LESONA 6

30 APRILY - 06 MAY

Mitsahatra ao amin'i Kristy

LESONA 6
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.30


Tsianjery
: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” – Mat. 11:28.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 11:28-30; Mat. 12:1,2; Lio. 14:1-6; Jao. 5:9-16; Mat. 12:9-14; Isa. 58:7-13.

Fiambenana maraina: Mofon’ny lanitra - Jao. 6:57,58,60,66

Ohatra velona maneho ny lalàna i Kristy. “Tsy nisy fandikana ny fitsipiny masina hita teo amin’ny fiainany. Raha nijery ireo vavolombelona iray firenena izay nitady fotoana mety hanamelohana Azy Izy, dia azony natao ny niteny hoe: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?” (Jao. 8:46) - IFM, t. 298.

Ny fiainan’i Jesôsy dia naneho manontolo ny hevitry ny lalàn’Andriamanitra, dia ny Didy Folo izany. Izy no lalàn’Andriamanitra nomena endrik’olombelona. Koa amin’izany, dia mianatra ny fomba fitandremana ny lalàna isika rehefa mandalina ny fiainan’i Jesôsy. Mianatra koa isika hoe toy ny ahoana no hitandremana ny lalàna mba tsy hahatonga izany ho fanarahan-dalàna ho fitadiavam-pamonjena, izay sady tsy vokatry ny fo no tsy misy aina.

Mazava loatra fa ao anatin’ireo lalàna ireo ny didy fahefatra, dia ny hahatsiarovana ny Sabata, andro fahafito sy ny hanamasinana izany.

Mbola hanohy ny fianarana ny bokin’i Matio ihany isika amin’ity herinandro ity, ka hojerentsika ny sasany amin’ireo fifanoheran-kevitra mikasika ny fomba tokony hitandremana ny Sabata. Avy eo dia ho hitantsika ao amin’ny fiainan’i Jesôsy ny ohatra ny amin’ny fitandremana izany andro izany. Ohatra maneho ny toetr’Andriamanitra ny lalàna, ary nitandrina izany i Jesôsy. Araka izany, amin’ny fianarana ny fomba nitandremany ny didy fahefatra sy izay nampianariny momba izany, dia mianatra bebe kokoa mikasika ny toetr’Andriamanitra isika; ary ny zava-dehibe noho izany dia ny fahafahantsika mianatra maneho ny taratr’izany toetra izany eo amin’ny fiainantsika.


Pejy ambony

ALAHADY: NY ZIOGA MAIVAN’I KRISTY (Mat. 11:28-30)

Fiambenana maraina: Esory ity kapoaka ity, nefa… - Mat. 26:38,39.


Ao amin’ny Mat. 11:20-27 i Jesôsy dia nanao fampitandremana mahery vaika ho an’ireo tanàna sasany tao Galilia izay nandà ny asa nataony. Mampihoron-koditra ny fampitandremana nataony satria ireo tanàna ireo dia nanana tombontsoa lehibe hahafantatra ny fahamarinana. I Jesôsy, ilay Fahamarinana (Jao. 14:6) mihitsy no teo anivon’izy ireo, ary tsy izay ihany fa nanao “asa lehibe” (Mat. 11:20) tao koa Izy, saingy tsy nety nibebaka ireo tanàna ireo. Nilaza i Jesôsy fa raha ny “asa lehibe” nataony tao Kapernaomy no nataony tany Sôdôma dia “ho naharitra ambaraka androany izy” (Mat. 11:23). Izany teny izany dia midika fa ratsy lavitra noho ireo mponin’i Sôdôma ny olona tany Kapernaomy.

Taorian’izay, ao amin’ny andininy 25-27, dia nivavaka tamin’ny Ray i Jesôsy, nisaotra Azy Izy ary avy eo niresaka momba ny fifandraisana ety misy eo Aminy sy ny Ray. Nampahafantariny koa fa ny zava-drehetra nananany sy nomena azy dia avy tamin’ny Ray avokoa. Izany dia mampiseho mazava kokoa fa mahonena tokoa ny fandavan’ireo tanàna ireo tsy handray Azy.

