MITOHY NY FIFANANDRINANA EO AMIN’I KRISTY SY I SATANA
 
Sabata HARIVA — 23 JANOARY
 

HODINIHINA MANDRITRA NY HERINANDRO
: 1 Sam. 17:43–51; 2 Sam. 11:1–17; 1 Mpanj. 18:21–39; 2 Mpanj. 19:21–34; Est. 3:8–11; Neh. 1.
 
tsianjery:Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: ‘Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy.’ Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.” - Neh. 2:18.
 
Rehefa mampitaha ny fiainan’i Davida, sy i Elia, sy i Hezekia, sy i Estera, ary i Nehemia isika, dia misy lohahevitra na foto-kevitra mitovy mivoitra avy amin’izany, dia ny hoe: afaka mampiasa olona “tsinontsinona” Andriamanitra mba hampiverin-dalana ny onjan’ny faharatsiana. Azontsika hianarana amin’ny alalan’ny sasany amin’ireo tantara ireo fa tsy ilaintsika ny ho lasa malemy manoloana ny herin’ny faharatsiana, na dia eo aza ireo sakantsakana goavana. Afaka mijoro tsy azo hozongozonina tokoa mantsy isika, saingy amin’ny herin’Andriamanitra irery ihany. Mahatoky mandrakariva amin’ireo teny fikasana nataony fanekena Izy. Tanteraka ho antsika tao amin’i Jesôsy ireo teny fikasana ireo. Rehefa maharitra ao anatin’ny herin’Andriamanitra ny vahoakany, dia ho hitan’izy ireo fa tsy mahery vaika handresy azy ny herin’ny ratsy.
Ny zavatra fototra, sy ny fihaikana ihany koa, dia ny hifaliantsika ao anatin’ny herin’Andriamanitra manafaka. Tsy mandeha ho azy mandrakariva izany eo anivon’ireo tena fihaikana izay matetika sedraintsika. Matetika izy ireny no fihaikana tena lehibe lavitra noho ny tenantsika. Asam-pinoana sy fiankohofana ny fahatsapana fifaliana amin’ny herin’Andriamanitra mamonjy, mialoha ny hanafahany antsika. Noho izay nataon’i Kristy ho antsika, dia ny mitoky amin’ny fahatokian’Andriamanitra no zavatra mendrika sy sahaza indrindra azontsika atao.
 
 
Alahady                                       24 Janoary

Davida, Goliata, ary Batseba (1 S
am. 17:43–51)
 
     Tsy mora ny mahatakatra ny fiainana, satria sarotra takarina isika, amin’ny maha-olombelona antsika. Ohatra, isika dia noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra, ilay Mpahary izao rehetra izao. Nikomy tamin’Andriamanitra sy tamin’ny lalany avokoa anefa isika rehetra. Koa tsy mahagaga raha afaka mahatratra haavo ambony ny fahafahantsika manao ny tsara sy ny ratsy. Ary tsy ity manaraka ity fotsiny ihany no zava-mitranga: misy olona sasany mahatratra haavo ambony eo amin’ny “fahatsarana” raha ny sasany kosa mitotongana any amin’ny marika ambany lalina indrindra amin’ny faharatsiana. Tsy io ihany no zava-mitranga fa mety ho tratran’ny olona iray ihany ireo haavo ambony sy ambany ireo! Ny vaovao mahafaly lehibe dia ny hoe: ireo izay tany amin’ny haavo ambany indrindra tamin’ny fotoana iray, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nanao zava-dehibe ho Azy sy ho an’ny olona. Mazava loatra fa mety mitranga ihany koa ny mifanohitra amin’izany. Ohatra, mety ho lavo any amin’ny marika ambany indrindra ireo izay teo amin’ny haavo ambony indrindra. Tena misy i Satana. Tena misy ny ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Koa mety ho latsaka ao anatin’ny fandrik’i Satana na dia ny tsara indrindra amintsika aza raha toa ka tsy mifandray mandrakariva amin’ny Tompo isika (1 Pet. 5:8).

