LESONA 5

22 - 28 OKTOBRA

MANOZONA NY ANDRO

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 3:1-10; Jao. 11:11-14; Jôba 6:1-3; Jôba 7:1-11; Jak. 4:14; Jôba 7:17-21; Sal. 8:4-6.


Tsianjery:
“Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.”Apôk. 4:11.


Manana tombontsoa roa mazava isika, raha mamaky ny tantaran’i Jôba: (1) ny fahafantarana ny fiafarany, (2) ny fahafantarana ihany koa fa mitohy hatrany ny ady teo amin’i Satana sy i Kristy.


Tsy nisy fantatr’i Jôba ny amin’ireo zavatra ireo. Ny hany fantany dia niaina fiainana nahafinaritra izy, tampoka teo anefa dia nisy ireo trangan-javatra ratsy nifandimby nihatra taminy. Vokatr’izany, ity lehilahy ity, izay “nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra” (Jôba 1:3), dia nanjary nisaona sy niory teo amin’ny lavenona.


Raha mbola manohy hatrany ny fandinihana ny bokin’i Jôba isika, dia andeha hipetraka eo amin’ny toerany. Ny fanaovana izany dia hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fisafotofotoana, ny fahatezerana ary ny alahelo niainany. Amin’ny lafiny iray, ny fipetrahana eo amin’ny toeran’i Jôba dia tsy ho sarotra be loatra ho antsika, sa tsy izany? Mazava loatra, satria tsy niaina ny zavatra nandalovany isika. Iza amintsika olombelona feno fahotana anefa no mbola tsy niaina ny fanaintainana sy fisafotofotoana izay miteraka alahelo sy fijaliana? Ary manao ahoana ny hamafin’ny fahoriantsika amin’izay, rehefa miezaka manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana sy manao izay marina noho ny Aminy isika?


 Pejy ambony

ALAHADY

 

FOANA ANIE NY ANDRO (Jôba 3:1-10)


Alaivo sary an-tsaina hoe ianao no Jôba, ka ny fiainanao – ny fananana noharianao rehetra, ireo izay nataonao rehetra nomban’ny fitahian’Andriamanitra – dia rava eo imasonao. Tsy takatry ny saina izany zavatra izany. Tsy nisy antony manokana nahatonga izany, na ratsy na tsara.


Taona maromaro lasa izay, dia nisy fiara mpitatitra mpianatra iray tafahoatra ny arabe ka nahafaty ankizy kely marobe tao anatiny. Nilaza ny olona iray tsy mpino an’Andriamanitra fa ity trangan-javatra mampihoron-koditra ity dia iray amin’ireo zavatra ampoizina fa hitranga eo amin’ny tontolo tsy misy heviny, tsy misy tanjona na fizotrany. Tsy misy heviny hoy izy ny toe-javatra mahatsiravina toy izany. Nilaza io olona iray io fa tsy misy heviny izany satria na izao tontolo izao koa aza dia tsy misy heviny.


Tsy mety ho an’ny olona mino an’Andriamanitra anefa izany valinteny izany. Ary ho an’i Jôba, izay mpanara-dia mahatoky an’Andriamanitra, dia tsy mahafa-po koa izany valinteny izany. Inona anefa no tena izy? Inona ny fanazavana? Tsy mahita na dia iray aza i Jôba, ny hany hitany dia alahelo sy fanontaniana marobe manaraka izany.


Vakio ny Jôba 3:1-10. Ahoana no anazavan’i Jôba voalohany indrindra ny alahelony eto? Amin’ny fomba ahoana no hahatakarantsika ny zavatra lazainy?


Mazava loatra fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina. Velona isika satria namorona antsika Andriamanitra  (Asa. 17:28; Apôk. 4:11). Fahagagana ny fiainantsika. Nahasanganehana ny siansa môderina ny fiainana. Na dia ireo mpahay siansa aza dia tsy mitovy hevitra momba ny dikan’ny “fiainana”. Tsy fantatr’izy ireo ny niavian’izany, na ny antom-pisiany.

Iza moa no mbola tsy nanontany tena rehefa kivy, raha toa ka mbola mendrika ny ho velona? Tsy miresaka momba ireo tranga mampalahelon’ny famonoan-tena isika. Ahoana kosa ny amin’ireo fotoana mety efa nanaovantsika toa an’i Jôba, izay naniriantsika ny tsy ho teraka akory aza?

