LESONA 4

15 - 21 OKTOBRA

ANDRIAMANITRA SY NY FAHORIAN'OLOMBELONA?

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Rôm. 1:18–20; Jôba 12:7–10; Apôk. 4:11; Kôl. 1:16,17; Mat. 6:34; Jôba 10:8–12; Rôm. 3:1–4.

 

Tsianjery: “Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.” - Mat. 6:34.

 

Tsy tahaka ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly ny bokin’i Jôba. Miala tanteraka amin’ny tontolon-kevitry ny tanàna sy ny mponin’ny Isiraely tokoa mantsy izany. Ao amin’ny Genesisy, ohatra, dia manao fanekena amin’i Abrama Andriamanitra hoe: “hahatonga anao ho firenena lehibe Aho” – Gen. 12:2. Ao amin’ny Apôkalipsy, dia milazalaza ny drafitr’Andriamanitra momba ilay “tanàna masina,” i Jerosalema, i Jaona (Apôk. 22:19). Koa manerana ny Baiboly iray manontolo, na amin’ny fomba mivantana na amin’ny fomba ankolaka, dia hita ao anatin’ny boky tsirairay ny tontolon-kevitry ny Isiraely sy ny fifandraisam-panekeny amin’Andriamanitra.

Tsy misy zavatra tahaka izany anefa ao amin’ny bokin’i Jôba,  eny fa na dia ilay trangan-javatra nitalakotrokotroko teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita fahiny aza, dia ny Eksôdôsy izany. Nahoana? Ny antony akaiky indrindra dia satria tamin’ny fotoana nanoratan’i Mosesy ny bokin’i Jôba, niaraka tamin’ny Genesisy, tany Midiana, dia mbola tsy nitranga ny Eksôdôsy na ny Fifindrana avy tany Egipta (jereo koa ny SDABC, b. 3, t. 1140).

Mety misy antony hafa koa anefa angamba, antony izay manan-danja kokoa aza. Ny fijalian’ny olombelona no iray amin’ireo lohahevitra fototry ny bokin’i Jôba. Maneran-tany izany, ary tsy voafetra ho amin’ny vondron’olona iray na ho amin’ny vanim-potoana iray. Samy miaina ny fijalian’i Jôba avokoa isika rehetra, na Jiosy na Jentilisa, dia ny fanaintainana noho ny fiainana ao anatin’ny tontolo feno fahotana. Na dia miavaka aza ny fahoriana nanjò azy, dia maneho antsika rehetra eo amin’ny fijaliantsika izy.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Andriamanitra eo amin’ny voary (Rôm. 1:18–20)

 

Vakio ny Rôm. 1:18–20. Inona no ambaran’i Paoly eto?

 

Fehezanteny mahery vaika manao ahoana re izany! Misy porofo tena maro mahakasika an’Andriamanitra ao anatin’ny tontolo nohariana ka “tsy manan-kalahatra” noho ny tsy finoany ny olona rehetra. Milaza i Paoly fa na dia avy amin’ny famoronana ihany aza dia efa afaka mianatra zavatra ampy momba ny fisian’Andriamanitra sy ny toetrany ny olombelona, ka azo melohina araka ny hitsiny izy ireo amin’ny andron’ny fitsarana.

Tsy isalasalana fa manome porofo betsaka antsika ny tontolo hita maso fa misy tokoa Andriamanitra. Ny siansa môderina koa nampiseho tsipiriany betsaka tamintsika momba ireo zava-mahagagan’ny Famoronana izay tsy mbola tonga tao an-tsain’ireo razambentsika tany amin’ny 3 000 taona lasa izay, na tany amin’ny 300 taona lasa akory aza. Misy hevitra manan-danja tokony hotsaroina koa eto: arakaraka ny ahitan’ny siansa ireo zava-miafin’ny fiainana, no tsy ahafahany milaza fa nisy aina vokatry ny kisendrasendra teto. Ohatra: ny telefonina iPhone dia hita araka ny nanaovana azy, mihetsika araka izay nanaovana azy, maneho ny endriny nanaovana ny anatiny sy ny ivelany, ary miasa amin’ny alalan’ny fomba nanaovana azy ihany; ary dia tena namboarina tokoa izany. Ny olombelona ihany koa dia hita araka ny nanaovana azy, mihetsika araka izay nanaovana azy, maneho ny endriny nanaovana ny anatiny sy ny ivelany, ary miasa amin’ny alalan’ny fomba nanaovana azy ihany; kanefa dia ambara amintsika fa vokatry ny kisendrasendra fotsiny ihany izany. Mampalahelo fa olona maro no voafitaka ka voasarika hino ny fanambaràna tahaka izany.

