LESONA 5

23 - 29 JOLAY

I JESOSY SY NY FANATRARANA NY FIARAHAMONINA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Mitombo amin’ny fahamasinana - 1 Tes. 4:1-3.


Filentehan’ny masoandro: 5.34

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 4:16-19, Lio. 10:25-37; Mat. 5:13; Isa. 2:8; Jao. 4:35-38; Mat. 13:3-9.

Tsianjery: “Ary Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.” – Mat. 4:23.

 

Ny tantara mampientanentana nosoratany atao hoe Treasure Island no nahafantarana indrindra an’i Robert Louis Stevenson. Ny zavatra mety tsy dia fantatry ny olona dia izy tovolahy kely farofy fahiny, ka tsy afaka nandeha tany an-tsekoly ara-dalàna. Nony farany, dia nanakarama mpampianatra iray ho azy ny ray aman-dreniny ary mpitaiza hanampy azy amin’izay ilainy manokana. Indray alina, dia tonga mba hijery azy ilay mpitaiza azy. Tsy natory i Robert tamin’izay fa nidina avy teo amin’ny fandriany. Natehiny teo amin’ny fitaratry ny varavarankely ny orony sy ny tanany. Hentitra tokoa ny mpitaiza azy nilaza taminy hiverina eny am-pandriana fandrao ho voan’ny sery izy.

Nasain’i Robert nankeo amin’ny varavarankely izy, hijery izay zavatra hitany.

Nanatona ilay mpitaiza hijery izany. Nisy olona tompon’andraikitra amin’ny fampirehetena ny jiro eny an-dalana nandrehitra ireo jiro teny amin’ny arabe. “Jereo,” hoy i Robert, “misy lehilahy manisy lavaka amin’ny maizina io!” – FN, t. 332.

Efa novakintsika izay nolazain’ny TT momba ny fanampiana ireo izay ao anaty fahasahiranana. Izao kosa isika dia hijery izay ambaran’ny TV momba izany. Aiza moa no tsaratsara kokoa hanombohana izany raha tsy izay momba an’i Jesôsy? Ary iray amin’ireo fampianaran’i Jesôsy fantatry ny maro indrindra dia ny tokony hahatonga antsika ho “fahazavan’izao tontolo izao” (Mat. 5:14). Amin’ny alalan’izany, dia maneho an’i Jesôsy isika, ilay Tena Fahazavan’izao tontolo izao (Jao. 8:12). Nampiasa ohatra maro momba ny fahazavana i Jesôsy teo amin’ny asa fanompoana nataony teto an-tany, ary nanome torolalana hahafahantsika, amin’ny alalany, manisy lavaka amin’ny maizina.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Ho avy ny Tompo! - 1 Tes. 4:13-18.

 

NY FANAMBARANA NY IRAKA NAMPANAOVINA AN’I JESOSY (Lio. 4:16-19)

Nanjary tian’ny olona teny amin’ny faritr’i Galilia i Jesôsy, ilay raby tanora avy any Nazareta (Lio. 4:15). Rehefa miteny Izy, “dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy” (Mat. 7:28, 29). Indray Sabata izay i Jesôsy dia nandray ny horonan-taratasy nosoratan’i Isaià. Novakiny ireo andininy roa voalohany ao amin’ny Isa. 61. Nijanona teo antenantenan’ny fehezanteny Izy, nialoha indrindra ny teny hoe: “sy ny andro famalian’Andriamanitsika” (Isa. 61:2).

Vakio ny Lio. 4:16-19. Taiza no nahenoantsika ireo andininy ireo tany aloha? (vakio ny Isa. 61:1,2). Inona no nambaran’i Jesôsy tamin’ny famakiany ireo andininy ireo?