Vakio ny 1 Sam. 17:43–51. Inona ireo teny nivoaka avy tamin’ny vavan’i Davida izay tena manan-danja tokoa mba hahatakarana ny fandreseny? Rehefa izay dia vakio indray ny 2 Sam. 11:1–17. Inona no fahasamihafana goavana hitantsika eto, ao amin’io lehilahy io ihany? Inona no nahatonga ilay fahasamihafana?
 
Ilay Davida nandresy an’i Gôliata goavambe ihany no ilay Davida resin’ny filany sy ny fahatokian-tenany. Firy ny vehivavy efa nananan’i Davida? Nahita vehivavy iray hafa indray anefa izy, vehivavy manambady, ary tampoka teo, nankaiza daholo ireo resaka momba ny hoe: “an'i Jehovah ny ady” (1 Sam. 17:47) na ny hoe: “mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely” (1 Sam. 17:46)? Nilain’i Davida ny nahafantatra fa tsy teny amin’ny faritry ny ady teo amin'ny lohasaha Elaha ny ady, fa tao anatin’ny zorony miafina tao am-pony. Ao no mitranga ny fifanandrinana lehibe eo amintsika tsirairay.
Tsy ela anefa dia tonga saina i Davida taorian’io fahalavoana mahatsiravina niaraka tamin’i Batseba io. Nalahelo sy nahatsiaro tena ho meloka fatratra izy ary naharitra nandritra ny androm-piainany izany. Nitarika an’i Davida hanoratra ny Sal. 51 ny alahelony. Ao anatin’io salamo io i Davida dia mangataka amim-pitalahoana fo madio (and. 10) sy ny hiverenan’ny fisakaizana nisy teo aminy sy Andriamanitra (and. 11,12). Eo amin’ny ady lehibe eo amin’i Kristy sy i Satana, dia mety handairan’ny fahalemena tahaka ny olona amin’ny laharana ambany indrindra ihany ny lehilahy mahery. Kanefa mbola vonona hiara-miasa amin’ireo rehetra mibebaka marina Andriamanitra.
 
Eritrereto izao dia izao ny momba ny tenanao, ny fahadisoam-panantenanao, ary ny tsy fahatanterahanao. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo lesona avy tamin’ireo tantaram-piainanao amin’ny toe-javatra rehetra atrehinao, izao dia izao.
 
 
Alatsinainy                                       25 Janoary

Mampiverina ny fony (1 M
panj. 18:21–39)

     I Elia Tisbita no iray amin’ireo olona miavaka indrindra ao amin’ny Baiboly. Mijoro eo anoloan’ny mpanjaka talanjona no ahitantsika azy voaloahany, manambara amin’ilay mpanjaka fa tsy hisy ranonorona mandritra ny telo taona ho avy (1 Mpanj. 17:1). Tsy mora ny manatona mpanjaka na ny mandositra azy. Kanefa nisikina ny fehin-kibony hoditra i Elia (2 Mpanj. 1:8) ka nisisika fotsiny tao anatin’ireo mpiambina, nampita ny hafatr’Andriamanitra, ary nandositra tany an-tendrombohitra, teo ho eo amin’ny lalana roa ambin’ny folo kilaometatra niala avy teo.
     Fotoana nampahonena ho an’ny fanjakan’ny Isiraely avaratra io. Nanadino an’i Jehôvah Andriamanitra ny ankamaroan’ny vahoaka (1 Mpanj. 19:10), ary nanompo andriamanitra tsi-izy tahaka an’i Bala izy ireo. Fihaikana mivantana an’i Bala ny filazana fa tsy hisy ranonorana. Nino tokoa mantsy ny vahoaka fa hitondra ranonorana i Bala ka hanampy amin’ny fitomboan’ny voly sy ny biby fiomby, izay hampanan-karena tokoa ny mpamboly sy mpiompy. Ny andriamanitry ny fahavokarana sy ny fiharian-karena no andriamanitra fototra nivavahana.
     Tsy nahavita nanao na inona na inona anefa ireo andriamanitry ny fahavokarana nandritra ireo telo taona nanaraka. Rehefa izay dia nihaika ny mpanjaka indray i Elia ka nangataka fampifanatrehana ho fanehoan-kery eo aminy, etsy ankilany, sy ireo mpaminanin’i Bala rehetra sy ny andriamani-bavy Aseraha (andriamani-bavin’ny fahavokarana), etsy andaniny. Fanamby eo amin’ny olona iray sy ny olona dimapolo sy valonjato izany (1 Mpanj. 18:17–20).
Rehefa tonga ny andro ka vory teo an-tampon’ny tendrombohitra Karmela ny vahoaka, dia nitodika tamin’ny vahoaka i Elia ka niteny hoe: “‘Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?’” - 1 Mpanj. 18:21. Nofidina ary nomanina hatao fanatitra ny vantotr’ombilahy, ny olona kosa niandry, dodona ny hamantatra izay andriamanitra tena mahery ka afaka mamaly amin’ny afo avy any an-danitra. Ny vantotr’ombilahy no sary mahery vaika indrindra teo amin’ny fivavahana amin’ny fahavokarana tamin’ny andron’ny TT. Azo antoka fa haneho ny heriny ireo andriamanitry ny fahavokarana.
 