 

Vakio ny Jôba 12:7–10. Ahoana no anehoan’ireo teny eto ireo ny hevitra naseho ao amin’ny Rôm. 1:18–20?

 

Lazaina amintsika ihany koa eto fa hita miharihary ao anatin’ny tontolo nohariana ny fisian’Andriamanitra. Na dia tsy maneho ny toetran’Andriamanitra feno aza ny voary, ao anatin’ny endriny feno fahotana, dia azo antoka fa maneho ny heriny mamorona sy ny ampahany sasany amin’ny fahatsarany ihany koa izany.

 

Zavatra inona eo amin’ny voary no milaza zavatra manokana aminao mahakasika ny herin’Andriamanitra sy ny fahatsarany? Ahoana no ahafahanao mianatra ny misintona hery sy fampaherezana avy amin’ny hafatra omen’izany anao?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Tsy misy zavatra niforona ho azy (Kôl. 1:16,17)

Misy tsangan-kevitra tsara sy mahery vaika maro manohana ny fisian’Andriamanitra. Ankoatra ny porofo matanjaka omen’ny tontolo nohariana, dia eo ihany koa ilay antsoina hoe:  tsangan-kevitra “cosmologique” (fandalinana miaraka ny firafitr’izao tontolo izao sy ny fiaviany ary ny fivoarany). Amin’ny kapobeny izy io dia fiheverana fa tsy nisy zavatra tongatonga ho azy ary tsy misy zavatra niforona ho azy, fa izay rehetra voaforona dia noforonin-javatra hafa talohany. Ary na inona na inona namorona izany dia tsy maintsy noforonin-javatra hafa talohany koa izy. Dia mitohy ary mitohy hatrany io tsingerina io, mandra-pijanontsika eo amin-javatra tsy nohariana, zavatra izay efa nisy hatrizay, zavatra izay tsy àry teto mihitsy. Ary ho iza moa izany fa tsy ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly?

Inona no ampianarin’ireto andininy manaraka ireto antsika mahakasika ny fiandohan’ny zava-drehetra? Apôk. 4:11; Kôl. 1:16,17; ary Jao. 1:1–3.


Mampianatra ny tena fanazavana mitombina indrindra manoloana ny Famoronana ireo andininy ireo: Andriamanitra misy mandritra ny mandrakizay. Misy mpandalina sasany tena manohitra ny hevitra momba an’Andriamanitra. Nitondra soso-kevitra hafa izy ireo. Tsy ny hoe Andriamanitra mahery sy mandrakizay no namorona izao tontolo àry rehetra izao no lazaina amintsika fa ny hoe “tsy nisy zavatra” namorona izany.  Na ny mpahay siansa malaza tahaka an’i Stephen Hawking aza dia manohana fa “tsy misy zavatra” namorona izao tontolo izao. Ankehitriny i Hawking dia mipetraka eo amin’ny toeram-boninahitra izay notanan’i Isaac Newton fahiny.

“Satria misy lalàna tahaka ny ivom-besatra, dia afaka mamorona ary hamorona ny tenany avy amin’ny tsy misy izao tontolo izao.” - Stephen Hawking and Leonard Mlodinow, The Grand Design (New York: Random House, 2010), t. 180.

