LESONA 5

23 - 29 APRILY

Ilay ady hita maso sy tsy hita maso

LESONA 5 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA


Filentehan’ny masoandro: 5.35

 

Tsianjery: “Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.” - Mat. 11:12.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 11:11,12; Apôk. 5:5; Mat. 12:25–29; Isa. 27:1; Mat. 11:1–12; Heb. 2:14.

 

Fiambenana maraina: Nitsangana Izy, nandresy - Jao. 20

 

Isan’andro isika dia mandray fanapahan-kevitra manan-danja momba ny fomba fiainana, ny fifandraisana, ny asa, ny laharam-pahamehana, ny fialam-boly, ary ny namana. Ilaintsika ny mahazo antoka fa takatsika ny tena votoatin’ireo safidy ireo mba hahatakarana amin’ny fahafenoany ny maha-zava-dehibe azy ireo. Ilaintsika ny manaisotra ny voaly manarona ka hijery ny tsy hita, satria mampianatra antsika ny Baiboly fa misy hery tsy hita maso izay manana hery miasa mangina lehibe eo amin’izay zavatra hitantsika.

Velona amin’ny vanim-potoan’ny siansa isika ka tsy tokony hanana olana eo amin’ny finoana ny hery tsy hita maso. Isika izay mahafantatra ny momba ny taratra X (“rayon X), ny onjam-peo, ary ny fifandraisana tsy an-tariby, dia tokony hino mora foana ny zavatra tsy hitantsika. Amin’ny antso alefantsika na raisintsika amin’ny alalan’ny finday tsirairay, na amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny zana-bolana jerentsika, dia miatrika zava-misy tsy hita maso ihany koa isika, zavatra tsy hita maso izay mahatonga ireo fanandramana hita (sy re) ireo ho tena misy tokoa.

Tena miseho eny amin’ny manodidina antsika rehetra eny ny ady lehibe ifanandrinan’i Kristy sy i Satana. Mizotra tsy hita maso any ambadiky ny tontolo hita maso izay iainantsika andavanandro izany. Amin’ity herinandro ity isika dia handalina andalan-teny avy ao amin’ny bokin’i Matio (sy avy amin’ny boky hafa koa) izay hanampy amin’ny fampiharihariana ireo hery tsy hita maso ireo sy ny fiasan’izy ireo eo amin’ny fiainantsika sy ny safidintsika.

Pejy ambony

ALAHADY: MATIO 11:11,12

Fiambenana maraina: Vita tombo-kavatsa ny tanany - Isa. 49:15,16

Tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina. Aseho mazava ao anatin’izany ny drafi-pamonjena. Na izany aza, misy andalan-teny mety ho sarotra takarina ihany. Tsy tokony hahagaga anefa izany. Na dia eo amin’ny lafiny tsirairay amin’ny fiainana ankapobeny aza, mantsy, dia mahita zavatra sarotra takarina isika. Koa ho sarotra lavitra noho izany manao ahoana ireo ampahany sasany amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay manambara fahamarinana ara-panahy sarotra takarina ho antsika?

Nanazava io hevitra io mazava tsara tokoa i Ellen G. White: “Ampy dia ampy ny porofo nomen’Andriamanitra antsika momba ny maha-avy Aminy ny Soratra Masina ka tsy misy antony tokony hisalasalantsika ny amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria tsy mahafantatra ny zava-miafina ao amin’ny fitondrany isika. (...) Na dia ny zava-manan’aina ambany indrindra aza, dia tsy hain’ny olonkendry sy ny lalin-tsaina mahay indrindra hazavaina. Misy zava-mahagaga tsy takatry ny saintsika eny rehetra eny. Ka dia tokony ho gaga ve isika raha mahita fa amin’ny ara-panahy koa dia misy zava-miafina izay tsy haintsika fantarina? Ny fahalemena sy ny fahateren’ny sain’olombelona no tsy ahaizany izany.” — DHK, t. 127.

Iray amin’ireo andalan-teny mampihaika indrindra ao amin’ny Soratra Masina rehetra ohatra ny Mat 11:11,12: “‘Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay naterakin'ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.’”

Vakio ireo andininy ireo. Inona no zavatra azonao momba ireo? Inona no tsy azonao?

Tahaka izao no vakin’ny and. 12 amin’ny dikan-teny hafa: “Hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny, ny fanjakana avy any an-danitra dia nandroso tamin-kery, ary nisy olona mahery setra nanafika azy” (ISV). “Ary hatramin'ny andro nanombohan'i Jaona Mpanao-batisa nitory teny ka mandraka ankehitriny, ny fanjakan'ny lanitra dia nandroso tamin-kery, ary misy olona mahery setra manafika azy.” (NLT).