     Vakio ny 1 Mpanj. 18:21–39. Marina tokoa fa ny fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy no tena lohahevitra eto. Inona anefa no tena tian’i Elia hitranga eo amin’ny Isiraely? Ary nahoana no tena manan-danja tokoa ho antsika ankehitriny izany?
 
Milaza ny zava-drehetra ny 1 Mpanj. 18:37. Tena nampitolagaga ilay fahagagana, saingy tsy izany no tena tanjona nokendrena. Ny fahatokian’ny Isiraely amin’ny fanekena no tena tanjona nokendrena. Mariho ihany koa izay nampiverina ny fon’izy ireo. Jehôvah mihitsy no nampiverina ny fon’izy ireo, talohan’ny nitrangan’ilay fahagagana mihitsy aza. Tsy manery ny fo hiverina Aminy anefa Andriamanitra. Mandefa ny Fanahiny Masina Izy. Ny olona kosa tsy maintsy mifidy ny hiverina amin’Andriamanitra aloha, amin’ny fanaovana zavatra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra irery ihany no ahafahany manao izany safidy izany. Mitovy tsy misy valaka amin’izany ihany ny ankehitriny. Ny herin’Andriamanitra irery ihany no mihazona ny fitempon’ny fo tsirairay. Tsy manery na dia ny iray amin’ireo fitempon’ny fo ireo anefa Izy mba hanaraka Azy.
 
 
Talata                                        26 Janoary

TENIM-PIKOMIANA (2 M
panj. 18:28–30)
 
Mpanjakan’ny Joda i Hezekia rehefa nandresy ny fanjakana avaratry ny Isiraely ilay fanjakana matanjaka dia matanjaka vaovao, i Asiria, ka nampiely ny vahoaka nanerana an’i Mezôpôtamia (2 Mpanj. 18:9–12). “Izay tsy azony natao intsony tamin’ny alalan’ny Isiraelita teo amin’ny tanindrazany, dia niezahany notanterahina tamin’ny nanaparitahany azy tany amin’ny mpanompo sampy. Ny hamonjena izay rehetra te hahazo famelan-keloka izay nomena tamin’ny alalan’Ilay Mpamonjy ny olombelona no zava-kendren’izany drafitra izany. Ary teo amin’ny fizahan-toetra nihatra tamin’ny firenen’Isiraely no nikasan’Andriamanitra hanambarana ny voninahiny tamin’ny firenena manerana ny tany.” – MM, t. 244
Nampitodika ny fifantohany tamin’ny Joda ny mpanjaka asirianina Sankeriba taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nambabo ny tanànany matanjaka rehetra. Nampitondra hetra mavesatra ho an’ny vahoaka ihany koa i Sankeriba (2 Mpanj. 18:13–15). Koa nofoanan’i Hezekia ny tempoly sy ny tahirin’ny lapa. Mbola tsy afa-po ihany anefa ilay mpanjaka asirianina ka naniraka manam-pahefana mba hifampiraharaha ny amin’ny famaboana an’i Jerosalema.
     Rehefa izay dia nataon’ny Asirianina fihomehezana ny vahoakan’Andriamanitra. Notsindriny fa tsy nahavonjy ireo firenena manodidina azy ireo tamin’i Asiria ny andriamanitr’ireo firenena ireo. Koa inona no mahatonga ny Jiosy hieritreritra fa hanao tsara kokoa noho izany ny Andriamaniny? (Vakio ny 2 Mpanj. 18:28–30,33–35.)
     Koa nanao ny zavatra tokana azony natao i Hezekia. Nivavaka izy (2 Mpanj. 19:15–19). Efa nampiasa an’i Isaia mba hampahery an’i Hezekia Andriamanitra (2 Mpanj. 19:6). Ary ankehitriny dia mbola naniraka io mpaminany io ho any aminy indray Izy.
 