Azo antoka fa manana asamarika lalina sy saro-takarina maro i Hawking mba hanoritsoritana ny heviny, saingy tsy maintsy hanontany tena ny olona iray hanao hoe: indreto isika izao, efajato taona taorian’ny niandohan’ny fivoarana ara-tsiansa, ary manolo-kevitra ny iray amin’ireo mpahay siansa ngezalahy indrindra eto an-tany fa avy amin’ny tsy misy izao tontolo àry rehetra izao sy ny zavatra rehetra ao anatiny. Ny fahadisoana dia fahadisoana, na dia ny mpahay siansa ngezalahy aza no milaza azy.

Hazony ao an-tsaina io tontolon-kevitra, dia vakio ny 1 Kôr. 3:19. Nahoana no tena zava-dehibe mandrakariva ho an’ny Kristianina ny mihazona io fahamarinana manan-danja io eo anoloantsika?



 Pejy ambony

TALATA

 

Ny boky voalohany indrindra (Mat. 6:34)

 

Araka ny efa hitantsika omaly, olona maro no tsy mino an’Andriamanitra. Manana antony tsara maro ho an’ny finoany anefa ireo izay mino an’Andriamanitra. Misy olana anankiray mitoetra maharitra izay nampiasain’ny tsy mpino nandritra ny anjato taonany maro hanamarinana ny tsy finoany anefa, dia ny olan’ny faharatsiana sy ny fijalian’ny olombelona. Ahoana no ahafahan’Andriamanitra ho tena tsara, tena fitiavana, ary tena mahefa ny zava-drehetra, kanefa misy koa ny faharatsiana? Vato nanafintohina ary mbola manafintohina ho an’ny maro io fanontaniana io. Ary izao koa, raha tena mahitsy isika, iza no mpino an’Andriamanitra, izay nanandrana sy niaina ny fisian’Andriamanitra sy ny fitiavany, no tsy mbola nitolona tamin’io fanontaniana io indraindray?

Koa mahaliana tokoa raha nampianatra izay ampianarin’ny lovantsofina jiosy i Ellen G. White: nanoratra ny bokin’i Jôba tany Midiana i Mosesy. Samy manohana ity hevitra ity i Ellen G. White sy ny tantara jiosy: “Tsy verivery foana ireo taona lava nitoerany ho irery tany an’efitra mangina. Tsy hoe nahazo fanomanana ho amin’ny asa lehibe teo anoloany fotsiny i Mosesy, fa nandritra io fotoana io, teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, dia nanoratra ny bokin’ny Genesisy sy ny bokin’i Jôba ihany koa izy. Hovakian’ny vahoakan’Andriamanitra amim-pahalianana lalina mandra-pahatonga ny andro farany ireo boky ireo.” – Narafitra avy tamin’ny SDABC, b. 3, t. 1140.

Ny tian’izany ambara amintsika dia izao: amin’ireo boky roa voalohany nosoratana ao amin’ny Baiboly, ny iray amin’ireo, ny bokin’i Jôba, dia miresaka momba ny olana maneran-tany mahakasika ny fahoriana sy ny fijalian’ny olombelona. Izany hoe, fantatr’Andriamanitra fa ho olana lehibe ho an’ny olombelona io fanontaniana mahakasika ny fijalian’ny olombelona io. Koa hatrany am-piandohana mihitsy no efa nasain’Andriamanitra nosoratan’i Mosesy tao amin’ny Baiboly ny tantaran’i Jôba. Ampahafantarin’Andriamanitra antsika, hatrany am-piandohana, fa tsy avela ho irery ao anatin’ny fahoriantsika sy ny fijaliantsika isika, fa eo mandrakariva Izy. Fantany avokoa ny mahakasika izany, ary afaka manana fanantenana isika fa halaminy izany amin’ny farany.

 

Vakio ny Mat. 6:34; Jao. 16:33; Dan. 12:1; ary ny Mat. 24:7. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika mahakasika ny tena fisian’ny faharatsiana?