Inona no ambaran’i Jesôsy amintsika eto?

Inona ireo zavatra, na dia eo amin’ny fiainana andavanandro aza, no mbola mitoetra ho zava-miafina amintsika? Ohatra: hitsahatra tsy hino ny fisian’ny masoandro ve isika satria maro loatra ireo zava-miafina mahakasika azy tsy takatsika? Koa manoatra lavitra noho izany manao ahoana àry ny amin’ireo fanontaniana mahakasika ny finoana sy ny Tenin’Andriamanitra?

Pejy ambony

ALATSINAINY: NY FARITRY NY FAHAMAIZINANA

Fiambenana maraina: Ny anton’izany rehetra izany - Isa. 53:3-6

 

Ireo mpandalina ny Baiboly nandritra ny taona nifandimby dia niady hevitra mafy momba ny Mat. 11:12 satria azo ampiasaina na amin’ny heviny tsara na amin’ny heviny ratsy eto ireo teny hamaritana ny fanjakana sy ny olona. Ny matoanteny grika hoe: «basmati» dia mety hidika hoe “mandroso amin-kery” na “iharan-kerisetra.” Ary ny teny grika hoe «biastes» dia mety hidika hoe: “lehilahy matanjaka na mafana fo” na “lehilahy mahery setra.”

Koa midika ve io andininy io fa iharan-kerisetra ilay fanjakan’ny lanitra malefaka sy feno fandeferana, ary misy olona mahery setra koa manafika azy? Sa mandroso amin-kery amin’ny heviny tsara ny fanjakan’ny lanitra, ary tena mpanara-dia an’i Kristy tokoa ve ireo lehilahy matanjaka izay mandrombaka azy?

Mety ho vitan’ny mpanara-dia an’i Kristy ve ny hahery setra, na hanao an-keriny mihitsy aza, eo amin’ny fikatsahany sy fampandrosoany ny fanjakan’Andriamanitra?

Vakio ny Mat. 10:34; Apôk. 5:5; Mika 2:13. Inona no ambaran’ireo izay mety hampahazava ny fanontaniana farany napetraka eo ambony?

Nisy olona sasany nanoso-kevitra fa ny fomba tsara indrindra hanazavana ny Mat. 11:12 dia ny mandray ny hevitra fampiasa indrindra amin’ny teny hoe: «biazomai» (izay tsara amin’ny kapobeny), sy ny teny hoe: «biastes» (izay ratsy amin’ny kapobeny). Manome antsika ity fanazavana ity ny fanaovana izany: ny fanjakan’ny lanitra dia mandroso amin-kery amin’ny alalan’ny “fahefana masina sy ny hery miezinezina, ka nanosika ny faritry ny fahamazinana”.  Teo am-pitrangan’izany, dia nisy “lehilahy mahery setra niezaka nandromba azy.” - EBCNIV, tt. 266, 267.

Toa mirindra tsara amin’ny filazantsara midadasik’i Matio io fanazavana io. Mahalaza tsara ihany koa ny sary lehibe ao amin’ny filazantsaran’i Matio tokoa mantsy io fanazavana io, satria asehony ny tolona eo amin’ny fahazavana sy ny fahamaizinana ary eo amin’i Kristy sy i Satana. Hita manerana ny Baiboly iray manontolo io lohahevitra io, saingy mazava kokoa izany ao amin’ny TV. Tena misy tokoa ny ady, hita maso sy tsy hita maso. Tafiditra ao anatin’izany avokoa isika rehetra, samy miandany amin’izay tiantsika, ary samy miaina izany isan’andro, na takatsika na tsia ny zavatra mitranga ao anatin’izany ady izany. Izany no atao hoe miaina eo anivon’ny ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy.

Pejy ambony 

TALATA: NY ADY MANERANA IZAO TONTOLO IZAO (Mat. 12:25-29)

Fiambenana maraina: Tsy manam-bola? Avia na izany aza - Isa. 55:1

 

Na inona na inona no mety ho tena hevitry ny Mat. 11:12, dia tena manampy amin’ny fampiharihariana ny fisian’ny fifanandrinana lehibe eo amin’i Kristy sy i Satana izany, araka ny hitantsika omaly.