Nisy Grika iray velona tamin’ny andron’ny Baiboly nilaza fa ny zavatra tsara indrindra ho an’ny olona iray dia ny tsy nahaterahany akory. Ny tiany nolazaina dia hoe: ratsy loatra ny miaina indraindray ka tsaratsara kokoa aza ny tsy ary. Ary izany dia midika fa ho afaka amin’ny fahoriana izay miseho amin’ny fiainan’ny olombelona eto amin’ity tontolo feno ota ity isika.


Efa nahatsapa tahaka izay tsapan’i Jôba eto ve ianao? Efa nalahelo noho ny nahaterahanao ve ianao? Saingy taorian’izay dia niha-tsaratsara kokoa ianao. Manan-danja ny fitadidiantsika, araka izany, na dia amin’ny fotoana ratsy indrindra aza, fa manana fanantenana amin’ny hoavy isika fa ho tsara kokoa ny toe-javatra.


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

NANDRY TAO AM-PASANA (Jôba 3:11-26)


Vakio ny Jôba 3:11-26. Inona no ambaran’i Jôba eto? Ahoana no anohizany ny fisaonany? Inona no ambarany mikasika ny fahafatesana?


Azontsika an-tsaina ny alahelo lalina niainan’i Jôba mahantra. Azo antoka fa mafy tokoa izany rava fananana sy nialan’ny fahasalamana izany. Na ireo zanany koa aza dia nafoiny. Efa mafy ny mieritreritra ny fangirifirian’ny famoizana zanaka anankiray, saingy ny an’i Jôba dia izy rehetra no nafoiny. Folo anefa ny isan’ny zanak’i Jôba! Tsy mahagaga raha toa ka naniry ny ho faty izy. Tsy nahalala mihitsy i Jôba fa ny anton’ny zavatra nitranga taminy dia ny fifanandrinana lehibe eo amin’i Satana sy i Kristy. Azo heverina koa anefa fa tsy hahatonga azy hahatsiaro ho maivamaivana ny fahafahantarany izany, sa tsy izany?


Mariho ny zavatra ambaran’i Jôba mikasika ny fahafatesana. Raha maty tamin’izay moa izy, dia ho nanao ahoana? Ho faly ve ny lanitra? Ho faly miaraka amin’Andriamanitra izy? Ho nitendry lokanga niaraka tamin’ny anjely ve izy? Tsy misy na iray aza momba izany finoana izany ao amin’ny Baiboly. Inona kosa no ambaran’i Jôba? “Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho ka tsy nisy nanabataba, ary efa natory, ka niala sasatra.” – Jôba 3:13, DIEM.


Vakio ny Mpitt. 9:5 sy ny Jao. 11:11-14. Inona no ambaran’i Jôba izay mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly mikasika izay mitranga aorian’ny fahafatesana?  


Ato amin’ity boky iray anisan’ny antitra indrindra ao amin’ny Baiboly ity (ny bokin’i Jôba) angamba no ahitantsika ny fanazavana voalohany mikasika izay antsointsika hoe ny “toetry ny maty”. Ny hany tian’i Jôba hatao dia ny “miala sasatra”. Tampoka teo dia nanjary mafy sy sarotra ary feno fahoriana ny fiainany, ka naniry ny fahafatesana izay fantany fa fialana sasatra tsy misy manabataba ao am-pasana izy. Nalahelo loatra izy no sady voaratra lalina, ka nanjary hadinony ny fifaliana nananany teo amin’ny fiainany talohan’ny nisehoan’ireo toe-javatra ratsy ireo. Naleony maty raha vao teraka.


Amin’ny maha-Kristianina antsika dia manana teny fikasana mahafinaritra momba ny hoavy isika. Miaraka amin’izay anefa, dia miaritra toe-javatra mafy marobe isika, koa ahoana no hianarantsika hahatsiaro ny fotoana mamy niainantsika tamin’ny lasa ka hisintonantsika fampaherezana avy amin’ireny?