 

Na dia azo takarina ihany aza ny tsangan-kevitr’ireo tsy mino an’Andriamanitra noho ny faharatsiana, dia tsy mitombina izany eo anatrehan’ny Soratra Masina. Na dia mampianatra ny fisian’Andriamanitra izay mahalala ny zavatra rehetra sy mahefa ny zavatra rehetra ary feno fitiavana aza ny Baiboly, dia ampianariny ihany koa ny fisian’ny faharatsiana, sy ny fijalian’ny olombelona, ary ny fahoriana. Tsy fialan-tsiny tsy hinoana an’Andriamanitra ny faharatsiana. Maneho amintsika tokoa mantsy ny famakiana ambangovangony ny bokin’i Jôba fa na dia tao anatin’ny fahakiviana lalina aza i Jôba, dia tsy niahiahy na oviana na oviana ny fisian’Andriamanitra. Tsy izany, fa ny fanontaniana napetrany, ary fanontaniana mitombina tokoa, dia ny hoe: Nahoana no mihatra aminy ireo zavatra ireo?

 

Zavatra mandeha ho azy fotsiny amintsika ny fametrahana fanontaniana mahakasika ny faharatsiana iainantsika. Ahoana no ahafahantsika mianatra ny hatoky ny fahatsaran’Andriamanitra, na dia eo aza ny faharatsiana?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Ilay olana mahasanganehana (Jôba 6:4–8)

Vakio ny Jôba 6:4–8 sy ny Jôba 9:1–12. Inona no olana itoloman’i Jôba? Inona no fanontaniana tsy apetrany?

Araka izay voambara tao amin’ny lesona omaly, tsy miseho na oviana na oviana ao amin’ny bokin’i Jôba ny fanontaniana mahakasika ny fisian’Andriamanitra. Izao tokoa mantsy no fanontaniana nipetraka: nahoana i Jôba no mandalo ireo fitsapana ireo? Ary raha dinihina ny zavatra rehetra nihatra taminy dia azo antoka fa fanontaniana ara-drariny io, indrindra noho izy nino an’Andriamanitra. Fa ahoana kosa ny amin’ireo tsy mino Azy? Andeha, ohatra, atao hoe tsy mino an’Andriamanitra ny olona iray, ary ianjadiam-pahoriana izy. Afaka miteny io tsy mpino an’Andriamanitra io fa mazava sy tsotra ny fanazavana ny fijaliana sy ny zava-tsarotra. Na izany na tsy izany, hoy izy, isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray tsy misy heviny sy tsy misy tanjona, izay tsy miraharaha antsika. Noho izany, eo anivon’ny olona mangatsiaka sy tsy miraharaha, sy ny natiora mampangirifiry, dia matetika isika no iharam-pahoriana tsy misy tanjona. Ahoana koa moa no hananany tanjona manokana? Raha toa ka tsy misy tanjona ny fiainana, dia tsy maintsy ho tsy misy heviny tahaka izany koa ireo fahoriana tonga miaraka amin’izany fiainana izany.

Maro no mety hahita io valinteny io ho tsy mahafa-po sy tsy misy antenaina, saingy ho mitombina izany raha tsy nisy Andriamanitra. Hafa anefa ny olana mahasanganehana, ho an’i olona tahaka an’i Jôba.

Vakio ny Jôba 10:8–12. Ahoana no anampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ireo fanontaniana mahavalalanina itoloman’i Jôba?

Eny tokoa, mitovy amin’ny fanontaniana nitoloman’ny ankamaroan’ireo mpino an’Andriamanitra, sy mbola itoloman’izy ireo hatrany, ny fanontaniana izay nitoloman’i Jôba. Raha misy tokoa izany Andriamanitra tsara sy feno fitiavana izany, dia nahoana no mijaly tahaka izao ny olombelona? Nahoana no misetra fijaliana sy fitsapana hatramin’ireo olona “tsara”, kanefa matetika no toa tsy miteraka zava-tsoa ireo fijaliana sy fitsapana ireo? Eto koa, ho tsotra sy mazava ny valinteny raha tsy misy Andriamanitra eto amin’izao tontolo àry rehetra izao: mijaly isika satria velona ao anatin’ny tontolo iray mangatsiaka sy tsy miraharaha izay momba antsika, ary niforona tsy nahy tao aminy ny olombelona.

Nahafantatra zavatra tsara kokoa noho izany i Jôba. Isika ihany koa, ary izany no mahatonga antsika hitolona amin’ny fanontaniana mahakasika ny fahoriana.