Araka izay efa nianarantsika, ny teny hoe “taona ankasitrahan’i Jehovah” dia midika hoe: taonan’ny jôbily (vakio ny Lev. 25). Tamin’ny fotoana nandalovany tany Nazareta, dia nilaza faminaniana iray avy tao amin’ny Baiboly i Jesôsy. Avy eo dia nampirisika ireo izay nihaino Azy Izy hino: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.” - Lio. 4:21. Ao amin’io toriteny io dia milaza ny Tenany ho ilay Voahosotra hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy, sy fandefasana amin’ny mpifatotra, fampahiratana amin’ny jamba, fanafahana izay nampahorina, ary famerenana amin’ny laoniny indray amin’ny fotoan’ny jôbily. Io lisitra io no manambara tsara ny asany teto an-tany, izay nifantoka betsaka tamin’ny fampianarana, fanasitranana, ary fanaovana asa fanompoana, indrindra ho an’ireo olona mila fanampiana.

Nahoana i Jesôsy no nijanona fa tsy nanapitra ny fehezanteny ao amin’ny Isa. 61:2?

Tsy novakin’i Jesôsy ny teny hoe: “ny andro famalian’Andriamanitsika”. Ny antony tsy namakiany izany teny izany angamba dia izao: ny asa fanompoana nataony dia tsy tiany hampifandraisina amin’ny foto-kevitra novoizin’ny olona, fa ny Mesia dia ho avy hitarika tafika handresy ireo fahavalon’ny Isiraely ary hanao azy ireo eo ambany fahefan’ny Isiraely. Fiheveran-diso tokoa izany, izay nanakana ny ankamaroan’ireo mpiray firenena taminy tsy hahatakatra izay tena tanjon’ny  asany. I Jesôsy anefa dia nifantoka tamin’izay hataony ho an’ireo mila ny asany feno famindrampo, na inona na inona toe-javatra ara-pôlitika tamin’izany fotoana izany.

Nilaza i Jesôsy fa ny asany dia asan’ny famindrampo sy fanompoana ny hafa. Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny asa manan-danja sy feno fiantrana tokony hataontsika ho an’ny hafa amin’ny Anarany?


 Pejy ambony
 

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Mivonòna ho amin’ny fiaviany! - 1 Tes. 5:1-8.

 

MITIA NY NAMANAO (Lio. 10:27)

Vakio ny Lio. 10:25-37. Inona ny hafatra omena antsika momba ny fanampiana ireo ao anaty fahasahiranana?

Ilay manam-pahaizana momba ny lalàna dia nahatakatra fa ny didy rehetra dia miankina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Ny fanontaniana mila valiny dia ny hoe: “iza no namako?”

Ny fomba fisainana notanan’ny olona teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Jesôsy dia ny fandraisana ny iray fiaviana amin’izy ireo ho namana, ary ny fiheverana ny hafa rehetra ankoatra izay ho vahiny. Tian’ilay mpahay lalàna ao amin’ny Lio. 10 hohazavain’i Jesôsy bebe kokoa anefa izany. Ny fanoharana nataon’i Jesôsy dia naneho hevitra hafa tanteraka amin’izany mihitsy. Ny namantsika dia izay olona hitantsika fa mila fanampiana. Ny atao hoe namana dia midika hoe manome izay ilain’ny hafa. Nahaliana ireo mpisorona sy levita kokoa ny fiarovana ny tenany sy ny asa masina nataony tsy ho voaloton’ny fahotana. Fomba mora tokoa izany hampiasana ny fivavahana ho fialan-tsiny tsy hanampiana ny olona izay tsy hanana fahafahana hanonitra ny hatsaram-panahy natao taminy.

Ilay Samaritana kosa dia nandray ity “vahiny” sy “fahavalo” izay naratra ity ho toy ny namany. Tamim-piantrana tokoa no nijereny izay nilain’ity vahiny ity noho ny an’ny tenany aza. Ny marina dia izao, ny fanontaniana hoe: “iza no ho naman’ny mahantra sy ireo mila fanampiana?” no tokony hapetraka amin’ny toeran’ny hoe: “iza no namako?” Tsy mampaninona na iza na iza ilay olona mila fanampiana: izay ao anatin’ny fahasahiranana, izy no tokony hampiantsika.