Vakio ny Mat. 11:28-30. Inona no ambaran’i Jesôsy ao amin’ireo andininy ireo? Inona no antony nanambarany ireo teny ireo, taorian’izay nolazainy?

Notenenin’i Jesôsy mafy ny tsy finoana, ary niresaka indray momba ny maha-akaikin’ny Ray Azy Izy. Manome fitsaharana ho an’ireo rehetra sasatra Izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia milaza amin’ny olona Izy mba tsy hanao ny fahadisoana izay nataon’ny sasany, dia ny fandavana tsy handray Azy. Manana fahefana sy hery hanao araka izay ambarany Izy, ary milaza fa hahita fitsaharana ny fanahinao raha manatona Azy. Araka izany, izany fitsaharana izany dia misy fiadanana sy ny teny fikasana ny amin’ny famonjena ary fanantenana izay tsy mba ananan’ireo mandà Azy.

Inona koa no tian’i Jesôsy hambara rehefa milaza Izy fa hanome antsika fitsaharana? Misy hevitra milaza hakamoana ve ao amin’izany? Mazava loatra fa tsia. Manana tanjona lehibe ho antsika i Jesôsy, hitantsika tamin’ny Toriteny nataony teo an-tendrombohitra izany. Saingy tsy natao handreraka antsika ny fifandraisana amin’i Jesôsy. Amin’ny fianarana Aminy, ny fanarahana Azy, ary amin’ny fandraisana ny toeny, dia hahita fitsaharana isika avy amin’ireo olana marobe sy fahasahiranan-tsaina eo amin’ny fiainana. Ary araka izay ho hitantsika manaraka dia fomba iray hahitana fitsaharana ny fitandremana ny Sabata.

Manao ahoana ny fanandramanao ny teny fikasana omen’i Jesôsy antsika eto? Inona no ifandraisan’ny toetra “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” amin’ny fahamaivanan’ny enta-mavesatra na ny andraikitra izay entitsika eo amin’ny fiainana?


Pejy ambony

ALATSINAINY: FAHATEZERANA TAMIN’NY ANDRO FITSAHARANA (Mat. 12:1,2)

Fiambenana maraina: Fiarovana amin’ny famelezan’i Satana - Mat. 4:1-11


Andeha hatao hoe nesorina tokoa araka izay ambaran’ny Kristianina maro ny Sabata andro fahafito, anontanio ny tenanao hoe raha marina izany dia nahoana i Jesôsy no nandany fotoana maro niresahana mikasika ny fomba tokony hitandremana izany?

Vakio ny Mat. 12:1,2; Lio. 14:1-6; Mar. 2:23-28; ary ny Jao. 5:9-16. Inona no olana mitranga eo amin’ireo toe-javatra ireo? Inona kosa no tsy olana?

Fantatry ny Fariseo fa antony iray nahatonga ny Isiraely ho babo tany Babilôna ny nanitsakitsahan’ny firenen’izy ireo ny Sabata, ka te hisoroka ny fitrangan’izany toe-javatra izany izy ireo. Noho izany dia nanao lisitra lavabe izy ireo, izay nahitana ny fitsipika momba ireo zavatra azo atao sy tsy azo atao amin’ny andro Sabata. Nanao izany izy ireo mba hitandrovany ny fahamasinan’io andro io, inona ny sasany amin’ireo fitsipika ireo?

