Fandresena tany an’efitra
 
SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 1:20-23; Jao. 9:39; Mat. 3:7-12; Mat. 4 :1-10 ; Deo. 34 :1-4 ; Apôk. 21 :10.

Tsianjery
: “Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.” – Lio. 19:10.a
 
Nony fantatr’i Satana fa hisy fifandrafesana aminy sy ny vehivavy, amin’ny taranany sy ny tarana-dRavehivavy, dia takany fa ho voasakana ny asa ratsy kendreny hamelezana ny olombelona, satria hanohitra ny famelezany izy. Kanefa, rehefa nahare ny filazalazana ny amin’ny planan’ny famonjena i Satana dia nifaly noho ny amin’ny Zanak’Andriamanitra voatery hiala avy eo amin’ny seza fiandrianany mba hitafy ny toetran’ olombelona, noho ny fahalavoan’i Adama. Noho izany fahombiazany voalohany izany, dia nandoka tena izy ary nilaza hanao izay rehetra azony hatao mba tsy hahatanteraka ny fanavotana ny olombelona.” – PM, t. 48
  
Amin’ity herinandro ity, raha hianatra momba ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesôsy tany an’efitra, dia ho hitantsika fa mampianatra antsika mazava ny Baiboly mikasika ny fifanandrinana lehibe izay mitohy hatrany eo amin’i Kristy sy i Satana. Milaza i Satana fa azy izao tontolo izao, tonga anefa i Kristy mba hanao izay hahatafaverina izany indray ho eo Aminy, izany no planin’ny famonjena. Rehefa tsy nahafaty an’i Jesôsy taoriana kelin’ny fotoana nahaterahany i Satana, dia nampiasa fomba hafa indray hanafoanana ny fanavotana ny olombelona. Manazava ny fomba nanaovan’i Satana izany tamin’ny alalan’ireo fakam-panahy tany an’efitra ny lesona amin’ity herinandro ity.

ALAHADY

IMANOELA MITONDRA FAMONJENA (Mat. 1:20-23)
 
Vakio ny Mat. 1:20-23. Inona no hevitry ny anarana hoe “Imanoela” izay nomena an’i Jesôsy?
   
Nahoana i Jesôsy no tonga teto an-tany ho “amintsika”? Voalohany dia tonga Izy mba hamerina indray ilay “fanjakana” izay very noho ny fahalavoan’i Adama (Rôm. 5:12, 15). Mahita sombiny amin’ny maha-mpanjaka an’i Jesôsy isika rehefa naniry ny hanandratra Azy ho mpanjaka ireo vahoaka niisa dimy arivo, ary nihira Hôsana ho Azy ny ankizy (hira fiderana atao ho an’izay hanavotra ny olona amin’ny tananan’ny fahavalony). Hitantsika ihany koa ny heriny eo amin’ny voary noforoniny, toy ny nanehoany ny fahafahany mamerina indray ny olombelona misy kilema ho tonga salama indray (ohatra amin’izany ny nanasitranany ilay lehilahy jamba hatrany an-kibo sy ilay vehivavy nitsika nandritra ny roa ambin’ny folo taona). Naneho ny heriny teo amin’ny zavaboary ihany koa izy, toy ny nataony raha nampitsahatra ny tafiotra ka nitenenany tamin’ny rivotra sy ny onja mba ho tony.
  
Tonga mba ho fitsarana ihany koa Izy sy handrava ny asan’ny devoly (Jao. 9:39; 1 Jao. 3:8). Impiry moa isika no manontany tena hoe nahoana ny ratsy no toa mahomby? Manohitra ny tsy fahamarinana i Jesôsy ary manome toky antsika fa hifarana tsy ho ela izany. Fantatry ny demonia ary ekeny fa manana fahefana aminy i Jesôsy. Matetika izy no niantso an’i Jesôsy tamin’ny anarana maha-Andriamanitra Azy, indraindray aza mialoha ny hanehoan’i Jesôsy izany. Namerina ny olona azon’ny demonia ho amin’ny fahasalamana ara-tsaina Izy ary nampitony azy, raha toa ka mandositra amin-tahotra ny hafa eo anatrehan’izany.
   