Inona no ambaran’ireto andalan-teny manaraka ireto amintsika momba ny maha-misy marina ny fifanandrinana lehibe eo amin’i Kristy sy i Satana? Mat. 12:25–29; Isa. 27:1; 1 Jao. 5:19; Rôm. 16:20; Gen. 3:14–19; Efes. 2:2; 6:10–13.

Andalan-teny vitsy fotsiny ireo amin’ireo andalan-teny marobe hafa, ao amin’ny TT sy ny TV, izay mampiseho izay antsoin’ny mpandalina ny Baiboly iray amin’izao vaninandro izao (tsy Advantista) hoe: “ilay ady manerana izao tontolo izao.” Ny ivon’io fomba fijery io dia ny eritreritra fa misy ady ifanaovan’ny hery ambonin’ny an’olombelona eto amin’izao tontolo izao. Samy tafiditra ao anatin’io ady io isika rehetra, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Mazava loatra fa tsy vaovao amin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito io resaka io. Ampahany amin’ny fampianarana sy ny foto-pinoantsika hatramin’ny fotoana voalohany niandohan’ny fiangonantsika izy io. Raha ny marina dia efa nohazonin’ireo mpamaky lain’ny fiangonantsika izy io talohan’ny niorenan’ny fiangonantsika ara-dalàna.

Amin’ny lafiny inona eo amin’ny fiainanao manokana no ahitanao ny fisian’io tolona io? Ahoana no isehoan’izany eo amin’ireo safidy tsy maintsy raisinao sy eo amin’ireo fakam-panahy atrehinao? Ahoana no anampian’ny fahafantarana an’io toe-javatra io anao hanao safidy tsara sy hanohitra ny fakam-panahy?

Pejy ambony 

ALAROBIA: REHEFA MIHARATSY NY ADY

Fiambenana maraina: Mandresy lahatra ny Fanahy - 1 Kôr. 12:3

 

Araka ny efa hitantsika, ireo tenin’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 11:12, izay tena lalina tokoa, dia maneho ny fahamarinana fa tsy hiorina tsy misy tolona na ady ny fanjakan’Andriamanitra. Fantatsika tsara fa ilay fifanandrinana lehibe io ady io. Navaivay ary mbola mavaivay izy io. Mbola havaivay hatrany izany ambara-pahatongan’ny fandringanana farany ny fahotana sy ny devoly ary ny olom-bery rehetra. Ary indraindray, dia mety ary tena hihamahatsiravina izany eny rehetra eny.

Azontsika atao ny mahita fa tena misy marina tokoa ny fifanandrinana lehibe sy ny mety hahalasa azy ho mahatsiravina, araka izay voalazan’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 11:12.

Vakio ny Mat. 11:1–12. Ahoana no ahitantsika ny fisehon’ny fifanandrinana lehibe eto, eo amin’ny sehatra maro? Izany hoe, ahoana no anampian’ny fifanandrinana lehibe antsika hanazava ny zavatra mitranga eto?

Ho fanombohana azy, araka ny hevitsika, iza no nanome saina ireo mpitarika hampiditra an’i Jaona ao am-ponja? Hitantsika eto ny fiezahan’i Satana, tsy ny hanakana an’i Jaona ihany, fa ny hanakivy ny olona eo amin’ny finoana an’i Jesôsy ihany koa. Inona tokoa moa no azon’ny olona iray antenaina avy amin’i Jesôsy, raha toa ka nisetra fiafarana tahaka izany i Jaona, ilay mpialoha lalana Azy?

Tsy isalasalana ihany koa, araka izany, fa azon’i Satana tarihina hametraka ity fanontaniana ity ireo mpanara-dia an’i Jesôsy sy i Jaona: Raha afaka manao zava-mahagaga maro tahaka izany ity Jesôsy avy any Nazareta ity, dia nahoana no avelany ho potraka any am-ponja ny lehilahy mahatoky sy tsara tahaka an’i Jaona, izay zana-drahavavin-dreniny?

Iza ihany koa, araka ny eritreritsika, no nametraka fisalasalana tao an-dohan’i Jaona? Nahoana no tafiditra ato aho? Nahoana no tsy afahany aho? Koa tsy mahagaga raha nanontany izy hoe: “‘Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?’” - Mat. 11:3. Tsarovy anefa fa io ihany ilay Jaona izay nanao batisa an’i Jesôsy, izay nahita ny “Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny” - Mat. 3:16. Izy ihany koa no nandre ilay feo avy tany an-danitra nanambara hoe: “‘Itỳ no Zanako malalako Izay sitrako.’” - Mat. 3:17. Ankehitriny anefa, eo anivon’ny zava-drehetra nitranga, dia lasa feno fisalasalana izy. Hita miharihary anefa fa ratsy ny toe-javatra lalovan’i Jaona, ary mbola hiharatsy ihany izany (fara faharatsiny mandritra ny fotoana fohy), izay tsy hanao afa-tsy ny hampitombo hatrany ny fisalasalana (Mar. 6:25–28).