 Pejy ambony

TALATA

 

NY FAHORIAN’NY HAFA (Jôba 6:2,3)


Tapitra ny fotoana nisaonan’i Jôba, araka izay voaraikitra ao amin’ny toko faha-3. Ao amin’ireo toko roa manaraka, dia nanao teny tamin’i Jôba ny iray amin’ireo sakaizany, dia i Elifaza izany (hiverenantsika izany amin’ny herinandro). Ao amin’ny toko faha-6 sy 7, dia mbola miresaka momba ny fahoriany ihany i Jôba


Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandanjaina amin’ny mizana izy sy ny fahoriako! Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.” – Jôba 6:2,3. Ahoana no anazavan’i Jôba ny alahelony eto?


Manome hevitra antsika momba ny fahitan’i Jôba ny fahoriany ity sary an’ohatra ity. Raha atao eo amin’ny lela-mizana ny fasika rehetra any an-dranomasina, ary eo amin’ny ilany kosa ny toe-javatra mahatsiravina nihatra taminy, dia hihoatra ny lanjan’ny fasika ny fijaliany.


Izany no fahitan’i Jôba ny fahoriana nahazo azy, ary izy ireny no nizaka izany. Indraindray isika dia mahare ny hoe “fitambaram-ben’ny fijalian’ny olombelona”. Tsy dia manakaiky ny zava-misy marina loatra anefa izany. Tsy misedra fijaliana anaty vondrona isika, tsy miaina ny fahorian’ny hafa isika, fa ny an’ny tenantsika ihany. Ny fahoriantsika sy ny fijaliantsika ihany no fantatsika. Mety ho lehibe ny fahorian’i Jôba, saingy tsy lehibe lavitra noho izay efa niainan’ny tsirairay izany. Mety izay tokoa no tian’ny olona sasany hambara rehefa miteny izy hoe: “tsapako ny fahorianao”, saingy tsy tena izay no zava-misy, tsy afaka manao izany izy. Ny hany tsapany dia ny alahelony ho setrin’ny fahorian’ny hafa, nefa dia mbola azy ihany izany, fa tsy an’ilay olona.


Mahare mikasika ny loza maro isika, izay nataon’olombelona na tsia, izay mahafaty olona marobe. Tohina isika noho ny hamaroan’ny olona maty na maratra. Tsy mora ho antsika ny maka sary an-tsaina fahoriana lehibe toy izany. Tahaka ny nanjo an’i Jôba anefa, ny olona rehetra nanomboka tamin’i Adama sy i Eva tany Edena mandra-pahatapitr’izao tontolo izao dia tsy mahatsapa afa-tsy ny fahoriany, dia izay ihany.

Mazava loatra fa tsy hanamaivana ny haben’ny fahorian’ny hafa isika. Amin’ny maha-Kristianina antsika, dia antsoina hanamaivana ny fahoriana isika na aiza na aiza, amin’ny fotoana rehetra ahafahantsika manao izany (vakio ny Jak. 1:27; Mat. 25:34-40). Na inona na inona anefa fahoriana misy eto amin’izao tontolo izao, dia afaka ny ho velom-pisaorana isika satria tsy misy olona miaina fijaliana mihoatra noho izay zakany. (iray ihany no hafa amin’izany: vakio ny lesona 12.)


Eritrereto lalindalina kokoa ny amin’ny maha-voafetra ho an’ny olona tsirairay ny fahoriana. Ahoana no hanampian’izany anao hahatakatra ny foto-kevitra mahakivy ny amin’ny fijalian’ny olombelona amin’ny fomba fijery hafa?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

NY FAMAHANAN-TENONA (Jôba 7:1-11)


Alaivo sary an-tsaina ny resaka ifanaovana eto. Misy olona roa nalahelo fatratra noho ny amin’izay hitranga amin’ny olon-drehetra indray andro any: ny fahafatesana. Na tsara manao ahoana aza ny fiainana, ary na inona na inona atao, dia tsy maintsy miafara any am-pasana ihany.


“Eny” hoy i Metosela mitaraina amin’ny sakaizany. “Velona 800 na 900 taona eo isika, dia lasa avy eo. Inona moa izay 800 na 900 taona raha oharina amin’ny mandrakizay? (vakio ny Gen. 5).


Sarotra amintsika amin’izao fotoana izao ny mahazo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany velona mandritra taonjato maro izany (187 taona i Metosela raha niteraka an’i Lameka, ary mbola niaina 782 taona izy taorian’izay). Na dia ireo olona velona talohan’ny safo-drano aza, rehefa tojo ny fahafatesana, dia nitaraina ny amin’ny maha-fohy loatra ny fiainana.