Tonga teto an-tany i Jesôsy mba hitady sy hamonjy ny very (Lio. 19:10), ary hanaisotra ny fahotan’izy ireo (Jao. 1:29). Tonga tahaka antsika Izy mba hahatonga Azy ho Mpisoronabe mahatoky izay hamerina antsika indray eo amin’Andriamanitra (Heb. 2:17). “Nifanandrina tamin’ny fahotana i Jesôsy, nanavotra ny olombelona avy tamin’izany sy nanome azy ireo ny fahasoavana, ny famelan-keloka, ny fahamarinana, ary nanandratra azy amin’ny toerana ambony. Izany rehetra izany dia natao ho fanatanterahana ilay fanekena tokana hatrany am-piandohana, izay tanteraka ankehitriny ao amin’i Jesôsy Kristy.” – N. T. Wright (2009-09-25), Justification: God’s Plan and Paul’vision (Kindle Locations 1462-1463: InterVarsity Press. Kindle Edition).
    Farany, tonga tety an-tany i Jesôsy haneho amintsika hoe tahaka ny ahoana Andriamanitra. Naharihariny tamintsika ihany koa, sy teo imason’izao rehetra izao, ny tena toetran’ Andriamanitra marina (Jao. 14:9).
  
Ahoana no hahatonga ny tsirairay avy amin’ireo anton’ny nahatongavan’i Kristy tety an-tany ireo hanatsara ny fiainanao sy ny fiarahanao mandeha amin’Andriamanitra?

ALATSINAINY

NY BATISAN’I JESOSY (Mat. 3:7-12)
  
Azo antoka fa nampitolagaga ny olona teo amin’ny manodidina i Jaona Mpanao batisa. Toa mitovy amin’i Elia mpaminany izany no fahitana azy (Mat. 3:4; 2 Mpanj. 1:8). Izy no nitondra hafa-paminaniana voalohany nandritra ny efajato taona izao, tsy mbola nangina nandritra ny fotoana ela toy izany Andriamanitra. Ankehitriny dia miteny amin’ny olona indray Izy, ary tsy isalasalana fa hisy zava-dehibe hitranga tokoa.
 
Vakio ny Mat. 3:7-12. Nahoana no nampifandraisin’i Jaona Mpanao batisa tamin’ny fampahafantarany momba ny Mesia ny fitsarana- ny fahatezerana ho avy (Mat. 3:7), ny famaky mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo (Mat. 3:10), ny fanadiovana ny eo am-pamoloana (Mat. 3:12), ary ny handorana ny akofa sy ny mololo amin’ny afo tsy mety maty (Mat. 3:12)?
  
Nihevitra ny olona fa velona tamin’ny andro farany izy ireo. Avy tany an’efitra i Jaona no hitan’izy ireo ary nampirisika azy ireo hidina ao amin’ny Onin’i Jordana mba hatao batisa. Tahaka ny fifindra-monina vaovao mihitsy izany. Nilaina ny ho lenan’ny rano (fa tsy mita ony ritra) mba ho fanadiovana sy ho fiomanana ho amin’ilay tany vaovao nampanantenaina. Nihevitra izy ireo fa ny Mesia mihitsy no hitarika azy ireo, avy amin’ny fandresena ny Rômanina ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra maharitra mandrakizay izay noresahin’ireo mpaminany. Izany no tao an-tsain’ny olona maro tamin’izany fotoana izany.
  
Tsy nitarika fihetsehana ara-pôlitika anefa i Jaona sy i Jesôsy, hetsika ho famonjem-panahy no natao. Teny nolazain’i Isaia no nentin’i Lioka nanazava izay nataon’i Jaona, izay manambara momba ny lalana omanin’Andriamanitra ho an’ny olony izay mitondra azy any amin’ilay Tany Nampanantenaina (Lio. 3:3-6). Nohazavain’i Jeremia ny antony nanamboarana izany lalana manokana izany, dia ny hahafahan’ny jamba, ny mandringa, ny manana anaka, izay mihetsi-jaza- sy ny olon-drehetra izay te hiverina any amin’ilay Tany Nampanantenaina hanao izany (Jer. 31:7-9). Tsy mahagaga raha toa ka nirohotra nanaraka an’i Jaona ny vahoaka maro. Velom-panantenana izy ireo fa afaka ny ho vonona ho amin’ny andro lehiben’i Jehôvah, izay ho avy tsy ho ela.
   