 Pejy ambony

ALAKAMISY

Ny “théodicée” (Foto-kevitra izay milaza fa mahefa ny zava-drehetra sy feno fitiavana Andriamanitra, na dia misy aza ny faharatsiana) (Rôm. 3:1–4)

 

Vakio ny Rôm. 3:1–4. Na dia ny tsy fahatokian’ny vahoakan’Andriamanitra sasany aza no tontolon-kevitra mivantana hita ao amin’ireo andininy ireo, dia inona no olana goavana kokoa izay resahin’i Paoly eto? Inona no ambaran’i Paoly mahakasika an’Andriamanitra?

 

Mamerina izay voalaza ao amin’ny Sal. 51:4 i Paoly ka milaza fa ny Tompo dia “hohamarinina amin'ny teninao Hianao, ary hahery rehefa manana ady” - Rôm. 3:4. Lohahevitra iray izay mipoitra any amin’ny toerana samy hafa ao amin’ny Baiboly io hevitra aseho eto io. Antsoina hoe “théodicée” izany, ary miresaka momba ny fahatakarana ny fahatsaran’Andriamanitra eo anatrehan’ny faharatsiana. Resaka tranainy izay nofakafakaintsika nandritra ny herinandro izy io. Tena maneho ny “théodicée” marina tokoa mantsy ilay fifanandrinana lehibe iray manontolo. Haseho eo anatrehan’ny olombelona, eo anatrehan’ny anjely, ary eo anatrehan’izao tontolo izao ny fahatsaran’Andriamanitra, na dia eo aza ny faharatsiana izay mitranga eto amin’izao tontolo izao.

Voavaha izao ny olana rehetra momba ny fahamarinana sy ny hevi-diso nandritra ilay ady nitarazoka naharitra ela. Mazava eo imason’ny voary manan-tsaina rehetra ny vokatry ny fikomiana, ny tsy firaharahana ny fitsipika nomen’Andriamanitra. Voaseho eo anatrehan’izao rehetra izao ny vokatra nateraky ny fanapahan’i Satana izay mifanohitra tanteraka amin’ny an’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Ny asan’i Satana ihany no manameloka azy. Ny fahendren’Andriamanitra, ny fahamarinany, ny hatsaram-panahiny, dia voaporofo miharihary izao. Hita fa ny fihetsiny rehetra nandritra ny ady lehibe dia nobaikoin’ny fikatsahana ny hahasoa mandrakizay ny vahoakany sy ny tontolo rehetra nohariny.” – HM, t. 698.

Mety ho sarotra ho antsika ankehitriny ny mahatakatra io hevitra io, noho isika milomano ao anatin’ny tontolo feno fahotana sy fahoriana. Raha sarotra ho antsika izany, dia alaivo sary an-tsaina ny zavatra tsy maintsy ho noeritreretin’i Jôba! Rehefa hifarana anefa ny zavatra rehetra, dia ho hitantsika ny fahatsaran’Andriamanitra, sy ny fahamarinany, sy ny fitiavany, ary ny tsy fiangarany teo amin’ny fihetsiny rehetra nanoloana ny olombelona, nanoloana an’i Satana, ary nanoloana ny fahotana. Tsy midika izany fa tsara avokoa ny zavatra rehetra mitranga eto amin’izao tontolo izao; hita miharihary fa tena tsy tsara avokoa izany. Midika fotsiny izany fa miatrika ny fahotana sy ny fahoriana eto amin’izao tontolo izao amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azo atao Andriamanitra. Ary rehefa hifarana ity fanandramana mahatsiravina miaraka amin’ny fahotana ity, dia ho afaka hihiaka isika hanao hoe: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.” - Apôk. 15:3.