     Vakio ny 2 Mpanj. 19:21–34, indrindra ny 2 Mpanj. 19:21,22. Inona no hafatr’Andriamanitra ho an’ny vahoakany nandritra io olana mahatsiravina io?
     Tsy ela dia nitoby nanodidina ireo mandan’i Jerosalema ny tafika asirianina lehibe. Nifoha ny mponina feno horohoro tao amin’ilay tanàna indray maraina, nieritreritra ny hahita ireo hetsika farany hataon’ny tafika mpambabo eo an-dalam-pandravana ireo mandan’ny tanànany. Tsy izany anefa no hitany fa miaramila maty nitsirara teo amin’ny tany sy niely teny rehetra teny, hatrany amin’izay lavitra indrindra tazan’ny maso (2 Mpanj. 19:35). Nody ilay mpanjaka asirianina sanganehana, saingy novonoin’ny roa tamin’ireo zananilahy izy (2 Mpanj. 19:36,37).
 
Ahoana no ahafahantsika mianatra ny mitoky amin’Andriamanitra, na dia mandritra ireo toe-javatra mahakivy sy toa tsy azo hihoarana indrindra aza? Nahoana no tsy maintsy hazonintsika ao an-tsaintsika mandrakariva ny sary iray manontolo rehefa tsy mifarana tsara mandrakariva ny toe-javatra lalovantsika eto amin’ity fiainana ity?
 
 
Alarobia                                     27 Janoary

Didy fampamonoana (E
st. 3:8–11)
 
     Tena sarotra ho antsika ankehitriny ny mahatakatra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny fanjakana persianina nandritra ny vanim-potoanan’ny Baiboly. Teo no nanomboka ny tantaran’i Estera. Misy zavatra iray azo antoka anefa: nampiasa io fanjakana io Andriamanitra ho fihazonana sy ho fanatanterahana ireo teny fikasana nataony fanekena tamin’ny firenen’ny Isiraely. Teny fikasana nipaka hatrany amin’i Abrahama ireo (Vakio ny Gen. 12:1–3; Isa. 45:1; 2 Tant. 36:23).
     Lasa mpanjakavavy ilay tovovavy jiosy tanora Estera. Tamin’ny alalan’ny fomba tsy mitovy amin’ny an’i Josefa tany Egipta na ny an’i Daniela tany Babilôna no niakaran’i Estera teo amin’ny fahefana. Kanefa teo amin’ny toerana izay tena nilain’Andriamanitra hisy azy mihitsy i Estera (tahaka an’i Josefa sy i Daniela ihany). Nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahery vaika ihany koa izy. Mampianatra antsika ny fomba mety hisehoan’ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tantara izany.
          Vakio ny Est. 3:8–11. Ao anatin’ny fihazonana ao an-tsaina ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny vahoaka jiosy, indrindra ny fiavian’i Mesia, inona no ho vokatra hateraky ny fahombiazan’io didy fampamonoana io? 
 