Tonga izany andro izany, saingy tsy araka ny nantenain’ny ankamaroan’izy ireo. Tsy hoe tsy nambara taminy tsy akory ny momba izany, fa tsy azon’izy ireo ny hevitr’izay nampianarin’ny Soratra Masina (Lio. 24:25-27).
   
Diso hevitra ireo vahoaka mahatoky momba ny fisehon’ny fahatongavan’ny Tompo voalohany tety an-tany. Ahoana no mety hialan’ny olona mahatoky izay miaina amin’ny andro farany amin’ny fahadisoan-kevitra mikasika ny fiavian’i Jesôsy fanindroany?

TALATA

VATO OVAINA MOFO (Mat. 4:1-3)
 
Vakio ny Mat. 4:1-3. Inona no mitranga eto? Nahoana? Ahoana no fahitanao ny fitohizan’ny ady lehibe izay misy eo amin’ny tsara sy ny ratsy eto?
 
Raha nentina nankany an’efitra mba halaim-panahy Jesosy, dia ny Fanahin’Andriamanitra no nitondra Azy. Tsy nitady ny fakampanahy Izy. Nandeha tany an’efitra Izy mba ho irery, handinika ny iraka nampanaovina Azy sy ny asany. Amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana dia hampahery ny tenany Izy hiatrehany ny lalana voapentin’ny ra izay tsy maintsy hodiaviny. Fantatr’i satana anefa fa nankany an-efitra ny Mpamonjy, ka noheveriny fa io no fotoana mety indrindra hanatonana Azy.” – IFM, t. 103
    
Misy fampitahana mahaliana tokoa eo amin’ny tantaran’ny nakana fanahy an’i Jesôsy sy ny fanandraman’ny Isiraelita nandritra ny fivezivezeny tamin’ny fifindra-monina (avy tany Egipta). Rehefa avy natao batisa i Jesôsy dia nandeha nankany an’efitra, tsy nihinana na inona na inona Izy tany, ary nalaim-panahy nandritra ny efapolo andro. Tahaka izany koa, ny Zanak’Isiraely dia nita ny rano (ny Ranomasina Mena), niditra tany an-efitra izay tsy nahitana mofo, ary nijanona tany nandritra ny efapolo taona. Mariho ny filazalazana momba izany ao amin’ny Deo. 8:2, 3: “Ary tsarovy ny làlana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny hianao, na tsia. Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana.”
  
Ny tantara ao amin’ny Filazantsara dia manambara fa noana i Jesôsy rehefa afaka efapolo andro (Mat. 4:2). Nisy nanolo-kevitra ho “fanampiana” Izy avy eo, tahaka ireo sakaizan’i Jôba izay nanandrana “nampionona” azy. Tsy vao izao akory i Satana no miseho ho toy ny olona “miezaka ny hanampy” ny hafa izay ao anaty toe-javatra sarotra. Ny Zak. 3 dia miresaka momba ny tantaran’ilay mpisoronabe, tamin’ny andro nananganana indray an’i Jerosalema taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babilôna. Raha nijoro teo anatrehan’ Andriamanitra ilay mpisoronabe tao amin’ny fahitana, dia nisy olona niseho avy teo ankavanany. Ilay namana tena itokisana indrindra mazàna no mitsangana eo ankavanana mba hiaro sy hiambina raha misy ny mamely. Saingy i Satana mihitsy ilay eo ankavanana ao amin’ny Zak. 3, izay miseho ho namana azo itokisana fa tsy tena izay tsy akory.
   