Raha misy akoho manatody amin’ny andro Sabata, azo atao ve ny mihinana izany atody izany? Ny ankamaroan’ny Fariseo dia nihevitra fa raha avy amin’ny akoho mpanatody lava izany atody izany, dia tsy azo atao ny mihinana izany amin’ny andro Sabata satria nanao asa ilay akoho. Ahoana kosa raha toa ka tsy avy amin’ny akoho mpanatody lava izany atody izany? Ahoana raha toa ka akoho nohatavezina mba hohanina ilay izy? Raha izay indray dia azo hanina ilay atody, satria tsy ny fanatodizana no “asany” na “andraikiny” voalohany. (Nisy koa ny filazana fa azo atao ny mihinana ny atodin’ny akoho mpanatody lava izay latsaka tamin’ny andro Sabata raha toa ka vonoina ilay akoho avy eo noho ny nandikany ny Sabata.)

Azo atao ve ny mijery fitaratra amin’ny andro Sabata? Ny valiny dia tsia, satria raha mahita volofotsy ianao dia mety halaim-panahy hanala izany. Ny fanongotana volofotsy anefa dia mitovy amin’ny fijinjana, ka izay fanalana ny volo izay dia efa asa, izany hoe tsy fanajana ny Sabata izany.

Raha toa ka mirehitra ny tranonao amin’ny andro Sabata, azo atao ve ny mamoaka ny fitafianao? Ny valiny dia izao:  fitafiana iray ihany no tokony havotanao. Saingy raha efa misy fitafiana hafa eny aminao, dia azonao atao ihany ny manavotra iray hafa. (Raha toa ka mirehitra ny trano, dia tsy azo atao ny mangataka ny Jentilisa iray hamono izany afo izany, saingy raha manao izany ihany izy, dia tsy maninona)

Azo atao ve ny mandrora amin’ny andro Sabata? Toy izao ny valiny: azonao atao ny mandrora eo ambony vato, saingy tsy azo atao kosa ny manao izany eo amin’ny tany satria mahatonga fotaka na feta izany.

Mety hampihomehy antsika ireo fitsipika ireo, saingy manao ahoana no mety hanaovantsika toy izany koa, tsy momba ny Sabata ihany fa mikasika ny lafiny samihafa amin’ny finoantsika? Ahoana no hahazoantsika mibanjina hatrany izay manan-danja ka tsy hifantoka amin’izay tsy dia misy lanjany loatra?

Pejy ambony

TALATA: NY VALINTENIN’I JESOSY (Mat. 12:3-8)

Fiambenana maraina: Kristy, fanamasinana antsika - 1 Kôr. 6:1.

 

Ny fizaràna Alatsinainy dia maneho toe-javatra izay tsy nankasitrahan’i Jesôsy, dia ireo fitsipika diso sarotiny mikasika ny fitandremana ny Sabata izay nandrava ny tena tanjon’ny Sabata. Andro natao hitsaharana amin’ny asa fanao mantsy izany andro izany, andro natao hiankohofana amin’Andriamanitra sy hiarahana amin’ireo mpino namana noho ny tsy fahafahantsika manao izany rehefa andro fiasana. Amin’io andro io ny ray aman-dreny no manam-potoana bebe kokoa ho an’ny zanany mihoatra ny andavanandro, io koa no andro hankalazana sy hisaorana ny Mpamorona sy Mpamonjy antsika noho izay nataony ho antsika.

Vakio ny Mat. 12:3-8 hahitanao ny nasetrin’i Jesôsy ilay zioga mavesatry ny Fariseo. Vakio koa ny 1 Sam. 21:1-6. Inona no tian’i Jesôsy ho takatr’izy ireo?

Nilaza tamin’izy ireo izay nambarany taminy tatỳ aoriana tamin’ny fomba maherihery kokoa i Jesôsy (Mat. 23:23, 24). Tiany ny hifantohan’izy ireo amin’izay tena zava-dehibe.  Notantarain’i Jesôsy indray ilay tantara tsy vaovao amin’ny maro momba an’i Davida nihinana ny mofo aseho, mofo izay tokony hohanin’ny mpisorona irery ihany. Amin’ity toe-javatra ity, dia zava-dehibe kokoa ny hanoanan’i Davida sy ireo mpanaraka azy mihoatra ny asa fisoronana izay nilàna ireo mofo ireo. Tahaka izany koa, zava-dehibe kokoa ny hanoanan’ireo mpianatr’i Jesôsy noho ny fitsipika momba ny Sabata (mikasika ny fijinjana) natao ho an’ny tanjona hafa.

