny fiainantsika? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika na tokony hanaovantsika fanandramana mikasika izay ampanantenaina antsika eto?

Pejy ambony 

ALAROBIA: “MITSANGANA KA MANDEHANA!” (Mat. 9:1-8)

Fiambenana maraina: Ny olona nateraka indray - Sal. 1:1-3

 

Tamin’ny Alatsinainy isika dia nahita an’i Jesôsy nilaza fa tsy mbola nahita olona nanana finoana lehibe toy izany teo amin’ny Isiraely. Saingy tamin’izay fotoana izay teo amin’ny Isiraely, dia nisy lehilahy iray nankeo amin’ny toerana iray, satria ny faniriany ny fanasitranana ny fo dia lehibe lavitra tao aminy noho ny faniriana ny hanasitranana ny vatany.

Vakio ny Mat. 9:1-8. Inona ny fanantenana lehibe tokony horaisintsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny teny fikasana ny amin’ny famelana ny otantsika? Nahoana no tsy mampaninona na toy ny ahoana na ahoana izany ota izany na izay voka-dratsy naterany? Vakio koa ny Rôm. 4:7; 1 Jao. 1:9; 1 Jao. 2:12.

Mahaliana tokoa fa ny zavatra nataon’i Jesôsy voalohany tamin’ilay mararin’ny paralisisa dia ny nanasitrana ny aretim-panahiny. Mazava loatra fa fantatr’i Jesôsy tsara ny tena olana nisy, tena nijaly tokoa ity lehilahy ity ary nahonena ny toerana nisy azy. Saingy fantatr’i Kristy fa ny tena fototry ny olana dia ny fahatsapan-tenan’ity lehilahy ity ho meloka noho ny fiainana feno fahotana niainany. Fantany ihany koa ny fanirian’ilay lehilahy mba havela heloka. Araka izany, dia nanambara izay azo lazaina ho teny lehibe sy mampahery indrindra ho an’ny olona mahatsapa ny tena vidin’ny fahotana Izy, dia ny hoe: “Voavela ny helokao.”

I Ellen G. White dia nanampy hoe: “Nefa tsy ny famerenana ny fahasalamana ara-nofo no niriny mihoatra noho ny fanamaivanana azy tamin’ny enta-mavesatry ny fahotana. Raha mba mahita an’i Jesosy izy ka mandray ny toky fa ho voavela heloka, sy ho vita fihavanana amin’Andriamanitra, dia hahafaly azy izany, na ho velona izy na ho faty araka ny sitrapon’Andriamanitra.” – IFM, tt. 273-274.

Nisy pasitora Advantista iray nitory matetika mikasika ny fananana finoana bebe kokoa mba tsy ho sitrana. Izany no finoana lehibe indrindra: rehefa mijery lalina kokoa noho ny toe-javatra mahazo antsika ara-nofo isika ka mifantoka amin’ny mandrakizay. Matetika ny vavaka ataontsika dia mikasika ny zavatra ilaintsika ara-nofo, miahy izany tokoa Andriamanitra, nefa kosa nandritra ny Toriteny nataony teo an-tendrombohitra, dia nilaza i Jesôsy hoe: “katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” Araka izany, na dia eo aza ny zavatra ilaintsika ara-nofo, dia zava-dehibe kokoa ny fihazonantsika ao an-tsaina ny zavatra maharitra mandrakizay, raha eto amin’ny tontolo izay tsy mampaharitra sy mampihelina ny zava-drehetra isika.

Na inona na inona tolona ara-nofo atrehintsika, dia fotoana fohy ihany no haharetan’izany eto an-tany. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy fanadinoantsika izany fahamarinana izany na oviana na oviana?

Pejy ambony 

ALAKAMISY: MAMELA NY MATY HANDEVINA NY MATY AO AMINY (Mat. 8:18-22)

Fiambenana maraina: Notsaraina Izy - Jao. 18

 

Vakio ny Mat. 8:18-22. Inona no nambaran’i Jesôsy tamin’ireo lehilahy ireo momba ny fanarahana Azy?

Mahita lehilahy roa nanatona an’i Jesôsy isika ao amin’ny Mat. 8:18-22, naniry ny ho lasa mpianany izy ireo. Tena vokatry ny fon’izy ireo tokoa izany, saingy nisy zavatra nitana azy roalahy ireo. Novantanin’i Jesôsy avy hatrany ny resaka, satria fantany ny fisainana rehetra. Nanontaniany ilay lehilahy voalohany raha tena vonona ny handao ny zava-drehetra tokoa - eny hatramin’ny fandriany aza! – mba hanaraka Azy. Izany akory tsy midika fa ho very avokoa ny fananan’ny olona iray eto an-tany raha toa izy manaraka an’i Jesôsy, fa ilaina kosa ny fahavononany hanao izany.