Toe-javatra toy izany no nihatra tamin’i Jesôsy tany an’efitra. Naneho ny tena endriny ilay tonga mba “hanampy” rehefa niteny hoe: “Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto” – Mat. 4:3. Tsy ho nisalasala ny amin’ny maha-zanak’Andriamanitra an’i Jesôsy mihitsy ny anjely iray, raha avy amin’Andriamanitra.
   
Mariho tsara fa teny misy ifandraisany amin’ilay fifindra-monin’ny Isiraely ny valinteny nolazain’i Jesôsy (Mat. 4:4): “dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.” – Deo. 8:3.
 
    
Zava-dehibe ny tsy resin’ny fakam-panahy. Saingy manao ahoana ny maha-zava-dehibe ny fahazoana antoka fa tsy mitondra
ny hafa ho amin’izany ianao, na dia mety tsy fantatrao aza izany?
 
ALAROBIA

FAKAM-PANAHY HAFA (Mat. 4:5-7)
   
Misy ifandraisana amin’ny fifindra-monin’ny Isiraely (avy tany Egipta) ny fakam-panahy voalohany, nefa tao amin’ny Fahalavoana koa no nisy ny fakan’izany. Nataon’i Jesôsy ho zava-dehibe tokoa ny fahatokiana amin’Andriamanitra mihoatra noho ny fitiavan-kanina. Izany no nahazoany indray izay very rehefa lavo teo amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama. Saingy mba hamitrana tanteraka ilay elanelana misy eo amin’izay nahalavo antsika olombelona hatramin’ny andron’i Adama, dia tsy maintsy niatrika fakam-panahy roa hafa i Jesôsy.
   
Araka izay nambaran’i Matio, ny fakam-panahy faharoa dia ny nitondran’i Satana an’i Jesôsy tany an-tampon’ny tempoly. Izay toerana izay no sisiny atsimo atsinana izay hahatazanana hantsana lalina. Naveriny indray ilay fitenenana maniratsira hoe “raha Zanak’Andriamanitra ianao”, izay maneho fa tsy naman’i Jesôsy ity mpaka fanahy ity.
 
  
Inona no tena tian’i Satana hoporofoina eto? Mety ho nanaporo inona moa raha nianjera tany ambany araka ny nambaran’i Satana i Jesôsy? (Mat. 4:5-7)
   
   
Tsy mba nahaliana an’i Jesôsy ny fihetsiketsehana, miorina tsara ny fahatokiany an’Andriamanitra, fa tsy zavatra natao haderadera ho hitan’ny hafa. Ny fitokisana feno nananan’i Jesôsy ho an’ny Rainy dia nasehony tamin’ny fandaozany ny lanitra sy ny nahatongavany ho olombelona, ny niaretany ny fijaliana tamin’ireo ratra naharary sy ny fahafatesana tsy mendrika Azy (vakio ny Fil. 2:5-8). Izany no lalana tsy maintsy nolalovany, ary efa nivonona tanteraka ho amin’izany Izy. Ny iraka nampanaovina Azy dia ny hahazo indray izao tontolo izao izay very teo am-pelatanan’i Adama sy ireo izay tao aoriany. Ao amin’i Jesôsy no hahatanterahan’ireo fanekena feno fampanantenana, mba hahafahan’izao tontolo izao mahazo famonjena.
    
Teto dia mbola novalian’i Jesôsy tamin’ny “Voasoratra hoe” ihany izany fakam-panahy izany, ary mbola naveriny izay voasoratra tao amin’ny Deoterônômia izay mifandraika amin’ny fifindra-monin’ny Zanak’Isiraely hoe: “Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.” – Deo. 6:16.
    
Tany Masa ny Isiraelita no nitaraina fatratra tamin’ny tsy fisian’ny rano, ka nokapohin’i Mosesy ny vatolampy mba hamoaka izany. Ny fahitana izany toe-javatra izany no nahatonga an’i Mosesy hilaza tamin’ny vahoaka ny amin’ny “nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?” – Eks. 17:7. Nanao izay hamitahana an’i Jesôsy ny devoly tamin’ny famerenana ny tenin’ny Mpamonjy hoe: “Voasoratra hoe” - Mat. 4:4,6. Fantatr’i Jesôsy tsara izany, ary mazava loatra fa tsy lavon’izany famitahana izany Izy.
 