Tsy misy fanavakavahana ny amin’ny firenena, ny amin’ny firazanana, ny amin’ny foko izay eken’Andriamanitra. Izy no mpamorona ny taranak’olombelona manontolo. Fianakaviana iray tamin’ny alalan’ny famoronana ny olombelona rehetra, ary iray koa noho ny fanavotana. Tonga Kristy handrava ny rindrina fampisarahana rehetra, hampidanadana ny efitrefitra rehetra ao amin’ny tempoly mba hahazoan’ny fanahy tsirairay manatona an’Andriamanitra malalaka. Lehibe indrindra ny fitiavany, feno indrindra, lalina indrindra, ka tafatsofoka hatraiza hatraiza.” – HF, t. 338  

Inona ireo hevitra mibahana mialoha izay mety hanakana anao tsy ho namana araka ny tokony ho izy?


 Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Hiara-belona aminy - 1 Tes. 5:9-11.

 

ILAY NAHANDRO IRAY MANONTOLO (Mat. 5:13)

Ao amin’ny Mat. 5:13, dia miantso ny mpanara-dia Azy i Jesôsy ho “fanasina”, izay mpanova tsiro. Ny fiangonana dia “tranon-tsira” izay misy ny “fanasin’ny tany.” Amin’iza na amin’inona no tokony hifangaroantsika, isika izay “fanasina”? Amin’ny tenantsika ihany ve, sa miaraka amin’ny olona hafa noho isika?

Ho azonao tsara ny valin’io fanontaniana io raha fenoinao sira fotsiny ny lapoaly fanaova-mofo iray, ary ny iray hafa asianao mofo misy sira, ho taharo ao anatiny. Ny sira no nahandro iray manontolo ao amin’ilay lapoaly voalohany; tsy ho tsara tsiro mihitsy izany, tsy azo hanina. Ao amin’ilay faharoa kosa, dia fangaro iray ao amin’ilay nahandro ny sira, ary mitambatra amin’ny zavatra hafa tsy mitovy aminy. Amin’izany no hanovany ny mofo avy amin’ny matsatso ho amin’ny matsiro. Ahazoana vokatra tsara kokoa ny sira rehefa afangaro amin’ny singan-javatra hafa tsy mitovy aminy. Mitombina ihany koa ny toy izany ho an’ny Kristianina. Tsy hitranga mihitsy izany raha toa isika mbola mijanona amim-piadanana ao amin’ny fiangonana ho “tranon-tsira.”

Araka izany, dia misy teboka manan-danja tokony ho voaraintsika tsara eto. Mety ho marina isika raha toa tsy mifoka na misotro na miboboka toaka, na koa miloka na tafiditra anaty heloka bevava. Zava-dehibe ny tsy fanaovana ireo, saingy ny fanontaniana dia tsy hoe inona no tsy ataontsika? Tsy izay fotsiny, fa hoe: inona no ataontsika? Izany hoe: inona no ataontsika hanampiana ny fiarahamonina misy antsika sy ireo mila fanampiana?

Vakio indray ny Mat. 5:13, ifantohy ny tapany faharoa amin’io andininy io. Ahoana no hahatonga ny fanasina ho matsatso?

“Fa raha very ny tsiron’ny fanasina, raha tsy misy afa-tsy ny filazana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia tsy misy hery hanaovana ny tsara izany. Tsy afaka hanana hery miasa mangina hamonjy an’izao tontolo izao ny fiainana.” – IFM, t. 472.

Ivereno ny tandindona asehon’ilay nahandro. Araka ny hitantsika, dia tsy tsara ny mofo raha toa ka fanasina ihany no hany ananantsika. Raha ny marina aza, dia mety hampidi-doza ny habetsahan’ny sira ao anaty sakafo. Tsy maintsy afangaro amin’ny singan-javatra hafa noho izy ny sira. Araka izany, raha mitovy amin’izao tontolo izao ihany isika, na koa diso mitovy loatra aminy, dia tsy hisy haha-samy hafa antsika mihitsy. Tsy hanana na inona na inona homena isika, hanjary tsy hisy ilana azy ny fanasina amin’izay. Ary inona no ambaran’i Jesôsy fa hitranga aminy avy eo?