Raha misy zavatra mahatonga anao hisalasala ankehitriny, dia inona no azonao ifantohana, eritreretina, ary entina amim-bavaka mba hanosehana ny fisalasalana sy hanampy anao hahita ireo antony mahafinaritra rehetra anananao ka hitokisanao amin’ny fahatsaran’Andriamanitra?

Pejy ambony 

ALAKAMISY: ANJARA TSY MISY ANTENAINA INTSONY (Heb. 2:14)

Fiambenana maraina: Ny fitiavany ny Fiangonana - Jao. 17:22,23

 

Nandritra ny tantara iray manontolo, dia tafiditra tao anatin’ny ady ny olombelona. Misy zavatra ao anatin’ny toetran’olombelona izay mahatonga ny olona ao anatin’ny vondrona iray te handroba sy hangalatra ary hamono ny olona ao anatin’ny vondrona iray. Izao no nosoratan’i Katherine Tait ao amin’ny boky iray milazalaza ny momba ny rainy, ilay filôzôfa britanika Bertrand Russell, nosoratany tao ny ahiahy mafy nahazo an-drainy raha nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany. Nihorakora-pifaliana teny an-dalamben’i Angletera ny vahoaka anglisy raha hanomboka ny ady tamin’i Alemana. “Ny raiko dia nitombo tao anatin’ny finoana ‘Victorienne’ (firehan-kevitra novoizina nandritra ny fotoana naha-mpanjaka an’i Victoria, tany Angletera) izay milaza fa, amin’ny fotoana maha-mety azy manokana, dia hihatsara ary hihatsara hatrany ity izao tontolo izao. Tampoka teo anefa, hitany fa nandihy ireo mpiray firenena maminy raha novinavinaina fa hovonoina ny ankamaroan’ireo olombelona mitovy amin’izy ireo, olona izay hita fa miteny amin’ny fiteny alemà.” – Narafitra avy amin’ny MFBR, t. 45. Itaro mandritra ny tantara, amin’ny ankamaroan’ny vahoaka rehetra, io hevitra io, dia ho hitantsika ny tena toetry ny olombelona lavo, amin’ny iray amin’ireo endriny manimba sy mahatsiravina indrindra.

Tamin’ny ankamaroan’ireo ady nifanaovan’ny samy olombelona ireo, dia tsy nisy olona nahafantatra mialoha ny ho vokany. Nandeha niady ny olona, kanefa tsy fantany raha ho isan’ny antoko mpandresy na ho isan’ny antoko resy izy ireo.

Manana tombony iray lehibe isika eo amin’ny “ady manerana izao tontolo izao” atrehintsika: fantatsika izay antoko efa nandresy. Nahazo ny fandresena fara tampony ho antsika i Kristy. Taorian’ny Hazo Fijaliana, dia tsy nisy adihevitra sy fisalasalana nipetraka intsony ny amin’izay ho Mpandresy sy izay afaka hanana anjara amin’ny vokatr’izany fandresena izany. Efa tena anjara tsy misy antenaina intsony ny an’i Satana, raha ny marina.

Inona no ambaran’ireto andalan-teny manaraka ireto amintsika mahakasika ny ho vokatra faran’ny fifanandrinana lehibe? Heb. 2:14; 1 Kôr. 15:20–27; Apôk. 12:12; 20:10.

Tahaka ny tsy nandresen’i Satana tamin’ny ady tany an-danitra, no tsy nandreseny ihany koa tamin’ny ady teto an-tany. Ao anatin’ny fankahalana sy ny valifaty anefa no mbola hikatsahany ireo rehetra azony harapaka (jereo ny 1 Pet. 5:8). Mbola mitohy ny ady, na dia efa tanteraka sy feno aza ny fandresen’i Kristy. Koa ny fametrahana ny tenantsika, saina sy vatana, eo amin’ny antoka mpandresy no fiarovana tokana ho antsika. Ary amin’ny alalan’ny safidy raisintsika isan’andro no anaovantsika izany. Misafidy ny hametraka ny tenantsika eo amin’ny antoko mpandresy ve isika, dia eo amin’ny antoko izay ahazoana antoko ny fandresena ho antsika? Sa eo amin’ny antoko resy, eo amin’izay maha-azo antoka ny faharesena? Mihantona eo amin’ny valintenintsika amin’io fanontaniana io ny hoavintsika mandrakizay.