Notsipihin’i Jesôsy koa ny asa ataon’ny mpisorona ao amin’ny Tempoly rehefa Sabata. Azo atao ny asa fanampiana ny hafa rehefa Sabata, tahaka izany koa dia afaka manao ny asany ireo mpianatr’i Jesôsy satria lehibe noho ny Tempoly i Jesôsy sy ny asany.

Tsy misy tamin’izay nolazain’i Jesôsy teto, na taiza na taiza, raha mikasika ny fitandremana ny Sabata, no nampiseho fa tsy manan-danja ny lalàn’Andriamanitra. Tiany hafahana izy ireo, tsy ho afaka amin’ny Sabata fa amin’ny fitsipika tsy misy heviny izay nanakona ny tena tanjon’ny Sabata. Ny Sabata koa dia ohatry ny fiadanana sy fitsaharana hitantsika ao amin’i Kristy amin’ny maha-Mpamorona sy Mpamonjy antsika Azy.

“Tamin’ny andron’i Kristy dia efa nanjary simba indrindra ny Sabata, hany ka nitaratra ny toetra amam-panahin’ny olona tia tena sy manjakazaka ny fitandremana izany, fa tsy ny toetra amam-panahin’Ilay Ray any an-danitra be fitiavana.” – IFM, t. 294. Jereo ny asa ataonao ka anontanio ny tenanao amin’izay azonao atao mba hanehoana amin’ny alalan’izany ny toetr’ilay Rainao be fitiavana any an-danitra.


Pejy ambony

ALAROBIA: FANASITRANANA TAMIN’NY ANDRO SABATA (Mat. 12:9-14)

Fiambenana maraina: Natsangana ho amin’ny fiainam-baovao - Rôm. 6:1-4.

Mahaliana tokoa ny mamaky ao amin’ny Filazantsara ka mahita fa imbetsaka ireo mpanoratra no nanoratra momba ireo disadisa niseho teo amin’i Jesôsy sy ireo mpitarika ara-pivavahana. Nahoana ireo mpanoratra ny Filazantsara efatra no nanoratra tantara maro momba ny fifandirana nisy teo amin’i Jesôsy sy ireo mpitarika ara-pivavahana mikasika ny Sabata raha toa ka hofoanana izany? Mahazo lanja kokoa io teboka io rehefa tsaroantsika fa voasoratra taona maro taorian’ny fotoana nanaovan’i Jesôsy ny asany ireo Filazantsara ireo. Tsy mitovy hevitra momba ny daty marina nanoratana ny Filazantsara ireo mpandinika ny Baiboly, saingy ny ankamaroan’izy ireo dia mametraka izany ho roapolo hatramin’ny telopolo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesôsy. Raha toa ka nosoloina ny Alahady ny Sabata andro fahafito, dia tsy ahitana izany fanovana izany mihitsy ao amin’ireo Filazantsara izay miresaka momba ny fiainan’i Jesôsy. Araka izany dia manana porofo mahery vaika isika izay manamarina fa tsy novana na nofoanana ny Sabata andro fahafito. Raha ny marina dia tsy mbola nanome baiko mihitsy i Jesôsy hanaovana fanovana mikasika ny Sabata, araka ny nambaran’ireo Filazantsara efatra ireo. Raha mifantoka amin’ny baiko sy ny ohatra nomen’i Jesôsy isika, dia hitantsika avy amin’ny Filazantsara fa mbola mitoetra ary manan-kery ny Sabata andro fahafito.