Nefa kosa, rehefa fenon’ny fitiavan’i Kristy isika, dia haniry ny ho “mpikambana” amin’ireo “vahiny”. Haniry hiharo amin’ny hafa mba ho mpanova tsiro isika, mba hitondra fahasamihafana tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo, ary noho ny hery miasa mangina avy amintsika, dia afaka hitondra ny hafa ho eo amin’izay tena zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana isika: ny famonjena ao amin’i Jesôsy.

Vakio ny Deo. 12:30; Deo. 31:20; ary ny Isa. 2:8. Inona ny loza ampitandreman’ireo toko sy andininy ireo? Ahoana no hitandremantsika tsy ho lavo ao anatin’izany fandrika izany?

 
 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Mifalia, mivavaha, misaora - 1 Tes. 5:14-18.

 

EO AMIN’NY TOERAN’NY MPAMBOLY (Jao. 4:35-38)

Vakio ny Jao. 4:35-38. Inona no ambaran’i Jesôsy amintsika eto, mikasika ny dingana samy hafa ilaina amin’ny fanatrarana fanahy?

Ahitana lafiny maro ny asan’ny mpamboly. Misy karazana asa fambolena hafa tsy maintsy atao mialoha ny hahazoana vokatra be (Mat. 9:35-38). Tsy ny mpijinja ihany no ilaina any amin’ny toeram-pijinjan’ny Tompo. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny mpamboly iray amin’ny fotoam-pijinjana milaza amin’ireo mpiasa ny taniny hoe: “efa akaiky ny fijinjana, koa tokony hanomboka hamafy voa isika”? Tsara indrindra ny fijinjana rehefa nikarakara ny fambolena nandritra ny fotoana ela ianao.

Tafiditra ao anatin’ny fambolena ny fikarakarana ny tany, satria tsy ny tany rehetra no tsara amin’ny voalohany. (vakio ny Mat. 13:3-9.) Inona no azon’ny fiangonana misy anao atao eo amin’ny fiarahamonina mba hampalemy ny “tany mafy” sy hanalana ny “vato” sy ny “tsilo”?

Nanao ny asa mafy tamin’ny fambolena ireo mpiasa mialoha ny fijinjana, ary mpiasa hafa indray no manangona ny vokatry ny asa mafy nataon’izy ireo. Manome lanja be loatra ny “fijinjana” indraindray ny drafitra ho fanatrarana amin’ny fitoriana ny filazantsara mihoatra ny “fanomanana ny tany hambolena”.  Tsy tokony ho izany anefa no atao. Tokony efa voaomana ela ny tany mialoha ny hiavian’ny mpitory filazantsara ka hanombohany ny fitoriana amin’ny fanantenana fa hijinja vokatra.

Tokony horaisintsika ho isan’ny asa ny fiasana atao any amin’ny toeram-pijinjana: ny fijerena ny toetry ny tany, fanomanana ny tany, ny famafazana, ny fanondrahana, ny fampiasana zezika, ny famonoana bibikely, ny fiandrasana, ny fijinjana, ary ny fampirimana ireo vokatra.

Ampahany iray amin’ny asa ihany ny fijinjana ny vokatra. Ao amin’ny fiangonana, ny asa “fambolena” dia ahitana ny fijerena ny toetry ny tany, tahaka ny fanadihadiana hahitana ny zavatra ilain’ny fiarahamonina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fahazoana ny mombamomba ny mponina sy ny fanadihadiana ireo mpitantana any amin’ny fiarahamonina. Azo atao ny hetsika ho fanomanana na fiasana ny tany, ka ao anatin’izany ny fanomezana ny zavatra ilain’ny fiarahamonina araka ny fanadihadiana natao. Ao ihany koa ny famafazana ny voa, tahaka ny seminera, ny fianarana Baiboly, ny tarika madinika, ary ny fangatahana ny ranonoran’ny Fanahy Masina. Vitsy ihany ny olona babo ho an’i Kristy raha fomba fiasa iray ihany no ampiasaina, mila mampitombo azy ireo amin’ny fomba fiasa maro isika. Amin’izay dia hahazo antoka isika fa ho vonona hojinjaina izy ireo. Raha miankin-doha amin’ny hetsika vitsy ihany isika, dia mampanahy ihany ny hahaveloman’ireo “voly vaovao” mandra-pahatongan’ny fijinjana.