    
Tsy mora mandrakariva ny mahita ny tsipika manelanelana ny fitokiana amin’Andriamanitra mba hampisy fahagagana, sy ny fanararaotana ny heriny rehefa mivavaka. Ahoana no nianaranao nanavaka ireo zavatra roa ireo? Zarao amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.
 
ALAKAMISY

FIANKOHOFANA AMIN’NY DEVOLY (Mat. 4:8-10)
  
Araka ny nambaran’i Matio, ny sakafo no fakam-panahy voalohany nahazo an’i Jesôsy, ny faharoa kosa dia mikasika ny fanararaotana an’Andriamanitra, ary ny fahatelo dia fihantsiana mivantana an’i Kristy, amin’ny maha-mpanjaka Azy sy amin’ny iraka iray manontolo izay nampanaovina Azy.
 
  
Vakio ny Mat. 4:8-10; Deo. 34:1-4; ary ny Apôk. 21:10. Inona ny hevitry ny “tendrombohitra avo” izay nitondran’i Satana an’i Jesôsy?
 
   
Raha mijery ny firesahan’ny Baiboly mikasika ny fiakarana any an-tampon’ny tendrombohitra avo dia avo mba hitazana ny fanjakana rehetra, dia hitantsika fa tsy fitsangatsanganana tsy akory ny dia nataon’i Jesôsy. Teo an-tampon-tendrombohitra ihany koa i Mosesy no nahita ilay Tany Nampanantenaina araka izay ho toetrany rahatrizay, ary taty aoriana dia tany an-tendrombohitra koa i Jaona no nahita ilay Jerosalema Vaovao. Tahaka izany koa, tsy ny fanjakan’ny Rômanina tamin’ny andron’ny Baiboly ihany tsy akory no hitan’i Jesôsy. Mariho fa asehon’i Satana amin’ny famirapiratany ny zava-drehetra, asehony ny harena sy ny “lafiny mahafinaritra”, saingy tsy asehony kosa ny heloka bevava, ny fahoriana ary ny tsy rariny.
    
Avy eo dia nilaza i Satana hoe: “Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao” – Mat.  4:9. Tahaka ny namitahan’i Satana an’ i Adama i Eva haniry ho toa an’Andriamanitra (raha efa araka ny endrik’Andriamanitra izy ireo) no nilazany ny tenany ho Andriamanitra sy nilazany fa azy avokoa ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao. Nolazainy fa raha miankohoka eo anatrehany na dia kely monja aza i Jesôsy dia homeny Azy mora foana ny zava-drehetra (vakio ny Lio. 4:6; ampitahao amin’ny Sal. 2:7,8).
   
Nifantoka betsaka tamin’ny fahatokiana io fitsapana io. Iza no tokony hiantefan’ny fahatokiana feno avy amin’ny olombelona? Nomen’i Adama sy i Eva an’i Satana tanteraka ny fahatokiany rehefa resin’ilay menarana izy ireo, ary niparitaka haingana tamin’ny taranaka rehetra nifandimby izany aretina izany. Raha tsy niditra an-tsehatra mivantana Andriamanitra dia ho azon’i Satana ny fandresena tamin’ilay fifanandrinan-kery lehibe, mety ho tsy nisy intsony ny olombelona na ny fiainana teto ambonin’ny tany mihitsy aza raha izany. Tena loza lehibe tokoa izany.
   
Mariho fa tsy namela ny ratsy hanakaiky Azy i Jesôsy, tahaka an’i Josefa tamin’ny vadin’i Potifara. Nobaikon’i Jêsôsy handeha i Satana, tsy afaka nanao izany kosa i Josefa, saingy izy no niala lavitra teo amin’ny toerana mety hisehoan’ny ratsy (Gen. 39:11,12). Lesona tsotra ho antsika ihany koa izany.
 