 

Nahoana no tena manan-danja tokoa ny midera an’Andriamanitra, na dia izao ankehitriny izao aza, na dia eo anivon’ny fitsapana izay toa sarotra zakaina aza?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Nanoratra boky izay miresaka momba ny fahafatesan’ny vadiny sy ny tolona natrehany mba hanekena izany fahafatesany izany ny mpanoratra kristianina iray, i C. S. Lewis. Izao no nosoratany:

“Tsy tandindomin-doza ny hitsahatra tsy hino an’Andriamanitra intsony aho (araka ny hevitro). Ny tena loza mandindona ahy dia ny finoana zavatra mahatsiravina tahaka izany momba Azy. Ny tsoa-kevitra tena atahorako dia tsy ny hoe: ‘Koa tsy misy izany Andriamanitra’, fa ny hoe: ‘Koa tahaka izao izany no tena toetran’Andriamanitra. Aza mamitaka ny tenanao intsony ianao.’” - A Grief Observed, t. 6,7. Io ihany koa no resaka nampiady saina an’i Jôba. Araka ny hitantsika, tsy mbola nisalasala na oviana na oviana momba ny fisian’Andriamanitra i Jôba. Ny resaka mahakasika ny toetran’Andriamanitra no nampiady saina azy. Nanompo tamim-pahatokiana an’Andriamanitra i Jôba. Lehilahy “tsara” i Jôba. Fantany, noho izany, fa tsy mendrika ho azy ireo zava-dratsy izay nihatra taminy. Koa nametraka fanontaniana izy, fanontaniana izay apetraky ny olona maro izay mino an’Andriamanitra rehefa misy olana mitranga: Manao ahoana no tena toetran’Andriamanitra? Ary tsy ny fitadiavana ny valin’izany ve no tena toetran’ny fifanandrinana lehibe? Ny fanontaniana dia tsy hoe: Misy ve izany Andriamanitra izany? Fa ny hoe: Iza moa Izy? Ary manao ahoana ny toetrany?

Misy zavatra maro tafiditra ao anatin’ny famahana ny olan’ny fifanandrinana lehibe. Na dia izany aza, tsy isalasalana fa ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana,  mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, dia naneho tamin’izao tontolo izao ny tena toetran’ny Mpamorona antsika. Teo amin’ny hazo fijaliana no “nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana” – Efes. 5:2. Maneho amintsika ny Hazo Fijaliana fa Andriamanitra azontsika rehetra itokiana ny Andriamanitsika.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

1. Diniho lalina ny resaka mahakasika ny fijaliana ho an’ireo tsy mino an’Andriamanitra. Araka ny hitantsika, tsy ilain’izy ireo ny mitolona amin’ireo fanontaniana izay apetrak’ireo mino an’Andriamanitra rehefa miatrika trangan-javatra tena mampalahelo izy ireo. Etsy ankilan’izay, inona no fanantenana mety ananany ny amin’ny fahazoana valiny, na koa fahitana vahaolana? Alaivo sary an-tsaina izany hoe misetra ny zavatra rehetra lalovantsika eto amin’ity tany ity, ary avy eo mino fa mifarana ao am-pasana avokoa ny zava-drehetra, tsy misy zavatra antenaina ao ambadik’izany. Tsy isalasalana fa ho kivy amin’ny fiainana na koa amin’ny fitadiavana ny hevitry ny fiainany ny tsy mpino maro. Feno fitarainana momba ny maha tsy misy heviny izany rehetra izany ireo asasoratr’izao tontolo izao. Koa ahoana àry, eo anivon’ireo alahelontsika eto, no ahafahantsika misintona fanantenana avy amin’ny finoantsika, na dia mbola misy fanontaniana saro-baliana mitoetra aza?

 

2. Nahoana no zava-dehibe ho antsika, izao ankehitriny izao, ny mandinika lalina ny momba ny hazo fijaliana? Ny hazo fijaliana tokoa mantsy no fanehoana mahery vaika indrindra ananantsika momba ny fitiavan’Andriamanitra sy ny toetrany. Rehefa safotry ny alahelo sy ny olana tampoka ary ny faharatsiana tsy hay hazavaina isika, dia inona no ambaran’ny Hazo Fijaliana amintsika mahakasika ny toetran’Andriamanitra? Rehefa apetratsika eo anoloantsika mandrakariva ny Hazo Fijaliana, dia inona no fanantenana azontsika sintonina ho antsika manokana, na inona na inona mety atrehintsika ankehitriny?

 Pejy ambony