Vakio ny Jôba 7:1-11. Inona ny itarainan’i Jôba? Vakio ihany koa ny Sal. 39:5,11 sy ny Jak. 4:14.


Vao avy nahita ny nanirian’i Jôba ny fialan-tsasatra sy ny fanamaivanana entin’ny fahafatesana isika. Amin’izao indray izy dia mitaraina ny amin’ny maha-mandalo ihany ny fiainana. Milaza izy amin’ny kapobeny fa sarotra ny fiainana, feno asa mafy sy fahoriana, ary maty isika avy eo. Ity ny zavatra mahasanganehana atrehintsika matetika: mitaraina isika fa mandeha haingana sy fohy loatra ny fiainana, na dia be fahoriana sy fahantrana aza izany.


Amin’ny fotoan’ny fahoriana sy ny fijaliana, dia toa marobe ireo zavatra tsy takatry ny saina. Indraindray, ao anatin’ny fahoriantsika, dia tsy afaka misaina amim-pitandremana intsony isika. Ny hany fantatsika dia ny ratram-pontsika sy ny tahotra, ka tsy manana fanantenana isika. Na i Jôba, izay mahalala tsara aza (Jôba 19:25), dia nihiaka ny hakiviany sy fahadisoam-panantenany: “Tsarovy fa rivotra ny aiko ary tsy hahita soa intsony ny masoko.” – Jôba 7:7. Toa akaiky kokoa ny fahatsapan’i Jôba ny fahafatesana, saingy mbola nitaraina noho ny fahafoizan’ny fiainana ihany izy, na dia nijaly aza tamin’izany fotoana izany.


Ahoana no hanampian’ny fahatakaranao ny Fahalavoana sy ny fahafatesana, ary ny fampanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty hanampy anao hahazo ny resaka mikasika ny fandalovan’ny fiainana?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

“MAHENOSH?” (INONA MOA NY ZANAK’OLOMBELONA?) (Jôba 7:17-21)


Eto dia tsy maintsy mipetraka eo amin’ny toeran’i Jôba indray isika. Nahoana Andriamanitra no manao izao zavatra rehetra izao amiko, na nahoana no avelany hahazo ahy izao? Tsy hitan’i Jôba ny toe-javatra iray manontolo. Ahoana moa no ahitany izany? Izay mahazo azy sy ny manodidina azy ihany no fantany, ary tsy misy azony izay mitranga.


Iza moa no mbola tsy sendra toe-javatra toy izany?


Vakio ny Jôba 7:17-21. Inona no lazain’i Jôba eto? Inona ny fanontaniana apetrany? Raha mieritreritra momba ny nanjò an’i Jôba, ahoana no mampitombina ireo fanontaniana ireo?


Mpandinika ny Baiboly maromaro no miady hevitra ka milaza fa manao teny manevateva amin’izay voasoratra ao amin’ny Sal. 8:4-6 i Jôba, toy izao no hita ao: “Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy? Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy; ary ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony” (vakio ihany koa ny Sal. 144:3,4). Ny olana anefa dia ny hoe voasoratra ela be talohan’ny nanoratana ny Salamo ny bokin’i Jôba. Araka izany, dia azo heverina fa nanoratra io ny mpanao Salamo ho setrin’ny alahelo lalina tao anatin’i Jôba.


Na ahoana na ahoana, ny fanontaniana “Mahenosh?” (inona moa ny zanak’olombelona?) dia fanontaniana iray manan-danja indrindra. Iza moa isika? Nahoana isika no eto? Inona ny dika sy tanjon’ny fiainantsika? I Jôba teo amin’ny toerany, dia nino fa “nikendry” azy Andriamanitra hasiana alahelo sy fahoriana. Noho izany antony izany, dia nanontany tena izy hoe nahoana Andriamanitra no misahirana hanao izany aminy. Lehibe loatra Andriamanitra, koa nahoana moa Izy no hiantsy an’i Jôba? Inona moa antony tokony hilan’Andriamanitra ady amintsika?


Vakio ny Jao. 3:16 sy ny 1 Jao. 3:1. Ahoana no anampian’ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra hoe nahoana Andriamanitra no mifangaro amin’ny zanak’olombelona?