Inona ny anjara asa tokony hotananao amin’ny asa famonjem-panahy, raha ampitahaina amin’ny anjara asa tananao amin’izao fotoana izao?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Aza mamono ny fanahy! - 1 Tes. 5:19-22.

 

FANANGANANA FIANGONANA (Mat. 10:5-10)

 

Vakio ny Mat. 10:5-10. Nahoana i Jesôsy no nandefa ny mpianany any amin’ny tanàna sy ny vohitra tsy mitondra vatsy?

Toa hafahafa ihany raha nahazo baiko mivantana ireo mpianatr’i Jesôsy hiditra any amin’ny faritra hiasany miaraka amin’ny fitaovana zara raha misy. Mazava loatra fa nametraka ireo mpianany tao anatin’izao toe-javatra izao i Jesôsy mba hampianarana azy ireo ny fiankinana amin’Andriamanitra ary koa ny maha-zava-dehibe ny fananganana fisakaizana amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana ho an’ireo mponina tany an-toerana. Amin’izay dia hanome lanja kokoa ny fanompoana ataony ny mponina amin’ireo toerana iasany ka hanohana ny asa ataony.

Nangataka tamin’i Pasitora Frank ny Federasiona misy azy hanangana fiangonana any amin’ny faritry ny tanàn-dehibe iray izay tsy ahitana Advantista mihitsy. Tamin’ny voalohany, dia tsy nanam-bola hanaovana izany izy. Araka izany, dia nandinika ny sarintany izy ka nahita hoe aiza avy ny fetran’ny faritr’ilay tanàna. Taorian’izay, dia nandinika ny fomba fiainan’ny mponina teo an-toerana izy. Najanony teny amin’ny faritra be mponina indrindra teo amin’ny manodidina ny fiarany, ka nandeha tamin’ny raharaha iray ho amin’ny iray hafa izy, nametraka fanontaniana mikasika ny fiainana eny amin’izany faritra izany. Nanao fitsidihana niaraka tamin’ireo mpitarika ara-pôlitika, mpandraharaha ary ireo manan-kaja teo amin’ny fiarahamonina izy, nametraka fanontaniana tamin’izy ireo momba ny zavatra ilain’io fiarahamonina io indrindra. Nahazo namana avy tamin’ireo mponina teo an-toerana izy, izay nanasa azy hiditra ao amin’ny fikambanana iray teo an-toerana. Tany amin’izay toerana izay indray no nahafantarany mpitondra hafa izay nanokatra lalana ho azy nahafahany nanofa ny trano nifanila tamin’ny fiangonana Presbiterianina iray. Ireo mpikambana tao amin’ilay fikambanana no nanome “voa” vola hividianana loko sy fitaovam-panadiovana samihafa hanamboarana sy hanatsarana ilay trano, mba hampiasana izany amin’ny asa atao eny anivon’ny fiarahamonina. Ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitarika teny amin’ny fiarahamonina no naneho fa zava-dehibe ilaina jerena tokoa teo amin’io fiarahamonina io ny fahasalamana. Araka izany, dia namory tarika iray mpilatsaka an-tsitrapo ny Pasitora Frank, ka nanao fizaham-pahasalamana sy fanaraha-maso izany tao amin’ilay trano ho an’ireo olona teo amin’izany fiarahamonina izany. Nandoa sarany kely ireo nahazo fanampiana tamin’ny fizahana sy ireo fandaharana samihafa, izany dia nanampy tamin’ny fanonerana ny fandaniana natao. Tsy ela dia nisy sampana Sekoly Sabata natsangana, ary namonjy izany ny ankamaroan’ireo olona teo an-toerana.

Vetivety taorian’izay dia voarain’i Pasitora Frank ny lesona fa ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hananganana fiangonana dia ny fametrahana tetikasa manokana izay mamaly ny filan’ny fiarahamonina - ary avy eo vao manangana fiangonana amin’ny alalan’io tetikasa io. Izany asa nifantoka tamin’ny fiarahamonina izany dia nahavitana nanangana fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito manana mambra maherin’ny 140.