Vakio ny Mat. 12:9-14. Inona no zava-nitranga teto? Nahoana izany no antony iray hafa nahatonga fifanolanana?

Sabata iray hafa, raha niditra tao amin’ny synagoga Jesosy, dia nahita lehilahy efa maina ny tanany. Nanara-maso Azy ny Fariseo, liana fatratra hahita izay hataony. Fantatry ny Mpamonjy tsara, fa raha manasitrana amin’ny andro Sabata Izy dia horaisina ho mpandika lalàna, nefa tsy nisalasala Izy nandrodana ny rindrin’ny fitakian’ny lovan-tsofina izay namefifefy ny Sabata (…) fombam-pitenenana teo amin’ny Jiosy ny hoe ny tsy fanaovana ny soa rehefa misy fotoana mety hanaovana izany dia fanaovana ratsy; ary ny fanaovana an-tsirambina ny famonjena aina dia famonoana olona. Noho izany dia teo amin’ny toerana nisy azy ihany no nifanoheran’i Jesosy taminy.” – IFM, tt. 296-297.

Teto, tahaka ny tamin’ny toe-javatra nitranga tany aloha rehefa Sabata, dia mbola tian’i Jesôsy ny hampitodika ny sain’ny olona amin’ny tanjona ambony kokoa amin’ny lalàna sy ny fiainana feno finoana. Ho afa-po kokoa ireo lehilahy ireo raha namela ilay lehilahy narary teo niaraka tamin’ny fahoriany sy ny fanaintainany toy izay handika ireo fitsipika nataon’olombelona momba ny Sabata. Namboamboarina loatra ireny fitsipika ireny, naleon’ireo raby ireo nisintona omby iray avy ao anaty lavaka amin’ny andro Sabata toy izay hanafaka ny olombelona namany hiala amin’ny fahoriana.

Mila mitandrina isika mba tsy hanakana ny fiainantsika ny finoana araka izay sitrapon’Andriamanitra ny fampiharantsika izany finoana izany.


Pejy ambony

ALAKAMISY: MITANDRINA NY SABATA (Mat. 12:12)

Fiambenana maraina: Toky sahady - Jao. 3:36

Tokony hazava araka izay hita ao amin’ireo tantara maro ao amin’ny Filazantsara fa tsy nanafoana ny Sabata tsy akory i Jesôsy. Nanavao ny lanjan’izany aza no nataony. Nesoriny ireo enta-mavesatra tsy ilaina izay napetraky ny olona tamin’izany andro izany. Taonjato maro tatỳ aoriana dia mbola nitsahatra sy nivavaka ny Kristianina rehefa Sabata. Ilay manam-pahaizana momba ny tantara iray antsoina hoe Socrate le Scolastique dia nanoratra toy izao: “Saika ireo fiangonana rehetra nanerana izao tontolo izao dia nankalaza ny zava-miafina masina (ny fanasan’ny Tompo) rehefa Sabata isan-kerinandro.” – EC, b. 5, t. 289. Antony maro no mahatonga ireny toe-javatra momba ny Sabata ireny ho voasoratra ao amin’ny Filazantsara, saingy tsy natao hampanalavirana ny olona amin’ny Sabata izany.

Vakio indray ny Mat. 12:12 ka mifantoha amin’ny fehezanteny hoe: “Koa amin’izany dia mety ny manao soa amin’ny Sabata.” Inona no hevitr’izany raha ny toe-javatra natrehin’i Jesôsy no jerena? Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny tokony ho  fitandremana ny Sabata? 

Nanome lalana ny fanomezam-panafody ny olona iray efa marary mafy ny lalàna jiosy, saingy tsy nianina tamin’izay i Jesôsy. Ny fanasitranana, na dia izay fanao amin’ny andro hafa aza, dia azo atao rehefa Sabata. Jereo izay nolazain’i Jesôsy taoriana kely, toy izao izany: “Koa amin’izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany zava-baovao sy ela” - Mat. 13:52. Tsy misy isalasalana fa namoaka zava-baovao avy amin’ny firaketany koa i Jesôsy.