Pejy ambony 

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Fotoan-dehibe fanavahana - Mat. 25:41

Filentehan’ny masoandro: 5.30

Iza amintsika no tsy mahafantatra ny fisian’ny fifanandrinana lehibe? Mahanfatatra io ady io isika satria tsapantsika ao anatintsika isan’andro izany. Miaina ao anatin’ny tontolo rotidrotika isika, tontolo voaozon’ny ahiahy sy ny fanaintainana.  Tontolo misy menarana tsy voafetra eo amin’ny hazo iray afovoan’ny saha intsony; eny, tontolo feno menarana maro ny saha iray manontolo. Tontolo feno bitsibitsiky ny fakam-panahy, izay tonga amin’ny fomba maro samy hafa ka voafandriny mora foana ireo izay tsy matotra amin’ny finoana sy ny fivavahana. Tsy mahagaga raha hoy i Jesôsy hoe: “miambena, ka mivavaha” fandrao isika ho lavo ao anatin’ireo fandrika maro izay miandry antsika. Ary angamba, amin’ireo fandrika rehetra, ny anankiray mampidi-doza indrindra ho an’ny Kristianina dia ny finoana ny lainga manao hoe: “Rehefa lavo ao anatin’ny fakam-panahy ianao, dia efa lasa lavitra be. Tsy misy Andriamanitry ny fahasoavana handray anao indray eny an-tsandriny intsony raha miverina ianao.” Iza no tsy mbola nandre io feo io nibitsibitsika tao an-tsofiny, tamin’ny fotoana iray na tamin’ny fotoana iray hafa? Marina ihany io fihetseham-po io amin’ny lafiny iray: rehefa lavo ao anatin’ny fakam-panahy ianao, na dia indray mandeha monja aza, dia efa lasa lavitra ka tsy ho tafaverina samirery intsony. Izany mihitsy no antony nahatongavan’i Jesôsy, nahazoany ny fandresena ho antsika teo amin’izay tsy nahombiazantsika rehetra, ary anolorany antsika ny fandreseny. Izany no votoatin’ny filazantsara iray manontolo: nataon’i Jesôsy ho antsika izay tsy ho vitantsika na oviana na oviana ho an’ny tenantsika, eo amin’ny fifanandrinana lehibe. Etsy an-kilan’izany ihany koa anefa, tsy maintsy mifidy isika – isan’andro, isan’ora, amin’ny fotoana rehetra – ny hampiandany ny tenantsika Aminy. Ary amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Teniny sy ny fitakiana ny teny fikasana momba ny fandresena izay mampanantenainy antsika no hanatanterahantsika izany. Ary mandritra izany fotoana rehetra izany dia hiankina amin’ny fahamendrehany, ho antoky ny famonjena antsika, irery ihany isika.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Inona ireo zavatra izay tena misy marina tokoa manodidina antsika kanefa tsy hitantsika na rentsika mihitsy? Ahoana no tokony hanampian’izany antsika hanokatra ny saintsika amin’ny fisian’ny hery sy fahefana hafa izay tsy hitantsika fotsiny tsotra izao? Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fisian’ireny trangan-javatra tsy hita maso ireny hanampy antsika hahatakatra ny fisian’ny fifanandrinana lehibe?
  • Kristianina maro no tsy mino na tsy mahafantatra ny momba ny fifanandrinana lehibe manerana izao tontolo izao. Inona no mety ho antony aroson’izy ireo ny tsy fahitany izany? Inona ireo tsangan-kevitra mety hatorany any aminao, entiny manohitra izany? Ary ahoana no hamalianao azy ireo? Inona no andininy hampiasainao raha hampianatra olona iray mahakasika ny fifanandrinana lehibe ianao?
Ahoana no iatrehanao ny fanontaniana manao hoe: nahoana no mbola eto ihany isika, fotoana elabe taorian’ny nahazoan’i Jesôsy ny fandresena teo amin’ny hazo fijaliana? Taorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany ho any an-danitra, nahoana no tsy niverina fotsiny i Jesôsy ka nandringana ny devoly, indray mandeha tsy miverina?

Pejy ambony