     “Tsy mba nanana ahiahy mihitsy tamin’izay ho fiantraikan’io didy io ny mpanjaka raha ohatra ka ho tanterahina ara-bakiteny izany. Satana, ilay mpamporisika miafina izany teti-dratsy izany, dia niezaka hanafoana teto an-tany ny fisian’io vahoaka izay nitahiry ny fahalalana an’Andriamanitra marina io.” – MM, t. 491. Ary avy amin’ireo olona ireo ihany koa no hiavian’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao.
     Mahaliana tokoa fa io olana io dia nanomboka tamin’ny fiankohofana (vakio ny Est. 3:5,8) sy ny fandavan’ny antokon’olona manokana tsy hanaraka ny lalàna sy ny fomba amam-panaon’ireo olona eo amin’ny fahefana. Tsy hitovy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Estera ny tontolon-kevitra izay hitarika ho amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany. Fa hitovy amin’ny tamin’izany kosa ny toe-javatra hatrehin’ny mpino amin’ny andro farany, ary ny fifanandrinana lehibe eo amin’i Kristy sy i Satana io toe-javatra io. Hiatrika zavatra tahaka izay natrehin’i Jiosy teto ireo izay mahatoky amin’Andriamanitra. Efa nampitandremana isika fa, ao anatin’ireo sehon-javatra mamarana ny tantaran’ny tany, dia hivoaka ny didy fampamonoana milaza fa: “hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia.” – Apôk. 13:15. Misy zavatra iray azo antoka anefa: na dia miverimberina aza ny tantara, dia matetika isika no tsy mandray ny lesona tokony horaisintsika avy amin’izany.
 
     Nahoana isika no matetika miahiahy ireo izay tsy mitovy amintsika? Nahoana no tokony haneho amintsika ireo fahamarinana matanjaka momba ny Famoronana sy ny famonjena fa tena diso tokoa io fihetsika io? Ahoana no ahafahantsika manadio ny fontsika ho afaka amin’io fahadisoana mahatsiravina io?
 
 
 
Alakamisy                                     28 Janoary

I Nehemia (N
eh. 1)
 
     Niseho tamin’ny fotoana tsy nananan’ny firenen’ny Isiraely fanjakana ho azy manokana intsony ny tantaran’i Nehemia. Lasa vahoaka sisa niely nanerana ireo firenen-kafa tokoa mantsy izy ireo. Hitoetra ho mahatoky amin’ny teny fikasana nataony fanekena anefa Andriamanitra, tahaka ny ataony mandrakariva, na dia rehefa tsy nahatandrina ilay fanekena aza ny vahoakany. 
 
     Vakio ny Neh. 1. Inona no tantara manodidina io vavaka nataon’i Nehemia io? Amin’ny lafiny inona no ampahatsiahivan’izany antsika ny vavaka nataon’i Daniela ao amin’ny Dan. 9:4–19? Inona no olana ao amin’ireo tranga roa ireo? Ary ahoana no anehoan’io olana io ny sehon’ny fifanandrinana lehibe iray manontolo?
 
Nahazo alalana hiverina sy hanangana an’i Jerosalema i Nehemia noho ny fahamoram-pon’ny mpanjaka. Nandany ireo andro vitsivitsy voalohany hizahana fotsiny i Nehemia tamin’ny fiverenany tany Jerosalema. Niezaka nanadihady ny tanàna izy noho ny alina, saingy tena nipariparitaka loatra ireo korontam-bato ka tsy lasa lavitra izy (Neh. 2:14). Koa nankany ivelan’ireo manda izy mba hanadihady izany avy any ivelany (Neh. 2:15).
 
     Vakio ny Neh. 2:16–18. Araka ny hevitrao, tamin’ny fomba ahoana no nanaingan’i Nehemia ireo mpitarika mba hanomboka hiasa amin-javatra izay noeritreretin’izy ireo fa tsy ho vita? Inona no azon’i Nehemia ampianarina ny fiangonantsika ankehitriny?
    