Vakio ny Isa. 58:7-13. Ahoana no itondran’ireo andininy ireo fanampim-panazavana amin’ny hevitry ny tena fanarahana marina an’Andriamanitra sy ny fiainana araka ny fitsipika manan-danjan’ny lalàna, izay mahafaoka ny Sabata? Ahoana no hanampian’ny fahalalantsika ny hafatry ny anjely telo hahatakatra bebe kokoa ny hevitry ny hoe “mpamboatra ny rava”?

Pejy ambony

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Tsy tokony hampisalasala izany - 1 Jao. 5:13

Filentehan’ny masoandro: 5.26


Nisy olona nilaza fa “Na misy na tsy misy ny fivavahana dia hanao ny tsara ihany ny olona tsara fanahy, ary hanao ratsy ny ratsy fanahy. Saingy raha misy olona tsara fanahy manao ratsy dia misy ifandraisana amin’ny fivavahana izay.” Tamin’ny taona 1600 tany, ilay mpandinika frantsay antsoina hoe Blaise Pascal dia nampitandrina fa “Tsy tena manao ratsy tanteraka sy tsy amim-pisalasalana ny olona raha tsy noho ny faharesen-dahatra ara-pivavahana ao aminy.” Somary diso tafahoatra izany fandinihana izany, saingy mampalahelo fa misy fahamarinana kely ihany ao anatiny. Hita ao amin’ny hevitry ny lesona tamin’ity herinandro ity momba ireo Fariseo sy ny Sabata izany fahamarinana ao amin’io fandinihana io izany. “Rehefa nitodika tamin’ny Fariseo Jesosy ka nanontany azy raha mety ny manao soa na ny manao ratsy amin’ny andro Sabata, ny mamonjy aina na ny mamery aina, dia ny fikasan-dratsiny no nentiny nifanehatra taminy. Nihaza ny ain’i Jesosy tamin’ny fankahalana mangidy izy, nefa Izy kosa namonjy aina ary nitondra fahasambarana ho an’ny vahoaka marobe. Mety kokoa ve ny mamono olona amin’ny Sabata, araka ny fikasan-dratsin’izy ireo, toy izay manasitrana ny tra-pahoriana araka izay ataony? Mety kokoa ve ny mamono olona ao am-po amin’ny andron’Andriamanitra, toy izay ho tia ny olona rehetra, dia fitiavana miseho eo amin’ny asa famindrampo.” – IFM, t.298. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  • Inona no tian’i Jesôsy hambara rehefa nilaza Izy hoe: “Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-drà” - Mat. 12:7? Eo am-pitadiavanao ny valin’izany dia diniho ireto toko sy andininy ireto: Mat. 9:10-13; Hôs. 6:6; ary ny Isa. 1:11-17.
  • Araka ny hevitrao, nahoana ny Kristianina maro, eny, na ireo olona izay tena mahatoky sy tia an’i Jesôsy aza, no mikiry mandà tsy hanaiky ny Sabata, na dia eo aza ny porofo goavana hitantsika ao amin’ny Baiboly? Inona no azontsika atao, ho fanampin’ny fanehoana ny porofo avy ao amin’ny Baiboly, izay mety hanampy ireny olona ireny hisokatra kokoa amin’ny fahamarinana momba ny Sabata?
  • Ahoana ny fomba fitandremanao ny Sabata? Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manao fanandramana lalina sy manan-danja kokoa avy amin’ny fitandremana ny Sabata?
  • Hoy i Jesôsy hoe: “Mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” Anontanio ny tenanao hoe: fomba ahoana no hahafahanao manamaivana ny entana sy hahamora ny zioga entin’ireo manodidina anao?

Pejy ambony