   
Nampiasa ny Soratra Masina ho fiarovan-tena i Jesôsy hiatrehana ireo fakam-panahy telo ireo. Midika inona amintsika izany amin’ny fiainantsika andavanandro? Rehefa miatrika fakam-panahy, ahoana no azontsika ampiasana ny Baiboly hananana fandresena toy izany?
 
ZOMA

FIANARANA FANAMPINY:
Azon’ny olona iray atao ny mitady mpanoratra samihafa, mandritra ny taonjato maro, izay niezaka nanazava ny hevitra fonosin’ny ady lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Misy Kristianina amin’izao andro izao miezaka mitady ny hevitr’izany, saingy tsy mbola nisy nanana fomba fijery nohadihadiana lalina mikasika ilay fifanandrinan-kery lehibe tahaka ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Tena lohahevi-dehibe ho an’ny fisainana Advantista tokoa ny ady ara-nofo sy ara-panahy misy eo amin’i Kristy sy i Satana. Ary tsy mahagaga raha misy izay antsoin’ny mpanoratra Kristianina iray hoe “lohahevitra momba ny ady lehibe (eo amin’Andriamanitra sy i Satana) izay mahakasika izao tontolo rehetra izao” ao amin’ny Baiboly manontolo. Ny lesona amin’ity herinandro ity, ohatra, izay mikasika ny fakam-panahy tany an’efitra dia aseho amin’ny fomba tsotra sy azo tsapain-tanana. Na dia any ivelan’ny lohahevitra ara-pinoana aza dia ahitana ny hevitry ny fifanandrinana eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Ohatra amin’izany izay nosoratan’ny poeta antsoina hoe T.S. Eliot: “Miodina ny tany, ary miova izao tontolo izao/ Saingy zavatra iray no tsy miova/ Nandritra ny fiainako iray manontolo, zavatra iray monja no tsy mba niova: / ny ady mandrakizay ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy.” – The Complete Poems and Plays, 1909-1950 (New York: Harcourt Brace&Company, 1952), t. 98. Ilay teratany Alemana tsy mpino an’Andriamanitra iray izay antsoina hoe Friedrich Nietzsche dia nanoratra hoe: “Izao no fehin-kevitra tsoahintsika. Ireo lafiny roa mifanohitra: “ny tsara sy ny ratsy”, dia tafiditra ao anatin’ny fifanandrinana mampivarahontsana eto an-tany mandritra ny taona arivo maro.” – On the Genealogy of Morals and Ecce Homo (New York: Random House, 1967), t. 52. Ny Baiboly sy ny Fanahin’ny Faminaniana dia maneho marina ny tena toetr’izany ady izany sy ny fiantraikany maharitra mandrakizay mahakasika izany.
 
FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:
  1. Avereno jerena ny valinteninao ho an’ireo fanontaniana tamin’ny Alarobia mikasika ilay tsipika manelanelana ny fitokisana amin’ny teny fikasan’Andriamanitra hisehoan’ny fahagagana marina sy ny fanararaotana ny herin’Andriamanitra. Ahoana no hahaizanao manavaka ireo?
  2. Ny fakam-panahy dia miseho amin’ny endrika, habe, loko ary fomba maro. Ireo rehetra ireo dia voatendry hanatratra ny tsirairay avy amintsika any amin’izay toerana misy antsika avy, ary tsy voatery hahazo ny hafa ny fakam-panahy mahazo ny olona iray. Ankoatra ny fahotana izay miharihary avy hatrany, inona ireo fahotana miafina izay mety haka fanahy antsika?

Avereno vakina ireo toe-javatra nakana fanahy an’i Jesôsy tany an’efitra sy ireo fanandramana feno fanetren-tena nolalovany. Eo am-panaovana izany, eritrereto fa io Jesôsy io ihany ilay “amintsika Andriamanitra”. Izy no Ilay “nahariana ny zavatra rehetra” (Jao. 1:3). Ahoana no hahazoantsika amin’ny fahafenoany ny hevitry ny hoe nandalo tamin’izany ady mampivarahontsana izany Andriamanitra noho ny amintsika? Raha mandinika izany fahamarinana izany, inona ihany koa no zava-dehibe?