“Hitan’i Jaona ny haavony, ny halaliny, ary ny velaran’ny fitiavan’ny Ray ny zanak’olombelona. Feno fankasitrahana sy fanajana an’Andriamanitra izy, ka tsy hitany ny fiteny mety indrindra enti-manazava ny fitiavan’Andriamanitra. Miantso an’izao tontolo izao anefa izy mba hihevitra izany: “Eritrereto ange ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika e, ka niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra!” (DIEM). Tombam-bidy manao ahoana re no entin’izany ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy! Tamin’ny alalan’ny fahotana, dia nanjary teo ambany fifehezan’i Satana ny olombelona, fa tamin’ny alalan’ny sorona tsy manam-petra nataon’i Kristy kosa, sy ny finoana ny Anarany, dia manjary zanak’Andriamanitra ireo zanak’i Adama. Amin’ny fandraisana ny maha-olombelona, dia mametraka ny taranak’olombelona amin’ny toerana ambonimbony kokoa i Kristy.” – Testimonies for the Church, b. 4, t. 536.



 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: “Amin’izao fotoana izao isika dia velona amin’ny fotoana izay anompoan’ny olona ny siansa sy ny fahalalan’olombelona. Koa mihena ny finoana ny “vaovao mahafalin’” ny fivavahana Kristianina, ary koa ny lanjan’izany. Nanjary mihen-danja sy heverina ho tsy ilaina ny finoana fa ny filazantsara no fototra anorenana ny fiainana. Ho an’izany fomba fisainana izany,

Ny fahafatesan’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana dia toy ny tsy niseho akory. Izany fiainana fohy (ny fiainan’i Jesôsy) nisy tamin’ny arivo taona lasa tany amin’ny firenena tsy dia manao ahoana loatra izany (Isiraely) dia maivan-danja tahaka ny kintana iray ao anatin’ireo an-tapitrisany maro eto amin’izao tontolo midadasika sy tsy miraika izao. Koa ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty dia finoana tsy hanan-danja intsony ho an’ny olona manan-tsaina. Tsy azo heverina ny hahaliana izao tontolo rehetra izao amin’izay nitranga teto amin’ity planeta kely dia kely ity.” – nalaina sy namboarina avy tamin’ny Passion of the Western Mind, Richard Tarnas (New York: Ballantine Books, 1991), t. 305. Inona no olana amin’io fisainana io? Inona no tsy takatry ny mpanoratra? Inona no ampianarin’ny tenin’Andriamatoa Tarnas antsika mikasika ny fetran’ny zavatra hain’ny “siansa sy ny fahalalan’olombelona” momba an’Andriamanitra sy ny fitiavany antsika? Inona no asehon’izany fomba fisainana izany antsika mikasika ny filàna ny fahamarinan’ny Baiboly? (ny fahamarinan’ny Baiboly dia fahamarinana tsy takatry ny “siansa sy ny fahalalan’olombelona” amin’ny tenany irery).


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:


1.
Amin’ny maha-Kristianina anao, ahoana no hamalianao ny fanontaniana hoe “inona moa ny zanak’olombelona?” Ahoana no haha-samy hafa ny valinteninao amin’ny an’ny olona tsy mino an’Andriamanitra, izay voalazan’ny Baiboly?

2. Tsy isalasalana fa rehefa maty ny olona dia maty araka ny nambaran’i Cormac McCarthy. “Ny fahafatesana no entin’ny olombelona miaraka aminy.” Ahoana no tokony hampaherezan’ny fahatakarantsika ny zavatra miseho ao aorian’ny fahafatesana antsika, momba ireo olon-tiantsika nodimandry? Tsy tokony hahazo fampaherezana kely ve isika amin’ny fahafantarana fa mitsahatra, tsy misy manabataba izy ireo, ary afaka amin’ny olana sy ny adim-piainana?

3. Araka ny hevitrao, na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy indrindra aza, nahoana no mbola mifikitra amin’ny fiainana ny ankamaroan’ny olona, na manao ahoana na ahoana faharatsian’izany?  

Ifanakalozy hevitra izay ampianarin’ny hazo fijaliana antsika mikasika ny tombambidin’ny olombelona, eny na dia ny aina iray aza.

 Pejy ambony