Ny tantaran’i Pasitora Frank dia maneho izay zavatra mety hitranga rehefa manaraka ny fampianaran’i Jesôsy momba ny fanatrarana ny fiarahamonina isika. Nanao ahoana ny niainan’i Jesôsy ny fampianarana nataony mikasika ny asa atao amin’ny hafa? Amin’ny herinandro manaraka isika dia hanomboka hianatra ny fomba fiasan’i Kristy, izay “hanome fahombiazana marina hahatrarana ny vahoaka.” – TMF, t. 87.

 Pejy ambony


ZOMA

 

Fiambenana maraina: Izy no hanamasina anareo - 1 Tes. 5:23,24.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.36

 

FIANARANA FANAMPINY: Vakio ny fampianarana hafa nataon’i Jêsosy momba ny fomba azonao sy ny fiangonanao atao hanompoana eo amin’ny fiarahamonina: Mat. 7:12; Mat. 23:23; Mat. 25:31-46; Mar. 4:1-34; Mar. 6:1-13; Lio. 6:36; Lio. 11:42; Lio. 12:13–21; Lio. 14:16–24; Lio. 16:13; Lio. 18:18–27; Lio. 19:1–10; Jao. 10:10; Jao. 12:8; Jao. 17:13–18. Vakio ny asasoratr’i EGW: “Ny kely indrindra amin’ny rahalahiko”, toko. 70, ao amin’ny IFM; “The Missionary’s Pattern,” ao amin’ny ST, 19 Martsa 1894.

“Ny fiangonana no fahazavan’izao tontolo izao. Raha tsy fahazavan’izao tontolo izao ny fiangonana, dia ho fahamaizinana izy.” – EGW, ao amin’ny Signs of the Times, 11 Septambra, 1893. Hevitra mahery vaika tokoa izany, izay mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jesôsy hoe: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.” – Mat. 12:30. Mazava tsara ny ambaran’i Jesôsy eto: tsy misy ny marimaritra iraisana amin’ny fifanandrinan-kery eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Miandany amin’i Kristy isika na amin’ny devoly. Ny hoe nomena fahazavana lehibe nefa tsy mampiasa izany, dia tena toy ny miasa manohitra izany. Nantsoina mba ho fahazavan’izao tontolo izao isika, koa raha tsy fahazavana isika dia fahamaizinana izany. Mety ho hafa ny toe-javatra, saingy tsy miova ny fitsipika manan-danja: “koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany!” - Mat. 6:23. Mety ho voalaza ao amin’ity ny hevitra rehetra fonosin’izany: “Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.” Lio. 12:48.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

  • Ifanakalozy hevitra ny tokony hifangaroantsika amin’izao tontolo izao mba hanatrarana ny hafa. Ahoana no hahafahana mandanjalanja tsara eto? Ahoana no hifangaroantsika amin’izao tontolo izao amin’ny fomba hahafahantsika manisy soa ny hafa, kanefa tsy miditra lalina loatra ka hahatonga antsika ho olana, fa tsy vahaolana?
  • Matetika, rehefa miharoharo amin’ny fiarahamonina isika, dia voaresaka ny pôlitika. Ny ankamaroan’ireo tranga tiantsika hitondrana fanampiana rahateo - toy ny fanampiana ny mahantra sy ny sahirana, ny fanabeazana, ny fisahanana ny fahasalamana - dia anisan’ny adihevitra pôlitika. Ahoana no hahafahantsika mitandrina mba tsy hahatonga ny pôlitika hanimba ny zavatra ataontsika? Misy fidirana an-tsehatra pôlitika tsy azo ihodivirana. Araka izany, ahoana no hanompoantsika ny hafa sy hanaovantsika asa ho azy amin’ny fomba izay hihazona antsika ivelan’ny adihevitra sy ny ady ara-pôlitika, araka izay azo atao?

Misy toe-javatra ve tokony hanaovantsika pôlitika mba hahafahantsika miasa tsara eo amin’ny fiarahamonina? Raha izany, inona avy ireo? Ahoana no ahafahantsika miasa kanefa tsy manao sorona ny fitsipika fototra ananantsika amin’ny maha-Kristianina sy ny andraikitsika?


 Pejy ambony