Avy eo i Jesôsy dia namaly ilay lehilahy faharoa: “Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.” - Mat. 8:22. Tamin’ny voalohany dia toa maherihery ny fahitana ny teny nataon’i Jesôsy tamin’ity lehilahy ity. Toa tsy misy mahadiso ity lehilahy ity, raha hoy izy hoe: “Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.” - Mat. 8:21. Nahoana moa izy no tsy hanao izany aloha, dia vao hanaraka an’i Jesôsy avy eo? Tamin’ny finoana Jiosy rahateo dia anisan’ny fanajana ny didy fahadimy izany, dia ny fahazoana antoka fa tsara levenana ny ray aman-dreninao.

Ny sasany amin’ireo mpandinika ny Baiboly kosa anefa dia manambara fa tsy mbola nodimandry tsy akory ny rain’io lehilahy io na hoe teo am-pialana aina, fa izao no tian’ilay lehilahy nolazaina tamin’i Jesôsy: “Avelao aho aloha hanao izay tokony hataoko amin’ny fianakaviako, dia vao hanaraka Anao.” Ny tenin’i Jesôsy tamin’ity lehilahy ity dia nampiseho fa nitady fialan-tsiny fotsiny ihany izy mba hanemorana ny fanarahana Azy.

Araka izany, raha atao an-tsaina izany, dia tsy teny “mahery” ilay nataon’i Jesôsy tamin’ilay lehilahy faharoa, raha nilaza taminy mba hametraka Azy ho lohalaharana.

Nisy fiantsoana mpianatra iray hafa ao amin’ny Mat. 9:9-13, dia ny fiantsoana an’i Matio izany, izay mpamory hetra tsy tian’ny vahoaka. Fantatr’i Jesôsy ny fon’ity lehilahy ity fa nisokatra ho an’ny fahamarinana, araka izay navaliny ny antso nataon’i Jesôsy. Azo antoka fa hain’i Jesôsy izay havalin’i Matio, ary porofoin’ny toko sy andininy ao amin’ny Baiboly ny fahamarinan’izany. Ho antsika amin’izao fotoana izao dia sarotra ny mahatakatra ny fahatezeran’ny olona tamin’izany noho ny fiantsoana an’i Matio, saingy izany fiantsoana azy izany dia ohatra iray maneho fa ny antso ho amin’ny Filazantsara dia ho an’izao tontolo izao tsy an-kanavaka.

Vakio ny Mat. 9:13. Inona no hevitry ny foto-kevitra hita ao amin’io andininy io ho antsika amin’izao fotoana izao? Ahoana no hitandremantsika mba tsy hamelantsika ny foto-pinoana na fombafombam-pivavahana, na toy inona fahamarinany, hibahana ny fanaovana izay zava-dehibe eo imason’Andriamanitra?

Pejy ambony 

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Nohomboana Izy - Jao. 19

Filentehan’ny masoandro: 5.35

 

Vakio ny “Mahay manadio ahy Hianao”- IFM, toko 27.

Tao amin’ny fizaràna Alakamisy dia hitantsika ny momba ilay lehilahy izay nisaina ny handevina ny rainy aloha vao ho lasa mpianatr’i Jesôsy, nefa hoy i Jesôsy taminy hoe: “Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.” - Mat. 8:22. Inona no tian’i Jesôsy hambara raha nilaza Izy fa maty ilay lehilahy, izay velona? Ny Baiboly dikan-teny AMP dia nilaza fa ny maty eto dia midika hoe “maty [ao amin’ny ota].” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo maty ao amin’ny ota ireo dia velona ho an’izao tontolo izao sy ny fahafinaretany, tsy misy fanantenana na faniriana ho an’ny fiainana mandrakizay. Saingy tian’i Jesôsy ny hampitodika ny sain’ilay lehilahy sy ny saintsika amin’ny zavatra lehibe kokoa noho izay azon’izao tontolo izao omena. Tsy mahagaga, araka izany, raha nilaza izay teny nambarany i Jesôsy.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Ataovy an-tsaina ny hevitra noresahina tetsy ambony, ka avereno vakina ny tantara ao amin’ny Matio, izay nilazan’i Jesôsy ny valinteniny tamin’ilay lehilahy niresaka momba ny fandevenana ny rainy. Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahazoana an-tsaina ny toe-javatra manontolo amin’izay ataontsika rehetra? Ahoana no hanampian’ny fianarantsika ny Baiboly hahatakatra ny halehiben’ny zava-mitranga?
  • Rehefa mivavaka ho an’ny marary isika, dia tsy fantatsika mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny fanasitranana ara-nofo, saingy fantatsika kosa ny sitrapony mahakasika ny fanasitranana ny fanahy. Ahoana no tokony ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainana ara-pivavahantsika?
Inona ny zavatra manan-danja indrindra aminao? Manaova ny lisitr’izany ary ento eo amin’ny kilasy izany. Inona ny lesona azonao tsoahina avy amin’ilay lisitra? Inona no ampianarin’izany antsika momba ny tenantsika sy ny fomba fijerintsika izao tontolo izao, ny fijerintsika an’Andriamanitra ary isika samy isika? Mety ho toy ny ahoana ny fahasamihafan’izany lisitra izany raha toa ka vondron’olona tsy mpino an’Andriamanitra no nanao azy?

Pejy ambony