     Tsy nolazain’i Nehemia tamin’ireo mpitarika aloha ny anton’ny niaviany. Nisy olona sasany tsy faly anefa ka nanao izay azon’izy ireo natao rehetra mba hanakanana ny fanatanterahana ny asa fanatsarana an’i Jerosalema (Neh. 2:10,19,20). “Tezitra sady sosotra loatra” (Neh. 4:1) ireo mpitarika vahiny ireo rehefa nanomboka ny asa fanarenana ny manda (Neh. 3). Nihomehezany ny ezaka natao (Neh. 4:2,3). Nanao drafitra fanafihana (Neh. 4:7,8) indray anefa izy ireo rehefa hitany fa matotra tamin’ny asany ny vahoakan’Andriamanitra (Neh. 4:6).
     Tena mora tokoa ny nilavo lefona ka nampijanona ny asa tamin’izay, saingy nanohy niasa hatrany ny Jiosy na dia teo aza ireo drafitra hanoherana ny asany. Tao anatin’ny fatokiana an’Andriamanitra no nanarahan’i Nehemia maso ny fanorenana indray ny manda sy nametrahany ny fandrahonan’ireo fahavalony teo am-pelatanan’Andriamanitra (Neh. 6:14, 15).
 
     Samy miatrika olana avokoa isika rehetra. Ahoana no ahafantarantsika ny fotoana tokony hilavoantsika lefona sy ny fotoana tokony handrosoantsika hatrany? 
 
 
Zoma                                         29 Janoary

FIANARANA FANAMPINY:
Tsy isalasalana fa nampianatra antsika ny lesona tamin’ity herindro ity hoe impiry ny Baiboly no maneho ny fahatokian’Andriamanitra amin’ny olony. Mazava loatra fa tsy dia niharihary mandrakariva izany fahatokiana izany tamin’ny tranga maro, tamin’ny fotoana nisehoan’ireo toe-javatra ireo. Tao anatin’ireo tantara izay nianarantsika isika dia afaka nanaraka ny tantara hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany, amin’ny fomba izay tsy nahafahan’ny sasany tamin’ireo olona ireo, tahaka an’i Oria Hitita, nahita izany. Tafiditra ao amin’ilay ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy isika ankehitriny, tahaka ny naha-azo antoka fa nahatafiditra an’ireo olona tao amin’ny Baiboly tao anatin’izany. Ary tsy izy ireo ihany, fa nisy olona maro hafa izay tena nisy tokoa tahaka ireo izay tsy dia niaina toe-javatra tsara fiafara mandrakariva. Izany no maha-zava-dehibe ho antsika, amin’ny maha-Kristianina antsika, ny hahatsiarovantsika io fifanandrinana lehibe io, indrindra amin’ny fotoana sarotra. Ireto no teny mahafinaritra ambaran’i Paoly: “Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” - 
2 Kôr. 4:16-18. Miezaka “mampahita” antsika ny ao ambadiky ny fiainantsika ankehitriny i Paoly eto. Te-hilaza amintsika ihany koa izy fa mahatonga an’ity fiainana ankehitriny ity ho mihoatra noho ny zioga mampangirifiry fotsiny ihany ny fanantenana ny amin’ny fiainantsika ho avy any an-danitra.
 
fanontaniana ifanakalozan-kevitra:
 
1. Inona ny sasany amin’ireo teny fikasana hafa ao amin’ny Baiboly izay manondro ny fanantenana lehibe indrindra ho antsika? Mitadiava maro araka izay azonao atao, ary ento eo amin’ny kilasin’ny Sekoly Sabata izany. Karazan-tsary inona no omen’izany ho antsika?
 
2. Noho i Davida notahian’Andriamanira fatratra tokoa no nahatonga ny fahalavoany ho tena mampalahelo tokoa. Nomena betsaka izy nefa mbola nanota tahaka iny nataony iny ihany. Aza mifantoka amin’ny lafy ratsin-javatra fa eritrereto ny ampahany tsara amin’ny tantaran’ny fahadalany iray manontolo, dia ny fahasoavan’Andriamanitra, na dia amin’olona izay avy tamin’ny toerana ambony dia ambony tokoa nefa lavo ambany dia ambany tokoa. Inona no ambaran’izany amintsika momba ny maha-feno ny sarany izay naloan’i Jesôsy ho famonjena antsika? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra marimarina tokoa fa mamela antsika amin’ny fahafenoany Andriamanitra rehefa mibebaka tahaka an’i Davida isika, na inona na inona no efa nataontsika, sy na hatraiza na hatraiza no efa nahalavo antsika tao amin’ny fahotana?